devoly sy satana

1. fijo ( 05/12/2008 21:37)
ô ry zareo mpino ny devoly sy satana an,milaza matetika ianareo fa misy olona hidiran'ny devoly sy satana sns.izao no lazaiko anareo.raha misy ve izany devoly sy satana izany,tsy izahay tsy mpino no tokony hidirany sy handihizany voalohany???
sa aminareo efa ato aminay izy?
raha izay ,dia mahafinaritra anareo ve ny miady hevitra amin'ny satana eto???
2. cutie ( 05/12/2008 22:07)
hihihihihi
tandremo ny herin'ny ratsy sy ny herin'ny maizina fa fa satana sy devoly reo :-D :-D :-D :-D
3. fijo ( 05/12/2008 22:09)
za tia maizina ko,fa tsy tia ratsy.indrindra fa sipa ratsy tsy tiako
4. cutie ( 05/12/2008 22:10)
ary saka mainty :-D
5. fijo ( 05/12/2008 22:19)
tiako be,tsy ratsy le mainty ka;le mena koa tiako,le fotsy moa reveko le manga ankafiziko
6. cutie ( 05/12/2008 22:34)
ary le mavo :-D
7. fijo ( 05/12/2008 22:36)
ngaha misy mavo?
8. cutie ( 05/12/2008 22:38)
9. fijo ( 05/12/2008 22:41)
vaovao ve
10. cutie ( 05/12/2008 22:42)
non
jerijereo any fa any izy any
11. fijo ( 05/12/2008 22:43)
ndraso hoe jereko ary
12. cutie ( 05/12/2008 22:45)
ok hihiihihhi
13. fijo ( 05/12/2008 22:54)
tsy misy an'izany e,alefaso raha misy
14. ikaretsaka ( 05/12/2008 23:04)
fijo:

ô ry zareo mpino ny devoly sy satana an,milaza matetika ianareo fa misy olona hidiran'ny devoly sy satana sns.izao no lazaiko anareo.raha misy ve izany devoly sy satana izany,tsy izahay tsy mpino no tokony hidirany sy handihizany voalohany???
sa aminareo efa ato aminay izy?
raha izay ,dia mahafinaritra anareo ve ny miady hevitra amin'ny satana eto???


zay koa no tsy nety azoko.. lasa le finoana an'i satana sy devoly no mibahana kokoa noho ilay Atra
15. vale ( 05/12/2008 23:21)
:-D :-D :-D :-D :-D
16. ikaretsaka ( 05/12/2008 23:29)
Izay koa tsy azoko hoe ny olona izany tsy afaka nino an Atra raha tsy ampiahorina kely @ devoly sy satana aloha?
Avy eo lasa mifangaro voraka le izy de tsy hay intsony ny iza sy iza sy ny inoana sy ny atahorana
17. niryna ( 06/12/2008 03:51)
Misaotra an'i fijo nametraka io resaka io.Tsy reraka aho no mizara ho antsika,tsy ho voatery hino anefa izay tsy mino. Satana dia tsy tonga hampihavana fa andrava,efa potika avokoa na tokantrano ,na fianakaviana,na ny fitiavan'ny mpiray tampo aza dia efa miha-maivana avokoa izany.
Efa nozaraiko ity fa lalam-piainana koa anjarantsika ny mandinika sy mandalina ,tsy ho voatery hino anefa hianao ,atongilano ny sofina,ahirato ny maso fa ny miaraka amin'i satana dia tsy ataony inona ireo zanak'Atra no ataony daholo izay hevitra rehetra hamotehina azy ireo kanefa tsy ho voany izay tena miaraka amin'i kristy.
Anjaranao ny mamakafaka hoe iza no miaraka amiko : Atra dia nampahafantatra ireo teny marobe nozaraina antsika fa na isika miaraka amin'i kristy na tsy miaraka aminy dia iza izany no miaraka amintsika ?

Nanao fivoriambe niantsoana ny miaramilany rehetra Satana. Ny fifana­rahana nataon'izy ireo dia trangan-javatra nisy marina tokoa ka meteza hamaky sy handinika tsara ary aoka tsy ho voafandrika

Tamin'ny kabary fanokafana dia hoy Satana tamin'ireo anjely mpiodina :

Tsy azontsika sakanana tsy ho any am-Piangonana intsony ny Kristiana
Tsy azontsika sakanana tsy hamaky Baiboly hamantatra ny fahamarinana izy ireo
Tsy azontsika atao intsony ny hisakana azy tsy hiroso amin'ny firaisana amin'ny Jesoa Kristy
Koa, raha tanteraka ny firaisany amin'i Jesoa dia rava fahefantsika aminy .
Avelao ihany izy ireo hizotra amin'ny fiainana mahazatra azy, fa hangalarin-tsika kosa ny fotoana eo aminy mba hisakanana azy tsy hanampiraisana amin'i Jesoa.

Izany no ataovy sy tanterahinareo ry anjely mpiodina
Ataovy izay hahatonga ny Kristiana ho variana sy sondriana, ary sakano tsy hiantsampy amin'ny Mpamonjiny mba hampandamoka ny firaisana Aminy eo amin'ny fiainany andavan'andro.



Dia namaly ireo anjelin'i Satana ka nanao hoe:
Amin'ny fomba ahoana no ahazoana manatanteraka izany ?


1- Hazony izy ireo ho variana amin'ny zavatra tsy dia misy dikany loa­tra eo amin'ny fiainany ka mamorona zavatra hampifantoka ny saina aman'eritreriny,

2- Tariho hanao fandaniana (depenses) tsy an-kijanona mba hisambo­-bola tsy ho afa-trosa.

3- Reseo lahatra mba hiasa mafy ny olona ka samy mikarataka ny mpivady hanatrarany ny nofinofiny amin'ny rendrarendra ety ivelany.

4- Sakano tsy hanam-potoana hiarahana sy hiresahana amin'ny zanany sy ny fianakaviany ny olona: Ny trano fonenany dia ho tonga toeram­ piafenana ialàna amin'ny asa,

5- Korontano ny sainy tsy handre intsony ny bitsiky ny Fanahy Masina, Ny vesatry ny harerahana eo aminy tsy maintsy mahatonga azy ho mora tohina amin'ny zavatra tsy misy dikany.

6- Ataovy izay hahatonga azy handefa tsy ankijanona ny : radio; K7; CD; Tele; Ordinateur amin'ny fotoana sy ny toerana rehetra (fiara, trano),

7- Ataovy mibahan-toerana eo amin'ny fiainany ny mozika sy ny hiran'izao tontolo izao; ka fenoy azy ny fiara sy ny toeram-pivarotana ary ny toeram-pisakafoanana rehetra mba hanapaka ny fifandraisana amin'i Jesoa Kristy,

8- Fenoy zava-mahatsikaiky sy dokam-barotra mahavariana ny gazety sy ny lalana rehetra: Ny vaovaon'izao tontolo izao no ataovy mameno ny fony mandritry ny 24 ora amin'ny 24 ora.
9- Ampitomboy ny filan'ny maso eo aminy mba hampifantoka azy amin'ny lamaody sy ny fitafiana tsy maotina, ho sodokan'ny endrika ety ivelany hamono miandalana ny fitiavana eo amin'ny mpivady hitarika amin'ny faharavan'ny tokantranony; hampitombo ny fijangajangana

10- Aza avela handinika ny hatsaran'ny zava-boaharin'Andriamanitra mihitsy izy fa hazony amin'ny fandaniana andro amin'ny fijerena sarimihetsika sy fampisehoana arahin'ny mozika feno kotaba ary fanatanjahantena mba ho raiki-tapisaka ao an-tsainy sy tsy afaka am-bavany mandritry ny andro izany.

11- Azony ho be raharaha hatrany, hatrany izy ireo mba hitaraina lava ho tsy manam-potoana

12- Rehefa manao fihaonana handinika zavatra ara-panahy izy dia lanio fotoana amin'ny resa-be mba hikorontan-tsaina

13- Ny fikasana rehetra ao aminy dia ampidiro olana sy zavatra hafa tsy hahatanteraka ny fitokisana an'Andriamanitra. Avelao izy hato­ky tena ka hikaroka vahaolana samirery ka hanao sorona ny fahasalamany sy ny franakaviany amin'ny tanjona tiany ho tratrarina.


Ho hitanareo, fa tsimaintsy ... tsimaintsy mahomby izany tetika izany ...

"Tena fifanarahana tsara tokoa izao"


Dia lasa tokoa ireo anjely mpiodina hamita faingana ny iraka (mission) nifanarahany mba hisintona ny Kristiana, hanan-draharaha (occupe) lalan­dava, mandeha tsy an-kijanona, maika sy dodona hatrany amin'ny fotoana sy ny toerana rehetra.

Ny fanontaniana dia ny hoe : " Nahatanteraka ny asa nanirahana azy teo amin'ny fiainako tokoa ve ny devoly? "


Anjaranao ny mieritreritra fa efa tafitako izay ny hafatra

(l) niryna
18. ikaretsaka ( 06/12/2008 04:01)
Nanatrika anle fivoriana nga niryna,
19. rakapy ( 06/12/2008 04:10)
:-D :-D :-D Izaho ry Ika saika nanatrika satria tena liana mafy fa nohon' ny teo amabaravarana dia hoy ilay securite hoe; Izay manana karatra maha devoly ihany no mahazo miditra sy mahalala ilay fivoriana.
Koa isaorana betsaka an'i Niryna mba nanao tatitra avy any.
20. ikaretsaka ( 06/12/2008 04:32)
He.....kay izy no sekretera tany ko :wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.009