Izay tsy nataonareo tamin'ireny madinika ireny ...

101. prime ( 14/01/2009 10:18)
coopsal:
Hoy i prime:
Aza mifamaly re na mampiakam-peo raha azo atao fa samy zanak'Andriamanitra... tsy mety ny miady eo imason'ny olona...

==> "satria izay rehetra tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra dia zanak'Andriamanitra;."
... "Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindrampo sy be voka-tsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy." Jakoba 3:17

Ny hendry no anarina... mahereza...

coopsal:
Hoy i prime:
Raha sitrakareo dia aoka samy hihazona ny faharesen-dahatrany avy dia aleo samy mitodika amin'ny Tompo mitondra izay mampavesatra azy avy satria lasa hifanamarin-tena eto...
[Romana 8:]
==> "Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra; fa izay manao ny sitra-pon'ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra." [Matio 7:]
... :wink:

Fanamarihana : izao no tena voasoratra amin'ny anaran'i Jesosy,
"Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra." Matio 7:21

... Ka tsy mitovy amin'ny lazain'ny tenin'Andriamanitra io ambaranao io no sady rehefa maka tenin'Andriamanitra dia aoka izay tena voasoratra no alaina ary ambara amin'ny anaran'ny Tompo satria sady tsy ahy io teny io no tsy anao rahateo... mahereza... :lol:

Fanamarihana ihany izay fa ireto misy fanontaniana : iza ry coopsal no manao ny sitrapon'ny Ray izay any an-danitra??? dia iza ilay manao hoe Tompoko, Tompoko nefa tsy manao ny sitrapon'ny Ray Izay any an-danitra???... :lol:
102. Fody ( 14/01/2009 11:43)


ho an'i coopsal:
Averiko indray ny hoe: Mandiniha vao miteny zavatra. Aza adino fa tsy izay rehetra milaza toko sy andininy ao amin'ny Baiboly akory dia lazaina fa avy amin'Andriamanitra daholo. Ataoko fa fantatrao fa na ny demony aza dia nampiasa ny soratra masina nentiny niadina hevitra tamin'i Kristy.
Tena diso hevitra koa ianao ry namana satria heverinao fa ny hamaroan'ny teny no mahamarina ny zavatra lazainao. Mampalahelo....
coopsal:
==> "Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby izay ao amin'ny masonao, ary rahefa izany dia ho hitanao ny mason'ny rahalahinao."

Hoy i Md Paoly hoe: Izay mpanao hevi-diso [Na: olona mitokana ho azy], rehefa nanarinao indray maka na indroa, dia ialao....
Anjaranao no mandinika ry namana satria averiko fa: FENO HADISOANA NY ZAVATRA LAZAINAO.

Araka ny voalazanao dia mifanohitra ny fanahy mampiteny antsika, ka anjaranao no mandinika fa ny Fanahy mampiteny ahy dia ilay Fanahy Fitiavana, Fanahin'Izy Andriamanitra Ray, Zanaka.


Am-pitiavana be.





103. ikaretsaka ( 14/01/2009 20:29)
Fody:



Misaotra an'i prime!

Saingy tiako kosa ny milaza aminao fa tsy mba toe-tsaina mifanaraka amin'ny maha kristiana ny mamela ny hafa hiaina ao anatin'ny fahadisoan-kevitra. Porofon'izany ny nifamalian'i Jesoa matetika tamin'ny fariseo sy ny hafa.

Ny zavatra ataoko dia ataoko am-pitiavana, ary ireo fanontaniana rehetra apetrako dia tsy hamandrihana an'i coopsal sanatria, fa mba hampandinika azy sy hahalalany ny tena marina.

Koa satria am-pitiavana no anaovako an'izany, dia anjarany raha hanaiky na tsia, saingy raha mbola milaza zavatra hitako fa diso kosa izy, dia ho avy foana aho, hanaporofo ny maha diso an'izany.

Am-pitiavana be! (l)


Mazava tsara ary hiombonako hevitra
104. ikaretsaka ( 14/01/2009 20:50)
Ary ndao hiala ary :wink: :wink:
105. ari.malala ( 15/01/2009 07:56)
coopsal:

Noforonin' Andriamanitra ny nofo, fa "ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana, ary fandrafiana an' Andriamanitra".

Ka i Kristy tonga no fo izany nandrafy an'Andriamanitra? fa ianao miteny io nga efa tonga lafatra sa efa fanahy? zao fihevitry ny nofo zao foana no averimberina!

coopsal:
Averiko indray (mba tsy hampiteneninareo izay tsy nolazaiko aho), tsy ny fanampiana ara-nofo no ratsy, fa ny fihevitry ny nofo. Ny fiheverana ho an'ny nofo izay hafatra ho an'ny fanahy dia tahaka ny mampiditra pile ao anaty lampe de poche, ary ny + no atao @ - fa ny - no mipetaka @ plus.
Tahaka izao ny masoandro izay zava-boaharin' Andriamanitra tsara ary nataony hahasoa, fa rehefa nivavaka tamin'ny masoandro ny olona dia ratsy izay!


tsy azoko mitnsy ze tena tinao atongavana fa misangojy b iany... ary ambony ary enao mipendipendina milaza fa izay nangataka de nomeko e, refa tsy nanome ah d nihevitena ho diso ts nanaraka izay nolazain'i Kristy e bla bla bla, ivereno vakiana fa nosoratanao any ambony any izany). Fa enao nihevitra anizany ve ts mbola nofo aloha? sa efa fanahy sy lavorary tanteraka moa izato ianao? Sa adala Andriamanitra aminao nanao ny olombelona ho Nofo? raha fanahy fotsiny no nilain'Andriamanitra dia efa nataony an'izany ny olombelona... ataoko fa misy angamba any anaty baibolinao any hoe tsy misy tsy hain'Andriamanitra atao.

coopsal:
==> Ny saina sy ny fo no mandinika. Fa izay natokana ho an'ny fanahy raha raisina amin'ny nofo dia zava-doza izay.

ka zarao roa aza ny tenanao raha mety e! vonoy ny nofonao de ny fanahinao iany velomina raha hainao zany!!! raha hoe tsy zavadehibe ny nofo ko maninona enao no mbola minakanina sy mande miasa sy mividy fitafiana? sa zavatra tsy momba ny nofo izany? averiko aminao indray fa na i Kristy aza tsy nanao tsinontsinona ny aranofo! porofon'izany ny nanomezany hanina ireo vahoaka nanaraka Azy, ny nilazany indrindra indrindra fa Izy no Mofon'Aina. Mofo izany amnao tsy fihinana?

Fody:
I Krristy Andrematoa dia tsy nanao tsinotsinona ny nofo mihitsy. Porofon'izany ny fahatongavany ho nofo.


Miombonkevitra 100% @ Fody aho eto!

coopsal:
==> Mila karakaraina ny nofo satria io no fitafiana nomen' Andriamanitra ny fanahin'ny olona mandra-pahatanteraka ny fananganan'anaka.
fa refa rovina vo tanteraka amnareo ny fananganan'anaka? ataoko ity Md Paoly aza efa nilaza fa efa nandray ny fanahin'ny fanganana anaka ireo mino sy atao Batemy? hafahafa ihany ilay fampianarana ka! mampitahotra! toa fampianaran'diso!!!!

coopsal:
Iza no lehibe kokoa, Ny cadeau sa ny fonony?
Zava-poana raha atao goavana sady tsara endrika ery ny fonon'ny fanomezana ataonao fa ny ao anaty zavatra kely sady ratsy no tsy mahasoa.
tsy itako izay idiran'ny resaka cadeau amty resak ity! HS amko le valinteny....


cooopsal:
Ary izany no andavako ny fanondroana ny trano nataon-tanan'olombelona ho tempolin' Andriamanitra.
euh :roll: ivereno vakiana kely ny Testamenta taloha fa misy an'Andriamanitra niteny t@ Davida mba hanamboatra Trano hatao fivavahana any hoany. Tsy dia talentako loatra mantsy ilay mitsimpona, sady amizay koa mba occasion hoanao hanaovana révision au lieu de manao boloky mamerina sans discernement eto ftsn :-P

[/quote=coopsal]Dia tahaka izany no ilazako fa matoa diso hevitra iretsy teo ankavia ka nanao hoe "oviana ianao no hitanay tsy niakanjo ka notafianay ?", dia satria diso fihainoana ny tenin'ny TOMPO izy ireo, ny TOMPO nilaza zava-panahy fa izy ireo nihevitra araka ny nofo.[/quote] ndrekaky o!!!! fa angaha rangahy ity ny Tenin'Andriamanitra azo tapahina arak'izay itiavanao azy a! fa ahoana ny tohiny? tsy hoe isaky ny tsy nanao izany tamin'ny iray amin'ireny rahalahiko madinika ireny ianareo dia tsy nanao izany tamiko ihany koa??? ka iza no lazain'i Jesoa fa rahalahiny madinika, tsy ny mahantra va? sa hodisoinao indray fa efa t@ andron'i Jesoa izany filazana izany?

coopsal:
==> Ankehitriny ianao dia milaza fa fampianaran-diso ny ahy, ary tsy ianao irery fa be dia be ianareo no milaza izany (na dia tsy miteny mivantana aza ny hafa).
KRISTY niteny hoe : "Midira amin'ny vavahady ety ianareo fa any ny fiainana ary vitsy no mahita azy. Fa malalaka ny lalana mankany amin'ny fahaverezana, ka maro no mandeha any"

Dia te hilaza indray i coopsal eto fa izy irery no mahita ilay vavahady ety fa izay rehetra manohitra azy dia mankany amin'ny lalana malalaka mankany amin'ny fahaverezana!!! aiza ilay fanetren-tena atoron'i Jesoa matetika e!!!! sa te hatao hoe Mpampianatra? Nefa i Jesoa aza niteny hoe aza manaiky hatao hoe mpampianatra fa iray ihany ny Mpampianatra anareo....

coopsal:
"Izay ateraky ny nofo dia nofo, ary izay ateraky ny fanahy dia fanahy"
ka ianao izany zao efa nateraky ny fanahy dia efa fanahy fa tsy nof intsony? tsy mazava amiko izay tianao ambara fa ts mamaly ny tenin'i Fody akory mantsy...

coopsal:
fa KRISTY no mampiteny ahy ny fijeriny, izay tsy an'ilay nofo teraka tao Betlehema, fa an' Andriamanitra RAINY.

Ilay Teny tonga Nofo, nateraka tao Jerosalema ve dia hafa fa tsy KRISTY???
MBA VALIO AZAFADY INDRINDRA !!!![/quote]
==> Tsy mahafantatra Teny tonga Nofo afa-tsy iray aho, dia KRISTY, eny fa na dia ny teny aza no nanamboarana izao rehetra izao!
Maninona ary KRISTY no niteny hoe : "Izay lazaiko aminareo dia tsy teniko fa ny RAY izay ato anatiko no manao ny asany" [Joany 14] ? Moa tsy IZY ilay teraka tao Betlehema?[/quote] euh... io fa mitombina ilay lazaiko hoe manao boloky satria mamerina ftsn izay lazain'i Fody saingy mody avilivily ny filazana azy nefa mi aboutir amin'ilay hoe i Kristy no Teny tonga Nofo teraka tao Betilehema.

coopsal:
==> "Ry mpihatsaravelatsihy, esory aloha ny sakamandimby izay ao amin'ny masonao, ary rahefa izany dia ho hitanao ny mason'ny rahalahinao." [Matio 7]

Oulala! sahinao ny milaza ny olona ho mpiahatsaravelatsihy???? mihevi-tena ho Kristy ianao mahalala izya any an-tsain'ny olona!!

Fody:
Ka moa ve i Kristy nampiady mason-daomy ohatra an'io nataonao io?
Ohatra fotsiny:
Hoy i Kristy "Izaho no mofon'ny fiainana...."
Dia hoy ianao avy eo anefa manohitra an'izany (na tsy te hanaiky an'izany): " Ny fanahy no mahavelona; ny mofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana"... Ary sahinao nilaza avy eo fa tsy misy dikany ilay mofo fa ny teny no tena izy....

coopsal:
==> Indro averiko eto ny voasoratra ato "Ny Fanahy no mahavelona, ny nofo tsy mahasoa ohatr'inona akory; ny teny voalazako taminareo dia fanahy sy fiainana." Nahoana ary no lazainao fa izaho no manohitra ka namorona io! I Jesoa no niteny an'io teny io, tao anatin'ny dinika iray, voasoratra ao amin'ny toko iray, ary fotoana akaiky kely.


Fa rehefa metimety amnao ny manatambatra azy dia atambatrao fa rehefa te hanohitra bêtement ny olona ianao dia mody saratsarahina ilay teny... mandiniha iany aloha vao manoratra fa manjary mampihomehy be ilay réaction sy raisonnement!!

coopsal:
==> Avereno eto na omeo aza ny andinin-tSM tsy voasamatsamaka milaza hoe "ny nofoko no fihinana ary ny nofo tonga mofo" (ohatra).
ekeko tanteraka fay tsmis hoe ny nofo tonga mofo, fa tsy haiko na adinonao na odianao fanina na iniana toherina, fa i Kristy Tenany anie hoa no nilaza teo @ sakafo farany hoe "Raiso ary hano fa Vatako ity" raha nandray ny mofo Izy e! ka inona no dikan'izany?

Fody:
Manaraka an'izay dia tiako koa ny milaza fa: KRISTIANA AHO, i Kristy no fototry ny finoako fa tsy boky (Baiboly).

coopsal:
==> "Toy izany ny hazo tsara rehetra mamoa voa tsara, ary ny hazo ratsy rehetra mamoa voa ratsy."
dia te hilaza indray koa ve i coopsal fa tsy kristianina i Fody sa hoe inona no tianao ambara?

Fody:
Hafatra kely: Mandiniha raha azo atao alohan'ny hilazana zavatra....

coopsal:
==> Zavatra iray ny fandinihina, tiako kokoa ny mivavaka. Mba ho "ny Ray ao amin'ny mangingina" no hamaly fa tsy izaho.

Dia tena diniho marina aloha aza vao mamaly! mandreraka be ny miady hevitra aminao mantsy!!!

106. ari.malala ( 15/01/2009 08:05)
coopsal:
==> "Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra; fa izay manao ny sitra-pon'ny Raiko izay any an-danitra, izy ihany no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra." [Matio 7:]
... :wink:

prime:
Fanamarihana : izao no tena voasoratra amin'ny anaran'i Jesosy,
"Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra." Matio 7:21

... Ka tsy mitovy amin'ny lazain'ny tenin'Andriamanitra io ambaranao io no sady rehefa maka tenin'Andriamanitra dia aoka izay tena voasoratra no alaina ary ambara amin'ny anaran'ny Tompo satria sady tsy ahy io teny io no tsy anao rahateo... mahereza... :lol:

Fanamarihana ihany izay fa ireto misy fanontaniana : iza ry coopsal no manao ny sitrapon'ny Ray izay any an-danitra??? dia iza ilay manao hoe Tompoko, Tompoko nefa tsy manao ny sitrapon'ny Ray Izay any an-danitra???... :lol:



Misaotra an'i Prime nitondra fanamarihana sy fanitsiana, ary miandry ny valintenin'i coopsal amin'ireo fanontaniana ireo. Manantena ihany koa fa mba ho hitan'i coopsal ilay fanamarihana satria efa niniako natao gras ilay izy hiavaka....
107. fahamarinana ( 15/01/2009 15:18)
:arrow: :) (l)
108. ikaretsaka ( 15/01/2009 17:16)
Ary ndao @ zay hanao md paoly ary hoa de hiala fa efa impiry naka izay :-D :-D
109. ari.malala ( 16/01/2009 05:27)
ika, ts mbola afapo za fa mis fanontaniana ts mbola voavaly reo ko! :-P
110. Mandefitra ( 16/01/2009 06:05)
Fanamarihana fotsiny hoe Baiboly Katolika no nakan i coopsal ireo teny ireo, fa tsy hoe diso akory ... http://baiboly.katolika.org/boky/Matio/7
111. ikaretsaka ( 17/01/2009 03:04)
Fa nanesorany sy nosamatsamahany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0668