Vehivavy mitapaka.

21. ni81 ( 21/07/2009 15:43)
Ni81> inona ilay DRH?
Directeur des Ressources Humaines
22. Papoose ( 21/07/2009 17:03)
Milay izy raha vita tsara sy @ toerana tokony hiisy azy.
ny ahy sady vita tsara no tsara pilasy :�) ;)
23. rakapy ( 21/07/2009 17:08)
Hoy i Ni81
Voalaza teo :
Ni81> inona ilay DRH?
Directeur des Ressources Humaines

hay ve, misaotra nampahalala
24. xxx ( 21/07/2009 18:51)

Araka ny fandrenesako azy tany ampianarana dia hoe, mba ho fisakanana ny vehivavy tsy hahazo fahafinaretana eo ampanaovana rapport sexuel no antony anaovana ity fanapahana ny vehivavy ity. Ka raha tsy mahita tsirony izy de tsy handeha etsy sy eroa. Fanalàna ny zon'ny vehivavy no fahazoako azy. Misy koa aza anie hono , ka zairina mihitsy ny vehivavy ary zara raha asiana hirika hivoahan'ny amany ihany. Izany hoe rehefa manambady izy de isak'izay handeha lavitra sy ela rangahy dia zairina ny fananan'ilay vehivavy. Ny fahamarinany tsy fantatro fa raha marina izany de miaritra ny mafy ny vehivavy. Efa mitondra vohoka sivy volana, sns..... de mbola tapahina na zairina indray. Mba ampio ny vehivavy raha sendra iharan'izany é.
Soa ihany mbola tsy misy izany eto Gasikara fa LOZA !!!!
25. Ratoa ( 21/07/2009 21:53)
Ka izay ilay olombelona: rehefa misy ny tsy mety dia ny vehivavy no voatondro molotra. Moa ve misy vehivavy afaka mijangajanga irery? olon-droa foana no manao izany: lahy sy vavy na vavy sy vavy na lahy sy lahy. Indrisy ry vehivavy...
Izay mihitsy no anton' ny incision: hisakanana ny vehivavy tsy hijangajanga fa henatra be ho an'ny fianakaviana ny vehivavy tsy virjiny alohan'ny fanambadiana araky ny fomban-tany. Ny vehivavy mère célibataire any Afrika dia tsy ampakarin'ilay naha bevohoka azy ho vady mihitsy. Mety hanana anjara aman'olon-kafa izy fa tsyamin'ny rain-janany.
Matetika koa, nisy teo amintsika izany, mbola kely ilay zazavavy dia efa atokana ho vadin-dRanona ka raha sanatria ary miteraka aman'olonkafa, loza be. Fa raha incisée izy, marary be ny premier rapport dia misy anjara kokoa izy tsy hanatanteraka ilay rapport natomboka, fa rehefa mandeha manambady kosa izy dia izy miaritra tsara izay rehetra atao azy. Loza é .

Momba ny famorana zazalahy indray dia ireto no antony hafa noho autres que) ny fitsinjovana fahadiovana: Romana 2: 25; 4: 11 sns; Filipiana 3:3; Kolosiana 2: 11)
26. soanja ( 22/07/2009 03:59)
rakapy:

Tetsy ambany moa isika dia niresaka ny momba ny lhl mitapaka sy tsy mitapaka fa ity indray dia momba ireo vhv mitapaka.
Tena mahavariana tokoa ary tsy dia misy mpiresaka firy izy ity. Ry zareo vhv ao Ethiopia , Somalia, Eritrea sy ny tany hafa mantsy dia tsy ny lhl irery ihany no mifora fa ny vhv dia foraina ihany koa.
Mbola resaka fahadiovana koa ve no antony anaovan-dry zareo izany sa antony hafa?


Efa voalazan'ny manana teo tokoa ny tena hevitr'ity fanimbana vehivavy ity fa isan'izany koa hono fa zah tsy mbola natao dia ny hoe miha goavana ilay fitombenana na ny vody/ mousta hoy izahay Antakarana. Io anefa no isan'ny tena beaute-ndry zareo ao amin'ny firenena sasan-tsasany Afrikanina raha vehivavy eo imason'ny lehilahy rehefa mandihy sy mamindra, tazanina avy aty aoriana dia aoka fotsiny.

Ni81> Tamin'ny andron'ny Ntaolo aza hono dia volontara na ny volo na bamboo no atao izay mamparanitra azy ary io no anapahana ny zazalahy. Vetivetika dia vita sady eo ambony akalana na fanoto no hanaovana azy. Mahatsikaiky an!

Mahita raha ny olombelona e!


27. rakapy ( 22/07/2009 06:38)
Hoy i xxx23
Araka ny fandrenesako azy tany ampianarana dia hoe, mba ho fisakanana ny vehivavy tsy hahazo fahafinaretana eo ampanaovana rapport sexuel no antony anaovana ity fanapahana ny vehivavy ity. Ka raha tsy mahita tsirony izy de tsy handeha etsy sy eroa.


Sao de kosa ary niodina be ny vhv dry zareo taloha tany ka dia io no fomba hitan-dry zareo nampijanona azy ireo? :-D :-D :-D
28. ari.malala ( 22/07/2009 06:46)
Mihoronkoditra ah mamaky ny lazain'i Soanja hoe bamboo no nanapahana zazalahy taloha! :?
29. ravonjison ( 23/07/2009 11:49)
Mikasika ny zazalahy dia betsaka ny antony lazain' olona mikasika ny fanaovana famorana, fa ny hitako azo raisina dia ilay resaka " higiene".Izany anefa dia taloha elabe tany, t@ fotoana naha sarobidy ny rano, fa @ izao fotoana izao dia efa misy rano avy isa-tokatrano, noho izany tsy mitombina intsony ilay antony araka higiene. Mijanona ho fomba sisa ka sasaksak' izay te hanao azy.
Izy io koa dia tsy misy akony @ " vie sexuelle " ny tsirairay mihitsy. Mba efa niaraka t@ vazaha vavy aho, ka nanontaniako izy : misy mahasamihafa azy ve ny manao @ lehilahy nitapaka sy ny tsy nitapaka ? Valiny : tsy misy mahasamihafa izany.

Ny mikasika ny zazavavy indray dia tsy misy " raisons" mihitsy tokony hanaovana an' io. Ny ankamaroany dia : fitiavan-tenan-dehilahy, toeran' ny vehivavy eo @ fiarahaminina, fanakanana ny vehivavy tsy hijangajanga. Izany rehetra izany dia mody sarotsaronana hoe : fomba amampanao tsy tokonn hialana. Ny fomba fisainana mifanaraka @ izany anefa dia fomba fisainana efa t@ taonjato taloha tany, noho izany tokony hijanona any @ taonjato taloha any. Efa nilaozan' ny toetr' andro.
Ny ankamaroan¨ny vehivavy tonga saina ka tsy te ho tratran' io dia mitsoaka any Eoropa na any Amerika.Misy fiantraikany lehibe @ fiainan'ny vehivavy any aoriana mantsy izy io.
30. milamm ( 23/07/2009 19:46)
ilay vhv foraina aloha de tena fika malotony arabo e,ny fafiny nge voajanahary e
tsy azo asorina @ olmbel na iza izy na izy fa reto muslim reto no b atidoha tsy manaja ny zon'olmbel,nahoana ny kofa mahazo tsirony de nahoana ny sipa tsy mahazo,fanavakavahana ary matetika mbola kely tsy manana safidy iny ny zaza no ataon-dry zareo an'io,jereo kely fotsiny nge ny mahazo ny jamba na marenina e
de ahona zany ireo sipa tsy manatsafidy,tsy mety e
31. marindra ( 23/07/2009 20:11)
Mpandefa : rakapy [ Valio ] 19-07-2009 19:10:56
Lohateny : Vehivavy mitapaka.
Tetsy ambany moa isika dia niresaka ny momba ny lhl mitapaka sy tsy mitapaka fa ity indray dia momba ireo vhv mitapaka.
Tena mahavariana tokoa ary tsy dia misy mpiresaka firy izy ity. Ry zareo vhv ao Ethiopia , Somalia, Eritrea sy ny tany hafa mantsy dia tsy ny lhl irery ihany no mifora fa ny vhv dia foraina ihany koa.
Mbola resaka fahadiovana koa ve no antony anaovan-dry zareo izany sa antony hafa?

Ny henoko de we @ zay satria tsy maintsy ho vierge ny vhv tian'le lhl hovadiana de tapahin-dry zareo io @ zay ahalalana we tsy nandehandeha tany alou le vhv alohan'ny nanambadiany.
32. Ratoa ( 23/07/2009 21:34)
Ny ankamaroan¨ny vehivavy tonga saina ka tsy te ho tratran' io dia mitsoaka any Eoropa na any Amerika.Misy fiantraikany lehibe @ fiainan'ny vehivavy any aoriana mantsy izy io.

Hitsaoka ho aiza? Zazakely no atao incision fa tsy vehivavy lehibe. Ary rehefa lehibe izy raha tsy incisée dia tsy manan-tsafidy intsony. Marihiko anefa fa any ambanivolo (village) no mbola misy izany fa tsy an-tanan-dehibe (ville). Samy mivaotra daholo na gasy na afrikana na sinoa na vazaha fa tsy ny fotsy hoditra ihany no mivaotra. Ny vehivavy natao izany ka nahita fianarana sy nahatsapa ny tsy fahametezany no miandy manao izay tsy anaovana izany intsony. Alaivo ohatra amin'ny tambany vohitra gasy, tsy lavira an'Antanarivo fa eo Mahitsy route de Majunga fotsiny, mahalala izany hoe incision ve izy ireo? Afaka manazava ny anton'ny famorana ve izy ireo? Tsinjoko sahady fa hamaly ireo hoe:"fomban-drazana izay mbola tsyhita ny maha diso azy"
Tsy ny lehilahy arabo sy moslimo ihany koa no tia tena fa ny lehilahy rehetra. Firy ny lehilahy tsy virjiny intsony vao tonga anaty tokatrano? Hita maso amin'ny vatana anie izany hoe tsy virjiny izany é, na lahy io na vavy. Raha ny vehivavy no tsy virjiny intsony dia raharaha be manaraka ny arabe. Eny, be ny lehilahy, eny na dia ny mpiserasera eto aza, tsy manaiky hanambady vehivavy tsy virjiny. Tsy ny silamo ihany fa ny gasy koa.Saingy ny malagasy tsy manana izany fomba fiarovana izany. Mba dinio ity: nisy teto amin'ny foko sasany eto Madagasikara ny fanomanana zazavavy hanambady. Ny raibeny no midéflorer ilay zaza ary rehefa tsy manankery hanao izany intsony ingahy be dia mangahazo no raisiny hi déflorer ilay zaza. Mety ve izany?
Tsongoy fo-tena. Tsongoy fon'olona.
33. Ratoa ( 23/07/2009 21:58)
Tsy ny famorana mihitsy no maha be fitombenana fa efa karazana. Naha ny vehivavy kristiana efa an-taranaka maro az mety ho be fitobenana.

Diniho indray ity.

I. Ny zazavavy sinoa, raha ny fomba enti-paharazana sy mbola misy mpanaraka ammin'izao fotooana izao, ampanaovina kiraro kely dia kely mba tsy ahazaka azy ny tongony satria!
1° amin'izay tsy mahazaka azy ny tongony dia tsy afaka manaraka lehilahy any ivelany azy izy;
2°amin'izay mitombo ny fitombenany; fa tian'ny lehilahy izany;
3° miova amin'ny hitiavan'ny lehilahy azy ny ao anaty fananana ao.

II. Ny vehivavy eropeana efa nanambady dia nafatotra tamin'ny ceinture de chasteté ny fanananany tamin'ny andron'ny croisade ka tsy vahana ny cadenas raha tsy tafaverina ny vadiny . Mba eritrereto ny loto amin'nizany sy ny aretina miandry ilay vehivavy. Ny lehilahy rehetra no tia tena.
34. xxx ( 24/07/2009 00:30)
Hoy Ratoa
Ny lehilahy rehetra no tia tena.

F'angah voa t@ lhl tany Ratoa no mirediredy =)) =)) =)) =)) manam-badia vhv fa tsary misy manahy io
35. ari.malala ( 24/07/2009 07:31)
nisy teto amin'ny foko sasany eto Madagasikara ny fanomanana zazavavy hanambady. Ny raibeny no midéflorer ilay zaza ary rehefa tsy manankery hanao izany intsony ingahy be dia mangahazo no raisiny hi déflorer ilay zaza. Mety ve izany?
8O 8O 8O atovy serieux!!! 8O 8O 8O
36. ravonjison ( 24/07/2009 09:46)
Ratoa:

Ny ankamaroan¨ny vehivavy tonga saina ka tsy te ho tratran' io dia mitsoaka any Eoropa na any Amerika.Misy fiantraikany lehibe @ fiainan'ny vehivavy any aoriana mantsy izy io.

Hitsaoka ho aiza? Zazakely no atao incision fa tsy vehivavy lehibe. Ary rehefa lehibe izy raha tsy incisée dia tsy manan-tsafidy intsony. Marihiko anefa fa any ambanivolo (village) no mbola misy izany fa tsy an-tanan-dehibe (ville). Samy mivaotra daholo na gasy na afrikana na sinoa na vazaha fa tsy ny fotsy hoditra ihany no mivaotra. Ny vehivavy natao izany ka nahita fianarana sy nahatsapa ny tsy fahametezany no miandy manao izay tsy anaovana izany intsony. Alaivo ohatra amin'ny tambany vohitra gasy, tsy lavira an'Antanarivo fa eo Mahitsy route de Majunga fotsiny, mahalala izany hoe incision ve izy ireo? Afaka manazava ny anton'ny famorana ve izy ireo? Tsinjoko sahady fa hamaly ireo hoe:"fomban-drazana izay mbola tsyhita ny maha diso azy"
Tsy ny lehilahy arabo sy moslimo ihany koa no tia tena fa ny lehilahy rehetra. Firy ny lehilahy tsy virjiny intsony vao tonga anaty tokatrano? Hita maso amin'ny vatana anie izany hoe tsy virjiny izany é, na lahy io na vavy. Raha ny vehivavy no tsy virjiny intsony dia raharaha be manaraka ny arabe. Eny, be ny lehilahy, eny na dia ny mpiserasera eto aza, tsy manaiky hanambady vehivavy tsy virjiny. Tsy ny silamo ihany fa ny gasy koa.Saingy ny malagasy tsy manana izany fomba fiarovana izany. Mba dinio ity: nisy teto amin'ny foko sasany eto Madagasikara ny fanomanana zazavavy hanambady. Ny raibeny no midéflorer ilay zaza ary rehefa tsy manankery hanao izany intsony ingahy be dia mangahazo no raisiny hi déflorer ilay zaza. Mety ve izany?
Tsongoy fo-tena. Tsongoy fon'olona.



Misy mbola zazavavy kely dia efa tonga saina sy matahotra ka entin' ny mamany mitsoaka any andafy. Misy indray ny mamany no tonga saina....

Ny fitiavantenan-dehilahy dia mifandray @ fitovianjo eo @ lehilahy sy vehivavy. Io fitovianjo io indray dia miankina @ fivoaran' ny fiarahamonina. Taloha elabe tany no mbola tsy nivoatra ny fiarahamonina ary hafa ny fomba fisainana. Donc tsy resaka firenena mihitsy ilay izy fa resaka fivoarana tsotra izao.

Voalaza teo : " Mba dinio ity: nisy teto amin'ny foko sasany eto Madagasikara ny fanomanana zazavavy hanambady. Ny raibeny no midéflorer ilay zaza ary rehefa tsy manankery hanao izany intsony ingahy be dia mangahazo no raisiny hi déflorer ilay zaza. Mety ve izany?
Tsongoy fo-tena. Tsongoy fon'olona. "

Tsy mety izany e ! Mba ajanony any @ izay izany fomba fisainana primitif izany, fa maharikoriko .
37. Ratoa ( 24/07/2009 17:19)
tsy fomba fisainana primitif mihitsy re ravonjison ah!!!
Fa fanadiadiana ny lasa ary famakafakana ny zava - misy mba hahitana ny lalan-ko aleha. Fitadiavana hoe aiza no misy ny tsara tokony ho tànanana na ho raisina sy fahamantarana izay ratsy tokony handosirana sy hariana .
Ny zavatra tiako hambara dia: AOKA TSY HANAO FIJERY MITANILA fa samy nanana fanao tsy nety na isika na ny hafa; Ka ataovy toa ny voankazo anala: raha mamy atelomy, raha mangidy aloavy.
Manaraka izany dia tiako ho soritana koa fa tsy ny hafa ihany no nanao fomba tsy lavitra ny fahabibiana fa isika koa.
Ka aoka isika tsy hitsara fa hitady izay mahasoa ny rehetra fa iray ihany izao tontolo izao na dia alavirin'ny elanelan-tany aza.
38. Ratoa ( 24/07/2009 17:43)
Manaraka izany,
ny vehivavy voa toa izao dia miantso vonjy eran-tany mba tsy hampijaliana ohatry izany intsony ny tarananany. Aiza no ahafantaranao raha tokony anohana sy hamonjy azy ianao na tsia raha ohatra ka tsy fantatrao akory ny antony iantso anao?
39. rakapy ( 24/07/2009 18:03)
Hoy Ratoa
: " Mba dinio ity: nisy teto amin'ny foko sasany eto Madagasikara ny fanomanana zazavavy hanambady. Ny raibeny no midéflorer ilay zaza ary rehefa tsy manankery hanao izany intsony ingahy be dia mangahazo no raisiny hi déflorer ilay zaza. Mety ve izany?

Foko aiza na foko inona eto M/car no manao na nanao io fomba io fa mbola tsy nahare an'io aho raha tsy vao anio?
Alaivo ohatra amin'ny tambany vohitra gasy, tsy lavira an'Antanarivo fa eo Mahitsy route de Majunga fotsiny, mahalala izany hoe incision ve izy ireo? Afaka manazava ny anton'ny famorana ve izy ireo?

Inona ilay incision tianao ambara eto? Angaha misy fomba ohatra izny koe eto M/car?
Hoy Ravonjison
Misy mbola zazavavy kely dia efa tonga saina sy matahotra ka entin' ny mamany mitsoaka any andafy.

Ka ny akamaroan'izy ireny anie araka ny nolazaiko tery ambony dia ilay Reny mihintsy no mamporisika sy mikarakara ilay fanapahana e! Ary samy vhv ihany no afaka manatrika ao.

40. ravonjison ( 25/07/2009 10:22)
Rakapy a. Misy lesy ireo reny nianatra tany andafy ka tonga saina, ary hazavainy @ zanany ny heviny. Matetika izy tsy henoin\' ny manodidina azy . Ary izay no mampitsoaka azy sy ny zanany any andafy. Misy \" cas \" toy izany atý Eoropa. Tsy te-hody izy ireo satria handrasan\' ireo havany ary tadiviny ho tapahana ilay zazavavy.

Voalazan\'i Ratoa:


\" tsy fomba fisainana primitif mihitsy re ravonjison ah!!!
Fa fanadiadiana ny lasa ary famakafakana ny zava - misy mba hahitana ny lalan-ko aleha. Fitadiavana hoe aiza no misy ny tsara tokony ho tànanana na ho raisina sy fahamantarana izay ratsy tokony handosirana sy hariana .
Ny zavatra tiako hambara dia: AOKA TSY HANAO FIJERY MITANILA fa samy nanana fanao tsy nety na isika na ny hafa; Ka ataovy toa ny voankazo anala: raha mamy atelomy, raha mangidy aloavy.
Manaraka izany dia tiako ho soritana koa fa tsy ny hafa ihany no nanao fomba tsy lavitra ny fahabibiana fa isika koa.
Ka aoka isika tsy hitsara fa hitady izay mahasoa ny rehetra fa iray ihany izao tontolo izao na dia alavirin\'ny elanelan-tany aza. \"


Tsy dia azoko loatra ny tianao ho lazaina eo.

Ianao angamba vao manomboka manadiady sy mamakafaka an\' io, fa ny antropoloque atý efa nandalina an\' io, ary ny atý tsy mitady intsony fa efa nahita ny tsara tokony ho tananana : \" tsy misy mihitsy tombotsoa azo avy @ ny fanapahana zazavavy \". Mifanohitra @ izany, olana dia olana no aterak\' io ho an\'ilay zazavavy any aoriana , arakaraka ny fomba nanaovana azy ( misy karazany telo ilay fanapahana: esorina ny molotry ny fory, esorina ny clitoris, zairina ka hidina ny fory).
Ny antony nanaovana an\'io tany aloha tany dia tsy azo hekena intsony @ izao fotoana izao ( fanakanana ny vehivavy tsy hanao alohan\' ny mariage sns...).

Toy izany koa ilay \" defloration \" voalazanao.

Tsy misy resaka mijery mifanila izany eto, fa rehefa hitako fa ratsy tsy ahazoana tombotsoa dia lazaiko fa ratsy ary laviko ( io angamba no lazainao fa fitsarana). Tsy miankina @ firenena, na foko izany ( Soudan, Sierra Leone, Senegal, Burkina Faso,Liberia, Tanzanie sns. ....ireo firenena rehetra ireo dia manao izany daholo)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2036