racisme ve ny serasera?

41. ikaretsaka ( 06/11/2008 19:07)
tsss izany koa ve dia atao manahiirana! andaho hitady namana metisy sinoa sy metisy karana fa gasy taratasy sy lehibe sy nianatra tany @ tanana dia omena andraikitra hitantana ato... :D hanampy an-dravato
42. tenagasy ( 06/11/2008 19:13)
Mankamamy!

Tsara tokoa fa ahitana olona maro isankarazany eto @ serasera (dia ataovy hoe RASISTA indray izany); ka tsy maintsy mazoto sy mavitrika tsara @ fanazavàna raha tsy izany tsy mifankahazo ny resaka.

Noue!

Na ny mpiray tampo aza misy fotsifotsy sy maintimainty. Miteny an'izay ve dia ho lazaina hoe RASISTA?
Tsy izay rehetra miteny hoe mainty na fotsy akory no lazaiko hoe "Raciste" fa izay miteny hoe mainty Ingahy Obama, araka io fanazavako etsy ambony io (vakio tsara).
Olona iray io ihany no ifotoran'ny resako fa tsy @ ankapobeny akory.
Aoka moa mba tsy hahinana am-bolony e.

Asa mety hoe tsaratsara kokoa ny loko toy izao noho ny toy izaroa; tsy izany no olana fa ny fampiasana izany hanivaivàna ny hafa sy hanosihosena ny zo-ny!

Koa araka izany:

Vale!
Tsy hitako izay mampihomehy @ ilay resaka. Na hatao hoe mainty ny sinoa, mena ny senegaly, tsy miloko ny vazaha, na izay hilazàna antsika malagasy, tsy misy olana izany, ary tsy mampiova na dia singam-bolo iray aza.
Ny fampiasana ny fihodirana @ fomba ratsy toy ny "racisme" kosa anefa dia manova zavatra be dia be (OH: io maha mora tohinina ny sasany io, satria iainany isan'ora izany).
Ary asa na mody gisa ny sasany na ... fa inona moa no anton'ny maha fandresena goavam-be ny an'Ingahy Obama izao? Tsy porofo mitohoka @ tendany ve izany, ary mahatonga antsika midinika eto hoe tena mbola misy io na any Amerika “”mandroso be – goavana – modely”” aza?

Na izany aza; amiko tsy ny Racisme mihitsy no resy amin’izao zava-miseho izao, fa dingana iray ao anatin’ny làlana mank@izany no vita izay goavana dia goavana koa dia ny POROFO fa mahavita azy tanteraka koa ny hafa volon-koditra (na hoe ny tsy fotsy)

Mba faly koa aho @izany. Tena tsorina anefa fa tsy ny "racisme" na ny fihodirana no nahatonga ahy hanao pronostika fa ny fahitako ny mpifanandrina taminy hoatry ny tsy dia azokazoko loatra. Eny fa na dia tsy misy idirako “loatra” aza izany na iza lany teo na iza.

Lava loatra fa:
Mirary soa!
43. rakaroka ( 06/11/2008 19:25)
ikaretsaka:

tsss izany koa ve dia atao manahiirana! andaho hitady namana metisy sinoa sy metisy karana fa gasy taratasy sy lehibe sy nianatra tany @ tanana dia omena andraikitra hitantana ato... :D hanampy an-dravato


Ary tsy hain'lé Ika wé "metisy sinoa aho":-P
:-D :-D :-D , fa efa wé tsy mila "safiotra hono 'zareo ".Tsy azo antoka.
Rahateo anie "tsara ihany lé hoe " mba spect" izany ny hafa fa efa "complet" ny place koh! :-P :-D :-D :-D
44. rakaroka ( 06/11/2008 19:30)
Hay moa sady 'za tsy any Tanàna fa vahiny aty an-tanin'olona koh :oops: :oops: :oops: :?
45. ikaretsaka ( 06/11/2008 20:26)
mety tsy hilamina io raha tsy misy hoe zanaka gasy lasa prezida an'ny repoblika fanantsay ko :-D :-D :-D
le misaina "Je suis Malgache nee en France et je ne parque le francais" ireny
46. fijo ( 06/11/2008 22:24)
sakakely an,ka za tsy avelandry hoany ko.fahadisoandry izany.

za aloha tsy hanaiky mihintsy izany hoe vahiny no hitondra ny fireneko izany e,jereo fotsiny ny tany amerika atsimo.nisy firenena iray tany "japoney"mizaka ny zom pirenendry zareo no nitondra tany.inoan no nataony teo????

raha karana ve no atao eo,izao aza varotra no mba hainy jereo ny halatra sy fanambakan aataony nygasy,ka maik afa hoe hitondra an'ny madagasikara???aoka lahy.mbola maro ny gasy hafaka hifandimby eo ka
47. Papoose ( 06/11/2008 23:36)
@ 2012 hita eo ny valiny fa zao aloha miadia daholo :D
48. rabilabila ( 06/11/2008 23:51)
F'angaha i Fijo tsy avy any Indonésie koa na avy any Afrika na fangaron'izy roa ireo ? Sa zana-bazimba?

F'angaha ny "karana" r'tony dia tsy mety hananana intégrité mihitsy na hanana intelligence na koa ho tia ny tany nahalatsahan'ny tavoniny efa taonjato maro ?Fa dia tsy maitsy hoe "varotra no mba hainy "? Sa kosa i Fijo nahita mpangalatr'akoho tao Alasora dia lazaina fa mpangalatr'akoho daholo ny mponina ao Alasora .

F'angaha moa tsy "vazaha" no betsaka mpanolo-tsain'ny filoha ao ? Sa dia ny Malagasy tsy mahay n'inon'inona daholo ?

Na izany na tsy izany , inona no lazain'ny lalam-panorenana Malagasy ?
Fa raha spéculation fotsiny mantsy no resaka eto dia tena ilay "caractère discriminatoire sy xénophobe " mihitsy no mivoaka .Ary izay no maha-grave ny propos-nareo .
49. ikaretsaka ( 07/11/2008 00:08)
ny maha samihafa antsika sy ny amerikanina (ankoatran'ny porouzy) dia isika efa milaza hoe tompon-tany ary theorie sisa ny antsika ny hoe maha avy ary sy avy atsy antsika ...

fa ny andry bekintana manaiky izy hoe mpihavy aby, ary mbola bobaka ny mahatadidy hoe avy any ananona any irlandy na italia na madagasikara na amerika latinina ny taranany!
50. rakaroka ( 07/11/2008 00:55)
Marina aloha ny "approchen'i Rabila" hoe avy atsy "Indonesie na Afrika" no voalaza fa niavian'ny razamben'ny Malagasy, raha tsy ireo "race pure" vazimba efa tao. Ka ny tena tompon'i Madagascar izany dia izay tarana-bazimba ihany raha tena zohina ity foto-pisaina tsy mila mélange @ vahiny.
Ny ahy ilay toe-tsaina mikombona sy miolonolona izay mihitsy no tsapako
manery ny fiaina'ny firenena toa izao . Raha tena zohina ny resaka dia
tsy tiana ny mainty, asiana écart ny safiotra. Akipaka koa ny vahiny.
Ireo gasy lasa aty an-dafy koa aza dia efa afoy koa, manginy fotsiny ny
lavage hoe "aza mitoky @ fahalalanao sy ny fahaizanao sy ny sainao,...Dia voakipaka daholo koa ny "intello" rehetra mbo tokony ho "cerveau".
Sincèrement qu'est-ce qui reste ? :roll: :?: 8O 8O 8O
51. fahamarinana ( 07/11/2008 05:55)
fijo:
raha karana ve no atao eo,izao aza varotra no mba hainy jereo ny halatra sy fanambakan aataony nygasy,ka maik afa hoe hitondra an'ny madagasikara???aoka lahy.mbola maro ny gasy hafaka hifandimby eo ka

:arrow:fijo a,ilay toe-tsaina io fa tsy ny maha-karana na inona azy.Misy koa ange r'ise gasy ka tena gaigilahy manambaka gasy e...rehefa tsy tay dia atody na zovy na zovy no eo amin'ny fitondrana...fa rehefa mizaka ny zom-pirenena dia ekena..
Zà zao karana nefa tsy mpanambaka,dia ahoana !
harybe:
tena marina mintsy nenao!! mino mintsy zah fa reo miseho oe tsy hifidy karana sy mainty reo no mpisolelaka @ vôzah!!

:arrow:mba malaky manao conclusion koa ingahy an...mba araho tsara izay voalazan'ilay olona dia arak'io no hamaliana azy fa lasa mapivadika resaka
harybe:
ny mahavarina de zao! betsaka ny gasy tonga france na firenena fotsy hafa ny mitomany hanana karapanondro zay firenena misy azy , mitomany te hanana zo @ zao vazaha zao(nationalité français ohatra)

:arrow:mitomany ahoana koa lé..koa raha tsy itomaniana dia ho azy izy io...mba lalina koa zany teninao zany...8O
xxx28:
Satria raha ho tohizana ny lojikan'i ravatorana dia tsy hifidy karana izy, tsy hifidy sinoa, tsy hifidy vezo,bara, sns .. fa kosa hifidy ambaniandro. Ary ny tena loza mety hifidy vazaha fotsy izy satria amin'ny ireo mahay fa ny mainty dia vendrana be.

:arrow:fa maninona no hotohizana ny lojika-ny ravatorana aloha.Izay ambarany no hadihadio fa tsy izay eritreretinao ho lazainy.Hatreto dia amerikana sy mainty no nolazainy...fijo nilaza ny karana...
manjary lasa adi-poko koa izy ity no hiafarany nefa ry zamerika no nifidy tany !!! :roll: (l)
52. xxx ( 07/11/2008 06:24)
Normaly be ilay izy ry fahamarinana raha tohizako satria hoy ry zareo hoe tsy hifidy olona tsy tompon-tany izy. Izay mihitsy ange ilay maha-rasista azy e!. Satria rehefa tsy misy karana sy sinoa milatsaka eo dia iza indray no havahany (ny samy gasy). Izany hoe raha merina izy dia tsy hifidy betsileo ohatra, dia avy eo indray ny samy merina indray hilaza fa i ranona andriana, i ranona andevo, ... Ko tsy rasista ve no filaza izany.

53. fahamarinana ( 07/11/2008 06:29)
:arrow: tsy dia izay loatra no tiako hambara anie ry xxx,ekeko fa racisme tsotra izao izay fa ny tiako faritana dia hoe aza mivoaka amin'ny voalazan'ilay olona ao amin'ny dinika fa izay ambarany ihany no hamaliana azy fa lasa mihitatra be ilay resaka...
Fa kosa raha hampiditra dinika iray mikasika io resaka racisme amintsika samy gasy io xxx dia mety indray ary na zà manokana aza vonona ny handray anjara satria dinika mahaliana ahy tanteraka koa io.
Aza raisina critique fa ila dinika miova no nanamarihako azy.Tsiky dia ampy.. :) (l)
54. rakaroka ( 07/11/2008 07:12)
Tsy diso ny fanamarihan'i xxx satria tena probale be mihitsy ny fisian'ny metisy zanatany any anefa dia verezin-jo, ary nitranga t@ ambassade taty Frantsa mihitsy ny hoe rehefa tsy manomboka @ Ra...toy ny ao ampovoan-tany ny anarana dia efa sarotra @ rizareo ny mi-identifié ilay olona hoe gasy!
Rahateo mpandinika vahiny teto nilaza fa ny ao ampovoan-tany mihevitra fa rizaro no tena gasy sans savoir loatra les autres constituants du peuple malgavhe.
55. finoanaranoray ( 07/11/2008 07:39)
Fa ny tsy fotsy fotsiny ve no nifidy dia nahalany an'i OBAM e? tsy arako tsara?
ilay mouche tsetse aty koa toa ny mainty foana no itangoronany...
Rahoviana moa ilay Papa sy ilay prezida frantsay no ho lasa tsy miloko fotsy...io sisa no andrasana...
56. tenagasy ( 07/11/2008 09:44)
Mankamamy!

Eny hoy aho r'i Finoanaranoray e!

Dia na Ingahy Mc Cain aza t@ kabariny farany dia hoe: ... Tokony ho "Fière" ny "communauté afro-americaine" ...
Fa angaha ny afro-amerikanina ihany? Tsssssssss!

Izany no ilazako hoe afaka nanaporofo fotsiny ny tsy fotsy t@iny fifidianana iny fa mahavita azy koa, fa raha ny "Racisme" izany amiko tena mbola tsy nihontsona na kely akory aza. Nozohim-pahombiazana aloha iny tetik'ady iny dia soa izay fa ny ady mbola lavitra.

Manaraka izany:
Andeha ary dia ho tsorina koa fa amiko: "Ny anaran-dRay tsy ahohoka, ny zara tsy atolotra ny hafa". Tena mbola mihisatra be ny foko sy ny saiko @izany hoe tsy Malagasy izany no hitondra ny TANINDRAZAKO.
Eto aloha ny famaritana ny atao hoe Malagasy na ny tsy Malagasy mbola tsy tena voafaritro tsara hoe hatraiza no azoko ekena na tsia.

Na eo aza izany rehetra izany, tsy hitako izay mahasarotra ny dinika.
Tsy miankina amiko sy ny hevitro irery io, na ny anao, na ny an-dranona sy ranona fa miankina @ maro an'isa @ Malagasy sy ny hevitr'izy ireo. Raha efa afaka milatsaka ny tsy Malagasy dia avelao ho tsarain'ny karatra eo (fifidianana), raha tsy mbola moa anefa hita hoe tena zava-dehibe ho an'ny firenena izany dia manao fitsapankevibahoaka aloha (fifidianana ihany koa).
Sa ahoana?

Raha izany anefa no misy: izaho mbola tena resy lahatra fa tsy mbola zaka ary ho lavin'ny gasy ankitsiranony izany!
Haiko ihany izany tenagasy ((toa ahy)) izany. :-* ;-) :lol:
(maty aho anio) (izahay izany tsy tena gasy aminao?) :-* :} :°) :-*
Asa na dia tena manazava saina tokoa ny mivoaka ivelan'ny firenena, na diso efa manazava loatra aza ka zary difotra sy very ny "soatoavina" izay lalaina sy arovana satria mahaolona ireo mijanona - manajary sy mamelomaso ny Tanindrazana.
KOLONTSAINA io.
Tsy hidirana lalina fa ho tsoriko fotsiny ny fanazavana azy @ hoe:
""Ny hany sisa mijanona rehefa tapitra very izay nanananao rehetra""
Izany hoe tsy ho voafafa mandrakizay.
Samia mandinin-tena hoe: inona marina no kolontsaiko?
Dia ho hita moramora eo hoe: izany kay no mahatonga ahy hieritreritra toy izao na toy izao.

Mirary soa!
57. fahamarinana ( 07/11/2008 10:30)
tenagasy:
Asa na dia tena manazava saina tokoa ny mivoaka ivelan'ny firenena, na diso efa manazava loatra aza ka zary difotra sy very ny "soatoavina" izay lalaina sy arovana satria mahaolona ireo mijanona - manajary sy mamelomaso ny Tanindrazana.
KOLONTSAINA io.

:arrow: :)! aoka aho hihomehy valavalaka aloha !difotra sy very tokoa moa ny soatoavina...ho an'ireo izay tsy eo an-tanindrazana !Tsy ny toerana no mampiova olona na fivoarana io na fahakelezan-doha hanaraka be fahatany ny vahiny fa ny toe-tsain'ny tsirairay manokana,ny coco-ny tsirairay,ny vecu-n'ny tsirairay : zany hoe rehefa mety hanary ny kolotsaina dia azy iny,tsy hanary dia azy iny!!!Misy na mitoetra ao M/car aza dia tsy mandala izay soatoavina lazainao izay ! Izaho manokana dia lalaiko sy arovako na aty an-tany lavitra aza !Marina hany izanyyyyy! (l)
58. kidoropamba ( 07/11/2008 10:36)
Noue:

ka vonona ve aza ianao hifidy karana na sinoa hitondra ny madagasikara eeeee?????

Mety ho sarotra amiko aloha ny hifidy indray ilay bogody metisy sinoa avy any mongolia mitondra ny firenena malagasy @ izao @ 2012 e.

8O 8O 8O 8O
59. fahamarinana ( 07/11/2008 12:08)
:arrow: :-D :-D mba mampihomehy ahy ny mamaky ny lazain'ny kidoropamba ndraindray an !!! (l)
60. naughtyboy ( 07/11/2008 13:06)
hevitro @ akapobeny @resaka fiavina sinoa sy karana ary de tsotra ary ny zo mahamalagasy izany fa tsy arataratasy fotsiny,ra malagasy izy @ toetsainy,fanahiny ary mandala ny kolotsaina mahamalagasy ka afaka manandratra ny maha izy ny fireneny malagasy de ENY tsisy adihevitra satria efa ao aminy ny sata fa tsy ny zo mahamalagasy ihany ary tia an\\\'i Madagasikara sy ny vahoakany tsivakivolo @ fony..integrity zay ozy ny vahiny fa tsy nationalism akory...zay misy manafangaro
eritrereto oe rindrina ngodabe no nazerany mpifidy amerikana satria ny fitambarany vahoaka ihany no hery mampandroso ny firenena 1,ireny toetsaina napetraky ny mpanjanaka britanika tao @ bekitana ireny de tsisy hafa @ mahazo ireo voazanaka hafa rehetra (zarazarao anjakana),na portugezy na espaniola na frantsay na zapone na sinoa ..nialany zareo zany tena tsara
mbola tsy afaka @ zany tarazo izany isika raha ny hevitra nivoaka teto no tsaraina mbola betsaka ny mametraka izany ho sakana sy olana arapiarahamonina,na samy malagasy aza de MIFANGARO fa tsisy dorizaka daoly ny akabeazantsika ,fa inona marina no nahatonga ny fisarahambazana tao amintsika atr@ ny tantara ny varotra andevo niraisany fitondrana fahampanjaka tsikombakomba t@ vahiny tany ivelany de nizara ny saranga malagasy ary nadikany taranaka ho fahamboniana na tombony manokana @ mahaolona ,nihena tokoa ny sanda sy ny soa toavina mahamalagasy ary hatr@ filelafany fitondrana maromaro nifandimby sy fitadiavana fanampiana ary fiankinandava @ vahiny any ivelany..Very ny soa iombonana malagasy satria tsy afaka mijoro fa manana ny mahaizy azy intsony ,na ny toetsaina aza voafetra ihany @ fijerevana fiavina sy volonkoditra fa tsy ny fanarenana ny fahatrana ka atsipy ny teny any ampony mahalala
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0107