tsy vita batisa tsy azo atao mariazy

1. xxx ( 06/07/2009 11:32)
Za manambady izaho kristianina ny vadiko tsy mbola vita batisa sady tsy resy lahatra @fanaovana batisa nefa raha tsy vita batisa na voaray konfirmasiona de tsy mahazo manao mariazy,izy nefa vonona ny anao mariazy nefa tsy mety atao batisa de inonano azoko atao amiko nefa tena important ny fanaovana mariazy any ampiangonana ,marihina aloha za Loterianina :cry:
novalian'i rakaroka ny 22/07/2009 22:22
2. ni81 ( 06/07/2009 11:40)
Za manambady izaho kristianina ny vadiko tsy mbola vita batisa sady tsy resy lahatra @fanaovana batisa nefa raha tsy vita batisa na voaray konfirmasiona de tsy mahazo manao mariazy,izy nefa vonona ny anao mariazy nefa tsy mety atao batisa de inonano azoko atao amiko nefa tena important ny fanaovana mariazy any ampiangonana ,marihina aloha za Loterianina
Betsaka mihitsy ny olona manao mariazy nefa tsy any am-piangonana noho ny antony maro @ zao fotoana izao.
Dia izy izany tsy loterana? Sa Athée mihitsy?
3. xxx ( 06/07/2009 11:57)
Fa ilay fitiavanareo roa ve no ambony sa ilay mariazy??? Za aloha dia dakaoro 100% amin'ilay ho vadinao. Za zao natao mariazy manetriketrika tany an-piangonana sy nandany andro nanao batisa sy fandraisana nefa 5 taona aty aoriana ilay mariazy dia hitako sy tsapako fa nanenenako satria tsapako fa tsy misy lanjany intsony ilay mariazy. Atao fomba fiseho ety ivelany fotsiny sisa fa ilay tena vatolampy niorenan'ilay mariazy dia ilay fitiavana izany dia efa tsy hita intsony. Lasa contract de location sisa. :-D :-D :-D
4. ravakamalala ( 06/07/2009 12:27)
raha important ho anao ny manambady any am piangonana, dia tokony ho important ho anao koa ny manambady kristianina

koa maninona raha izay no atao?
5. ari.malala ( 06/07/2009 13:22)
Tsy azo atao tery vaimanta aloha ny hoe tsy maintsy izao tsy maintsy zao, satria tokony handeha am-pitiavana daolo ny rehetra. Noho izany, manaova fihetsika mahasarika azy aloha ianao mba hahatonga saina azy ka hahatarika azy hataoo batisa, d miroso tsikelikely nareo aveo. Mirary soa. Fa efa vita nga ny mariazy civil?
6. rijadolly ( 06/07/2009 15:38)
Salama daolo a! tato fona fa ts nanjay anjara fotsy elaela. :D

Manoana ny hevitr' ari-malala koa za

Ny fifankatiavana dia anisany zava-dehib tokoa ra alohan'fanambadiana.Matoa nareo miaraka dia hifampitondra sy hifanome vokatra tsara izay tany aminareo avy.Ka ra izay no ts tafita de ti tena izay ny iray fa feheziny ho an'azy rery ny fasoavana.Mifandiniha tsara fa ts maintsy voavaha izany olana izany ra samy manazava ny antony avy ianareo,indrindra ra tena manaiky ny atao mariazy zany izy.Sao dia samy hafa Fiangonana marina ianareo?

Fa ilay fitiavanareo roa ve no ambony sa ilay mariazy??? Za aloha dia dakaoro 100% amin'ilay ho vadinao. Za zao natao mariazy manetriketrika tany an-piangonana sy nandany andro nanao batisa sy fandraisana nefa 5 taona aty aoriana ilay mariazy dia hitako sy tsapako fa nanenenako satria tsapako fa tsy misy lanjany intsony ilay mariazy. Atao fomba fiseho ety ivelany fotsiny sisa fa ilay tena vatolampy niorenan'ilay mariazy dia ilay fitiavana izany dia efa tsy hita intsony. Lasa contract de location sisa.
Ekena fa ilay fitiavana no voalohany sy nahatonga ilay mariazy fa kosa @Pino rehefa atao mariazy (amiko manokana) dia eo anatrehan'Andriamanitra sy Jesoa ny voadiko fa tsy mipetraka intsony ho an'ilay vadiko,na mariazy zany na ara-panjakana na vodiondry.Vonona hanome voninahitra ho AZY no tanjoko ao amin'tokatranoko.
7. Mirananirina ( 07/07/2009 08:13)
ny vadiko,hoy ianao ,izany hoe efa nivady izany ianareo ,fa tsy natao mariazy any ampiangonana?
Ny katolika ihany matetika no sarotiny ,fa ny sisa afaka manao ny mariazinareo ihany na ts vita batisa aza izy
8. ni81 ( 07/07/2009 08:33)
ny vadiko,hoy ianao ,izany hoe efa nivady izany ianareo ,fa tsy natao mariazy any ampiangonana?
Ny katolika ihany matetika no sarotiny ,fa ny sisa afaka manao ny mariazinareo ihany na ts vita batisa aza izy
efa nilaza izy ry mirana fa loterana a! Tsy manaiky ny tsy vita batisa sy konfirmasiona atao mariazy ny fiangonany :)
9. xxx ( 07/07/2009 10:06)
Za ihany ty e,zahay vita mariazy civil de za te hanao mariazy ampiangonana satria fantatro fa zava -dehibe ny tso-drano avy @Atra,izy anie manaiky fa ny olana fotsiny de izy tsy vita batisa sy konfirmasiona ary izy tsy mety atao anireo izy mivavaka hoy izy fa tsy manana antokompinoana zay no antony e :lol:
10. ni81 ( 07/07/2009 10:14)
Za ihany ty e,zahay vita mariazy civil de za te hanao mariazy ampiangonana satria fantatro fa zava -dehibe ny tso-drano avy @Atra,izy anie manaiky fa ny olana fotsiny de izy tsy vita batisa sy konfirmasiona ary izy tsy mety atao anireo izy mivavaka hoy izy fa tsy manana antokompinoana zay no antony e
dia mandehana ataovy @ resto zany koa maninona e! Na @ trano malalaka tsotra fotsiny izao. Be dia be no manao mariazy tsy ao am-piangonana noho ny antony maro ankehitriny; tsy fitovian'ny finoana no tena hitako, na ny iray koa efa nanambady dia tsy afaka manao ilay izy ao @ fiangonana.
11. xxx ( 07/07/2009 10:14)
Lahy i xxx sa vavy?

Raha Lahy ianao dia tokony handresy lahatra azy @ finoana satria ny lahy no lohan i vavy.

Raha vavy ianao, dia sarotsarotra. Kanefa efa nisafidy ny hiaraka aminy ianao, ka dia tsy afaka hanery azy ... ny azonao atao dia ny mivavaka mba hanekeny an i Kristy Mpamonjy.

Ny hevitry ny Batisa mantsy dia fanekena ny famonjena vitan i Kristy teo @ hazo fijaliana, ka hidirana sahady @ fankan ny lanitra.
12. xxx ( 07/07/2009 11:11)
hoy xxx10
Raha Lahy ianao dia tokony handresy lahatra azy @ finoana satria ny lahy no lohan i vavy

Izaho lhl fa tsy manana io toe-tsaina lany andro io intsony. Tsy misy hoe lhl no lohan'ny vhv fa samy lohany ary samy rambony satria fifanampiana ny tokan-trano fa tsy fitondrana akory. Tsy vitan'ny lhl vitan'ny vhv vis versa.
13. Mirananirina ( 07/07/2009 12:35)
efa nilaza izy ry mirana fa loterana a! Tsy manaiky ny tsy vita batisa sy konfirmasiona atao mariazy ny fiangonany

sendra pasitera sarotiny izy izany.
Misy olona izay anefa natao mariazy ampiangonana kristianina ,nefa musulman ilay olona vadiny.Mety tsara mihitsy ,tsy nisy ny olona.
14. ni81 ( 07/07/2009 18:14)
sendra pasitera sarotiny izy izany.
Misy olona izay anefa natao mariazy ampiangonana kristianina ,nefa musulman ilay olona vadiny.Mety tsara mihitsy ,tsy nisy ny olona.
ka ny loterana dia tena sarotiny be mihitsy koa ka! Raha toa ka mpiasa ao @ misiona fotsiny aza ianao ka sendra miteraka (mère célibataire) dia tonga dia voaroaka tsy mahazo miasa ao intsony
15. JOSIAH ( 07/07/2009 18:32)
Ie tsy maintsy sarotiny izy fa asan`Atra kosa io ve koa atao antsirambina
16. sitlo ( 07/07/2009 19:23)
Marina izany ry Josiah sy ravakamalala.

xxx> Ny mivavaka no azonao atao. Fa raha izay hoe atao mariazy nefa tsy miaraka amin'ny finoana dia zava-poana.

xxx:
Fa ilay fitiavanareo roa ve no ambony sa ilay mariazy??? Za aloha dia dakaoro 100% amin'ilay ho vadinao. Za zao natao mariazy manetriketrika tany an-piangonana sy nandany andro nanao batisa sy fandraisana nefa 5 taona aty aoriana ilay mariazy dia hitako sy tsapako fa nanenenako satria tsapako fa tsy misy lanjany intsony ilay mariazy. Atao fomba fiseho ety ivelany fotsiny sisa fa ilay tena vatolampy niorenan'ilay mariazy dia ilay fitiavana izany dia efa tsy hita intsony. Lasa contract de location sisa.


Samy hafa ny mariazy sy ny fety.
17. cutie ( 07/07/2009 21:04)
Mpandefa : xxx [ Valio ] 06-07-2009 13:32:17
Lohateny : tsy vita batisa tsy azo atao mariazy
Za manambady izaho kristianina ny vadiko tsy mbola vita batisa sady tsy resy lahatra @fanaovana batisa nefa raha tsy vita batisa na voaray konfirmasiona de tsy mahazo manao mariazy,izy nefa vonona ny anao mariazy nefa tsy mety atao batisa de inonano azoko atao amiko nefa tena important ny fanaovana mariazy any ampiangonana ,marihina aloha za Loterianina

ka manin tsy miresaka @ pasitera alou??? Azo atao foana ny mariazinareo na tsy vita batisa aza izy. Raha ny aty aminay alou io fa tsy haiko na aiza i xxx na aiza.
18. ndotofetsy ( 07/07/2009 22:11)
ento mianatra tsikelikely izy ary rehefa hanao raharaha ampiangonana dia tsimaintsy mianatra kely raha te hiditra ampiangonana ny mariazy raha tsy zany de odio fanina dia maka sipa hafa
19. cutie ( 07/07/2009 22:20)
raha tsy zany de odio fanina dia maka sipa hafa
:-D :-D :-D :-D
20. Ratoa ( 07/07/2009 23:45)
Loza fa efa lava be ny nosoratako dia very tampoka teo ka averiko indray:

ny batisa ataon'ny raiamandreny dia finianana eo antrehan'ny fiangonana izay fianakaviana faharoa fa hitaiza ny zaza ho kristiana izy mivady sy ny mpanotrona.

Ny olondehibe atao batisa kosa dia manolo-tena ho kristiana ary ny fiangonana no vavolombelona.

Ka mino an'Andriamanitra sy Jesosy zanany Mpamonjy antsika ve izy? Raha izany dia ho mora aminy ny atao batisa. Amin'ny andron'ny mariazy no ataovy ny batisa. Fanao izany fa sady tsara tarehy no tena mafonja ny fanambadiana. Inona moa no dikan'ny mariazy ao am-piangonana?
Miantso ianao sy ny vadina ary ny fiakaviana sy ireo olona rehetra tia anareo hoe: "Jehovah Andriamanitra ô! Arovy sy tahio ity tokatrano vaovao ity mba hateza sy ho sambatra eo ambany fiarovanao;"
Tsy fisehosehoana ny mariazy fa fangataha_pitahiana. Ka raha mbola tsy tsapan'ny vadinao izany, aza terena izy fa ampianaor tsy moramora eo: " En religion, point de contrainte" hoy ny fiteny;

Ampianaro izy hino fa rehefa mino tsy menamenatra fa ny votoatin'ny batisa no ao antsaina.

Izaho izay manoratra dia efa lehibe vao nato batisa. tsy izaho irey fa izahay mianadahy avy. Hitako nisy fiovana tsara be dia be ny fiainako hatrizay na dia notezain'ny raiamandreninay tamin'ny finoana aza izahay.

Ny antony tsy nanaovana batisa anay fony kely dia tian'ny RAD hifidy sy hanolo-tena tsy antery izahay. Nisy nahatsara azy, ary nisy naha ratsy azy koa: izay tsy vita batisa dia marefo eo anatrehan'i satana. Tsy hoe nivilivily akory izahay fa betsaka ny zavatra niseho taloha, nampahory nampihorohoro, eny nampijaly aza izay sty niseho intsony.

Zava-dehibe ny mariazy am-piangonana fa aza atao tsirambina. Ny mariazy manetriketrika tahaka ny an'i sitlo dia tsy misy ilàna azy. Nentina nisehoana iny fa tsy nentina nangatahana fitahiana ;@ Andriamanitra sy ny fianakaviana. Tsy nentina nagatahana fiarovana mba ho lava andro ilay fitia sy ilay tokatrano.

Raha dia tena mbola tsy mino izy, aza terena fa andraso fa raha mbola velon'aina dia mbola misy ny fnantenàna. Mivavaka ho anareo aho mba ho tanteraka naie izany faniriana soa izany!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0081