Efa zanak’Andriamanitra ve ianao ?

41. ari.malala ( 07/08/2009 13:41)
Somary nampalahelo fa toa ratsy fiafara ilay fifanakalozana (Ilay "homba anao ny Tompo" lasa niafara @ "occupe-toi de tes oignons" ...)
:-D :-D :-D :-D
42. ikaretsaka ( 07/08/2009 15:56)
bor2lais:

Somary nampalahelo fa toa ratsy fiafara ilay fifanakalozana (Ilay \"homba anao ny Tompo\" lasa niafara @ \"occupe-toi de tes oignons\" ...)

Mamelà ahy mba hanao fanamarihana kely momba ny fomba fitoriantsika.

Ekena tsy iadian-kevitra fa antsoina hanambara ny filazantsaran\'ny famonjen\'i Kristy ny Kristiana tsi11. Saingy tsy anjarany kosa ny manery ny olona hino izay hambarany : marina ny voalaza etsy ambony hoe avy amin\'Andriamanitra ny finoana.

Ny fanerena (na mivantana na ankolaka) mantsy dia taratry ny fianteherana amin\'ny herin\'ny tena fa tsy amin\'ny herin\'Ilay naniraka.

Manambara no anjarantsika fa Azy kosa ny fandresen-dahatra. (Mariky ny fanetren-tena koa izany !)

Ka io fomba fitoriantsika io angamba no tsara tandremana (mahalala ny onony ohatra fa sao sanatria lasa \"harcelement\" indray) sao dia mifanohitra amin\'ny antenaina ny hitranga.

Ialako tsiny fa hevitro manokana io (ka avereno aty amiko raha toa ka ...) ary ny tanjoko dia ny hisian\'ny dinika mampandroso sy mahasoa hatrany !

Dia mazotoa daholo ary !

marina tanteraka

43. rijadolly ( 07/08/2009 17:24)
Raisoko ho hadisoko ny tsy nanambara ity teny fanaoko ity mba tsy hitaran'ilay hoe miasa sa mitory,Indro ambarako eto indray fa tsy afaka misaraka ny mitory sy ny miasa ho an'Tompo tsindriko tsara miasa ho an'Tompo eny fa na dia ny mitory koa aza.Efa nahiko ihany ilay fiafarany ka izany ny nahatonga ahy nananmbara oh zao satria
za hoe:
ari.malala sy fidinirina>>> in le lesona tianareo avoaka? sao dia hitory an'Filazantsaran'Kristy ihany sa hafa?
(l) natahotra aho hoe hiafara amin'zv hafa izy ty kanjo tonga.Sady voamariko fa oh tsy mba manamarina ny hevitra marina alefan'iray aminareo mihitsy ianareo fa mananga kevitra fotsiny,mba somary avereno kely ilay hevitra marina alefan'iray dia milamina tsara ny adihevitrareo (l)http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m4a550012ab36d
44. ni81 ( 07/08/2009 17:40)
ko raha tsy pelaka ko
sady olona tsy mifankafantatra akory.. raha olona nifankazatra de ie..
:D
Fomba fiteny mihitsy ny "ise" fa tsy hoe ny pelaka ihany no manao io fiteny io, ary raha fitenin'ny pelaka zany dia tsy ho azon'ny tsy pelaka ho ampiasaina intsony? :lol: :lol: ry zareo vitsy an'isa aza afaka sy mahazo mampiasa ka maika fa isika maro an'iza?
45. ni81 ( 07/08/2009 17:44)
natahotra aho hoe hiafara amin'zv hafa izy ty kanjo tonga
hatr@ voalohany dia efa tsy nilamina e! Raharaha tokoa ka...
46. rijadolly ( 07/08/2009 18:06)
http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m4a550012ab36d
47. rzakarivola ( 18/08/2009 09:47)
fidinirina:

Mety ho problemako mihitsy r’ise lay izy satria zaho efa nahazo baiko hoe « mandehana any amin’izao tontolo izao (eny hatrany amin’ny faran’ny tany) ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra ary ataovy mpianatro ny firenena rehetra ». Matahotra tokoa aho ny hifanatrika amin’Andriamanitra raha tsy nahavita ny iraka nampanaoviny ahy. Fantatro fa tompon-tsafidy amin’ny tenany anefa ny tsirairay ary nampatsiahy fotsiny no nataoko sao dia nisy nanadino sy nampahafantatra ho an\'izay mbola tsy nahalala mihitsy.

==> Mahafaly ny foko ny mamaky ny soratr\'i Fidinirina, araka ny voasoratra hoe \"fa misy fifaliana lehibe any an-danitra\".
Ny amin\'ireo fahadisoan\'ise, soa ihany fa teo KRISTY sady eo rahateo, efa nandray ny tsiny rehetra teo amin\'ny hazo fijaliana. Soa ihany koa fa i KRISTY no miasaa @ny alalantsika, ka na dia diso aza isika, IZY tsy mba mety diso velively, na malemy aza isika, IZY mahery sy tompon\'ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany. IZY dia ny teniNy sy ny fampianaraNy izay ampitain\'i Fidinirina sy ireo rahalahy, anabavy ary reny rehetra eto. IZY anie hampitombo an\'ise ao amin\'ny FIANGONANA, amin\'ny alalaNy ihany.
48. rzakarivola ( 18/08/2009 11:53)
fidinirina:

Efa zanak’Andriamanitra ve ianao ?

==> Izaho mino ny Zanaka Lahitokan' Andriamanitra, dia Jesosy Kristy, Tenin' Andriamanitra velona. Te hanontany an'i Fidinirina aho, aminao iza i Jesosy? (ianao no anontaniako fa tsy ny Baiboly manontolo eto an, témoignage-nao).

Ny fitenenana hoe Lahitokana dia midika fa tsy manan-janaka lahy hafa Andriamanitra ... fa possible hanana zanaka vavy Izy izany. Ary ny ZanaNy vavy dia ny Fiangonana, izay taolan-tehezan'ny Lahy ihany, notsoahina tamin'ny Lahy.
i Jaona Apostoly dia nampita izao fampianaran'i Jesosy izao : "Izay mino fa Jesosy no KRISTY dia naterak'Andriamanitra"
49. rzakarivola ( 18/08/2009 11:58)
ikaretsaka:

Tsy problemanao ny maha zanak'atra an'izatsy sy zaroa fa azy sy atra izany... satria rehefa tonga ny confrotation any aoriana any de tsy ho eo ianao hanao hoe ilay io koa zanakao razezo fa nitoriana ny teninao sy nataonay batisa t@ anaranao...

==> Hitako mihitsy iny, tsy probleman'olombelona ny maha zanak'Andriamanitra ny hafa (samy olombelona) fa probleman'i KRISTY, araka ny nolazainy hoe "Ny sitrapon'izay naniraka ahy dia ny tsy hamelàko hisy ho very izay rehetra nomeNy ahy, fa hatsangako indray izy @ andro farany".
Izao fahasahiana sy fahavitrian'i Fidinirina mitory ny tenin'i Kristy izao maneho amiko fa isan'ny momba ny tenan'i KRISTY koa izy.
50. rzakarivola ( 18/08/2009 12:01)
xxx:

Misaotra ry fidinirina a! mazava be fa ny indro kely sady mampalahelo de misy tsy zanak'Andriamanitra mitsy ao , mihidy @ karetsaka ny fony de tsy mety mivoha

==> Angatahintsika ny Tompo hamaha ny target @ fotoana mahamety azy e. Raha Jesosy no tsy mahavoa, iza no hahavita ?
51. rzakarivola ( 18/08/2009 12:04)
fahamarinana:

:arrow: Iny kosa angamba tsy isika olombelona koa no manana fahalalana sy fahefana milaza fa zanany izato na zanany izary ! sa ? (l)

==> Tsy fahefan'ny olona ny mahatonga olona ho zanak' Andriamanitra, tahaka ny tsy ananany fahefana hahatonga ny olona (velona na efa nodimandry) ho masina. Hoy mantsy ny voasoratra hoe "efa nomena ahy ny fahefana rehetra" ... tsy misy fahefana tsy avy amin'i KRISTY izany.
52. rzakarivola ( 18/08/2009 12:10)
ikaretsaka:
... Sy nitsimponiny handresena ny olona fa ze henony tany an'efitra. Izay atao

==> Nandinika tsara ity fanamarihan'Ikaretsaka ity aho ary hitako fa tena mitombina, samy hafa mihitsy ny olona mamerina fotsiny ny voalazan'ny hafa sy ny manana expérience personnelle @i Jesoa Kristy.
Niverina nandinika ny soratr'i Fidinirina aho dia izao ilay tao "izaho no nahazo baiko hoe ...". Ary hitako fa mitovy @ baiko azon'ireo Apostoly fahizay izany.


ikaretsaka:

Na I dadanareo aza tsy hisolo vava anao na matahotra raha tsy nampianatra anao rehefa seul a seul @ Atra ary tsy ho eo ianao hisolo vava anazy dia aleo ilam

==> Marina mihitsy izany, raha ny voasoratra ao @ Baiboly no inoana. Iray ihany no afaka hisolo vava : Jesoa Kristy. Raha izany no zavatra torian'ny namana eto dia tena araka ny Baiboly izany. Ary izay mitory mifanohitra amin'izany dia manohitra ny fanambaran'ny Baiboly.
53. rzakarivola ( 18/08/2009 12:24)
Nandra1:

Rehefa nandinika ela aho de nahatsapa fa na dia betsaka aza ny mpialona, mpanaratsy sy tsy tia ary manenjika anao dia aza mitsahatra ny mivavaka ho azy ireo. Maro no voatohina @ teny tsy misy kilema ary tsy misy ny olombelona tonga lafatra fa tsy maintsy hisy foana tia tena, tia voninahitra, te ho voalohany sns........ Izay ilay hoe mandefera @ zavatra rehetra fa izay no atao hoe fitiavana.

==> Ny zavatra hitako amin'izao ry namana an, dia tahaka ilay t@ andron'i Jesosy nofo aman-drà, na dia noraràn'i Jesosy tsy hiteniteny aza ireo olona dia tsy nahay nangina satria tena tsapan'ny fon'izy ireo ny fahasitranana sy heriNy.
54. rzakarivola ( 18/08/2009 12:33)
fidinirina:

Ary raha mazoto enao dia vakio ny Apokalypsy iray manontolo fa mbola betsaka ny loza hitranga ambaran’i Jaona rehefa ho tapitra izao tontolo izao. Jaona efa nanatri-maso hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany ny hiafaran’izao tontolo izao.
Koa izay rehetra tsy mandray ny fitiavan’Andriamanitra sy Jesoa Kristy mpamonjy antsika no voakasik’io teny io.

==> Maro be ny olona tsy te hamaky an'io boky io satria "fampitahorana" hoy izy ireo. Mety tsy ny zavatra tantarainy ihany, fa ilay hoe "izay manampy @ voasoratra ato dia miampy ny ozona azony, ary izay manala dia mihena ny fitahiana azony". Sarotra be ho an'ny olona izany ny mandray ilay hoe "ary ny faminaniana dia filazana an'i Jesosy".
55. rzakarivola ( 18/08/2009 12:39)
ari.malala:
ary tsy fampitahorana mints no tanjona.

==> Marina ity. Tsy fampitahorana mihitsy ny tanjon' Andriamanitra, ary ilay teny voasoratra aza mampiseho izany : "Ny fatahorana an'YAHVEH no fiandoham-pahalalana". Ny hahalalana an' Andriamanitra no tanjona, araka ilay nolazain'i JK hoe "Ary ny fiainana mandrakizay dia ny mahafantatra anao andriamanitra tokana sady marina ...".


ari.malala:

Aoka ho tadidinao fa Andriamanitra d Fitiavana, d raha t hitory sy hampahafantatra ny oul momba Azy d izay maha Fitiavana Azy izay no tsara avoitra, fa tsy ny fampitahorana sy ny loza hanjo sns...

==> Marina koa ity, dia ny maha FItiavana an' Andriamanitra, ka na inona na inona ataon' Andriamanitra dia noho izay FitiavaNy ny olombelona izay, na fanambatambazana, na fampaherezana, na fitahiana, na fampitandremana, na famaizana, ... dia fitiavana daholo no anaovan' Andriamanitra ireo. Ny fitiavan' Andriamanitra ny olona dia lazaiNy azy ireo ny marina rehetra.
56. rzakarivola ( 18/08/2009 12:51)
ari.malala:

I Jesoa no niteny hoe tsy misy mahay manatona ahy raha tsy taomin'ny Ray. Azo amarinina izany raha tianao.

==> Tenin'i Jesoa mihitsy io, ary tsapako ny fahamarinany, tsy noho ny maha voasoratra azy ao anaty Baiboly fotsiny, fa noho ny niainako azy.


ari.malala:

Tsy niteny mints ah hoe tsy maintsy hiandry ora farany vao hino sns... sady zany mamak baiboly, mivavaka, mino sns, conviction personnelle izany. Tsy mila vazavazaina eraky n tany tontolo akory vao hita hoe iny mivavaka, fa raha tena mpanaradia ny Tompo marina tokoa d ny atao mahasarika.

==> Meo jiro aho eto fa tsy mahazo. Ouz enao hoe "personnelle izany", kanefa indray hoe "mahasarika", atao ahoana no voasarika raha tsy hita ? Rehefa miseho ampahibemaso ve ilay finoana tsy hoe hita izany ? sa tsy azoko e! Meo torche ouz!


ari.malala:

Ahoana hoy Jesoa t@ le namandrika azy momba ny namana?

==> Ny tena mahagaga @iny d ilay namandrika no azon'ny fandrika nataony. Zah koa ary mba voafandrika, hatrizay aho nihevitra fa ilay nasiana soa no namana. Tsy diso ny ahy ka, fa kay samy namana na ilay Samaritana na ilay voaendaka. Fa ho an'ilay nanontany hoe "iza no namako?", dia izy ihany no nasain'i Jesoa namaly, dia izao no valiny no meny hoe "ilay Samaritana". Izy Jiosy mpankahala Samaritana no ni-conclure hoe "ilay Samaritana no namana".


ari.malala:

mandehana ka manaova toy izany koa, izany hoe aza lany andro mitabataba eraky ny lalana sy ny vazamontotra hoe zao ka zao ka zao, fa asehoy @ alalan'ny fihetsikao ety ivelany ny maha mpianatro anao. Izay no tena toriteny mandaitra.

==> Ity koa marina mihitsy, satria izao no tenin'i Jesoa KRISTY hoe "ny didiko dia ny mba hifankatiavanareo, fa izany no hahafantaran'ny olona fa mpianatro ianareo". Iza tokoa no andrasana (hahay) hifankatia fa tsy isika mpianatr'i KRISTY.
57. rzakarivola ( 18/08/2009 13:06)
ari.malala:

d nenao zan lozanao "mitory" fa ts misy action?

==> Aiza no manambara an'ity?


ari.malala:

nefa ny finoana ts arahin'asa manin mou?

==> Maty! Raha misy olona tsy mino akory fa nirahina hitory kanefa mitory dia miasa tsy amin'ny finoana izy. Raha misy olona koa nirahina hitory kanefa tsy mitory, dia tsy miasa izy. Raha misy olona mino an'i Jesoa kanefa tsy mankato ny teniNy dia ho faty ny finoany. Raha misy tsy mino an'i Jesoa, tsy hahay hankato ny teniny na oviana na oviana.


ari.malala:

d raha oul noana ian kou no itorianao d mihevitra ve enao fa hisy dikany ny fitorianao? Isan'ny asa fa tsy kabary lazaiko ohatra ny ataon'ry père Pedro ny ataon'ny masera miandraikitra ny maisons de la charité...

==> Marina mihitsy fa matoa nataon' Andriamanitra nitafy nofo toy ny biby ny olona, dia ilaina dia ilaina kojakojaina izany fitafiana izany mandrapahatongan'ny fotoana voatendry hialàn'ny fanahy ao ka hihaonana amin' Andriamanitra. Noho izany, izay noana ara-nofo dia sakafon'ny nofo no sahaza azy, normal be hoe ny nofo no tonga d hitan'ny olona voalohany. Izay noana ara-panahy no omena sakafon'ny fanahy, dia ilay antsoin'i Jesoa hoe "mofo avy any an-danitra".
58. rzakarivola ( 18/08/2009 13:31)
Ratoa:

mety hirenireny koa raha tanora ka. Saingy: il n'est jamais trop tard pour bien faire.

==> sauf si la porte est fermée ... Mampahatsiahy ahy tenin'i Jesosy maromaro ity teninao ity.
59. rzakarivola ( 18/08/2009 13:34)
rijadolly:
Efa nahiko ihany ilay fiafarany ka izany ny nahatonga ahy nananmbara oh zao satria
[quote=za hoe]ari.malala sy fidinirina>>> in le lesona tianareo avoaka? sao dia hitory an'Filazantsaran'Kristy ihany sa hafa?


==> Izaho miombon-kevitra @ilay teny nentin'i bor2lais maromaro etsy ambony. fanomezam-phasoavana samy hafa, marta sy maria, ...
60. ari.malala ( 18/08/2009 13:35)
razakarivola:
aho:


Tsy niteny mints ah hoe tsy maintsy hiandry ora farany vao hino sns... sady zany mamak baiboly, mivavaka, mino sns, conviction personnelle izany. Tsy mila vazavazaina eraky n tany tontolo akory vao hita hoe iny mivavaka, fa raha tena mpanaradia ny Tompo marina tokoa d ny atao mahasarika.



==> Meo jiro aho eto fa tsy mahazo. Ouz enao hoe "personnelle izany", kanefa indray hoe "mahasarika", atao ahoana no voasarika raha tsy hita ? Rehefa miseho ampahibemaso ve ilay finoana tsy hoe hita izany ? sa tsy azoko e! Meo torche ouz!


Io ilay fahavoazan'ny tsimpona!! mamakia tsara anie azafady e! conviction personnelle no nolazaiko fa ts hoe personnelle! na azo raisina iany koa hoe personnelle, satria ts voatery mintsy ah hivazavaza hoe zà anie rey olona ka izao ka izao ka izao, ny momba ilay ny atao mahasarika indray d io efa lazaiko foana hoe hita taratra @ ataon'ilay olona ety ivelany foana, na @ fomba fiteny na @ fietsika sy fanao andavan'andro hoe olona manana an'i Kristy v izy sa manao akory. Ny antony nandraisako ilay ohatra momba ilay jiolahy ndray d zao na hitory faha 100 faha 1000 eo az enao fa le oul ts hiova d very maina ny ezakao, nefa tsy hainao, ts haintsika izay mety hikasihan'i Kristy ny fony @ ora farany. Izany nefa hoy aho ts midika fa ts maints miandry ny ora farany, fa azo atao d azo atao tsara mitsn ny miomana dieny mialoha b satria tsisy mahalala ilay andro eny na d ny Zanaka aza.

Iverenako ny lohahevitra, tsy ny olombelona mints no concerné @ maha zanak'Andriamanitra ny oul1 fa anazy sy Atra izany. Nga enao nivazavaza nitory sy reraka ni taper clavier teto io hantsoina refa mby @ fitsarana farany hoe avia kely enao, ahoana n momba ity oul ity? izy sy Atra no eo d aleo ny anazy hoanazy...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0083