barack obama : filoha ameriknina faha 44

1. ravatorano ( 05/11/2008 05:17)
tsy azo isalasalana intsony izany izao fa dia lasan'Ingahy Barack Obama ny toeran'ny filoham-panjakana amerikanina ary izy izany izao no faha 44 hitana io toerana io .
Sambany eo amin'ny tantaran-dry zareo amerikanina no hisy mainty hoditra hitondra ny firenena ary koa tsy vitan'izay mainty hidotra faotsiny fa mbola afrikanina koa ny rainy.
Efa mihoatra ny antsasa manila moa izany izao ny vato azony izany hoe eo amin'ny 300 voix mahery kely eo araky ny hita amin 'ireo site marobe manaraka akaiky an'ity fifidianana ity.
Voamarika izany izao fa tsy azo lazaina fa tena mbola miaina any amerika ny fanavakavaham-bolokoditra fa izay hahasoa ny fireneny no tena nojeren'ireo mpifidy lehibe.
Amin'ny volana janoary 2009 moa izy no hanao ny fiainianany eo anatrehan'ny vahoaka amerikanina
=D> =D> =D>
novalian'i penguin ny 28/11/2008 13:19
2. fahamarinana ( 05/11/2008 05:40)
:arrow: mba tiako ihany koa.Tsy dia mpanaraka politika aho,asa na ny fihodirana mitovy loko amiko fa mba nandinika ny parcours-ny sy ny hvtr natolony dia hitako tsara ,amiko aloha .Enga anie ho tanteraka ny voalazany ! Fa na izany aza dia mahafinaritra,mahavelom-bolo,maha be fanantenana tokoa. :D (l)
3. ravatorano ( 05/11/2008 07:41)
asa izay ho entiny amin 'izao fiovana izao
betsaka no miteny fa mety hisy fiovana be eo amin'ny politkka ara toekarena amerikanina toy ny fanampiana ny tany afrikanina izany ka raha hifanohitra ami'ny ataon i W.Bush ny politikany dia tsy hisy intsony izany ireny resaka MCC ireny sy ny fampihenanan ny USAID manerana ny firenena afrikanina
dia ho izay v no hisy ????
4. fahamarinana ( 05/11/2008 07:58)
:arrow: ravato : zà manokana tia fiovana mba hisian'ny rivo-baovao aloha...iaraha-mahita eo izay ho ataony raha manaraka ny promesses nolazainy ...angamba kosa tsy hiafara amin'izay resaka lazainao momba ny usaid sy mmc zay,ny isian'ny fanampiana ++ kokoa koa hoy aho tsy ho vahaolana satria hoe mainty dia hanasoa ++ ny mainty.Fa mbola henjana be ny miandry azy na dia ireo olana "crise" sy" irak" mbola tantara be manaraka ny arabe ireo.Liana tanteraka ny ahita ny vaha-olana ,raha misy,ho atolony aho aloha hatreto..Ny teo aloha manko efa hita ny nataony.
HS kely :Izay no mba tiako manaraka politika...rehefa mitondra fiovana sy mba manaraka ny promesses,eny na sarotra aza fa tsy ilay sary gaigy dia mody fanina hatrany...Ny vahoaka tsy maintsy homana ary mila fanantenana fa raha kere sy tsy mahatsapa fiovana dia miteraka olana ka na tsara vita aza dia adino lasy teo.Hevitro moa iny ary mety tsy eken'ny hafa...(l)
5. rakaroka ( 05/11/2008 08:06)
Wéeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeeee
[IMG]http://smileys.sur-la-toile.com/repository/Content/youpi-12.gif[/IMG]
6. malala1 ( 05/11/2008 08:30)
dia inona izany izao no mety hiseho sy hiova
7. kidoropamba ( 05/11/2008 09:00)
LegOna! Mainty hoditra indray no lasa filohampirenenan'i zamerika. Tena mahagaga sy mahatalanjona satria toa manalabaraka ny filoha hajaina Ravalomanana raha izany. Ahoana ary ity andininy 46 ato @ lalampanorenan'ny malagasy ity izay TSY MANAIKY mihitsy ny hisian'ireo gasy, manana ray amandreny vazaha ny iray, ho filohampirenena gasy? Tara be ve izany isika gasy sa ny filoha antsika no misary adala, satria vao t@ aprily 2007 io lalAna io no nisy?

Gaga koa aho mahita an'ity maliGaSIZaSION izay natao petatoko ity satria "fitenindreny hono" kanefa ry zareo bara, tsimihety, sakalava sy ny sisa dia tsy manana "reny" miteny an'io fiteny io.

Ka ity mainty hoditra nofinidin'ireo zamerika io ve izany dia tsy "zamerikAna" fa "arabo" araky ny filazan'ny sasany sa ahoana? Sa isika malagasy mihitsy no TENA GISITRA KA TARA lamasinin'ny fandrosoana ka mbola mirevirevy ny lio na rA madio andry zareo BARITO tsy misy pentina ka esorina dOlidOly izay manana lio vazaha tapany, na koa ireo taranaka afirikAna ka gadraina na koa atao sesi-tany, satria tsy gasy?

Any indoinezia izao ny filoha hajaina ka nihebohebo fa hoe: "any aminy "hono izy. Hin!hin!hin!hin! MijanOna any Ary ry filoha e, satria mainty hoditra no nofinidin-drizareo zamerika ho filoha fa lasa OuAinina be isika "fotsy" hoditra eto madagasikara sy ny andininy 46 ao @ lalampanorenana 2007.

Miaraka @ katolika indray izahay izao.
8. ravatorano ( 05/11/2008 10:10)
io ra kidoropamba efa lanin'ny be sy ny maro io lalampanorenana io sa mila fanovana ve izany izy io ! :?: :idea:
raha izaho manokana aloha no amerikanina dia tsy nifidy velively an i Obama zaho araky ny maha kenianina azy(avy amin'ny rainy),izay iray aloha ! tsy hoe le Pen aho na manohana an dravalo betiman fa kosa misy ihany ny tranga miseho ao antsaina hoe za v hanakiky ho entin'izany mainty hoditra izany ary oviana teto zamerika no nisy an'izany !!!!! :-P
Maro no nihevitra ange fa amin'ny fotoana farany dia hivadika ny ankamaroan'ireo mpifidy lehibe ka handatsaka ny vatony ho an'Ingahy Mc Cain saingy efa ambony sy avo lenta be ny fanaovana politika any amin dry zareo ary raha oharina aminy isika dia tena mbola lavitra be araky ny tenin i ra kidoropamba.
Ny antenaina aminy aloha dia enga anie ka hitombo ny fanampian'ny amerikanina ny tany mahantra indrindra fany ny afrikanina
9. fahamarinana ( 05/11/2008 10:24)
:arrow: fa nahoana moa no hoe hanampy kokoa ny mahantra indrindra ny afrikana izy,satria ve afrikana ny tenany, tsy ny ahasoa ny amerika ve aloha no loha-laharana 1er indrindra amin'ny maha-filoha amerika azy sy amin'ny maha-amerikana no nifidy sy nana-pahatokisana aminy.Mino aho fa raha milamina ny ao dia hisokatra ho azy ny ambiny.Andraikitry ny firenena rehetra tsy ankanavaka ny mety ho fanampiana na tsia ny tany mahantra fa tsy kosa hoe azy ireo satria tany manana sy afrikana no lohany.
Zaho manokana indray dia tsy olana amiko raha mainty na fotsy na iza no eo rehefa mifandraika amin'ny idealim-piainako ny hevitra arosony ho ahy sy hitako fa ahasoa ny tanindrazako.Tsy sur à 100% fa ho tanteraka jiaby ny promesses,mety tsy izao dia izao,mety tsy ho tratra tokoa aza fa rehefa misy fanantenana ao anatiko dia faly aho.Ary rahatoa ny olona voafidiko no lany dia tretrika tokoa,aoka fontsiny ,marina moa !!.
Hevitro izay an. (l)
10. naughtyboy ( 05/11/2008 12:29)
ozy ravatorano
\\\"raha izaho manokana aloha no amerikanina dia tsy nifidy velively an i Obama zaho araky ny maha kenianina azy(avy amin\\\'ny rainy),izay iray aloha ! tsy hoe le Pen aho na manohana an dravalo betiman fa kosa misy ihany ny tranga miseho ao antsaina hoe za v hanakiky ho entin\\\'izany mainty hoditra izany ary oviana teto zamerika no nisy an\\\'izany !!!!! \\\"

io le fiovana natombony ary nahitsiny avy atrany ny oul nihevitra toy izany, ra nihaino ny kabariny tao Grant Park Chicago nambarany ravato t@ hafatra mazava nanao oe

\\\" mbola misy ve reo manahy fa Amerika de manana toerana ahafahana manantateraka zv rehetra,reo mbola manontany fa ilay nofiny ilay nanorina ity fanjakana ity (Georges Washington 1789/1797) @ zao fotoana iainantsika izao,sy mbola manana fanotaniana @ demokrasia amerikana ..\\\"

\\\"is there...is anyone out there whose doubts that America has a place where all things are possible ,who still wonders if the dream of our founder is alive in our time ,who still questioned the power of our democracy...\\\"

modely voasoratra @ tantara no nasehony i Atoa B.Obama ny tany amamonina ary anisany lehibe indrindra @ vanimpotoana lalovany bekintana , raha ampitahaina ilay firenena natanjaka indrindra tao afrika izay nametrahany N.Mandela ny anarany teo @ tantara,samy firenena voazanaka izy reo ary niharany fanavakavahambolonkoditra @ endriny samihafa..porofo mitohoka @ tenda izao fa efa nilaozany mpifidy amerloks ny toetsaina variana mijery ny fiavina na loko ny hoditra ary malalaka sy mivoatra @ politika maha taniny fahafahana sy fahombiazana/land of opportunity ..
11. kidoropamba ( 05/11/2008 13:14)
Io ary fa mivaoka tsikelikely ny ao am-pondry ravatorano. Midradradra mondialiZasiOn sy ny forongony ary ny fihavanana gasy koto sy gasy ketaka kanefa dia tratra ilay KKK ao am-po. hin!hin!hin!hin!

Tokony mametra-pialAna aloha ny filoha hajaina amini'zao nampandresy an'i Obama io fa mifanipaka loatra ny tadin-gitAra.

8O 8O
12. xxx ( 05/11/2008 14:26)
ravatorano:
za v hanakiky ho entin'izany mainty hoditra izany ary oviana teto zamerika no nisy an'izany !!!!!


sale raciste mihintsy i toi , tena ny fitiavana an-dravalo ve no mahatonga anao hiteny izany?

avy eo responsable politique i toi eto @ serasera

raha tany france na etazonia, na angletera ise dia , gadra, satria ny propos xenophobe sy raciste dia penal, ary ho an'ireo tsy mino fa hoe entimpo aho,

http://www.afrik.com/article13639.html

ery ambany, Italie, espagne, etc... voateny ao

aiza rahery sefo, vao teny frantsay fotsiny ny olona sasany dia voasazy, ka ahoana , sa ho torianay koa ny serasera?

sa ny gasy efa maty hambom-po sy maty hozatra ka tsy taitra @ izany.

ravato:
tsy hoe le Pen aho na manohana an dravalo betiman fa kosa...

aza mihatsara-velatsihy e! manana courage ny zavatra tohanan'ise. izay le mahavoa ny gasy, de hoe tsy hoe oa oa oa aho... fa blablabla..., izay le formule phraséologique
13. xxx ( 05/11/2008 14:35)
ravatorano:

io ra kidoropamba efa lanin'ny be sy ny maro io lalampanorenana io sa mila fanovana ve izany izy io ! :?: :idea:
raha izaho manokana aloha no amerikanina dia tsy nifidy velively an i Obama zaho araky ny maha kenianina azy(avy amin'ny rainy),izay iray aloha ! tsy hoe le Pen aho na manohana an dravalo betiman fa kosa misy ihany ny tranga miseho ao antsaina hoe za v hanakiky ho entin'izany mainty hoditra izany ary oviana teto zamerika no nisy an'izany !!!!! :-P
Maro no nihevitra ange fa amin'ny fotoana farany dia hivadika ny ankamaroan'ireo mpifidy lehibe ka handatsaka ny vatony ho an'Ingahy Mc Cain saingy efa ambony sy avo lenta be ny fanaovana politika any amin dry zareo ary raha oharina aminy isika dia tena mbola lavitra be araky ny tenin i ra kidoropamba.
Ny antenaina aminy aloha dia enga anie ka hitombo ny fanampian'ny amerikanina ny tany mahantra indrindra fany ny afrikanina



Nanonofy aho! dia ampy hi!hi!hi!
Na manaiky ianao na tsia dia hehy dia ampy!!!
Ny mpifidy lehibe no nandany azy!!!
Tsy manaiky hoentin'ny mainty hoditra??? Mijeré fitaratra fa mainty daholo raha vao mivoaka ao Madagasikara!!!
Mila fanampiana nefa be vava @ lokonoditr'olona???? Mihevera tena fa ambany be izany!!! :evil: :^) :^) :evil: :evil:
14. ikaretsaka ( 05/11/2008 14:49)
nahafinaritra ny ambiance taty aminay taty e

ambony sy avo lenta be tokao ny toe-tsaina politika be kintana...
15. rabilabila ( 05/11/2008 16:24)
-Nody ho ventiny ny rano natsakain-dry Malcolm X , ry Martin Luther King , ny Black Panthers .......sy ireo rehetra niady ho an\'ny \"droits civiques \" .
Mainty no mitondra ny tany matanjaka indrindra .
-1965 vao afaka nifidy ny mainty hoditra tany Zamerika ( Raha i Ravato moa izany dia tokony tsy nomena zo hifidy sy hofidina akory ry zareo ).

Fa na izany na tsy izany, tsy ny mahamainty hoditra azy no nahalany azy ho filoha fa :
-ny fanantenana entiny hoa an\'ireo madinika mikasika ny fampianarana , ny fitsaboana ...( ho an\'ny minorités , mahantra , sy ireo voahilikilika nohon\'ny - herisetran\'ny politika ultralibérale - na fotsy na mainty na latino ...ilay olona ).
-ny fandavan\'ny vahoaka amerikana amin\'ny ankapobeny ny politika-mpanafiana an-jambany nampiaran\'i Bush sy ireo akolitany ( izay nahitana mainty toan-dry Colin Powell sy Condoleezza Rice tao amin\'ny fitantanana an\'izany ady izany ) any Irak sy Afghanistan ; vokany : olona aman\'etsiny maty +fandaniana tsy toko tsy forohana izay anisany nandrodana ny ekonomia amerikana ary nambotry ny vola tokony hitsaboana ny mahantra sy hampianarana ny zaza .

Hisy fihovana ve i Zamerika ? Efa zavadehibe ary fivoaran-tsaina goavana no naha-dépasser-n\'ireo amerikana maro ny tantarany izay tiako ampatsiahivina an-dRavatorano :
WASP ( White -anglo-saxon - protestant ) no nanjanaka tany Etats-unis ary
Esclavage no nahatonga ireo mainty hoditra tany : tsy nanana zo ary tsy olombelona mihitsy aza ho an\'ny ankabeazany .
Inona no tena mokon-dohan\'ireo WASP ireo ?
Araky ny anarany dia ireo Amerikana fotsy izay protestanta ny ankamaroany ( nanomboka tamin\'i Kennedy vao nisy prezidà katolika tany USA ) no nitondra ny firenena ; ny tena nanjaka ( ary mbola manjaka hatramin\'izao fotoana izao) tao antsainy dia : ny fotsy protestanta ihany no manana ny fahalalana sy irak\'Andriamanitra eto an-tany hitondra sy hifehy ny firenena .Ireo olona hafa fiodirana kosa indrindra fa ny mainty hoditra dia efa voalzako etsy ambony fa tsy mendrika an\'izany
Iza no mpitondra fanjakana na lehiben\'antoko politika akaiky ani\'zany indrindra ?
-tany Allemagne , Italie na Espagne : Hitler , Mussolini , Franco
-tany Frantsa : Petain , Le Pen
-tany USA : KKK
tany Afrika atsimo : nandritry ny APARTHEID

Ary eto Madagasikara kosa ?
-i Ravatorano
-ny MAP ( Merina andriana protestanta ) :sigle vao noforiniko pour désigner ireo Malagasy ( maro ) tahakan\'i Ravatorano izay mihevitra fa tsy hanaiky ho entin\'ireo olona izay antsoina hoe ANDEVO na mainty hoditra ( asa aloha na mba ahona no mety niantsoan-dry Le Pen na ry Hitler na koa ireo extrême droite eran-tany ny olona tahakan\'i Ravatorano : probable mihitsy fa ...mainty hiditra koa no ho fijeriny azy )



raha izaho manokana aloha no amerikanina dia tsy nifidy velively an i Obama zaho araky ny maha kenianina azy(avy amin\'ny rainy),izay iray aloha !


Ni-permettre ny hilatsahany ny constitution amerikana ==> ny tsy hifidiananao azy izany dia ny fihaviany ? ny lokon-kodiny ?
Inona no conclusion amin\'izany ? Mpanavakavaka ianao , ary tsy misy fehiny hafa azo tsongoina amin\'io valinteninao io .

Ary mbola namafisinao tamin\'ity moa ilay izy:
tsy hoe le Pen aho na manohana an dravalo betiman fa kosa misy ihany ny tranga miseho ao antsaina hoe za v hanakiky ho entin\'izany mainty hoditra izany ary oviana teto zamerika no nisy an\'izany !!!!!


Mahagaga tokoa ny fehezan-teny toa izao ho an\'ny mpiandraikitra ny rubrique \" politika\" eto amin\'ny serasera .
Tena raiki-tapisaka ao aminao ( tranga miseho ao an-tsaina) ny fanavakavahana .Lalimpaka tokoa ny fomba fijery KKK , sy MAP .

Na dia feno \" contradictions \" aza ireo posts nalefanao dia mibaribary ilay fotopisainana manindrona fo sy mahajambena ny maso ary mampalahelo ny saina .

16. ikaretsaka ( 05/11/2008 16:32)
Rabila koa.... zahay iznay VAK le
Vakin'Ankaratra Katolika :-D :-D :-D :-D
de ahoana ny momba anay politiquement raha any dago?
17. kidoropamba ( 05/11/2008 16:39)
Fanajantena ny fametrampialAna an'i filoha Ravalomanana. Tokony miala izy fa tena afabaraka be ny gasy sy ny filohany amin'io tsy fitiavany mainty hoditra io.

Lasa nitondra korAly Fj-kaema any Indonezia @ volambahoaka ny filoha Ravalomanana satria lany prezidA ingahy Obama. Ireto korAly Fj-kaema ireto no handrotsirotsy azy mba handemena saina amin'izao rivotra politika avy any zamerika izao. :^) :^) :^)
18. rabilabila ( 05/11/2008 16:40)
:-D :-D :-D
F'angaha ny VAK tsy manaiky ho entin'ny mainty hoditra koa ?
Efa manjanaka arak'ovy sy paoma aloha ianareo an!! :-P :-D :-D :-D
19. ikaretsaka ( 05/11/2008 16:44)
nenay rehefa voky ronono sy miletr'ovy sy paoma sy mavo tsara ny moza de miakatra tsara ny vola sy ny voly avotra dia vita soa antsena sabotsy sy ny lalana hatrany an-tanana dia izay e

que demande le peuple: etre hereux et vivre en paix

"hiadana sy hofinaritra e sambatra tokoa izahay" :-D :-D :-D
20. vale ( 05/11/2008 16:59)
hoy i kidoropamba:
Ka ity mainty hoditra nofinidin'ireo zamerika io ve izany dia tsy "zamerikAna" fa "arabo" araky ny filazan'ny sasany sa ahoana? Sa isika malagasy mihitsy no TENA GISITRA KA TARA lamasinin'ny

mananihany ve aloha enao manontany io sa?! Tsy Arabo izany i Obama, fa metisy Kenyana, ny Reniny dia fotsy hoditra ary ny Rainy no mainty hoditra.
Eo iny aloha, fa faly mihintsy aho ny nahalany azy aloha eee! Na dia atao hoe tsy tena mainty hoditra 100% aza izy, efa zava-dehibe eee, (l) (l) (l) =D> =D> =D> (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.21