Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo @ fisainan'ny ratsy..
41. coopsal
(
09/12/2008 13:24)
niryna:
1-Ahoana izany hoe tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy izany ?
==> Ratsy fanahy - Mpaniratsira - Mpanota : mamaritra ny toetran'ny olombelona
Avy aiza ? : Noforonin' Andriamanitra hitovy endrika tamiNy ny olombelona (sarin' Andriamanitra mihitsy : madio tsy misy pentina).
Rehefa voafitaka ka nankato ny fanahy mpamitaka dia nanomboka feno boutons (spirituellement parlant) ilay endrik' Andriamanitra tao @ olombelona.
Koa ny olona dia manana maso anankiroa koa ara-panahy :
- maso araka ny fijerin'izao tontolo izao (izay tena manavanana mihitsy : io no maso havanana)
- maso araka ny fijerin' Andriamanitra (io no maso havia).
Dia hoy Kristy hoe : "Raha ny masonao havanana no mahatonga anao ho any @ afobe, esory izy hiala @nao ...". Ny zava-misy, raha te hiditra @ fiainana mandrakizay ny olona, dia mila esoriny ilay fijery araka an'izao tontolo izao fa mandray tanteraka ny fijerin' Andriamanitra.
Tahaka izany ilay tsy mijanona eo @ fitoeran'ny mpaniratsira (olombelona, rebel), tsy mandeha @ fisainan'ny ratsy fanahy (olombelona, tia tena), tsy mankamin'ny lalana falehan'ny mpanota (olombelona, mpandika ny didin' Andriamanitra) = sambatra ny olona izay ateraka indray (miala @ natioran'olombelona mpanota ary mandray ny natioran' Andriamanitra)
42. coopsal
(
09/12/2008 13:34)
niryna:
2-Ary ahoana no atao mba ho saintsainina andro aman'alina ny lalàn'i Jehovah izany ?
==> Fahiny aho dia tsy mba nihevitra ny tenako ho ratsy fanahy na mpaniratsira, na mpanota (satria mpivavaka b sy hoe nanao ny fahamarinana), eny fa na dia nanonona matetika tao @ vavaka fifonana aza hoe "mamelà ahy mpanota sy tsy mendrika".
Nisy passages maro tao @ baiboly izay nolalovako fotsiny, fa tsy nivakiako loha. Ny marina dia hambom-po sy fitaizana no naha kristiana ahy fa izaho tenako tsy nino ny baiboly.
Rehefa nino an'i Kristy kosa aho, satria nanana porofo fa velona Izy, dia nahalasa saina ahy (nosaintsainiko) mandrakariva ireo teniny hitako voasoratra ao @ baiboly, tahaka izany koa ny any @ Lalàna sy ny mpaminany. Sahirana ny foko teo anatrehan'ireo Didy sasany izay toa niniana tsy nivakiana loha teo @ fiangonana nisy ahy, kanefa efa nino ny baiboly aho teo ka tsy azoko nampanginina ny feon'ny fieritreretako.
Raha nijery ny Lalàna nampitondraina an'i Mosesy aho, dia natoron'i Kristy ahy tsikelikely izay nolazainy tamin'ny Jiosy : "tsy misy na dia iray aminareo aza mitandrina ny lalàna!". Tena tsapako fa tsy misy fika hahatandremako tanteraka ny Didy folo!
Kanefa zava-poana raha ny sasantsasany fotsiny no tandremana! Ny tena marina anefa, na dia iray monja @ireo folo ireo aza dia tsy haiko notandremana, satria ilay lehibe indrindra sady fototry ny Didy no tsy vitako na niezaka toy ny inona aza aho :
"tiava an'i JEHOVAH Andriamanitrao @ fonao rehetra, ny sainao rehetra, ny herinao rehetra, ny fanahinao rehetra", nijery nanatrika ny zava-misy aho : impossible ho ahy izany! Afaka niseho ho mendrika teo anatrehan'ny olona aho, fa eo anatrehan' Andriamanitra miariary ny tsi-fitiavako Azy @ foko manontolo, Izy aza tsy hitako.
Aza mangalatra :
Informaticien ny asako, ary tsy misy informaticien tsy mangalatra ( directement ou non), misy piratage daholo io rehetra io! Ka raha mahay manameloka ny mpanao pirate @ zava-kanto na ny propriété industrielle aho, izaho mba manao toy ireny @ resaka informatique. Fivelomako izany ary nentiko niara-nifaly t@ namako, nentiko nanaovana asa soa.
---> Sady mpangalatra condamnable (efa condamné rahateo) aho, fa ireo niombona t@ fananako koa dia complice! Pour sortir du vol, il faudrait tout faire vous-même! Ce qui est impossible
Aza mijangajanga :
Kristy niteny fa na iza na iza lehilahy misaotra ny vadiny (noho ny antony ankoatra ny fijangajangan'ilay vehivavy), ka lasa manambady olon-kafa iny vehivavy iny, dia meloka ralehilahy nampijangajanga an'ilay vehivavy. Izany hoe tsy ny nijangajanga ihany no meloka, fa izay nahatonga ny hafa hijangajanga koa.
Mbola i Kristy ihany milaza, fa raha misy lehilahy mijery vehivavy ka misaina filàna aminy, dia efa meloka nijangajanga taminy tao am-po! Ary na dia tsy voasoratra aza, izay vehivavy manao fihetsika, fiteny, fitafy mitondra lehilahy ho @ fijangajangana ao am-po, dia meloka tahaka ilay tetsy ambony.
Isan-kalina aho rehefa nivavaka dia nifona hoe "mamelà ahy fa tadidiko hoe firy ny vehivavy hitako androany ka nijangajangako tao am-po" : impossible ho ahy ny tsy hanana filàna ao am-po @ vehivavy sasantsasany hitako @ fotoana sasantsasany. Mainka moa rehefa tezaina @ fantasme sy ny film sy ny sarisary ary ny resaka vetaveta isan-karazany (na dia izay atao hoe blague aza) io filàna io! Voasokajy ao anatin'ny fandikàna io Didy iray io daholo izany!
Roa monja ireo, fa rehefa nisaintsaina ny Didy anakifolo aho dia tsy nisy na iray aza tanterako na nananako hery hankatoavana azy.
Fa rehefa tena nahatsiaro nila vonjy ara-panahy t@ foko aho dia nosokafan'i Kristy ny masom-panahiko hahafantatra fa tonga hanatanteraka indrindra ireo tsy tanterako ireo i Kristy, no sady tonga hanefa ny sazy vokatry ny tsy fahatanterahako azy, mba hananako antoka fa rehefa tonga ny fitsaran' Andriamanitra, na dia voatanisa daholo aza izay faharatsiako mahamenatra rehetra (satria tsy maintsy haseho izany), dia hofafana kosa ireny @ ràn'i Kristy.
Tsy ho ahy ihany fa "ho avotra noho ny fahotan'izao tontolo izao" no nahatongavany tety ary nandatsahany ny ràny. Koa izay mino rehetra dia voasoratra ao anaty bokin'ny fiainana ny anarany.
43. tywa68
(
09/12/2008 13:36)
Koa ny olona dia manana maso anankiroa koa ara-panahy :
- maso araka ny fijerin'izao tontolo izao (izay tena manavanana mihitsy : io no maso havanana)
- maso araka ny fijerin' Andriamanitra (io no maso havia).
8O zany sa :roll: ? :-D :-D tandremo sao mora tezitra Coopsal an :-*
44. coopsal
(
09/12/2008 13:54)
niryna:
Dia tahaka ny hazo ambolena eo amoron'ny rano velona izy, izay mamoa amin'ny fotoany, ny raviny koa tsy mba malazo; ary ny asany rehetra dia ataony lavorary avokoa.
==> Atsy @ ilay dinika hoe "Finoana, Fanantenana, Fitiavana" dia manazava misimisy kokoa an'ity.
Ilay hazo dia ny fiainan'ilay olona (ilay olona mihitsy) izay mizara telo :
Ny faka (finoany) : raha eo amoron'ny rano velona, i Kristy no rano velona dia ...
Ny raviny (fanantenana) tsy halazo mihitsy ary ...
hamoa (fitiavana) amin'ny fotoany izy.
Ity andininy eto ity koa no mamaly ny fanontaniana hoe :
"Ahoana no hahatanteraka ireo rehetra ireo?" :
---> Miray amin'i Kristy. (izay ilay eo amoron'ny rano velona)
"Ahoana no fomba iraisana amin'i Kristy?" :
---> "Izay mihinana nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko ary izaho aminy"[Jaona 6:56]
"Ahoana izany mihinana ny nofon'i Kristy sy misotro ny ràny?"
---> "Izay mino ahy tsy mba hangetaheta intsony, ary izay manatona ahy tsy mba ho noana intsony"[Jaona 6:35]
Inona no lalàn'i JEHOVAH saintsainina mba hitoerana eo amoron'ny rano velona ka hanantena lalandava ary tena hamoa fitiavana?
---> "Ary izao no didiny: dia ny hinoantsika an'i Jesosy, sy ny hifankatiavantsika araka ny nandidian'i Jesosy"[1 Jaona 3:23]
45. fahamarinana
(
09/12/2008 13:56)
:arrow: tywa : ho zatra ihany coopsal amin'ny farany na dia serieux be aza...sa :?: :) (l)
46. bor2lais
(
11/12/2008 16:59)
fahamarinana:
:arrow: tywa : ho zatra ihany coopsal amin\'ny farany na dia serieux be aza...sa :?: :) (l)
:D
47. niryna
(
13/12/2008 01:22)
ikaretsaka:
Le contraire io de mety fa matetika anefa io no lesoka....lasa wawa de mihahaka
mety mitombona ny teninao raha lasa fitsikerana lava foana satria tsy mahita maminy ilay olona dia ny manindry ny teniny foana no ataony dia mitombona tanteraka izany
48. niryna
(
13/12/2008 01:27)
tywa68:marina izany ka ,iza no nanao tsinotsinona ny olona ?
niryna : k ilay asa masina anie tokony mba asa mifanaraka tsara @ilay hoe fitiavana sy fanampiana an'ny hafa fa tsy fanaovana tsinontsinona olona e !
Tokony hahatsapa tena zany lay olona mpiandry hoe tena mitondra fanampiana tokoa ho an'ilay marary hiasàny aloh fa tsy ho an'ilay manodidina fotsiny ihany.ilay fahantsampatena dia an'ny rehetra ka,mizara isika dia miteny any am-po hoe inona no soa azoko izarako ity teny ity ,manampy ny olona ve aho sa mamadika ny tenin'Atra ka mizara ny tsy fahamarinana ?
tsy ny mpiandry ihany no mila mahatsapa tena fa isika rehetra mizara ihany koa Voa tsara ve no afafiko sa voa ratsy ? na tsy mahalala aza ny olona dia izao mizara izany dia efa mahalala izay voa afafiko ary dia hifafy ny vokany koa aho na dia tsy izao aza fa tsy maintsy ho tonga izany fitsarana izany voa nafafiko izany ..
sa ahoana ?
49. ikaretsaka
(
13/12/2008 02:03)
ka iza no mi wawa tsy tsaraina lava hoe tsy megty ny wawa ny ry niryna... inona no mba vitanao tany antanana ankoatran'ny nitory sy ni wawa?
50. niryna
(
23/12/2008 15:41)
ikaretsaka:
ka iza no mi wawa tsy tsaraina lava hoe tsy megty ny wawa ny ry niryna... inona no mba vitanao tany antanana ankoatran'ny nitory sy ni wawa?
:oops: :cry: Salamo 105
14 Tsy nisy navelany hampahory azy, Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe:
15 Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko.
Daniela 6
20 Dia nifoha maraina koa ny mpanjaka ka nandeha faingana ho any amin'ny lavaky ny liona.
21 Ary nony tonga teo amin'ny lavaka izy, dia niantso an'i Daniela tamin'ny feo malahelo; eny, niteny ny mpanjaka ka nanao tamin'i Daniela hoe: Ry Daniela, mpanompon'Andriamanitra velona ô, moa Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva mahavonjy anao amin'ny liona va?
22 Namaly ny mpanjaka Daniela hoe: Ry mpanjaka, ho velona mandrakizay anie ianao.
23 Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan'ny liona tsy handratra ahy, satria fahamarinana no hitany tamiko; ary teo anatrehanao koa, ry mpanjaka ô, tsy nanao ratsy aho.
24 Dia faly indrindra ny mpanjaka, ka nasainy nakarina avy ao an-davaka Daniela. Dia nakarina avy tao an-davaka Daniela, ary tsy hita nisy naratra izy, satria nino an'Andriamaniny.
25 Ary ny mpanjaka nandidy, ka nentina ireo lehilahy niampanga* an'i Daniela ireo, dia natsipy tao an-davaky ny liona izy mbamin'ny vadiny aman-janany, ary ny liona nanan-kery taminy ka nanapatapaka ny taolany, raha tsy mbola nipaka tamin'ny vodin'ny lavaka akory aza izy.[Ar. nihinana ny nofony]
Dia ho toy izany koa no ahazo antsika izay manaratsy ,manenjika,manohitra ny tenin'Atra sy ireny olona nofidiany ireny .
Efa nomena an'ikaretseka imbetsaka izany ny teny ka aza miteny hoe Tompo o tsy fantatro izany .Niryna no vavolombelona nizara izany tamin'ika
:-*
