zaza ao an-kibo

21. ikaretsaka ( 10/12/2008 18:28)
Voalaza tewo ny hoe mikatsaha an Atra @ fo rehetra... de izay. Atao fa tsy ny mi endoctriner zaza tsy manantsiny any akibo
22. fijo ( 11/12/2008 20:57)
aleo hanao eo,fa rehefa lasa krispijo ny taranaka defa soa izay ka
23. ikaretsaka ( 11/12/2008 22:09)
aleo letsy @ naham-pony fa tsy @ alalan'ny endoctrination an
24. tywa68 ( 12/12/2008 09:54)
fijo:

aleo hanao eo,fa rehefa lasa krispijo ny taranaka defa soa izay ka

Miandry zay tofoka fotsiny zany d mandeh ny business an :-D :-D
25. arialy ( 16/12/2008 09:33)
:-D :-D :-D mozika enoina ka ekeko fa kabary be kosa mety tsy henony satria iz aza dôdô be fona ao ankibo.
26. ikaretsaka ( 16/12/2008 12:46)
Ny ahy zao fotsiny; aza gaga any aoriana any raha tonga saina tampoka io zaza io ka mitsipaka ta nteraka izay nafahanao azy
27. fijo ( 16/12/2008 21:31)
bizna tsimaintsy misy foan aka,sady isika manala halahelo no mamonjy fanahy.fa nyrakitra no ataovy be sy bobaka
28. coopsal ( 18/12/2008 13:17)
Ikaretsaka:
Ny ahy zao fotsiny; aza gaga any aoriana any raha tonga saina tampoka io zaza io ka mitsipaka ta nteraka izay nafahanao azy

==> Zah tsy gaga! Izaho tenako dia notezaina t@ fivavahana kristiana hatry ny fony kely. Fa rehefa nanomboka 16 taona teo aho dia feno fanoherana (nitsipaka) na dia nitoetra ho \"kristiana\" t@ anarana aza. Ny naha toy izao ahy dia ny fihaonako manokana tamin\'i Kristy.

Misy tantara iray ao amin\'ny TT tahaka izany : I Samoela vao nangatahin\'i Hann reniny t@ Andriamanitra dia efa nolazainy hoe \"atolotra ho anao ry Tompo raha omenao zanaka aho\". Niteraka izy 1 taona taorian\'izay ary rehefa nisara-nono ilay zaza dia nateriny hotezain\'ny mpisorona (ho fanatanterahany ilay fanolorana ilay zaza ho an\' Andriamanitra).
Notezaina tamin\'ny fahalalana an\' Andriamanitra i Samoela. Ary rehefa tonga ny fotoana iray dia nandre an\' Andriamanitra niantso azy izy, saingy tsy fantany raha tsy efa nandre antso fanefany ary nambaran\'i Eli mpisorona hoe \"tsy izaho no niantso anao fa Andriamanitra ... ka raha mbola mandre antso ianao dia ataovy hoe ...\".

Ny fiainako ihany dia ampy hahafantarako fa tsy ny lavazy de servô no hahatonga olona hino, fa ny fihaonany manokana amin\'ilay Mpanavotra.
Ho ahy kosa, anjarako ny manomana azy amin\'izay fihaonana izay.


Ary aza mihevitra velively fa ny teniko na ny fitoriako sy ny sisa dia manao lavazy de servô! Mampahafantatra anareo ny amin\'i Kristy aho (satria nasaiNy nataoko rahateo izany), fa rehefa amin\'ny fotoana tena hihaonan\'ny tsirairay aminy (raha manaiky) dia i Kristy mihitsy no hanambara ny tenaNy amin\'io olona io.
29. coopsal ( 18/12/2008 15:17)
Ikaretsaka:
aleo letsy @ naham-pony fa tsy @ alalan'ny endoctrination an

==> Mety havelanao tsy hianatra ve ny zanakao rehefa kamo hianatra?
Mety avelanao amin'izao ve ny zanakao rehefa tsy te hihinana fanafody?
Tsy hampianatra mihitsy ny zanakao na dia fahalalam-pomba aza ve ianao?
Fa avelanao ho lehibe izy dia hisafidy izay tiany?
- Ny fianarana dia mahatonga hahay ary afaka tsy hambakaina ary ho velona any aoriana
- Ny fanafody dia mahasoa ho an'ny fahasalaman'ny tena (ny vatana)
- Ny fahalalam-pomba dia mahasoa sy mitondra fifaliana ho an'izay iantefany
Mahasoa ireo zavatra ireo fa iray no iraisany : mitovy faharetana amin'izao tontolo izao, izany hoe manam-pahataperana!
Kristy koa maharitra mandrakizay, sady mpampianatra no mpanasitrana no mampahahendry (miteny izay iainako miaraka amiNy aho eto).
Soa ho azy izany, fa tsy fantatr'izay tsy nahatsapa!
Tahaka ny maha fatiantoka ny fandeanan'ny ankizy mianatra ho an'ilay toe-tsaina Malagasy sasany any am-banivohitra izay tsy mamela ny zanany hianatra.

Afaka hiasa mafy aho ary hahafoy ny aiko mihitsy aza hamelona ny zanako hahatafita azy araka ny maso olombelona. Fa ny tiako ho azy dia izay tena tsara sy maharitra indrindra.

Vao kely izahay dia efa nandrotsahan'ny Ray aman-dreninay vola t@ Caisse d'Epargne mba hanazarana anay hanangona ho an'ny ho avy.
Tiako ny hanazatra ny zanako hanangona ho an'izay ho avy maharitra kokoa : mandrakizay.

Tsy misy zavatra tsara afaka omeko ny zanako mihoatra an'i Kristy! Fa izay manana an'i Kristy manana ny zavatra rehetra.

Raha mangataka paiso amiko ny zanako! NY hazo maniry paiso no tiako omena azy raha ananako!
Kristy dia loharanon'ny fiainana ary ahazoana izay ilain'ny fo rehetra! Ary azoko atao tsara izany.

Farany : nahoana no tsy mihevitra ny tena hafatra fa variana miady hevitra @ilay fanoharana?
30. ikaretsaka ( 18/12/2008 16:26)
-raha kamo mianatra izy dia hazavaina aminy sy ezahina fantarina ny zavatra mahatonga azy ho kamo ka fa tsy terena @ na pas izy hoe ndana mianatra
-raha malaina mihinana fanafody izy dia jerena hoe maninona izy no malaina..noho le fanafody nangidy ve de tsy laitra atelina (dia hitadiavana fika hafa) sa ianao no tsy mahay mi administrer ..dia mitady fika hafa koa..ni fitadiavana izay no atao hoe explorationa ana talenta...

Momba ilay remarque anao farany.... tsy mitombina ilay illustration an'ilay hafatrao donc tsy hipasse le hafatra raha tsy tsara base aloha ilay illustration!
Tsy misy hafa @ hoe te hanaporofo ianao fa ilain'ny zaza ny sakafo be proteinrs... dia zaza mena vava no omenao hena: marina fa misy proteines ny hena fa tsy mendrika homena ny zaza fa zavatra zakany no omena azy....ny maha conscient anao @ zay no exlpration ana talenta fa ignorance le hoe satria hena misy proteine de hena ihany hena hatrany
31. rahery08 ( 18/12/2008 16:41)
Miarahaba antsika rehetra amin\'ny anaran\'ny Tompo e!

Misaotra an\'Atra nanery ampanahy an\'ny namana Coopsal nizara ny tena hafatra marina.

Ary mahavariana ny Fitiavan\'Atra ny olona tsirairay fa miala nenina foana tokoa izy hitadiavana ny ondriny mba hiaino ny feony.

Na maro aza ny te hanampitsofina, de tsy avelany fa misy foana ny fomba hanairany ny tsirairay.

Ngamba tsy ho anio no hifanena amin\'i Tompo izay rehetra mpamaky eto, fa marina
hoy coopsal
\" Zah tsy gaga! Izaho tenako dia notezaina t@ fivavahana kristiana hatry ny fony kely. Fa rehefa nanomboka 16 taona teo aho dia feno fanoherana (nitsipaka) na dia nitoetra ho \"kristiana\" t@ anarana aza. Ny naha toy izao ahy dia ny fihaonako manokana tamin\'i Kristy

Fatra-panenjika ny Kristianina i Paoly fahiny! fa rehefa nifanena t@ Tompo izy dia lasa Tena nafana fo tokoa! izy idray no toa nahavita be noho ireo Apostoly hafa!

Asan ny Fanahy no mampiverina, ka hifanenana @ Tompo, fa ny anjaran ny mpitory dia ny maneho hatrany ny fitiavan\'Atra!

Mamporisika hatrany ireo rehetra mitory an\'Kristy!



32. ikaretsaka ( 18/12/2008 16:59)
Tsy azoko... nga raha hoe mi invite anareo hanoka maso @ lojika realiste de hoe manampi tsofina?
33. rahery08 ( 18/12/2008 17:31)
Efa niaina avy tao @ lojika ireo no nifanena t@ ilay ambonin'ny lojika.

Voatonona indray ny manampitsofina an!
34. rabilabila ( 18/12/2008 17:43)
:) :) :-D
35. ikaretsaka ( 18/12/2008 18:24)
De hoe afaka hono fa tsy nanampitsofina...
Nefa fahafahana mivaona any anivon-danitra any fa tsy santarina eto an tany hampiadana ny olona rehetra
36. badboy ( 18/12/2008 18:49)
ikaretsaka >> Tsy mahagaga ilay fomba familin'ilay ranamana hoe "mitampitsofina" rehefa mampiseho ny zavatra tsy tiany ho hita hoe marina!! Aza talanjona fa ny mpilaza mpivavaka, hatrany @ taonjato 1, dia efa nametraka ny tenany ho ilay nejehina na koa manilaka ireo tsy mitovy fihevitra aminy ho mpitampitsofina, mpaniratsira, tsy mbola nihiratra ny maso ...... Io ny fikatokandry zareo hamaliany anao rehefa hitany hoe manome hevitra mitombina sy marina ianao!!

Ny mpilaza hoe mpivavaka gasy mankafy mihintsy ilay hoe enjehina na "oppresser" noho ilay fivavahana, na koa ilay iharan'ny voina na "victime" ny ataon'ireo tsy mpino!! Ary rehefa tsy izay indray, satria ny lazainy ihany no marina, dia mankafy ny manilaka na "exclure" ireo izay milaza ny tsy mifanaraka @ izay, na koa lazaina fa mbola jamba/tapimaso/tsy mahiratra na "aveugle" ireo mampiseho hevitra hafa!!

Sao dia mba izireo no jamba ampototry ny mazava ka tsy mahatsapa fa ny ataony anie ka mifanohatra tanteraka @ ilay lazain'ilay boky ifotoran'ny fahamarinany eh???? :twisted: :twisted:
37. ikaretsaka ( 18/12/2008 19:05)
izay
38. rakapy ( 18/12/2008 19:50)
Aza omena tsiny fa vao zaza any an-kibo azany azy ireo dia efa fahanana baiboly sns... hany ka dia tsy ahafantatra zavatra hafa ankoatra izany. :-D :-D :-D
Ka izay mihintsy anie izy io Rabadboy e! Ireo xana mihintsy no mitady izay hanenjehana azy mba hilazana fa victime for the name of jesus hono ry zareo.
Aiza ve ka ao anaty bus na taxi-brousse na toerana iray hita fa samy manana ny zavatra manahirana sy heritreretiny aby ireo olona ao no hidradradradra hitory teny! dia raha raha sendra mba teneninao izy hoe: Eny e marina izany fa aleo mba mangina fa mety samy manana ny heritreretina avokoa ireo olona ao anaty taxi-brousse. Dia ahodin'izy ireo hoe nahoana no mandrara ny tenin'i kristy ianao.
Izany hoe mitady irika amin'ny endriny rehetra mba hampisehoana fa voaenjika amin'ny anaran'i jesosy hono ry zareo.
39. ikaretsaka ( 18/12/2008 20:19)
za letsy rakapy sy badboy efa tratran'io mpitory teny tao anaty bus io
dia navelako ni wawawa teo aloha de nolazaiko @ izay hoe:

"amin'ny anaran'i Jesosy no hitenenako anao mba hotonga saina ihany indraindray hoe tsy fiangonana ity fa bus, tsy pilipitra io misy anao io fa ambody varavarana , ary tsy aisle io fa couloir, tsy mankany an-danitra ity bus ity fa mankany Analakely, Alakamisy androany fa tsy alahady, frais omena ny receveur ireny fa tsy rakitra, ary tsy hiangona ireo olona ireo fa handeha hiasa"

fa loky aby le 1 bus nony tonga teo Soarano
40. rakapy ( 18/12/2008 21:10)
Bus aloha mba mora ialanaihany fa ilay taxi-brousse tena lava ny lalana! mody sa mangina aloha ry zalahy eo @ depart fa vao lasa ny dia de eeee!
Ilay sofera koa moa amin'izany mba manatsofoka k7 de ilay hiran'ny choral ireny ihany koa! Matahotra mandeha alina i lery nefa ny autocolant ary @ parabrise ariera sy avant mandolo be hoe NO FEAR :-D :-D :-D .Ry zareo mpitory teny moa ato anatiny de manao izay hampatahotra ny mpandeha ihany. "Tsy fantatrao sao mety androany ny andro farany ihainanao ,ka mitodia @ jesosy.... izy irery ihany no hanavotra anao....wawawa be ao aorina ao. Dia mitsahatra kely fa vizaka, dia iny koa misy hafa manao relais.Ianao @io tsy misy ilana sasatra mihintsy. Dia izay foana e! raha mba miteny azy ianao dia ahodiny ilay resaka hoe. Ianao zany ry ralahy toa manakana ny tenin'i jesosy maniratsira...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0822