Ny stigmates (stigmata)

61. niryna ( 26/09/2008 11:27)
rakaroka:
Dia "rehefa "atao hoe "borné" ny fijerin-drizareo dia tsy mahatanty anefa izay mihitsy ny vokabilary mifanaraka @ lé toetra.
:D
prime:
Mahagaga ihany ilay ambaranao satria ny tena tsy mahatanty etoana anie izao dia izay tsy mahazaka ny tenin'Andriamanitra rehefa anambarana izany e...

Raha izaho manokana ohatra (mpino sy mpanara-dia an'i Kristy) no lazainao hoe "borné", ka raha izay tokoa moa no mampitoetra ilay finoana an'i Jesosy ao anatiko, zarako aza antsoinao foana hoe prime borné...

=D=D:D
rakaroka:
Ny baiboly anefa dia mirakitra ny ampahan-tsoratra tsy feno velively fa "FENOIN'ny sain-drizareo sy amboamboariny amin'ny hitiavana azy? Dia raha milaza ny marina aho dia lazaina "manenjika sns????


Jaona 20
29 Hoy Jesosy taminy: Satria nahita Ahy hianao, dia nino; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.

30 Ary nisy famantarana maro hafa koa nataon'i Jesosy teo imason'ny mpianatra, izay tsy voasoratra amin'ity boky ity;

31 fa voasoratra izao, mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak'Andriamanitra, ary mba hanananareo fiainana amin'ny anarany, raha mino hianareo.

prime:
... Tsia kosa e... tsy ny filazanao ilay "marina" araka ny fahitanao azy no olana fa irariana aza mba hambaranao mandrakariva izany mba hampandinika ny tsirairay... fa ilay fanenjehana mihitsy ny tenin'Andriamanitra sy ny mpanompon'Andriamanitra dia tena zava-misy... zavatra samihafa mantsy izany hoe filazana ny marina sy fanenjehana izany... ary ny tenin'Andriamanitra efa mampiomana sy mampiambina ny mpanompony rehetra amin'izany ka tsy taitra amin'izany intsony (na hoe tsy mahatanty fa natao ho amin'izany izay rehetra mitory an'i Kristy) saingy teren'ny fanahin'Andriamanitra hatrany hanambara ny Vaovao Mahafaly ka tonga manelingelina aza...
:D =D
prime:

Ny hoe tsy fahafenoan'ny baiboly, raha izay no finoanao dia malalaka ny fanambarana izany...
rakaroka:
Tsia ny fombanareo ftsn anie no tsiahiviko! Ka aza sendraotra , ary marina ny teninao ry Prime hoe "manovo ny Soa amin'ny Xtiana koa "za fa ny fomba tsy mamely tsy raisiko!

izay ilay hoe raiso izay mifanandrify ny sahaza antsika. :D
prime:
Tsy misy sendaotra eto ka... ny fomban'ny kristiana tianao ambara dia tsy haiko loatra hoe maninona moa izy izay? rehefa "tsy mamely" araka ny ambaranao dia aza raisina tokoa... tsy ilay kristiana no zava-dehibe fa i Kristy Jesosy nanolotra ny tenany ho avotra ho an'ny maro...
=D.mitovy hevitra aminao koa aho .Tsy ny tenantsika no deraina fa Atra izay nanome ny teny izay omena ny olona .
prime:

Ka na arianao daholo aza ny fomba kristiana sy ny kristiana dia tsy olana mihitsy izany fa tsy natao hazonina rahateo fa tokana ihany no tena Izy sy tsara hazonina dia Jesosy Kristy... raha Izy kosa no lavinao na tsy raisinao dia zavatra hafa mihitsy izay...
marina tokoa izany satria Kristy no torina ,ny famonjena izay avy Aminy irery ,ny lalana mankany amin'ny Ray izay Izy irery....mazava ho azy fa raha tsy tia mandray ny tenin'Atra sy fampianarana hafa no nomen'ny olona antsika dia tsy hino ireo voalaza ao anaty baiboly ireo tokoa isika ka dia ny herin'ny tenantsika ihany no heverintsika fa ho izy.
misaotra nizara fa mazava tsara sy mitombona tokoa io resahin'i prime io ,anjaran'izay mahafantatra no mizara ary anjarantsika no mandray,tsy mora ny manaraka an'i kristy kanefa vao maika aza mahafaly ny manampy ireo mangetaheta an'i kristy,
inona no nahatonga anao hino Azy ?
Inona no fihovana teo amin'ny fiainanao rehefa nandray Azy ho Tompo sy Mpamonjy anao amin'ny fiainanao iray manontolo hianao ?
Dia anjaran'ny tsirairay no mandray izay tandrifiny satria mahafinaritra kokoa ny mizara noho ny mandray


:-*
62. ikaretsaka ( 26/09/2008 19:05)
niryna:
Hoy i prime:

Ny hoe tsy fahafenoan'ny baiboly, raha izay no finoanao dia malalaka ny fanambarana izany...

Hoy i rakaroka:
Tsia ny fombanareo ftsn anie no tsiahiviko! Ka aza sendraotra , ary marina ny teninao ry Prime hoe "manovo ny Soa amin'ny Xtiana koa "za fa ny fomba tsy mamely tsy raisiko!


izay ilay hoe raiso izay mifanandrify ny sahaza antsika.


izay iznay le hoe tsimpotsimpona ze metimety ihany e
63. fijo ( 26/09/2008 20:22)
hoy i prime:" Hoy i rakaroka:
Dia "rehefa "atao hoe "borné" ny fijerin-drizareo dia tsy mahatanty anefa izay mihitsy ny vokabilary mifanaraka @ lé toetra.

... Mahagaga ihany ilay ambaranao satria ny tena tsy mahatanty etoana anie izao dia izay tsy mahazaka ny tenin'Andriamanitra rehefa anambarana izany e..."

tsy hoe ilay teny no tsy zaka ry prime,fa ilay fiezahana hampiasa azy amin'izay tiana hampety azy fotsiny.
64. ikaretsaka ( 26/09/2008 21:17)
tsy hoe ilay teny no tsy zaka ry prime,fa ilay fiezahana hampiasa azy amin'izay tiana hampety azy fotsiny.

izay mihitsy

65. rakaroka ( 26/09/2008 22:38)
prime:

quote=rakaroka]Dia "rehefa "atao hoe "borné" ny fijerin-drizareo dia tsy mahatanty anefa izay mihitsy ny vokabilary mifanaraka @ lé toetra.
... :)
Mahagaga ihany ilay ambaranao satria ny tena tsy mahatanty etoana anie izao dia izay tsy mahazaka ny tenin'Andriamanitra rehefa anambarana izany e...
:roll: 8O 8O 8O :-w :-w
'Zaho dia mihaino ny tenin'Atra tsy zovianao akory, ary tsy manadino izay nolazainy akory! Fa ny "Blem-ko dia ilay fandraisanareo ny tenin'Atra tsy araka ny izy loatra, tahaka ny sesefana ftsn "amboletra hoe "Raiso Kristy", ny baiboly ihany no hevero. Ny baiboly anie boky iray parmis tant d'autre ary na ny voasoratra ao aza ce n'est qu'une séquence tsy feno. Koa na isika mamaky aza ve tsy mahatsapa hoe misy mandingana izany tantara izany? Rehefa tsy ampy dia mbô tokony reconnessé-vana aloha! Tsy ny fahasoavan'Atra ihany anie no andrandraina fa ny "Compréhension aloha! , raha tsy izany dia toa ireny mpanaty rak'hena ireny ftsn 'nareo!

66. ikaretsaka ( 27/09/2008 02:10)
rakaroka:


'Zaho dia mihaino ny tenin'Atra tsy zovianao akory, ary tsy manadino izay nolazainy akory! Fa ny "Blem-ko dia ilay fandraisanareo ny tenin'Atra tsy araka ny izy loatra, tahaka ny sesefana ftsn "amboletra hoe "Raiso Kristy", ny baiboly ihany no hevero. Ny baiboly anie boky iray parmis tant d'autre ary na ny voasoratra ao aza ce n'est qu'une séquence tsy feno. Koa na isika mamaky aza ve tsy mahatsapa hoe misy mandingana izany tantara izany? Rehefa tsy ampy dia mbô tokony reconnessé-vana aloha! Tsy ny fahasoavan'Atra ihany anie no andrandraina fa ny "Compréhension aloha! , raha tsy izany dia toa ireny mpanaty rak'hena ireny ftsn 'nareo!




mitohy hevitra
67. tywa68 ( 27/09/2008 07:27)
Niryna :
Dia anjaran'ny tsirairay no mandray izay tandrifiny satria mahafinaritra kokoa ny mizara noho ny mandray

Ilay fomba fizaràna an'ilay izy koa no tena samy manana ny azy :°)
68. ikaretsaka ( 27/09/2008 19:05)
tywa68:

Niryna :
Dia anjaran'ny tsirairay no mandray izay tandrifiny satria mahafinaritra kokoa ny mizara noho ny mandray

Ilay fomba fizaràna an'ilay izy koa no tena samy manana ny azy :°)


izay mihitsy.. ka tsy hoe rehefa tsary naka zara t@ ny anao akory ny olona fa tany an-kafa izy no naka ny azy de ratsy.


69. fahamarinana ( 28/09/2008 10:01)
:arrow: :) marina daholo ny voalazanareo dahy...
dia ny olona mandray koa misy karazany koa :misy afaka hanaovana toriteny be sy andininy,misy koa hafa hany ka rehefa misy taraina na remarque dia tokony raisina na au moins henoana dia tandremana amin'ny manaraka e.Fa kosa tsy ovaina na interpreter-na ny tena Teny Soratra Masina sy tiana zaraina...Ny tanjona dia ny hampisy fanontaniana ao anatin'ny tsi 11 fa tsy voatery izao dia izao fa mety rahampitso na amin'ny herinandro na tsy hiditra fontsiny zao e!
Sarotra ilay mizara io e,na dia hoe ampitenenin'ny Fznahy Masina aza... :)(l)
70. prime ( 29/09/2008 11:06)
ikaretsaka:
izay iznay le hoe tsimpotsimpona ze metimety ihany e
... Tsy hoe tsimpotsimpona izay metimety no marina fa ny ambaran\'ny tenin\'Andriamanitra... tsy ny fahakelezan\'ny finoanao no ilazànao ny hafa ho manao izay metimety araka ny heviny... ny fahendrena dia ny mianatra sy mandalina fa na lazainao mpitsimpona in-jato aza ny mpitory sy ny mpanambara ny Vaovao Mahafaly dia tsy mahasakana ny famonjena ny fanahin\'ny olona izay mino sy mandray ny tenin\'Andriamanitra izany...

Jesosy Kristy koa tamin\'ny fotoan\'androny dia nenjehina tamin\'ny endriny rehetra ary nolazainn\'ny olona ho demoniaka mihitsy aza satria tsy azon\'ny olona izay nambarany... Izy rahateo efa nilaza fa tery ny lalana mankany amin\'ny fiainana ary tsy ho zakan\'ny olona ny fanambarany...
rakaroka:
\'Zaho dia mihaino ny tenin\'Atra tsy zovianao akory, ary tsy manadino izay nolazainy akory! Fa ny \"Blem-ko dia ilay fandraisanareo ny tenin\'Atra tsy araka ny izy loatra, tahaka ny sesefana ftsn \"amboletra hoe \"Raiso Kristy\", ny baiboly ihany no hevero. Ny baiboly anie boky iray parmis tant d\'autre ary na ny voasoratra ao aza ce n\'est qu\'une séquence tsy feno. Koa na isika mamaky aza ve tsy mahatsapa hoe misy mandingana izany tantara izany? Rehefa tsy ampy dia mbô tokony reconnessé-vana aloha! Tsy ny fahasoavan\'Atra ihany anie no andrandraina fa ny \"Compréhension aloha! , raha tsy izany dia toa ireny mpanaty rak\'hena ireny ftsn \'nareo!
... Ka izay indrindra ilay olana, ilay \"forme\" \'ny baiboly no mampivaky loha ny maro fa ilay \"fond\" tsy raisina... dia mba hanamarinan-tena satria hentitra ny lazain\'ny baiboly (tsy vitsy no tsy mahazaka raha nilazana fa tsy sitrak\'Andriamanitra ny fifohana sigara sy fisotroan-toaka ataon\'ny mpino ohatra, na ihany koa, vitsy no mahazaka fa tsy sitrak\'Andriamanitra ny fivavahana amin\'ny razana sy ny sampy) dia lazaina fa ny baiboly no tsy ampy, \"borné\" ny olona mpamaky baiboly, mitsimpona no handaniana andro...sns

Ny tenin\'Andriamanitra dia mazava ary Kristy nanambara ny tenany dia voafaritra mazava tsara araka izay ambaran\'ny Soratra Masina... ny fandalinana izany manomboka any amin\'ny Genesisy ka hatrany amin\'ny Apokalipsy aza tsy ampy sy tsy vita ary tsy atao akory dia lazaina ilay baiboly no tsy ampy... eo no olana... ny eo aza tsy raisina sy ianarana sy inoana dia lazaina ho tsy ampy...

Ny hoe misy \"séquence\" tsy feno ny baiboly ary toa misy mifandingadingana aza, dia izay ilay antony handalinana hoe inona no nahatonga izany dia inona marina no venti-kevitra dia inona ny tohiny? sns... fa mifameno avokoa ny boky rehetra ao amin\'ny baiboly nefa olona tsy nifankahita, samy nanana ny vanim-potoany avy, samy nanana ny fiainany avy, samy nanana ny tontolony avy no nanoratra azy ary ny ambarany dia Tokana : Jesosy Kristy, antony nanaovana izao tontolo izao, ivony, ihafaran\'izao tontolo izao, fiainana mandrakizay... manomboka any amin\'ny Genesisy ka hatramin\'ny Apokalipsy dia mifandrohy avokoa... tsy mifampitohy mivantana ohatra eo amin\'ny boky roa mifanesy saingy mifampitohy araka ny nanambaran\'Andriamanitra ny mahaIzy Azy avokoa...

Raha izay no tsy hita rehefa mamaky ny baiboly dia izay indrindra no antony ivavahana tsy mitsahatra mba atoron\'ny Fanahy Masina ny hevitr\'Andriamanitra rehefa mamaky baiboly... fa raha io no vakivakiana toy ny \"roman\" na raisina toy ny \"culture générale\" na atao \"philosophie\" na atao \"balises et principes\" amin\'ny fiainana dia banga ilay tena votoatiny manambara an\'i Kristy amin\'ny fahafenoany...
tywa68:
Ilay fomba fizaràna an\'ilay izy koa no tena samy manana ny azy
... Mitombina tanteraka izany satria samy manana ny fanomezam-pahasoavana ho azy tsirairay avy ny olona araka ny herin\'Andriamanitra... ary izay indrindra no tsy tsara ifampitsaratsaràna satria an\'Andriamanitra ny asa fa tsy an\'ny olona, Izy no Tompo, Izy no manapaka, Izy no mandahatra, Izy no manatanteraka... ka izay asainy ataon\'i prime dia tsy hitovy amin\'ny asainy ataon\'i niryna, tsy hitovy amin\'ny asainy ataon\'i LazaDaddy, tsy hitovy amin\'ny asainy ataon\'i tywa68... ary nefa dia mifameno avokoa izay ambaran\'ireo satria Jesosy no mibaiko, Izy no miantso...

Raha ny fahalemen\'i prime nefa no itsikerana ny fampianaran\'i Kristy dia aoka ho fantatra fa izay fahalemen\'i prime izay mihitsy no anisan\'ny nifidianan\'i Kristy an\'i prime... ka tsy i prime no zavadehibe fa i Kristy izay ambarany... raha i prime no olana dia azo fafana i prime sy ny momba azy satria mpanompo ihany izy... An\'i Kristy rahateo ny asa ka Izy no mahalala ny antony nifidianany an\'i prime ho mpanompony... fa na i prime aza tsy mahalala hoe inona no antony... fa Jesosy Kristy tsy maintsy ambara ary eo no tsy azon\'ny maro satria Jesosy ilay nanolotra ny tenany dia tsy niova omaly sy anio ary mandrakizay... i prime azo fafana, ny mpanompo maro hafa azo fafana, fa na fafana aza ny mpanompo rehetra izay mitory an\'i Kristy dia tsy mitsahatra manendry olona Jesosy hanambara Azy... ary matetika aza dia ny olona tsy tia ny tenin\'Andriamanitra sy mpankahala ny fiangonana sy mpanenjika ny mpanompon\'Andriamanitra no tonga mpanompo mahafatrapo an\'i Kristy... efa nandalo izany avokoa ireo mpanompo marobe raha tsy hiteny an\'i Paoly Apostoly fotsiny aza ohatra...
fahamarinana:
marina daholo ny voalazanareo dahy...
dia ny olona mandray koa misy karazany koa :misy afaka hanaovana toriteny be sy andininy,misy koa hafa hany ka rehefa misy taraina na remarque dia tokony raisina na au moins henoana dia tandremana amin\'ny manaraka e.Fa kosa tsy ovaina na interpreter-na ny tena Teny Soratra Masina sy tiana zaraina...Ny tanjona dia ny hampisy fanontaniana ao anatin\'ny tsi 11 fa tsy voatery izao dia izao fa mety rahampitso na amin\'ny herinandro na tsy hiditra fontsiny zao e!
Sarotra ilay mizara io e,na dia hoe ampitenenin\'ny Fznahy Masina aza...
... Mitombina ny fanamarihanao... itoviako hevitra tanteraka ilay hoe tsy voatery izao dia izao fa miankina amin\'ny fifandraisan\'ny tsirairay amin\'Andriamanitra... na ny tena koa aza dia nandany fotoana andro ela ny Tompo va naharesy lahatra ka nahoana no tereko izao dia izao ny hafa?

Mitombina tsara ilay fanamarihana...
71. fahamarinana ( 29/09/2008 11:21)
prime:
Raha ny fahalemen'i prime nefa no itsikerana ny fampianaran'i Kristy dia aoka ho fantatra fa izay fahalemen'i prime izay mihitsy no anisan'ny nifidianan'i Kristy an'i prime... ka tsy i prime no zavadehibe fa i Kristy izay ambarany... raha i prime no olana dia azo fafana i prime sy ny momba azy satria mpanompo ihany izy... An'i Kristy rahateo ny asa ka Izy no mahalala ny antony nifidianany an'i prime ho mpanompony... fa na i prime aza tsy mahalala hoe inona no antony... fa Jesosy Kristy tsy maintsy ambara ary eo no tsy azon'ny maro satria Jesosy ilay nanolotra ny tenany dia tsy niova omaly sy anio ary mandrakizay... i prime azo fafana, ny mpanompo maro hafa azo fafana, fa na fafana aza ny mpanompo rehetra izay mitory an'i Kristy dia tsy mitsahatra manendry olona Jesosy hanambara Azy... ary matetika aza dia ny olona tsy tia ny tenin'Andriamanitra sy mpankahala ny fiangonana sy mpanenjika ny mpanompon'Andriamanitra no tonga mpanompo mahafatrapo an'i Kristy... efa nandalo izany avokoa ireo mpanompo marobe raha tsy hiteny an'i Paoly Apostoly fotsiny aza ohatra...

:arrow: mazava tsara raha ny amiko aloha...dia mbola hiezaka be be kokoa zany fahamarinana aloha ny amin'izay.:) (l)
72. ikaretsaka ( 29/09/2008 15:14)
prime :

Hoy i ikaretsaka:
izay iznay le hoe tsimpotsimpona ze metimety ihany e

... Tsy hoe tsimpotsimpona izay metimety no marina fa ny ambaran'ny tenin'Andriamanitra... tsy ny fahakelezan'ny finoanao no ilazànao ny hafa ho manao izay metimety araka ny heviny... ny fahendrena dia ny mianatra sy mandalina fa na lazainao mpitsimpona in-jato aza ny mpitory sy ny mpanambara ny Vaovao Mahafaly dia tsy mahasakana ny famonjena ny fanahin'ny olona izay mino sy mandray ny tenin'Andriamanitra izany...



za tsy manda mihitsy ilay hoe fizarana ny vaovao mahafaly aloha ry prime, fa ny laviko de le fananana view manokana momba io dia twistena ilay izy mahatonga le hoe ny TIANA sy rehefa mifandraika @ le hevitra dia tena tsimponina sy aparitaka tokoa fa rehefa somary mifandrafy dia dinganina tanteraka!
lasa tsy ilay vaovao mahafaly en tant que vaovao mahafaly intsony no miparitaka hiafarany fa lasa izay sombitsombiny ihany mitampoka ilay vue afaka hi persuadena olona hanaraka ilay doctrine sy firehankevitra tiana voizina

rehefa hanaparitaka ihany ianao dia izy rehetra haparitaka... fa tsy izay metimety @ ze sekta voanjo alika any ihany.
Ohatra heo voalaza ny momban'i Piera de zay tena arak'iny lazaina, ny momban'i Maria, ny momban'ny Eokaristia sns.... rehefa tsy mazava dia fakafakaina

73. fahamarinana ( 29/09/2008 17:33)
:arrow: ka ny olana ( raha azo lazaina toy izay ) koa angamba dia betsaka ny finoana mandray anjara ato :catho,protest,evanjelika,silamo,na ny tsy finoan'ny fijo sy ny hafa tsy voatanisa hany ka lasa misy karazana teny betsaka izay tsy hitovizana loatra,sy fomba tsy itovizana ihany koa...dia lasa mitarika incompréhension amintsika samy tsika.Nefa mety ho diso koa aho angambany... :? (l)
74. ni81 ( 29/09/2008 17:55)
ze sekta voanjo alika any ihany.
:roll:
75. ikaretsaka ( 29/09/2008 18:06)
ni81:

ze sekta voanjo alika any ihany.
:roll:



k'hita fa sekta voanjo alika ko!
76. tywa68 ( 29/09/2008 18:30)
fahamarinana:

:arrow: ka ny olana ( raha azo lazaina toy izay ) koa angamba dia betsaka ny finoana mandray anjara ato :catho,protest,evanjelika,silamo,na ny tsy finoan'ny fijo sy ny hafa tsy voatanisa hany ka lasa misy karazana teny betsaka izay tsy hitovizana loatra,sy fomba tsy itovizana ihany koa...dia lasa mitarika incompréhension amintsika samy tsika.Nefa mety ho diso koa aho angambany... :? (l)

Tsy tokony olana anie ny tsy fitovizana fa tokony ho fakafakaina hoe maninona no misaina ohatran'izany ry silamo sy ry krispijo ... koa ny kristianina aza moa miseho be saina daholo, nefa milaza fa mila fandeferana e sns... d jereo e !
Ao ny midongy fa tsy nahazo an'ilay "vaovao mahafaly" nampanatenaina fa zavatra hafa no hitany :°) toa fifandirana sy fitsikeràna ny hafa no be, tandremo ihany fa ny fomba fanoratra sy fiteny eto d efa an'isany ahitàna fa mpanara-dia an'i Kristy ianao fa tsy ilay andininy tsindrohana etsy sy eroa fanomezana lesona ny manodidina :wink:
77. fahamarinana ( 29/09/2008 18:37)
:arrow: eka ozy...ka iraisako hvtr ilay lazain'i tywa fa dia eto aloha zany zao.. :wink: (l)
78. ikaretsaka ( 29/09/2008 19:21)
ka izay le fijerena ny fahasamihafana izay mihitsy ange le ezahina tadiavina eto ry tywa e
ohatra hoe inona no mahasamihafa ny mitsimpona sy ny mitsimpona..
inona ny maha samihafa ny fomba tsy finoan\'ny athee krispijo @ fomba tsy finoan\'ireo athe tsy krispijo ohatra
inona no maha samihafa ny sekta voanjo alika amin\'ny sekta vanja alika ohatra!
ny maha samihafa ny silamo talibano sy ny si\'hita ohatra..
ny maha samihafa ny tangalamena sy ny tangalatsimena
ny maha samihafa ny protestanta Efojikaemina sy ny Efelemina!
Eny na ny maha samihafa ny Trappiste sy nhy benedictine aza

le version hoe samy sekta
79. prime ( 30/09/2008 09:00)
ikaretsaka:
za tsy manda mihitsy ilay hoe fizarana ny vaovao mahafaly aloha ry prime, fa ny laviko de le fananana view manokana momba io dia twistena ilay izy mahatonga le hoe ny TIANA sy rehefa mifandraika @ le hevitra dia tena tsimponina sy aparitaka tokoa fa rehefa somary mifandrafy dia dinganina tanteraka!
lasa tsy ilay vaovao mahafaly en tant que vaovao mahafaly intsony no miparitaka hiafarany fa lasa izay sombitsombiny ihany mitampoka ilay vue afaka hi persuadena olona hanaraka ilay doctrine sy firehankevitra tiana voizina
... Raha izany tokoa no zava-misy dia zava-doza... satria tsy i Jesosy intsony no resahana fa izaho sy ny fiangonako sy ny finoako sy ny fivavahako sns... no ambarako... mazava ho azy fa tsy mitondra famonjena sy fiadanana ary fifaliana ho an'ny olona intsony fa mety hahatonga fisalasalana mihitsy aza...

Itoviako hevitra ny ambaranao raha mitodika amin'ny fampandinihan-tena no tianao ahatongavana, fa raha kosa ilay izy hanamarinana ny an'ny tena ka izay rehetra tsy mitovy firehana sy fijery amin'ny ekar no tianao ahitsy hanaraka ny fomba fijery ekar dia eo ilay olana satria ianao ihany dia mandika ilay foto-kevitra tsara tianao ambara hoe tsy mendrika ny manana "view" manokana ka manery ny hafa hanaraka an'iny...

tywa68> Itoviako hevitra ilay fanamarihana satria mila fitandremana tokoa... fa na Kristy aza dia efa nahatsapa an'io tamin'ny fotoan'androny ary ny Apostoly koa nahita izany... fa maro ny olona no nitory an'i Kristy tamin'ny fialonana, tamin'ny fitsitokotokoana, tamin'ny fifanenjehana, tamin'ny adilahy sns... misy fananarana maro momba izany ao amin'ireo epistily ireo...

Na izany aza nefa dia tsy nahasakana ny fitoriana an'i Kristy avokoa izany... ary tsara itandremana araka ny ambaranao...
80. ikaretsaka ( 30/09/2008 16:18)
Itoviako hevitra ny ambaranao raha mitodika amin'ny fampandinihan-tena no tianao ahatongavana, fa raha kosa ilay izy hanamarinana ny an'ny tena ka izay rehetra tsy mitovy firehana sy fijery amin'ny ekar no tianao ahitsy hanaraka ny fomba fijery ekar dia eo ilay olana satria ianao ihany dia mandika ilay foto-kevitra tsara tianao ambara hoe tsy mendrika ny manana "view" manokana ka manery ny hafa hanaraka an'iny...

ka io ange no mahatonga ahy miteny le heo tsara kokoa ny mahafantatra ny maha samihafa azy k'aloha e
zahako:
izay le fijerena ny fahasamihafana izay mihitsy ange le ezahina tadiavina eto

ohatra hoe inona no mahasamihafa ny mitsimpona sy ny mitsimpona..
inona ny maha samihafa ny fomba tsy finoan'ny athee krispijo @ fomba tsy finoan'ireo athe tsy krispijo ohatra
inona no maha samihafa ny sekta voanjo alika amin'ny sekta vanja alika ohatra!
ny maha samihafa ny silamo talibano sy ny si'hita ohatra..
ny maha samihafa ny tangalamena sy ny tangalatsimena
ny maha samihafa ny protestanta Efojikaemina sy ny Efelemina!
Eny na ny maha samihafa ny Trappiste sy nhy benedictine aza

sady izay rahateo ny nisokafan'ity adihevitra ity: hoe fanontaniana sy hampafantarana ny fijery maro samihafa momban'ny stigmates ohatra!

samihafa ny manontany, ny milaza ny finoany sy ny manazava momban'iny zavatra inoana amin'ny argument maro samihafa
noho ilay hoe izya ny finoanay.. tsy maintsy mino ianao!
raha miteny aho hoe maninona ianao no mitsimpona dia izhao tsy mitsimpona dia ny mahatsara sy ny maharatsy ny mitsimpona no aroso na rehefa ohatr'izao de inoanareo fa rehefa tsy izao de tsy inoanareo, dia arguments no ampiadiana fa tsy hoe tsy maintsy manaraka ianao.

Raha fintinina dia ny tiako ahatongavana dia ny fahalalana hoe noho izao (omena ilay argument mazava) no mahatonga ny (sokajim-pinoana) manao sy manaiky izao (dia lazaina ilay zavatra ekena na lavina) ... dia ampitahana iny @ hoe :ary toa adinonareo ny nijery ilay izao nefa nahatonga anareo nino an'izao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3619