Vehivavy mitapaka.

81. milamm ( 31/07/2009 13:36)
mazava rakapy,:D izaho dia karazan'olona manaiky an'ilay fiteny hoe " sarotadiavina ny marina"
82. rakapy ( 31/07/2009 13:54)
mazava rakapy, izaho dia karazan'olona manaiky an'ilay fiteny hoe " sarotadiavina ny marina"

Marina ny voalazanao fa sarotra tadiavina ny marina fa ny @ ity tranga famorana vhv ity aloha dia azo lazaina fa tsy nahitana izany intsony eto M/car. Ny any @ ireo faritra izay mbola mitana izany fomba izany anie ka mitovy @ hoe lhl mitapaka eto M/car ny vhv mitapaka e! Raha tsy mitapaka ny zazavavy iray ka henon'ny namany dia iomehezan'ny namany tahany bandy kely tsy mitapaka eto M/car.
Ny tiako ambara dia hoe tena ao antin'ny fomba tsy maintsy ataon-dry zareo ilay izy.
83. Ratoa ( 31/07/2009 18:22)
Tsy ireo zaza no afaka ny hiray hina fa ireo reny izay efa vory saina sy mahatsapa

Mazava ho azy izany fa hoy aho hoe :
Mety nihoaran'ny tantara ny fomba sasany amintsika satria isika efa afaka mampitahy fa ireo tsy manana occasion anaovana ny fampitahana dia mila fanazana ela dia ela sy be dia be.
Satria takatry ny sainy tsotra! andrôôôô ...
Izahoa aloha mbola tsy naheno hoe misy Score any ambanivohitry El Goleah Mauritanie

Io indray rakapy fa mandray an-tendrony. Tsy ny score no votoatin-dresaka fa ny fivarotana henakisoa ao antina tany izay silamo no ankabetsahan'ny mponina ao aminy. Evidemment tsy misy score any Goleah fa mety hisy. Fa ny anambaràko ny score eto dia enti-milaza fa tsy ny abattoir sy ny sisiny sy ny mpiavarotra kely ihany no mivarotra henakisoa en pays à majoriité musulmane, fa ny fivarotana lehibe toa ny "score" koa.
Ny fandrosona enitiny dia misy na dia tsy betsaka aza.

Oh rakapy â!!! Mba toroy ny namana fa aza afenina ny fandrosoana sy ny tombontsoa moa é!
Izao mantsy: ny havandreniko tsy mamadika . Ny havandraiko manao famadihana. Saingy raha mifindra fasana ihany ry zareo no manao izany.
Ohatra indray: ny renin'ny raiko dia maty tanora. Ny fasandrazan'ny rain'ny raiko tsy azo ilevenana fa anatin'Antananarivo. Dia nalevina teny amin'ny ray amandreniny ny renibeko. (en 1945). Telopolo (30 ans après) taty ahoriana dia nahavita fasan izy miralahy avy ka nafindrany ny reniny. Nanao fety be izahay tamin'izay. Nasaina na havana lavitra tsy mbola hitako maso aza ary koa ny tanàn'Ambohimanga iray vohitra. Be ny lany, be havizanana. Asa inona no nentin'ilay famadihana fa ny saiko tsotra dia tsy nahita ary mbola tsy mahita tombon-tso hatrizao.
Lzao re rakapy ilay tombontsoa ô!!!! Lazao amiko re ny antony fa tsy hitako é! Indrissssssy mantsy ry fomban-drazako
Tsy hoe voatery izay mifanaraka @ baiboly sy ny Coran sns... ihany anie ry Ratoa no tsy maintsy atao eto an-tany e!

Tsy nilaza taminao aho fa tsy maintsy atao izany. Ny mpanompo samy, misy be dia be ao Madagasikar, ny mpisikidy, misy be dia be koa ao, ohatra dia tsy hatsiaro ho voa tery mihitsy satria tsy finoany izany.
Fa rehefa nandray fivavahana na kristiana na silamo na jiosy na finoana hafa dia tsy tokony hanao izay tsy voalaza fa tsy maintsy hatao na efa voararan'io finoana io. Tsy mbola nahita toerana ao amin'ny Baiboly mantsy aho na dia iray teny akory aza, na rakitra hafa milaza ny mahasoa io fomba io. Raha mahita ianao dia mba tsipazo teny kely ihany aho fa mba te halala.
Mba vakio tsara moa ny fanotaniana napetrako e!
Voalaza teo :
Foko Peulh @ firenena aiza ao Afrika moa no nahitanao ireo fanazavanao
?
Mazava anie ny valiteny nomeko anao é!!! Aza mandray an-tendrony hoy aho. Betsaka ny tany afrikana efa nalehako. Izaho dia mifanerasera amina vehivahy afrikana maro avy amin'ny firenena maro , foko isan-karazany sy peulh maro.
Ireo tany notanisaiko dia samy nahitako ny famorana vehivavy daholo. Tamin'ny 1970 aho dia efa nahita vehivavy noforaina.

Satria ny foko Peulh izay mipetraka manodidina ny foko Wolof dia tsy mitovy fomba @ Peulh izay mipetra manodidina ny Touareg ohatra.

Marina izany . Ny tsy fantatrao angamba misy itovizana izy ireo na ara-batana izany na ara-mpomba; asa raha vao tsikaritrao ny nuance mampitovy azy. Ny famorana vhv indray tsy nuance fa zava-dehibe iombonan'izy ireo.
Ny fahasamihafan'izy ireo dia tahaka ny fahasamihafan'ny Merina avaradrano sy ny Merina atsimon-drano, raha ampitahaina amin'ny vakinankaratra izy ireo dia ho bebe kokoa ny marika iraisan' izy ireo . Ary raha izy roaroa koa no ampitahaina be dia be koa ny marika iraisan'izy ireo; Ohatra iray:samy manao azafady manitsakitsaka izy ireo (azafadin'ny merina hoy ny foko hafa). Ka aza mandray an-tendrony ré!!!
MLba valio kely ilay fanontaniana farany é:
Moa ve ianao vonona hanampy hampiely ny hevitra mahasoa sa mihanina amin'ny hady hevitra eto?
84. rakapy ( 01/08/2009 09:09)
Hoy Ratoa
Oh rakapy â!!! Mba toroy ny namana fa aza afenina ny fandrosoana sy ny tombontsoa moa é!

Misy tombotsoa sy lafitsarany azo avy amin'ny famadihina tokoa Ratoa fa ianao angamba no tsy mahay mijery na minia tsy mahita ka ny lafiny tenanao ihany no jerenao sy hitanao. Ireto misy ohatra @ lafitsaran'ny famadihia :
-Fotoana iray fampiraisana sy ifampahalalanan' ny mpianakavy na lavitra na akaiky.
-Fampitana sy fampahafatarana ny razana @ taranaka mandimby
-Mitondra asa ho an' antokon'olona maro( mpanao lamozika, mpivarotra hena, mpivarotra lamba sns...
Tsy hoe voatery izay mifanaraka @ baiboly sy ny Coran sns... ihany anie ry Ratoa no tsy maintsy atao eto an-tany e!

Tsy nilaza taminao aho fa tsy maintsy atao izany. Ny mpanompo samy, misy be dia be ao Madagasikar, ny mpisikidy, misy be dia be koa ao, ohatra dia tsy hatsiaro ho voa tery mihitsy satria tsy finoany izany.
Fa rehefa nandray fivavahana na kristiana na silamo na jiosy na finoana hafa dia tsy tokony hanao izay tsy voalaza fa tsy maintsy hatao na efa voararan'io finoana io. Tsy mbola nahita toerana ao amin'ny Baiboly mantsy aho na dia iray teny akory aza, na rakitra hafa milaza ny mahasoa io fomba io. Raha mahita ianao dia mba tsipazo teny kely ihany aho fa mba te halala

Ilay fomba fandraisanao ny hevitro mihintsy tsy mazava amiko.
MLba valio kely ilay fanontaniana farany é:
Voalaza teo :
Moa ve ianao vonona hanampy hampiely ny hevitra mahasoa sa mihanina amin'ny hady hevitra eto?

Ny hoe hampihely hevitra aloha dia arakaraka ilay definition-nao @ ilay fampihelezana. Izaho rakapy aloha dia tsy handeha hanao sensibilisation ny hevitra momba ny fisakanana ny "female circumcision" eny an-dalambe na isan-tokatrano na @ radio sy tv sns... fa kosa vonona ny hampahala izay olona mety liana ny hihaino ny hevitro momba izany.

85. Ratoa ( 01/08/2009 13:20)
Fotoana iray fampiraisana sy ifampahalalanan' ny mpianakavy na lavitra na akaiky.
-Fampitana sy fampahafatarana ny razana @ taranaka mandimby
-Mitondra asa ho an' antokon'olona maro( mpanao lamozika, mpivarotra hena, mpivarotra lamba sns...

Izay havan-tetizina any aloha dia tsy hitako mihitsy izay ilako azy. Tsy fantatro izy, tsy ifaneraserako ka ataokoinona? Tsy andaniako vola sy ron-doha satria tsy hitako izay fahasoavana ho ahy entin’ny fandaniam-bola sy andro aminy. Ny kibon’olona izay tsy fantatro sy tsy ilaiko no feno ary ny paosiko no goana. Ny havana akaiky efa fantatro ary mifampizara ny manta sy ny masaka amiko. Mifanolo hevitra sy anatra amiko. Ampy ahy izay.
Efa misy ny boky sy ny zohy isan-karazana amantarana ny tantara niaviana dia ampy ahy izay. Raha ohatra moa izany , ohatra hoy aho, zohina ka hita fa mpihavana isika sy rakapy , dia maninona? Hitondra inona ho ahy ny fahalalako izany? Hitondra inona ho an-drakapy ny fahalalana izany?
Tsy anjarako ny mitondra asa ho an’ireo olona maro voalazanao. Ny mifanapa-tsinay amiko aza tsy omeko asa. Anjaran’ny fanjakana sy ny be an’I tànana no manome asa na condtions afahan’ny mpivarotra isan-karazina lazainao miasa fa tsy ahy mihitsy. Izaho aza misonenika vao mihinana.

Tsy hoe voatery izay mifanaraka @ baiboly sy ny Coran sns... ihany anie ry Ratoa no tsy maintsy atao eto an-tany e!
Io sa tsy io ny nosoratanao? Raha io no nosoratanao dia valiako hoe : ny olona nandray ny Baiboly na ny Coran sns…izany hoe mino, dia tokony anaraka ny anatra omen’ny fivavahana sy finoana voarakitra anatin’ieny boky ireny.
Mba ela ihany ne efa namakiako ireny boky firaketan’ny fivavahana ireny fa tsy mbola nahita momba ny famadihana aho hatrizao. Ny fandevenana sy ny fahafatesana no hitako ao, hatrizao aloha.

izay olona mety liana ny hihaino ny hevitro momba izany


izany hoe; ianao izany tsy hanao engagement actif fa miady hevitra fotsiny. Ireo olonamety liana lazainao ireo dia mety ho olona tsy voakasiky ny famorana vehivavy na iray aza fa mba te hiresaka fotsiny.
86. rakapy ( 01/08/2009 13:58)
Hoy i Ratoa

Izay havan-tetizina any aloha dia tsy hitako mihitsy izay ilako azy. Tsy fantatro izy, tsy ifaneraserako ka ataokoinona? Tsy andaniako vola sy ron-doha satria tsy hitako izay fahasoavana ho ahy entin’ny fandaniam-bola sy andro aminy. Ny kibon’olona izay tsy fantatro sy tsy ilaiko no feno ary ny paosiko no goana

Ny ny havanao na ny havan-tetezinao aza ve tsy asinao sira ka dia izay vhv any Afrika mivositra no handanianao ny volanao sy ny ron-dohanao?
Mba mahagaga izany. Very ilay fihavanana maha-Malagasy raha toa anao avokoa ny Gasy.
ohatra hoy aho, zohina ka hita fa mpihavana isika sy rakapy , dia maninona? Hitondra inona ho ahy ny fahalalako izany? Hitondra inona ho an-drakapy ny fahalalana izany

Amiko dia misy voka-tsoa lehibe ny fahafantarako fa mpihavana isika.
- Mba hitandremako sao manambadibady havana aho na ny zanako.
-Raha misy ny hifanampiana eo @ fiananana sns...
Tsy anjarako ny mitondra asa ho an’ireo olona maro voalazanao. Ny mifanapa-tsinay amiko aza tsy omeko asa. Anjaran’ny fanjakana sy ny be an’I tànana no manome asa na condtions afahan’ny mpivarotra isan-karazina lazainao miasa fa tsy ahy mihitsy. Izaho aza misonenika vao mihinana.

Ny famadihina dia occasion iray ao anaty ny taona ho an'ny olona sasany toa ny mpihira gasy, mpivarokena, mpanao lamba landy sns... mba hampidiram-bola misimisy kokoa nohon'ny andavan'andro ka inona no maharatsy izany? mitovy ny festival iahany io.
Ka tsy ny fanjakana sy ny be ny tanana irery ihany anie Ratoa no manome asa ny olona e, na io mpanampy sy gardien sy chauffeur-nao io ve dia avy @ fanjakana avokoa? Mba alefaso lavidavitra kely ny fisainana.
Mba ela ihany ne efa namakiako ireny boky firaketan’ny fivavahana ireny fa tsy mbola nahita momba ny famadihana aho hatrizao. Ny fandevenana sy ny fahafatesana no hitako ao, hatrizao aloha

Maro ny fombam-drazana eto ambonin'ny tany no tsy voasoratra ao anaty baiboly na ireny bokim-pinoana ireny. Ary raha ny ao anatin'ireny boky ireny ihany no tokony arahana dia na ianao aza tsy afaka ny hanoratra eto @ serasera.
izany hoe; ianao izany tsy hanao engagement actif fa miady hevitra fotsiny. Ireo olonamety liana lazainao ireo dia mety ho olona tsy voakasiky ny famorana vehivavy na iray aza fa mba te hiresaka fotsiny.

Tena marina ny voalazanao. Mitovy ny fandraisanao ilay famadihana ny fahitako ny famorana vhv. Tsy eto M/car no misy olana ka iza no handany andro sy ron-doha ny amin'izany. Ny fireneko eto aza be ny olana tsy mbola voavaha ary mila fanovana ka dia izay famoran'ny Peulh ny vhv ve no anaovako engagement actif???
87. ikaretsaka ( 01/08/2009 16:19)
Za koa de gaga @ le hoe ny hava tetezina tsary asiana sira ko ze gena ary no ivakiana ron doha
88. Ratoa ( 01/08/2009 20:58)
Ny ny havanao na ny havan-tetezinao aza ve tsy asinao sira ka dia izay vhv any Afrika mivositra no handanianao ny volanao sy ny ron-dohanao?
ze gena ary no ivakiana ron doha
Ny olona tsy fantatra mifanena eny amin’ny arabe sy ny havantetezina tsy hary nifanerasera tamiko dia mitovy tanteraka amiko. Rehefa hanambady ny olona dia manadiady hitady ny mahasoa fa tsy ny tiana rehetra no mifanaraka. Iza moa no milaza aminao fa andaniako vola ny afrikana?
ze gena ary no ivakiana ron doha

Andaniako ron-doha izy satria mahafantatra afrikana betsaka izay mifanisy soa amiko aho, ary betsaka amin’ireo vehivavy afrikana fantatro sy mifanerasera amiko ireo no mitapaka. Ireo havantetezina kosa, na ny salova-tavany aza tsy fantatro. Tsy nisy occasion nifaneraserako na nifanaovako soa taminy mihitsy. Ary koa, na miteny aza ny malagasy hoe "ny havana ihany no havana" , miteny koa izy hoe "ny havana ihany no manavangavana". Ka izay nanao soa ahy aloha é!!! Na gena na tsotsoka na shontock na be kitana é!!! Ary tsiahiviko fa ny havandreniko tsy mamadika.

Amiko dia misy voka-tsoa lehibe ny fahafantarako fa mpihavana isika.
- Mba hitandremako sao manambadibady havana aho na ny zanako.
-Raha misy ny hifanampiana eo @ fiananana sns

Araky ny voalazako etsy ambony, rehefa hanambady na hivady mifamakafaka. Ny fiainana efa sarotra ka tsy asarotiko mihaotra noho ny efa sarotra.
Rahefa mifankalala mifanampy é!!!

na io mpanampy sy gardien sy chauffeur-nao io ve dia avy @ fanjakana avokoa?
Ny chaufeur, an’ny fanjakana, mari-marina kokoa an’ilay organisme iasako. Ny gardien sy ny mpanampy dia tonga amin’ilay hoe « mal nécessaire » izy manampy ahy, izaho manampy azy saingy miyakalo vola. Ary notadiaviko izy ireo hanao isan'andro ny asa tsy vitako. Fa ny voalazanao kosa dia « occasionel ».

Maro ny fombam-drazana eto ambonin'ny tany no tsy voasoratra ao anaty baiboly na ireny bokim-pinoana ireny.

Marina mihitsy izany. Saingy nisy resaka fivavahana tao ambony tao. Ary ny fiainako dia ezahako anaraka ny Baiboly izay inoako sy miantso izay mino rehetra mba hiaina araka ny anatra omeny. Izay fotsiny
89. rakapy ( 02/08/2009 15:10)
Lasa mi-derapy be resaka Ratoa a! Resaka vhv mifora no resaka eto fa tsy izay organisme iasanao na ny havan-dreninao tsy mamadika na resaka baiboly sns...ary aza mi se referer @ tenanao fa tsy mitovy aminao daholo ny olona.
Misaotra betsaka
90. Ratoa ( 02/08/2009 17:56)
oh rakapy oh!

hevitra no ampiadina tsy afaka isolo vava ny hafa ao. Ianao no nampiditra ny chauffeur sy mpanampy sy gardien ary fihavanana malagasy.
Ny ahy indray hoe inona no tombontsoa azoko raha miady amin'ny famorana vhv izay efa nilaozan'ny tantara aho ( miady amin'ny fijalian'ny vhv sasany) ary ny famadihana dia ohatra ampisehoana fa tsy ny afrikana irery no manana fomba efa taraiky fa isika koa. Ary misy ampahany anefa amintsika efa miala tsikelikely amin'izany fomba izany.
Veloma oh!
91. rakapy ( 03/08/2009 06:28)
Hoy ratoa
hevitra no ampiadina tsy afaka isolo vava ny hafa ao. Ianao no nampiditra ny chauffeur sy mpanampy sy gardien ary fihavanana malagasy

Tsy izao kosa angamba no nampiditra ny resaka fivavahana na finoana teto @ ity dinika ity fa ianao.Ary noho izay no nahatonga ahy mba nanazava ny kely fantatro momba ny famadihina
Inona no tena anton'ny amadihana? Inona no fandrosoana entin'ny famadihana na marihin'ny famadihana? Inona no tombotsoa ateraky ny famadihana ankaotran'ny mifety?
Mifanaraka amin'ny fampianaran'ny Baiboly ve ny famadihana satria ny betsaka hitako sy fantatro dia mamaky Baiboly, mivavaka, mihira hirampihirana? Sa mifanaraka amin'ny hanatry ny Coran sy Ny Thalmut?

Ilay resaka chauffeur sy mpanampy indray dia noraisinao personnel ilay ohatra fa tsy noraisinao ho cas general ilay izy hany ka nibolila tany @ organisme hiasanao.
Hoy Ratoa
Ny ahy indray hoe inona no tombontsoa azoko raha miady amin'ny famorana vhv izay efa nilaozan'ny tantara aho ( miady amin'ny fijalian'ny vhv sasany) ary ny famadihana dia ohatra ampisehoana fa tsy ny afrikana irery no manana fomba efa taraiky fa isika koa. Ary misy ampahany anefa amintsika efa miala tsikelikely amin'izany fomba izany.
Veloma oh!

Tsara be raha mahita tombotsoa ianao @ fiadina @ famorana ny vhv. Ary ilana tsiny raha tsy ao @ domaine iadididko ny famorana vhv. Resaka sy adi-hevitra ary fizarana ny zavatra fantatro no narosoko fa tsy afaka ary tsy hanam-potoana sy fitaovana ny hiady amin'izany ny tenako.

92. rakapy ( 03/08/2009 06:41)
Comoros Moroni No No
Congo Brazzaville No No
Congo, Democratic
Republic of (7) Kinshasa Yes 5% No
Côte d'Ivoire (8) Yamussukro Yes 40% No
Djibouti (9) Djibouti Yes 98% Yes 90%
Egypt (10) Cairo Yes 97% Yes 70%
Equatorial Guinea Malabo No No

Liberia (18) Monrovia Yes 60% No
Libya Tripoli No No
Madagascar Antananarivo No No
Malawi Lilongwe No No
Mali (19) Bamako Yes 92% Yes 50%
Mauritania (20) Nouakchott Yes 71 % No
Mauritius Port-Louis No No
Morocco Rabat No No
Mozambique Maputo No No
Namibia Windhoek No No
Niger (21) Niamey Yes 20% Yes 5%
Nigeria(22) Abuja Yes 19% Yes 5%/quote]
[quote]Country Capital (Percent of the female
population)

(Percent of the female
population)
Eritrea (11) Asmara Yes 88% Yes 88%
Ethiopia (12) Addis-Abeba Yes 85% Yes 80%
Gabon Libreville No No
Gambia (13) Banjul Yes 80% No
Ghana (14) Accra Yes 10% No
Guinea (15) Conakry Yes 89% Yes 20%
Guinea-Bissau (16) Bissau Yes 30% No
Kenya (17) Nairobi Yes 32% No
Lesotho Maseru No No
Liberia (18) Monrovia Yes 60% No

Country Capital (Percent of the female
population)

(Percent of the female
population)
Algeria Algiers No No
Angola Luanda No No
Benin (2) Porto-Novo Yes 29% No
Botswana Gaberone No No
Burkina-Faso (3) Uagadugu Yes 77% No
Burundi Bujumbura No No
Cameroon (4) Yaunde Yes 20% No
Cape Verde Praia No No
Central African Rep
(5) Bangui Yes 36% No
Chad (6) N'Djamena Yes 55% Yes 5%

Ataoko fa efa fantatrao ny % ny female genital circumcision eto @ faritry Afrika nefa dia mba omeko anao ihany ny data base farany mba hanampiana anao.
Mahereza!
93. ravonjison ( 03/08/2009 14:11)
Nahafinaritra dia nahafinaritra ilay ady hevitra .
94. rakapy ( 03/08/2009 14:19)
Hoy ravonjison
Nahafinaritra dia nahafinaritra ilay ady hevitra

Isaorana anao liana sy nandray anjara t@ ilay ady hevitra. Tsy hoe tonga lafatra fa mba nifanakalozantsika hevitra ary nahita hevitra sy vaovao .
95. Ratoa ( 03/08/2009 14:52)
rakapy ah, efa fantatro ireo marika sy tany asehonao fa dia misaotra na izany aza é!
96. xxx ( 03/08/2009 22:34)
rakapy:

Hoy ravonjison
Nahafinaritra dia nahafinaritra ilay ady hevitra

Isaorana anao liana sy nandray anjara t@ ilay ady hevitra. Tsy hoe tonga lafatra fa mba nifanakalozantsika hevitra ary nahita hevitra sy vaovao .


resaka fandaniandrora fotsiny izy ity fa tsy hita akory izay adihevitra na tsangankevitra mivaingana vita

Ratoa manao resaka mivika, etsy andaniny rakapy manao valy boraingina toa sahobakaka nopahoan'ny akoho. Mbola tsy misahana andraikitra ambony tokoa ka tsy mahafantatra fa tsy vitan'ny valy boraingina sy fizahozahoana fotsiny ity fiainana ity


:-D :-D
97. rakapy ( 04/08/2009 04:55)

resaka fandaniandrora fotsiny izy ity fa tsy hita akory izay adihevitra na tsangankevitra mivaingana vita

Ratoa manao resaka mivika, etsy andaniny rakapy manao valy boraingina toa sahobakaka nopahoan'ny akoho. Mbola tsy misahana andraikitra ambony tokoa ka tsy mahafantatra fa tsy vitan'ny valy boraingina sy fizahozahoana fotsiny ity fiainana ity


=)) =)) =)) =)) =)) Dia mbola hita hatrany ilay maha ambany toe-tsaina ny sasany =)) =)) =)) =)) Na dia miafina ambadiky xxxx aza ianao ry S... dia fantara foana. :-@ :-@ :-@
98. xxx ( 04/08/2009 10:17)
Na dia miafina ambadiky xxxx aza ianao ry S... dia fantara foana.
:roll: :lol: hs: fa angaha rakapy mpiandraikitra ato @ serasera koa no mahafantatra ny oul xxx? :-D :-D
99. rakapy ( 04/08/2009 13:12)
fa angaha rakapy mpiandraikitra ato @ serasera koa no mahafantatra ny oul xxx?
=)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
100. xxx ( 04/08/2009 16:33)
rakapy koa tena mitapaka... tsinay
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5042