Vavaka ho an'i Satana

1. rakapy ( 16/12/2008 22:52)
Ho anareo xana, izay mivavaka sy mpandeha any an-tenipoly. Mba efa nisy taminareo ve no nahatsiaro mba nivavaka ho an'i satana na i devoly na i losifera???
Mba efa nisy taminareo koa ve no nahatsiaro sy nivavaka ho an'i jesosy na i A/tra?


Mba tanatarao hoe ny nataonao sy izay nitranga raha tsy mahadiso.
novalian'i prime ny 31/12/2008 09:39
2. ikaretsaka ( 17/12/2008 01:38)
Ny mivavaka AMINY no tena feno fa tsy ny HO AZY raha vao ireo koa
3. coopsal ( 17/12/2008 09:19)
1- Vavaka ho an'ny devoly
==> Eny, rehefa hitako tao amin'ny rahalahy masina iray izay efa maty fa izy dia nivavaka mba hiovan'i Satana, dia tafintohina be aho aloha tamin'ny voalohany hoe "ahoana koa izany mivavaka ho an'ny fahavalo izany". Rehefa nangataka tamin' Andriamanitra aho hanoro ahy na tena rahalahy tokoa io, ary avy amin' Andriamanitra ilay fampianarany, dia natoron' Andriamanitra ahy fa tena marina ny fijoroana vavolombelona sy ny fiainan'izany rahalahy izany. Ary na dia ao amin'ny baiboly aza dia ahitana izany endri-pitiavana hafa kely (mahatafintohina) izany.
Ny fanazavana dia izao : i Satana no rain'ny lainga ka miteraka ny fitaka sy ny fakam-panahy rehetra amin'ny olombelona! Koa raha izy rain'ny lainga no miova ho marina dia mety tsy hisy intsony ny fahavalo mpanimba.

Tao anatin'ny fotoana sasany dia tena nataoko izany vavaka ho an'ny fahavalo (Satana) izany, fa hoy Andriamanitra hoe : anehoy fitiavana aloha ireo mpiara-belona aminao! Ho azy ireny, mivavaha.
Hoy Kristy : "Raha mitandrina ny didiko ianareo dia hitoetra amin'ny fitiavako,
Izao no didiko : dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo koa
".
4. fahamarinana ( 17/12/2008 09:32)
:arrow: :-w :-w mahaliana...aleo aloha tsorina ny ahy manokana fa mbola tsy nivavaka ho an'ny satana na devoly na losifera aho fa ny mivavaka ho an'ny fahavaloko (somary tsy dia tiako koa comme terme ) ka nataoko na dia kamo aza aho ndraindray... ..mba liana aheno ny hvtr ny namana Mpino hafa koa.
rakapy : tsara ilay dinika napetrakao.Mahaliana ahy aloha sy tsy mbola noeritretretiko koa :) (l)
5. coopsal ( 17/12/2008 09:46)
2- Vavaka ho an'i Jesosy na Andriamanitra
==> Ny vavaka mihitsy no samy manana ny fandraisany azy ngamba.
Raha ny fahalalako, ny vavaka dia fifandraisana amin'Andriamanitra, koa tsy hitako mihitsy ny anton'ity fanontaniana ity.

Mba te hanambara fotsiny aho hoe iza moa Jesosy ary iza Andriamanitra?
Fanoharana no hoentiko manambara azy :
Ny zaza izay vao teraka dia tsy mahalala na iza na iza. Tsy fantatro na mba mety nisaina ihany izy tao an-kibo tao hoe : ny dadako dia lava ranjanana, misy moustache, fotsy fihodirana, ... ny zavatra tian'io dadako io dia ireny zavatra salé ireny, koa mba hanomezako fifaliana azy rehefa teraka soa aman-tsara aho dia hanendasako nem izy.
---> C'est ridicule et tout simplement irréel.
Ny marina dia izao : ilay dada (sy neny) no mamelona an'i zazah hatramin'izy ao anaty kibo, ary efa manomana ny zavatra rehetra handraisana azy raha vao mivoaka ny kibon'i neny izy. Izy (ireo) ihany koa no mbola mampahafantatra ny tenany amin'ilay zaza izay tsy mbola tena afaka loatra hahalala avy hatrany, fa arakaraka ny fitiavana asehon'ilay ray (aman-dreny) sy ny fikarakarany azy no manomboka ahafantarany Azy (ireo).

Tahaka izany, ny olombelona ato anaty nofo dia tsy mahafantatra velively an' Andriamanitra, samy niezaka naminavina izay mety ho toetoetran' Andriamanitra Mpamorona, sy nihevitra izay mety ho tiany ka manao fanatitra sy/na miezaka ny hahafaly an' Andriamanitra araka izay heveriny ny tsirairay.
Ny marina dia izao : Andriamanitra mihitsy no mamelona ny olona izao mbola ao anaty nofo izao, ary manomana izay zavatra hilainy rehetra rehefa hivoaka ity vatana ity izy. Andriamanitra no (nanomboka) nampahafantatra ny tenaNy tamin'ny olona, ka izany no nisehoaNy tamin'ny alalan'ny nofo (dia ilay olona antsoina hoe Jesoa Kristy), ary anehoany ny fitiavaNy lehibe izay naseho faran-tampony tamin'ny fijaliana sy fahafatesan'io Jesosy io mba hisolo vaika ny olona noho ny fahotana, sy nandatsahana ny ràny mba hanadiovana ny loto rehetra.


Raha fintiniko, Jesosy dia Andriamanitra ihany saingy niseho tamin'ny endrika nofo aman-drà mba hahatakaran'ny olona Azy.

Izany lazaiko izany koa dia mijanona théorie ihany rehefa mbola tsy mahatsapa ny fahamarinany. Ho ahy kosa dia mino aho satria Jesosy dia miresaka amin'ny olona hatramin'izao, ka izany no nandrenesako Azy ary nanekeko fa Izy tokoa no tokana ahafahako mifandray amin' Andriamanitra.
Farany, ny vavaka hoy aho fifandraisana (communication) amin' Andriamanitra. Koa ny vavaka ataoko (iainako) rehetra dia amin'ny anaran'i Jesosy, izay mampifandray ahy amin' Andriamanitra.
6. fahamarinana ( 17/12/2008 09:59)
coopsal:
Koa ny vavaka ataoko (iainako) rehetra dia amin'ny anaran'i Jesosy, izay mampifandray ahy amin' Andriamanitra.

:arrow: marina ary mino aho fa itovizan'ny Mpino ...fa ny fanontaniana hoe mivavaka ho azy koa ve ianao fa tsy hoe amin'ny anaran'i Jesosy sa tsia.
Amiko manko ,raha diso dia ataovy ohatran'ny tsy nanoratra akory aho...mivavaka ho an'olona iray amin'ny Tompo aho satria marary na angataham-pitahiana na ampaherezana na ho fisaorana ny fahasoavana na ho fankasitrahana sns...sns...fa Andriamanitra dia mahery ary Izy no mitahy ahy.Fa raha mivavaka ho Azy aho dia lasa olonmbelona tahaka ahy koa Izy nefa tsy izay ilay fiheverako sy fahatsapako azy.Mety ho diso fijery tanteraka aho ka mba hitsiho na ampianaro dia misaotra e !
(l)
7. rakapy ( 17/12/2008 13:13)
Izay mihintsy ilay fanotaniana! Efa mba nivavaka HO AZY(devoly,jesosy,A/tra) ve ianao? fa tsy hoe mivavaka AMINY.

Ohatra hoe : nivavaka ianao mba hahazo fahendrena i jesosy mba hahareseny ny ratsy.... na koa hoe nivavaka ianao mba hoe tsy hanaonao foana A/tra... na koa nivavaka ianao mba hiara iasa i satana sy A/tra...
Ohatra daholo ireo.

8. Lek ( 17/12/2008 13:21)
Amiko tsy mety zany mivavaka ho an'i Satana zany, efa azony ny azy ny valin'asany efa namoronan'Andriamanitra afo izy de isika ndray ve ny hivavaka mba hiova indray satana de ho fona ny afobe, angamba tsy zany tsy haiko alo fa ny fantratro misy ny afo be de tsy ho fona intsony. Ny mivavaka ho an'ny fahavalo sy ny olona atao hoe ratsy no atao mba tsy hovoataonan'i Satana ho namany any @ afobe. Le mivavaka ho an'Andriamanitra na Jesosy ndray efa voalaza teo mampitovy aminy @ olona isika ra manao izany
9. rakapy ( 17/12/2008 13:28)
Hoy Lek
Le mivavaka ho an'Andriamanitra na Jesosy ndray efa voalaza teo mampitovy aminy @ olona isika ra manao izany


Dia lainga be zany ilay ao anaty baiboly hoe " Andao isika hamorona olona mitovy amintsika"? hoy hono A/tra zay taloha tany ?


10. rabilabila ( 17/12/2008 13:58)
Rakapy koa!! Koa tsy ho rava ny tsena raha toa ka valiany positivement eo ny vavaka ?
11. hana ( 17/12/2008 15:33)
Izaho indray aloha tsy mbola nivavaka ho an'ilay ratsy izany eh. Ny ataoko matetika dia mitondra am-bavaka an'ireo olona voafitany na ataony fitaovana.
Ny hoe mivavaka ho an'Andriamanitra na JK indray, [u]miantefa any @ iza izany ilay vavaka ataonao?[/u]
Ohatry ny hoe izaho mangataka @ i dadanay hoe mba omeo trano i dada. Cela n' a aucun sens. Raha @ informatika dia io ilay programa manao boucle
12. ikaretsaka ( 17/12/2008 18:43)
Mirovy zahay sy hana eto
13. Koditra ( 17/12/2008 18:55)
Ika - hana : za ko mbò te-hitovy evitra @nareo.
14. rakapy ( 17/12/2008 20:03)
hoy Hana
Izaho indray aloha tsy mbola nivavaka ho an'ilay ratsy izany eh.


Dia raha tsy hiisy hivavaka ho azy izany dia ho ratsy hatramin'ny farany izy ary dia tsy ho foana na hiova mihitsy ny ratsy??? Ary dia ho eo foana izy hanakotaba anao. Ohatra ny aretina na problema io ka raha tsy ilay aretina na problema mihintsy no ringana na miova dia very maina ilay hezaka na vavaka?

Ohatry ny hoe izaho mangataka @ i dadanay hoe mba omeo trano i dada. Cela n' a aucun sens. Raha @ informatika dia io ilay programa manao boucle

Ahoana no tsy misy sens hoy ianao? Mety ny fijerinao na ny fihevitrao aty ivelany angamba dia mety tsy mila trano i dadanao satria izy izany hoe dada. Ilay rangahy mana-bola be, ilay rangahy miasa mafy, ilay rangahy tsara fanahy...? Izy koa angmba tsy mitaraina na tsy te hiteny hoe izaho mila trano ry zanako satria izy no niteraka anao ka tsy hitaraina aminao satria fantany ianao fa vao manomboka miaina.
Ny fihevitry ny xana mantsy dia hoe i A/tra no tena fananperana @ zavatra rehetra? Efa mba nametraka fanotaniana ve ianao fa mety misy angamba zavatra tsy vitany ny mi-controle na mifehy azy???
Ohatra iray no ilazako izany.
Araka ny baiboly dia voalaza fa izy no namorona ny anjely ka nefa dia ireo anjely noforoniny ireo ihany no namadika ka lasa devoly.
Ka sao dia mba mila mivavaka HO AZY ny olombelona indraindray fa tsy hoe mangataka AMINY lava izao???
Ary sao dia mba ilaina koa ny mivavaka HO AN'i satana mba hiovany ho lasa tsara???



15. ikaretsaka ( 17/12/2008 20:22)
ny fahitako azy letsy rakapy de

rehefa ny zavatra iray izay no heverin-Draolombelona fa manana hery sy power tsy hainy controllena dia MIVAVAKA @ INY IZY
Atra, Vola, Voninahitra, devoly, sns...

Fa rehefa hainy lemena sy poretina sy controllena sy hajakazakana.. dia MIVAVAKA HO AN'INY IZY


dia tsy hain-draolombelona ny manjakazaka eo ambonin'Atra, Vola, devoly, voninahitra dia impossible ho azy ny mivavaka ho anizany
16. rakapy ( 17/12/2008 21:12)
rehefa ny zavatra iray izay no heverin-Draolombelona fa manana hery sy power tsy hainy controllena dia MIVAVAKA @ INY IZY
Atra, Vola, Voninahitra, devoly, sns...

Mety tsy mitombona tanteraka ilay voalazanao. Misy izao ny cyclones na horohoro-tany na alaelo ,sns ... izay zavatra tsy voafehin'olombelona nefa mbola tsy naheno aho hoe miavavaka amin'ireny ny olombelona.

Ny fahitako azy indraindray dia toa mitory fitiavan-tena sy fitiavana ny zavatr'izao tontolo izao ary tahotra no anton'ny hivavahan'ny olona. Satria matetika dia hataka no ankamaroan'ny fivavahana ataon'ny olombelona.
Tsy misy na iray aza mba miheritreritra hoe mba manao ahoana angaha izay A/tra, na i satana izay any??? mety sahirana ve? mety marary ve? mety mijaly ve? sns...
Ohatra an'ny gasy mba manana fianakaviana lasa any an-dafy. Mangataka izao zavatra rehetra izao ary mihevitra fa rehefa any an-dafy dia tafita tanteraka ka tsy misy manahirana intsony.

Ny momba an'A/tra sy satana moa dia tsy misy mahalala fa mba heritreritra ny ahy.


17. ikaretsaka ( 17/12/2008 21:16)
Mety tsy mitombona tanteraka ilay voalazanao. Misy izao ny cyclones na horohoro-tany na alaelo ,sns ... izay zavatra tsy voafehin'olombelona nefa mbola tsy naheno aho hoe miavavaka amin'ireny ny olombelona.


de mivavaka @ ilay heveriny fa mahay mi controle ireny izy ka... raha nahay ni controle an'io Ra$ dia nivavahany... tena serieux

Ny fahitako azy indraindray dia toa mitory fitiavan-tena sy fitiavana ny zavatr'izao tontolo izao ary tahotra no anton'ny hivavahan'ny olona. Satria matetika dia hataka no ankamaroan'ny fivavahana ataon'ny olombelona.
Tsy misy na iray aza mba miheritreritra hoe mba manao ahoana angaha izay A/tra, na i satana izay any??? mety sahirana ve? mety marary ve? mety mijaly ve? sns...
Ohatra an'ny gasy mba manana fianakaviana lasa any an-dafy. Mangataka izao zavatra rehetra izao ary mihevitra fa rehefa any an-dafy dia tafita tanteraka ka tsy misy manahirana intsony.

iombonako hevitra


18. rakapy ( 17/12/2008 22:09)
Ika> Ho anareo efa nianatra Theology ireny ve tsy mbola nametraka io fanotaniana napetrako io? ary ny mpampianatra anareo ve tsy mba nanana io fanotaniana io tao an-tsainy?

Satria amiko tsy mahafantatra izay momba an'A/tra sy ny devoly izay hinoanareo izany dia somary gaga ihany amin'ny maha olombelona ny tena. Satria raha voalaza fa A/tra dia fitiavana. Ny fifankatiavana izany amin'ny maha olombelona dia misy reciproque fa tsy hoe o! ry A/tra o ! ! tiako ianao! ka omeo ahy daholo ireto sy ireto. Dia avy eo misaotra satria matahotra sao tsy mahazo intsony @ manaraka!
Tsy mba misy ve fotona mba hiheritreretana na hiainona sao dia mitaraina ry lerony fa isika no tsy te hianao sy tsy te halala???


19. rakapy ( 17/12/2008 22:22)
Sao dia hanao hoatran 'ilay hoe tsy ahalany ny ala atsinana e! ka hanao koa hoe tsy ahalany ny fitiavan'A/tra e! ka.....???
20. ikaretsaka ( 17/12/2008 22:29)
Ika> Ho anareo efa nianatra Theology ireny ve tsy mbola nametraka io fanotaniana napetrako io? ary ny mpampianatra anareo ve tsy mba nanana io fanotaniana io tao an-tsainy?

efa nanao tokoa
io namaliako an-drakapy io ny valiny ka

ahako teo:
rehefa ny zavatra iray izay no heverin-Draolombelona fa manana hery sy power tsy hainy controllena dia MIVAVAKA @ INY IZY
Atra, Vola, Voninahitra, devoly, sns...

Fa rehefa hainy lemena sy poretina sy controllena sy hajakazakana.. dia MIVAVAKA HO AN'INY IZY


dia mbola tsy hain-draolombelona ny manjakazaka eo ambonin'Atra, Vola, devoly, voninahitra dia impossible ho azy ny mivavaka ho anizany


Ny momban-ny catastrophe naturelle dia mivavaka @ izay heveriny fa manana power mi controle izany izy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1362