Miroborobo fatratra ny Secte eto @ tanana e!....

41. lemenakely ( 18/01/2009 20:47)
Mitovy firehinkevitra @ secte Moon tao Japon , sy enfants du soleil ao France izany ity tao Behoririka ity e
42. lemenakely ( 18/01/2009 22:01)
Tena azo lazaina hoe facile et manipulable izany ny gasy e, raha ilay tetsy behoririka ve no manao annonce @ radio na ny afisy hoe tongava mivavaka ato @ fiangonanay fa ho lelen ny mpanentana ianao ...Mino aho fa ny ampitso dia akatona tsy misy fepetra ilay fiangonana.

Fa raha miteny fotsiny ry zareo hoe : manana olana @ fiainana ve ianao ?Aretina ,tsy fananan asa, olana ara- tokatrano ,...Manantona ny foyer eto Behoririka !

Mino aho fa au moins 50 olona tsy maintsy tonga !

Sa ahoana ry ika?
43. ari.malala ( 19/01/2009 06:17)
Ary ny tena mampalahelo dia katolika na protestant ilay olona taloha , dia misy sahy manaratsy io finoany taloha io, ary raha misy zavatra anasana azy ao @ io fiangonany taloha io dia tsy mety mankao intsony izy
Io aloha d marina d marina mintsy! ndremande zay za notarihan'ny namako hamonjy english club fa hoe miteny anglisy dool hoe zany ny any, d mba may ery hande fa hoe mba hampitombo fahalalana sy hampihatra izay nianarana e! fa fanaratsiana katolika ranofotsiny! sady amizay le ranga niteny hoe katolika mintsy hono izy taloha fa izao fa izao fa izao... gina ftsn za!...

lemenakely:
Tena azo lazaina hoe facile et manipulable izany ny gasy e, raha ilay tetsy behoririka ve no manao annonce @ radio na ny afisy hoe tongava mivavaka ato @ fiangonanay fa ho lelen ny mpanentana ianao ...Mino aho fa ny ampitso dia akatona tsy misy fepetra ilay fiangonana.

Fa raha miteny fotsiny ry zareo hoe : manana olana @ fiainana ve ianao ?Aretina ,tsy fananan asa, olana ara- tokatrano ,...Manantona ny foyer eto Behoririka !

Mino aho fa au moins 50 olona tsy maintsy tonga !

Sa ahoana ry ika?
:-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
44. lemenakely ( 19/01/2009 06:35)
Tapa- tsinay mihintsy rtoa ari. Malala!

Matetika ny tena arme absolue isarihandry zareo anao dia ireto:

-Hisy fampianarana teny vahiny toy ny teny anglisy maimaimpoana aorian ny fiaraha- mivavaka

- na koa hisy fametraha - tanana ho an ireo marary nohon ny asan ny fanahy masina

-Hisy fijoroana ho vavolombelona.



Ary io fijoroana vavolombelona io ilay scetch nataon i Francis Turbo....
45. Noue ( 19/01/2009 07:17)
lemenakely:

Ary io fijoroana vavolombelona io ilay scetch nataon i Francis Turbo....
aiza no ahitana an'io mba ho jerevana eee????


46. lemenakely ( 19/01/2009 07:19)
jereo ao @ dailymotion.com , vavolombelona-francis turbo ny moteur de recherche...
47. Rafahafahana ( 19/01/2009 09:27)
karinah:

lemenakely:

dia aiza no nopehan ilay mpabentana ireo sipa mpiangona tao @ foyer ireny le?

Nafana fo be tao amin'io fiangonana io aho taloha t@ taona 1994 tany ho any! ny zavatra hitako dia mifampisipa dol ny ankamaroan'ny tanora sy mpanentana ao! hihihi!

Badboy> Tamin'ny fotoana nandehanako tsy tapaka tao no nanomboka nangatahina ilay rakitra sy fanampiana bebe kokoa hananganana ilay fiangonana vaovao dia efa nanantena daholo tamin'izany fa afaka herintaona dia hitsangana ny fiangonana vaovao, gaga aho fa 5 taona taty aoriana mbola tao behoririka foana ny fiangonana! 8O hihihihi !

Fa tena hitanareo ve aloha fa tena nifampitsofoka ambony fandriana tokoa ry zareo, sao mba honohono fotsiny ilay resaka ka lasa fanaratsiana ny hafa.

48. Rafahafahana ( 19/01/2009 09:33)
Samia ry reto mailo a!
Rehefa misy resaka hafahafa dia ny miala ihany no fanafodiny dia vita, mikatona ho azy izy rehefa tsy misy olona intsony ao.

Fa tena hitanareo ve aloha fa tena nifampitsofoka ambony fandriana tokoa ry zareo, sao mba honohono fotsiny ilay resaka ka lasa fanaratsiana ny hafa.
:-D :-D
49. xxx ( 19/01/2009 10:22)
ka io mifampitsofoka ambony fandriana io mintsy no tena mahatamana azy ireo ao ko! misy ny mahasahy manary vady mihintsy! Mody hoe jesosy a! jesosy, ka de tena "'Je suce" tokoa no atao ao!
50. lemenakely ( 19/01/2009 10:31)
Ny fahitako azy dia misy zavatra na Hery hafahafa @ izy itony , ary 1 fois tafiditra ao ianao dia roboka ary dia sarotsarotra ny miala ao!

Gaga aho indray mandeha fa tsy roniny tsy ventiny dia misy andian olona hoe ilatsahan ny fanahy masina , ao @ ilay fiangonana , dia misy miteny @ teny tsy fantatra !misy mitomany, misy mikiakiaka ...

Izahay mandalo ety ivelany maheno ireo tabataba @ io

???


51. lemenakely ( 19/01/2009 10:53)
Dia samy nahatadidy tsara koa angamba isika ny zava- niseho tao Fianarantsoa , momba ny Eglise Universelle du Royaume de Dieu , izay nandoro baiboly?...Dia nandray ny andraikiny ny fanjakana ny nanalatonana azy ity!


Fa izaho mino fa Rafanja koa no tsy mandray ny andraikiny momba azy ity , asa mety misy kolikoly ve ao sa tsy firaharahiana tsotra izao sa misy inona ?

Mahazendana ihany !

Ary izy ity dia erak i Afrika sub-Saharienne no tena feno azy ary misy reseau goavana

Fa ny Maghreb iny (Algerie, Tunisie, Egypte, Lybie,Maroc) mbamin ireo pays musulmans :Soudan, Ethiopie,... Tsy sahy ry zareo secte ireto!
Satria haitsika ny antony ?



52. soanja ( 19/01/2009 11:17)
lemenakely:

Angamba na ny jamba aza mahatsapa , fa mihamaro ireo fiangonana secte eto Madagasikara , ary miroborobo fatratra ...
Raha ny zava- misy dia milomano tanteraka ao anaty fahantrana ny ankabeazan ny malagasy @ izao , ary very fanahy mbola velona.

Misy ny voatarika ary misy ny tonga tsy nantsoina.

Ary ny tena mampalahelo dia katolika na protestant ilay olona taloha , dia misy sahy manaratsy io finoany taloha io, ary raha misy zavatra anasana azy ao @ io fiangonany taloha io dia tsy mety mankao intsony izy !


Mampalahelo tokoa ny zavamisy.

Ny fahitako azy tsy voatery resaka fahantrana no tena mahabetsaka an\'io satria raha misy fitangosana vola any dia midika izany fa mbola manana omena ilay olona ary vonona hizara hatramin\'ny farany.

Fa ny olana goavana hitako dia ny tsy fahampian\'ny system eo amin\'ilay firenana izay afaka mandray ireo olona ireo na manohana ireo olona ireo ara-moraly na hoe ara-tsaina/ panahy (psikolojika) ka manalefaka ny fitaintainana izay mianjady ao aminy. Isan\'ny aretina tsy tazana misoko mangina mantsy ireo:

-Raha aty amin\'ny tany mandroso na aty Amerika fotsiny izao no omeko dia misy ny antsoina support groups. Io support group io na ireo fikambanana mpanohana anao amin\'izay mahazo anao ka manome anao ny fomba fijery handraisana andraikitra amin\'izay zavamanjo. Any izy ireo dia samy mijoro vavolombelona avokoa satria ny gropy iray dia mitovy zavamanjo avokoa ary ilay fikambanana dia manana ny rehetra sy torolalana na dokotera izany na psy na sy ny toerana aleha rehefa tena tafavarina tanteraka amin\'izany mampijaly an-tsaina sy ara-panahy. Io SP io dia ilaina fandavan-tena avy amin\'ny olona iray na maromaro no manangana azy ary mangataka amin\'ny fanjakana ny hanome fanohanana ny ezaka atao. Mino aho raha misy izany any Mada dia vitsy. Ohatra hoe any Vehivavy efa misy saingy mbola tsy tena malaza be dia vitsy ny maharaka ny fisian\'io. Tokony tsy andoavam-bola io fikambanana io.

Tsy voatery olo-mijaly anefa no any fa na olona salama miara-mamindra, manao zavatsoa anampiana ny hafa sy ny tena. Manao izay mahafinaritra : girls night out, ohatra! Manala ilay stress be tsy zaka.

- Ao koa ny ireo psy na therapists izay efa miasa manokana manampy amin\'io resaka ambony iry. Ka tsy voatery efa lasa adala ilay olona vao mankany fa an dia tsy fifandraisana tsy miodina na olana kely amin\'ny samy mpivady dia azonao hanantonana ireo olona ireo hitadiavanao vahaolana. Ny zavamisy mantsy tsy voatery hanana vahaolona foana isika amin\'ny fiainana fa misy mahay izay mahalala ny tokony atao. Ireo dia vitsy no manao izany any Mada satria na tsy mahalala ny ilana ireo olona ireo, na lafo fa ka ny manambola no mandeha, na vitsy ireo eo amin\'ny fiarahamonina.

- Ny tsy fahampian\'ny fialamboly, fialantsasatra mahafinaritra manome fisokafan\'ny saina sy mahasalama ny tontolon\'ny aina mahaolombelona. Ohatra mandeha mistangatsangana ao anaty natiora mahafinaritra, parka na zaridaina. Fandehanana mankany amin\'ny biblio sns... Tsy andoavam-bola nefa mahasalama.

-Ny fahalalana na fahafantarana hoe ilaina ireo ambony ireo dia tsy misy afaka manome io torohevitra io loatra ka ho ampiasain\'ny vahaoka. Hitako ohatra iray izay misy mpanankarena be iray niresaka tamiko tao Mada. Tsy sambatra izy hoy izy dia tsy mahita fafinaretana amin\'ny fiainana, tsy hitako anefa ny asiana ny vola, efa manampy izahay any ampiangonana, ny ankizy mianatra amin\'ny sekoly lafo indrindra sns... dia hoy aho hoe ianareo ve mba mandeha manao vacances? ohatra hoe toerana iray mbola tsy nalehanareo dia mba atao izay mahafinaritra ny vady amanjanaka. Tsia ny valliny.Izay tsy manan-kavana any, tsy voatery hoy aho fa ny volanareo no andoavana hotely sy hanaovana izay mahamety, ny vazaha ihany no mpanao izany hoy izy, tsia hoy aho fa andramo aloha io ary aza miafiafy fa ny aina natao koa itandiavam-bola sy omena fahafinaretana (saina/vatana, fo, fanahy). Ampio aho hanao izany hoy izy. Afaka manampy aho hoy aho fa ianao mila vonona handoa vola hoe omeko fahafinaretana ny vady amann-janako sy ny momba ahy! Rehefa nanao izany ry zareo dia nahatsapa fa tsara ary niala tamin\'ilay fiangonana nangeja azy ireo.

Raha mahantra anefa ianao aiza no ahavitana izany? Ny fanabeazana manome torolalana hoe manaova izao raha izao no tsy misy ohatra hoe mandehana any an\'annn, eo no ilaina ny ambanivohitrantsika sy ny hatsarana ananantsika teo amin\'ny fiainana tsotra nefa milamina. Tsy misy manoro azy hoe ialao kely aloha io fiainana mikorontana ao an\'annnnn io dia mba mandehana mamboly mangahazo any annnn sy mioty paiso sns...

Ny sekta dia mitory fa tsy manan-kaleha intsony ireo olona ireo amin\'ny system efa misy; ao anatin\'izany ny fiangoanana tsotra taloha elabe efa niorina sy lalimpaka. Tsy afaka manmpy intsony ireo aminy matoa izy mivily toeran-kafa izay mety hamono azy mihitsy aza fa tsy fantany izay ataony......

Tapina ny dominy e. Raha mbola afaka monoro hevitra ianao rehefa miresaka amin\'ireo olona ireo dia ataovy izany. Eny fa na dia tsy laitra hamboarina aza ny sainy. Apetraka amin\'Atra ny momba azy zany rehefa io farany io no zavamiseho.


:(
53. xxx ( 19/01/2009 12:18)
Ilay hoe " Ankinina @ A/tra, sy ny tompo ary jesosy " ity ny fiainana sy ny zavatra rehetra no tena maha tapina ny domin'ny olona maro.
Tsy avy hiasa saina na hiezaka fa dia hoe A/tra no mitantana??? A/tra lava izao no vahaolana.
Efa nasisika sy tafasisika mafy no sady efa maro faka ao anatin'ny saina sy ny fanabezana xana ilay hoe "Jesosy irery ihany no lalana, izy irery ihany no afaka hamonjy sns.."
Ny finoana tsy ampisainana dia manary any an-kady.
54. ikaretsaka ( 19/01/2009 13:13)
Ny tena ironique koa de le hoe rehefa tratran'ilay pub ana sekta hoe tongava aty aminay de ho afaka ny olanareo...no mody aseho de tonga aby le olona misy olana ireny..de. ao lo fanina be ao...mandra parehefa mi realise izy hoe vao mainka olana be noho le teo no hitany tao de eo @ izay le matahotra miala ao raha tsy efa tena latsaka an katerena...
Ary marina io voalaza io hoe ny handemeny saina de hoe tsy avotra nareo raha tsy ato aminay io foana an
55. lemenakely ( 19/01/2009 13:53)
Lava dia lava ny fanazavan i Rtoa Soanja , misy point ekeko misy point tsy ekeko,...

Indrindra eto @ farany hoe olona sans issue , tampidalankaleha no mankany @ secte ...arakarany io sy ilay olana miseho : maty vady ve, marary mafy ve, bokan ny trosa , tsy an asa ,rava tokatrano , mpivady mamo lava( tranga matetika ity), ...

Misy maka solution hafa :mivaro-tena, mifoka zava-mahadomelina, mangala- badin olona, mamono tena( efa cas extrême !)...
56. ikaretsaka ( 19/01/2009 14:25)
Mitovy hevitra @ lemena aho eto
57. soanja ( 19/01/2009 16:15)
lemenakely:

Lava dia lava ny fanazavan i Rtoa Soanja , misy point ekeko misy point tsy ekeko,...

Indrindra eto @ farany hoe olona sans issue , tampidalankaleha no mankany @ secte ...arakarany io sy ilay olana miseho : maty vady ve, marary mafy ve, bokan ny trosa , tsy an asa ,rava tokatrano , mpivady mamo lava( tranga matetika ity), ...

Misy maka solution hafa :mivaro-tena, mifoka zava-mahadomelina, mangala- badin olona, mamono tena( efa cas extrême !)...


Azafady fa lava tokoa iny satria be ny tiako lazaina.

Ny tiako tenenina hoe tapin-dalankaleha dia tsy hoe voatery ny rehetra akory no manana an'io ka mamonjy sekta fa ny ankamaron'izay any. Matoa izy miala ao amin'i Katolika ohatra dia tsy nanampy azy ny tao ahitany mangirana.

Ohatra henoy fotsiny ny joken'i Francis Turbo, raha tsy diso aho dia misy resaka hoe orgasm, tsy mahita fafiny ramatoa, nefa iza moa no itarainany izany? tsy hoe adala akory izy na marary saina fa tena mila an'io izy amin'ny fiainany. Dia ny any amin'ny sekta no afaka manome azy fangenjana hoe tsy mila an'izany ianao sns... saingy au moins izy mba afaka nilaza ny tao ampony amin'ny alalan'ny fijoroana vavolombelona sy ny fanafody hanalefaka izany filany izany.
Io fotoana ahafahana mamoaka ny zavatra tsy dia mahasambatra io na mandrerandreka io dia any amin'ny support groups no azahoanao an'izany. To vent hozy ny Amerikanina. Ny antsika Gasy anefa hoe Tokatrano tsy ahahaka. Mifanipaka mihitsy. Dia tampina eo ramatoa.

Io sekta sekata io no mahay manampy azy ireo ara-tsaina sady mandemy rahateo manala sy manoro azy akaiky ny vahaolana amin'izany. Ny fiangoanana hafa tsy mahalala izany fa routine lavareny. Ny olana anefa any am sekta dia amin'ny farany lasa adala ilay olona satria mafy loatra ny pression no satria le olona efa tsy ampy sakafo rahateo avy amin'ny misy azy. Tsy mahazaka ny lavage be loatra intsony.

Tsy mankany amin'ireo farany lalana notanisanao ry zareo; fivarontantena ohatra satria io tena fantany sy hainy fa tsy eken'Andriamanitra ary manimba. Ilay ray tsy fantany fa manimba fa hoe hanome vahaolona azy satria io no zavabaovao ka tsy mbola hitany ny vokany.

Amiko tokony asiana Didy faha-11 indray ao amin'i bible hoe AZA MAMONJY SEKTA FA DORAN'IO NY SAINAO! Raha nisy io dia asa fotsiny angamba.


58. ikaretsaka ( 19/01/2009 16:21)
Nga moa tsy efa izany ry zoky soanja... ka mahatonga azy ireny hiaro sy handio tena voalohany hoe tsary sekta zany ry zareo any...
Tsy voasoratra io didy io nefa atahorana tokoa
59. Mirananirina ( 19/01/2009 16:29)
Marina ny teninao ry lemenakely,ary be ny olona voatarina an.Asa raha efa htanaro ilay niseho télé indray mande ,tsy tadidikointsony hoe taminy oviana,fa secta ry zareo,dia niaranamono tena daholo,betsaka an(marihako fa tsy gasy a),ny sasany indray miboridana daholo ao ampiangonana.
60. ikaretsaka ( 19/01/2009 16:51)
Tsy krispijo ve zany miboridana daholo izany le....sa misy sekta vanjo alika manao izany koa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.008