Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo @ fisainan'ny ratsy..

1. niryna ( 03/12/2008 17:16)
Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin'ny lalana falehan'ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira;

Fa ny lalàn'i Jehovah no sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman'alina.


Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron'ny rano velona izy, izay mamoa amin'ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.
Salamo 1: 1-3

Ireto misy fanontaniana mba manitikitika ahy

1-Ahoana izany hoe tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy izany ?

2-Ary ahoana no atao mba ho saintsainina andro aman'alina ny lalàn'i Jehovah izany ?


Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova no tany.

Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana. Amen !




(l) niryna
novalian'i niryna ny 23/12/2008 15:41
2. ikaretsaka ( 03/12/2008 17:19)
Tsy aleo aloha fafana ny pipian'ny marary ary @ toby ary? Izany zao rehefa mandeha any de manitsaka ratsy foana,,,,sa?
3. tywa68 ( 03/12/2008 17:57)
:-D Rhfa tena feno etsy sy eroa d tsy hita ny farany e :°)
4. rabilabila ( 03/12/2008 21:18)
:-D :-D :-D
5. simplex ( 03/12/2008 22:00)
nyrina:
Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana. Amen !
miangavy an'i fahamarinana mba amaly an'io fa efa manomboka mangateta mafy ny tenako 8)

^:^
6. rakapy ( 03/12/2008 22:08)
Hoy i Niryna
fa izy no hovokisana. Amen !


Voky "amen "izany ve tsy loza be! midegaoba ohatran'ny voky toaka mihintsy angamba?? :miam: :miam: :miam: :miam: :miam:
7. ikaretsaka ( 03/12/2008 22:23)
zany6 hono faha an
8. badboy ( 03/12/2008 23:30)
Tsy dia hoe izay malefaka sy tsy midrikina akory dia sambatra!! Fandemetsaina izany mba tsy hampitroatra ireo voageja na aratsaina vokatry ny fandiovatsaina "lavage de cerveau" na arabatana tahak'ireo miosona amany no sady mifatotra rojovy!!!

Amiko sambatra ireo matory ambony kidoro mafana, ireo mihinana mandrapahavokiny, ireo tsy manahy ny hohaniny rahampitso satria misy karama, ireo manana fiara handehanany hiasa, ireo tian'ny havany sy tia ny havany ary koa ny namany, ireo nahita asa any antany lavitra mba hivelomany ka mihoatra ny fahefamividin'ny gasy any Dago ny fahefaividiny...........ireo tsy vogejan'ny rojovy sy tsy voatery hiosona amany anaty trano feno adala, ireo tsy voatsaratsara @ tsisy dikany ka voalaza fa misy devoly nefa mety ho moana na marary saina fotsiny...........

Lavabe ilay lisitra fa dia ankafizo ny fiainana iainanao fa be ny te ho eo @ io toeranao io ka mba te hiaina tahaka anao!!!
;-) ;-)
9. ikaretsaka ( 03/12/2008 23:35)
:-D :-D :-D
tsy tadidiko ilay mpihira azy fa misy ilay hoe "inona no atao hoe fiadanana" iny
10. fahamarinana ( 04/12/2008 05:41)
:arrow: :-D :-D nareo reto tsy hendry an... (l)
11. ainaheri ( 04/12/2008 05:51)
simplex:
miangavy an'i fahamarinana mba amaly an'io fa efa manomboka mangateta mafy ny tenako


:-D :-D :-D :-D :-D
12. Nandra1 ( 04/12/2008 06:21)
Efa tena eto am-povoan'ny mpaniratsira enao zao ry Niryna an! :lol:
Tsy hoe ny fitabatabàna sy fanakianana an'ireo ze rehetra mitory akory no vahaolana! samy tokony handray ny andraikiny dhl ny rehetra na ny fanjakana aza! Misy firy moa ny adala no mirenireny eny an-dalambe eny mandratra olona sns.. nefa samy mitsoa²ka dhl fotsiny ihany, ze voa de voa!
Zao tokoa no misy hanararaotana hanakiana an'ireo kristiana satria ry zareo irery no tompon'Andraikitra!, ary hanambaniana sy haniratsiraina ny Andriamanitra hivavahany, fa misy teny iray izao hoe "Manginà fa izaho no hiady ho anao"!
Ny devoly tsy olombelona, fa fetsy ary mahay, zanak'Andriamanitra aza sahiny halaina fanahy vao maika fa ze olombelona, fa ilay Andriamanitra inoako sûr fa Mahery nohon'ny MAhery!
Ireo fanontaniana napetrakao ireo ry Niryna de azonao avy hatrany @ ireo valin-teny ireo!
13. ikaretsaka ( 04/12/2008 06:31)
Misy kosa ny diso puilipitra ka mihevitra ny forum ho fiangonany sy lieu fangalana kil n tsekta ny ko
14. prime ( 04/12/2008 08:48)
nyrina:
Ireto misy fanontaniana mba manitikitika ahy

1-Ahoana izany hoe tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy izany ?
... ny tenin'Andriamanitra notsongainao ireo ihany dia mahavaly azy... tsy mandeha amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy ny mpino iray rehefa ny lalàn'i Jehovah no sitrany ary saintsaininy andro aman'alina...
nyrina:
2-Ary ahoana no atao mba ho saintsainina andro aman'alina ny lalàn'i Jehovah izany ?
... Raha ny kely fantatro dia :

  1. mila mahery mivavaka mamantatra ny sitrapon'Andriamanitra ary omeny ny Fanahiny hahaizana mamantatra ny lalàn'i Jehovah
  2. mila fantatra ilay hoe inona moa ilay hoe lalàn'i Jehovah? firy? ahoana ny momba azy sy ny votoatiny?... midika izany fa mila vakiana ary dinihina tsara ny momba izany...
  3. rehefa voavaky tsara dia mila miverina amin'Andriamanitra mba omeny fahendrena hamantatra ny hevi-dalin'ny lalàna tsirairay avy sy ny sitrapon'Andriamanitra
  4. ary rehefa izany dia tsy mitsahatra mikatsaka ny hevitr'Andriamanitra mba ahitàna ilay tena fiainana ao amin'ny teniny... ka ny faherezana mivavaka sy mamaky baiboly no hahaizana misaintsaina andro aman'alina ny lalàn'i Jehovah...


Raha jerena ankapobeny dia mora ampitenenana saingy tsy mora velively ny fanatanterahana ireo satria mila firaisana amin'i Jesosy feno fa raha tsy izany dia mora resin'ny hakiviana sy hakamoana...

Mahaliana... :)
15. Nandra1 ( 04/12/2008 09:11)
... ny tenin'Andriamanitra notsongainao ireo ihany dia mahavaly azy... tsy mandeha amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy ny mpino iray rehefa ny lalàn'i Jehovah no sitrany ary saintsaininy andro aman'alina...

Ampiko le fanontaniana ary e! Inona avy no qualification le fisainan'ny ratsy fanahy?
Ho an'le 2ème question: 0. mandalo sedra na ny fiainana na finoana ka tena mila an'ireo 1.2.3.4 ireo tokoa!
16. tywa68 ( 04/12/2008 09:39)
Nandra : mahereza e ! tsy very mandeha zay miankina Aminy. :wink:
17. diamondra27 ( 04/12/2008 12:43)
ny fisainan'ny ratsy fanahy dia zava-dratsy mandrakariva

ny lalan'i Jehovah dia izay voasoratra ao amin'ny Baiboly

Raha misy olona izao hanao zavatra anankiray ka raha ratsy saina izy de tsy hi se poser de question fa de zay tetikadiny eo ihany no ataony fa raha ohatra kosa ka olona nisaina ny lalan'i Jehovah izy dia manana reference hoe ahoana tokoa moa no nolazain'ny tenin'Atra tamin'ity tranga manoloana ahy ity.
A chaque geste izany dia manana io reflexe io foana ilay olona ary lasa ho azy ilay izy fa tsy mila mihakanakana intsony.

18. prime ( 04/12/2008 13:26)
diams> =D
19. cutie ( 04/12/2008 14:57)
Mpandefa : niryna [ Valio ] 03-12-2008 18:16:37
Lohateny : Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo @ fisainan'ny ratsy..
Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin'ny lalana falehan'ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira;

Fa ny lalàn'i Jehovah no sitrany; eny ny lalàny no saintsaininy andro aman'alina.

Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron'ny rano velona izy, izay mamoa amin'ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa. Salamo 1: 1-3

Ireto misy fanontaniana mba manitikitika ahy

1-Ahoana izany hoe tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy izany ?

2-Ary ahoana no atao mba ho saintsainina andro aman'alina ny lalàn'i Jehovah izany ?


Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova no tany.

Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana. Amen !



niryna

very true ry niryna a
saingy tsy haiko ny valin'ny fanontaniana :-D
20. ikaretsaka ( 04/12/2008 15:39)
Ahoana aloha le malemy fanahy etole marivo salosana mora jonoin ny sekta ireny ve
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0366