zaza ao an-kibo

1. coopsal ( 09/12/2008 12:40)
Vao afak'omaly maraina aho no niresaka tamin'ilay zanako (mbola ao an-kibon'ny mamany), nitantara taminy ny namoronan' Andriamanitra izao tontolo izao. Ary nilaza taminy ny fisian'ny karazan-java-boahary kanto sy mahafinaritra : ny renirano, ny zava-maniry, ny voro-manidina sy ny biby isan-karazany, ny masoandro.
Azo antoka fa tsy mahafantatra izay zavatra noteneniko io zaza io! Ary na dia atao hoe nahazo ny resako aza izy, dia nilaza taminy zavatra tsy hitany ao anatin'ny tontolo misy azy ankehitriny izay tena voafetra dia voafetra tokoa : ny tranon-jaza. Tsy hino an'izany izy.
Izaho izay rainy no mahafantatra fa rehefa tonga ny fotoana izay notendren' Andriamanitra hivoahany tao, dia hitomany izy satria tontolo vaovao tanteraka ity ho hitany, miboridana sady malemy izy! Kanefa izaho rainy no hanafy azy sy hikojakoja ary hamelona azy. Tahaka izay efa amelomako azy ankehitriny rahateo.

Tahaka izany no itenenan' Andriamanitra amintsika dieny ankehitriny ato anatin'ny vatantsika voafetra. Milaza Izy ny amin'ny tontolo kanto izay nomaniny mba hitoerantsika miaraka @ Ray mpamorona antsika.
Tsy mahazo izay tenin' Andriamanitra isika am-boalohany, fa arakaraka ny hihainoantsika Azy no hahafantarantsika Azy.

Ary na dia efa mahay mihaino Azy aza, dia zavatra maro tsy mampino antsika no ambarany, satria zavatra izay tsy iainantsika ato antin'ny tontolontsika voafetra izany!
Izy ihany no mamelona antsika ary mbola Izy koa no hamelona sy hanafy antsika rehefa tonga ilay fotoana ka hiseho ny fahamenarantsika! Raha toa isika tsy hitsoaka sy hiafina Azy satria tsy nifankazatra taminy dieny tety!

Mihainoa an' Andriamanitra, mitadiava Azy @ fo manontolo dia hahita Azy tokoa.
2. peta83 ( 09/12/2008 13:46)
:P de misotra betsaka @ le teny mafinaritra ataonao. Fa ny momba ilay zaza any an-kibo resahina njay de efa hitako tam gazety hoe ny zaza ono na dia ao am-bohoka aza dia efa mahalala ny zava-misy ety ivelany sns........
3. Ralay ( 09/12/2008 15:16)
4. xxx ( 09/12/2008 15:29)
her!her!her! aza mampiresak eo nareo ry peta83 fa zaza mbol takon tranonjaza ,tsinay, tavy ,hoditra ...ve de aeno sa mety manao ecouteur izaza ao akibo ao ,,fa mety mba eitreritr zany fa ra za no naeno tao akibon mamanay an 5taona aho otrizay defa lasa mpitady sipa fon eran tanana,nef za hendry be???!!!
5. fahamarinana ( 09/12/2008 16:28)
:arrow: :-D mahita raha i xxx..aleo aloha handeha ilay dinika fa nareo koa. (l)
6. badboy ( 09/12/2008 16:57)
Tsara ilay fanoharana fa mandreraka be hoe raisina tokony zazakely ny toetsain'olondehibe afaka mandinika sy mahalala ny zavatra ataony!!! Mba aoka moa izay ity pôlitikan'ny fanazazana ity na "infantilisation", io ny fototry ny tsy fikarokarohana satria kobonina @ mafana ratsy hoe zaza saina!! Any ka tsy mahaleotena intsony fa ny efa voatsako sy misy rora madity ary tainifin'ny sasany no aodon'ny lelan'ilay lazaina fa zaza saina ao anaty vavany sy ateliny!!

Raha toa ka tena tia hampianatra azy ianao dia ataovy tahaka ny any ampianarana : omeo boky maromaro izy aloha handinika sy haka fahalalana ary afaka hampitahy, dia avy eo vao anotanio na itorio teny!!! Ho hitanao ny fahasamihafan'ilay naka fahalalana sy ilay nihinana ilay sakafo lmifangaro @ tadindoranao marihitra!!! :twisted: :twisted:
7. ikaretsaka ( 09/12/2008 17:08)
Izay...... ampianaro mamaky teny izy de ny sainy ampio ho tia karokaroka. Fa tsy mbola vo en dvlpmnt d efa dontoina sahady
8. fijo ( 09/12/2008 20:32)
ary mety vao teraka le zaza io dia hanao aleloia raha izao
9. ikaretsaka ( 09/12/2008 21:14)
:-D de omena bibron izy de rehefa aok'izay de amen ho'zy
10. rabilabila ( 09/12/2008 21:20)
fijo:

ary mety vao teraka le zaza io dia hanao aleloia raha izao



:-D :-D :-D
11. ikaretsaka ( 09/12/2008 21:33)
aoka le
na possible koa lasa mety athee koa fa efa leomboan'anana tany an-kibo :-D :-D
12. coopsal ( 10/12/2008 07:59)
fijo:
ary mety vao teraka le zaza io dia hanao aleloia raha izao

coopsal:
Azo antoka fa tsy mahafantatra izay zavatra noteneniko io zaza io! Ary na dia atao hoe nahazo ny resako aza izy, dia nilaza taminy zavatra tsy hitany ao anatin'ny tontolo misy azy ankehitriny izay tena voafetra dia voafetra tokoa : ny tranon-jaza. Tsy hino an'izany izy.

==> Hitako t@ documentaires fa méthode ampiasain'ny olona mba hahatonga ny zanany hahay sy ho kinga saina ny fanazarana azy hihaino (na resaka na mozika) dieny izy ao an-kibo.

Ny ohatra nataoko teto dia ny fanazaran'ilay rainy ny zanany handre ny feony (izay ihany, fa tsy resaka hoe itoriana teny dieny any an-kibo).
Fanoharana iny, fa ny message dia ny fanehoana @ olona malala-tsaina toa anareo, fa tsy borné eto @izao tontolo izao akory ny fiainana fa misy réalité spirituelle izay tsy hitan'ny masontsika, fa Andriamanitra kosa no miteny amintsika mampahafantatra ny zava-misy izay tsy hitantsika ankehitriny raha mbola ao anaty vatana ny fanahintsika, fa ho hitantsika kosa rehefa miala ao anaty vatana ny fanahy.
13. tywa68 ( 10/12/2008 08:16)
Fa mandra-pahalehibe asorina devoly fa maditra, be caprices, be konetaka :-D :-D
14. sakaizakely ( 10/12/2008 10:40)
fa rehefa tonga ny fotoana izay notendren' Andriamanitra hivoahany tao, dia hitomany izy satria tontolo vaovao tanteraka ity ho hitany


hay ve ka zany e
danza ndray iny
noheveriko fa ny fisokafan'ny havokavony hidiran'ny oksizen no mahatonga ny zaza hitomany
ary dondrona mitry reo dokotera reo kay, mila alàna devoly :evil:
15. heidi ( 10/12/2008 11:04)
5. Mpandefa : badboy [ Valio ] 09-12-2008 17:57:55
Lohateny : Re : zaza ao an-kibo
Tsara ilay fanoharana fa mandreraka be hoe raisina tokony zazakely ny toetsain'olondehibe afaka mandinika sy mahalala ny zavatra ataony!!! Mba aoka moa izay ity pôlitikan'ny fanazazana ity na "infantilisation",


7. Mpandefa : fijo [ Valio ] 09-12-2008 21:32:38
Lohateny : Re : zaza ao an-kibo
ary mety vao teraka le zaza io dia hanao aleloia raha izao
:-D :-D :-D :-D :-D
16. coopsal ( 10/12/2008 11:12)
sakaizakely:
noheveriko fa ny fisokafan'ny havokavony hidiran'ny oksizen no mahatonga ny zaza hitomany ary dondrona mitry reo dokotera reo kay, mila alàna devoly

==> Tsy dondrona ny dokotera ... fa izaho no nihevitra fa niresaka t@ olona manan-tsaina.
Fanoharana no nilazako ny zaza izay nitoetra tao anaty tontolo voafetra (ny kibo) ka mivoaka ho amin'ny tontolo malalaka (ivelan'ny kibo).
Fa ny tena hafatra dia ny fanahin'ny olona mitoetra ao anaty toerana voafetra (ny vatana) ka hivoaka ho amin'ny toerana malalaka sy tsy voafetra : ny antsoko hoe lanitra (tsy ny habakabaka na atmosphere)
17. mia ( 10/12/2008 12:15)
sakaizakely:

hay ve ka zany e
danza ndray iny
noheveriko fa ny fisokafan'ny havokavony hidiran'ny oksizen no mahatonga ny zaza hitomany
ary dondrona mitry reo dokotera reo kay, mila alàna devoly :evil:


F'angaha dia izay fotsiny kosa no mampitomany ny zaza teraka moa e? marina ny lazainoa fa mitombina tsara koa ny fanazavan'i coopsal hoe tontolo vaovao tsy fantany no vantaniny dia izay no mampitomany azy ! tao anaty toerana mafana feno rano izy dia nivoaka @ toerana mangatsiaka sady maina, feno feo sy bruits manodidina azy; betsaka ny tanana mikasika azy, ohatran'ny very izy fa tsy hainy ilay toerana vaovao.
Rehefa eo an-tratran-dreniny izy dia mitony anefa ary ny tomany no mba hifandraisany @ manodidina!

Ny momba ny hoe infantilisation indray dia jesosy aza efa niteny hoe an'ny toy ny zaza ny fanjakan'ny lanitra!

18. ikaretsaka ( 10/12/2008 13:41)
De vo hatrany ambohoka ve ry coopsal de endoctrinena sahady? Ko raha tsy notorotoroina t@ fanahy masina izy ity ko

Efa nolazaina tary ambony moa io hoe raha izany dia ampianaro mamaky boky lo izy
19. vale ( 10/12/2008 17:24)
xxx:

her!her!her! aza mampiresak eo nareo ry peta83 fa zaza mbol takon tranonjaza ,tsinay, tavy ,hoditra ...ve de aeno sa mety manao ecouteur izaza ao akibo ao ,,fa mety mba eitreritr zany fa ra za no naeno tao akibon mamanay an 5taona aho otrizay defa lasa mpitady sipa fon eran tanana,nef za hendry be???!!!
xxx: tsy mampiresaka izany i coospol, fa tena marina izany, ny zaza tokony eo amin'ny faha-fito volany moa izy izay, dia afaka mandre feo (sons, bruits etc...) .


20. niryna ( 10/12/2008 18:09)
coopsal:


Tahaka izany no itenenan' Andriamanitra amintsika dieny ankehitriny ato anatin'ny vatantsika voafetra. Milaza Izy ny amin'ny tontolo kanto izay nomaniny mba hitoerantsika miaraka @ Ray mpamorona antsika.
Tsy mahazo izay tenin' Andriamanitra isika am-boalohany, fa arakaraka ny hihainoantsika Azy no hahafantarantsika Azy.

Ary na dia efa mahay mihaino Azy aza, dia zavatra maro tsy mampino antsika no ambarany, satria zavatra izay tsy iainantsika ato antin'ny tontolontsika voafetra izany!
Izy ihany no mamelona antsika ary mbola Izy koa no hamelona sy hanafy antsika rehefa tonga ilay fotoana ka hiseho ny fahamenarantsika! Raha toa isika tsy hitsoaka sy hiafina Azy satria tsy nifankazatra taminy dieny tety!

Mihainoa an' Andriamanitra, mitadiava Azy @ fo manontolo dia hahita Azy tokoa.


misaotra betsaka tamin'ny fanoharana.

Miombon-kevitra aminao koa aho fa ny fianarana ny tenin'Atra ,ny fihainoana izany dia mitarika antsika andeha amin'ny fahamarinana ka mahatonga antsika hiezaka anao ny marina,hanova ny toetra ratsy ary ampahatsiahy antsika ny tsy mety ataontsika.

Ny fireasahana ny zaza ao ambohaka dia manampy ny zaza tokoa ,raha toa ka nanao izany ny ray aman-dreny dia miheno tokoa ilay zaza ary tena mihetsika tokoa izy ao ambohoka ao.
Raha vao ao an-kibo ny RaR mamaky boky raha tiana ho mahay koa ilay zaza .Efa henoko io ary nahita izany olona izany aho fa teny efatra no resahin'ilay zaza.
Na mozika alefa malefaka na ny RaR mihirahira aza dia ilainy hihainoany koa .Inona no mety antony ? tsy matahotra feon-javatra intsony izy rehefa teraka,tsy taitra lava sy mitsamboatra .Efa nahita ankizy toa izany hianareo ? mitsaitsaika mihitsy mivoaka ny trano ny olona ? antony iray koa izay ataon'ny reny mihirahira ,mihaino mozika ....
Na dia ny feon'ny olona izay miaraka aminy aza dia manomboka fantany.Tadidiko ilay namako ,ny zaobaviny no miresaka amin'ilay zaza tamin'izay tao an-kibo ,tena mihetsiketsika mihitsy ilay kibon'ilay ramatoa zaobaviny isaky ny miteny sy safosafony ilay kibo.Rehefa teraka ilay zaza ,tsy nifankafohy izy mianaka )Nenitoany sy ilay zaza ,hatramin'izao itenenako izao dia mbola misy bond mampiaraka azy mianaka ,tsy afa-misaraka .
Ireo aloha no azoko zaraina anareo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0809