Resaka kapoty/ fanabeazana aizana- hatraiza ny fetrany.

1. soanja ( 06/03/2009 05:18)
Na mbola tsy vita aza ilay resaka Etanizia dia aleo jerena indray ny hevintsika momba ity iraika lahy ity:Ny fimailo. Ilaintsika ve io sa tsia???
Ekenao ve ny fanabeazana aizana tompoko?
Omeo ny hevitrao? omeo izay heverinao fa hevitr'Andriamanitra?
Tokony haka tsirony ve ny olombelona amin'ny firaisana sa dia natao fanamboaran-jaza ny fitaovam-pananahantsika? Hatraiza ny fetra? Miala tsiny indrindra raha sanatria ka misy olona tohina. Miangavy indrindra tsy hampiditra resaka mamoafady fa ny resaka mendrika no mba angatahiko raha mety. Misaotra.
novalian'i fijo ny 17/03/2009 21:31
2. ari.malala ( 06/03/2009 06:07)
Katolika ny tenako, izaho manao hoe eny, ilaina ny fanabeazan'aizana. Ny toe-batan'ny vehivavy dia miovaova arakaraky ny toe-javamisy iainany, noho izany ilaina amiko ny fanabeazana aizana. Ny fiainana amizao koa tsy toy ny taloha intsony, efa mihasarotra andro aman'alina ka aleo vitsivitsy tsara karakara ny zanaka toy izay betsaka nefa tsy araka akory ny fikarakarana azy, zary heloka indray aza satria mampijaly zaza! Raha izaho manokana no anontaniana dia aleoko aza mampiasa fimailo, satria iny tsy misy risque mintsy hoe efa nisy zaza tao ankibo tao fa noho ny fihinanana fanafody dia afaka ilay zaza. Momba ny fakàna tsirony @ firaisana, ny hevitro manokana iany, eny tokony satria ca fait partie de la vie humaine, nefa kosa tsy entina ijangajangàna (anaovana firaisana etsy sy eroa ny fakàna tsirony sy ny fampiasana fimailo.
3. mion ( 06/03/2009 07:14)
Za alou en tant que lehilahy , en plus katôlika, dia mandà ny fampiasana fimailo . Nefa tia tena be @zany aho raha tsy mijery ireto lafin-javatra ireto:

Raha ohatra ka tsy regulier ny cycle (miovaova fa tsy fixe oe 28jours foana) dia tsara ny manao fimailo en periode peri-ovulatoire, satria heloka eo anatrehan'A/tra koa ilay manozona zaza tsy niriana, ary raha efa aminao ny fahalalana nefa inianao atao dia mbola heloka koa raha tsy velonao iny zaza iny

Raha reglo kosa anefa ny cycle dia laviko ny fampiasana fimailo. Azo fehezina ny filan'ny nofo @ periode peri-ovulatoire (nefa @ iny no tena tsara). Raha toa ka tsy voafehy ny filàna de ny fomba hanaovana ny firaisana izany no tandremana, nefa raha tsy lehilahy mahafehy vatana toa ho sarotra ihany. (tsy alatsaka ao ny ranon'aina, misasa anaty ny vehivavy refa avy miray fa efa spermicide ny rano @ robinet)

Raha efa feno ireo nolazaiko ireo de ilaina koa ny fimailo raha tsy fidèle ny partenaire-nao na enao. tsarovy fa tsy enao irery no adidinao eto ambonin'ny tany fa mbola eo ny zanaka, ny ray aman-dreny, ny iray tampo raha malagasy enao, ka heloka @ maha olombelona ny tsy fahavitana ny adidy raha minia tsy miaro tena enao

Ilaina ny maka tsirony faraky izay ela rehefa miray .

4. ari.malala ( 06/03/2009 07:25)
Raha ohatra ka tsy regulier ny cycle (miovaova fa tsy fixe oe 28jours foana) dia tsara ny manao fimailo en periode peri-ovulatoire,
io no tena tiako navoitra saingy ts tafavoakako! misaotra mion :)
5. mion ( 06/03/2009 07:35)
tsy misy fisaorana ; mahereza soanja :wink:
6. bilakarenjy ( 06/03/2009 08:15)
Ity moa zany dia resaka ho an'ny mpivady avy hatrany satria famerana ny isan'ny zaza ateraka raha ny tokony ho fepetra takian'io resaka kapaoty io .
Matoa ianao izay mampiasa kapaoty dia :

Voalohany tsy mandefa ny ranon'aina any @ ilay vadinao mba tsy hampisy zaza raha toa ka @ izy le lonaka iny .Amin'izay ihany fa ny ankoatr'izay dia miray tsy misy kapaoty .

Faharoa :Manambara fa tsy mahatoky ny vadinao ianao matoa mampiasa kapaoty na ianao no tsy mahatoky ny tenanao .

Fahatelo :Hafa ny toe-tsaina entinao miray @ vadinao rehefa manao kapaoty fa tsy hitovy @ tsy manao kapaoty mihitsy ..

Zany hoe : raha hifanarahana le resaka kapaoty eo @ mpivady dia hafa indray izay .
7. ari.malala ( 06/03/2009 12:57)
bilakarenjy, tsy azoko ilay faharoa, ts mahatoky ny vady ahoana moa?
8. mion ( 06/03/2009 13:29)
ny tiana i bilakarenjy lazaina de hoe mihodina izany ny vadinao na ny vadinao no tsy matoky anao ho fidèle e, mampirafy, efa voalazako teo alou io
9. coopsal ( 06/03/2009 14:05)

Tokony haka tsirony ve ny olombelona amin\'ny firaisana sa dia natao fanamboaran-jaza ny fitaovam-pananahantsika? Hatraiza ny fetra?

==> Zavatra naturel tahaka ny fihinanan-kanina izany raha ny fahalalako azy. Ny lela izay mandre tsiron-tsakafo dia miasa mba haneken\'ny vava hampiditra ilay sakafo ao am-bava. Mety hatsiro tokoa ny sakafo, saingy ny vavony no tokony hametra azy hoe : aoka izay. Rehefa voky dia aoka izay.
Rehefa ny lela anefa no mibaiko ny olona dia manomboka tsy mahalala voky izy fa na efa voky aza dia mbola mitady hevitra hihinana ihany satria matsiro.

Inoako fa tsy zavatra alaina na tadiavina ny fahafinaretana amin\'ny firaisana ara-nofo fa misy fotsiny izany! Ny fitadiavana izany dia fahotana toy ny fijangajangana ihany. Izao tenin\'i KRISTY izao no ilazako an\'izany :
\"Raha misy lehilahy mijery vehivavy ka mila azy, dia meloka nijangajanga taminy tao am-po izy\". Tsy namaritra mihitsy kristy hoe \"vehivavy tsy vadiny\", donc na dia ny vadin\'ny tena aza no hi fantasmena dia fijangajangana koa izany.
10. soanja ( 06/03/2009 15:55)
coopsal:

Marina hoe???? Ny fahatsapana tsiro dia isan'ny mahatonga ny olombelona manovaova ny sakafony tsy ho vary sy anana foana fa mba atao trondro ny laoka indraindray. Ny fahafahana misafidy no lanja amin'zany.

Inona izany no mahatonga an'i Coopsal hanao firaisana ara-nofo amin'ny vady? satria te hiteraka fotsiny ve? Inona no mibaiko anao amin'io fotoana io?

11. soanja ( 06/03/2009 16:08)
Io tsirin'aina io ve tsy manahy raha very aby ka lasa maty?? Tsy aina ve io?

Misy finoana mihevitra fa ota mantsy ny fafinaretan'ny nofo fa ny fanamboaran-jaza kosa dia tsy maintsy atao.
12. cutie ( 06/03/2009 16:44)
Ny fimailo. Ilaintsika ve io sa tsia???

ilaina raha ohatra ka manao matetika ny mpivady na mpisipa

Ekenao ve ny fanabeazana aizana tompoko?

ekeko ny fanabeazana aizana, indrindra ho an'ny tanora na mbola tsy manambady aza. (Sa moa ho an'ny mpivady ihany no resaka eto??)

Omeo ny hevitrao? omeo izay heverinao fa hevitr'Andriamanitra?

Tsy ho voatery ho kapoty ihany no zo resahina refa fanabeazana aizana, fa misy fomba hafa koa, fa le kapoty moa no sujet eto de aleo hijanona @ iny. Ilaina zany ny kapoty raha ohatra ka mbola tsy mazoto hiteraka ny roa tonta, raha mpivady io, raha mbola mpisipa ndray de mba hisoroana ny vohoka tsy nirina.
Ny hevitr'Atra ndray alou de tsy haiko fa matetika ny xstiana no tsy tia an'io fampiasana kapoty io fa we fahotana lol.

Tokony haka tsirony ve ny olombelona amin'ny firaisana sa dia natao fanamboaran-jaza ny fitaovam-pananahantsika? Hatraiza ny fetra?

Matoa manao ngamba de efa mazava be zany fa haka tsirony zay no tanjona. Misy fotoanany miankina @ roa tonta ( mpivady) ny fanamboaran-jaza.
13. ikaretsaka ( 06/03/2009 17:20)
mitovitovy @ ari ny fijeriko @ io...
hoe tsy fitaovana fentina mijangajanga io, efa ilaina ihany rehefa misy cas maromaro vitsivitsy !

halaliniko:
raha hoe samy mpivady na mpisipa tena mpisipa amiko ka efa miaraka ela kosa de efa mba tokony kopy hoe eto de possible mananona rehefa manann (tsy mahazo manao resaka mamoafady fa miala tsiny da code-ko) de .... tsy mananona fotsiny rehefa tsy te hananona... moa raha te de...

na hoe misy aretina seksoaly le iray .... na hoe sakaizan'aretina mainka hamparary azy (raha marary tranon-jaza ohatra ka raha misy mipetraka any de afaka foana, na manome infection fa tsy maintsy atao in vitro rehefa hi concevoir de... )

fa raha le hoe misy protector plisy any ampaosy sy any anaty kopetsa de handeha hanao akoholahimbohitra... e e e
14. rakaroka ( 06/03/2009 20:53)
Amiko ny fimailo dia fitaovana tahaka ny "rehetra" ihany; dia ny "fahaizana mampiasa na tsy nampiasa no "mitsara avy hatrany" .
Hatraiza ny fetrany?...Arakaraka...

Ny tiako itarihana ny saina fotsiny tsy izaho no mi-determine hoe tsy maintsy izao na izao na Atra akory no
karazana "omena micro" hivolana?...
Fa ny tsotra indrindra dia hoe "à tes risques et périls!"...
Ny maro ohatra mitoraka plonge @ "chéri(e)..., hoe 'ndrao tsy matoky tena, vady,sns Dia efa safidy iray iny, dia izao mihanaka izao ny sida,sns
Ny hafa miaro ny tenany @ aretina , marina indrindra koa ny azy satria "tempolin'Atra koa hono ny vatana izay mila "arovana", rahateo aleo misoroka toa izay mitsabo hono!
15. fijo ( 06/03/2009 21:15)
hummmm ari sy mion an de ahoana izany hoy zampoly??????bedy eo nareo.hihih

amiko dia mila jerena tsara eto ny fivavahana sy ny fiainana hiainana;raha ny fivavahana dia tsy manaiky an'io,nefa amiko dia tsy manaraka ny toetrandro izay fivavahana izay.satria ny mpino tsirairay ,dia miaina ary mandinika io fiainany an davanandro io.rehefa avy niady hevitra irery teo ny mpino ka nandanja ny finoany sy ny fiainany,dia io voalazan'i ari malala sy mion io no fahendrena.arahan any finoana,fa tandrovanakoa ny tena sy ny hoavy
16. Mirananirina ( 07/03/2009 10:56)
Amiko aloha dia tsara ny fanabeazana aizana ,indrindra ho antsika gasy.Fa lasa manao teraboalavo isika na manjary manala zaza.
Ny fiainana sarotra,tsy haraka intsony ny fananana zaza maro.
17. soanja ( 07/03/2009 11:26)
mion:

Za alou en tant que lehilahy , en plus katôlika, dia mandà ny fampiasana fimailo . Nefa tia tena be @zany aho raha tsy mijery ireto lafin-javatra ireto:

Raha ohatra ka tsy regulier ny cycle (miovaova fa tsy fixe oe 28jours foana) dia tsara ny manao fimailo en periode peri-ovulatoire, satria heloka eo anatrehan'A/tra koa ilay manozona zaza tsy niriana, ary raha efa aminao ny fahalalana nefa inianao atao dia mbola heloka koa raha tsy velonao iny zaza iny

Raha reglo kosa anefa ny cycle dia laviko ny fampiasana fimailo. Azo fehezina ny filan'ny nofo @ periode peri-ovulatoire (nefa @ iny no tena tsara). Raha toa ka tsy voafehy ny filàna de ny fomba hanaovana ny firaisana izany no tandremana, nefa raha tsy lehilahy mahafehy vatana toa ho sarotra ihany. (tsy alatsaka ao ny ranon'aina, misasa anaty ny vehivavy refa avy miray fa efa spermicide ny rano @ robinet)

Raha efa feno ireo nolazaiko ireo de ilaina koa ny fimailo raha tsy fidèle ny partenaire-nao na enao. tsarovy fa tsy enao irery no adidinao eto ambonin'ny tany fa mbola eo ny zanaka, ny ray aman-dreny, ny iray tampo raha malagasy enao, ka heloka @ maha olombelona ny tsy fahavitana ny adidy raha minia tsy miaro tena enao

Ilaina ny maka tsirony faraky izay ela rehefa miray .

Mahafinaritra tokoa ny hevitrao satria mitsinjo ny hafa. Misaotra indrindra.

:-* :-* :-*
18. soanja ( 07/03/2009 11:28)
ari.malala:

Katolika ny tenako, izaho manao hoe eny, ilaina ny fanabeazan'aizana. Ny toe-batan'ny vehivavy dia miovaova arakaraky ny toe-javamisy iainany, noho izany ilaina amiko ny fanabeazana aizana. Ny fiainana amizao koa tsy toy ny taloha intsony, efa mihasarotra andro aman'alina ka aleo vitsivitsy tsara karakara ny zanaka toy izay betsaka nefa tsy araka akory ny fikarakarana azy, zary heloka indray aza satria mampijaly zaza! Raha izaho manokana no anontaniana dia aleoko aza mampiasa fimailo, satria iny tsy misy risque mintsy hoe efa nisy zaza tao ankibo tao fa noho ny fihinanana fanafody dia afaka ilay zaza. Momba ny fakàna tsirony @ firaisana, ny hevitro manokana iany, eny tokony satria ca fait partie de la vie humaine, nefa kosa tsy entina ijangajangàna (anaovana firaisana etsy sy eroa ny fakàna tsirony sy ny fampiasana fimailo.

Namaste o!!!

:-* :-* :-*
19. soanja ( 07/03/2009 11:32)
bilakarenjy:

Faharoa :Manambara fa tsy mahatoky ny vadinao ianao matoa mampiasa kapaoty na ianao no tsy mahatoky ny tenanao .

Fahatelo :Hafa ny toe-tsaina entinao miray @ vadinao rehefa manao kapaoty fa tsy hitovy @ tsy manao kapaoty mihitsy ..

Zany hoe : raha hifanarahana le resaka kapaoty eo @ mpivady dia hafa indray izay .

Resaka Kapoty eo amin'ny mpivady tokoa aloha dia tena mamparefo fifandraisana satria mety samy manana ny heviny izy roroa eo. Ny tena tsara dia ny fifampiresahana alohan'ilay firaisana.
Misaotra nizara Bila o!

:-* :-* :-*
20. soanja ( 07/03/2009 11:34)
cutie:

Ny fimailo. Ilaintsika ve io sa tsia???

ilaina raha ohatra ka manao matetika ny mpivady na mpisipa

Ekenao ve ny fanabeazana aizana tompoko?

ekeko ny fanabeazana aizana, indrindra ho an'ny tanora na mbola tsy manambady aza. (Sa moa ho an'ny mpivady ihany no resaka eto??)

Omeo ny hevitrao? omeo izay heverinao fa hevitr'Andriamanitra?

Tsy ho voatery ho kapoty ihany no zo resahina refa fanabeazana aizana, fa misy fomba hafa koa, fa le kapoty moa no sujet eto de aleo hijanona @ iny. Ilaina zany ny kapoty raha ohatra ka mbola tsy mazoto hiteraka ny roa tonta, raha mpivady io, raha mbola mpisipa ndray de mba hisoroana ny vohoka tsy nirina.
Ny hevitr'Atra ndray alou de tsy haiko fa matetika ny xstiana no tsy tia an'io fampiasana kapoty io fa we fahotana lol.

Tokony haka tsirony ve ny olombelona amin'ny firaisana sa dia natao fanamboaran-jaza ny fitaovam-pananahantsika? Hatraiza ny fetra?

Matoa manao ngamba de efa mazava be zany fa haka tsirony zay no tanjona. Misy fotoanany miankina @ roa tonta ( mpivady) ny fanamboaran-jaza.

Namaste ndry! Manaiky tanteraka aho!
Kapoty ho an'ny rehetra no tiako resahana ka!

(l) (l) (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0856