Vehivavy mitapaka.

41. Ratoa ( 25/07/2009 21:39)
Tsy izao mihitsy aho vao manadiady fa ny fianarana nataoko efa ho 30 ans izay no efa nahafantarako izany sy nandinihako azy. Fa misy olona eto tena gaga amin'ny fisian'ireny.
Nalazako tery aloha fa ny sinoa vavy ampanaovina kiraro kely amintinina ny tongony mba tsy "handehandeha" fa ao an-trano ao foana. Kilemaina ilay vehivavy ary lasa masinina fiterahana fotsiny fa na ny mivaoka eo an-tokotany aza tsy vitany. Rehefa voageja ohatra izay ny tongotra dia mivonto ny ranjo, mitombo be ny fitombenana. Misy maty koa, tsy mahazaka ny tavin'ny fo.
izany no mafy, izany sa ny incision?
Misy koa vehivavy misakobona totolo andro sao voan'ny fankapanahy ka manaraka lehilahy na maka lehilahy. Fa rehefa tonga ao an-trano alana daholo ireny . Azon'ny vadiny atao izay tiany ao. Misy koa matin'ny alahelo.
Saika adinoko ny vehivavy nomade arabo, atavezina, atao "akoho mifaha" hanome fahafahampo ny vadiny.
Amiko samy loza daholo izany satria manambany vehivavy izay voajanahary , voarin'Andriamanitra tahaka ny lehilahy ny vehivavyka tsy misy mananjo hanambany azy.

Ny olona manao incision na manapaka vehivavy araky ny voalaza ery ambony dia foko iray ataoPEULH; nomade ny ankamaroan'izy ireo. Izany sy sasany ankehitry efa mihaina amin'ny tanàna kely sy ny tanà-ndehibe.
Ny Peulh dia manenika an'Afrika afovoany. Manombaka amin'ny Sénégal ka tonga hatrany frontière an'i Ethiopie. Mihisa ho 10 à 12 millions olona eo ho eo io foko io.
42. Ratoa ( 25/07/2009 21:52)
hoy Ravonjison
Mba ajanony any @ izay izany fomba fisainana primitif izany, fa maharikoriko .
ianao anie no milaza fomba fisainana maharikoriko é! Maharikoriko satria ve miresaka izany? Ka nahoana no nentina teto io resaka io. Saika adinoko:

tamin'ny andron'ny croisades na guerres saintes nataon'ny kristianina tany Eropa dia nihidiana tamin'ny gadana (cadenas) ny vehivavy manambady fa sao mijangajanga . Nampanaovina 'ceinture de chasteté" dia tsy misasa paha-afaverin'ny vadiny. Mba eritrereto ny haimbo sy ny aretina vokatry izany. tsy asian'i eropeana resaka mihitsy izany ankehitry satria tsy ireharehana. Izay ilay fijery mitanila. Fa raha ny mahasoa tokoa no kajiana dia hoa navaoka izany ho anatra sy ho fampisehoana hoe : " izahay koa mba nanao fahabibiana taloha fa efa sitrany izahay izao; mba mivoara koa ianareo.

Ny adalan'nysasany iomehezana fa ny an'ny tena ampiakanjoana.

Ny incision dia opération fanalàna ny "clitoris, na koa ny grandes lèvres -ny fivaviana.
43. ravonjison ( 26/07/2009 10:56)
Ratoa:

hoy Ravonjison
Mba ajanony any @ izay izany fomba fisainana primitif izany, fa maharikoriko .
ianao anie no milaza fomba fisainana maharikoriko é! Maharikoriko satria ve miresaka izany? Ka nahoana no nentina teto io resaka io. Saika adinoko:

tamin\'ny andron\'ny croisades na guerres saintes nataon\'ny kristianina tany Eropa dia nihidiana tamin\'ny gadana (cadenas) ny vehivavy manambady fa sao mijangajanga . Nampanaovina \'ceinture de chasteté\" dia tsy misasa paha-afaverin\'ny vadiny. Mba eritrereto ny haimbo sy ny aretina vokatry izany. tsy asian\'i eropeana resaka mihitsy izany ankehitry satria tsy ireharehana. Izay ilay fijery mitanila. Fa raha ny mahasoa tokoa no kajiana dia hoa navaoka izany ho anatra sy ho fampisehoana hoe : \" izahay koa mba nanao fahabibiana taloha fa efa sitrany izahay izao; mba mivoara koa ianareo.

Ny adalan\'nysasany iomehezana fa ny an\'ny tena ampiakanjoana.

Ny incision dia opération fanalàna ny \"clitoris, na koa ny grandes lèvres -ny fivaviana.



Salut Ratoa a . Tsy dia hitako loatra izay iadiana hevitra eto , izaho sy ianao dia samy d\' accord fa ratsy io fomba ( manantena aho fa ianao koa ).

- Ny maharikoriko lazaiko eto dia ilay fomba fisainana primitif izay mbola misy @ iazo fotoana izao : \" tapahana ny zazavavy na dia tsy manaiky aza izy, defoler ny zazavavy na dia tsy manaiky izany izy , tsy misy mihitsy anefa tombotsoa hoa an\' ilay zazavavy @ izay. \"
Fa ny miady hevitra sy ny mireska ny mikasika izany eto kosa dia mahafinaritra ahy.

-Teto Eoropa dia nisy momba mitovitovy @izany tokoa taloha. Araka ny voalazako metsy ambony, ny Eorpeana dia efa mivoatra lavitra, ka tsy misy izany intsony atý, ary tsy misy antony hiverenany sy hiresahany izany intsony .EFA NIRESAKA IZANY IREO TALOHA TANY. Olana hafa izao no atrehin\' ireo @ izao fotoana izao.. Ka tsy azoko , inona no antony anenjahanao ny Eoropeana .

Vao haingana anefa hitako fa manomboka miresaka izany indray ny Eoropeana, indrindra ireo specialistes, satria betsaka ny mpifindra monina avy any Afrika ary miaraka @ izany koa ny olana manodidina ny fanapahana.
44. Ratoa ( 26/07/2009 20:15)
Ny tsy itiavako ny eropeana dia ny fisehoany ho mahay sy hendry noho ny hafa anefa amindry zaeo indrindra no misy mamoeatra.
Mbola mitohy mirehareha ry zareo fa tsy manana civilisation ny afrikana. Mbola betsaka ny misaina izany. Betsaka koa ny malagasy misaina tahaka izany. Ary ny ankabeazan'ireo olona misaina toa izany dia mazàna no tsy mahalala ny tena fombafomban'ny fireneny (leur propre société).
Olona 10 à 12 millions no ho resen-dahatra, ilay foko peulh io ihany, satria tsy ny afrikana rehetra no manao izany. Olona tsy nianatra ary tsy mbola nifanerasera tamin'iza na izany avy any ivelany . Ireo efa tonga saina dia ireo mipetraka manodidina ny tànan-dehibe , na nianatra izany na tsia ( manomboka amin'ny femme au foyer sy ny la-bonne ka hatramin'ny vehivavy nahita fianarana ambony).
Ny tiako ho lazaina dia : mananà faharetana fa tsy ho vita ao anatin'ny dimy na folo taona manomboka anio izany satria ny majorité 90% an'ireo voakasika dia any ambanivohitra lavitra any. Ary mbola mihira an'ilay hoe "fomba nenti paha-razana izay tsy mbola hita izay maharatsy zy; satria tsy mbola hitany tokoa.
45. rakapy ( 27/07/2009 07:43)
Hoy Ravonjison
Rakapy a. Misy lesy ireo reny nianatra tany andafy ka tonga saina, ary hazavainy @ zanany ny heviny. Matetika izy tsy henoin' ny manodidina azy . Ary izay no mampitsoaka azy sy ny zanany any andafy. Misy " cas " toy izany atý Eoropa. Tsy te-hody izy ireo satria handrasan' ireo havany ary tadiviny ho tapahana ilay zazavavy.

Ny cas exceptionel anie tsy maintsy misy foana e! fa ny cas general angamba no tsara hitondrana ny ady hevitra.
Hoy Ratoa
Tsy misy resaka mijery mifanila izany eto, fa rehefa hitako fa ratsy tsy ahazoana tombotsoa dia lazaiko fa ratsy ary laviko


Raha ny momba ireo fomba notanisain'i Ratoa ireo indray dia ity no zavatra mahagaga ahy kely.

1/Fa maninona no mbola maro no mitazona ilay fomba nefa maro no mahatsapa fa ratsy ilay izy?
2/Fa nahoana ny vhv no tsy afaka ny handa ilay fanapahana raha toa ka tsy ankasitrahan'izy ireo izany.

Mety hilaza ianao fa hoe fitiavan-tenan'ny lhl no antony. Andao atao hoe marina ny voalazanao nefa raha ny fanirin'ny lhl angamba dia tsy nanao akanjo ny vhv na koa tsy nandoavam-bola ny makorely sns...??? nefa nahoana no nahavita nanao akanjo ny vhv sy nahazo vola ny makorely?
Moa ve ny lhl daholo no anton'izany olana izany? Sao dia ny vhv kosa no tsy mitaky na tsy mihetsika na miady ho azy ireo?
Ity fiainana ity mantsy dia toa ifandrobahana sy ady izay ihany ka raha tsy vonona ny hifandrombaka sy hiady ianao dia eo no raisina. Aza miandry hotolorana fotsiny.

46. ikaretsaka ( 27/07/2009 15:52)
Misy any amintsika io ka za koa nahalala sipa niara nianatra izay natao an'io. Ireo taranak'arabo @ iny faritra atsinanan'ny nosy iny toa mbola atao.
Le tanjona aloha de hoe ny tsary hampaditra azy tsotry..nefa le ditra toa ny saina no mitondra azy ko...
Mety hoe tsy atao lilil ianao nefa hendry fitombenana be
Misy ny atao izao rehetra izao nefa maditra fitombenana

Tsy haiko na marina na tsia fa misy koaq ilay hoe mitevika fivaviana ireny hono...nefa virja
47. rakapy ( 27/07/2009 16:13)
Izay mihintsy anie izy io. Rehefa haditra dia maditra .Ny fanoroana azy ny tsara no fiadina tsara indrindra fa tsy ny fanapahana ny kilomitony
48. ikaretsaka ( 27/07/2009 22:10)
izay mihitsiny e! tsy misy hafa @ le hoe rarana ny mipipi eo ihany io.. mainka ny olona mipipi
49. Ratoa ( 28/07/2009 00:55)
Raha ny momba ireo fomba notanisain'i Ratoa ireo indray dia ity no zavatra mahagaga ahy kely.

1/Fa maninona no mbola maro no mitazona ilay fomba nefa maro no mahatsapa fa ratsy ilay izy?
2/Fa nahoana ny vhv no tsy afaka ny handa ilay fanapahana raha toa ka tsy ankasitrahan'izy ireo izany.

Mety hilaza ianao fa hoe fitiavan-tenan'ny lhl no antony. Andao atao hoe marina ny voalazanao nefa raha ny fanirin'ny lhl angamba dia tsy nanao akanjo ny vhv na koa tsy nandoavam-bola ny makorely sns...??? nefa nahoana no nahavita nanao akanjo ny vhv sy nahazo vola ny makorely?
Moa ve ny lhl daholo no anton'izany olana izany? Sao dia ny vhv kosa no tsy mitaky na tsy mihetsika na miady ho azy ireo?
Ity fiainana ity mantsy dia toa ifandrobahana sy ady izay ihany ka raha tsy vonona ny hifandrombaka sy hiady ianao dia eo no raisina. Aza miandry hotolorana fotsiny.


efa voalaza fa any amabnivohitra ny ankamaroan'ireo olona ireo, izany hoe mbola mitana mafy ny neti-paharazana izy ireo. Tena hitako fa sarotra aminareo mihitsy ny mi-comprendre izany satria tsy niainantsika izany. Isika mantsy dia société matriarchale. Izany hoe ny reny sy ny vehivavy no tena mitantana ny tokatrano sy ny fianakaviana. Ny lehilahy mpitondra teny. Jereo fa isika nanana mpanjaka vavy, aary mbola misy amin'ny fokomalagasy sasantsany izany mpanjaka vavy izany.
Ny vehivavy amin'ireo foko no tanisaiko kosa dia miankina tanteraka amin'ny vadiny sy rainy sy ny anadahiny. Raha hanambady izy dia omen'ny havambady "dote" , tsy mitondra hafa tsy ny akanjony izy sy vilany sy sotro. Ny sisa dia fananan-dralehilahy daholo. Ambanian'ny vazaha ny dote ka lazainy fa vidin'ilay vehivavy!!! Manao raharaha ao antrano na mamafy sy mioty ny vokatra no asany ary miteraka, ka indrindra mitera-dahy.
Amin'ny andron'ny mariazy dia miandry eo ambaravavrana ny anabavindrainy, mihaino ny fandehanjavatra. Dia ny ampitso mampiseho ny mpiray tàanan ilay drap misy rà nandrian'ny mpivady vao. Ny rà no milaza fa virjiny razazavavy ka enimboninahitra ny fianakaviany. Mbola misy izany
Ka ho aiza ianao? Ireo izay manana RAD efa nivaotra sy mahita fianarana sy mifanerasera amin'ny foko hafa na ny vahiny no miady mandà izany fomba izany ankehitriny ary mandositra ny ambany volo.
Isika malagasy izay efa nanana fahafahana hatrizay, manana lova mainty molaly no afaka miady sy mandà ary manampy ny hafa. Izy izay ambanivohitra, voageja tsy mahita an'iza na iza inoa no mba azony atao?
manaraka izany, rah mbola tanora izy roaroa dia mazàna any amin'ny RAD-dralehilahy no mipetraka, mandra-pananany zanaka lehibebe (15ans eo ho eo) sy mandra-pananany ny ampy. Hibolitra ho aiza? ny tena sy ny zanaka samy an-tànanan'olona.
Izay no izy amin'ny ankapobeny.
Fantatro tsara fa tsy azon'ny malagasy sary an-tsaina akory izany zavatra izany.
Any ambanivolon'i Afrika, eny naha dia ny olona sasany amin'ny tànan-dehibe aza dia manao izany, dia sahala amin'ny any amorontsiraka aty amintsika. Ny tapany ambany ihany no rakofana, na lahy na vavy. Ary betsaka ny vehivavy no miseho ny nonony rehefa variandrahara izy na mafana nyandro . Akipaka eny an-tsoroka ny lamba dia eo mitranga eodaholo ny tratra rehetra. Dia ho gaga ianao fa tsy mierika akory ny lehilaly.
Samy manana ny fombany sy izay mahataitra azy.
50. Ratoa ( 28/07/2009 01:05)
isika vehivavy malagasy koa ohatra itondrana vola mody (ny karaman-dramose). Ary mbola izany no mbola betsaka. tadidiko tsara fa raha tsy ampy kely ny vola entin-dradadatoa dia tezitra be ny nenitoanay dia mandeha mankany amin'ny rafozany dia asehony eo hoe tsy ampy ny vola .Mbola misy izany.
Ny afrikana vavy dia tsy mahalala akory hoe ohatrinona ny karaman'ny vadiny. Ary naha dia professeur d'université aza i ramatoa, dia tsy miala vola ao an-tokatrano. Azy manokana sy madiodio ny karamany, ataony amin'izay anaovany azy ary i ralehilahy nomiantoka ny lany rehetra. Azo an-tsaina ihany izany satria ny lehilahy afrikana dia mbola mampirafy ara-dalàna mihisty, na ireny minisitra sy professeur be ireny aza satria miisa ho voninahitra ny fananana vady betsak ar-dàlana, vita soratra sy mariazy daholo an!
Mazava ?
51. rakapy ( 29/07/2009 06:41)
Ratoa> Misy hevitra tsara azo raisina avy amin'ny voasoratrao fa ny olana kely dia mitsambikimbikina be ilay hevitra aposakao. Toa tsy hainao ny manohana ny hevitrao.
52. ravonjison ( 29/07/2009 09:26)
rakapy:

Ratoa> Misy hevitra tsara azo raisina avy amin'ny voasoratrao fa ny olana kely dia mitsambikimbikina be ilay hevitra aposakao. Toa tsy hainao ny manohana ny hevitrao.




Ratoa a , azonao fintinina @ fehezanteny fohy ve ny tena hevitra tianao ampiataina.
Betsaka ny voalazanao, mitsambikimbikina loatra ireo hevitrao, ka mbola tsy tena azoko, inona marina no tianao lazaina ?
53. sakaizakely ( 29/07/2009 12:29)
lavabe ilay dinika ka tsy voavakiko daholo

rakapy:
Raha ny momba ireo fomba notanisain'i Ratoa ireo indray dia ity no zavatra mahagaga ahy kely.

1/Fa maninona no mbola maro no mitazona ilay fomba nefa maro no mahatsapa fa ratsy ilay izy?


mbola maro no mitazona ilay fomba, dia ireo olona lavitra tanandehibe, tsy tratry ny fampielezankevitra no azo ilazana azy, ka tsy mahatsapa ny tena antony aratsiantifika tsy ilana azy intsony

Amin'izy ireo dia ny lafiny sosialy no mibahana. Mba hitazomandrazazavavy ny maha virjiny azy. Tsy manana toerana sy haja eo anivon'ny Fhm ny vhv raha tsy mbola voatapaka. Tahotra sy henatra mafy ho an'ny RaD, indrindra ho an'ny reny izany, tsy hisy haka vady ny zanany vavy. Noho ny fahatahorana sao tapidalankaleha ny zazavavy no mbola anohizana ilay fomba, na dia teo aza ny tahotra sy ny hifiry nahazo azy reniny, ny mbola zioga entiny noho izany, satria hirifiry mandramaty no azo avy amin'io

2/Fa nahoana ny vhv no tsy afaka ny handa ilay fanapahana raha toa ka tsy ankasitrahan'izy ireo izany


Arakaraky ny foko, manomboka hatr@ zaza 8 andro, 3-4 taona, 12 taona eo no matetika atao azy, ary noho ilay pression sociale mahazo ny reny dia izy ireo ihany no miray hina hanatanterahana ilay fomba. Ka ataona zazakely ahoana moa ny handa ? Vhv be amampolony mitazona azy eo ?

Misy foko hafa koa, rehefa vita mariazy ilay vhv vao atao, izany hoe safidy tsy fidiny ilay izy, fomba tsy maintsy atao, tsy maintsy andalovana...

Moa ve ny lhl daholo no anton'izany olana izany? Sao dia ny vhv kosa no tsy mitaky na tsy mihetsika na miady ho azy ireo?


ENY
ny lhl daholo no anton'izany. Raha misy lhl iray amin'izy ireo sahy mijoro imason'ny fhm ka manaiky hampakatra vhv tsy mitapaka, dia izay vao hanomboka ho foana ilay fomba. Fa fositra daholo izy ireo, mody mihatakataka fa hoe resabehivavy izany, kanefa noho izy ireo ihany.

Efa manomboka miandalana ny fampielezankevitra any @ tany afrikana dezaka be hampianatra ny olona tsy hanao izany intsony, nefa sarotra be, araky ny voasoratra etsy ambony hoe inona no idiran'ny eoropean sy ny amerikan amn'ilay resaka, ny afrikan ve tonga any aminy mibaiko azy am zao sy zao ? Sarotra, mila fotoana amantaonany vao mety hahafoana azy io

ny nahatonga ny niandohan'ny famorambehivavy, araky ny mba henoko tsy haiko raha marina, dia i Sarah vadin'i Abrahama nialona ny rafivaviny dia noforany ilay vhv satria nanome zazalahy an'i Abrahama, izy tamin'io mbola tsy niteraka. Dia nandositra tany Ejypta ilay rafivavy sy ny zanany noho ny tahotra an'i Sarah, ary nony efa mby hanambady ilay zanany lahy taty afara dia hoy ny reniny hoe izaho noforana dia tsy mahazo manambady raha tsy vhv voafora koa ianao. Dia teo hono no niandohan'ilay fomba tamin'iny faritra iny, dia nihanaka eraky ny Afrika afovoantany ilay fomba. t@ andron'ny Faraony izany, mbola tsy nisy ny finoana silamo. Tsy fomba silamo mihitsy ny famorana vhv
54. Ratoa ( 29/07/2009 13:49)
hoy sakaizakely:
Tsy fomba silamo mihitsy ny famorana vhv

Tena marina izany satria foko iray, une ethnie sur au moins 100 ethnies africaines (tsy fantatro hoe misy firy ny foko afrikana fa ao Sénégal ohatra dia misy foko 22) , dia ny Peulh no mitazona ny famorana vhv.

Fanahiniko no nitantarako ny antony amin'ny antsipirihiny satria tsy azon'ny malagasy sary an-tsaina mihitsy izany satria tsy azo eritretina hoe aiza no didiana na zairina.

Ierenako kely indray ity voalazan'i sakaizakely ity:
Raha misy lhl iray amin'izy ireo sahy mijoro imason'ny fhm ka manaiky hampakatra vhv tsy mitapaka, dia izay vao hanomboka ho foana ilay fomba.

Marina izany ara -théorie fa ara expérience kosa dia sarotra be satria ny fhm dia mandidy sy mangeja mafy dia ka na ny intellectuel tena lasa lavitra amin'ny fahaizana aza dia tsy sahy mandika irery (individuellement) ny didy (lois traditionnelles) satria banni sy isolé izy raha manao izany. Izany no ilàna manamparitaka ilay fanoerana na rejet na opposition, akana namana sy mpanohana.

Famintinana ny hevitro ery ambony:

1°)Environ 9 na 10 millions ny olona mbola mitana izany, dia ireo lavitry ny tanandehibe, tsy takatr'ansto ary mbola tsy tratran'ny fivoarana ahitana ny tsy mahamety azy.
2°) Fahafaha-mbaraka tsy misy ohatra izany raha tsy virjiny intsony ny zazavavy ampakarina ho vady. Mila porofo ny mpiara-monina ny ampitson'ny mariage fa mbola virjiny ramatoakely. Ny rà manasy ny drap nandrian'izy roa no porofo . ( naha tsy mitapaka aza ny vhv virjiny dia mandeha rà amin'ny andro voalohany)
3°) Manany sarotra be ny firaisana voalohany raha mitapaka na mizaitra ilay zazavavy. Donc garde-fou na mesure préventive izany ilay fanapahana na ilay fanjairana.

4°) any Afrika dia masi-mandidy ny amin'ny vadiny sy ny zanany sy ny tokatranony ary ny hareny ny lehilahy. Izy irery no miantoka ny lany. Ramatoa vadiny tsy manan-ko tenenina, misy ihany ny mila hevitra amin'ny vadiny. Tsy milaza izany fa hanao izay atoron'ny vadiny izy. Izay no tsy ahafantaran-dramatoa hoe hoatrinona ny vola miditra, na karama izany na varotra na inona.

5°) ny vvy ambanivolo tsy miasa fa ny fiterahana sy ny fanampiana any antsaha no azo atao hoe karama ividianan-drangahy izay haniny sy tafiany.

6°) tsy manana harena mainty momaly, izany hoe azy manokana ireo vvy satria ny vata-tenany ihany sy ny akanjony ary vilany sy sotro no mba entina manorina tokatrano.
Donc malemy matériellement izy. malemy socialement koa satria ambany fiadidian'ny lahy tanteraka, eny fa na dia ny zanany lahy aza dia mandidy azy.

Dia ny hany azo atao dia ny manatanteraka ny fomba mba ahazo vady sy ho voninahitry ny fiakaviana ny zanakavavy . Ny hany avotra dia ny mikaona amin'ny vhv hafa. Vitsy anefa ireo mahatsapa fa efa lany andro ilay fomba manapaka na manjaitra ny fivaviana ka dia be ny mpanohitra.

MBOLA HO ELA IZY IREO VAO HO TAFARINA.
55. Veloo ( 29/07/2009 16:18)
zao fotsiny ry reto a

lahy mitapaka ilaina question d'hygiene
ny vavy tapahina, fitavan-tena avy @ lehilahy, esclavage 100%
56. ravonjison ( 29/07/2009 16:41)

Dia miverina @ ilay voalazako etsy ambony ihany izany : \" fomba fisainana primitif izay t@ taonjato taloha izany, ka tokony esorina tsikelikely, satria tsy misy tombotsoa azon-drazazavavy avy @ izany\" :

....Fahafaha-mbaraka tsy misy ohatra izany raha tsy virjiny intsony ny zazavavy ampakarina ho vady.

....any Afrika dia masi-mandidy ny amin\'ny vadiny sy ny zanany sy ny tokatranony ary ny hareny ny lehilahy. Izy irery no miantoka ny lany.

.....ny vvy ambanivolo tsy miasa fa ny fiterahana sy ny fanampiana any antsaha no azo atao hoe karama ividianan-drangahy izay haniny sy tafiany.

.....tsy manana harena mainty momaly, izany hoe azy manokana ireo vvy satria ny vata-tenany ihany sy ny akanjony ary vilany sy sotro no mba entina manorina tokatrano.

Ny vahaolana indray dia azoko hafoezina toy izao : fanabeazana, fandrosoana, fivoarana.
57. rakapy ( 29/07/2009 17:43)
Hoy i sakaizakely
Voalaza teo :
Moa ve ny lhl daholo no anton'izany olana izany? Sao dia ny vhv kosa no tsy mitaky na tsy mihetsika na miady ho azy ireo?


ENY
ny lhl daholo no anton'izany. Raha misy lhl iray amin'izy ireo sahy mijoro imason'ny fhm ka manaiky hampakatra vhv tsy mitapaka, dia izay vao hanomboka ho foana ilay fomba. Fa fositra daholo izy ireo, mody mihatakataka fa hoe resabehivavy izany, kanefa noho izy ireo ihany.

Indraindray dia mampihomehy ny fomba famalin'ny sasany resaka. Zavatra tokony ho tsotra fa asarotina. Ohatra iray tsotra omeko no omeko anao.

Raha tonga any @ tany silamo ianao ka izy ireo tsy tia mihinana kisoa nefa ianao dia fanatika hena kisoa nefa eo misy ondry,omby, akoho...
Inona no azonao atao? Hieteny ve ianao hoe mba hamonoy kisoa aho azafady???
Mitovy @ izay ity tranga ity. Tsy misy lhl hafaka ny hilaza fa tsy hanambady vhv tsy mifora eo raha toa ka tsy te hifora ny vhv. Mety hangataka ny famorana ny lhl fa rehefa hain'ny vhv ny manazava fa tsy mahasoa azy ny famorana dia rava ho azy ny tsena.
Izany hoe tsy apetraka @ lhl ny olana satria vatanao vhv io ka anjaranao no manazava @ lhl sy ny fiaraha-monina ny tianao hanaovana azy.
Ny problema ny vhv anie dia mitaraina lava hoe ny lhl no anton'izao sy zaroa nefa vitsy @ izy ireo no tena mandray anjara mavitrika eo @ fiaraha-monina. Efa vita ny andron'ny faha-panjaka ary ny fiainana @ izao dia fifaninana ka anjaranao no mifaninana @ ny fiaraha-monina raha tia ho tafita ianao. Ny fiaraha-monina akory tsy hametraka anao eo toerana tianao hipetrahana.
Hoy i Ratoa

1°)Environ 9 na 10 millions ny olona mbola mitana izany, dia ireo lavitry ny tanandehibe, tsy takatr'ansto ary mbola tsy tratran'ny fivoarana ahitana ny tsy mahamety azy.
2°) Fahafaha-mbaraka tsy misy ohatra izany raha tsy virjiny intsony ny zazavavy ampakarina ho vady. Mila porofo ny mpiara-monina ny ampitson'ny mariage fa mbola virjiny ramatoakely. Ny rà manasy ny drap nandrian'izy roa no porofo . ( naha tsy mitapaka aza ny vhv virjiny dia mandeha rà amin'ny andro voalohany)

Io aloha dia efa betsaka no mahay mifika @ fiaraha-monina ny momba io fomba io e. Ny vhv dia mandeha ra isam-boana na virijiny na tsia. Ka efa maro no mahay fika hoe rehefa tsy virijiny dia manao calcul ny fadim-bolana ho @ fotoanan'ny mariazy. Tsy maintsy misy ra eo ary voafitaka ny fianakaviana.
58. rakapy ( 29/07/2009 17:55)
Hoy i Veloo
zao fotsiny ry reto a

lahy mitapaka ilaina question d'hygiene
ny vavy tapahina, fitavan-tena avy @ lehilahy, esclavage 100%

Misy esclavage ve mihoatra ny hoe vhv mitaty reraka ny lhl hamelona azy???. Firy % ny vhv eto ambonin'ny tany no mbola velomin-dragahy.Firifiry @ vhv no mbola miady ny hanambady lhl mana-bola?? Nefa ilay rangahy dia tsy mitaraina hoe " Ary ity izaho toa ataonao machine mpampidi-bola fotsiny sy mpamelona anao fotsiny" ??? Ary mbola maro aza ny lhl mbola mamelona ny havam-badiny nefa tsy be taraina.
59. rakapy ( 29/07/2009 18:03)
Hoy Ratoa
1°)Environ 9 na 10 millions ny olona mbola mitana izany, dia ireo lavitry ny tanandehibe, tsy takatr'ansto ary mbola tsy tratran'ny fivoarana ahitana ny tsy mahamety azy.
2°) Fahafaha-mbaraka tsy misy ohatra izany raha tsy virjiny intsony ny zazavavy ampakarina ho vady. Mila porofo ny mpiara-monina ny ampitson'ny mariage fa mbola virjiny ramatoakely. Ny rà manasy ny drap nandrian'izy roa no porofo . ( naha tsy mitapaka aza ny vhv virjiny dia mandeha rà amin'ny andro voalohany)

@ maha vhv anao no andaraisanao ilay lafiny fahafam-baraka. Nefa raha mijery kely ny momba ny lhl ianao dia hahita fa fahafam-baraka miaro eson-teny sy tondro-molotra ny manjo ny lhl iray mba te hampaka-bady nefa ka tsy ampy fivelomana na tsy ampy vola firy.
Ka mba jereo @ lafiny maro ny fomba fiheritreretana fa aza mijery @ zoro iray fotsiny.
60. Ratoa ( 29/07/2009 21:12)
hoy rakapy:
@ maha vhv anao no andaraisanao ilay lafiny fahafam-baraka.
.
Tsia, tsy ny fandraisako azy na ny hevitro na ny fahatsapako azy no lazaiko aminao fa iainan'ny vehivavy afrikana azy, indrindra ny peulh.
aza mijery @ zoro iray fotsiny
hoy ihant rakapy, ianao no teny mijery amin'ny lafiny iray, tsy hainao ny manavaka ny fanazavana sy hevitro manokana.
Nefa raha mijery kely ny momba ny lhl ianao dia hahita fa fahafam-baraka miaro eson-teny sy tondro-molotra ny manjo ny lhl iray mba te hampaka-bady nefa ka tsy ampy fivelomana na tsy ampy vola firy.
ana y ambany volo tsy misy vola, mazàna dia dia troc : fifanakalozana no misy any ary raha tia hanambola dia mivarotra amin'ny tsena isan-kerinandro raha manana hamidy. Tahaka ny aty Madagasikara ihany.

Ny tondro molotra manjo ny lehilahy dia ny mety ho vokatry:
a) tsy fahaizana nifidy ka naka vehivavy tsy virjiny na voafatotra vehivavy tsy virjiny,
b) na koa minia mampakatra vehivavy efa tsy virjiny na mampakatra vehivavy tsy voafora ; izany hoe tsy manaja ny fomban-drazana. Tahaka ny any ambanivolo any Madagasikara ihany!!!
Ohatra: any Madagasikara dia fanon-drazany ny maka rano mahery vao maraina be, mbola mangiran-dratsy . Anasana ny zaza ho foraina io rano. Ankehitriny, eny @ hopitaly no atao na ao an-trano ihany, tsy misy mampiasa rano mahery intsony. Raha sanatria misy tsy mety manjo ny zaza noforaina dia "opération ratée" hoy ny manampahaizana. satria " tsy nanaja ny fombandrazana" hoy hoy ireo izay mino ny lanjan'ny fombandrazana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1647