fitsangatsanganana ataon'ny SERASERA DAGO

1. angotiko ( 12/10/2008 05:23)
Tany amin'ilay toerana hitsangatsanganana izahay androany ny 11 octobre ka izao no zavatra tapaka tany:
Noho ny antony tsy miankina aminay mpikarakara izay nandeha tany dia voatery tsy maintsy novana ny daty hankanesantsika any, ka naroso ny 25 octobre 2008,tsiky dia ampy, ny antony moa dia efa nisy namandrika io toerana io ny 08 novembre 2008,
Ny daty moa no niova fa ny ora sy fotoana kosa tsy niova,izany hoe: amin'ny valo ora maraina eo amin'ny "arrêt bus" eo amin'ny "SOLIMOTEL"
Ny sakafo sy ny zava-pisotro ary ny fitaovana ilaina amin'zany moa, toy ny lovia, sotro, vera dia samy mitondra ny azy.
Ny fandraisana anjara koa dia tsy miova fa 5 000 ariary na 25 000 fmg , izany hoe : saran-dalana mandroso sy miverina, fidirana eo amin'ny ESPACE, ary azahoana mandray anjara amin'ny kilalao rehetra ao amin'io toerana io, toy ny billard, piscine, karaoke, baby foot, pingpong, basket,... izay tsy voatanisa eto fa misy kilalao maro isakarazany (raha milalao zany enao dia tsy mandoa vola intsony), ary aza adino ny fitaovana ilaina amin'zany.
Marihina eto zany fa samy mandoa io fandraisana anjara io daholo isan'olona na ny mandeha fiara hiombonan'ny be sy ny maro na ny mandeha fiara manoka
Ny daty no niova fa mino izahay mpikarakara fa ny fonareo sy ny fikasanareo andeha tsy hiova, koa entanina isika mba azoto fa tsara sy mahafinaritra any eh, tsiky dia ampy
MARIHINA eto dia ny fahamatorantsika amin'ny fotoana, ny antony dia zao: voalahany dia isika dia olona matotra daholo, faharoa manaraka izany dia isika tokony ho tonga any amin'io toerana io fara fahatarany amin'ny 9 ora maraina satria hisy RALLYE any amin'ny fotoana io ka ho tapaka ny lalana ary mety aharitraritra ora maromaro izany fahatapahana izany
Koa entanina isika ary hiangaviana mba hisoratra anarana mialoha mba ahafahana manomana ny fiara hitatitra sy ny toerana ho fandrihana any.
Azo atao ny manoratra anarana eto amin'ny furum, na hiantso na handefa SMS amin'ireto laharana ireto:
GLOU: 032 04 168 86
VOAHIRANA: 033 12 609 87
AVYLAVITRA: 034 04 220 49
ANGOTIKO: 032 59 770 45
RAVATORANO 032 04 591 18
MIMICH: 033 11 543 69
Toy izao kosa ny fandaharam-potoana antsika any:
ny maraina:
-"fifakafantaran'ny tsirairay, sy fandraisana sy fiarabana ny olona vaovao zay vao mba nadeha fihaonana
-fivoriana kely momban'ny hetsika sosialy izay atao any Manakavaly
- fitsidihana ny toerana izay handehanantsika io
-lalao iraisan'ny be sy ny maro, ary marihina eto fa raha misy olona manana lalao ampilalaovana antsika rehetra miaraka dia aoka mba ho vonona amin'zany,
ny atoandro:
- sakafom-pifaliana
-fandihizana (mahazo mitondra CD)
ny tolakandro aorian'ny sakafo kosa dia fotoana malalaka ho an'ny tsirairay "quartier libre" sy "brochette party"
NY MPIKARAKARA REHETRA



novalian'i sipagasy ny 25/10/2008 19:55
2. sipagasy ( 12/10/2008 06:55)
mmhh mahafinaritra tokoa izy izany ann! dia mahazahoa fahaafinaretana e!!! izahay dia hangetaheta ambony lakana hatrany tsss, hiandry ny sary am-paharetana hoy i ikalamako izay e!
3. myaina ( 13/10/2008 06:44)
oviana ny daty farany fisoratana anarana??
4. naritsimba ( 13/10/2008 06:46)
dia ho avy tokoa moa izany!
5. tianalove ( 13/10/2008 10:22)
Enga anie mba hafana ny andro am'io mba ts ho avy ny orana fa manjary ts milomano amin'izany piscine zany.
6. ravatorano ( 13/10/2008 10:38)
dia efa io voalaza eo ambony io izany ny fandehany rehetra fa dia miandry antsika maianakavy ho tonga indray e
7. angotiko ( 13/10/2008 11:05)
tsy we manao dokam-barotra fa raha ilay toerana aloha dia tena tsara sy mahafinaritra
ny rivotra madio, ny tanana maha afaka sorisory
tena maha ala voly tokoa moa,
koa dia entanina isika e fa tsy ho maty antoka ianao raha mandeha
8. angotiko ( 13/10/2008 11:09)
tianalove: tsy misy orana aki io an! aza matahatsa njy, sady raha avy aza ny orana dia efa manana trano isika eh hialofana amin'zanyyy
9. naritsimba ( 13/10/2008 11:53)
tongava re tongava re, fa hahita zavatra maro tsy ampoizina isika.
ny namana vao², ny toerana, ny rivo-baovao, sns e...
hisy ny fifaninana @ ireo lalao izay atao.
ny PV dia azo atao tsara @ io fotoana io.
10. notron ( 13/10/2008 13:52)
Gay gay gay!
Tsy maintsy haka avance vintss any @ patrô njay zany ny bady knou! Tena ao anatin'ilay maha-tapaka sy namana mihintsy io 25 Oct io.
Izany hoe efa manana klou kalonga za fa ampina sisa e!
Nefa noho ny fifankatiavana sy ny firaisan-kina ary ny hatsaran'ny ambiasa ho hita any dia tsy maintsy hidebra ny bandy e!

Fa izao e! Aza de manao tara be rangaha fa lasa tsy ampy le fotoana a!
Lasa lany andro mifampiandry fotsiny.

Ary elah ry Prezida Glou tokony @ 6h30 d'efa tonga eo @ SOLIMOTEL satria elah no akaiky indrindra.

Dia mba samia mitondra kilalao fa tsy ianareo akory no ho lalaovina any an!

Tongava dôlidôly éééééééééé!
11. glou ( 13/10/2008 14:06)
dia tonde mitonja maillot de bain zany, baolina basket, karatra belotte na rami, ze kilalao misy any eh, de kilalao hiombonana koa, de tongava daholo fa milay io eh,
razoky> alefaso boite njay raha mbola possible ty fa sao misy tonga @ 08 nov 2008 eo @ solimotel fa tsy nahita ny fiovana,
mankalaza eh :wink:
12. angotiko ( 13/10/2008 16:32)
notron: weeeeeeeee misy kilalao mpianatry ny epp njay zany kou, faly be fa ampilalao njay enao an
glou: koa d hoazan'ny ngahy foana razokiko an! mampanahelo ahy izy kooo ataon' se miasa be lol
13. angotiko ( 13/10/2008 16:36)
ny fahatarana aloha amin'io dia tsy azo atao, fa misy ora ahatapaka ny lalana noho ny RALLYE, k'inona mou fa miampy njay ny fialahamboly fa ahita rallye kooo,
14. naritsimba ( 14/10/2008 04:54)
notron>>> fony zay mbola nianatra tany @ EPP, dia nitondra batonné, misonga, mijotso, mahay mihitsy ange i angotiko e, fa zany hoe mbô ataovy an'le hoe fony zay nianatra teny @ versité, nianatra nanisa tavoangy be de be, misonga 1 bota be, hihihihihihihihi ambiance assuré, hahahahaha, marina le hoe aza misy manao tara fa dia ilaozanay e!
Amafisina indray fa @ 8 ora maraina tsy diso eo @ solimotel Anosy no fiaingana.
misaotra e!
15. naritsimba ( 14/10/2008 04:57)
hisy azy indray ny motera be sy ny motera kely hahahahhaha!
16. notron ( 14/10/2008 06:32)
Ka bobaka ange le tsy nandalo T1 T2 T3 fa tonga de teny Ankatso de nahazo bourse e!
Lasa manadino ny fanisana koua! Fa tsy mitondra batoné fa batoné fictif e!
Fa le brochette klou no tena andrasana e!
Fa mety hilay be ny mahita an'i Legros hilalao foot an! hahahahahahaha!
naritsimba>ataovy bobaka ny ronono entin'lah sao tsy ampy ny koupazy! hihihihihihi
Mashaka bééééééé!
17. lobaka ( 14/10/2008 07:34)
soa fa nijerijery tato fa ra tsy zany dia tamin'ny novambra vao tonga tany,dia inona moa zany fa dia any ndray ny fotoana ny mpiserasera rehetra
Manantena olona be dia be sy vaovao be sy talohabe zany ko
18. angotiko ( 14/10/2008 09:32)
naritsimba: hihihihi efa mahay mapilalao an
notron: d any zany koo
lobaka: weeeeeeee hihaona ndray zany tsika koooo
19. ravatorano ( 14/10/2008 09:34)
notron < d ho hita eo indray e ! :wink:

naritsimba < gravy kouh zany koupazy lait zany kle

lobaka < gaga gaga iany aho mahita anao ato :-D :-D :-D soa fa nandalo marina an ! tsy maintsy nahare vaovao ihany nareo kah !
tandremo indray ary sao mande tongotra lavitra b indray amin io ry zandry
:-D :-D :-D :-D
20. naritsimba ( 14/10/2008 10:07)
notron>> ravato>>> de tena hitondra ronono tokoa zany zà fa tandremo sao tsy misy misotro an! le lait vao mafana ireny mihitsy no entiko, ny tsy fahaizana ange letsy no nahatonga ny fianarana any @ EPP natao 7 taona e hihihihi,
angotiko>> mba mianatra mampilalao e, fa rehefa tonga any milalao indray.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.389