iza no efa ...?

1. xxx ( 02/02/2009 06:27)
ahoana ny hevitrareo @ ny vehivavy sahy mangataka zaza @ lehilahy iray ?
novalian'i Papoose ny 17/02/2009 23:18
2. Noue ( 02/02/2009 06:53)
tsy hitako zay maharatsy an'zany eee! indrindra moa raha mpivady zareo ????amiko aloha dia rehefa vonona ny vehivavy hitondra aizana maninona moa ee??
3. sitlo ( 02/02/2009 07:01)
Raha ny fahazoako azy angamba ry Noue tsy mpivady fa hoe olona tia hanan-janaka fotsiny a. Dia misy olona mahafinaritra azy (ara-batana na ara-tsaina) dia tiany hananana zanaka mitovy amin'iny. Sa izaho no diso?

Raha izay aloha ilay izy dia tsy tiako loatra ilay toe-tsaina satria tsy manisy hasina an'ilay atao hoe fianakaviana mihitsy.
4. ni81 ( 02/02/2009 07:15)
Raha ny fahazoako azy angamba ry Noue tsy mpivady fa hoe olona tia hanan-janaka fotsiny a. Dia misy olona mahafinaritra azy (ara-batana na ara-tsaina) dia tiany hananana zanaka mitovy amin'iny. Sa izaho no diso?
raha ny fahazoako azy koa dia olona tsy mpivady fa tia hanana zanaka fotsiny ilay vehivavy io mangataka io.
5. Noue ( 02/02/2009 07:21)
dia raha izany dia hoy aho oe aza tia tena oatrizany fa ny ho avin'ny ilay zaza no jerevana eee
6. xxx ( 02/02/2009 07:30)
marina tsy misy azo lavina izany teneninareo rehetra izany fa misaotra
misy ho tsakotsakoina tsara handinihana ny ho atao
7. ni81 ( 02/02/2009 07:57)
marina tsy misy azo lavina izany teneninareo rehetra izany fa misaotra
misy ho tsakotsakoina tsara handinihana ny ho atao
nahalala vehivavy iray izay aho niasa t@ misiona izy io. Tsy nanambady izy, nefa dia te hiteraka.
Tao amin'io toeram-piasany io anefa dia tsy azo atao mihitsy izany manao mère célibataire izany fa tonga dia voaroaka. Fa dia nataony ilay izy dia naleony voaroaka, satria niaraka t@ olona nanambady izy, ary dia niteraka t@ ilay rangahy. Efa 10 taona izao ilay zazavavy kely ary asa izay fomba firesak'io reniny io ny tantaran'ny nahazoany azy. Ka diniho tsara fa sao dia tia tena fotsiny araka ny lazain'i noue ianao fa tsy jerenao ilay alahelon'ilay zaza, satria olona noteriterena no mba rainy.
8. sakaizakely ( 02/02/2009 08:25)
io wa de tsy maintsy misy foana ny miseho be moral eo nefa raha mba saintsainina lalindalina dia tsy fitiavantena bontolo be fotsiny na hoe tsy fanasihana hasina ny fianakaviana no mitondra an'io fa arakarak'izay vécu n'ilay vhv koa

misy ankizy namako nisaraka ny RAD fony izy vao 7 taona fa tromatizé be le ankizy, nanao boulimie, tsy dia nahatody fianarana, nifoka sns... ary tsy nety nanana confiance tamina lhl intsony satria ny dadany mbola tiany dia noraisiny ho mpamadika azy, nafangarony ny fisarahandRAD sy ny fisarahan'izy mianaka. Lay dada koa dia nanambady de tsy niraharaha azy firy. Nihalehibe niasa izy dia tapakevitra hiteraka irery fa tsy misy lhl azo itokisana izany hoy izy, ary vonona ny hilaza ny antony amin'ilay zaza izy rehefa tonga ny fotoana hiresahan'izy mianaka

Tsy afaka hiteny aho hoe tsara na ratsy ny nataony, fa fantatro fotsiny fa nahatsiaro fijaliana tsy ampy fitiavana dada (amour paternel) hatr@ fahakeliny, tsy manana model paternel tohizana dia izay no safidy fantany fa nety taminy

cas iray noraisiko ho ohatra fotsiny io, fa maro isankarazany ny cas azo eritreretina

Misy ankizy samy eo dada sy neny nefa misy traumatisme @ zavatra hafa foana, tsy hoe rehefa misy dada sy neny de la vie est belle et c'est moi la plus misaina et tralala fa manana dada ny zanako et bblablabla

Rehefa samy manao izay afany arahampitiavana bobaka be fotsiny ilay neny single dia izay de ampy

Misy amin'ireo ankizy sans dada manana fiainana ékilibré tsara koa na dia eo aza ny souffrance psy noho ilay absence paternelle, misy moa ny mibolila. Arakaraky ny ankizy sy ze personnalité-ny no ahafahany miarina na tsia amin'ny fiainana fa tsy misy schéma parfait hoe dada + neny => enfant super perfect :°) :°) :°) :°) :°)
9. fahamarinana ( 02/02/2009 12:25)
:arrow: za koa mieritreritra fa na mere celibataire na mpivady miteraka dia tsy mifanaraka ka misaraka dia mitovy ihany no vokany : samy tsy misy ray ohatra na reny...misy na tsy manambady ka miteraka dia voajerin'ny 2 tonta,misy manambady vao miteraka nefa avy eo samy barakay...Ny tiako lazaina hoe safidin'ny tsi11 dia samy mizaka ny vokany na soa na ratsy satria tokoa tsy afaka hipetraka amin'ny toeran'ilay vhv tokoa raha izaho aloha. :( (l)
10. heidi ( 02/02/2009 13:01)
xxx:

ahoana ny hevitrareo @ ny vehivavy sahy mangataka zaza @ lehilahy iray ?


amiko ndray aloha dia tsy olana ary tsy misy maharatsy azy raha izany no tiany na vady na tsy vady!
raha te hanan-janaka fotsiny izy fa tsy hanambady inona no olana, firifiry ny vehivavy manano-tena mitaiza ny zanany irery , tafitany am aradalàna ny zanany....?

MARINA NY an'i sakaiza


:°)
11. heidi ( 02/02/2009 13:03)
7. Mpandefa : sakaizakely [ Valio ] 02-02-2009 09:25:59
Lohateny : Re : iza no efa ...?
io wa de tsy maintsy misy foana ny miseho be moral eo nefa raha mba saintsainina lalindalina dia tsy fitiavantena bontolo be fotsiny na hoe tsy fanasihana hasina ny fianakaviana no mitondra an'io fa arakarak'izay vécu n'ilay vhv koa

dakaoro tanteraka e!
12. heidi ( 02/02/2009 13:09)
...Ny tiako lazaina hoe safidin'ny tsi11 dia samy mizaka ny vokany na soa na ratsy satria tokoa tsy afaka hipetraka amin'ny toeran'ilay vhv tokoa raha izaho aloha.


ekena, raha izay no safidiny tsy hitako izay maharatsy azy, vitany samy irery matoa nisafidy hiteraka fotsiny am lehilahy iray izy fa tsy hanambady,
asiana firesahana araka ny filazan'i sakaizakely rehefa matotra tokony afaka hieriteritra ilay zaza dia milam....
13. Papoose ( 02/02/2009 21:27)
rehefa manaiky le lhl dia mandeha io
14. sitlo ( 03/02/2009 02:54)
Ny zaza dia olona koa.
15. ninimalala ( 03/02/2009 05:17)
Io ndray aloha amiko de safidin'izy hanana azy, tsy anomezan-tsiny an'iza n'iza fa de tena maro tokoa ankehitriny ny mère célibataire arakaraka ny tranga miseho @ lay fiainan'ilay vehivavy. Amiko manokana nisy fotoana za mahita olona misaraka betsaka manodidina ahy nohon'ny antony maro samihafa, mbola céliba za t@ zany, de hozy za oe, za an tsy mba hanambady zany fa hiteraka fotsiny satria ny ankamaron'ny lhl de tena tsss ka tsy aleo ve miteraka fotsiny fa vita io. Rehefa tena nandinika anefa za de tsapako fa ny manambady ihany no hitako fa ho fahasambaran'ny zanako de zay nanambady vao niteraka. Amiko zay oa an fa tsy mitsara velively ny tsy manana za fa mi-comprendre.
16. mion ( 03/02/2009 06:35)
Za lehilahy, fa tsy mampandry saina ahy mintsy zany oe hanome zanaka vehivavy zany. sarotra be zany ara moral.
Meteza nareo vehivavy @ toerako. Ndao atao hoe ny lehilahy no miteraka fa tsy ny vehivavy, de mangataka ametrahanareo zaza aho, sarotra be ho anareo zany
17. lovelyri ( 03/02/2009 09:04)
ko raha sitrajkao kosa ve ny hametraka azy raha fanirinao ny hanome zanaka ny sipanao na vadinao inn ny problema... :roll:
18. Lejoba ( 03/02/2009 12:00)
Izaho efa nisy nanipy teny fa i madamako no tsy mety. maninona hono izy raha mitady any ivelany fa tsy ny azy no kitikitihina? Tsy ampindramina sady tsy zaraina sao tazonin'ilay iray any hono aho avy eo. Sady ahoana koa no hieritreretana hoe ireo zanakay ireo manana démi-soeurs na frères.

Sady ilay méthode-ndrazana no tadiavin'ilay vhvv hatao fa tsy insémination artificielle. Mety ho sahiko ihany raha tsy zaza no notadiaviny :^) :^) :^)
19. princesseN ( 03/02/2009 12:10)
samy manana ny safidiny io misy lafy ratsiny le izy ho an'ny olona manana tokan-trano sy fianakaviana ara-dalana fa misy lafy tsarany le izy @ olona maniry anan-janaka nefa ts manam-bady sady ts manana sipa ko inna ar no tokony ataony kosa?
20. ikaretsaka ( 03/02/2009 14:17)
Fa @ ity resaka ity aho de mihaiky an le mpanome ovules sy sperme ireny an...misy le tsy miteraka ireny koa de le ametrahana ovule de avy eo mbola alaina any @ bank de sperm koa ny lahiny.

De metetika tsy mifankafantatra ireo avy eo...
Le tompon ilay ovule tsy mahalala le nanome sperm. ...le mere porteuse hafa..
Tsary ann ka.

Aleo ihany au natirel

Aza hitako hoe enao sy ny ex anao taloha dia nanan janaka t@ na rafotsibe mere porteuse de any aoriana any vao misy mikozy hoe sperme sy ovule nareo no nanaovana io zaza io...brrrrrr
Tsy naleo tonga de natao au naturel de nomena andrafotsy hotezainy?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7397