Vehivavy mitapaka.

61. Ratoa ( 29/07/2009 21:58)
Tena mampihomehy ianreo no sady mampalahelo. Ny sasany mi-intellectualiser"-be ka tsy mahatsapa hoe tena misy izany zavatra izany ary tsy hafa manohitra ireo vehivavy no be théorie be
Ohatra:
Raha tonga any @ tany silamo ianao ka izy ireo tsy tia mihinana kisoa nefa ianao dia fanatika hena kisoa nefa eo misy ondry,omby, akoho...
Inona no azonao atao? Hieteny ve ianao hoe mba hamonoy kisoa aho azafady???
.

1°)Ny henakisoa dia amidy amin'ny tany afrikana rehetra silamo na tsia, ary amidy amin'ny abattoires sy boucherie mihitsy.

Mitovy @ izay ity tranga ity. Tsy misy lhl hafaka ny hilaza fa tsy hanambady vhv tsy mifora eo raha toa ka tsy te hifora ny vhv. Mety hangataka ny famorana ny lhl fa rehefa hain'ny vhv ny manazava fa tsy mahasoa azy ny famorana dia rava ho azy ny tsena

Misy esclavage ve mihoatra ny hoe vhv mitaty reraka ny lhl hamelona azy???. Firy %

2°) tsy manantsafidy ireo vehivavy ireo. Ary izay naditra dia mahay manafina izany raha mbola tsy niteraka satria ny akanjony tsy manaratena. Tsy manao pataloha na jupe ny any ambanivolo;

Ohatra iray raisina amin'ny fiainan'ny malagasy: ny famadihana:
fomba fisainana primitif izay t@ taonjato taloha izany, ka tokony esorina tsikelikely
izay koa no fomba ijeren'ny vazaha sy ny afrikana ny famadihana. Mari-koditra mihitsy rehefa mahita reportage mikasika io fomban-drazantsika io.
Tsy mi-comprendre mihitsy izy hoe asiana fotoam-pivavahana ny famadihana.

Esy é!!! aleoko miomehy!!!

62. rakapy ( 30/07/2009 05:18)
Hoy Rakapy
Ratoa> Misy hevitra tsara azo raisina avy amin'ny voasoratrao fa ny olana kely dia mitsambikimbikina be ilay hevitra aposakao. Toa tsy hainao ny manohana ny hevitrao.

Hoy ravonjison
Ratoa> Misy hevitra tsara azo raisina avy amin'ny voasoratrao fa ny olana kely dia mitsambikimbikina be ilay hevitra aposakao. Toa tsy hainao ny manohana ny hevitrao.

Nataoko hoe izaho irery no tsy mahazo ny tianao lazaina ,kay moa misy hafa koa mba mitovy amiko.
Foko Peulh @ firenena aiza ao Afrika moa no nahitanao ireo fanazavanao?
63. rakapy ( 30/07/2009 05:49)
Hoy Ratoa
1°)Ny henakisoa dia amidy amin'ny tany afrikana rehetra silamo na tsia, ary amidy amin'ny abattoires sy boucherie mihitsy

Izay aloha dia tsy marina. Any @ tany Afrikana ka Silamo no maro an'isa dia misy ny boucherie allal izay manaraka ny fomba Silamo ary tsy mivarotra hena kisoa izy ireo. Ka raha te hivarotra na hividy hena kisoa ianao dia tsy maintsy mandeha any @ sisiny.
Tena mampihomehy ianreo no sady mampalahelo. Ny sasany mi-intellectualiser"-be ka tsy mahatsapa hoe tena misy izany zavatra izany ary tsy hafa manohitra ireo vehivavy no be théorie be

Angamba ianao mety mihevitra fa izaho izay miresaka aminao dia Gasy tsy mba nahita an'izany fiainana any Afrika sy ny ambanivohitry M/car izany? ekeko fa maro no tsy mahafantatra izany nefa izaho miresaka aminao dia tsy an'isany.
2°) tsy manantsafidy ireo vehivavy ireo. Ary izay naditra dia mahay manafina izany raha mbola tsy niteraka satria ny akanjony tsy manaratena. Tsy manao pataloha na jupe ny any ambanivolo;

Tsy mazava ny tianao ambara.
64. ravonjison ( 30/07/2009 14:04)

Voalaza teo :
fomba fisainana primitif izay t@ taonjato taloha izany, ka tokony esorina tsikelikely
izay koa no fomba ijeren\'ny vazaha sy ny afrikana ny famadihana. Mari-koditra mihitsy rehefa mahita reportage mikasika io fomban-drazantsika io.
Tsy mi-comprendre mihitsy izy hoe asiana fotoam-pivavahana ny famadihana.

Esy é!!! aleoko miomehy!!!

Ratoa a . Manafangaro ianao. Tsy resaka fomba fijery afrikana na vazaha na sinoa mihitsy itý , fa resaka FANDROSOANA NA FIVOARANA NA TSIA ( tsy misy hidiran\' ny resaka firenena tandrefana na tatsinanana mihitsy eto ).
Ary izao miresaka aminao dia gasy, avy ao @ faritra Ambohimandroso gara sy Ambatolampy ka izany famadihana izany dia fomba manandaja aminay tokoa.

Ny \" these \" tiako hazavaina aminao eto dia itý :
- misy ny fomba izay niforona t@ taonjato taloha tao anatin\' ny fotoana matroka ( periode d\' irracionalité ), ka ny fanazavana nataon\' ny olona dia noforompronina sy nambamboarina fotsiny , ka tsy mitombona tanteraka.
Ireny fomba ireny anefa ( ny sasany ) rehefa nohadiadiana @ izao fotoana izao dia hita fa tsy misy mihitsy ny antony mahasoa tokony hanoizana ny fanaovana zay. Rehefa nampitahana ny lafitsara sy ny lafiratsiny dia ny lafiratsy no betsaka.
Noho izany tokony mba avela @ izay.Anisan\' izany ny fanapahana.

Miresaka famadihana ianao dia hiverenako ilay famadihana:
- izao dia anisan\' ny olona tia fety, miaraka @ fianakaviana. Manaja ny Ray amn-dReniko sy ny razako koa aho. Noho izany tsy mamapninona ahy mihitsy ny manohy ny fomban-drazana \" famadihana \" ( indrindra moa raha manambola ho laniana aho )

Ilay famadihana kosa anefa tsy ataoko mihitsy raha toa ka:
- tsy manan-koanina ny fianakaviana nefa ilay famadihana foana no tadiavina handaniana vola be. Misy ny olona mandany vola be noho ny famadihana,mitrosa mihitsy aza, nefa ny antrano tsy manankoanina. Laviko dia laviko izay fomba fisainana izay.
- raha misy mitady handresy lahatra ahy fa hatao ny famadihana mba ahazoana ny fitahiana avy @ razana. Satria fantatro fa ny razana dia tsy mitahy. Ka raha izay no \" argument \" aroso amiko, dia fandaniana andro izany.
- raha misy milaza fa atao ilay famadihana @ izay mba tsy ho voatondro molotra eo @ fianakaviana sy fiarahamonina. Io angamba dia mazava.

Voalazanao teo:
\" Tsy mi-comprendre mihitsy izy hoe asiana fotoam-pivavahana ny famadihana.

Angaha moa rahy misy fotoam-pivavahana ao dia mampiova @ mahafomba azy izany.
Ary tokony avahana hoe fotoam-pivavahana gasy ve sa kristianina no ao. Samy hafa mihitsy ireo. Raha fivavahana gasy no ao dia mifandray @ ilay fomba ihany izany ka tsy mampiova zavatra. Raha fivavahana kristianina dia fiezahana mba ahazoana ny fon \' ny gasy fotsiny satria tsy misy ifandraisan\' ny famadihana sy ny fivavahana kristianina mihitsy .
65. ravonjison ( 30/07/2009 14:36)
rakapy:

Hoy i Veloo
zao fotsiny ry reto a

lahy mitapaka ilaina question d'hygiene
ny vavy tapahina, fitavan-tena avy @ lehilahy, esclavage 100%

Misy esclavage ve mihoatra ny hoe vhv mitaty reraka ny lhl hamelona azy???. Firy % ny vhv eto ambonin'ny tany no mbola velomin-dragahy.Firifiry @ vhv no mbola miady ny hanambady lhl mana-bola?? Nefa ilay rangahy dia tsy mitaraina hoe " Ary ity izaho toa ataonao machine mpampidi-bola fotsiny sy mpamelona anao fotsiny" ??? Ary mbola maro aza ny lhl mbola mamelona ny havam-badiny nefa tsy be taraina.

. Tsy ny lehilahy rehetra no manaiky sy mahazo tombony @ io ( tia tena) , fa sasany ihany.Ary ireo fomba fisainana rehetra voalazanao ( mamelona ny havam-badiny sns....) dia efa tranainy ka tokony hesorina koa.

66. Veloo ( 30/07/2009 18:47)
57. Mpandefa : rakapy [ Valio ] 29-07-2009 19:55:01
Lohateny : Re : Vehivavy mitapaka.
Hoy i Veloo

Voalaza teo :
zao fotsiny ry reto a

lahy mitapaka ilaina question d'hygiene
ny vavy tapahina, fitavan-tena avy @ lehilahy, esclavage 100%

Misy esclavage ve mihoatra ny hoe vhv mitaty reraka ny lhl hamelona azy???. Firy % ny vhv eto ambonin'ny tany no mbola velomin-dragahy.Firifiry @ vhv no mbola miady ny hanambady lhl mana-bola?? Nefa ilay rangahy dia tsy mitaraina hoe " Ary ity izaho toa ataonao machine mpampidi-bola fotsiny sy mpamelona anao fotsiny" ??? Ary mbola maro aza ny lhl mbola mamelona ny havam-badiny nefa tsy be taraina.

rakapy a, ny vahivahy mijanona ao an-trano ve dia ataonao hoe mitatireraka????? loza ty marina..
ny sakafo ampidirina ao @ vavanao io ve tonga ho azy sa nisy olona nandro ny sakafonao?
ny akanjonao madio entinao isan'andro io angaha tonga avy any an-danitra fotsiny????
mba hajao ny vadianao raha manana ianao fa miasa daholo ny rehetra tsy hoe mipetraka ao an-trano izy dia izay miasa mamelona anao ko no ataony...
et il a interet a ne pas se plaindre :roll: :twisted:
67. ikaretsaka ( 30/07/2009 18:51)
veloo> ie mitaty reraka izany fa tsy tenitenenina be fotsiny
68. ni81 ( 30/07/2009 19:10)
rakapy a, ny vahivahy mijanona ao an-trano ve dia ataonao hoe mitatireraka????? loza ty marina..
ny sakafo ampidirina ao @ vavanao io ve tonga ho azy sa nisy olona nandro ny sakafonao?
ny akanjonao madio entinao isan'andro io angaha tonga avy any an-danitra fotsiny????
mba hajao ny vadianao raha manana ianao fa miasa daholo ny rehetra tsy hoe mipetraka ao an-trano izy dia izay miasa mamelona anao ko no ataony...
et il a interet a ne pas se plaindre
69. ni81 ( 30/07/2009 19:58)

Tsy dia resaka hoe mitatireraka izany araka ny eritreritrao kosa angamba e! Misy ny vehivavy tsy miasa fa aleo aloha mikarakara ny zanaka ao an-trano toy izay handoa karama ho an'ny mpiasa satria izay no mety aminy sady hafa ihany koa hoe ny reny no mikarakara e! Zà izao tsy miasa fa ato an-trano, fa manana ny zavatra hafa iandraiketako aho (izay midika fa tsy manao tatireraka mihitsy koa :) )
70. Ratoa ( 30/07/2009 22:34)
Marina fa misy mivarotra eny @ ny sisiny ny henakisoa. Misy koa tany à majorité musulmane (96%) misy abattoir mamono kisoa dia vidiana am-pahabemaso. Misy koa ny vazaha manana boucherie . Misy ohatra ny "les trois petits cochons", anarana noraisna avy amin'ny boucherie any Frantsa. Misy grande surface atao hoe "score" mivarotra charcuterie henakisoa, saucisse fumée, saucisse de Strasbourg.

tsy manantsafidy ireo vehivavy ireo. Ary izay naditra dia mahay manafina izany raha mbola tsy niteraka satria ny akanjony tsy manaratena. Tsy manao pataloha na jupe ny any ambanivolo;

Ny 90% an'ireo manapaka sy tapahana dia tsy afaka miteny, eny na dia misaina akory aza fa tsy hanao izany na tsy atao izany.
Ireo efa tsy virjiny kosa na nohon'ny antony inona na antony inona dia mahay manafina izanysatria ny akanjo'ndry zare malalaka be ka tsy hita maso na virjiny na tsia. Any ampandriana vao hita. Izay no mahatonga , ara-pomba ihany, ny anabavindray miandry sy mitsikilo eo ambaravarana mandritry ny nuit de noces.
Misy toerana eto amin'ny dinika eto efa nilazako fa hita mazava , na lahy na vavy, raha mbola virjiny natsia. Tsy hay soratana izany.

Manafangaro ianao. Tsy resaka fomba fijery afrikana na vazaha na sinoa mihitsy itý , fa resaka FANDROSOANA NA FIVOARANA NA TSIA ( tsy misy hidiran' ny resaka firenena tandrefana na tatsinanana mihitsy eto ).

Tsy afangaroko mihitsy . . Ary manaja izay mbola manao ny famadihana aho. Mana fanontaniana aho
Inona no tena anton'ny amadihana? Inona no fandrosoana entin'ny famadihana na marihin'ny famadihana? Inona no tombotsoa ateraky ny famadihana ankaotran'ny mifety?
Mifanaraka amin'ny fampianaran'ny Baiboly ve ny famadihana satria ny betsaka hitako sy fantatro dia mamaky Baiboly, mivavaka, mihira hirampihirana? Sa mifanaraka amin'ny hanatry ny Coran sy Ny Thalmut?

Ny tiako hambara dia samy manana ny manandfanja sy mafonja aminy na iza na iza, ary naiza naiza misy azy.
Mety nihoaran'ny tantara ny fomba sasany amintsika satria isika efa afaka mampitahy fa ireo tsy manana occasion anaovana ny fampitahana dia mila fanazana ela dia ela sy be dia be.
Ka ny tokony hatao, araky ny hevitro izay mety ho tsy mitovy amin'ny hevitrao mpamaky, dia manely ny hevitra ka mandresy lahatra ireo toateny eo anivon'ny mponina sy ny tanàna; Iza ireo olona toateny ireo araka ny hevitrao?
Moa ve ianao vonona hanampy hampiely ny hevitra mahasoa sa mihanina amin'ny hady hevitra eto? Fanontaniana ny ahy?

Farany: ny foko peulh
Ny tany misy azy: Mauritanie , Sénégal, Mali, Bourkina Faso, Guinée roa, Bénin, Togo, Côte d'Ivoire, Cameroun,Niger....paha tonga any Ethiopie sy Soudan. Burundi sy Rwanda angaha no tsy misy peulh anefa tsy sûr aho satria tsy nandinika ny momba ny fombafomba sy mponin'ireo tany ireo aho.
71. rakapy ( 30/07/2009 23:29)
Hoy i Veloo

rakapy a, ny vahivahy mijanona ao an-trano ve dia ataonao hoe mitatireraka????? loza ty marina..
ny sakafo ampidirina ao @ vavanao io ve tonga ho azy sa nisy olona nandro ny sakafonao?
ny akanjonao madio entinao isan'andro io angaha tonga avy any an-danitra fotsiny????
mba hajao ny vadianao raha manana ianao fa miasa daholo ny rehetra tsy hoe mipetraka ao an-trano izy dia izay miasa mamelona anao ko no ataony...
et il a interet a ne pas se plaindre

Izay mantsy, mety tsy eken'ny eritreritrao angamba no nilazako io teny io nefa asa raha mba niheritreritra ianao fa tsy eken'ny eritreriko koa ny filazanao fa fitiavan-tenan'ny lhl 100% ny fanapahana ny vhv?
Rehefa miray hina ve ny vhv fa tsy tia ho tapahana, afaka ny hanao inona ny lhl??? hanambady omby sy ny gana ary ny ondry ve???
Fa matoa mbola misy mitana ilay fomba dia mbola misy vhv mankasitraka ao.
Ny 90% an'ireo manapaka sy tapahana dia tsy afaka miteny, eny na dia misaina akory aza fa tsy hanao izany na tsy atao izany
Tsy ireo zaza no afaka ny hiray hina fa ireo reny izay efa vory saina sy mahatsapa fa tsy misy ilana azy ny famorana no tokony hampitsahatra azy.
Hoy i Ratoa
Marina fa misy mivarotra eny @ ny sisiny ny henakisoa. Misy koa tany à majorité musulmane (96%) misy abattoir mamono kisoa dia vidiana am-pahabemaso. Misy koa ny vazaha manana boucherie . Misy ohatra ny "les trois petits cochons", anarana noraisna avy amin'ny boucherie any Frantsa. Misy grande surface atao hoe "score" mivarotra charcuterie henakisoa, saucisse fumée, saucisse de Strasbourg.

Izahoa aloha mbola tsy naheno hoe misy Score any ambanivohitry El Goleah Mauritanie , ka nivaotra saussice de Strasburg e! asa izay vao hisokatra rahampitso maraina no tsy haiko?
Hoy i Ratoa

Tsy afangaroko mihitsy . . Ary manaja izay mbola manao ny famadihana aho. Mana fanontaniana aho
Inona no tena anton'ny amadihana? Inona no fandrosoana entin'ny famadihana na marihin'ny famadihana? Inona no tombotsoa ateraky ny famadihana ankaotran'ny mifety?
Mifanaraka amin'ny fampianaran'ny Baiboly ve ny famadihana satria ny betsaka hitako sy fantatro dia mamaky Baiboly, mivavaka, mihira hirampihirana? Sa mifanaraka amin'ny hanatry ny Coran sy Ny Thalmut

Toa ohatra ny milaza iana fa tsy misy dikany ny antony nanaovan'ny razantsika ny famadihana. Misy antony tokoa ao.
Ny fandrosona enitiny dia misy na dia tsy betsaka aza.
Tsy hoe voatery izay mifanaraka @ baiboly sy ny Coran sns... ihany anie ry Ratoa no tsy maintsy atao eto an-tany e!
Farany: ny foko peulh
Ny tany misy azy: Mauritanie , Sénégal, Mali, Bourkina Faso, Guinée roa, Bénin, Togo, Côte d'Ivoire, Cameroun,Niger....paha tonga any Ethiopie sy Soudan. Burundi sy Rwanda angaha no tsy misy peulh anefa tsy sûr aho satria tsy nandinika ny momba ny fombafomba sy mponin'ireo tany ireo aho.

Mba vakio tsara moa ny fanotaniana napetrako e!
Foko Peulh @ firenena aiza ao Afrika moa no nahitanao ireo fanazavanao?

Satria ny foko Peulh izay mipetraka manodidina ny foko Wolof dia tsy mitovy fomba @ Peulh izay mipetra manodidina ny Touareg ohatra.
72. rakapy ( 30/07/2009 23:53)
Ity resaka famorana vhv ity rehefa dinihina dia tsy misy mahasamihafa azy @ ilay fombatsika Malagasy any @ faritra Bara iny.
Tsy afaka ny haazo vady ny lhl iray raha tsy efa nangalatra omby ka nigadra. Ary ireo omby izay nangalariny ary mety nahafaty an'ilay lhl mba te hanambady raha toa ka tsy mety ny fangalarana, dia atolotra ny fianakavian'ilay vhv.

73. ravonjison ( 31/07/2009 10:24)
ni81:

rakapy a, ny vahivahy mijanona ao an-trano ve dia ataonao hoe mitatireraka????? loza ty marina..
ny sakafo ampidirina ao @ vavanao io ve tonga ho azy sa nisy olona nandro ny sakafonao?
ny akanjonao madio entinao isan\'andro io angaha tonga avy any an-danitra fotsiny????
mba hajao ny vadianao raha manana ianao fa miasa daholo ny rehetra tsy hoe mipetraka ao an-trano izy dia izay miasa mamelona anao ko no ataony...
et il a interet a ne pas se plaindre
Tsy dia resaka hoe mitatireraka izany araka ny eritreritrao kosa angamba e! Misy ny vehivavy tsy miasa fa aleo aloha mikarakara ny zanaka ao an-trano toy izay handoa karama ho an\'ny mpiasa satria izay no mety aminy sady hafa ihany koa hoe ny reny no mikarakara e! Zà izao tsy miasa fa ato an-trano, fa manana ny zavatra hafa iandraiketako aho (izay midika fa tsy manao tatireraka mihitsy koa :) )

Tsy resaka mitatiresaka izany mihitsy e. Samihafa mihitsy ireto tranga roa ireto :

Tranga 1 : nifanaraka izy mivady fa rangahy no hitady vola hiasa , ramatoa kosa hikarakara ny zaza sy ny ao antrano ( fanasana lamba, nahandro, fitondrana zaza any @ dokotera, miantsena, mitondra ny zaza hanao sport...sns, betska ihany ilay asa ao ntrano ao).
Raha hilaza aho fa mitatireraka ramatoa, dia mitaty reraka koa izany rangahy satria ny sakafony masaka, ny lambany madio, ny zanany voakarakara.Ny mitatireraka dia tsy resaka vola ihany.

Tranga 2 : nifanaraka ny ray aman-dreny roa tonta fa homena ho vadin-dralehilahy manakarena ravehivavy. Nahazo vola , omby sy fananana ny ray amn-drenin\' ny ravehivavy. Talohan\' ny mariage anefa dia noforaina ravehivavy satria izay no tian-dralehilahy.Raha manda izany ravehivavy dia ho lavindralehilahy, ka ho menatra eo @ fiaraha-monina ireo ray aman-dreny.
@ fiainana @ ankapobeny dia ralehilahy no tompom-kevitra @ rehetra, ankoatry ny zavatra madinidinika ao antrano. Ravehivavy mikarakara tokatrano, ralehilahy kosa mandeha miasa mitady vola. Ralehilahy dia nampakatra vehivavy hafa indray ( vady faharoa), manana fananana izy ka azony atao izany.

@ itý tranga faharoa itý dia hita fa mbola manana fomba fisainana tranainy ireo ray aman-dreny, io ilay resaka fivoarana lazaiko etsy ambony , ary sarotra @ sasany ny mandray azy.
Ralehilahy kosa dia efa mivoatra ( nianatra tany andafy izy ), fa saingy nanaiky izany izy satria ahazoany tombotsoa ilay izy ( nahazo vady izy , anankiroa, mampiasa ny volany izy ). Mody ataony fotsiny hoe : izay no sitraky ny ray aman-dreny.

Noho izany miankina tanteraka@ hoe : hatraiza ny fivoaran\' ilay societé sy ny tsirairay ao aminy mba ahazoana miala tsikelikely @ ilay fomba ratsy. Satria misy ny mbola tsy nivoatra, misy koa ireo efa nivoatra, saingy ireo efa mivoatra dia manararaotra ny toe-javatra mba hahazoany tombotsoa.

Tsy azo hekena mihitsy ilay hoe : avelao fa miala hoay io avy eo. Ireo mahazo tombotsoa @ izany ( ireo lehilahy tia tena) dia hiezaka hatrany hampaharitra ilay fomba.
74. rakapy ( 31/07/2009 11:08)
Ilay vhv foraina aloha aza ampifagarona @ fomba Malagasy fa isika eto dia tsy manana io fomba io fa ry zareo ao Afrika andrefana, ampovoany, antsinanana ary avaratra no tena manao azy io. Mety misy tranga ihany eto M/car fa exeptionel ihany ireny fa tsy maro.
75. ravonjison ( 31/07/2009 11:17)

Voalazan\' dRatoa :
\" Ny tiako hambara dia samy manana ny manandfanja sy mafonja aminy na iza na iza, ary naiza naiza misy azy. \"

Marina dia marina ilay voalazanao saingy ampiako hoe : manandanja ireo olona lehilahy tia tena sy ireo mahazo tombotsoa @ izany ilay fanapahana, fa tsy manadanja kosa @ ilay zazavavy notapahana.

Voalazan-dRatoa:
\" Moa ve ianao vonona hanampy hampiely ny hevitra mahasoa sa mihanina amin\'ny hady hevitra eto? Fanontaniana ny ahy? \"

Tsara vintana ihany isika fa tsy misy any dago io fomba io, fa kosa misy zavatra hafa tokony ho vahana ihany.
Aza matahotra ianao fa eo ampikarakarana aho izaho. Misy \" Club Sceptiques \" izay hatsangako ao Dago.
Ny tena antondraharahan\' io club io dia ireo:

1- hiezaka hanazava @ be sy ny maro ny ezaka vitan\' ny siansa @ izao fotoana
izao, sy ny olana voavahany.
2- hampahafantatra ny be sy ny maro ny fomba fisainana \" racionnelle.
3- hanao na hampiseho ny \" analyse scientifique \" mikasika ireo fombafomba, na finoana izay lazaina fa tsara sy ahazoana tombotsoa, kanefa misy ny voka-dratsy aterany ( medecine alternative, astrologie, numerologie, biotronique. phenomene paranormal, ny angatra, fomba gasy sasany ....)
4- hanome fanazavana betsaka ho an\' ny vahoaka, mba ahafahany mandanjalanja, anapahany hevitra mikasika ireo fomba sy finoana ireo.
5- ny politika sy finoana ar-pivavahana kosa diy tsy hidiran\' itý club itý.
76. milamm ( 31/07/2009 12:32)
izay milaza aloha hoe tsy misy an\'io vhv foraina io ao amintsika dia tsy azo inoana 100% indrindra any amorontsiraka izay manana influence bdb @ fombafomba avy any afrika ankoatry ireo tany voalaza ny namana rehetra teo ambony dia saika rakotra an\'io eraky afrika raha ny faritra andrefana fotsiny no lazaina tahaka an\'i tunisia,Morocco,ny nomad no tena fiaviny araka ny fikarohana hita hatrizay ao ko Kenya sy Tanzania(izay avy @ foko Massai miteny swahili,misy mpiady afrikana malaza indrindra ao afrika/rehefa feno 18 manko ny lhl ao min\'io foko io ka hiofana ho tafika izay niady t@ alema nananibohitra taonjato 19 dia fitsapana farany lalovan\'izy ireo ny miady @ liona noana @ lefona 1 fotsiny),fanandevozana ny vhv ihany izany io fomba famorana azy ireo io raha jerena ,satria esorina amin\'izy ireo ny fafiny izay zony tanteraka ary ny arabo nomad no tena niandohany izay avy @ patriarch ny Abraham ,taranak\'i sarah ka ahitana ny prophet Muhamad izay mpaminany farany silamo,na ny varotra andevo aza moa mbola misy ao afrika @ zao fotoana
77. rakapy ( 31/07/2009 12:46)
Hoy i Milamm
izay milaza aloha hoe tsy misy an'io vhv foraina io ao amintsika dia tsy azo inoana 100% indrindra any amorontsiraka izay manana influence bdb @ fombafomba avy any afrika ankoatry ireo tany voalaza ny namana rehetra teo ambony dia saika rakotra an'io eraky afrika raha ny faritra andrefana fotsiny no lazaina tahaka an'i tunisia,Morocco,ny nomad no tena fiaviny araka ny fikarohana hita hatrizay ao ko Kenya sy Tanzania(izay avy @ foko Massai miteny swahili,misy mpiady afrikana malaza indrindra ao afrika/rehefa feno 18 manko ny lhl ao min'io foko io ka hiofana ho tafika izay niady t@ alema nananibohitra taonjato 19 dia fitsapana farany lalovan'izy ireo ny miady @ liona noana @ lefona 1 fotsiny),fanandevozana ny vhv ihany izany io fomba famorana azy ireo io raha jerena ,satria esorina amin'izy ireo ny fafiny izay zony tanteraka ary ny arabo nomad no tena niandohany izay avy @ patriarch ny Abraham ,taranak'i sarah ka ahitana ny prophet Muhamad izay mpaminany farany silamo,na ny varotra andevo aza moa mbola misy ao afrika @ zao fotoana

Aza dia miteniteny foana raha tsy dia fantatrao mazava ny tantara.
Mba omeo hoe foko aiza eto M/car no mamora vhv? Ny any Somalia anie ka 98% ny vhv dia voafora avokoa.
78. ravonjison ( 31/07/2009 12:54)
Izaho aloha nahita lahatsoratra lava dia lava avy @ WHO mikasika io famorána vehivavy io, ireo pays efa voalazantsika etsy ambony dia ao daholo, fa Dago kosa tsy voalaza ao mihitsy.
79. milamm ( 31/07/2009 13:08)
somalia ,eritrea nga moa dia lavitra M.kara,ary ny foko teto M.kara nga moa ra tsy mifangaro @ maha nosy azy ? mpiavy no betsaka izany fifangaroana izany no ilazako hoe tsy azo inoana 100 % ny tsy fisiany famorana vhv,hatrany atsimo ka hatrany avaratra izay nandalo tao anjoany koa (komoro)noho ireo mpiavy nitondra ny varotr'andevo taonjato 17 efa nihalefy angamba izany taty aorina ary ny fombafomba misy ao amintsika dia tsy ary ho fantatrao mazava satria lovantsofina no nitahiry azy ireny,ankoatry izay fisalasalana no napetrako ilazako fa tsy azo inoana 100 % ny tsy fisiany raha efa taonjato vitsivitsy no nandalovan'ireo arabo tany amorontsirak'i gasikara,ny itompo teny fatratra toa anao izao no atao hoe miteniteny foana satria tsy niainanao daholo ireo taonjato voalaza ireo na notetezinao ireo faritra sy foko eraky M.kara,ka ny ahy dia apetrako @ fisalasalana fa tsy fanamafisan-teny toa anao satria nosy ny firenentsika
80. rakapy ( 31/07/2009 13:19)
Ka tsy ny taonjato fa 17 sy 18 na 19 no resahintsika eto fa taon-jato izay iainantsika izao. Mety nisy izany taloha fa ny mahafinaritra dia tsy ahitana azy sy nandrenesana taraina ny momba izany intsony @ izao fotona izao.
Ny hoe 100% aloha dia tsy misy afaka ny mahala izay miafina any. Fa ny fantatra dia tsy nahenona feo na taraina na resaka ny momba ny famorana vhv ,eto @ faritra maro eto M/car amin'izao vanin'andro izao.
Ka noho izany dia tsy ao anatin'ilay zone rouge isika.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2878