Fahantrana 2008

61. soanja ( 07/04/2009 04:15)
nancy:

Rehefa tena niverenako novakiana izay nambaranao rehetra teto dia tsy dia misy hevitra mazava loatra afa-tsy ny tsy fitiavana an-dRavalomanana tsotra izao.
Dia valio tsotra ity fanontaniako ity. Mety ary ve izao fitondran\'i tgv izao?



Vakio tsara Nancy fa tsy nitonona aho hoe nampitaha an\'io ianao fa nilaza fotsiny aho hoe be ny olona no hiteny hoe mbola misy fahantrana i Amerika ary io fahantrana io anefa amiko dia tsy ho tapitra satria isan-karazany ny fisehony sy ny fahatongavany amin\'ny tsirairay.

Ny hany tiako lazaina aminao fotsiny araka io voalazanao io dia marina tokoa tsy vita indray andro na ao anatin\'ny fotoana fohy ny fametrahana sy fananganana sekoly sy ny fampitaovana ny rehetra. Saingy kosa vitan\'i Ra8 tao anatin\'ny fotoana fohy ny nividy ilay fiaramanidina izany tsy mety lanilaniko ny antony nividianana azy nefa ny olona ary tena azoko lazaina fa miaina ao anaty aizina.
Tsy ny fotoana no tsy ampy fa ny fitiavana ny hafa no nihena tamin-dRa8. Io no tiako tsindriana eto.







[/quote]

Ka ny zavatra nosoratako teto aloha dia mazava tokoa ny tarigetrako dia ny hanakiana ny fitondran-dRa8. Tsy fankahalana akory sanatria fa ny fanakianana sy tsindry entina ampahalalana ny rehetra ny fomba entina mifidy izay olona ho fidiana hanaovana fandalinana tsara vao maka fanapahan-kevitra handrotsaka ilay vato ho azy na hiady ho azy na hanolotra ny ainao ho azy.

Ny antony nahatonga izany dia satria olona mankasitraka an-dRa8 ny ankamaroan\'ny olona eto amin\'ny serasera ary ny sasany zary fifidianana anjambena azy no mahatonga azy hanao izany, ao koa ny fankahalana an\'i TGV nohon\'ny fakany ny fanjakana tsy an-drariny na satria hoe mihevitra izy fa tsy manam-pahaizana hitondra io filoha tetezamita io, ny sasany moa izany satria izay no hitany fa safidin\'ny namany dia mba lasa koa izy mirona any ary ny ankamaroany hitako eto dia satria tsy hoe akory lafatra izy fa izy no ara-dalana amin\'izao ka n\'inona n\'inona zavanitranga dia tsy mendrika ny nanesorana azy teo sady tsy ara-dalana izany, fa tokony hiafiana ny zavanataony ary miandry ny fifdianana manaraka vao manao izay mety.

Ny nataoko teto izany dia ny hanome io balance io hoe tsy voatery tsara avao ilay Ra8 fa tena ao aby koa ireo azo kianina momba azy ary azoko lazaina ny tsy maha mendrika ho filoha azy raha dinihina ny niafaran\'ny fitondrany saingy raha samy olom-pirenena dia izy angamba no isan\'ny nanandratra/ nanokatra an\'i Madagasikara teo amin\'ny fifandraisana iraisam-pirenena ka nampiroborobo izany, izay hiderako azy tokoa. Saingy tsy nanome an\'io mihitsy aho satria mbola jambena loatra isika eto. Koa dia misaotra anao aho nanakiana ahy momba izany fahitanao ahy izany. Teneniko anao fa ny tenako dia tsy natory indray alina/andro nivavaka ho azy tamin\'ny niampitany an\'iny Ranomasina Masombika iny mba ho tody soamatsara izy ka tsy hisy haninona eny an-dalana. Tonga soamatsara izy dia faly aho.

Raha hamaly ny fanontanianao farany aho dia hiteny aminao fa tsy mety ny fitondrana TGV ary tsy ara-drariny ny fomba nakana ny fitondrana sady tsy ara-dalana velively. Saingy izay nisy dia nisy tokoa satria io ilay resahiko hoe nodoran\'ny afon-kitay natsipiny i Ra8 ka izay misy dia tsy azoko lazaina hoe azo hodivirana fa tsy maintsy nisy. Izay namafy rivotra hono dia hijanja tadio tokoa. Toy ny fijanganjangana no fiheverako ny zavaniseho tamin\'ny andron-dRa8 ka sady tsy nitandrin-tena no nanao danin\'ny kibo ka inona moa no azo fa tsy aretina ary miahaka any amin\'ny fianakaviana sy ny rehetra. Io farany io ilay aretina. Dia ny fitondrana iainantsika izao. Ary ny fahafatesana sy ny fahalemena dia mbola atsy ho atsy fa tsy eo no ho eo saingy tsy ho ela mihitsy. Raha manana vakisiny isika dia efa tara loatra saingy azo atao kosa ny mitsabo. Dia izay mitsabo tsy hihanaka izay ny aretina no isian\'ny fanoratako eto, tsy tokony hiverina izy aloha satria matahotra ra mandriaka aho. Tsy tsara ho an\'ny olona ny ho faty noho ny momba azy.

Aleo ny firenen-dehibe no hanao izay tokony ataony hahatomombana izay hamerenana ny filaminam-pirenena fa raha isika dia hitako fa tsy ahavita izany satria hifamono am-pitoerana isika raha mitohy izay takian\'ny mpitolona amin\'izao.

Misaotra anao aho namaky ny resako rehetra; ny fahitanao ny hevitro rehetra ihany no ahafahanao hahazo ny tiako ambara. Mino fa azonao kosa ilay izy izao fa ny hoe hanaiky azy dia tsy voatery velively akory fa tsara ny manana hevitra samihafa eo amin\'ny samy mpitafa. Tsy voatery hitovy hevitra isika ary mahatoky aho fa tsy voatery hampiakatra tosidra koa noho izay tsy fitoviana izay fa asakasak\'ireo izay te hanao izany anefa.
62. lasa ( 07/04/2009 11:54)
Tsisy ady hevitra e! Tena marina izany :-*
63. Oay ( 07/04/2009 13:21)
Tena mazava be ary fisaorana no atao an'i Soanja fa tena olonkendry ary olona mino sy mahatoky an'Andriamanitra ny fahitako azy raha namaky ny zavatra nosoratany ny tenako! Ny mivavaka no anjara biriky azoko entina mba hitombo ny olona manana fijery toa izao, mahasahy miteny ny tsara nataon'ny olona izy na d tsy mifanaraka @ fomba fijeriny aza ny zavatra ataon'ilay olona @ ankapobeany.
Mahereza ry Soanja ary ho ambininjavatra nanasatra ka ho tonga @ avo indrindra ka ny voninahitra azo @ izany anie ho an'ilay Nahary an'izao tontolo izao irery ihany! Andriamanitra Fitiavana ianao ka mitantana ny dihanay ety...
64. ravonjison ( 08/04/2009 09:22)
Mahafinaritra ny miady hevitra, saingy misy zavatra tsy azoko mikasika ny hevitarao, na mody hodianao tsy hita ny zavatra sasany. Tsy filazána ny tsara na ratsy nataon\' i Ravalo na i Rajoelina no hoalazaiko eto, satria ny mikasika izany dia misy ireo instutitions iraisam-pirenena manao ny \" evaluations\", noho izany azotsika jerena any ambadimbadika any izany.Ary ny \" criteres \" ampiasain-dry zareo dia resaka PNB, criteres socials, fotoana...sns. Noho izany tsy hiverina @ ireo sary nalefanao aho.
Ny tiako horesahina eto dia ny resaka principe sy ny mety ho vokany any aoriana:
1- raha misy zavatra ratsy sy tsy ara-dalána vitan-dRavalo dia izao no tokony lalána arahina : fitoriana...fitsarána+porofo....fanamelohana...fanatanterahana.

2- fifidianana ihany no ahazoana seza: satria \" ny fanonganam-panjakana dia mamorona fanonganam-panjakana hafa any aoriana \"

Ny fanekenao ny hijanonan\' ny HAT ( ianao nilaza fa avelao aloha ry zareo ho eo dia ho hita eo, avelao ry zareo hampiseo izay fahaizany) eo milaza fa notsinotsiniavinao ireo zavatra roa voalazako etsy ambony ireo.
Izany hoe ekenao fa:
- azo esorina sy melohina ny filoha iray na dia mbola tsy nisy aza ny porofo sy ny fitsarana.
- azo atao ny fanonganam-panjakana rehefa heno etsy ry eroa fa mahantra ny gasy, mivarotra tanindrazana, miavona Ravalo....sns.
Ianao mantsy mihevitra fa rehefa naongana ny fanjakana iray dia hilamina @ izay ny tanána. Diso tanteraka ianao.
Aza hadino fa ny fanekenao an\'io dia milaza @ olona sasany fa azo atao koa ny fanonganam-panjakana @ manaraka, ary noho izany tsy hilamina mihitsy ny tany. Izay no tena atahorako, ary tokony atahoranao koa, raha toa ka olona tia milamina toa ahy ianao.
Ny fanatsinotsinoavanao ireo points roa voalazako ireo koa dia toa milaza fa mety ahazo saosy @ fitondrana vaovao ianao , na koa misy occasions azonao hananararaotana ao, izay no mahatonaga anao jamba tsy mety mahita ireo principe voalazako ireo. Ahitsio aho ra diso.
65. ravonjison ( 08/04/2009 12:14)
...I Soanja no nanehoako io hevitro io....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0072