Izaho izany a
1. niryna
(
20/07/2009 23:26)
Nisy namako iray izay tato niaraka nifampizara ny tenin'Atra tamiko foana ,niaraka nifampianatra izahay ary nahafinaritra ahy tokoa ilay tenin'Atra nifampizarainay.Indray andro anefa dia hoy izy hoe tsy mankany an-danitra hono aho fa tsy miangona ny Asabotsy,tsy mankany an-danitra hono aho fa mihinana henan-kisoa.
Ahoana no hevitrareo,ny fihinana kisoa na ny tsy fihinanana kisoa izany dia ho adinina amintsika koa rehefa tonga any an-danitra ?
Ny andro sabotsy tsy nandehanako niangona izany dia mbola ho adinina amiko koa fa tsy niangona asabotsy aho fa alahady no nandeha ?
Ahoana ny eritreritrao amin'izany?
(l) niryna

novalian'i niryna ny 29/08/2009 18:04
2. Lejoba
(
21/07/2009 00:17)
advantista ilay namanao, olana interprétation teny ao @ Baiboly io http://www.dailymotion.com/relevance/search/alahady/video/x5gijn_groupe-daniel-asabotsy-sa-alahady_music
4. rakapy
(
21/07/2009 05:50)
Niryna> Amiko manokana dia hita fa tsy mafy orina ny finoanao raha toa ka zavatra hoatra izany dia mahataitra sy mampivara-hontsana anao.
5. ari.malala
(
21/07/2009 06:30)
rakapy:
Niryna> Amiko manokana dia hita fa tsy mafy orina ny finoanao raha toa ka zavatra hoatra izany dia mahataitra sy mampivara-hontsana anao.
:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
6. bobone
(
21/07/2009 07:50)
tsy voatery hoe raha tsy miditra ampiangonana asabotsy dia tsy miditra ny lanitra e! fa ny fo nao madio mandray ! manaiky ny hotapahan'i Jeso ny fiainana rehetra ! ny aminao rehetra! manaiky ho Tompo sy mpamonjy @ fiainana manontolo no miditra any ! na miditra ampiangonana tsy tapaka ny asabotsy aza ! nefa tsy manao ny sitrapon'Atra dia zava-poana izany!
izay mino ny Raiko no hanana fiainana mandrakizay hoy ny Tompo

7. fahamarinana
(
21/07/2009 07:55)
bobone:
na miditra ampiangonana tsy tapaka ny asabotsy aza ! nefa tsy manao ny sitrapon'Atra dia zava-poana izany!
izay mino ny Raiko no hanana fiainana mandrakizay hoy ny Tompo
:arrow: Io tokoa no mahavaly azy akia niryna a!...raha mahavita asabotsy sy alahady moa maninona fa tsy tokony ho sakana na ahatonga ahiahy !
Amiko monja zay an ,za koa tsy mbola lafatra sy kamo vavy ! (l)
8. ari.malala
(
21/07/2009 12:55)
Sanatria tsy mihomehy loza aho na manenjika, fa izao ilay hoe ny atody tsy misy fa ny akoho no miverina :-P
9. niryna
(
21/07/2009 15:22)
Lejoba:
advantista ilay namanao, olana interprétation teny ao @ Baiboly io http://www.dailymotion.com/relevance/search/alahady/video/x5gijn_groupe-daniel-asabotsy-sa-alahady_music
Misaotra betsaka Lejoba tamin'ilay hira ... Tsara mihitsy ilay hoe na miangona sabotsy na miangona alahady sns ...
Izaho aloha tsy nijery hoe inona ny finoan'ilay olona fa toy ny rehetra mizara ny tenin'Atra eto dia ny fampahafantarana ny famonjena avy amin'i kristy no tena nimasohana eto satria na inona na inona misy ny olona rehefa mahafantatra an'ilay kristy no famonjena dia efa ampy izay saingy taty aoriana dia lasa niova be ilay izy dia hoy aho hoe alefaso aty ny pork chop-nao fa endasiko ataoko matsiro tsara .Ha,ha .Nalahelo be azy aho,nalahelo ilay fiarahanay teto koa aho saingy nivoaka izany ny fombany dia teo dia nasesiny ahy foana ilay izy isaky ny mifanoratra ahy izy
10. niryna
(
21/07/2009 15:27)
xxx:
Ny sasany aza mbola voatery miasa asabotsy koa ahoana ny @ izany ?
ka taloha tany amintsika anie dia tsy nianatra tokoa ny ankizy izay niangona ny sabotsy e.
Lazaiko tantara kely hianareo ?
Tonga tao amin'ilay lehiben'ny fokontany izany ireto olona sivy .Ny antony dia nandainga izy ireo fa navelan'ilay lehiben'ny fokontany tsy amafa lalana hono ry zareo ny Asabotsy ka dia nampifanatrehan'ilay rangahy izy ireo miaraka ny komity tao amin'ilay fokontany.Hoy ilay rangahy hoe tsy niteny anareo aho hoe aza mamafa lalana hianareo fa ny noteneniko dia hoe rehefa tsy afaka na iza na iza dia manakarama olona anao ny asanareo.
Asa aloha ireny olona ireny raha olona tsy mahazo miasa ny Sabotsy koa fa dia nivoaka tsikelikely ry zareo ary asa na nandoa ny dina na tsia fa teo no nifarana ny tantara
11. niryna
(
21/07/2009 15:28)
rakapy:
Niryna> Amiko manokana dia hita fa tsy mafy orina ny finoanao raha toa ka zavatra hoatra izany dia mahataitra sy mampivara-hontsana anao.
hi,hi diso fihevitra sy mitsara amin'ny tsy misy dikany hianao,mizara no ataoko eto dia mitantara ny zava-misy aho .,ha,ha,ha
12. niryna
(
21/07/2009 15:32)
bobone:
tsy voatery hoe raha tsy miditra ampiangonana asabotsy dia tsy miditra ny lanitra e! fa ny fo nao madio mandray ! manaiky ny hotapahan'i Jeso ny fiainana rehetra ! ny aminao rehetra! manaiky ho Tompo sy mpamonjy @ fiainana manontolo no miditra any ! na miditra ampiangonana tsy tapaka ny asabotsy aza ! nefa tsy manao ny sitrapon'Atra dia zava-poana izany!
izay mino ny Raiko no hanana fiainana mandrakizay hoy ny Tompo
aleloia ,misaotra aky bobone a,izay koa no tato antsaiko ary nahatonga ahy niteny azy hoe alefaso aty ny kisoa atao saosy mafilotra raha tsy tianao ny ihinananao azy .
Ny tsara ho fantatra fotsiny kosa aloha dia izay voasoratra fa ny mihinana na tsy mihinana dia tsy ahavonjy izany na ahavery saingy raha toa ka milaza ilay olona hoe tsy mihinana henankisoa izy dia tsy tokony arosontsika henankisoa izy noho ny antony izay tsy ihinanany azy izay no mba fantatro aloha fa toy ny mamosavy sy manome maloto olona isika raha manao izany
13. niryna
(
21/07/2009 15:33)
fahamarinana:
bobone:
na miditra ampiangonana tsy tapaka ny asabotsy aza ! nefa tsy manao ny sitrapon'Atra dia zava-poana izany!
izay mino ny Raiko no hanana fiainana mandrakizay hoy ny Tompo
:arrow: Io tokoa no mahavaly azy akia niryna a!...raha mahavita asabotsy sy alahady moa maninona fa tsy tokony ho sakana na ahatonga ahiahy !
Amiko monja zay an ,za koa tsy mbola lafatra sy kamo vavy ! (l)
marina tokoa izany ary misaotra anareo roa aho
14. niryna
(
21/07/2009 15:35)
ari.malala:
Sanatria tsy mihomehy loza aho na manenjika, fa izao ilay hoe ny atody tsy misy fa ny akoho no miverina :-P
hi,hi inona tsara hoe aky ilay fitenindry ? ny tody tsy misy fa ny atao no miverina no efa henoko
ny atody tsy miady amam-bato koa no efa henoko fa tsy mbola naheno izany hoe ny atody tsy misy fa ny akoho no miverina ,avereno aty raha diso aho an
miverina ho aiza ny akoho ry ari-malala ?
15. ni81
(
21/07/2009 16:47)
hi,hi inona tsara hoe aky ilay fitenindry ? ny tody tsy misy fa ny atao no miverina no efa henokomananihany io ry niryna fa fantany ny tokony ho tenenina a! :)
ny atody tsy miady amam-bato koa no efa henoko fa tsy mbola naheno izany hoe ny atody tsy misy fa ny akoho no miverina ,avereno aty raha diso aho an
miverina ho aiza ny akoho ry ari-malala ?
16. rakapy
(
21/07/2009 16:57)
Hoy i Niryna
Nefa hoy izy tery ambony
Tsy fizarana no fahitako an'io fa fitarainana sy fitadiavana fiarovana avy @ hafa. Miendrika fifosana koa @ lafiny iray.
Raha tsy tia kisoa izy inona moa no blem-nao @zany na hanisika sy hamporisika anao aza izy.
:-D :-D :-D
hi,hi diso fihevitra sy mitsara amin'ny tsy misy dikany hianao,mizara no ataoko eto dia mitantara ny zava-misy aho .,ha,ha,ha
Nefa hoy izy tery ambony
Ahoana ny eritreritrao amin'izany?
niryna
Tsy fizarana no fahitako an'io fa fitarainana sy fitadiavana fiarovana avy @ hafa. Miendrika fifosana koa @ lafiny iray.
Raha tsy tia kisoa izy inona moa no blem-nao @zany na hanisika sy hamporisika anao aza izy.
:-D :-D :-D
17. ikaretsaka
(
22/07/2009 03:39)
Nga hono izy efa tany andanitra sa nahazo fahefanabe tahaky ny inona no afaka mamaritra ny hoe ireto sy reto no tafa de reto tsary izy....lalana avy aiza loatra no nahafantarany izany?
Na I md piera aza toa Dikainy raha izany ka hidiny eo ny lakle... mampatsiaro le tenin'rakapy t@ herintaona hoe tsy voatery ho ny manana tapakila akory no mandeha taxibe fa izay entin'ny saofera

18. soanja
(
22/07/2009 04:08)
niryna:
Nisy namako iray izay tato niaraka nifampizara ny tenin'Atra tamiko foana ,niaraka nifampianatra izahay ary nahafinaritra ahy tokoa ilay tenin'Atra nifampizarainay.Indray andro anefa dia hoy izy hoe tsy mankany an-danitra hono aho fa tsy miangona ny Asabotsy,tsy mankany an-danitra hono aho fa mihinana henan-kisoa.
Ahoana no hevitrareo,ny fihinana kisoa na ny tsy fihinanana kisoa izany dia ho adinina amintsika koa rehefa tonga any an-danitra ?
Ny andro sabotsy tsy nandehanako niangona izany dia mbola ho adinina amiko koa fa tsy niangona asabotsy aho fa alahady no nandeha ?
Ahoana ny eritreritrao amin'izany?
(l) niryna
Amiko indray ilay fanazavana ny any an-danitra angamba no olana na tsy ampy na diso torolalana. Aiza marina moa ity an-danitra ity?
Dia raha hain'i Nyrina tsara manazava an'io dia mety tsy hatahotra ny olona mihaino sy manantena ny fanampianao.
Ny olana mantsy raha ny fahitako azy dia be loatra ny tahotra asesika amin'ny Mpino ka zary mivenjivenjy ny fanahiny.
19. ari.malala
(
22/07/2009 05:52)
Ny olana mantsy raha ny fahitako azy dia be loatra ny tahotra asesika amin'ny Mpino ka zary mivenjivenjy ny fanahiny.Marina tsy azo lavina! Raha tena te hitory marina an'Andriamanitra dia ny maha Fitiavana Azy no aseho sy ampideraina ny olona fa tsy ampitahorina ny olona!
20. rakapy
(
22/07/2009 06:26)
hoy Ika>
Nefa ary indraindray ireo noentiny soafera dia lany disc embraiazy any atsimon' Ambavatapia :-D :-D :-D
tenin'rakapy t@ herintaona hoe tsy voatery ho ny manana tapakila akory no mandeha taxibe fa izay entin'ny saofera