MANAPEPO VE SA ? INONA NY DIKANY?

1. bounany ( 20/01/2009 14:37)
Indray mande zay d nanatitra ana ny sipako; tonga teo @ arrêt na bus makany @ nay de hoy za hoe andao hande tongotra fa tsy hande bus (satria tsy de lavitra n misy ana) ! d izy mo otrany tsy te hande tongotra zany fa maika hody hono, ny andro ko tamin'io efa maizina, d nande tongotra iany nefa zay!
Teny an-dalana @zay d hoy izy tamiko: "ZA NGE TSY TIKO NY MANAO SIPA E! TSY TIKO SATRIA MITERAKA ENGAGEMENT!"
Araka ny hevitrareo inona no tena tiny hahatongavana?
Ny fahitako an'io mants d otrany hoe tsy tia ahy izy ; kamo manatitra ana raisiny ho engagement ny zavatra ataony @ko.
Sa ahôna HOZ NAREO? MISÖTRE !
novalian'i bema555 ny 29/01/2009 13:51
2. Lejoba ( 20/01/2009 15:14)
Satria ny sipa any Dago vao kôtina dia ny hovadiana no ao an-dohany. Nefa ny bandy matetika mikôty pour le fun : analàna azy,
Vao hitan'ny ol miaraka @ sipa iray ianao dia miandry mariazy ny iray tanàna :°) :? :(
3. kelly13 ( 20/01/2009 15:47)
lejoba>ka tsy mitovy kosa ny lhl sy vhv zany kou, ny vhv matotra ny lhl zazakely te hilalao mandrakizay :wink:

bounany>ny lhl ankia matahotra engagement a!
4. princesseN ( 20/01/2009 15:52)
bounamy>ny hvtr atoroko andr d raiso @ zay revy tiny atao eo ky izy ah!az miraikitra b aminy zany f te anala azy ftsny zany izy matoa mteny an'zan @ndr,refa misy mo ny mlay no izy d elao tany
5. Mirananirina ( 20/01/2009 16:15)
Nahoana no miteraka engagement aminy ianao e,adala izy.Mbola mpisipa fotsiny anie e!Na vady aza tsy misy engagement izany.
Ilay hoe tsy mety manatitra tongotra indray,matetika ny bandy manao io manana sipa hafa dia matahotra ny ho hitany ilay 1,na ny mahafantatra azy.(tsy ny rehetra kosa a)
Vao maika aza mahafinaritra ny midoladola sy mifampitantana mandeha tongotra.Misy olona miaraka 10 taona na mahery za tsy mivady avy eo.
6. ainaheri ( 20/01/2009 17:17)
Tondé ialao tsotra zao izy d lazao mahitsy kou oé;TSY TE HITADY ARETIN'ANDOHA AMINAO KOU ZA,te hanal'azy fotsiny zany izy aminao ny tena marina,azony ny entana ,lany ny mofo d miala mora,tsisy ankanatitra zany sao itan'ny sipa sasany d maty pasipôro,raha tia anao izy afaka manolo-tena @ retra na @ inn na inn.....Mba nilaza aza izy zany,soa ihany,na hilalao fitiavana aminy aza ,aza atao fa hanimba anao,avelao any @ zay alehany sy ny sitrapony any izy,mbola tsy vonona ny hiaraka aman'olona eo @ alalan'ny fitiavana izany olona zany,omeo lalana izy!!
Mahereza fa fiainana doli zany.........
7. kotobekibo ( 20/01/2009 19:24)
Tsy vonona ny iharaka amin-njy izy izany fa aza alefa lavitra ny fisainana .
Mifampisipa koa v d hoe engagement .
Ny an'ny ol hoe zara aza misy fotoana ampiarahana .
Ny an'ilay sipako taloha izay aza teneniny mihitsy ny sôferany ( tsy bus an! sao misy manondrana eo injay :D ) hoe " andraso ery aloha ery zà fa mba te iharaka tongotra kely @ ity namako ity " :-*
8. xxx ( 20/01/2009 19:48)
enao ao @ profil_nao milaza fa "Tsy tia olona hypocrite sy mpandainga " de nefa enao no tena hypocrite satria enao manana sipa nefa ao @ profilnao misy an'ito:
Mitady : Olon-tiana
Fanampiny : Tsy tia olona hypocrite sy mpandainga
9. Noue ( 20/01/2009 20:03)
:-D :-D :-D
10. kotobekibo ( 20/01/2009 20:14)
iza izany ry xxx7 ? :-P :-D
11. Noue ( 20/01/2009 20:17)
sao dia ilay nanapepo ee ??? :-D :-D :-D :-D
12. Papoose ( 20/01/2009 23:11)
mitady ho pepoana ty lasa voapepon'i xxx! :-D loza koa zany!!!! :-D
13. soanja ( 21/01/2009 03:15)
bounany:

Indray mande zay d nanatitra ana ny sipako; tonga teo @ arrêt na bus makany @ nay de hoy za hoe andao hande tongotra fa tsy hande bus (satria tsy de lavitra n misy ana) ! d izy mo otrany tsy te hande tongotra zany fa maika hody hono, ny andro ko tamin'io efa maizina, d nande tongotra iany nefa zay!
Teny an-dalana @zay d hoy izy tamiko: "ZA NGE TSY TIKO NY MANAO SIPA E! TSY TIKO SATRIA MITERAKA ENGAGEMENT!"
Araka ny hevitrareo inona no tena tiny hahatongavana?
Ny fahitako an'io mants d otrany hoe tsy tia ahy izy ; kamo manatitra ana raisiny ho engagement ny zavatra ataony @ko.
Sa ahôna HOZ NAREO? MISÖTRE !


Somary lava ny fanazavako azafady an!

Izao indray no handraisako an'io teniny io. Amin'ny hevitro saingy tsy ho voatery akory satria tsy hitako sy tsy henoko ilay olon-tianao miresaka an'io dia sarotra ny mety haminavina akaiky. Anjaranao ny mandalina ny fihetsiky ny vatany sy ny feony mamoaka an'ireo ary indrindra ny fihetsika ankapobeny aminao.

Ny tena tsara indrindra mantsy dia raha maheno toy izany ianao dia teneno izy hoe " Aleo zany isika hiresaka rehefa malalaka ianao dia amin'izay fantatro ny tena tianao atao, ary ho fantatrao ny tiako ho hita amin'ny fiarahantsika" dia mifandamina ianareo amin'ny fiarahana.

Amin'ny fitiavana Bounany dia misy koa ny antsoina hoe Filazana ny Fahaleovan-tenan'ny tsirairay na hoe Declaration ny independence na hoe fametrahana limit ny vitan'ny tena sy ny tsy vitan'ny tena.

Amiko manokana dia deraiko izy nahavita namoaka an'io satria vitsy amin'ny lehilahy Malagasy fantatro sy nifanerasera tamiko no afaka mamoaka malalaka izay tsapany amin'ny sipa iray fa satriny foana aza hamitapitaka eo, ka izay tena heviny tsy fantatra. Nefa izy koa isan'ny mijaly ao anaty satria tiany ihany ilay sipa saingy betsaka ny tsy tiany atao.

Tadidiko tsara vao nisipa tamin'izay olon-tiako izay aho mbola tanora saina be aho tamin'izay dia izao no napetrany: TSY TIAKO NY VEHIVAVY BE RANOMASO, TSY TIAKO NY VEHIVAVY MANANTENA HOVADIANA NEFA MBOLA TSY MIFANKAHALALA sy ny maro tsy voatanisa. Nihomehy aho tamin'izay satria mitovy amin'io koa ny tsy tiako tamin'izay fa lehilahy fotsiny no iantefany. Nety zany ny aminay, nazava ny lalao.

Ilaina ny fanasiana Limits na boundaries (fefy) ny fiarahana, mahasalama tokoa io, saingy izany akory tsy atao ampijaliana ny malala. Tsara ho fantatr'ilay olontiana vao manomboka io expectations na ilay eritreritrao tianao ho hita sy tsy hita eo amin'ny fiarahana io. Zany hoe ny tiako resahina dia tiany indry ary mahafinaritra azy saingy ny tsy itiavany manao sipa dia mety be zavatra takiana ny sipa sipaina, ka mety tsy vitany io. Zany hoe tsy misy hidiran'ny fitiavana andry izany fa mety tiany tanteraka indry fa ny tsy tiany dia ilay voafatotra tsy maintsy hanao izao sy izao satria mpisipa.

Eo no tokony hisian'ny fifampiresahana lalandava. Indry izao dia tokony ho izy no iantefan'ity fanontaniandry ity fa tsy izahay. Izahay mety hanoro vohana anao dia simba ny fifankatiavanareo.

Jereo akaiky ny fitiavana, aza mora sendotra ary aza mora maka fanampahan-kevitra maimaika. Alalino ny tiany, inona no tsy tiany sns.. aza hadino koa milaza ny tsy tianao, toy io voalazan'i xxxx io, avy amin'ny alalan'ny valinteniny no hakanao izay mahatsara anao! Mazahoa izay tadiavina ary!


14. mitia04 ( 21/01/2009 04:52)
ny léhilahy mintsy no mila liberté fona manomboka hatrany am mpisipa ka hatrany am fanambadiana, solution facile hitako d zao: omeo azy ny liberté-any, aza fehifehezina, d ampisehoy fa samy libre fa tsisy engagement, hé hé, d jereo angé ny fihodin'ny tantara e!!!
15. petakoel ( 21/01/2009 06:21)
za lo mahita oe ts resaka ts fitiavana zan fa otrin oe enao angamba no mangataka zavatra ts d tokony ho tanteraana am le fotôna angatahanao az. ndry mants niteny oe n andro tam zay efa maizina.
n tsara o fantatra d oe isaky n oe ande tongotra v d ôtran kamokamo fôna iz, na isaky ny mis zavatra mba takin-dry amn azy d ts d mazoto fôna iz. ra ts ti andry iz d ts nety nanatitra andry mits oz iz za fa noho ny fitiavany andry d nataony ihany le iz na d kamo aza iz izy nohon ny andro efa maizina araka ny vôlazanao ka zay no matonga an le iz o lasa engagement.
fa tohanako le hevitr i soanja ery ambony oe anontanio azy ze ts tiany d lazao ko ze mba ts tianao d ataov ze aplama le fitiavanareo e
zay angamba no mba hevitro ra mety amdry :wink:
16. ari.malala ( 21/01/2009 06:59)
Tsy manapepo kosa aloa raha ny fahitako ilay izy e! Miray hevitra @ maro ah hoe te ho libre izy angamba! Nefa ohatran'ny olona tsy manana décision ferme izany ny fahitako azy satria raha tena tsy te handeha tongotra izy na iz ts nande nanatitra fa niverina raha tena maika hody, na nande nareo fa nande bus...
17. lovelyri ( 21/01/2009 07:42)
le izy mety nisy fahatezerana kely tao aminy satria a enao no nadresy satri nandeha tongotra ihany nareo ny farany fa ts ny heviny no narahana hoe nandeha bus :lol: c'est aussi simple de te hampita aminao izy hoe "ts de tiny lôtra le fehezina" :lol:
18. xxx ( 21/01/2009 09:55)
kotobekibo:

iza izany ry xxx7 ? :-P :-D



io tompon'ny sizé io eh!! bounanny moa sa iza izy zay!
19. ninimalala ( 21/01/2009 11:02)
LEJOBA : zay no maha gasy ny gasy ra tianao ho fantatra, de misy lafiny maha tsara azy satria tsy ny hanao kilalao otranareo any andafy akory no hatao. Fa nareo bandy any andafy ko anie rehefa haka vady maro no mitady aty Dago fa tsy tinareo ny any fa oe materialiste voalohany, miodina be faharoa, tsy milay hoy nareo ihany faha 3. K aaoka re lay mùiteny oe vhv any Dago fa avy aty amin'ny fiavinao ihany reny.
20. kotobekibo ( 21/01/2009 15:29)
ninimalala > tsy ny sipa gasy ihany no tonga d manatena ny ho vadiana fa ny sipa vazaha koa . Mety izay ilay feeling @ vhv , ary matetika aza no lasa fampiesonana ataon'ny bandy rehetra ilay hoe : " andao hiaraka amiko fa alaiko vady mihitsy njy !..." :-P :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0652