Ny hevitry ny teny anaty baiboly : samy maka izay tandrifiny

1. badboy ( 06/12/2008 23:42)
Rehefa nojerena ny hevitra miroso eto dia samy mahay mamaky teny anaty baiboly daholo saingy samy manana ny fomba fandraisany azy : ao ny maka ireo izay tsy manafitohina ny fiainany, ao ny maka izay handemena loha, ao ny maka izay hankaherezana ny tenany, ao ireo maka izay hanomezana tsiny ny fomba fijery hafa, ao ny maka ilay hevitra miafina, ao ny mampiseho ny mifanohitra aoa anatiny ........

Ireo rehetra ireo no midika fa samy maka izay tandrify azy ny rehetra!! Fa ilay misarika ny hanaiky ny lazainy ho marina no tena maro an'isa!! Ohatry ny izy mihintsy no nanoratra ilay boky, nefa io boky io,indrindra fa ny testamenta vaovao, dia boky notsongaina tao anatin'ny maro fa tsy hoe ireo ihany no tena izy!!

Hisy hilaza indray hoe manakorotantsaina sy mapisy devoly ny sain'ny hafa, na koa manao tsinotsinona ny baiboly!! Tsia ny vainy satria misarika ny saina ho hametraka fanontaniana fa tsy hofahanandalitra lava tahaka ilay hoe inona no planina efa napetraky ny devoly : fampiasana ordinatera, fandehanana miasa, maika lava..... otran'ny sociologie ilay izy fa tsy dia tena planina loatra!!!!

Ka ny fametrahampanotaniana na "doute" no fototry ny fikarohana sy ny fandalinana ireo valiny!! Ka aza mitsahatra ny mitady valiny, eny na dia ianao milaza fa efa manana ny valiny rehetra ao anaty baiboly io aza, satria mety ho tsy ilay noeritreretinao no tena dikan'ilay lahateny tao, ary izay ilay antsoiko hoe maka izay tandrifiny!!! :idea: :idea: :idea:
2. diamondra27 ( 07/12/2008 08:04)
ka izay no ilana ilay Fanahy Masina mba hanazava fa raha ny fahalalanan-draolombelona sy ny fahaizany no ampihariny dia zava-poana ihany izany, raha ny orgueil ihany koa

3. heidi ( 07/12/2008 09:03)
Ireo rehetra ireo no midika fa samy maka izay tandrify azy ny rehetra!! Fa ilay misarika ny hanaiky ny lazainy ho marina no tena maro an'isa!! Ohatry ny izy mihintsy no nanoratra ilay boky, nefa io boky io,indrindra fa ny testamenta vaovao, dia boky notsongaina tao anatin'ny maro fa tsy hoe ireo ihany no tena izy!!
:-D

izaho izany tena tsy mana-tandrify ao am baiboly satria tsy mpamaky baboly ny tena marina fa lainga lainga, izaho mpianatra tany am sekoly protestanta rehefa manao fampianarana soratra masina no mpamaky baiboly sy ny nianatra katesizy fa sinon e! e! e ! e! tsary voasarika loatra am famakina baiboly :-P
ny mihaino ny pasitera any ampengonana ka oe eny ....
4. diamondra27 ( 07/12/2008 09:20)
raha vao hoe mitaritarika milaza hoa ny azy ihany no izy izany aloha dia tsy izy amiko e, fahalalahana ny fanarahana ny Tompo fa tsy atao an-tery mihintsy.

heidi: indraindray akia misy fotoana maha-faible dia tsy mahavaky baiboly a.
Fa raha tena hoe te hanaraka ny lalan'Atra aloha dia tsy misy afa-tsy ny baibloy kosa e , io no hoe sabatra roa lela , maranitra ary aina ho an'ny mahazo azy ny tenin'Atra ary fanasitranana ny nofony rehetra.
5. heidi ( 07/12/2008 13:22)
diamondra: izaho ky kamo ah! :wink: :lol: hatramzao tsy mbol misy inspiraka mamaky baiboly klou e! ny ahy aleo ho avy izay ho avy, rehefa ts manao ratsy eto amity fiainana ity dia milamina klou!
6. tywa68 ( 07/12/2008 14:08)
Badboy : ho avy eo ny "fanitsiana" an'io fijerinao io fa amiko normal raha samy maka zay tandrify azy, satria samihafa isika, dia soa ihany mihitsy aza ! @izao fotoana zao aza manaiky daholo hoe kristiana nefa toa samy manana ny fombany ihany, nefa mitovy ny fototra niangàna ka hitanao @izany :wink:

heidi : ho anao aloha ny hamakianao, ary tsy hifanerena akory, satria an'isan'ilay fitadiavana an'i Tompo daholo ny fahafantarana ny tantara na lesona tavela ao na d sombiny kely aza ! fa rehefa kamo aleo mihaino zay voalaza any amipangonana na eto @ internet koa... Dia mba makà ny anjaranao ao enao hoy i Badboy fa misy azo raisina be d be ao :°) :-*
7. ikaretsaka ( 07/12/2008 16:53)
Marina io samy maka izay tandridy azy sy ze mampety azy...fa amiko io tsy manahy raha TSY handemena ny eo akaiky sy ny tena le izy
8. lizabeth ( 07/12/2008 22:26)
ikaretsaka:

Marina io samy maka izay tandridy azy sy ze mampety azy...fa amiko io tsy manahy raha TSY handemena ny eo akaiky sy ny tena le izy


Andriamanitra manana ny holazainy amin'ny tsirairay avy sy ny fomba anaovany izany, koa inona moa no hametrahana ilay lohahevitra ? sao dia ilay lohahevitra no entina handemena ny sain'ny mpamaky ?
9. ikaretsaka ( 08/12/2008 01:36)
Ka io koa anisan' ny mody fika anankiray: mody ahilika @ hoe hoy ny Tompo nefa fanitsahanany maha olona an'ilay itoriana le izy ....
10. lizabeth ( 08/12/2008 07:53)
ikaretsaka:

Ka io koa anisan' ny mody fika anankiray: mody ahilika @ hoe hoy ny Tompo nefa fanitsahanany maha olona an'ilay itoriana le izy ....


ka inona izany no tianareo ahatongavana ? tsory hoe tokony tsy hisy hitory teny ! ary izay hitoriana teny dia voahitsaka daholo ! izany hoe raha tsy te ho anisan'ny ho lazaina hoe "manitsaka" olona sy "voahitsaka" dia aza mba miresaka aman'olona izay voalazan'io Baiboly io !!!

Raha tsy izay no tanjonareo amin'ilay hevitrareo dia azavao hoe "rehefa inona no mitory teny na mamaky baiboly tsy manana eritreritra mandemy saina ny eo akaiky sy ny tena" ?
11. badboy ( 08/12/2008 14:59)
Nisy olona iray nahazo mail nilaza taminy hoe nisy nanandrana nampiasa ny karatra fisitonambola ka mila mamerina manoratra ny nomeraon'ny karatra fisitinonambolany @ bankiny izy mba hanaovana fizahana raha tena tompony marina ary nomena azy teo avokoa ilay banga tokony ho fenoina!! Taitra be ilay ranamana ka tonga dia tsy nisalasala fa avy dia nanoratra ireo nangatahana!! Tonga ny faran'ny volana, akory ny agagany fa tsy nade intsony ilay karatra!! Niantso ny bankiny izy dia nanotany ny antony, ka nolazain'ilay banky fa efa mihoatra 10 avo heny ny vola ao @ kaontiny ny vola laniny ka izay no antony!! Dia nanazava izy fa tsy nividy n'inon'inona, ary nitantara ilay mailaka azony!! Teo vao nivarahontsana fa hay olona mpisoloky ilay nandefa ilay mailaka!!!

Mitovy @ izany ireo tonga dia mandray toriteny fa tsy mandinika, tratran'ny mpaminany sandoka rehefa tsy tia karokaroka!! Tsy izay voalaza akory dia marina avokoa, na diso avokoa, fa mila manamarina izay voalza!! Ary aza adino fa ny toriteny hoentin'ny olona iray dia ohatra avy @ fiainany no asehony izay tsy voatery ho hety @ olonkafa satria ny olona tsirairay avy dia samihafa @ rehetra, eny fa na dia kambana aza!!

Ka ny mpitory tsy tokony hitompo teny fatratra, ny toriana tokony ho tia karokaroka!!! Mahavaly tsara an'i lizabe io!!! :twisted: :twisted: :twisted:
12. coopsal ( 08/12/2008 16:40)
badboy:
Tsia ny va(l)iny satria misarika ny saina ho hametraka fanontaniana fa tsy hofahanandalitra lava tahaka ilay hoe inona no planina efa napetraky ny devoly

==> Marina ny anao.
Izaho tsy nino ny baiboly ho tenin' Andriamanitra na avy amin' Andriamanitra mihoatra noho ireo boky hafa.

Indray Alakamisy alina izay, rehefa tena feno hakiviana tanteraka ka tsy nahavita nampiasa saina intsony izaho ilay nantsoin'ny maro hoe "intelligent ... doué!", dia tonga tao anatiko izao vavaka izao : "raha misy marina ianao Jesosy dia lazao ahy ny anton'izao zava-mitranga amiko izao". Nahazo valiny avy hatrany aho : "raha tsy nisy an'izao ianao tsy ho nitodika tamiko".
Teo aho no nanomboka nandray ny baiboly ho marina. Maro ny zavatra tsy azoko, saingy ny valin-teny azoko t@izany dia hoe "moa ve ny ao @ première année hahafantatra izay leson'ny 5ème année?". Ary marina tokoa fa vao niditra 1è année tao @izany tena finoana an'i Kristy izany aho ka tsy afaka hahazo ny zavatra rehetra.
Tsy tavela teo @ 1ère année anefa aho fa hatr@ fotoana ninoako dia nahazo Mpampianatra aho araka izay voasoratra hoe "iray ihany no mpampianatra anareo!" (dia ny Fanahy Masina).
Raha fintiniko dia hoe : marina ny anao milaza fa samy maka izay tandrifiny sy mety aminy ao amin'ny baiboly! Izaho koa indraindray hila hanao toy izany! Fa ny fifandraisako @ Kristy no tsy mamela ahy handray izay tiako fa hianatra @ny, araka ny teniNy hoe "... mianara amiko, fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po aho"
13. ikaretsaka ( 08/12/2008 16:58)
Le izy ra coopsal raha hanaporofo zavatra @ olona ianao dia tsara kokoa raha porofo documente. (Historique theologique)no aroso fa aleo ze nitra nga taminao ho anao irery....
Io le lazaiko hoe ny piecen' ny tsirairay dia tsy mitovy
14. xxx ( 08/12/2008 17:41)
Tena marina aby ireo voalazantsika rehetra ireo e ! sady efa voasoratra satria ny baiboly ihany dia efa nanoratra fa any aoriana any ny olona dia hamory mpampianatra hoa izay mifanaraka @ sitrampony ka tsy dia mahagaga loatra raha ny @ io resaka io o!
15. heidi ( 08/12/2008 19:42)
[quote]Ka ny mpitory tsy tokony hitompo teny fatratra,

:arrow: marina kosa aloha io e! :-P
16. lizabeth ( 08/12/2008 20:13)
badboy:


Mitovy @ izany ireo tonga dia mandray toriteny fa tsy mandinika, tratran\'ny mpaminany sandoka rehefa tsy tia karokaroka!! Tsy izay voalaza akory dia marina avokoa, na diso avokoa, fa mila manamarina izay voalza!! Ary aza adino fa ny toriteny hoentin\'ny olona iray dia ohatra avy @ fiainany no asehony izay tsy voatery ho hety @ olonkafa satria ny olona tsirairay avy dia samihafa @ rehetra, eny fa na dia kambana aza!!

Ka ny mpitory tsy tokony hitompo teny fatratra, ny toriana tokony ho tia karokaroka!!! Mahavaly tsara an\'i lizabe io!!! :twisted: :twisted: :twisted:


ka ny mpisoloky misy foana na tsy resaka baiboly aza fa ny tsy iraisako hevitra dia ilay hoe \"tia karokaroka\" : midika izany fa ny saina sy ny nofo no ampiasaina andraisana ny tenin\'Atra ! izany hoe ny tsy mahay mamaky teny izany dia tsy hanana anjara velively amin\'ny tenin\'Atra (sy ny corrollaire-ny rehetra !!!???).
Ny fanahy ao amin\'ny tsirairay no andraisana ny tenin\'Atra sy hiainana ny fifandraisana Aminy. Fanahy \"esprit\" io resahiko io fa tsy \"âme\" ary tsy ny Fanahy Masina koa.

Ny fandraisana na fitoriana finoana amin\'ny saina sy ny nofo no tena fitompoana teny fantatra ! tsy milaza aho fa tsy misy ilana ny saina sy ny nofo.

Fa raha ny Baiboly moa no itadiavanareo porofo, ahoana no anaporofoina fa izay boky hitanareo any no marina ? satria nivoaka ny vavan\'olona nisy ? nefa ny olona tsirairay samy manana ny fijeriny !!!
17. ikaretsaka ( 08/12/2008 20:27)
lizabeth:


Ka io koa anisan' ny mody fika anankiray: mody ahilika @ hoe hoy ny Tompo nefa fanitsahanany maha olona an'ilay itoriana le izy ....


ka inona izany no tianareo ahatongavana ? tsory hoe tokony tsy hisy hitory teny ! ary izay hitoriana teny dia voahitsaka daholo ! izany hoe raha tsy te ho anisan'ny ho lazaina hoe "manitsaka" olona sy "voahitsaka" dia aza mba miresaka aman'olona izay voalazan'io Baiboly io !!!

Raha tsy izay no tanjonareo amin'ilay hevitrareo dia azavao hoe "rehefa inona no mitory teny na mamaky baiboly tsy manana eritreritra mandemy saina ny eo akaiky sy ny tena" ?



Ny tiaNA hahatongavana?
-->atomboy @ farak'izay madinika... ampifamenoina ny ara-batana sy fanahy, tsy voatery ilana ny vava
La foi en actes est l'amour, l'amour en actes est service. Mère Teresa
"preach the gospel at any times, use words only if necessary" ho'zy ilay olon-kendry izay

18. lizabeth ( 08/12/2008 21:53)
ikaretsaka:

Ny tiaNA hahatongavana?
-->atomboy @ farak'izay madinika... ampifamenoina ny ara-batana sy fanahy, tsy voatery ilana ny vava
La foi en actes est l'amour, l'amour en actes est service. Mère Teresa
"preach the gospel at any times, use words only if necessary" ho'zy ilay olon-kendry izay




miombonkevitra aminao amin'io aho fa ny "porofo documenté"-nao no nahatonga ahy hiteny hoe ahoana izany ny an'ny tsy mahay mamaky teny !
Tsy vokatry ny fikarokarohana ny toetra sy fihetsika torinao !
19. ikaretsaka ( 08/12/2008 23:21)
Ka izay le hoe fihetsika aloha de mandalina rehefa mahita fa tsy hoe endoctrinena @ ferana @ iny
20. lizabeth ( 09/12/2008 12:54)
ikaretsaka:

Ka izay le hoe fihetsika aloha de mandalina rehefa mahita fa tsy hoe endoctrinena @ ferana @ iny


Ny anareo efa postulat mihitsy ny hoe "tsy marina ny voalazan'ny mpitoriteny sy ny baiboly" no mahatonga anareo hiteny hoe "endoctrinement" ny toriteny sy ny Baiboly ! sao dia tokony hianatra théologie daholo indray àry ?

Fa mahagaga fa ity foana ny sujet entinareo sy badboy eto e ? sao dia ianareo no te handresy lahatra ny olona hoe misy boky hafa tokony halalinina fa tsy io Baiboly io !



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0827