gasy any dago mangata-bola isam-bolana, mahagaga ahy

21. tess ( 12/06/2009 05:44)
ohatra iray no omeko an'i soanja, taloha koa ny lehilahy tompoina sy hajaina fatratra, ny vavy vadiny no tsy maintsy manao izany satria hoe ilay rangahy no lohan'ny fianakaviana, ataoko angamba fa tsy izany ntsony no mitranga amin'izao fotoana izao, nohon'ny fivoarana dia tsy manan-kery sy tsy mi existe intsony izany raha ny tokony ho izy.....
SATRIA tsy ny lahy ihany amin'izao no mandeha mitady vola hivelomana fa ny lahy sy ny vavy......SADY EFA foana koa izany fanjanahana ataon'ny lahy sy ny rafozambaviny ho an'i vady izany.....DIA IZAY no antony lazako hoe efa primitif lay fombafmba na dia mbola mi existe aza any ambany vohitra sy anaty ala any........ka raha olona miaina amin'ny tany mandroso sy mivoatra, na antanan-dehibe no mbola mampiasa io fomba fomba io dia tsy rariny avy hatrany no avaliko azy ka miray hevitra am ni81 izà :-P
22. Ratoa ( 12/06/2009 20:19)
Bjr
Aza miala trano izany fa tonga ianao dia diso eo anatrehan'ny lalàna fa nanao abandon de foyer. Aza mandeha metro na tongotra na taxi izany raha misy aleha. Ianareo telo mianaka aloha no mameno auto. Sao dia ianao indray no enjehena rehefa avy eo hoe momboly lalan-kafa. "Asa izay mbola aleha hoy izy. Ary efa no ferany tsy hitantara ny nataony ny ankizy." Tandremo lahy.

Ny azonao atao dia manao teny iherana mandeha manao vakansy 1,5 mois any Madagasikara, dia miverina haingana, miaraka amin'ny zanakao: tsy misy mpahandro sakafo sns amin'izay. tsy misy vola ho zazaina koa ary ny ankizy tsy maintsy vatsiana. Hidio daholo izay azo hidiana. Rehefa miverina odio fanina.
Rehefa tafaverina ianao, aza arotsaka @ lany ao an-trano intsony ny volanao. Tohizo idiana izay efa nidiana: ny armoire sy ny réserve rehetra. Omeo mialoha ny ankizy. Asa izay fahaizanao manome feno ny ankizy ka tsy itan-dramatoa reniny. Dia rehefa tonga izy mianaka, sakafo kely aroso: izay no takatra hoe.
Aza miseho ho manana mihitsy.
Ary misy anie olona (ireo havany) tsy afaka isaina mihitsy fa sty misy tovozo sty ritra eto an-tany. Misy koa ireo miteny: vola adala tompo ka hano raha mbola misy fa ehefa tsy misy dia samy tsy hihinana ihany.
Asa izay antony nanambadiany anao fa raha tahaka ahy aloha, ny tenako no voalohany. Rehefa afa-po aho vao everina ny any ivelany, ary @ ntsika gasy anie ka ramatoa no mitantana ny vola é!
Rehfa tsy izany dia asio hitokana ho anao
23. tess ( 12/06/2009 20:35)
21. Mpandefa : Ratoa [ Valio ] 12-06-2009 22:19:19
Lohateny : Re : gasy any dago mangata-bola isam-bolana, mahagaga ahy
Bjr
Aza miala trano izany fa tonga ianao dia diso eo anatrehan'ny lalàna fa nanao abandon de foyer

toa efa niova ny lalàna akitrio fa tsy mi existe tsony io hoe refa miala ny trano dia diso.....
24. ni81 ( 12/06/2009 21:06)
Ary misy anie olona (ireo havany) tsy afaka isaina mihitsy fa sty misy tovozo sty ritra eto an-tany. Misy koa ireo miteny: vola adala tompo ka hano raha mbola misy fa ehefa tsy misy dia samy tsy hihinana ihany.
:? tena misy manao an'io mihitsy!
25. ikaretsaka ( 13/06/2009 02:11)
Izao fotsiny no tiako ampiana... ary lesona azoko t@ angano Bara anankiray izy ity.
Fa na lehilahy iza na lehilahy iza.... na nanao voady teny ambony otely na alitara aza izy fa tia ny vadiny..na niterahany prince sy princesse ny zanany sy miseho ho nanasoa azy be aza io vadiny io...dia tadidio lalandava fa tsy hatakalony ny Reniny niteraka azy na oviana na oviana io vadiny io..na inona na inona ataon'ilay vady rah vao fantany fa osa sy sahirana io ramatoa reniny io.
Ny fomba fanampiany an'io no samy manana ny fahasamihafany araka ny lehilahy sy ny tokatranony tsirairay avy..fa ny mandrara azy tsy hanao an'io kosa..d'efa guerre perdue d'avance..dia ho an'izay hanambady alohan'ny hidirana lalina d'efa eritrereto mialoha io
26. tess ( 13/06/2009 06:26)
raha olona tokony ampiana indray anie tsy mampaninona ahy mitsy e! ohatra hoe olona tsy salama na mahantra tanteraka
fa raha sady matandraka be lay raneny no miditra lalina am fianan-tokatrano
dia tsy lasa kosa , tena omeko azy ny safidy na izaho na ny mamany
27. ikaretsaka ( 13/06/2009 09:39)
Raha le mamany mi sabote st mitrandraka ka manana noho nareo de ok...
Fa raha le reniny hoe tena sahirana ka tena sahirana no ampanaovanao choix azy...soava tsara...
28. ni81 ( 13/06/2009 11:24)
raha olona tokony ampiana indray anie tsy mampaninona ahy mitsy e! ohatra hoe olona tsy salama na mahantra tanteraka
fa raha sady matandraka be lay raneny no miditra lalina am fianan-tokatranodia tsy lasa kosa , tena omeko azy ny safidy na izaho na ny mamany
mitovy hevitra @ tess koa aho.
Raha ho aretim-po sy tebiteby foana no hiainana mandavan-taona dia aleoko manano-tena toy izay hiaritra trèfle eo ka!
Nisy lehilahy iray izay tany akaikinay taloha, dia izay vehivavy rehetra niaraka t@ sy mba nokasainy halaina vady, dia tsy mba nisy tian'ilay reniny na dia iray aza. Ary tena rafirafesiny mihitsy an!
Hany ka dia tsy mba nanambady io lehilahy io raha tsy efa maty ilay reniny taty aoriana.
29. ravonjison ( 13/06/2009 13:12)
Ilay resaka \" fils de maman \" itý dia efa hita fa tena olana tokoa, satria tsy eo @ resaka vola fotsiny ilay olana fa @ resaka fanapahan-kevitra koa . Izany hoe ny reniny ihany no henoin\' ilay rangahy.
Tsy misy maharatsy ny fitiavana ny reny mihitsy ( izaho koa mba tia ny reniko ), fa tsy mety kosa raha ny volan\' ny vadiko no alaiko lava hanampiako ny reniko sy ny fianakaviako. Ary koa ny vadiko no miara-matory amiko sy manao amiko, noho izany ny vadiko no miara-manapakevitra amiko ny fiaiananay ( sa mbola miara-matory ilay rangahy sy ny reniny ?). Izay no nanambadiako azy. Fa tsy hoe: @ alina manao izahay sy ny vadiko, ny maraina antsoiko ny reniko hiara-hanapa-kevitra amiko, dia alaiko ny volam-badiko ho @ ny fianakaviako. Tsy azo ekena intsony izany @ izao foatoana izao.

@ itý tranga resahintsika itý dia tsy possible ho an\' i ANATIKO intsony ny mifampiresaka @ vadiny, noho izany manana possibilité roa izy :

1- mandray ireo fepetra hentitra sasany efa voalaza etsy ambony , ka anisan\' ny manandanja @ izany itý: tsy maintsy akokanao ny volanao mba ahazoanao mikarakara ny tenanao sy ny ankizy. Avy @ ny volany ihany no azon-drangahy hanampiana ny reniny sy ny fianakaviany.
Ny fanapahan-kevitra rehetra ataonao dia maintsy tonga dia tanterahinao, tsy azoanao consulter-na @ vadinao intsony.

2- Raha tsy mahavoa io hevitra voalohany io, na misy olana aterany, dia tsaratsara raha misaraka ianareo, ka teneno ny vadinao hoe : mandehana manambady ny reninao ianao.

Strategie: tokony mba misy olona hafa namanao na havanao hioresahanao io loana io sy ny fanapahan-kevitra hataonao.

Ary efa voalazako etsy ambony fa tsy hamaha io olana io mihitsy ny vadianao, noho izany tsy maintsy miroso @ vahaolana ianao.
30. ni81 ( 13/06/2009 13:58)
Raha tsy mahavoa io hevitra voalohany io, na misy olana aterany, dia tsaratsara raha misaraka ianareo, ka teneno ny vadinao hoe : mandehana manambady ny reninao ianao.
:-D :-D :-D
31. ikaretsaka ( 13/06/2009 15:02)
Na samy fitiavambehivavy aza dia aza ampifamadihina kosa ny fitiavambady (du genre hoe vadio ny reninao) sy ny vady e
32. ravonjison ( 14/06/2009 10:12)
ikaretsaka:

Na samy fitiavambehivavy aza dia aza ampifamadihina kosa ny fitiavambady (du genre hoe vadio ny reninao) sy ny vady e



Tsy izaho ry karetsaka a , fa ralehilahy vadin' i ANATIKO no mampifamadika ny reny sy ny vady ary koa ny fitiavana izay tsy azo sarahina @ izany. Izay ilay olana eto. Ralehilahy anefa toa tsy tonga saina @ izany mihitsy.
Ny tiako ho lazaina @ hoe : mandehana manambady ny reninao, dia ny hoe tokony ny reniny izany no hiara-mipatraka aminy, araka ny efa voalazan' ny sasany etsy ambony.
33. ikaretsaka ( 14/06/2009 15:16)
Ny manampy sy maneo fitiavana ny reniny @ fomba ohatran zany kosa ravonjison tsy midika hoe vadio sy tengeno ny reny akory a...
34. fahamarinana ( 14/06/2009 17:44)
:arrow: ika o : hoe hira-mipetraka hono r'ise fa tsy zvtr hafa a! :) (l)
35. ikaretsaka ( 14/06/2009 18:08)
le sens an'ilay "vadiana" mihitsy izany no samy manana ny fandraisany azy..
hafahafa aminay izany "hanambady" reny izay.. fa tokony notenenina hoa miaraha mipetraka @ rabofy de azo kokoa..
ny anay izany vadiana izany manko....aferabe izany :-D :-D
36. fahamarinana ( 14/06/2009 18:12)
:arrow: ka eo mihintsy angamba no tsy nitovy kah !...na diso kely izy fa tsy ampy fanazavana re e ! :-P (l)
37. soanja ( 15/06/2009 02:15)
tess:

ohatra iray no omeko an'i soanja, taloha koa ny lehilahy tompoina sy hajaina fatratra, ny vavy vadiny no tsy maintsy manao izany satria hoe ilay rangahy no lohan'ny fianakaviana, ataoko angamba fa tsy izany ntsony no mitranga amin'izao fotoana izao, nohon'ny fivoarana dia tsy manan-kery sy tsy mi existe intsony izany raha ny tokony ho izy.....
SATRIA tsy ny lahy ihany amin'izao no mandeha mitady vola hivelomana fa ny lahy sy ny vavy......SADY EFA foana koa izany fanjanahana ataon'ny lahy sy ny rafozambaviny ho an'i vady izany.....DIA IZAY no antony lazako hoe efa primitif lay fombafmba na dia mbola mi existe aza any ambany vohitra sy anaty ala any........ka raha olona miaina amin'ny tany mandroso sy mivoatra, na antanan-dehibe no mbola mampiasa io fomba fomba io dia tsy rariny avy hatrany no avaliko azy ka miray hevitra am ni81 izà :-P


Misaotra an'I Tess nanome hevitra.

Tsy mandiso anareo mihitsy aho raha mihevitra fa efa nihoaran'ny fandrosoana sy ny toe-tsaina amin'izao fotoana izany fombafomba izany saingy hoy aho hoe mbola misy izay lehilahy sy vehivavy manome lanja ny lehilahy mandidy manapaka tokatrano izany ary izay aza no takian'i baiboly raha Xtianina manaraka ara-bakiteny io boky iray io.
Mbola misy kolontsaina be dia be any tena mbola miaina an'io, ohatra fotsiny ny Silamo dia mbola ny lehilahy no tena masimandidy amin'izay fanapahana ny tokatrano ohatra.

Tsy afaka mitsara isika fa diso izireo ka tsy hanana ny anjara- masoandrony amin'ny fitiavana sy ny fanambadiana, fa hoe angamba lany andro amin'ny fijerintsika efa nahita sivilizasionina hafa dia azoko ekena. Misy ny mbola miaina an'io ary mandamina tokatrano tokoa fananana hoe iza no mandidy manapaka ny tokatrano na lahy io na amin'ny vavy. Iza no mitazona ny vola ary iza no manantanteraka ny asa sns... Aiza no toeran'ny rafozana sy ny hvam-bady sns...
Tadidio lalandava fa ny fianakaviana toy izany dia misy tantara niaran'izy niaina tao ary mahatonga ny lahy tsy mahasaraka sy tsy mahafoy ny reniny. Ny fahalalan'ny vady vavy izany no manamora ny fifandraisana.

Ny fahaizana mifanaraka amim-boalohany fotsiny no tena zava-dehibe ary ny fahaizana mandanjalanja ny hoe mety ve izao ary mahasoa ny ankohonana sa manimba indray aza. Mila jerena foana hoe tokony tohizana ve ny fandefasana vola any Dago satria sahirana ry Neny na ry bavy sa sahirana isika izao dia aleo isika mila mitandrina amin'ny vola mivoaka sns.... Mila mifampiresaka foana ao am-panambadiana ao fa tsy hoe matory de mifoha de miasa de mijaly sns...

Io no olan'i Anatiko eto dia ny fananany vady tsy afaka mahita ny zavamisy ary manidy sofina amin'izay mba fangirifiriany.

Famahana io olana io no tokony ho laharam-apahamehana fa izay rafozana, zaobavy sns any amiko dia mbola resaka hafa tsy maika aza. Rehafa mifankatia sy mifampihaino sy mifandray am-po amin'izay tarigetra tiana hitondrana ny tokatrano.

Amiko ny vadiko no tiako hitondra ny baolina ato aminay. Tsy mahita olana na ny kely momba izany aho ary izay tapany dia atokisako fa mahamety anay. Ny finoako manana izay fahaizana izay azy no fahasambarana satria ao ilay fitiavana. Izy tsy hitondra an-davaka velively ny tokatrano nisahiranany naorina hatramin'izay nahakely azy. Tsy hiteny velively aho hoe o o o zah ndray tsy ambaninao zany mihitsy satria fantany sy fantako fa fifankatiavana no fiorenana goavana mitazona ny rehetra hamonjy ny tanjona.



38. soanja ( 15/06/2009 02:34)
ikaretsaka:

Ny manampy sy maneo fitiavana ny reniny @ fomba ohatran zany kosa ravonjison tsy midika hoe vadio sy tengeno ny reny akory a...


Ekeko mihitsy. Amiko mety efa forma na fankahalana sy fanopana mihitsy no hiteny izany.

Maninona tokoa moa isika no mihevitra fa ratsy ny manampy fianakaviana na matetika na isam-bolana raha toa ka zay ohatra no tanjon'ilay fianakaviana hoe mila tonga aty an-dafy daholo ny havako rehetra ohatra fav tsy ajanoko any Dago any ary izay any Dago dia tsy ataoko izay hampijaly azy satria tafita aho? Io angamba no tsy noresahina tamboalohany no olana goavana.

Efa nahita lehilahy be dia be aho manana falahelovana/ ontsa ny reniny satria niaina tao anaty fangirifiriana sy fijaliana ny reniny tamin'ny fahazazan'ilay lehilahy. Mety ho tsy tao mihitsy aza i Dada fa lasa nanao izay nataony any ary ilay zazalahy kely no nivoady fa hanampy ny reniny raha mbola velon'aina izy. Efa nahita tokoa aho reny firifiry mifohafoha volo mihitsy, manao ny ainy tsy ho zavatra manome ny rehetra ho an-janany mba ho tafita amin'ny fianarana sy asa tsara ny zanany ary rehefa tafita ny zanany dia iny no reharehan'izy rehetra. Nisy aza ny nivarotra ny fananana rehetra. Misy tokoa izay ary betsaka ao Dago no miaina izany. Isika manambady an'ireo lehilahy ireo no tokony afaka hamantatra mialoha hoe aiza i Neny na ilay rafozana manoloana ny tokatrano. Tokony hihanta toy ny zaza rehetra koa ve izy sa ahoana? iza no nahatafita anao? mino aho fa ny Ray aman-dreny isany. Ny mahay mandanjalanja no tsara saingy moa ve manana izany daholo ve isika olombelona? Misy ny lehilahy marary ary misy ny vehivavy marary ara-pihetsepo.

Tsy azo ampitoviana ny fitiavam-bady sy ny fitiavana Ray aman-dreny fa raha samy hampifandanjana dia mety hifanitsaka ireo raha tsy mahalala mampiodina ny lalao/ lanja ny vehivavy ao an-trano, ka indrindra raha malemy ny lehilahy tsy mahalala izay hiodinan'ny fiainany amin'ny tsara.

Fantaro lalandava hoe aiza amin'ny fitiavan'olona iray ny toeran'olona iray eo amin'ny fiainany. Anjaran'izay hiditra amin'ny tokatrano no miresaka an'io sy mamantatra an'io amin'ny fomba ataony.




39. tess ( 15/06/2009 05:54)
Tsy mandiso anareo mihitsy aho raha mihevitra fa efa nihoaran'ny fandrosoana sy ny toe-tsaina amin'izao fotoana izany fombafomba izany saingy hoy aho hoe mbola misy izay lehilahy sy vehivavy manome lanja ny lehilahy mandidy manapaka tokatrano izany ary izay aza no takian'i baiboly raha Xtianina manaraka ara-bakiteny io boky iray io.
Mbola misy kolontsaina be dia be any tena mbola miaina an'io, ohatra fotsiny ny Silamo dia mbola ny lehilahy no tena masimandidy amin'izay fanapahana ny tokatrano ohatra.

tsy manohitra an'i soanja koa aho fa raha resaka kolon-tsaina taloha dia ny olona any ambany vohitra na amin'ny toerana tsy ahitàna ny fivoarana no ambola ahitàna izany fomba fomba izany fa tsy amin'ny teorana efa mivoatra araka ny votoaton'ny dinika...... ny tranga eto dia fiainan'ny rafozana vinanto zanaka lahy miaina aty ivelany lavitry ny desert any atsimo..... :-P
RAHA hamafakafaka ny fiainana taloha dia mbola misy ny mampiatra ny fombafomba sy miaina amn'izany... ohatra ireny olona any anaty ala tsy ampy fahalalàna sy tsy mahalala ny fivoarana ireny, efa 2009 izao :-P
40. ravonjison ( 15/06/2009 07:54)
- Aza tadiavina any @ tsy misy azy ilay olana e, ary aza afangaro koa :

1- Mazava fa tokony hiara-monina @ reniny ilay rangahy,raha toa ka ny reniny ihany no henoiny, ary koa tsy mahatsapa izy fa mba misy hetaheta tiana hatao ny vadiny. Izay no tiako ho lazaina ( araka ny efa voalazan\' i ni81 etsy ambony),

2- Izaho koa tiako dia tiako ny reniko, fa ny fanapahan-kevitra mikasika ny ankohonako dia izao sy ny vadiko ihany no manao izany.Mazava angamba iny.

Manarak\' izany, izaho dia mandefa vola any Dago hoan\' ny mamako sy ny anabaviko, isam-bolana. Tsy iny mihitsy ilay olana.

Fa ny olana dia ny hoe : ilay resaka fandefasam-bola dia tokony izy mivady no tokony manapa-kevitra @ izany, ka raha misy zavatra tsy azoazon\' i ANATIKO, dia tokony hanana reflexion ralehilahy ka tokony hifampiresaka izy mivady. Fa tsy ilay rafozana mihitsy no tokony ho tomponteny @ izany.

Ohatra mazava : izahay sy ny vadiko isam-bolana rehefa manao tetibola dia samy mahazo argant de poche mitovy. Avy eo dia samy mandany ny argent de poche -ny @ tiany hanaovany azy : ny ahy alefako any @ fianakaviako, ny azy hanaovany entrenainent na danse.
Raha misy cas exeptionnel ( oh: fahafatesana) dia azoko na azony atao no mangataka vola bebe hoan\' ny fianakaviana.
Fa raha fandefasana vola isam-bolana, tsy tiako ny mangataka vola betsaka @ vadiko mba homeko ny fianakaviako. Rehefa lehibe ny zanako vavy dia tsy tiako koa ny vinantiko lahy hanao izany.

Ny olana izany dia tsy ilay fitiavana na fanampiana, fa ilay fitovizan-jo ny lehilahy sy vehivavy eo @ fanambadiana. Mazava ho azy fa resaka fandrosoana, fahalalána ary fivoarana io ( araka ny voalazan\' i Tess). Misy ny firenena sasany mbola mitazona fomba fisainana tara , ny vehivavy dia ambaninbany noho ny lehilahy ny toerany.
Misy ndray anefa dia resaka fanararaotana sy fitsetsefana fotsiny ilay izy . Mety efa mandroso ralehilahy, kanefa kosa avantage hoan\' ny fianakaviany ilay vola, noho izany ataony. Ka raha tsy taitra ramatoa dia ataon-dralehilahy foana ilay izy. Izany anefa dia midika fa manambany an-dramatoa ralehilahy.

Tsy azoko hekena ny zavatra toy izany.

Araka itý tranga eto itý dia na ralehilahy tsy miahaino ny vadiny( tsy manome lanja ny vadiny), na araraotin\' ny fianakavian-dralehilahy ny toe-javatra ( vola adala-tompo).
Noho izany roa ihany ny safidin\' i ANATIKO, araka ny efa voalazako etsy ambony.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1619