gasy any dago mangata-bola isam-bolana, mahagaga ahy

81. soanja ( 19/06/2009 13:33)
ravonjison:


1- Fitovian-jo : ny @ io dia efa nasiako ohatra mazava atsy ambony atsy ka iny ohatra iny ihany no averiko eto :
\" Ohatra mazava : izahay sy ny vadiko isam-bolana rehefa manao tetibola dia samy mahazo argant de poche MITOVY. Avy eo dia samy mandany ny argent de poche -ny @ tiany hanaovany azy : ny ahy alefako any @ fianakaviako, ny azy hanaovany entrenainent na danse \".
Izany hoe tsy maintsy misy fitovizana ao, rehefa mandefa vola any @ fianakaviany ralehilahy dia tsy maintsy mahazo vola koa i ANATIKO mba hanaovany izay hitiavany azy ( na halefany @ fianakaviany koa , na ariany eny andalam-be...)
Fa tsy mety raha ny vadiny ihany no mampiasa ireo vola fa izy kosa mitazana fotsiny.





Misaotra nanazava akaiky tokoa saingy amiko ny fitovian-jo raha ny ao an-tokatrano noresahina dia tsy ny hoe hampitovy lalandava amin'ny vadiko na hifaninana ka izay vola mivoaka aminy mila mivoaka amiko koa ka na ariana an-dalambe aza dia atao, fa ny fahafahako manao izay mba tiako atao mifanaraka amin'ny zava-kendreko na ny mahaolombelona ahy ary indrindra mifanaraka amin'ny tanjona/mission-n'ilay tokatrano naorinay. Manantena koa aho fa izy afaka manana izany fahafahana izany tsy misy mankantsakana. Manan-jo ho afaka ny tsirairay!


Fa tsy hoe rehefa hividy snowboard izy dia ndeha koa zah na tsy manana programa n'inona n'inona aza haka vola ao amin'ny banky ka holaniako amin'ny akanjo sy ny firavaka izay tsy hilaiko satria mila mandany toa ny azy aho. Amiko izany dia fifaninana sy fitakiana lavareny tsy ampitiavana. Amiko tsy misy zany argent de posy zany fa rehefa misy zavatra ilaina na atao dia vidiana rehefa misy ny vola ary ampy itsinjovana ny ho avy tsy fantatra, ary volanay io fa tsy hoe volany na volako. Ny fifanarahana eo amin'ny samy mpivady no tena zavadehibe hoe maika sa tsia izany filana izany.

Samy manana ny mahamety ny fitondrany ny tokatranony anefa fa Forum no atao eto. Tsy io hevitro io akory no marina lalandava amin'ny tsirairay. Olombelona isika samihafa ny fahitantsika ny fiainana. Hanampy an'i Anatiko no ifanoratana ary manantena aho fa tsy ho tezitra i Anatiko amin'izay zavamisy eto fa anjarany kosa ny mahalala ny mety aminy.

Inona no soatoavin'ilay fianakaviana? Tsy mitovy ny soatoavina eo amin'ny mpivady, tsy tonga amin'ny marimaritra iraisana izy mivady? dia aleo misaraka fa mifandany fotoana sy ron-doha nefa ny zanaka mila tsinjovina maika satria tsy fidin'ireo no tonga teto an-tany. Amiko ny hanafim-bola sy ny ahy ity ary ny anao any sns.. dia tsy tokatrano fanambadiana izany fa firaisa-monina.

Asakasak'izay vonona anao izany firaisa-monina izany anefa satria matetika tsy mitondra aiza izay fa amin'ny fangirifiriana ao anaty!


82. soanja ( 19/06/2009 13:43)
xxx:

mifanjohy ihany ny lazain'i soanja sy ravonjison

raha tsy fifankatiavana no ao @ tokatrano dia lasa fitsetsefana sy fanararaotana no manjàka


Izay no mahamarina ny an'i Papoose manontany an'i Anatiko hoe mbola tia ny vadiny ve i Anatiko sa tsia? satria raha ny fahitantsika rehetra ny zavamisy dia efa tsy fitiavana ny an-dRalelahy noho ny fanidiana sofina tsy mihaino ny ho mahatsara ny ho avin'ny tokatranony sy ny taranany ary indrindra ny fitsetsefana ny hatsembohan'ny olona ao an-tokatrano, izay vady, miasa mafy mba te hanatsara ilay tokatrano. Izy koa anefa tsy eto hanazava ny antony hanovany izany. Misy antony ny zava-drehetra.

Satria manko raha mbola tia i Anatiko dia hoy aho hoe iafio izany satria masina ny fitiavam-bady ary tsy misy dikany izany rehetra izany manoloana ny fitiavan-dehibe ifandraisanareo ankoatr'izay izay azonao lalandava antenaina amin'ny ho avy. Izay tia dia manantena!

Mahereza


:-* :-* :-* :-*
83. ravonjison ( 19/06/2009 14:42)
Soanja:
Voalazanao:
" ....fa ny fahafahako manao izay mba tiako atao mifanaraka amin'ny zava-kendreko na ny mahaolombelona ahy ary indrindra mifanaraka amin'ny tanjona/mission-n'ilay tokatrano naorinay. Manantena koa aho fa izy afaka manana izany fahafahana izany tsy misy mankantsakana. Manan-jo ho afaka ny tsirairay! "

Adinonao angamba fa tsy afaka manao izay tiany hatao i ANATIKO. Te hanangom-bola ho an' ny zanany izy kanefa tsy afaka manao izany satria alefan' ny vadiny hoan' ny fianakaviany ireo vola.
Noho izany tsy manana fahafahana izany mihitsy izy e.


Mikasika ilay budget dia misy ilay vola hikambanana, hiarahana manapa-kevitra. Fa misy kosa vola kely azon' ny tsirairay ka izay tiany hanaovana azy no hanaovana azy.
Fa tsy hoe samy manana ny volany akory izahay araka ny eritreritrao !!!!.


Misaotra fa mazava ny hevitrao e.
84. soanja ( 19/06/2009 15:30)
ravonjison:


1- Fitovian-jo : ny @ io dia efa nasiako ohatra mazava atsy ambony atsy ka iny ohatra iny ihany no averiko eto :
\" Ohatra mazava : izahay sy ny vadiko isam-bolana rehefa manao tetibola dia samy mahazo argant de poche MITOVY. Avy eo dia samy mandany ny argent de poche -ny @ tiany hanaovany azy : ny ahy alefako any @ fianakaviako, ny azy hanaovany entrenainent na danse \".
Izany hoe tsy maintsy misy fitovizana ao, rehefa mandefa vola any @ fianakaviany ralehilahy dia tsy maintsy mahazo vola koa i ANATIKO mba hanaovany izay hitiavany azy ( na halefany @ fianakaviany koa , na ariany eny andalam-be...)
Fa tsy mety raha ny vadiny ihany no mampiasa ireo vola fa izy kosa mitazana fotsiny.






Nihevitra tokoa aho fa matoa nasianao io resaka notsindriako io dia io no tianao resahina momba ny fitovian-jo, fa raha ny fahafahan'ny samy mpivady no resaka dia marina izany misy tsy fitovian-jo izany ny ao anaty tokatranony ao fa zah no tsy mahazo ny tianareo resahina dia nitsikera. Tsara ny mitsikera mba ahitana ny atiny. Faly aho fa afaka nanazava an'io isika.

Ny hampitovy mantsy dia sasa-poana ihany satria tsy natao ifaninana ny tokatrano fa ifanasoavana. Tsy voatery ho tsy maintsy mitovy akory fa ny fijerena hoe inona no fahendrena no zavadehibe manoloana ny zavatra iray! Raha hanary vola an-dalambe kosa angamba hoy aho tsy fahendrena izany fa juste hoe satria efajoro ny raha!

Misaotra!

85. anatiko ( 19/06/2009 16:56)
misaotra anareo rehetra aho

vaovao mahafaly 1 aloha dia tsy maintsy mody any Dago rafozako, tsy nety nanome taratasy azy ny doktera (milaza fa marary izay mantsy)

manaraka , tena hitako tsara ilay ani ravonjison ny hoe samy manana argent de poche ka samy manao izay tiany @lay izy, efa niresaka t@y ny @ izany aho, tsy namaly moa izy fa dia @ izao fotsiny.

efa fantatro tokoa fa raha averimberina @ dia tsy hihaino izy fa hanidy sofina tokoa, ka efa kopy @ io technique io a ry reto a,

tena tiako izy fa raha tsy misy fiovana dia miala aho satria tsy ho ahy fa ho any zaza, NY ZANAKO AVANT TOUTE CHOSE!

ny olana koa angamba dia tsy mba nanan-dray ny vadiko fa ny reniny sy ray kely no nitaiza azy, ka tsy mba manam-pahendrena, noresahiko an'izany izy vao afak'omaly , fa izy moa comme d'hab tsy miteny;

mampalahelo ny fiainanay, fa mampianatra an-dralehilahy aho, hitsinjo ny ho avy (na ny anay: mba tsy iankinanay @ zanakay rhf antitra, na koa ho ani ankizy).

Fahendrena izany amiko satria na ny mivavaka aza anie, misy tanjona e, mitsinjo ny avenir (ny lanitra io);

fa sarotra rehefa miaraka @ bado, mety ilay fahabadoany no nitiavako azy fahiny(MDR)

fa tena nul , "d'une nulité rare "mihitsy

je suis peut-étre méchante, mais c'est ce qu'il est!

ny mamany izao, vao namorona indray teo fa niakatra be ny sucre-ny, nefa vao omaly izy no tany @ radoko ka tsy nety nanome taratasy marary hijanonana. Depuis nahatongavany dia efa natao daholo izao examens médicaux rht izao: fo, vavony, kibo, hépatite, diabète... fa négatifs daholo, sady tany Dago izaho no nolazainy fa mamparary foa azy, au fait ny sainy no tena voa, ka mila psy tokoa araka ny filazanareo azy izy mianaka.

Ny sentiment-ko ve @ zao? tsy rahirahiko izay ataony any, fa mbola hoa vy ny tournant, ka tsy maintsy mivaly @ izy ireo ny ratsy rht nataony

tena olona rancunière be aho, manozona sisa no tsy ataoko!

tena ratsy toetra sady mpandainga rafotsy be; tsy mahalala mibebaka nefa milaza fa mpiandry sy tsy mba mijery ny toetrany; efa tsy niangona intsony aho depuis 3 mois izay, ka nanontany ahy ramoseako hoe maninona? dia novaliako hoe" fiatsaram-belatsihy no betsaka any ka aleoko mijanona an-trano, sady tsy tiako ny miaraka @reo mianaka", tsy niteny moa izy.

ny zandriny vadiko moa izao toa niverina @ vadiny izay nampisarahan-dramatoa be ihany, ny vavy matoa kosa dia tsy mody an-trano intsony depuis 4 mois izay (tao @ zareo ireo ramatoa be no nipetraka talohany nandehanany taty), ka toa raneny daholo no mitazona ny vola sy mibaiko ao, tsy atao an'izany indray aho, efa mahiratra aho izao, sady tsy bado akory.

ka dia misaotra anareo an! nanome hevitra teto fa manampy ahy izany.
86. ni81 ( 19/06/2009 18:12)
=D> =D> =D> =D>
87. tess ( 19/06/2009 18:52)
Mila fantarintsika vehivavy anefa fa arakaraky ny himenomenomanao dia vao maika manidy sofina ny lehilahy. Tsy tia vehivavy be taraina ny lehilahy ary indrindra ny tia mivazavaza

ny ahy tena misokatra tsara ny sofina de mihaino tsara :-D de miova :-P
raha tsy hatao an'izay menomenona zay tsinona tsy hiaino, arakaraka ny olona angamba io fa tsy ny lehilahy rehetra no otran'izany
88. tess ( 19/06/2009 18:56)
Marina tokoa izany, rahateo misy olona marobe sady tiana no tia . Ho ahy sy azy koa angamba saingy toa samy tsy maika izany, tsy manahy ny malai-misaraka, satria izy aza mandeha foana, efa fantatra rahateo ny "hatsiaka" fa lasa miara-monina sahala @ "complément" . Je n'sais pas ...tahaka ny tsy mpivady fotsiny!
:wink: azoko aky an! :-*
89. soanja ( 24/06/2009 03:03)
anatiko:


fa sarotra rehefa miaraka @ bado, mety ilay fahabadoany no nitiavako azy fahiny(MDR)

fa tena nul , "d'une nulité rare "mihitsy

je suis peut-étre méchante, mais c'est ce qu'il est!

ny mamany izao, vao namorona indray teo fa niakatra be ny sucre-ny, nefa vao omaly izy no tany @ radoko ka tsy nety nanome taratasy marary hijanonana. Depuis nahatongavany dia efa natao daholo izao examens médicaux rht izao: fo, vavony, kibo, hépatite, diabète... fa négatifs daholo, sady tany Dago izaho no nolazainy fa mamparary foa azy, au fait ny sainy no tena voa, ka mila psy tokoa araka ny filazanareo azy izy mianaka.

Ny sentiment-ko ve @ zao? tsy rahirahiko izay ataony any, fa mbola hoa vy ny tournant, ka tsy maintsy mivaly @ izy ireo ny ratsy rht nataony

tena olona rancunière be aho, manozona sisa no tsy ataoko!




Efa nanome ny sikajiko aho dia aleo tohizako hatramin'ny farany.

Marary tokoa ny voa tamin'ny fiarahana taman'olona na ny safidy tsy nandaitra ary voajanahary amintsika olombelona ny mankahala ny nanisy ratsy antsika.

Fa misy kosa fomba fijery ny fiainana izay tena manampy tokoa mamelona ny lotika ao anaty, izay manimba tokoa amin'ny farany fa , ny fivavahana na famelana ny olona nanisy ratsy anao ary maniry ny soa ho azy ireo amin'ny ho avy manampy anao ho sitrana. Enga anie Atra no hitahy azy ireo mba hampahiratra ny masom-panahiny!

Tsy voajanahary hoy aho io fomba fihevitra io na fisainana io fa volena sy koloina ao anaty. Ny antony mahatsara an'io dia satria niteraka ianao. Ny fanabeazana sy modely hitan'ireo zaza no indraindray ary matetika aza lovainy. Hamorao ny fo.

Misy fiteny isan-karazany ao anaty fahendrena isan-karazany.

" Ento ny ziogako, mianara amiko, fa malemy fanahy aho. Ka ahita fiadanana ianao!" Hira Katolika
" Manankanesa aty amiko ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatr'entana fa Izaho no anome anareo fitsaharana." Matio 11:28
" Emancipate yourself from mental slavery , none but ourselves can free our mind" Marcus Garvey sy ny hiran'i Bob Marley

Omeo/ tolory amin' an'Atra ampitiavana sy ampitokisana ny manahirana anao fa Izy no hanome filaminan-tsaina sy fiadanan-tsaina ho anao! Mahereza.

90. xxx ( 21/08/2009 20:12)
Tsy nahavaky ny vahaolana rehetra teto aho fa ny sasany ihany, ka mety efa voalaza izay holazaiko.
Amiko : Rehefa tsy manaiky ny carte sur table izy de izao no atao:
Atao ny compten'ny vola lany isam-bolana ka ny ifanjaranareo hoe ohatrinona isan'olona, ny anjaranao aloanao, ny anjaran'ny ankizy ifanjaranareo mivady, ny azy sy ny an'ny reniny aloany manokana, izay sisa ny azy no andefasany ho an'ny havany, na mandefa mitovy amin'izay alefany ho an'ny havany amin'ny havanao koa ianao, na iray volana an'ny havanao , ny manaraka an'ny havany, fa tsy atao havan'ny vavy sy lahy izany. Atao compte daholo ny essence lany, zaraina amin'izay miara-mandeha ao, hatramin'ny madinika indrindra , leo izy nony farany. Siaka malefaka moa no filaza azy. Ampahalalao ny havany mangata-bola koa fa miharatsy ny tokantranonareo noho ny hataka lava ataony. De mba manaova "vatan-drakitra "miafina ihany ianao fa tsy hay ny ao andohany ao.
Araho vavaka fa ny vavaka manova zavatra.
MAHEREZA é
91. Ratoa ( 21/08/2009 22:52)
Ampahalalao ny havany mangata-bola koa fa miharatsy ny tokantranonareo noho ny hataka lava ataony

tsia, fadio izany. Misy ny olona hory hava-manana ka vao maika izy hanakorontana mba ialanao teo na dia tsy fantany aza izay entin'izay misolo anao.
Tsy misy tsara noho ny resaka mazava. Manaova planing an'izay rehetra ialam-bola mandritry ny volana ho avy. Atao vita le 15 du mois en cours ny fikasana hatao ny volana manaraka.
Ohatra: izay handaniam-bola mandritry ny volana Septembre 2009 dia atao maty tetika ny 15 Août 2009. Dia izay rehetra tsy tafiditra eo satria tsy nangatahana talohan'ny 15 Août; dia miandry ny volana manaraka ( miandry octobre) . Paha -tongan'ny volana manaraka, efa lany andro ilay hataka. Dia raha mangataka aorinan'ny 15 du mois, na iza na iza fa tsy ny azy irery no atao izany, dia valiana hoe: "efa tara loatra ianao vao nangataka fa aleo miandry ny volana ambony fa ny ankehitriny efa tsy lasa intsony."
Résultats: faona ho azy ny fangatahana satria tsy hety ho tafiditra anaty planing mihitsy, raha tsy hoe angaha zavatra tena ilaina ka tsy maintsy hatao na oviana na oviana . Dia atao planing manokana iny.
Ampiasao ny saina dia mahaiza mibanjina ny lavidavitra sy ny lavitra fa aza manaiky ho fanina amin'ny eo imaso imaso eo sy ho tengenam-bozina eo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1559