Fahantrana 2008

21. ra8enforce ( 04/04/2009 20:04)
za aloha tsy dia d'accord @ le fividianana avion air foce one neda tadidio raha ohany egypte na indonesia na japon ireo tsy misy vol direct mankany dago dia ahoana ,sa mbola handray correspondance firy nefa ny depense koa betsaka ihany?
22. yuka ( 04/04/2009 20:18)
tsy misy manaiky ny nividianana iny avion iny zaho koa mba tsy mankasitraka :D
anefa tsy izany no entina hanakomana izay zava-bita sy ny mbola teo andalampanamboarana :)
dia aleoko koa mahita force one mipetraka eo Ivato,toizay mieritreritra ny
SAMBOGASIKARA nanjavona :-P
23. xxx ( 04/04/2009 20:38)
haraho tsara hatr@ farany koa ty fa tanjona @ fampandrosoana

http://video.google.fr/videosearch?q=documentaire+Madagascar+et+le+MAP&hl=fr&emb=0&aq=f#
24. yonikafopl ( 04/04/2009 20:44)
tsy aleo ve ry soanja tohizana le fivavahanao sy fizaranao tenin'Andriamanitra toy izay hanaratsianao sy ankahalanao olona ato amin'ny politika ato?
Ataoko ngamba fa tsy eken'Andriamanitra izao zavatra ataonao mankahala ny hafa izao an :wink:
Asehoy ilay tena maha jristiana fa manjary vao mainka mahatonga anay ho ANTI-ANTI-ANTI kristiana eeeeeee

he he he he
25. soanja ( 04/04/2009 21:18)
Miaiky anareo aho ka. Ny xxx sy ny tariny rehetra.


Fa angaha moa rehefa milaza fa izao no lesoka tamin'ny andron-dRa8 dia midika foana izany hoe naman'ny Deba sy ny hafa ny tena. Sa izay ary ve no tena mahazatra anareo hoe tsy maintsy mandray vola amin'olona foana na nahazo toerana tsara tamin'ny fitondrana iray na hoe misy fisolelahana isan-karazany vao afaka hilaza ny marina eto.

Midera an'i Yuka koa aho raha toa ka nahavita zavatra ho an'ny firenana ianao. Tsy misy tsara toy izany. Ny fampiakarana na ny fialana amin'ny fahantran'ny firenana no tarigetrako, ka zay miezaka manao izany dia tsara avokoa. Tsy misy idiran'izay politika sy ny seza ny ahatongavako eto. Efa niteny aho fa raha te hanana zavatra atao amin'ny fitondrana aho dia aleoko miara miasa amin'ny Fampianarana ary tsy afaka ny ho ministra aho na izany aza. Ny antony itiavako ny hidirana amin'ny fampianarana dia hitako fa simba ny fotom-pisainantsika Malagasy ka tsy afaka ny ahita ny zavamisy sy hanala ny fitiavan-tena be loatra.

Aleo tohizako rehefa avy eo.
26. ra8enforce ( 04/04/2009 21:42)
rehefa lasa president hono soanja dia tsy misy 4mis intsony foana ny bidon ville,mody hoe le avion 60millions dollars no excuse izao efa ohatrinona no faty antoka sy ny fanampiana very,ry tgv kosa aloha tena tia an'i mada e,aiza ka efa izao tontolo izao no miteny fa coup d'etat io =tsy misy aide nefa mbola mifikotra ihany,izany ve no atao hoe tia ny tanindrazana
27. belakely ( 04/04/2009 22:39)
ô ry soanja a!
tsy hoe rehefa minaonaona toy io akory dia marina daholo! Angaha hadinonareo ny taloha sa hodiana tsy hita sa ririnin-dasa????????????
Mbola mafy noho izao aza ny taloha!
Ary ity fananam-pirenena nodorana ( oh nanomboka t@ hotel de ville 1972, Rova 1996, Radio, Tele 2009, sns ......) ny Orinasa isan-karazany???? nefa noho ny inona? vokatry ny valifaty, lonilonim-po.....
Izay tonga eo indray izao mbola hamaly faty ny teo aloha dia toy izay hatrany????
Ka samia velon'aina hifankahita eto ihany e!



28. soanja ( 04/04/2009 23:04)
lasa:

Mba omeo ny andininy zahay ry Soanja sady tena mahaliana ny fomba famelabelaranao hevitra eto.Anisan'ireo mankasitraka aho nadia tsy mitovy hevitra aza indraindray.


Misaotra Lasa,

Aleo zany resahiko ny momban'ny sary. Io tanana io dia any amin'ny dezaka ny Madagasikara amin'ny toerana fitrandrahana ireny vatosoa ireny. Efa miisa 5000 angamba ny mponina any amin'izao rehefa tena dinihina. Ny mampalahelo ahy dia tsy hoe satria mipetraka amin'ny trano hazo ry zareo ka hoe tiako ho villa ny tananany sy ny momba azy, fa ny tena mampalahelo ahy dia ny tsy fisian'ny rano sotroina na rano madio aza antsakaina dia andrahoana any, tsy misy sekoly any ka ny zaza any dia tsy mianatra avokoa nefa efa misy mahatratra 12 taona ny sasany. Feno zaza tokoa io tanana ary miboridana daholo sy maloto be ry zareo.Mitsindroka eran'io. Tsy misy toeram-pitsaboana koa any ka rehefa marary satria lavitra be ny tanana misy hopitaly dia matetika maty. Mandeha fiara 4x4 vao tonga any ary 75 km eo ho eo miala ny arabem-pirenena , ny tanana akaiky indrindra dia mblola misy 15 km miala avy amin'ilay fiviliana. Matetika dia misy maty any vokatry ny asa tsy ara-dalana tsy manaraka ny fitandroana ny fahasalamana sy ny mahaolombelona, moa ny fahantrana koa etsy andaniny mamely. Be malaso be any ary raha mankanhy ianao dia mila manana mpiaro na olona manana basy hiaro anao fa tsy tody any amin'izao. Ny isan'ny mampalahelo ahy koa dia efa misy ho fiangonana telo miorina any fa saingy ireo aza dia toa manana ny olany avokoa. Ny tiako tenenina dia efa nisy ezaka nataon'ny fioangonana nefa rava ihany. Tany tsy misy fanjakana ny any. Izay no tiako tenenina. Niorina anefa ireo dia satria ara-panjakana ny zavamisy any. Tsy misy fanaraha-maso avy amin'ny fanjakna velively anefa ny fiodin'ny fiainana any. Marihako fa mblola 12 taona ny zaza any dia efa betsaka ny mivaro-tena ary nhy ankizy lahikely lany andro miloka sy manao asa tsy mifanaraka amin'ny taonany.

Inona moa no tena idiran'io sary io eto dia ny ampafantarako anareo fa be ny olona any ambanivohitra any no mijaly. Tsy mbola ampy ny ezaka nataon'i fanjakana na manao ezaka aza izy. Tsy ekeko ny nividianana ropilanina lafo be amin'nhy volam-panjakana nefa ny zaza ary mbola betsaka tsy mitafy ary mahatsapa izany atao hoe mahaolona izany.

Raha mahay mitsetra ny hafa isika dia tsy hankahala ahy nampiseho an'io fa tiako ny ahitanareo voalohany indrindra ny tsilo mandrakotra ny masontsika. Io tanana io no nisy dia satria manana filana isika rehetra mba hiaina sy hitady vola saingy kosa andraikitry ny fanjakana ny mitsinjo ny hatsaran'ny fiananan'ny olona ao anatin'ny fanjakany mba hahatsapa filaminana na dia ny fahatongavana amin'ny tanan-tohatra farany ambany indrindra ny Maslow aza no tarigetra. Raha nisy ny tanana dia satria neken';ny fanjakana ny fisiany. Inona no fiahina ny olona ao kosa tsy hitako loatra fa dia niteny tokoa ireo olona fa mahatsiaro tena mitandahatra amin'ny biby hono ry zareo. Nitomany aho naheno izany satria aiza moa ity zaho ary aiza ireto miray ra amiko?? zinona moa zah manoloana izany olan-dry zareo izany? Ny faniriako tsy ny hankahalana an'iza n'iza velively na i Ravalomanana aza dia tsy ankahalaiko fa kosa hiteny aminareo aho fa betsaka ny tsy rariny nisy tamin'ny fitondrany ka mila mahay mandalanjalanja tsara isika.

Averiko eto indray, fa diso hevitra izay mihevitra fa misy idiran-dRatsiraka ny momba ahy. Tsy olon-dRatsiraka aho ary tsy hanohana izay apetrany eo velively. Tsy mankasitraka an'i TGV koa aho satria be herisetra ny zavanisy nentiny nihoarany. Fa raha toa ka miseho eto ny sary dia satria mbola betsaka ny fijaliana sy fiafiana mbola tsy hitan-dRavalo na hitany fa nodiany tsy hita ka nahatonga izao fidinana amin'ny lavaka mangitsokistsoka izao.

Tsy fotoanan'ny fankahalana izao fa fotoanan'ny fijerena ny ho avy ho miaraka amin'ny saina sy fo mahalala ny hafa. Fialana amin'nhy fitiavan-tena. Tsy midika akory zany fa hahavita hanasitrana any Mada ao anaty fotoana vitsy i Ra8 fa saingy kosa ny hetsika nataony betsaka ho azy samirery dia nilaza tamiko fa tsy mendrika ny ho filoha intsony izy.

Ny faniriako dia ny mba hijereventsika indray olona vaovao azo hasolo azy. Tsy i TGV ary tsy izay olon-dRatsiraka. Olona afaka hanome fitiavana an'i Madagasikara amin'ny fo tsy miangatra ary olona afaka hitsijo ny ho avin'ny rehetra fa tsy hisonenika ao anaty fitiavan-tena.

Mbola vitsy anefa izany raha fahitako ny mpanao politika amin'izao. Isika eto fotsiny aza dia tsy mahazakla mahita ny zavamisy iainanana any ambaniovohitra any. Ka indro moa raha tonga eo amin'ny fitondrana mba ahoana?

Io no resahiko atsy ambadika hoe ny filofosana amin'ny fanatsarana ny fanabeazana no hitako laharam-pahamehana ao Mada mba amin'izay afaka 40 taona isika hanana masoandro miposaka manome taratra ny rehetra.

Misaotra anareo namaky hatramin'ny farany.
29. soanja ( 04/04/2009 23:20)
Betsaka ny tsy mankasitraka ny hevitro satria tsy mankasitraka an-dRa8 aho. Tsy villa no takiako an'ny rehetra saingy kosa milaza aho fa raha mandeha mianatra ny zanakao ary tsy misotro rano maloto dia tadidio ireo zaza amin'ny sary ireo.

Raha misy azonao anampiana an'ireo dia tsara indrindra izany. Raha tsy misy moa dia atao akory fa dia mianara tsara sy ilofosy tsara ny asa mba hanatsarana ny mpiara-belona eran-tany.

Tsy politika na ady seza no alehako eto fa filazana ny zavamisy, toy ireo sary hitanareo isanandro anao anaty gazety ireo. Betsaka amin'ireo ny sary nalaina avy amin'ny fakantsarinay, miezaka isanandro amin'ny fanomezam-baovao ho antsika aty lavitra. Ireo no mivoaka dia satria miasa andro amanalina ny rehetra hampijanona ny herisetra sy ny tsy rariny misy manjaka amin'izao ao Mada. Aparitaka ny sary mba hilazana hoe mila fanampiana isika ary mila maika izany. Tsy te hanana vola avy amin'ny fanjakana na ny ariary ny tenako satria fantatro ny ra mihosina noho izany.

Tsy mahatsara ahy tokoa ny manketo amin'ny dinika Politika satria ianareo mbola tsy mahazaka mahita ny maharary fa izay manakaiky fo no tohanana. Izaho miteny izao dia tsy manana hotohanana mihitsy fa dia mijoro milaza ny zavamisy fotsiny ary milaza fa Ra8 izay be mpitia eto dia nanao ny tsy mety tokoa ary mila mahita maso angamba ianareo vao hino.

Misaotra indrindra e . Mazotoa miafin'endrika fa izay angamba no fahendrena amin'izao fotoana.... Andriamanitra tsy andrin'ny hafa andriko ihany!



30. vale ( 04/04/2009 23:51)
lasa:

Hay ve Soanja any @ be kintana no mipetraka e!midera anao aho aloha @io lafiny io fa anisan'ireo olona tsy mba midehaka ianao fa tena mandefitra tokoa satria misy isika ato @serasera vao miteny dia te hitonona foana hoe:izaho avy atsy na avy ary ,na dia tsy misy tokony hidirana @lay resaka aza ny fihaviana ;-)


Hanky vare!!!!!! mba iza lotra hono izany ato am serasera mideradera izany ee?? mba lazao anah hoe fa toa tena tsy mbola nahita zah!!!
faharoa ry lasa: dia ny olona lavitra an'i tanindrazany no tena miankim-po be amin'ny fitiavan-tanindrazana a, mba hainao ve moa ny hoe lavitra ny tanindrazana izany?!!! ka atsaharo ny fanosoram-potaka ny namana sasany ato amin'ny serasera mipetraka ivelan'i Madagasikara.
(saika tsy hamaly ihany aho fa nanohana ahy ilay zavatra teneninao) aman-taonany no nidirako mpikambana tato fa tsy mbola nahita na iray aza amin'ny namana mipetraka ivelan'i Madagasikara misehoseho araka ny filazanao izany.
(Somary nivaona kely aho fa zafady indrindra!!!).
31. vale ( 04/04/2009 23:58)
Amiko ny fahantran'ny Malagasy dia tsy vao izao fa efa ela, ary ny mpitondra naharitra indrindra angamba dia i Didier Ratsiraka, inona anefa ny zavatra nitranga nandritr'izany fotoana rehetra nitondrany izany?! sao dia manao ririnin-dasa tsy tsaroana isika ka ny androany ihany no hita sy tsapa!!
Ny tsy hitiavako io fitondrana amin'izao fotoana vao niakatra io dia miray petsapetsa amin'ny Atoa Ratsinaka ka tsy voako. :x
32. milamm ( 05/04/2009 04:24)
fanampiny @ hevitra itovizako @ vale eto ,ary ny tsy itiavako an'i deba lian-drà na tsy eo @ fitondrana aza izy dia lava ny tananany mampihorohoro ny mponina Antananarivo,mamono sy mamotika izay manakana ny lalany dia ireo mpiray tanindrazana aminy ,t@ androny tokoa no niforona ireny tsy manan-kialofana ireny fa manala izay ho afany aza Atoa Ravalomanana @ ireny olana anampiana azy,efa voalazan'i yuka ny momba an'i Sambogasikara nahodin'ilay piraty t@ ireny anefa no afaka nofoanana t@ vidiny izy io hanampiana ireo niangaran'ny vintana ireo fa mbola vitsy hanitarana toeram-ponenana mamokatra sns ...27 taona tsy vita ,mbola ho ratsy kokoa no izao aza ny fiverenany raha ràn'ny madinika no anasàn'izy sy andry ny tanany
33. yonikafopl ( 05/04/2009 06:40)
Nena ny zavatra mba tsy zakako de le fitiavantena sy ny hafaliana amin'ny fiheverana fa fahasimban'ny sasany,

Aiza ve ka dradradradraina ny fahantrana tam fitondrana teo aloha, fa toa ODIANTSY HITA IREO LASA NIHA NAHANTRA SY HIHA HAHANTRA NANDRITRA NY 3 VOLANA ZAY, satria nahoana? VERY ASA IZY IREO noho ny hetraketraky ny hafa, tsy hahita horaisina intsony rehefa mifarana ny volana, AIZA NO HISARANGOTRA???

Mba noeritreretin'i Soanja ve ny momba azy ireo???
Ireo mba nihezaka sy nazoto niasa, saingy very tao anatin'ny indray mipimaso ny fihezahany hatrizay??????

Ny fahantrana 2008 no dradradrainao, jereo ny fahantrana 2009 hiainana amzao .
34. xxx ( 05/04/2009 07:25)
soanja:
Betsaka ny tsy mankasitraka ny hevitro satria tsy mankasitraka an-dRa8 aho.
tsy dia tena hoe ny tsy fankasitrahanao an'i Ra8 loatra no atao resaka ry soanja a! fa ny fankahalanao tafahoatra loatra an'i Ra8 sy ny fisolelahanao ny fitondrana entin'i tgv izay raha jerena @ fo tsy miangatra dia sahy milaza ve ianao fa tena nanomboka naha-teo an'i Ra8 no nahantra ny malagasy? affirmation diso tafahoatra loatra ny anao! ampitahio @ fo tsy miangatra fotsiny ny zavatra nataon'i debanao nandritry ny 24 taona sy ny zavatra vitan'i Ra8 nandritry ny 7 taona, ataoko fa mba olona misaina ihany ianao ka tsy jamba nahita an'ireny! ianao, izaho koa dia tsy mipetraka any dago ka @ fomba ahoana moa no ahazahoana hitsara avy hatrany fa noho i Ra8 no nahatonga ny fahantrana?
ny mampalahelo koa dia ianao ity miziriziry @ tsisy fahamarinana akory, dia mandrangitra ny hafa fotsiny hoe hisolelaka ny fitondran'i tgv nefa mba hitanao ve ireo habibiana rehetra miseho? izay indrindra manko no nilazaiko hoe tsy any an-toerana ahita maso sy mahatsapa-tanana ny fandehan'io habibiana mahazo ny vahoaka @ zao fotoana izao !
http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m49d7a15b8f214
nefa ianao dia sahy milaza mihintsy hoe
http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/message&msgid=m49d4cb4f76bf9
dia aza ny anaran'Andriamanitra foana no tonitononona fa tsy mendrika zany!




35. lasa ( 05/04/2009 09:00)
Sao dia mahana ary ianao ry Vale,ny olona tsisy taitra ka ianao no toa miatsambotra,sao dia ratsy noho ny any @Soanja ny misy anao?Asa aloha e!izahotokoa aloha tsy lavitra an'Dago fa eto akaiky ihany e!mahatsiaro finaritra ery fa mba afaka manao vakansy any matetika.Aza mora mahana toa io moa e!Misaotra an'Soanja fa tafita tanteraka lay hevitra tianao hajoro sy ny fotokevitrao. :*
36. lasa ( 05/04/2009 09:08)
Mangovitra be aho,mipararetra @le fampitahoran'Vale marina moa!Aoka itsy sao tapaka lalandra eo ka liza. 8-)
37. diamondra27 ( 05/04/2009 09:39)
ny fahantrana dia misy foana io ary tsy ho fongana mihintsy na iza no hitondra eo na iza

jereo fotsiny izao ireny tany mandroso ireny jereo zamerika misy ny toerana feno building sns ary any am quartier sy faritra hafa pauvre be fa mpidrogy sns no hita any

tahaka izany koa eto france

tahaka izany bangkok sy chine sns

any inde moa de tsy lazaina intsony fa na ny mpilaza azy fa hoe mivavaka atao fanatitra ny volo nefa avy eo hamidy sy hanaovana bizna fotsiny ataon'ny européen perruque ny volon'ilay mahantra kely sy votompinoana.

koa io dia tsy misy ifanomezantsiny amiko satria misy foana ny fahantrana


====> momban'ny hoe naleon'i ravalo nividy avion, efa nifona tamin'ny malagasy izy manaiky fa diso
fantan'i Ravalo daholo ireny fahantrana misy any amintsika ireny ary voalazany mivantana tamin'ny conférence nataony aza fa any atsimo any misy olona tsy mandro mihintsy raha tsy indroa anatin'ny taona hoy izy , ary ontsa be izy miteny izany ka hanao izay ho vitany.Matoa tsy mbola vita ilay izy dia nisy antony izay amiko satria tsy ary ho voavaha daholo amin'ny indray mipy maso ny olana


koa izay ny ahy izany mba tsy aritro amin'ty resaka fahantrana ity e!

fa dia mankasitraka anareo ry soanja sy yuka amin'ny fanampiana izay ataonareo dia bon courage ary enga anie ka hanampy anareo foana nyTompo.
38. mazavajery ( 05/04/2009 11:26)
Mety fijery hafa mihitsy ny ahy !! amiko ny toe-tsaina no mila hovaina na iza mitondra eo! Raha mahatsapa tena ny olona tsirairay fa tompan'andraikitra amin'ny fampandrosoana ity nosy malalantsika ity dia ho sambatra tokoa i Madagasar !! Aza mifanilika sy mifanaratsy an-toerana fa miezaha amin'ny tsara2 kokoa hatrany !! Toerana maro no nalehako ary hitako fa mbola lavitra ny lalana e? raha ny hevitro d izay tafita tokony hijery ny tany niavihany avy MASINA NY TANINDRAZANA !!! hoy E.D.Andriamalala " Raha te-handroso marina ny olona iray dia ny Toe-tsaina no mila fanamboarana voalohany"
39. ravonjison ( 05/04/2009 11:33)
soanja:

Toy izao ny fahantrana mianjady ny madinika tamin\'ny andron-dRa8. Ka inona re moa fa tsy famonoana olona moramora ny ny fahitako an\'io. Anareo no mandinika raha tokony nividy an\'iny fiara manidina Air Force iny izy na tsia.

Mihevera tena ry Malagasy izay jamben\'ny fitiavan-tena.

http://www.flickr.com/photos/37061134@N06/3411175838/
http://www.flickr.com/photos/37061134@N06/3411175860/in/photostream/

Ry Gasikarako, ontsa anao ny foko! :cry: :cry: :cry:




Efa betsaka loatra ireo voalazan\' ny namana sasany etsy ambony, ka hezahiko ho fintinina ny seraka.
Raha hiresaka ny fahantran\' ny Dago isika dia mila manao analyse be dia be, ary resaka lava loatra izany. Izao angamba no azoko lazaina mikasika izany:

1- ny fahantran\' ny gasy dia nanomboka t@ 1896, fotoana naharesy ny fanjakana hova, nidiran\' ny frantsay tao Dago, ary naharitra 60 taona izany.

2- izay fahantrana izany dia notohizann-dRatsiraka t@ 1975, izay nampidirany ny socialisme. Ny firenena tandrefana dia efa nahafantra ary nilaza fa rafitra ratsy sy rafitry ny kami io socialisme io, ny pays afrikana sasany sy ny gasy anefa mbola nanaiky nadaladalaina t@ izany ihany, noho izy ireo voabadon\' ny fanjanahantany ka tsy ampy fahalalána.

Ireo fotoana roa ireo no tena rangory fototry ny afo.

I Ravalo tao antin\' ny fotoana fohy dia hita fa nampandroso an\' i Dago ( fantatro fa tsy tantin\' ny sasany mihitsy maheno izany, kanefa izany no marina).
Izany fandrosoana izany anefa dia tsy voatery mikasika ny malagasy rehetra.Fohy ihany izany fotoana izany raha ampitahaina ohatra @ Alemagne tao aorinan\' ny ady, izay nampiana be mitsihy, kanefa mbola ela foana vao tafakatra ny toekareny.

Ka raha sary no hataontsika analyse dia tokony naka sary be dia be i Soanja, avy eo dia nisaina, ary nampitahana ny isan\' ny sary toy ireny t@ andron\' ny fanjanahantany, t@ ansron\'i Ratsiraka, t@ andron\' i Ravalo. Ny fampitahana toy izany ihany no azontsika hilazana fa i Ravalo na i Ratsiraka no nanao an\' io. Fa tsy sary iray toa anio akory no hanaratsiana ny hanendrikendrehina olona . Marivo fisainana loatra izany.
40. ifiona ( 05/04/2009 13:13)
ilay izy zany ôtran' maivana be ilay fiteny hoe "toy izao ny fahantrana tamin'ny fotoana nitondran'i Ravalo", tsy i soanja aloha no noeritreretiko hiteny zavatra superficiel be toy izany, io fahantrana io anie dia misy ary hisy foana e, na any amin'ny tany mandroso indrindra aza, dia mihamantra ny mahantra ary miha manankarena ny manankarena. Tsy midiaka anefa zany hoe tsy nisy ny ezaka natao. Eritrereto fotsiny hoe ireny sarin'olona aseho amin'ny fahitalavitra, matin'ny hanohanana ireny anie, dia toy ny milaza hoe tena tsisy zavatra mandroso mitsy any amin'ireny tany ireny, kanefa diso be izany fa misy tokoa ny fandrosoana, fa ilay endrika "ratsy" foana no tiana aseho.

Tsy ho foana anaty 7 na 20 na 100 taona akory ny fahantrana, ary tsy azo atao hoe helok'itsy na helok'itsy no mbola mahatonga an'izato firenena izato ho mahantra, fa aleo ny zava-tsoa vita no hifampitsarana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0078