Fahantrana 2008

41. xxx ( 05/04/2009 13:25)
i soanja angamba tsy mbola nipetraka any Dago e? na kely dia lasa any an dafy?
42. vale ( 05/04/2009 14:03)
lasa:

Sao dia mahana ary ianao ry Vale,ny olona tsisy taitra ka ianao no toa miatsambotra,sao dia ratsy noho ny any @Soanja ny misy anao?Asa aloha e!izahotokoa aloha tsy lavitra an'Dago fa eto akaiky ihany e!mahatsiaro finaritra ery fa mba afaka manao vakansy any matetika.Aza mora mahana toa io moa e!Misaotra an'Soanja fa tafita tanteraka lay hevitra tianao hajoro sy ny fotokevitrao. :*

lasa: matoa ny olona tsy taitra dia mety anisan'ny ilay mpidedaka, fa matoa zah ni-réagir dia fantatro fa tsy anisan'izany namana midedaka lazainao ato izany zah, de zah klou tsy mbola nahita oe midedaka i anona tato fa mipetraka ivelan'i Dago.
Dia zah koa tsy miasa saina amin'izay firenena mety hipetrahako sy ny an'ny hafa na ny pitiny aza, ka lazainao oe "sao dia ratsy noho ny an'ny misy an'i Soanja ny misy ahy" :roll:
43. xxx ( 05/04/2009 14:06)
hay ve any etats unis koa mba misy an'zao e! dia omena an'iza ny fahadisoana? firenana aiza no tsy misyfahantrana nefa e?

[URL=http://img13.imageshack.us/my.php?image=etatsunis.jpg][IMG]http://img13.imageshack.us/img13/5213/etatsunis.jpg[/IMG][/URL]

ny fahantrany any us t@ 2006 ohatra
aux Etats-Unis, près d’un habitant sur huit vit au-dessous du seuil de pauvreté, soit 36,5 millions de personnes en 2006 (dernier chiffre donné par le U.S Census Bureau).
http://images.google.fr/imgres?imgurl=http://www.interet-general.info/IMG/us-pauvrete-1-2.jpg&imgrefurl=http://lewebpedagogique.com/bsentier/comment-lutter-contre-la-pauvrete-aux-etats-unis/%3Fakst_action%3Dshare-this&usg=__J9hl20EWqzOrzRkvuTG1jQWvT0I=&h=198&w=159&sz=14&hl=fr&start=19&um=1&tbnid=gUGz2ZYZ6YRMBM:&tbnh=104&tbnw=84&prev=/images%3Fq%3Dla%2Bpauvret%25C3%25A9%2Baux%2Betats%2Bunis%26hl%3Dfr%26sa%3DN%26um%3D1
ny fahantrany frantsa ohatra
http://images.google.fr/imgres?imgurl=http://www.pyepimanla.com/pyepimanla-novembre/photographies/pauvrete.jpg&imgrefurl=http://www.pyepimanla.com/pyepimanla-novembre/textes-discrimination-et-politiques/france-monde/la-pauvret%25E9-en-France.html&usg=___PwV1SnISHLFJBJekLKdMTwk73Y=&h=1145&w=1024&sz=125&hl=fr&start=67&um=1&tbnid=pcLgJ7w_0o8qVM:&tbnh=150&tbnw=134&prev=/images%3Fq%3Dla%2Bpauvret%25C3%25A9%26ndsp%3D20%26hl%3Dfr%26sa%3DN%26start%3D60%26um%3D1
44. vale ( 05/04/2009 14:12)
lasa:

Mangovitra be aho,mipararetra @le fampitahoran'Vale marina moa!Aoka itsy sao tapaka lalandra eo ka liza. 8-)

aza dia mampiome moa eee :-D :-D ; fa nampitahotra aona koa aloha za eee :roll:
zah anie tsy mihinan'oul eee, poulet ihany ny ahy no hoaniko mbamin'ny henakisoa sy hena omby. :lol:
45. lasa ( 05/04/2009 15:20)
Tsara indrindra ry Vale rehefa tsy mpidedaka ianao,izay indrindra no hirariana @rehetra,aza taitaitra intsony @ manaraka,araka ny Ohabolana 19:11 manao hoe:"Ny fahendren'ny olona manindry ny fahatezerany,ary voninahatra ho azy ny tsy mamaly ny fahadisoana."Lay sarinao kosa aloha tena mampatahotra e!tena tahakan'ny hanaikitra mihintsy,masika be ;-)
46. vale ( 05/04/2009 18:00)
Lasa: non, tsy sariko io ka, Avril Lavigne io, mihira izy eo !!:-D
47. lasa ( 05/04/2009 20:01)
Mba izay ahay r'ise;hay nisy tovovavy soa toa io ihany tao ambadika tao, na dia somary manjavona kely aza.Rehefa misy ezaka sahala @zao d'efa tsara e!Misaotra nanome fahafaham-po (l)
48. lasa ( 05/04/2009 20:10)
lay sary teo tena ratsy ko! na dia mpihira aza r'ise ity tena tsy lasa mihintsy.Marina moa!
49. xxx ( 05/04/2009 20:53)
HI hiu hi hi hi !!! TSY FANTATRAREO MARINA FA MITADY SPONSA ANIE I YUKA EEEEEE OE MIAHY ZAZA KAMBOTY !!! OMEO SOSY AO IZY RY AMERIKANNNN A
50. yuka ( 06/04/2009 00:21)
xxx tsy mitady sponsa arakin'ny hevitrao aho :P tsy kamboty ireo akizy ireo a!
akizy tany amin'ny toerana niadidiko ireo,sao dia ianao no mila omena SOSY ry XXX a!
raha misy tokony homena ahy dia arotsay any ampiangonana,fa mahavelona ahy tsara ny karamako,sady mbola betsaka ny tahiry :P
51. nancy ( 06/04/2009 02:45)
Mahavariana mihitsy betsaka ny olona tsy mieritreritra akory fa izany mitondra firenena izany anie tsy mora, be ny olona no manantena hanan-karena tampoka.
Betsaka ny manome tsiny an-dRavalomanana tsotra izao. Tsy hadisoan-dRavalomanana direct anie raha mahantra ny malagasy, satria efa ela io fahantran'ny gasy io e, ary talohan'ny nandraisany ny fitondrana aza dia azo lazaina hoe tena faran'izay tany anaty lavaka mangitsokitsoka ny fiainan'ny malagasy. Izy no tena niezaka nanarina sy hanala ny malagasy anatin'izany fahantrana izany, nisy ny asa mivaingana vitany, saingy tsy tsapan'ny olona fa mandeha tsikelikely anie ny asa fa tsy tonga dia hiova be tampoka ohatran'ny magie fotsiny eo.....betsaka ny tsy mahandry tantana, hany ka mampalahelo fa dia miverina anaty lavaka mangitsokitsoka indray isika izao, mbola baraingo ny amin'ny fitondrana tetezamita, nefa raha izao fahitana ny fiaingany izao dia ahiako handavaka lalindalina kokoa aza io ka vao maika mbola hanitrika ny malagasy ambanimbany kokoa, akaikin'ny rangolahy...
52. soanja ( 06/04/2009 13:57)
nancy:

Misy karazany ny fahantrana ry Nancy ary misy an-tanatohatra amin'izany.

Ny tsy azonao fotsiny dia raha mampitaha an'i Etazonia amin'ny Madagasikara ny olona dia diso izy satria i Etazonia dia efa mianatra daholo ny zaza ao anatiny ary afaka misotro rano madio daholo. Ka raha hipetraka amin'ny trano tsy zarizary izy dia mety safidiny izany na mety tsy safidiny saingy ireo roa voalazako ireo dia tsy olana intsony.

Ny tiako havoitra dia raha nanatsara ny fitsangatsanganany hividy ropilanina tsara tarehy ny filoha Ra8 dia tokony mbola nijery aloha izy hoe aiza avy ny toerana ao Mada mbola tsy manana sekoly sy tsy mianatra ny zaza ary aiza no tsy misy rano madio. Io mantsy dia isan'ny mahaolombelona. Ny rano no loharanon'aina. Ny fianarana kosa dia sakafon-tsaina.

Ny fanalana fahantrana dia ezaka atao ary ny fanenana dia mety hisy fa ny hanesotra azy tanteraka dia mety ho nofy satria isan-karazany ny fisehon'ny fahantrana. Ny antsika Malagasy mpanao politika izao dia ny mahantra tokoa amin'ny tsy fahatsapan-tena. '

Raha tsy hitan;i Nancy io zavatra tiako tenenina io dia tsy manahy fa aleo hijanona satria tsy mankaiza ny fahafahantsika hifanditra momba izany. Tsy laharam-pahamehana amin'ny Malagasy hafa sasany mantsy ny fianaran'ny zaza malagasy sasany sy ny rano sotroin'izy ireo.

53. xxx ( 06/04/2009 14:06)
soanja o!

hoy ianao hoe ho an'ny sasany toa tsy laharam-pahamena ny fianaran'ny zaza sy ny rano sotroiny?

fantaro anefa fa niaraka t@ Ravalomanana dia:

- maimaimpoana ny ecole primaire publique, sady nanome kit scolaire izy ho an'ireo mpianatra
- nampanamboatra centre de santé de base miisa 250 eraky Madagasikara izy, karazana hopital de campagne ireny

Mbola be noho ireo ny zavatra vitan'i Ravalo ary tsy vitan'ny sasany teo alohany ka aoka ny zavatra tsara vita no hifampitsarana e!

ekena fa diso izy nividy an'iny raoplanina iny fa kosa tsy azo atao hoe noho ny fividianany an'iny no mbola mampahantra ny malagasy!
54. yuka ( 06/04/2009 15:06)
soanja efa nanao fitarihana rano ravalo tany atsimo,orinasa japoney ihany
koa no nanao an'io,fa tsy vita aoanatin'ny indray mipimaso anie i babay sy lovohatra e :)
mba fantatr'i soanja ve fa ireny teratany vahiny nanao asa ireny anie ka tafian'ireo dahalo tany atsimo ny fiara mitondra azy,nefa dia olona hitarika rano hosotroinao izao efa nisy tratra tato aminay 5taona lasa zay.
dia fantatrao koa ve fa tena mafy hatoro ny ankabiazan'ny tantsaha,ka matetika miala maina ny teknisianina :)
zahay efa nanatitra fitaovana tamin'ireny toerana lavitr'andriana ireny,mandeha lakana sy mandeha tongotra lavitra be fa tsy manaitra azy ireo
firy ny fampianarana fa ny tanjon' izy ireo dia ny hazoan'ny zanany vady sy ny hanana omby maro,ka hoy aho hoe tsy ny mpitondra ihany no manana lesoka
fa ny toetsain' vahoaka ifotony mihintsy no mila karakaina :)
55. sapele ( 06/04/2009 16:35)
Soanja!
Aza kivy amin'ny fanankianana fa ny fantatrao fa marina de hazony,za tena ontsa nijery ny fahantran-tsika malagasy,ary iriko foana ny hitsinjovana ny mahantra,ka ny fiangonana mahasarika olona maro aza moa nidiny nasiany maramila mitana basy koa ahoana no hapandrosoana ny toe-tsain'ny any ambanivohitra,ny firenena,,,,,?ny olona rehefa mahalala be be kokoa an'Atra de mitombo koa ny fandrosoany,sy ny hareny, fa ny harena azo @ makarakara tsy maintsy mivoaka @ kilaodaoka ka samy mandinn-tena an,,,.aza kivy na de bandy kely aza aloha no mitondra ny firenen-tsika,,fa i DAVIDA mpanjaka anie ka mpiandry ondry e!
56. nancy ( 06/04/2009 16:54)
Aza mampitombo fa izaho tsy nampitaha an'i Mcar sy USA mihitsy.
Nahatadidy aho fa anisan'ny navoitran-dRavalomanana tamin'ny kabariny sasany foana ny hoe fanatsarana ny FAMPIANARANA; ary dia efa natombony ny ezaka fanatsarana io. Nisy ny sekoly namboarina tany ambanivohitra tany, ny fitaovana nomena ny sekoly, nisy ny fanomezana ireny kit scolaires ireny, betsaka ny tambanivohitra no nilaza fa mba efa mandeha mianatra ny zanany. Saingy araky ny efa volazan'ny sasany etsy ambony dia TSY HO VITA IRAY ANDRO dia ho tapitra hianatra daholo ny zaza; tsy vita iray andro dia hisotro rano daholo ny olona fa mandeha tsikelikely.
Aza manery ahy hanaiky ny hevitrao fa izaho koa manana ny hevitro.

[/quote]

Misy karazany ny fahantrana ry Nancy ary misy an-tanatohatra amin'izany.

Ny tsy azonao fotsiny dia raha mampitaha an'i Etazonia amin'ny Madagasikara ny olona dia diso izy satria i Etazonia dia efa mianatra daholo ny zaza ao anatiny ary afaka misotro rano madio daholo. Ka raha hipetraka amin'ny trano tsy zarizary izy dia mety safidiny izany na mety tsy safidiny saingy ireo roa voalazako ireo dia tsy olana intsony.

Ny tiako havoitra dia raha nanatsara ny fitsangatsanganany hividy ropilanina tsara tarehy ny filoha Ra8 dia tokony mbola nijery aloha izy hoe aiza avy ny toerana ao Mada mbola tsy manana sekoly sy tsy mianatra ny zaza ary aiza no tsy misy rano madio. Io mantsy dia isan'ny mahaolombelona. Ny rano no loharanon'aina. Ny fianarana kosa dia sakafon-tsaina.

Ny fanalana fahantrana dia ezaka atao ary ny fanenana dia mety hisy fa ny hanesotra azy tanteraka dia mety ho nofy satria isan-karazany ny fisehon'ny fahantrana. Ny antsika Malagasy mpanao politika izao dia ny mahantra tokoa amin'ny tsy fahatsapan-tena. '

Raha tsy hitan;i Nancy io zavatra tiako tenenina io dia tsy manahy fa aleo hijanona satria tsy mankaiza ny fahafahantsika hifanditra momba izany. Tsy laharam-pahamehana amin'ny Malagasy hafa sasany mantsy ny fianaran'ny zaza malagasy sasany sy ny rano sotroin'izy ireo.

[/quote]

57. soanja ( 06/04/2009 19:59)

Vakio tsara Nancy fa tsy nitonona aho hoe nampitaha an'io ianao fa nilaza fotsiny aho hoe be ny olona no hiteny hoe mbola misy fahantrana i Amerika ary io fahantrana io anefa amiko dia tsy ho tapitra satria isan-karazany ny fisehony sy ny fahatongavany amin'ny tsirairay.

Ny hany tiako lazaina aminao fotsiny araka io voalazanao io dia marina tokoa tsy vita indray andro na ao anatin'ny fotoana fohy ny fametrahana sy fananganana sekoly sy ny fampitaovana ny rehetra. Saingy kosa vitan'i Ra8 tao anatin'ny fotoana fohy ny nividy ilay fiaramanidina izany tsy mety lanilaniko ny antony nividianana azy nefa ny olona ary tena azoko lazaina fa miaina ao anaty aizina.
Tsy ny fotoana no tsy ampy fa ny fitiavana ny hafa no nihena tamin-dRa8. Io no tiako tsindriana eto.

58. pikatti ( 06/04/2009 22:25)
ary ty soanja ty noheveriko mba olona misaina ihany indrisy kay poak'aty ,tsisy ati-doha akory ,iny sary kely iny ve ny fitaovana hitsarana fitondrana na ny firenena
raha mba narosonao ny PNB ohatra fotsiny dia mba tsy dia bado loatra ianao
raha aseho koa zany le le bronx any amerique reny dia anisany firenena mahantra indrindra koa ny misy anao any

:-@ :-@ :-@ :-@
59. soanja ( 06/04/2009 23:43)
pikatti:

ary ty soanja ty noheveriko mba olona misaina ihany indrisy kay poak'aty ,tsisy ati-doha akory ,iny sary kely iny ve ny fitaovana hitsarana fitondrana na ny firenena
raha mba narosonao ny PNB ohatra fotsiny dia mba tsy dia bado loatra ianao
raha aseho koa zany le le bronx any amerique reny dia anisany firenena mahantra indrindra koa ny misy anao any

:-@ :-@ :-@ :-@

Betsaka tokoa ry Pikatti ny zavatra tsy mampisaina ahy ary tena betsaka ny vacuum ao anaty saiko , zay no mahatonga ahy mbola miaina sy mianatra hatramin'izao. Ianao izao dia isan'ny fianarana azoko androany nameno azy.

Efa betsaka ny zavatra narosoko teto momban'ny tsy fetezan'ny fitondran-dRa8 fa raha io no tsy zakanao dia atao akory fa izy aloha izao efa tsy eo amin'ny toerany intsony. Ny hamerenana azy no mbola ataontsika hoe asa?

Matoa anefa izy tsy eo intsony amin'ny toerany dia ianao mahafantatra ny zavanitranga.

Izay feno any aminao ndray ary zareo fa izay izao no mety hahasoa ny mpiara-belona sy ireo mahantra ireo?

60. nancy ( 07/04/2009 00:18)
Rehefa tena niverenako novakiana izay nambaranao rehetra teto dia tsy dia misy hevitra mazava loatra afa-tsy ny tsy fitiavana an-dRavalomanana tsotra izao.
Dia valio tsotra ity fanontaniako ity. Mety ary ve izao fitondran'i tgv izao?

Vakio tsara Nancy fa tsy nitonona aho hoe nampitaha an'io ianao fa nilaza fotsiny aho hoe be ny olona no hiteny hoe mbola misy fahantrana i Amerika ary io fahantrana io anefa amiko dia tsy ho tapitra satria isan-karazany ny fisehony sy ny fahatongavany amin'ny tsirairay.

Ny hany tiako lazaina aminao fotsiny araka io voalazanao io dia marina tokoa tsy vita indray andro na ao anatin'ny fotoana fohy ny fametrahana sy fananganana sekoly sy ny fampitaovana ny rehetra. Saingy kosa vitan'i Ra8 tao anatin'ny fotoana fohy ny nividy ilay fiaramanidina izany tsy mety lanilaniko ny antony nividianana azy nefa ny olona ary tena azoko lazaina fa miaina ao anaty aizina.
Tsy ny fotoana no tsy ampy fa ny fitiavana ny hafa no nihena tamin-dRa8. Io no tiako tsindriana eto.

[/quote]

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0082