gasy any dago mangata-bola isam-bolana, mahagaga ahy

61. ni81 ( 17/06/2009 09:52)
ka inona moa fa ny tsara kokoa dia manatony ireny psy. specialiste ny couple ireny , any samy mahazo ny tandrifiny ny roa tonta mba hieritreretana sy hisian'ny marimaritra iraisana, rehefa samy tsy mahavaha ny olana dia lµaleo manatona ireny raha tiana avotra ny fifandraisana ao am mpivady
hafa mihitsy tokoa ny olona te hivoatra sy te hifandamina, fa misy mihitsy koa ange tsy te hiala @ ilay izy e! ary raha toa ka karazan'ny olona tsy manaiky toro-hevitra izany fa mitana ny fomba amam-panao hoe TSY MAINTSY TOY IZAO dia ho vola very maina. :?
62. xxx ( 17/06/2009 09:58)
tess:

ka inona moa fa ny tsara kokoa dia manatony ireny psy. specialiste ny couple ireny , any samy mahazo ny tandrifiny ny roa tonta mba hieritreretana sy hisian'ny marimaritra iraisana, rehefa samy tsy mahavaha ny olana dia lµaleo manatona ireny raha tiana avotra ny fifandraisana ao am mpivady


Mila mivavaka mialoha hoe mety ho any ve ilay bandy :-(
Sao lazainy fa heverinao fa adala aho

63. ni81 ( 17/06/2009 10:08)
Mila mivavaka mialoha hoe mety ho any ve ilay bandy
Sao lazainy fa heverinao fa adala aho
marina tokoa aloha e
64. ravonjison ( 17/06/2009 13:01)
ni81:

Mila mivavaka mialoha hoe mety ho any ve ilay bandy
Sao lazainy fa heverinao fa adala aho
marina tokoa aloha e



Hitantsika amin ' io fa ny fisainan' ny lehilahy sasany dia somary taratara ihany.

Ny vahaolana koa aloha mety ho tsotra ihany.Ohatra: i ni81 sy Tess miaraka @ ANATIKO ( ny hevitrareo roa no hitako tena vazava amiko), dia miresaka @ vadiny. Aseho fotsiny hoe lasa lavitra loatra ilay ataon-drangahy, ka i ni81 sy Tess dia manamafy fotsiny ny hevitr' i Anatiko ary koa manone ohatra tsotra avy any @ tokatranony.
Rehefa mahita ohatra avy any ankafa ralehilahy dia mety hiova.

Kanefa mino aho fa tsy hanaiky hanao izany ilay rangahy.
65. ni81 ( 17/06/2009 15:35)
Hitantsika amin ' io fa ny fisainan' ny lehilahy sasany dia somary taratara ihany.

Ny vahaolana koa aloha mety ho tsotra ihany.Ohatra: i ni81 sy Tess miaraka @ ANATIKO ( ny hevitrareo roa no hitako tena vazava amiko), dia miresaka @ vadiny. Aseho fotsiny hoe lasa lavitra loatra ilay ataon-drangahy, ka i ni81 sy Tess dia manamafy fotsiny ny hevitr' i Anatiko ary koa manone ohatra tsotra avy any @ tokatranony.
Rehefa mahita ohatra avy any ankafa ralehilahy dia mety hiova.

Kanefa mino aho fa tsy hanaiky hanao izany ilay rangahy.
Ka misy mihitsy na lahy na vavy no tsy mety tolorana hevitra ka! Fa araka io hevitrao io zao ka raha tena hoe manatona azy tokoa izahay (saingy tsy hisy aloha io satria tsy fantatro i anatiko, asa i tess raha mahay azy :) ) dia hilaza ilay rangahy hoe: inona koa no hidiran'ireto @ pataloha tery? Hafa mihitsy mantsy raha hoe tena mpinamana mifankazatra ny olona manana olana sy ireo olona hanome soso-kevitra.
Zao mantsy nisy namako izay nanana olana resaka rafozana ihany koa. Dia nitaraina tamiko izy, dia nanoro hevitra azy aho. Dia tsy nety voavahanay roa vavy ny olana, dia hoy aho hoe: entiko eo @ sera² hijerena ny valiny ataon'ny tsirairay (tsy mpikambana ato izy mantsy); dia namaly teo daholo ny namana maro t@ zay ary dia izaho no niteny taminy hoe zao sy izao no valin-teny ao fa midira mba mamaky...
Dia farany moa izaho tsy niditra lalina niteny ilay vadiny na dia tena mpinamana toy ny mpirahavavy mihitsy aza izahay roa, ny antony dia tsy niteny ahy izy hoe teneno ny vadiko, fa raha niteny ahy izy dia natoroko mihitsy hoe manatona ianareo mivady psy fa ho rava ny tokantranonareo na ho ela na ho haingana raha izao no mitohy. Ilay ady mangatsiaka io mantsy toy ny homamiadana ihany koa, ka tsy maintsy hisy farany na dia somary tsy dia hita fitombo vetivety aza.
66. soanja ( 17/06/2009 15:46)
Ny fiziriziriana amin\'ny hevitra dia isan\'ny olana amin\'ny olombelona. Ny fiainana anefa miovaova manaraka ny zavamisy, hany ka lasa mifampisintona toy ny tady ny iainan\'ny tsirairay ka farany dia tapaka. Eo koa anefa ny fahaizana manaraka ny onjany. Izay mahavita izany ihany no hanana faharetana sy mety ho tafita.

Tsy eto ny vadin\'i Anatiko hiresaka ny avy aminy sy fahitany ny tokatranony. Raha vao izay ny zavamisy dia tsy afaka hitsara azy isika.

Izany fitovian-jo izany akory tsy midika hoe anao \"zemanfo\" ka izay tiako no atao satria zah koa mba mampidi-bola, ary izay tianao atao. Tsia, amiko. Ny atao hoe tokatrano dia misy tanjona ary misy soatoavina arahina itambarana , indrindra irina mba hitondra fahasoavana ho an\'ny taranaka mandimby.

Io soatoviana io anefa dia matetika mifandraika amin\'ny kolontsaina niainan\'ny tsirairay niditra tao anaty tokatrano. Izay no ilaina hoe nifampiresaka ve ry zareo rehefa nivady raha nanangana budget handefasana vola any Mada sa tonga dia lasa ilay vola isam-bolana tsy nifanarahana. Raha nisy ny fifanarahana dia nisy antony matoa nisy izany budget izany. Ny atao hoe budget dia tsy ataotao foana fa mkifandraika lalandava amin\'ny mission sy tarigetra tiana ho tratra. Misy antony matoa mandefa vola isam-bolana ry zareo saingy i Anatiko mbola tsy nanazava izany. Tiana hilamina ve ny fianakaviana any Mada? Misy mahaporitra ka mila fanohanana goavana mba tsy ho ratsy eo anatrehan\'ny fiarahamonina ny zavamisy? Nahoana no mandefa vola any? Fianarana sa inona? Ny teny nifanekena dia mila arahina lalandava raha tsy hoe angaha misy fiovana indray ny zavamisy alo antokatrano ka hoe marary ianina na hoe mila mandeha manohy fianarana ianina dia iza no mandeha ny zanaka sa ny zandry? dia izay hitan\'izy roa mandeha aloha ao. Mety ny zandry aloha io ary mety koa ny zanaka nateraka..... Ny soatoavina sy ny kolontsaina ao anaty fianakaviana eo foana manome vahana izany. Tsy afa-miala io satria io no maha tokatrano azy.

Ny olana hitako kosa tena mahatonga ahy miteny fa tsara raha misaraka raha tsy mahavita anle izy intsony i Anatiko dia ilay vadiny MIHAINO LAVA SY MANARAKA lava ny tian\'ny reniny atao fa tsy mihaino an\'i Anatiko. Eto izao i Anatiko milaza mihitsy fa jereo ny amin\'izay ny zanakantsika fa efa mihalehibe mba hitsinjovana ny ho aviny dia toa tsy manao n\'inona n\'inona manoloana izany ilay rangahy. Eo no olana?

Tsy resaka fitovian-jo no olana fa resaka fanidiana sofina, be marenina, mody fanina. Mila fantarintsika vehivavy anefa fa arakaraky ny himenomenomanao dia vao maika manidy sofina ny lehilahy. Tsy tia vehivavy be taraina ny lehilahy ary indrindra ny tia mivazavaza. Io aloha dia NO NO io raha te hiditra amin\'izany fanambadiana izany izay mbola tsy ao.

Ny fankanesana amin\'ny mpanolon-tsaina ny mariazy no mety saingy betsaka koa ny lehilahy tsy mety amin\'izany na milaza fa tsy manam-potoana izy. Tsy azpo terena ny olombelona.

Ireto no hitako azon\'ny Anatiko haroso aminy.

Na i Anatiko vonona hanaiky ny zavamisy amin\'ny mahavady azy satria io no anjara na miala satria raha ny fahitako azy dia tsy hanana fiovana izay zavamitranga izany raha tsy hoe tapa-kevitra manova fihetsika ilay lehilahy: mampitombo ny vola miditra ao an-trano ianareo dia tenenina mazava hoe ity vola ity dia atokana ho an\'ny havana any Mada. Na miresaka hoe hampihena ny fandefasana vola ka miteny hoe aleo isan-3 volana indray isika mandefa vola any. Na mamorona asa ho an\'ny havany any Mada ianareo, izay possible tokoa. Marihako fa io farany io no tena solution nanampy be tokoa ny fianakavianay sady nampisy filaminana tokatrano satria samy manana ny responsabite-ny avy. Tsy mampiova n\'inona n\'inona amin\'izay ny soatoavina izay napetraka fa saingy kosa manalefaka ny tsindrin\'ny fitadiavana sy fifandaminana ao an-tokatrano ao.

Ny fitiavana rafozana sy ny zaobavy dia tsy voajanahary fa volena ao anaty. Na tsy tiana aza ireo dia ireo no isan\'ny mahafianakaviana ny fianakaviana ananana. Io no nananao vady. Raha tsy io ramatoa io dia tsy nisy ny vadinao ary tsy nisy ny zanakao. Io no loharano niaviana. Niasa nifofotra io vao nahazo lehilahy ianao. Mila tiavina amin\'ny mahaizy azy nefa koa raha toa ka marary saina izy dia mila tsaboina. Ampitiavana hatrany no iatrehana izany. Ny fampitahana ny ahy sy ny azy dia tsy mitondra amin\'ny filaminan-tsaina velively. Tsy mitovy ny olombelona sy ny fomba niatrehan\'ny tsirairay fiainana. Raha nisafidy nanambady izany lehilahy izany ianao dia miaraka aminy koa ny \"package\" hoy ny vazaha anglisy. Tiavo izy amin\'ny mahaizy azy satria izay no nifanekena teny ambony alitara saingy koa mifampianatra rehefa ao am-panambadiana ao mba samy hitombo ho olon-kendry sy mahavita ny adidy avy.

Ny fitiavana dia tsy manam-petra. Mahita solution foana rehefa tia. Saingy raha tsy tia kosa dia na zavatra tsotra aza mampisaraka. Mahereza hatrany.
67. tess ( 17/06/2009 16:41)
Mila mivavaka mialoha hoe mety ho any ve ilay bandy
Sao lazainy fa heverinao fa adala aho


ka tsy ny adala ihany no mila psy ka :-D :-D :-D
rehefa tsy mety hiova am heviny izy ka hizingizina am zé heviny eny marina tsy asiko fiasarahana, atao inona kou no hiaraka hiaina am oul tsy mba afaka hifanarahana izany :-D
68. ni81 ( 17/06/2009 18:09)
ka tsy ny adala ihany no mila psy ka
rehefa tsy mety hiova am heviny izy ka hizingizina am zé heviny eny marina tsy asiko fiasarahana, atao inona kou no hiaraka hiaina am oul tsy mba afaka hifanarahana izany
:-D :-D ny olona mafy hatoka koa mila psy ka! toy ny olona mamo ihany io: rehefa tenenina izy hoe mamo ianao dia mamaly hoe: zà ngaha mamo :^) :^) iza no lazainao fa mamo :-D :-D :-D nefa dia hita fa niboboka toaka tsotra izao...
69. tess ( 17/06/2009 19:00)
de ohatsa ho olona tratran'ny choc tampoka mila psy kounkou :-P :wink:
70. rakaroka ( 17/06/2009 20:43)
Ouf ? Mahafinaritra BBBbbeééé ilay dinika, ary raha ny marina tsy lavitra ny situation\'i Anatiko koa aza ny iainako, izany hoe misy \"fomba sy fitaizana\" izay
tsy misara-mianakavy izay, dia sahala @ ifandrimbonan\'ilay fianankaviana iray manontolo mihitsy ianao, ka dia tahaka ny hoe \"kofehy manara-panjaitra monja\" no hihaverandrizareo anao !
\'za tsy \"mandà\" ny \"mérite\" mendrika ho an\'ny reny iray ary indrindra ny reny
gasy sy lé Afrikana \'zay iandronan\'ny \"RIHATRA\" matetika. Haintsika koa ny fitiavan\'ny Italiana ny reniny, ary na rizareo \"Arabo\" koa tsy tia opana reny!
Ny \"tsiniako dia ilay fitaizana\" mampanarapo fahatany ny ankizy, zary tsy hamatarany aty aoriana ny \"anjara andraikitra tokony horaisiny!\"
Tsy olana ny mandefa izay sahaza ny reny sy ny fianankaviana fa tsy tokony
ATAO TSIRAMBINA kosa ny fiahianany ankohonana!
Ny vadiko niteny tamiko ny hoe \"raiso ny andraikitrao!\". Ny tsy hainy dia \"efa vitako h@ fasan-kilevenako! Dia nambelako malalaka izy hanohy ny vie célibataire-ny mba hiainako ny ahy koa!.... Io revy samby manana ny azy,
ny fiainana mandalo!
Mampalahelo ho an\'ny rehetra ny fiainanay, anefa ho an\'ny olona
\"trop égoiste\" tsy te hahalala ny hafa dia tsy maintsy izay ihany koa no azo avaly azy, izay no nampianariny koa! ary raha ny fandeferanao sy fitiavana an(drizareo no asetry, tsia tsy hotahafiny izany fa ny an-drizareo ihany no fantany!
71. ni81 ( 17/06/2009 21:21)
Ouf ? Mahafinaritra BBBbbeééé ilay dinika, ary raha ny marina tsy lavitra ny situation'i Anatiko koa aza ny iainako, izany hoe misy "fomba sy fitaizana" izay
tsy misara-mianakavy izay, dia sahala @ ifandrimbonan'ilay fianankaviana iray manontolo mihitsy ianao, ka dia tahaka ny hoe "kofehy manara-panjaitra monja" no hihaverandrizareo anao !
'za tsy "mandà" ny "mérite" mendrika ho an'ny reny iray ary indrindra ny reny
gasy sy lé Afrikana 'zay iandronan'ny "RIHATRA" matetika. Haintsika koa ny fitiavan'ny Italiana ny reniny, ary na rizareo "Arabo" koa tsy tia opana reny!
Ny "tsiniako dia ilay fitaizana" mampanarapo fahatany ny ankizy, zary tsy hamatarany aty aoriana ny "anjara andraikitra tokony horaisiny!"
Tsy olana ny mandefa izay sahaza ny reny sy ny fianankaviana fa tsy tokony
ATAO TSIRAMBINA kosa ny fiahianany ankohonana!
Ny vadiko niteny tamiko ny hoe "raiso ny andraikitrao!". Ny tsy hainy dia "efa vitako h@ fasan-kilevenako! Dia nambelako malalaka izy hanohy ny vie célibataire-ny mba hiainako ny ahy koa!.... Io revy samby manana ny azy,
ny fiainana mandalo!
Mampalahelo ho an'ny rehetra ny fiainanay, anefa ho an'ny olona
"trop égoiste" tsy te hahalala ny hafa dia tsy maintsy izay ihany koa no azo avaly azy, izay no nampianariny koa! ary raha ny fandeferanao sy fitiavana an(drizareo no asetry, tsia tsy hotahafiny izany fa ny an-drizareo ihany no fantany!
mahereza akia fa mbola ho avy ilay maraina a! :-*
72. tess ( 18/06/2009 05:41)
Io revy samby manana ny azy,
ny fiainana mandalo!

raha tsy mifanadàla tsy maninona, fa efa nifanarahana hoe samby manana ny reviny......RAHA IZAY fifanarahana izay no mety hahasambatra ny tsirairay sy tsy hanimbàna ny fahasambaran'ny ankizy fa raha ohatra kosa ka tena tsy misy tsony mitsy ny fitiavana avy am andaniny sy ny anilany dia hafahafa ihany sa ahoana aky rakaroka????? :wink:
73. ravonjison ( 18/06/2009 08:28)
" Tsy voangaly akory ka ho faty @ hazo tokana ny fitia "
Mahavita be !
74. ravonjison ( 18/06/2009 09:09)
SOANJA:

Voalaza teo : \"Tsy resaka fitovian-jo no olana fa resaka fanidiana sofina, be marenina, mody fanina. Mila fantarintsika vehivavy anefa fa arakaraky ny himenomenomanao dia vao maika manidy sofina ny lehilahy. Tsy tia vehivavy be taraina ny lehilahy ary indrindra ny tia mivazavaza. Io aloha dia NO NO io raha te hiditra amin\'izany fanambadiana izany izay mbola tsy ao. \"


Sao ary dia tsy azonao ry SOANJA ilay fitovian-jo tiako noresahana teo ? Izany hoe be menomenona , be taraina sy tia vazavaza izany i ANATIKO ra nilaza fa mba te hanangombola hoan\' ny zazany @ izay izy ?
75. rakaroka ( 18/06/2009 13:54)
tess:

Io revy samby manana ny azy,
ny fiainana mandalo!

raha tsy mifanadàla tsy maninona, fa efa nifanarahana hoe samby manana ny reviny......RAHA IZAY fifanarahana izay no mety hahasambatra ny tsirairay sy tsy hanimbàna ny fahasambaran'ny ankizy fa raha ohatra kosa ka tena tsy misy tsony mitsy ny fitiavana avy am andaniny sy ny anilany dia hafahafa ihany sa ahoana aky rakaroka????? :wink:

Tsy resaka fifanadalàna, na fifanarahana,sns...simplement, resaka "absence" de l'étre. Ka rehefa tsa ao lé perso, rehefa ny azy ihany no mbo azony heverina , mandany andro be lé hifandresy lahatra ..d'autant plus tsapako fa manana ny rariny koa izy, mila tiavina ny "tena an!", ary défautn'ny reny maaaaaro tokoa izany. Dia noraisiko ny familiana ny fiainako, ny balise napetrako dia tsotra : "tandrovy ny fiarahana monina raha tsapa fa mbola soa izany!" , sinonsi efa "prét" ny dossier de divorse fa ny sonia sisa no miandry.
Fiheverako ny "position n'ny fitiavana matetika": amboloina ! Rehefa réalisé ilay réve tahaka ny tsy misy tsirony 'tsony angamba ! Heu...natoraly @vhv matetika ny "tia" fa noho ny sembatsembana isan-karazany dia tsy tafa na
aminavady aza ny "fahaiza-mitia", zary ny mifanohitra aza no mitranga. Ohatra niniany nohadinoina aho tamin'ny fetin'ny reny! Tsy Quoi fa "contre partie" nampahafantariko ireo zanako "tsara fa " fiarahaba ny reny izany @ féte de mére" par rapport à ce qu'elle mérite, et pareil de méme ho avy ny fetin'ny ray dia ho avaly araka ny mérite-ny koa !
Ny mahatsikaiky ahy amin'ny vadiko arosoko ny "divorse" tsa manaiky izy, dia tsy nataoko koa ilay izy satria mbola hi-paie "avocat" sy hanao dossier" indray,
manampitrotraka ny efa hazakazako amin'ny fiainana, dia mijanona "stand by",
izy ary an'efitranony ary 'za ato, samy manana ny zavatra atrehiny koa dia
zaraiko ny andraikitra, qu'il "assume" ses résponsabilités dia afaka milamina!
76. rakaroka ( 18/06/2009 14:02)
ravonjison:

" Tsy voangaly akory ka ho faty @ hazo tokana ny fitia "
Mahavita be !


Marina tokoa izany, rahateo misy olona marobe sady tiana no tia . Ho ahy sy azy koa angamba saingy toa samy tsy maika izany, tsy manahy ny malai-misaraka, satria izy aza mandeha foana, efa fantatra rahateo ny "hatsiaka" fa lasa miara-monina sahala @ "complément" . Je n'sais pas ...tahaka ny tsy mpivady fotsiny!
77. soanja ( 18/06/2009 15:52)
ravonjison:

SOANJA:

Voalaza teo : \"Tsy resaka fitovian-jo no olana fa resaka fanidiana sofina, be marenina, mody fanina. Mila fantarintsika vehivavy anefa fa arakaraky ny himenomenomanao dia vao maika manidy sofina ny lehilahy. Tsy tia vehivavy be taraina ny lehilahy ary indrindra ny tia mivazavaza. Io aloha dia NO NO io raha te hiditra amin\'izany fanambadiana izany izay mbola tsy ao. \"


Sao ary dia tsy azonao ry SOANJA ilay fitovian-jo tiako noresahana teo ? Izany hoe be menomenona , be taraina sy tia vazavaza izany i ANATIKO ra nilaza fa mba te hanangombola hoan\' ny zazany @ izay izy ?



Ianao no tsy mahazo ny resako.

Tsy nanonona mihitsy aho fa be menomenona i Anatiko momban'ny fikarakarana ny zanany. Fa milaza kosa aho fa ny be marenina dia ho be marenina hatrany rehefa manidy sofina ka ny fimenomenomana averimberina aminy dia tsy hanampy aiza fa vao maika mampidy fo azy ary mampihena ny finiavany hanao zavatra.

Rehefa mangataka miresaka aminy in-2 na in-3 rehefa tsy misy valina na fiovana dia maka fanapan-kevitra hafa indray fa tsy averimberina eo le olana nefa ilay iray efa lanin'ny kary.

Tsy vao androany akory ity resaka ity no nandalo teto! Donko......

Ny fitovian-jo no resahinareo nefa tsy hitako izay hidirany io eto aloha, tokatrano io ary tsy natao ifaninanana fa ifankatiavana. Aza mampiditra olana tsy mipetraka no antony nanombohako io fehezan-teniko io.

Hazavao ny fitovoan-jo tianao resahinao eo fa tsy problemeko.


78. ravonjison ( 19/06/2009 08:45)
Mahafinaritra e, hoazavaiko ilay fitovian-jo izay lazaiko fa anisan\' olana ao, ampiharahiko @ ireo zavatra roa hafa satria mifampiankina ireo :

1- fivoarana ( fitovian-jo ...)
2- fitaizana ratsy
3- fitsetsefana, fanararaotana.

Ilay resaka fandefasana vola 5-6 taona eto no tena olana.

1- Fitovian-jo : ny @ io dia efa nasiako ohatra mazava atsy ambony atsy ka iny ohatra iny ihany no averiko eto :
\" Ohatra mazava : izahay sy ny vadiko isam-bolana rehefa manao tetibola dia samy mahazo argant de poche MITOVY. Avy eo dia samy mandany ny argent de poche -ny @ tiany hanaovany azy : ny ahy alefako any @ fianakaviako, ny azy hanaovany entrenainent na danse \".
Izany hoe tsy maintsy misy fitovizana ao, rehefa mandefa vola any @ fianakaviany ralehilahy dia tsy maintsy mahazo vola koa i ANATIKO mba hanaovany izay hitiavany azy ( na halefany @ fianakaviany koa , na ariany eny andalam-be...)
Fa tsy mety raha ny vadiny ihany no mampiasa ireo vola fa izy kosa mitazana fotsiny.

2- Fitaizana ratsy : ratsy taiza ralehilahy satria nampianarin\' ny reniny hiaino fotsiny ny reniny. Ny lehilahy anefa tokony ho ampianarina fa rehefa any aoriana any ka manambady dia izy sy ny vadiny indray no miara-mapakevitra @ tokatranony. Fa tsy ny reniny.
@ point de vue-n\' ilay rafozana anefa dia tsara taiza ralehilahy satria ahazoany vola.

3- Fitsetsefana sy fanararaotana : noho ny fitiavan\' i ANATIKO ny vadiny , na ny maha-irery azy , na ny tsy fahazoany mandinika ny toe-javatra , na ny antony maro samihafa, dia nanaiky izany fandefasana vola izany i ANATIKO. Izany anefa dia nararaotin\' ny vadiny , ny rafozany , ny fianakaviam-badiny mba hitsetsefana azy.
Raha olona misaina tsara ralehilahy dia izy mihitsy no tokony ho nitondra ny hevitra hoe: \" I Anatiko a , efa betsaka loatra izany nataoko hoan\' ny fianakaviako izay fa mba ianao indray aloha no tokony hampiasa ireo vola araka ny hitiavanao azy. Dia HIFANDIMBY isika any aoriana.\"
Tsy izay anefa no miseho, tohizan\' izy ireo foana ilay fitsetsefana.


Raha tsy miaraka foana daholo ireo zavatra telo ireo, dia tsy hisy zavatra milamina ao, satria i ANATIKO efa tonga saina.



Voalazano : \" Rehefa mangataka miresaka aminy in-2 na in-3 rehefa tsy misy valina na fiovana dia maka fanapan-kevitra hafa indray fa tsy averimberina eo le olana nefa ilay iray efa lanin\'ny kary \" .


Ka izay ilay efa voalazako etsy ambony : \" 1- mandray ireo fepetra hentitra sasany efa voalaza etsy ambony , ka anisan\' ny manandanja @ izany itý: tsy maintsy akokanao ny volanao mba ahazoanao mikarakara ny tenanao sy ny ankizy. Avy @ ny volany ihany no azon-drangahy hanampiana ny reniny sy ny fianakaviany.
Ny fanapahan-kevitra rehetra ataonao dia maintsy tonga dia tanterahinao, tsy azoanao consulter-na @ vadinao intsony. \"

79. ravonjison ( 19/06/2009 08:49)
Hoy Rakaroka : " mandany andro be lé hifandresy lahatra .."

Marina dia marina.
80. xxx ( 19/06/2009 10:53)
mifanjohy ihany ny lazain'i soanja sy ravonjison

raha tsy fifankatiavana no ao @ tokatrano dia lasa fitsetsefana sy fanararaotana no manjàka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1692