Ajanony le resaka foko anona sy anona e !!!
1. essera
(
09/06/2009 09:35)
Lasa lava b le dinika momba an'le resaka foko fa tsotra fotsiny ry zalah. Raha mandinika tsara ianareo d ny merina valovotaka no betsaka noho ny tena foko avy any Mahajanga mipetraka any amin'io faritany io. Jereo izao i Clô Mahajanga valovotaka tany Mahajanga nefa any am faritanin'ny Fianarantsoa no nilevina. Ny Betsileo tonga miakatra mitady aty Imerina. Ny Ndaty koa toa izany. Eny am 67 Ha sy Ambohipo rehetra iny izao feno kôtié mipetraka raha tsy hilaza afatsy vitsy2 ah. Mampiseho fa tsy afaka miverina amin'ny roapolo taona lasa intsony isika vokatry ny fitadiavana sy ny antony maro d maro. Ka tokony ekenao izay zavatra misy fa lasa conservateur be fahatany fotsiny raha mbola hametraka izay resaka izay.
Ka raha misy mahavita moa izany mamerina ny roapolo taona lasa d mpanao mazi mazi izy zay, na tsy te hankasitraka ny lalanan'ny fifindra-monina fa miara-monina ihany anefa.

novalian'i rakaroka ny 09/06/2009 18:50
2. Annie2006
(
09/06/2009 10:02)
Tsy resaka foko izany hoe tanindrana sy merina izany fa resaka toe-tsaina. Heveriko fa ilaina ny ady hevitra amin'io satria miditra amin'ny resaka réconciliation nationale izany.
Ity rohy ity aloha no mamaky bantsilana amin'izany ady hevitra izany.
Hitako tany @ sobika ity rohy ity: http://gasikarasahy.blogvie.com

3. essera
(
09/06/2009 10:08)
Sita miondana io ry Annie2006. Tsy mamaky batsilana araka ny lazainao fa mampiady mpiray firenena mihitsy fa tsy foko akory. Anjaranao no mandray sy tsy mandray izay voalazan'io fa amiko manokana tsy mpanao analyse ilay site fa manao interpretation am façon-ny.
4. xxx
(
09/06/2009 10:14)
Sita miondana io ry Annie2006. Tsy mamaky batsilana araka ny lazainao fa mampiady mpiray firenena mihitsy fa tsy foko akory. Anjaranao no mandray sy tsy mandray izay voalazan'io fa amiko manokana tsy mpanao analyse ilay site fa manao interpretation am façon-ny
Tena marina ny voalazan'i Essera, ary maro ny gasy no mino fa izay voalazan'ny gazety na internet dia marina avokoa.
Ary ny tena mampihomehy dia : Tia mifanavaka ny tanindrana sy merina nefa rehefa aroso ny federalisma dia mifemaka be daholo hoe M/car tsy mivaky fa iray ihany :-D :-D :-D aiza re izany e!!!! mbola toe-saina ambany be ilay mitsaratsara ny tanindrana sy merina, mbola voazanaky ny Frantsay hatramin'izao na dia efa 50 taona lasa aza no nahazo fahaleovantena.
5. bozyboleta
(
09/06/2009 10:31)
Ary ny tena mampihomehy dia : Tia mifanavaka ny tanindrana sy merina nefa rehefa aroso ny federalisma dia mifemaka be daholo hoe M/car tsy mivaky fa iray ihany aiza re izany e!!!! mbola toe-saina ambany be ilay mitsaratsara ny tanindrana sy merina, mbola voazanaky ny Frantsay hatramin'izao na dia efa 50 taona lasa aza no nahazo fahaleovantena.
Eo dia manao tanalahy be eo. Ary ambadika ary hafa no lazaina, eto ndray manaiky fa tia mifanavaka ny tanindrana sy ny merina.
Inona ihany ary!!!
Matoa koa manenjika ity lohahevitra tanindrana sy merina sy foko ary sy atsy ity dia manaiky le dinika zany.
"Ajanony le resaka" nefa anokafana dinika. Tsy azoko!
7. Annie2006
(
09/06/2009 11:00)
Samy manana ny fandalinany aloha. Amiko dia tsy hitako loatra ny maharatsy an'io site io na dia mafimafy ary ny fameliny. Raha diso moa izy tokony aseho ny maha diso azy, fa raha marina kosa dia tsy hitako ny ahatezitra. Avelako eo iny.
Ny filazana hoe: aza asiana commentera dia fomba tsy fahasahiana miatrika ny zava-marina. Refuser de voir la réalité en face. Ka mikipy maso foana. Kanefa ny olana miha mitombo ihany. Hevitro izany.
Raha tsy hiady hevitra izany fa hifanatsatso, hifampitsaravelatsihy, hanao mpamosavy malemy, dia tsy fombako izany. Fa raha hamaha olana kosa dia aleo tsara potsirina tsara ny vay mba hanasitranana azy.

8. sakaymena
(
09/06/2009 11:12)
zao koasa aloha ny hevitro an raha io resaka fanavakavahana foko io dia efa nolovan'ny malagasy hatran am razambe tany aloha tany fa na ny merina sam merina na tanindrana samy tanindrana na betsy samy betsy zao aza dia mifanavakavaka fa saingy tsy mbola nampiady fa samy manana ny toetsaintsika isika ohatra inon no atao hoe club48 ao merina ao?
koa aza mikorapaka ary isika fa omeo ny vahaolana hanafoanan anio fanavakavahana io de ampy ary adradradrao any gasikara ray manontolo na ampidiro ao am fehezandalana mifehy ny tany sy ny fanjakana de angamba ho foana io misaotra

9. bozyboleta
(
09/06/2009 11:15)
Io hoa resaka efa nisy, misy ary mbola hisy foana raha mbola tantaran'i Madagasikara. Tantara izany tsy ho voafafa na gaoma be toy inona aza.
Noho izany dia tsy azo hodian-tsy hita. Ary ny antony iresahana azy dia mba ahitana ny fototry ny olana.
Mahagaga ahy mihitsy ny Malagasy tsy sahy sy tsy te-hiresaka an'io fa vao misy resaka mipoitra dia mivoaka any ny fiheverana hoe "fanavakavahana sy fanambaniana". Tsy mahay mijery ny tantaram-pireneny ny olona mihevitra toa izany.

10. xxx
(
09/06/2009 11:18)
Eo dia manao tanalahy be eo. Ary ambadika ary hafa no lazaina, eto ndray manaiky fa tia mifanavaka ny tanindrana sy ny merina.
Inona ihany ary!!!
Matoa koa manenjika ity lohahevitra tanindrana sy merina sy foko ary sy atsy ity dia manaiky le dinika zany.
"Ajanony le resaka" nefa anokafana dinika. Tsy azoko!
Tsy hazava ary tsy ho azon'ny olona tahaka anao ny resaka toy itony ry Bozy a! Ary tsy izaho no nialaza hoa ajanony ilay resaka.
11. xxx
(
09/06/2009 11:23)
Io hoa resaka efa nisy, misy ary mbola hisy foana raha mbola tantaran'i Madagasikara. Tantara izany tsy ho voafafa na gaoma be toy inona aza.
Noho izany dia tsy azo hodian-tsy hita. Ary ny antony iresahana azy dia mba ahitana ny fototry ny olana.
Mahagaga ahy mihitsy ny Malagasy tsy sahy sy tsy te-hiresaka an'io fa vao misy resaka mipoitra dia mivoaka any ny fiheverana hoe "fanavakavahana sy fanambaniana". Tsy mahay mijery ny tantaram-pireneny ny olona mihevitra toa izany.
Mba lazao aminay eto ary izay mba fantatrao momba io resaka foko io fa toa hoatra ny miseho ho mahalala be izao ianao
12. bozyboleta
(
09/06/2009 11:37)
Mba lazao aminay eto ary izay mba fantatrao momba io resaka foko io fa toa hoatra ny miseho ho mahalala be izao ianao
Vao izao no fomba firesaka dia aleo tsy handaniana andro.
Mamakia boky. Misy ny aterineto dia tadiavo ao.
13. essera
(
09/06/2009 11:41)
Hono ho'aho mantsy anareo, iza no mety hahavaly an'ity :
Ekena teto Tana ny fananganan'ny teraky ny avy an'ny foko zao, sy ny fiaviana izao fa NISY FOTOANA tsy neken'ny mpitondra teto tam zany fotoana ny hananganana fikambanan'ny teraky Merina. No an'izay nahatsiaro an'io d aoka mba hanamarina fa tantara tena nisy io.
Tsy ny eto Merina loatra no mametraka ny fanavakavahana ara-poko matetika fa misy no manana complexe kely izay koa eo am fiainana.
Aoka izay e ??? rehefa mikandra tsara ka tafa enao d zay no zava-dehibe.

14. andrywui
(
09/06/2009 11:41)
raha hampifandraisiko amin politika kely ndray le kozy Essera sady tsy asiana resaka foko tsony e izao a!
--ny Fitondrana na Mpitondra nifandimby rehetra teto M/car de nifandanja ny tanindrana sy ny tanivo !! marina izay fa izao : naninn rehefa Ravalo no nitondra de nosoloiny tsikelikely le tanindrana tao !! nisy 50% ihany tao tamn voalo fa rehefa nandeha kely ny taona de niova malama loha daholo sisa no tao !! miara manaiky anzay daholo angamba isika !!
--raha ny avy tao aminay "zanaka sakalavan'iBoeny" izao de tsy nisy solontena mihitsy raha ministra na directeur zany fa deputé sy senateur no mba nisy !! fa ny sakalava Sofia angah no nisy iray mba natao ministre de voapala tao !!nosoloina merina kou !
--de tsy nifandanja ny foko 18 de mora nidaboka le mpanavakavaka !! ny tsy fantany tany ampiterena ronono de ny hoe : Nosy iray mifankahazo fiteny ! sy samy Malagasy iray ihany anie ireto navakavahany !!

15. xxx
(
09/06/2009 11:51)
Vao izao no fomba firesaka dia aleo tsy handaniana andro.
Mamakia boky. Misy ny aterineto dia tadiavo ao.
Tsisy amabara we fa aza ny boky sy ny aterineto no mody ialana pas :-D :-D :-D :-D
16. bozyboleta
(
09/06/2009 11:54)
Ekena teto Tana ny fananganan'ny teraky ny avy an'ny foko zao, sy ny fiaviana izao fa NISY FOTOANA tsy neken'ny mpitondra teto tam zany fotoana ny hananganana fikambanan'ny teraky Merina. No an'izay nahatsiaro an'io d aoka mba hanamarina fa tantara tena nisy io.
Tsaroako tsara mihitsy io.
Tsy ny eto Merina loatra no mametraka ny fanavakavahana ara-poko matetika fa misy no manana complexe kely izay koa eo am fiainana.
MBA iombonako hevitra amin'i essera io.
17. essera
(
09/06/2009 11:55)
bozyboleta:
Io hoa resaka efa nisy, misy ary mbola hisy foana raha mbola tantaran'i Madagasikara. Tantara izany tsy ho voafafa na gaoma be toy inona aza.
Izao ry akama :
NISY, MISY ekeko hatreto. Fa izao kosa, raha ohatra ny oul iray efa mivonona fa hametraka an'io HISY sy tsy hahatsahatra d hafa izay. Rehefa tianao apetraka eo am fiainanao foana io mifoha maraina mody hariva, d hisy io fa raha ovaina kely ilay toe-tsaina d azo heverina ny tsy hahafoana an'io ohatra ny any am firenen-dehibe rehetra hoe karazan'oul mainty sy fotsy boboka miara-miaina (oh amerikana), miha lefy tsikelikely ny fanavakavahana na tsy lefy tanteraka aza. Jereo OBAMA, mainty sa fotsy, d ny razam-beny aza afrikana mihitsy nefa ahoana no nahalany azy president americain ????? :?: :?:
18. xxx
(
09/06/2009 11:56)
Ekena teto Tana ny fananganan'ny teraky ny avy an'ny foko zao, sy ny fiaviana izao fa NISY FOTOANA tsy neken'ny mpitondra teto tam zany fotoana ny hananganana fikambanan'ny teraky Merina. No an'izay nahatsiaro an'io d aoka mba hanamarina fa tantara tena nisy io
Ny FITERIM letsy dia nisy erak'i M/car tamin'ny andron'i Deba eny fa na dia fivondronam-pokotany aza dia nahitana azy tany @ faritany.
19. bozyboleta
(
09/06/2009 11:57)
Tsisy amabara we fa aza ny boky sy ny aterineto no mody ialana pas
Raha hendry mivoaha @ io xxx io fa tsy miseho ho bevava eo.
Miala tsiny @ tompon'ny dinika raha hs ny tenanay fa misy marary saina ato.
20. bozyboleta
(
09/06/2009 12:05)
NISY, MISY ekeko hatreto. Fa izao kosa, raha ohatra ny oul iray efa mivonona fa hametraka an'io HISY sy tsy hahatsahatra d hafa izay.
Io tsy asiana fihatsarambelatsihy ary tsy olona iray na roa fotsiny dia hahafoana azy e! Na iza hanana finiavana na iza, mody mandrimandry io fa rehefa mbola be ny tsy maty voalavo an-kibo dia tsy maintsy hitsikafona foana io. Efa nolazaiko t@ dinika hafa tany fa vao niseho ange ny korontana teto dia nivoaka t@ fiafenany tsirairay tany ny federalista sy ny crn mangataka ity fanjakana mizaka tena ity. Ry piero sy ry roland ratsiraka moa tany Toamasina nidradradradra ny hoe "ny ao Antananarivo ao". Tsy azo fafàna izany.
I essera ihany aza dia efa nanaiky fa: