Ny hevitry ny teny anaty baiboly : samy maka izay tandrifiny

41. ikaretsaka ( 17/12/2008 23:32)
izay mihitsy e
42. lizabeth ( 18/12/2008 01:20)
ikaretsaka:

Izay mihitsy..de avy eo ny tena loza dia ny tsy fi addmettevana izay tsy fahampiana izay


misy fifanoherana anie ilay hevitrareo hoa e ! raha milaza ianareo fa tsy ampy ny baiboly, sy mivaona hoy Ikaretsaka, ahoana no ahafahanareo milaza amin\'ny fomba azo antoka fa ampy sy tsy mivaona izay boky na voalaza hafa ?

ny fitondrantena no fitoriana voalohany, saingy misy \"fitoriana\" sy fitoriana. fa inona moa no hotorianao ? hoe ianao dia tsara fanahy sy manao soa ?

Tsy ny fikarokarohana \"intellectuellement\" raha ny hevitro no ahitàna ny marina fa ny fikarohan\'ny fonao an\'Andriamanitra. Mety hisy boky manampy anao amin\'izany, ny zava-miseho eo amin\'ny fiainanao ao anatin\'izany fa tsy voatery hoe tsy maintsy hamaky na hahafantatra ny bokin\'i irenée sy patati sy patata vao ahafantatra ny sitrapon\'Andriamanitra eo amin\'ny fiainanao !

Ilay zavatra hotoriana mihitsy no tsy hitovian-kevitra eto ny fahitàko azy fa tsy ny fomba hitoriana na/sy ny fandraisana ny zavatra toriana.
43. ikaretsaka ( 18/12/2008 05:24)
Rehefa ampiana izy tsy mivaona intsony ka.. ohatran'ny hoe raha kiraro havia fotsiny de tsy mandeha moa raha havanana fotdiny koa tsy mety fa mila miaraka,,, avy eo moa mbola tsimponina hoe ny lacets ilan'ny kiraro fotsiny no alaina... nefa kiraro no resahina.....mainka mivoana ny resaka

ny fikarohan ny fonao an Atra tsy vita mora fotsiny toy izany fa mila fitaovana maro.... misotro rano aza ianao mila zavatra hanovozana azy koa
44. fijo ( 19/12/2008 21:09)
ô ry lizabeta an,eto kosa ianao dia tena very amin'ny lafiny betsaka.
ianoa izany tena tonga amin'ilay hoe "mino afotsiny ihany"izay no voalaza eto dia mangina sy mihondre de mivavaha.
amiko dia tsara rah aholalinina kokoa ny zavatra hinona,fa tsy hoe evanjily efatra no naroso ahy dia ampy ireo.12 ny mpianany,rah ate ahita ny marina momba azy,tsara kokoa raha mba dinihan adaholo n voalazan'ireo 12 ireo.sy izay rehetra nifampikasokasoka taminy
45. lizabeth ( 19/12/2008 23:31)
fijo:

ô ry lizabeta an,eto kosa ianao dia tena very amin\'ny lafiny betsaka.
ianoa izany tena tonga amin\'ilay hoe \"mino afotsiny ihany\"izay no voalaza eto dia mangina sy mihondre de mivavaha.
amiko dia tsara rah aholalinina kokoa ny zavatra hinona,fa tsy hoe evanjily efatra no naroso ahy dia ampy ireo.12 ny mpianany,rah ate ahita ny marina momba azy,tsara kokoa raha mba dinihan adaholo n voalazan\'ireo 12 ireo.sy izay rehetra nifampikasokasoka taminy


Ilay zavatra hinoana mihitsy no tsy mitovy e ! Ny ahy ny voalazan\'ny Baiboly no hinoako (ataovy hoe mino fotsiny ihany aho raha izay no famaritanao fa ekeko izay, ny Baiboly no inoako). Ny anao dia mitarika ny olona hitady na marina na tsia ny ao anatin\'ny Baiboly. Zavatra tsy mitovy izany fa io samy manana ny finoany fa eo foana aho no mamerina ilay fanontaniana tsy mety valinareo : rehefa mahavaky boky firy ianareo na boky inona no afaka miteny hoe \"izay no marina\" ? Rehefa mahavaky evanjely 12 ? Manisy doute ny zavatra lazain\'ilay evanjely 4 ianao fa tsy mandalina izay lazain\'ilay evanjely 4. Raha manisy doute ny lazain\'ny evanjely 4 ianao dia ahoana no inoanao fa 12 no mpianatra ?

Rehefa mahazo toriteny aho (avy amin\'ny teny ao am baiboly izay lazainareo tsy ampy sy mivoana) dia mandinika sy mandalina iny aho : ny zavatra hevitra nentin\'ilay nitory mety tsy ekeko à tort ou à raison, tsy midika izany amiko fa tsy marina ilay teny tao amin\'ny baiboly. Ny anareo ny fandalinanareo ny fahazoako azy dia ny hoe \"niteny izany tokoa ve Jesosy ohatra ? andraso jerena ny nolazain\'i X ary amin\'ny boky ary raha izany tokoa no nolazainy\". Dia hilaza ianao hoe izao boky izao no mi confirmer na mi infirmer ilay teny ao amin\'ny baiboly ? ary satria ianao nanao izay démarche izay dia izay lazainao no marina fa ny olona miketrika irery amin\'izay mitranga eo amin\'ny fiainany sy ireo evanjely 4 dia à côté de la plaque ?







46. ikaretsaka ( 20/12/2008 01:37)
Raha tsy mahadiso....afaka fantarina ve maninona no izay voalazan'ny baiboly ihany no inoan I lizabe raha tena fantatrao aby ireo boky ireo
47. coopsal ( 23/12/2008 11:28)
Ikaretsaka:
sahy mifanamby aminareo mpitsimpona aho fa marobe aminareo izao no tsy mahafantatra an'i St Iraneus (na irenee hoy ny frantsay)

==> Tsy fantatro izany, tsy mbola hitako, tsy mbola henoko. Saingy tsy hanameloka ahy noho ny tsi-fahafantarako an'i St Iraneus Andriamanitra, ary indrindra, tsy ny fahafantarana an'io St iray io no hahazoana famelan-keloka sy ny hanadiovana, fa ny finoana an'i Kristy irery ihany.

- Misy ny olona maro mahafantatra hoe ao anatin'ny rano misy Hydrogène sy Oxygène ... kanefa matin"ny hetaheta. Misy kosa tsy mahafantatra velively izany rehetra izany kanefa afaka misotro rano ary velona.

- Nisy chimiste iray nitantara tamiko ny expérience nataony mba hahafantarana fa ny ronono dia tena manana éléments isan-karazany. Sarotiny izy raha miteny manao tsinontsinona ny fandaniam-potoany aho : "draidray, nandaniako ron-doha ireo" hoy izy. Ny zazakely kosa raha misotro ronono dia mitombo ny ron-dohany fa tsy lany, ary mahazo tanjaka ara-batana izy.
Voyez combien idiot est le chimiste par rapport au bébé!

- Fony aho nihevi-tena (sy nataon'izao tontolo izao) fa intelligent, lany ron-doha nikaroka izao rehetra izao! Finaritra tamin'ny fotoana fohy fa ny tato anatiko niha maizina! Rehefa nahafantatra an'i Kristy aho dia nihinana izay sakafo nomen' Andriamanitra, ary mampitombo ahy amin'ny finoana sy ny fahalalana an' Andriamanitra izany.
48. badboy ( 23/12/2008 12:01)
coopsal >> Mba eritrereto ihany aloha ny lazaina fa indraindray dia tena efa mivoana tanteraka!!

Tantara kely iray!! Nisy ramatoa manana vatana mahafatifaty ary tsiriritin'ny olona rehetra manodidina, na vavy io na lahy!! Rehefa bevohoka izy dia voa maika nihatsara tarehy be ka notsiriritin'ny manodidina!! Rehefa teraka anefa izy dia tsy afaka nampinono ka nitomany hoe ahoana no hanomezany sakafo ny zanany!! Soa ihany fa efa ao anatin'ny taonjato faha-21 izy ka efa nivoatra ny fahalalana ny karazana matiera mameno ny ronono ka efa misy ronono vovoka afaka mahasolo tsara ny ronono tsy ananany!! Ary dia nandrotsaka vola izy ho fanohanana ny fikarohana satria raha TSY NISY NY FIKAROHANA, TSY HO VELONA NY ZANANY!! Nanao fanadihadiana izy dia hay @ tapitrisa no zaza velona noho ilay ronono fa tsy izy irery!!

Iza no tena ho idiot raha tsy nisy ilay mpikaroka : ilay zaza izay maty satria tsisy sakafo sa ianao manohatra mafy ny ilana ny fikarohana???

Amaranako azy dia "moins on a de connaissance, moins on conçoit les erreurs, moins on dit qu'on ne sait rien et plus on dit qu'on sait tout"!!! :twisted: :twisted: :twisted:
49. ikaretsaka ( 24/12/2008 01:36)
Ary anisan'ny asa nahatongavan'i Jesoa teto antany dia ny hampahafantatra=faire connaitre koa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2495