hono hoa ry lhl,rahoviana ianareo vao tsy hampirafy

41. soanja ( 03/02/2009 20:27)
heidi:

Ny general no resahiko satria ny vehivavy dia tia milelalela indraindray ary be menomenona. Zavatra faran'izay halan'ny lehilahy io ary mahatonga azy lasa tsy hijanona eo.
marina izany fa kosa efa mba tokony hifankafantatra ny mpivady hoe ny vadiko ity be menomenona ity vadiko ity be dongidongy donko tiavina am maha izy azy izy, zaho anisan'ny mora miakatra fa fantatr'ilay silako dia milefitra izy, tsy azo atao miaraka milelalela , fantany aho hoe toy izay dia mi eviter ny hampiakatra ahy izy ohatra de izay toetra mahay mi comprendre izay no tena tsara ao am couple :-P


Manamafy ny teniko etsy ambony anie izany i Heidi e:
"Ny fanehoana sesilany dia amin'ny lafiny isan-karazany io no mot clef. Zany hoe fantaro oviana no ampiharana ny tokony hampihariana ary amin'ny fomba ahoana? " Ireo teny ireo dia tsy miainga raha tsy amin'ny fifampiresahana sy fifankafantarana. Efa fantatrao ny zavamisy dia amin'ny alalan'ny resaka natao na ny zavanisy taloha no hakana decision hoe ireto no atao mba hanatsara zavatra.




42. soanja ( 03/02/2009 20:42)
heidi:

FA HITA oà raha zvtr tsy rariny na tsy zàka intsony ny ataony tsy handefitra sy tsy hangina izany kosa alou fa mankarary io....
MODY MANGINA ANEFA manao andolom-po de miandry amin'ny kihondalana izy am manaraka hamaliana faty :-P
38. Mpandefa : Papoose [ Valio ] 02-02-2009 23:54:08
Lohateny : Re : hono hoa ry lhl,rahoviana ianareo vao tsy hampirafy
misy koa vao avy miresaka vao maika gera!!!!


de raha izay ny fandehany dia aleo misaraka satria samy efa tsy milam tsony zany :-D


Mety tsy azonao le tiako lazaina ery ambony.

Ny fanehoam-pitiavana dia fantarina avy amin'ilay olon-tiana, inona no tiana ary inona no tsy zakany. Rehafa misy zava-tranga dia ahoana no tokony hakana vahaolana raha sanatria ka olana ilay izy. Io dia avy amin'ny alalan'ny fifankafantarana sy firesahana hatrany. Rehafa niresaka ka saingy nisy fotoana ka nitranga tampoka ny olana efa noresahana taloha dia na ianao afaka mimenomenona na ianao afaka miresaka tsotra na ianao afaka mandefitra satria isika dia olombelona ka afaka manao diso avokoa. Ary tsy misy ny tongalafatra. Eo no ampisehoana ny fanehoam-pitiavana ohatra. Ianao mahafantatra hoe inona no tsara ampiasaina eo. Izy raha tsy tia lelalela na menomenona dia ny tsara tsy ireo fa aleo mangina dia rehefa fotona milamina vao resahina moramora hoe : misy zavatra tsy dia maha a l'aise ahy asa na afaka miresaka isika?? sns ... dia hita eo izay fivoakany. Ka raha mahalala mifona izy dia tsara raha tsia tsy manahy fa ny fiovana no tadiavina. Raha mbola mitranga foana enfa ny olana dia mila miverina miresaka indray. Ka raha miverimberina ny olana dia eo no mila fandehanana any amin'ny counseling satria misy zavatra tsy miampita tsara ao izay? na izy manao be marenina, na ny fomba fampitana resaka tsy tafavoaka. Rehefa nisy ny fandehanana dokotera nefa tsy mamokatra dia tsara ny mifampitso-drano satria tsy mety aminao zany ilay olona iny.
Afaka miafy foana koa anefa ianao, ary farany dia lasa tsy olanao tsony iny olana iny rehefa manamboatra saina. Resaka saina daholo ny rehetra ary ny fitiavana no manjaka mahatonga ny saina hanaiky azy.
Ny fitiavana dia tsy mba hanaovana andolom-po ary ny olon-tiana tsy tokony ambakaina velively. Fa raha mahatsiaro ireo ianao dia mahaiza mahatsapa tena fa miaina ao anaty fitaka. Tsy iza akory no voafitakao fa ny tenanao ihany, zany hoe lany andro amin'ny zavatra tsy mamokatra nefa ny fotoana mandeha.
Tadidio foana fa ny fahatezerana dia mandalo (fihetse-po) tsy midika mihitsy hoe rehefa tezitra amin'ilay tianao ianao dia tsy tia azy, TSIA. Matoa ianao tezitra dia satria TIA.
Ny fankahalana kosa dia tsy fitiavana intsony: ireo ambony voalazako ireo no isan;ny fankahalana: andolom-po sy fanambakana ary fitaka.


43. heidi ( 03/02/2009 21:23)
soanja: ka ny hevitra iray ihany fa ny fanehoan-kevitra no samy hafa .....
mitovy fa tsy sahala, hevitra iray ihany no tia-kambara.......KA! :-P
44. sakaizakely ( 03/02/2009 21:57)
Raha ny resaka hatsarana ivelany sy anatiny aloha ry Soanja de mba arako ihany izany fa tsy de paiso loatra aho amin'io zavatra io, fa mba cliché fotsiny noraofiko faobe hamaritako ny fijeriko avy ety ivelany tokoa io fa tsy ary alefa eto daholo ny antsipiriany rehetra raha tsy hoe misy mitady toy izao...

Ny anatinatiny tsapako @ maha mpiara-miasa indray, ilay vady taloha sariaka cool be sady mahay misarika olona @ firesaka, tsy mba mihebohebo na dia ambony fahaizana aza, ary mahay mi sadapta arakaraky ny oul resahany. Raha miresaka @ samy deba izy de mahay mampiseho ny lafiny teknika rehetra, sady kinga saina no efikasy, ary manana kolontsaina be koa. Raha ny mpiambintrano no resahany dia maka fotoana tsara izy manome fanazavana faran'izay tsotra indrindra. Tsisy izay tsy miaiky ny fahatsorany sy ny fahaizany.

Ilay sekretera indray dia niaikezan'ny oul t@ avonavony sy ny fiheverany tena ho tsara sy ambony. somary avo feo zay isaky ny miteny. Ataon'ny oul firesaka izy, tsy ny tao ampiasana ihany fa ny orinasa miaramiasa amin'ny azy rehetra. Mahatsikaiky taminy sady miavona no miresaka nefa mampifandiso zavatra betsaka, une vraie blonde hoy ny aty.

Dia tsy haiko re zay nahazo ilay lhl fa dia nanana aventure tao izy roa, fa tsy naharitra ela an ! otran'ny somary nandende partout ihany le lhl fa fantatra fa tsy niaraka fotoana maro ry zareo, izy koa en même temps niala tam vadiny, tsy nanome tsiny ilay vhv fa dia nolazainy hoe trop parfaite hono tsy mendrika lhl toa azy. Raha nisy tsy nety tao dia tsy ho nolazainy tambadiny ve ry Soanja ? Fa hoatry ny nanana complexe @ vadiny izany ny fahitanay azy

Efa teraka 2 mois koa anie ilay sekretera vao nifamerina ry zareo e ! ary mbola fahatsapana avy ety ivelany ihany koa an, tsy hay izay any antranony any, ny fahitana fa tsy dia tena sambatra mitafotafo toy ny tamin'izy vao nivady. Tsy hita taratra koa hoe tena mifandray ampo tokoa ve izy roa, nefa tamin'ilay vadiny nahafinaritra ery ny nahita andreo mifankatia be, mifampijerijery otrotrizany zany hihi
Zao ny longilongin'ilay reninjanany foana no matetika hitan'ny mpijery

Tsy hay hoà ze mahazo ny lhl sasany :roll: :roll: :roll: :roll: :roll:
45. ikaretsaka ( 03/02/2009 22:05)
reny le mody (l) :^) :^) be reny ange matetika ry sakaiza ka afo mololo e...
fa le mifanenjika sy mifampivazavaza eraky ny tssena ireny matetika no mody miady be nefa rariva raikitra ny ankitaingina...

jereo nge ireny any @ tanana sy ireny t@ mbola nianatra ireny e.. ilay nandaniana kahie de sovenira sy naha colle sy nampingitrika sy naha bedy fa tara lava fa variana nampiaraka ohatran'ny tsy hisaraka ....kinanjo samy nanana ny fiainany taty aoriana

de jereo koa ilay mpivarotranana sy mpitaom-bato mifampi tena be sy mifanala baraka itangoronan'ny olona ireny.. fa eny ihany izy mivady sy ny kilonga...

indraindray aho mba manontany tena ihany @ ity resaka fitiavana ity
46. heidi ( 03/02/2009 22:12)
ilay resaka fitiavana aloha sarotra ndraindray..... fa de harahina am onjany eny e! refa tsy haraka tsony ny mouvement de paikany dia ialàna fa sao mahafaty na mandoro .... 8)
47. Papoose ( 03/02/2009 23:25)
afaka mandefitra satria isika dia olombelona ka afaka manao diso avokoa. Ary tsy misy ny tongalafatra. Eo no ampisehoana ny fanehoam-pitiavana ohatra. Ianao mahafantatra hoe inona no tsara ampiasaina eo. Izy raha tsy tia lelalela na menomenona dia ny tsara tsy ireo fa aleo mangina dia rehefa fotona milamina vao resahina moramora hoe : misy zavatra tsy dia maha a l\'aise ahy asa na afaka miresaka isika?? sns ... dia hita eo izay fivoakany. Ka raha mahalala mifona izy dia tsara raha tsia tsy manahy fa ny fiovana no tadiavina. Raha mbola mitranga foana enfa ny olana dia mila miverina miresaka indray. Ka raha miverimberina ny olana dia eo no mila fandehanana any amin\'ny counseling satria misy zavatra tsy miampita tsara ao izay? na izy manao be marenina, na ny fomba fampitana resaka tsy tafavoaka.


tiko hotsipihana kely, marina fa tsy misy tonga lafatra fa noho izay indrindra rehefa miverina foana le izy de lasa io foana no atao excuse hoe samy mba manao hadisoana daholo, dia zay foana no miverina..... manaraka, mandefitra enao mahita ny tsy mety de mangina...tsy nandaitra satria anaovany be marenina ....mimenomenona enao mbola tsy mandaitra ihany ary.....na miresaka zany @ fomba tsotra de tsotra na rehefa tena tofoka dia na tsy miteny (fa dia mivoaka eny @ fihetsika eny ihany nefa le izy) na mivazavaza tsy misy mandaitra dia inona ihany???? inona no mbola vahaolana hafa???fomba fampitana inona ihany zany???
raha ny fahazaran-dratsy madinika isan\'andro samy manana fa azo dia azo atao tsara ny manova azy hihatsara hatrany tsikelikely.
fa io tsy mihaino io no tena hitako lesoka satria raha mihaino tokony ho tafita ny hafatra dia tsy ilaina le counseling @zay fotoana zay aloha...satria na misy na tsy misy ny counseling....ny ezaky ny tena manokana no tena midependre @ le fiovana @ tena fitiavana lalindalina kokoa
48. heidi ( 04/02/2009 06:36)
raha ny fahazaran-dratsy madinika isan'andro samy manana fa azo dia azo atao tsara ny manova azy hihatsara hatrany tsikelikely


IO ALOHA DIA mahafinaritra ahy mitsy ny manova tsikelikely ny toetra ratsiko ary tena marina mahafinaritra rehefa tsapan'nilay iray fa hoe ne niova enao hummmmmmm! de mazoto ny hiova hatrany satria faly ny ankilany no notsoriny marina tamiko ny fetsempony noho ny fiovàna,

fa io tsy mihaino io no tena hitako lesoka satria raha mihaino tokony ho tafita ny hafatra dia tsy ilaina le counseling @zay fotoana zay aloha...satria na misy na tsy misy ny counseling


ny tsy fihenoina no tena zvtr halako indrindra, ary mampiova ny fitiavana misy ao aminao ....manjary vao mieritreritra an'ialy izy tsy miheno lalandava dia lasa fankahalàna azy no mibahana dia izay no mahatonga ny olana mitady olona hiaino anao ianao de me mihitatra farany lasa rava NY TSENA.... :-P
49. xxx ( 04/02/2009 13:34)
tsy hitako ho valiana tsirairay fa lava loatra,fa dia samy manana ny heviny avy moa ny tsirairay e,nataoko zy ity mba hanazavan'ireo lhl indrindra hoe inona no antony,ny vhv koa moa.
50. soanja ( 05/02/2009 06:15)
sakaizakely:

Raha ny resaka hatsarana ivelany sy anatiny aloha ry Soanja de mba arako ihany izany fa tsy de paiso loatra aho amin'io zavatra io, fa mba cliché fotsiny noraofiko faobe hamaritako ny fijeriko avy ety ivelany tokoa io fa tsy ary alefa eto daholo ny antsipiriany rehetra raha tsy hoe misy mitady toy izao...

Ny anatinatiny tsapako @ maha mpiara-miasa indray, ilay vady taloha sariaka cool be sady mahay misarika olona @ firesaka, tsy mba mihebohebo na dia ambony fahaizana aza, ary mahay mi sadapta arakaraky ny oul resahany. Raha miresaka @ samy deba izy de mahay mampiseho ny lafiny teknika rehetra, sady kinga saina no efikasy, ary manana kolontsaina be koa. Raha ny mpiambintrano no resahany dia maka fotoana tsara izy manome fanazavana faran'izay tsotra indrindra. Tsisy izay tsy miaiky ny fahatsorany sy ny fahaizany.

Ilay sekretera indray dia niaikezan'ny oul t@ avonavony sy ny fiheverany tena ho tsara sy ambony. somary avo feo zay isaky ny miteny. Ataon'ny oul firesaka izy, tsy ny tao ampiasana ihany fa ny orinasa miaramiasa amin'ny azy rehetra. Mahatsikaiky taminy sady miavona no miresaka nefa mampifandiso zavatra betsaka, une vraie blonde hoy ny aty.

Dia tsy haiko re zay nahazo ilay lhl fa dia nanana aventure tao izy roa, fa tsy naharitra ela an ! otran'ny somary nandende partout ihany le lhl fa fantatra fa tsy niaraka fotoana maro ry zareo, izy koa en même temps niala tam vadiny, tsy nanome tsiny ilay vhv fa dia nolazainy hoe trop parfaite hono tsy mendrika lhl toa azy. Raha nisy tsy nety tao dia tsy ho nolazainy tambadiny ve ry Soanja ? Fa hoatry ny nanana complexe @ vadiny izany ny fahitanay azy

Efa teraka 2 mois koa anie ilay sekretera vao nifamerina ry zareo e ! ary mbola fahatsapana avy ety ivelany ihany koa an, tsy hay izay any antranony any, ny fahitana fa tsy dia tena sambatra mitafotafo toy ny tamin'izy vao nivady. Tsy hita taratra koa hoe tena mifandray ampo tokoa ve izy roa, nefa tamin'ilay vadiny nahafinaritra ery ny nahita andreo mifankatia be, mifampijerijery otrotrizany zany hihi
Zao ny longilongin'ilay reninjanany foana no matetika hitan'ny mpijery

Tsy hay hoà ze mahazo ny lhl sasany :roll: :roll: :roll: :roll: :roll:


Mampalahelo tokoa ny nanjo ny tokatranon'ireo.

Matetika ry Sakaizakely dia mamitaka ny fijery ety ivelany ny fianan-tokatranon'olona satria isika tsy miaina azy ao. Na dia lafatra aza ny fijery ety ivelany, indrindra ny fitarafana avy amin'ny fihetsiky ny tsirairay, dia ny fifandraisan'izy mitsam ao anatiny ihany no ahafahana mahafantatra ny marary na olana amin'ilay tokatrano. Sarotra tokoa mantsy isika olombelona ary tsy misy hoe ny lehilahy ihany na ny vehivavy ihany fa samy manao an'io aby ireo karazan'olona ireo.
Misy tokoa ny lehilahy tsy mety afapo ary matetika dia ny tenany no tsy mahafa-po azy, zany hoe ny zavabitany. Io dia manimba tokatrano tokoa satria ny fahatokisan-tenany no voa ary mitarika fihetsika mivaona tsy arakaraky ny tokony hanitsiany azy satria any any sub-cons. no hananterahany io tsy filaminana io. Hany ka zary mivenjy tsy mahalala izay olana ilay vady. Matetika dia ny fitsaboana any amin'ny marriage counseling ihany no mety hahasitrana ireny tokatrano ireny satria mila miasa ny siansa handinihana akaiky ny fihetsiky ny tsirairay sy ny fomba fisainany vao afaka maka hevitra hoe mety izao no handaminana an'io. Vitsy amin'ny gasy anefa no mamonjy an'io fa dia iareto ao fa io no anjara sy lahatra.

Matetika isika mety hilaza fa mila mahay mihaino fotsiny dia tokony handeha ny tokatrano. Tsy voatery izay ihany fa na ny fandinihana ny zavamisy sy ny fihetsika ary ny resaka entina aza dia be ny tsy mahatafavoaka io asa fifandraisana io.
Mitombo hatrany ny mahasarotra ny fifandraisana amin'izao fotoana satria misandrahaka ny fahafahan-draolombelona te haka ny tandrify azy sy metimety amin'ny fony avy.

Tsy misy ny fahafaham-po tanteraka anefa fa misy lehilahy mety aminao dia misy tsy mety. Isika miaina ao anatiny ihany no mahalala an'io ary tsy ifanomezantsiny ny fampirafesana raha toa ka manao ezaka ny tsirairay avy nefa ny ankilany tsy misy fivoarana. Ny ankoatr'izay dia fitiavana andrakandrana avokoa. Zavatra iray tsy azo hadino anefa dia aretin'ny/vokatra azo avy fiaraha-monina ny fampirafesana raha ny ao Mada no resahina.




51. heidi ( 05/02/2009 06:52)
48. Mpandefa : xxx [ Valio ] 04-02-2009 14:34:47
Lohateny : Re : hono hoa ry lhl,rahoviana ianareo vao tsy hampirafy
tsy hitako ho valiana tsirairay fa lava loatra,fa dia samy manana ny heviny avy moa ny tsirairay e,nataoko zy ity mba hanazavan'ireo lhl indrindra hoe inona no antony,ny vhv koa moa.

ny matetika be mahatonga ny lahy hampirafy dia resaka sexe io foana matetika tsy ampy azy ny ao antrano , mba manontania anie hevitra am namanao lehilahy any ho any fa izay dool no avaliny e! betraka ny niteny ahy an'io .......ALEO DE TSORINA ny marina :-P
52. heidi ( 05/02/2009 10:08)
SOANJA: resaka koa ka resaka fa raha tena ni base tam fitiavana be ilay couple , n'inona n'inona pitsopitsony tsy maha-tonga lafatra ..
Efa nivonona hisedra izany hatram voalohany satria matoa miaraka efa mba mifankahalala ny toetra ratsy sy ny toetra tsara, ka amiko ny fahaizana miaraka miaina no tena zava-dehibe.....
53. ikaretsaka ( 05/02/2009 13:22)
Tsy voatery seksa ka...misy ny sasany tsy manao mihitsy fa le mirozy miaraka @ le sipa vaovao no tena tadiaviny. Le vazaha antitra any @ tanana ireny hono izao tena na ny filahiany aza tsy voahenjany tsony fa le hotronin jazavavy tanora fotsiny no feeling
Fomban lelahy manambola ny mampirafy. Za mahafantatra bandy zay ary arako nohon'ny lazainy ao @ confessional ny zavatra ataony.. fa 3 ny sipany...fa tsy mbola nisy tany izy sy ireo sipany reo fa hiparadiany fotsiny
54. heidi ( 05/02/2009 15:26)
ka tsy ho mpanambola otrzay dool ny lehilahy fa ny ankabeazany niresaka tamiko de zay doolo no nolazainy alouha....

LAY bainina ireny ndray zesita fotsiny ny azy hoe mbolaa mahazàka sipa tanora sady milay! ny an'ny sipa koa ny luxe sy ny vola no manitona azy am bainina de vita.....menatsa be kosa aho milahatra amireny raha zay resaka luxe no tedavina, miasa mafy mitady vola de mahita izay ilaina retra de ampy FA TSY VOTERY HILAHATRA am antitra be otran'ny dadabenao na ny dadanao. :°)
55. soanja ( 05/02/2009 16:01)
heidi:

SOANJA: resaka koa ka resaka fa raha tena ni base tam fitiavana be ilay couple , n\'inona n\'inona pitsopitsony tsy maha-tonga lafatra ..
Efa nivonona hisedra izany hatram voalohany satria matoa miaraka efa mba mifankahalala ny toetra ratsy sy ny toetra tsara, ka amiko ny fahaizana miaraka miaina no tena zava-dehibe.....


Marina tanteraka ny tenin-dry ry Heidi, indrindra io tsindriako io, ary io teny farany voalazandry io no atao hoe Fifandraisana Ao Anaty.

Matetika misy amin\'ny tokatrano na mpifankatia mikorontana anefa dia satria io no mandringa. Mihevitra ny iray fa mahafantatra ny iray dia samy manao izay vitany eo, saingy ny zavamisy dia ny fotoana na arakaraky ny andro iainana sy ny lazonadin\'ny fiainana miodina eo, ny stress, ny fahoriana, fahasalamana sns dia mitombo sy miova ary mivoatra ilay olona. Ka na olona fantatrao 5 taona lasa mety tsy iny intsony ilay olona androany satria afaka miova koa isika olombelona. Ary eo amin\'ny fifandraisana eo indrindra no mampisy ny fiovana mankany amin\'ny tsara na ny ratsy. Nifankatia ireny teny amboalohany fa tsy io ilay fitiavana tena fitiavana fa ny fahaelana no tena fitiavana. Ny fahantantesana/ firoboroboana eo amin\'ny fiarahana.

Ny fifankatiavana anefa dia mitaky tanjona atrehina sy iaraha-mizotra ka raha io no tsy misy amin\'ny mpifankatia iray dia mikorontana ny fiodin\'ny fiainana ary matetika miafara amin\'ny fisarahana. Ny fidrikinana/ fifikirana amin\'io tanjona io hampizotra hatrany ny fiarahana na inona midona na inona hitranga no tena fisehon\'ny fitiavana. Tia ianao satria manan-javatra antenaina amin\'ny fiainana dia izy sy ny momba anareo. Tsaboina izay marary.

Betsaka ny mpisipa, tokatrano tsy manana an\'io fa na hoe hiteraka fotsiny ry zareo no voalaza ao na hafa fa tsy misy tanjona mazava ankoatr\'izay.

Mampirafy ny olona iray satria misy zavatra takian\'ny sainy any ho any tiany ho hita, tiany hiainana. Mety amin\'ny alalan\'ny sex io ary mety amin\'ny alalan\'ny saina na hafa. Ny firesahana sy ny fifankazahoana ampo mavitrika no tena ahafahana mamaha an\'io saingy kosa raha efa tena saro-bahana, complexa, be ilay fifandraisana dia ny marriage counseling ihany no dokotera manampy amin\'izany. Any ianareo afaka manao Myers Briggs sy ny hafa hitsapana hoe iza no manana fomba inona ary ahoana ny mampifandray ireo fanahy roa ireo.

Raha tsy misy anefa ny finiavana hitady vahaolana dia manekea ny fiainana fa tsy natao ho anao ilay olona na tsy vonona hisedra fitiavana ianao fa manantena handray fotsiny avy any amin\'ny hafa, izay tsy mankaiza fa hamparary anao ihany satria ny aretina tsy aiza fa misoko mangina ao aminao ihany. Na ianao miaritra mangina ny rodorodon\'ny fijaliana. Be koa mantsy ny mahavita an\'io, indrindra ny gasy satria ny antsika tokatrano tsy ahahaka ary anjara nomen\'andriamanitra ny tokatrano ka izay fidonany ao iafio.

Ilaina ny fitiavan-tena ka ary izay no mahatonga ny fampirafesana saingy somary diso lalana io raha tsy nifanarahana. Mahereza daholo ary!


56. ikaretsaka ( 05/02/2009 16:12)
izay an'i soanja izay no tena base-ny
57. Mirananirina ( 05/02/2009 16:58)
Mampirafy ny bandy satria tia filàny nofo loatra,na mahazo natsy mahazo ao antrano dia mitady hafa foana.
tia revy na dia efa mampirevy aza ny ao antrano.
Mba misy ve lhl tsy mampirafy ve?????? :) :) :roll: :roll:
Ny vhv koa izao efa mampirafy an,aza adino. :oops: :oops: :oops:
58. ikaretsaka ( 05/02/2009 17:07)
tsy voatery filan'ny nofo ihany io madmozel an
resaka tsy fahampiana io na fananana be loatra wa na tsy ampy ny ao an-trano dia maka any an-kafa na be loatra de ariana any an-kafa (na revy io na filan'ny nofo io na vola io na inona io)
ary mitovy io na lahy na vavy
59. TWING ( 06/02/2009 14:02)
ny sipa mihintsy anie no mahatonga ny bandy hampirafy e.tsy ampy lahy angah?aiza ka lehilahy iray no itambarana
60. heidi ( 06/02/2009 16:36)
:roll: :roll: :roll:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9218