Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo @ fisainan'ny ratsy..

21. tywa68 ( 05/12/2008 14:35)
koa rah tsy trondro koa ho voajono :lol:
22. ikaretsaka ( 05/12/2008 15:20)
Ka zay no ilazako hoe marivo salosana.... amidy @ ar'2
23. niryna ( 06/12/2008 03:53)
ikaretsaka:

Tsy aleo aloha fafana ny pipian'ny marary ary @ toby ary? Izany zao rehefa mandeha any de manitsaka ratsy foana,,,,sa?



:roll: :cry:
24. niryna ( 06/12/2008 03:55)

nyrina:
Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana. Amen !
simplex:
miangavy an'i fahamarinana mba amaly an'io fa efa manomboka mangateta mafy ny tenako 8)

^:^



:D
25. niryna ( 06/12/2008 03:58)
badboy:

Tsy dia hoe izay malefaka sy tsy midrikina akory dia sambatra!! Fandemetsaina izany mba tsy hampitroatra ireo voageja na aratsaina vokatry ny fandiovatsaina "lavage de cerveau" na arabatana tahak'ireo miosona amany no sady mifatotra rojovy!!!

Amiko sambatra ireo matory ambony kidoro mafana, ireo mihinana mandrapahavokiny, ireo tsy manahy ny hohaniny rahampitso satria misy karama, ireo manana fiara handehanany hiasa, ireo tian'ny havany sy tia ny havany ary koa ny namany, ireo nahita asa any antany lavitra mba hivelomany ka mihoatra ny fahefamividin'ny gasy any Dago ny fahefaividiny...........ireo tsy vogejan'ny rojovy sy tsy voatery hiosona amany anaty trano feno adala, ireo tsy voatsaratsara @ tsisy dikany ka voalaza fa misy devoly nefa mety ho moana na marary saina fotsiny...........
:cry:


Lavabe ilay lisitra fa dia ankafizo ny fiainana iainanao fa be ny te ho eo @ io toeranao io ka mba te hiaina tahaka anao!!!
;-) ;-)
tsara ny tsiriritin'ny olona no toy izay mitsiriritra olona


:lol:
26. niryna ( 06/12/2008 04:06)
Nandra1:

Efa tena eto am-povoan'ny mpaniratsira enao zao ry Niryna an! :lol:
Tsy hoe ny fitabatabàna sy fanakianana an'ireo ze rehetra mitory akory no vahaolana! samy tokony handray ny andraikiny dhl ny rehetra na ny fanjakana aza! Misy firy moa ny adala no mirenireny eny an-dalambe eny mandratra olona sns.. nefa samy mitsoa²ka dhl fotsiny ihany, ze voa de voa!
Zao tokoa no misy hanararaotana hanakiana an'ireo kristiana satria ry zareo irery no tompon'Andraikitra!, ary hanambaniana sy haniratsiraina ny Andriamanitra hivavahany, fa misy teny iray izao hoe "Manginà fa izaho no hiady ho anao"!
Ny devoly tsy olombelona, fa fetsy ary mahay, zanak'Andriamanitra aza sahiny halaina fanahy vao maika fa ze olombelona, fa ilay Andriamanitra inoako sûr fa Mahery nohon'ny MAhery!
Ireo fanontaniana napetrakao ireo ry Niryna de azonao avy hatrany @ ireo valin-teny ireo!
misaotra anao e


:-*
27. niryna ( 06/12/2008 04:07)
ikaretsaka:

Misy kosa ny diso puilipitra ka mihevitra ny forum ho fiangonany sy lieu fangalana kil n tsekta ny ko



:lol: :cry: :cry:
28. niryna ( 06/12/2008 04:11)
nyrina:
Ireto misy fanontaniana mba manitikitika ahy

1-Ahoana izany hoe tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy izany ?
...
prime:
ny tenin'Andriamanitra notsongainao ireo ihany dia mahavaly azy... tsy mandeha amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy ny mpino iray rehefa ny lalàn'i Jehovah no sitrany ary saintsaininy andro aman'alina...[quote=nyrina]2-Ary ahoana no atao mba ho saintsainina andro aman'alina ny lalàn'i Jehovah izany ?
...
prime:
Raha ny kely fantatro dia :

  1. mila mahery mivavaka mamantatra ny sitrapon'Andriamanitra ary omeny ny Fanahiny hahaizana mamantatra ny lalàn'i Jehovah
  2. mila fantatra ilay hoe inona moa ilay hoe lalàn'i Jehovah? firy? ahoana ny momba azy sy ny votoatiny?... midika izany fa mila vakiana ary dinihina tsara ny momba izany...
  3. rehefa voavaky tsara dia mila miverina amin'Andriamanitra mba omeny fahendrena hamantatra ny hevi-dalin'ny lalàna tsirairay avy sy ny sitrapon'Andriamanitra
  4. ary rehefa izany dia tsy mitsahatra mikatsaka ny hevitr'Andriamanitra mba ahitàna ilay tena fiainana ao amin'ny teniny... ka ny faherezana mivavaka sy mamaky baiboly no hahaizana misaintsaina andro aman'alina ny lalàn'i Jehovah...


Raha jerena ankapobeny dia mora ampitenenana saingy tsy mora velively ny fanatanterahana ireo satria mila firaisana amin'i Jesosy feno fa raha tsy izany dia mora resin'ny hakiviana sy hakamoana...

Mahaliana... :)
misaotra e.


29. niryna ( 06/12/2008 04:12)
tywa68:

Nandra : mahereza e ! tsy very mandeha zay miankina Aminy. :wink:

marina izany

30. niryna ( 06/12/2008 04:16)
ikaretsaka:

Ahoana aloha le malemy fanahy etole marivo salosana mora jonoin ny sekta ireny ve


vereno vakiana ilay eo ambony io dia mety ho fantatrao
:wink:
31. niryna ( 06/12/2008 04:18)
tywa68:

koa rah tsy trondro koa ho voajono :lol:

marina izany . Ny mpanjono trondro aza no nantsoina ho mpanjono olona

8) :D
32. niryna ( 06/12/2008 04:39)
ikaretsaka:

Ka zay no ilazako hoe marivo salosana.... amidy @ ar'2

Inona no tianao tenenina hoe marivo salosana ?

ireo olona izay atao hoe sambatra dia ireo olona tsy mandeha amin'izay alehan'ny hafa,tsy manao izay ataon'ny hafa ary tsy minamana amin'izay naman'ny hafa.
Azavaiko :izaho izao mihevitra hoe ireo olona sambatra dia ireo olona miangona,manao ny asan'Atra,manao asa soa.... Hoy ny tenin'Atra ireo izay tsy mandeha amin'ny lalan'ny ratsy fanahy,ireo izay tsy misaina toy ny fisainan'ny ratsy fanahy,ireo izay tsy minamana amin'ireo ratsy fanahy .dia inona indray aza izany ratsy fanahy sy tsara fanahy izany ?
Ratsy ny fanahiko raha fantatro fa zavatra tsy avelan'Atra ataoko kanefa mbola mavitrika manao an'iny ny nofoko ,ny saiko ,ny tanako ,ny tongotro ,ny masoko

Dia hoy ny soratra masina hoe: fa tsy mba toy izany ny ratsy fanahy,fa toy ny akofa aelin'ny rivotra izy .Ary noho izany ny ratsy fanahy dia tsy hahajanona eo amin'ny fitsarana,na ny mpanota eo amin'ny fiangonan'ny marina . fa fantatr'i Jehovah ny lalan'ny marina ,fa ny lalan'ny ratsy fanahy kosa dia mankany amin'ny fahaverezana Salamo 1: 4-6

33. niryna ( 06/12/2008 04:40)
diamondra27:

ny fisainan'ny ratsy fanahy dia zava-dratsy mandrakariva

ny lalan'i Jehovah dia izay voasoratra ao amin'ny Baiboly

Raha misy olona izao hanao zavatra anankiray ka raha ratsy saina izy de tsy hi se poser de question fa de zay tetikadiny eo ihany no ataony fa raha ohatra kosa ka olona nisaina ny lalan'i Jehovah izy dia manana reference hoe ahoana tokoa moa no nolazain'ny tenin'Atra tamin'ity tranga manoloana ahy ity.
A chaque geste izany dia manana io reflexe io foana ilay olona ary lasa ho azy ilay izy fa tsy mila mihakanakana intsony.



misaotra diamondra a

:-*
34. ikaretsaka ( 06/12/2008 05:14)
Ahoana eto ary ny fisainan' ireo mpiaqndry tao @ m6 ..... fisainan' ny inona fanahy ireo? Satria nahoana?

Mariovo salosana =tsy mandinika sy mamakafaka fa rebirebena sy ampitahorina de resy lahatra
35. niryna ( 06/12/2008 18:07)
ikaretsaka:

Ahoana eto ary ny fisainan' ireo mpiaqndry tao @ m6 ..... fisainan' ny inona fanahy ireo? Satria nahoana?

Mariovo salosana =tsy mandinika sy mamakafaka fa rebirebena sy ampitahorina de resy lahatra


asa aloha ry ika fa izay no fiheverana ny mpiandry dia izay izy izany ,tsy manakambara aho satria raha eo amin'ny toeran'ny mpiandry hianao dia tsy hiteny an'izany.
Ny zavatra tsara ho fantantsika dia na firy taona na firy taona ny olona dia afaka miditra ao anatiny ao ny fanahy madio na ny fanahy maloto noho izany tsy ny taona no jerena hoe misy fanahy maloto ity fa efa be taona,na dia enintaona aza dia afaka miditra ao aminy koa satana ka mangeja ny fiainany rehetra ... dia hiova indray ny sujet .Adama no olona namboarin'Atra voalohany ary ny taolan-tehezany no nalainy nanaovana an'i Eva . Ary dia andao ny tokantranony izy ny lahy ....dia resaka lahy sy vavy no eto,mandehana ka mamenoa ny tany .....
mbola ankizy ,tsy zaza fa ankizy no teneniko eny fa na dia enintaona aza dia afaka mipetraka ao aminy satana dia eo no manomboka fa nahatsiaro tsy ho vehivavy ilay ankizivavy kely na hoe tsy lehilahy ilay ankizilahy kely .... tsy nisy teny mihitsy ao amin'ny soratra masina ka nilaza fa nanao lahy sy lahy ATra na vavy sy vavy ... dia eo no nanomboka ny atao hoe demon possessed .. tsy hino hianao angamba tsy maninona ka raha tsy mahalala sy tsy nandalo ny toerana nisy ny mpiandry dia mazava ho azy raha tsy mino ny asany dia afaka miteny izay tianao ho tenenina koa ka ..
Tsotra ny teniko ,izay teny tenenintsika rehetra dia hanantantara avokoa,tsy midika akory izany hoe aza miteny ,fa raha resaka olon'Atra dia aleo tsy miteniteny foana fa sao ahitana loza .... blasphemy izany ary fantatrao mazava tsara ny tiako ho lazaina raha mandalina fivavahana hianao ka milaza fa Jesusist .... teny nalaina avy amin'ny Jesus ...izay mpanaradia an'i Jesus na Jesosy ? asa lahy ? hianao mahalala izany
misaotra tompoko
36. ikaretsaka ( 07/12/2008 01:03)
Izay le fisainana tsy mety izay hoe satria izy mpiandry de ny fiinoan'ny tena misy mpiandry de na namoehatra aza ny ataon'ny mpiandry de. Odiana fanina sy arovana de hoe meteza eo @ placeny hono ....pfffff

Rehefa tsy mety ny nataon dramopre nanao pedo de lazaina de denoncer na no solution ...de maka dispo....excommunier na izy na tsy manao ny asany tsony fa tsy hoe mopre de za kato de,,,,,, compassionate de avy eo izy mainka mamoehatra
37. tywa68 ( 07/12/2008 14:27)
niryna : k ilay asa masina anie tokony mba asa mifanaraka tsara @ilay hoe fitiavana sy fanampiana an'ny hafa fa tsy fanaovana tsinontsinona olona e ! Tokony hahatsapa tena zany lay olona mpiandry hoe tena mitondra fanampiana tokoa ho an'ilay marary hiasàny aloh fa tsy ho an'ilay manodidina fotsiny ihany.
38. ikaretsaka ( 08/12/2008 01:49)
Zay...amiko ny asa masina dia ny fitiavana sy fanasoava aloha ...ny sisa manaraka ihany
39. fahamarinana ( 08/12/2008 05:55)
:arrow: azo atao koa ny contraire dia manaraka hatrany ny Asa sy ny Fitiavana fa ny essentiel dia tokony ho atao miaraka ireo...:) (l)
40. ikaretsaka ( 08/12/2008 06:16)
Le contraire io de mety fa matetika anefa io no lesoka....lasa wawa de mihahaka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2228