Ny stigmates (stigmata)

41. prime ( 23/09/2008 08:36)
Mitovy hevitra amin'i Mandefitra sy Bor2lais ny tenako...

Misaotra an'i Ikaretsaka nitondra ny fahitan'ny katolika ny "stigmates"...

Misy hevitra itoviako amin'i Rakaroka amin'ny ankapobeny saingy rehefa jerena tsara dia lasa "préjugés" ilay izy fa tsy tonga amin'ny fotokevitra...
Ny olon'Andriamanitra, mino sy manaiky an'i Jesosy dia olona feno ny fanahy masina ary mandalina sy mandinika ny zavatra rehetra... ary tsy sahy mitsaratsara fa mitandri-tena mafy araka izay nananaran'i Kristy azy rehetra...
42. fahamarinana ( 23/09/2008 08:57)
:arrow: izay voalazan'ny tywa zay mihintsy ,hoy koa aho... (l)
43. naughtyboy ( 23/09/2008 10:39)
ozy ikaretsaka
" 1) ilay andriamanitra telo izay iray aloha tsy voalaza ao anaty baiboly mihitsy nefa inoanao (tsetsatsetsa ny ahy "

avy eo de

"I bear on my body the marks of Jesus," hoy ny faran'ny gaslatianinina"
efa novaliany prime io eto ary io no anorenako finoana nitaizana ahy,
" Ny olon'Andriamanitra, mino sy manaiky an'i Jesosy dia olona feno ny fanahy masina ary mandalina sy mandinika ny zavatra rehetra... ary tsy sahy mitsaratsara fa mitandri-tena mafy araka izay nananaran'i Kristy azy rehetra..."

tena ekeko,endrika hafa @ fanajana sy finoana @ A.tra 3 izay iray ,tsy izay tiany ika amerana ny finoana akory no atao oe finoana na ko oe oe tsy ny baiboly fa ny A.tra no fanaperana zay le oe mandika vilana ramose :-D :-D
A.tra de fiandohana sy fiafarana (alfa sy omega)ary antsoina oe telo izay 1( trinity mo izy zay :Ray,zanaka ary fanahy masina)tena siora v ika fa tsisy ao anaty baiboly izany, tapitra ... tsy ze itiavany ika azy ihany foana akory no izy:-D

44. naughtyboy ( 23/09/2008 11:36)
zao ko nisy zv nitovitovy t@ io @ finoana hafa tany India asa mo na hinduism na in
1 taona na 2 taona lasa zay nisy zaza teraka efatra ny tanany sy ny tongony,ny dokotera mo de niteny fa mila operation le zaza(tsy voazava oe ahoana fa de abnormality..no fahafatarany dokotera azy io) nefa betsaka t@ reo indiana no nanatitra fanomezana sy nivavaka t@ le zaza satria nino fa reincarnation le andramaniny io zay nilatsaka teto antany KALI= hindu goddess (mifandray @ fahafatesana sy fandravana) ka tsy haihay tsony ny zv ra vao hafahafa de oe famantarana iny na izao na izao ka nena de tsotra araky ny teniny prime mailo sy mitandrina fa misy ny mpisandoka sy manao famantarana samihafa andrebirebena saina..
45. ikaretsaka ( 23/09/2008 12:17)
de aiza le fifandraisan'ny tsaok'hevitra @ ilay heo 3 de 1 tsy voalaza ao anaty baiboly mihitsy sy le hoe mitondra ny marik'i kristy?
ny marik'i kristy 1 kristy moa ny 1 trinite?


toy ny hoe "inona no ifandraisan'y vitsika @ petrole eto"? hoy ny ankizy
46. naughtyboy ( 23/09/2008 12:27)
efa oe aza mandika vilana ramose :-D :-D avereno vakina 1 mande heo ny resako ozy za:
"ny tsy afaka ato antsaiko na ny baiboly aza milaza tsy haiko tsara oe aiza fa ny heriny ratsy de afaka manao fahagagana sy famantarana marobe ka izay no mahamailo ahy tena izy ve sa tsy izy na ekeny hafa aza mbola ilaina ny hevitry ny fanahy ilaza ny marina(Andriamanitra 3 izay 1) "
Ny hevitry ny fanahy izay ao anaty TRINITY no antsoiko oe 3 izay 1 no afaka manoro lalana ny tsy takatry ny saina sy ny zv miafina izay no ifandraisany ,...sa aiza ho aiza @ zay ny resaka vitsika sy petrole :-D :-D io de ekeko fa hevitrankizy :-D
47. fijo ( 23/09/2008 20:26)
raha nojereko ilay famaritana dia izao:" * sur les mains ou les poignets, rappelant les plaies causées par les clous ;
* sur les pieds ou les chevilles, rappelant les plaies causées par les clous ;
* sur la tête, rappelant les plaies causées par la couronne d'épines ;
* sur le dos, rappelant les coups de fouet ;
* sur le flanc, rappelant la plaie causée par une lance.

Les personnes présentant ces marques sont appelées « stigmatisé(e)s »."

ny olan adia ity.atramin'izao anie ka tsy mbola haymarin ahoe "tena ny felatanany ve le nofantsiana sa ny tananay????"raha felatanana mantsy tsy nahazaka ny vatany teo ambony hazo fijaliana.

ny tongony koa tena ny felatongony ve sa ny ny hatotongony????raha tsy hay mazava mantsy le tena toerana nisy le fery,sarotra ny hiteny hoe tena izao na izao.
48. rakaroka ( 23/09/2008 21:37)
[quote=prime]
Misy hevitra itoviako amin'i Rakaroka amin'ny ankapobeny saingy rehefa jerena tsara dia lasa "préjugés" ilay izy fa tsy tonga amin'ny fotokevitra...
Ny olon'Andriamanitra, mino sy manaiky an'i Jesosy dia olona feno ny fanahy masina ary mandalina sy mandinika ny zavatra rehetra...
:roll:

Ka tsy marina aza ve ireo "principe de base avec limitation" izay nijoroan'ny pro ho maha-izy azy?....Dia raha zohina 'taoko fehezin'ny principe-ny ny fiainany, dia raha ireo no "zohina dia hitondra amin'ny fanadalinana ny zava-drehetra ve izany?...(taoko vao tsy voasoratra ao anaty baiboly dia efa an'izao ttlo izao tsy fihevitra loatra satria hoe "aza manaraka ny fanaony sns.
ary tsy sahy mitsaratsara fa mitandri-tena mafy araka izay nananaran'i Kristy azy rehetra...
:roll:
Ny antsoina hoe "Rakaroka" dia milaza ny tsy mety rehefa tokony hilaza izany,
izay ny ahy no fijoroako ho vavolombelona tahaka an'i Kristy hoe nisy zavatra maro tsy nety koa nataon'ny olona dia nahitsiny , ka ilay izy tsy hoe fitiavana hanenjika fahatany fa fikatsahana "Fampandrosoana" ny fiainana? Sady hoy anie Jesoa hoe "izay mino ahy ny asa ataoko no ataony koa, tany am-piangonana izy (lay nandroaka hoe ny tranoko tsy atao trano fieren'ny jiolahy, dia mbô mianatra ny ataony wa hoe rehefa misy tsy eken'ny eritreritra dia "avoaka". Sady 'ngaha moa izy nanamboatra fiteny fa tsy nahitsy t@ izay



49. majesty ( 24/09/2008 11:19)
hoy ika:
Ahoana tokoa ny fijerin'ny finoana hafa ankoatran'ny katolika an'io zavatra io


Ilay hoe stigmata efa faheno fa tsy mbola nahita.

marihina @ katolika dia betsaka ny olona nasandratra ho olomasina no mitondra io famantarana io anisan'izany i Md Paoly araka ny filazany ao @ faran'ny taratasiny ho an'ny Galatianina hoe "mitondra ny Mariky ny ferin'ny Tompo"


Raha jerena ihany koa ny fomba firesak'i Md Paoly (io lazain'i Ika io ny santionany) dia saika efa fanaony ny miteny toy ireny,ohatra hoe: asiako mafy ny tenako ho mangana,tsy izaho intsony no velona fa Kristy no velona ato anatiko...sns
50. prime ( 24/09/2008 11:27)
ikaretsaka:
1) ilay andriamanitra telo izay iray aloha tsy voalaza ao anaty baiboly mihitsy nefa inoanao (tsetsatsetsa ny ahy iny)
... (mindrana famaliana hevitra tokony ho an\'i naughty fa miala tsiny) Vakio tsara ilay baiboly fa tena voalaza sy voasoratra mazava tsara ao io Andriamanitra telo izay iray io... (azo omena anao ny toko sy andininy rehetra, nefa ianao indrindra anie ilay tsy mahazaka mamaky no sady tsy mamaky akory rahateo)
ikaretsaka:
2)Andriamanitra no fahataperana fa tsy ny baiboly
... Fa inona moa no atao hoe baiboly amin\'ikaretsaka?
ikaretsaka:
3) raha tranga hoe expert sy tena nahazo sy nanovo fianarana tanteraka momba ilay tranga no mi reconnatitre azy sy mahatonga azy ho reconnu
... Zavatra roa no mahalasa saina amin\'ny fanambarana toa izao :

  • Fanitrikitrihana fa tokana manana ny marina, nefa tsy voamarina ara-tsoratra masina ilay ambara
  • Fiheverana sy fanamarinana ho mahafantatra sy afaka manamarina ny asan\'Andriamanitra sy ny fomba fiasan\'Andriamanitra mihoatra noho izay tokony hambara
fijo:
ny olan adia ity.atramin\'izao anie ka tsy mbola haymarin ahoe \"tena ny felatanany ve le nofantsiana sa ny tananay????\"raha felatanana mantsy tsy nahazaka ny vatany teo ambony hazo fijaliana.

ny tongony koa tena ny felatongony ve sa ny ny hatotongony????raha tsy hay mazava mantsy le tena toerana nisy le fery,sarotra ny hiteny hoe tena izao na izao.
... Ianao ihany dia efa namaly azy... maro ny fikarohana efa nanambara ny vokatra nataon\'ny mpikaroka mikasika io voalazanao io...

Fa ho an\'ny mpino kristiana dia tsy ny zavatra ivelany toa izao no tian\'i Paoly nambara fa lalim-paka sy any am-po sy aty fanahy mihitsy raha ny voalazany tao amin\'ny epistily no tena dinihina...
rakaroka:
Ka tsy marina aza ve ireo \"principe de base avec limitation\" izay nijoroan\'ny pro ho maha-izy azy?....
... Ny mpino kristiana dia olon\'afaka ary efa hamarinin\'ny ràn\'i Kristy ka tsy misy \"limitation\" araka ny tianao ambara fa baikon\'ny fitiavana... matoa izy mifehy tena dia tsy hoe tsy mahalala na tsy mahafantatra fa vokatry ny fitiavana ao anatiny izay tena sarobidy tsy atakalo na ahoana na amin\'inona... fa ny mifanohitra amin\'izany aza no lazain\'ny tenin\'Andriamanitra fa aseho aminy ny zavatra rehetra ary ampahafantarina azy ny zavatra rehetra ao amin\'Andriamanitra ary raha tsaroanao dia izany no nanehoan\'Andriamanitra ny voninahiny tamin\'ireo mpanompony rehetra hatramin\'ny namoronana izao tontolo izao ka mandrak\'izao... (ohatra velona ao amin\'ny soratra masina ny momba an-dry Mosesy, ry Josefa Praiministra tany Egypta, Davida Mpanjaka, Solomona Mpanjaka... Paoly Apostoly... sns)
rakaroka:
Dia raha zohina \'taoko fehezin\'ny principe-ny ny fiainany, dia raha ireo no \"zohina dia hitondra amin\'ny fanadalinana ny zava-drehetra ve izany?...(taoko vao tsy voasoratra ao anaty baiboly dia efa an\'izao ttlo izao tsy fihevitra loatra satria hoe \"aza manaraka ny fanaony sns.
... Ny olona feno ny fanahin\'Andriamanitra dia mbola mandinika lavitra mihoatra noho izay heverin\'ny olona... mandinika ny fo sy fanahy fa tsy izay hita maso sy azo tsapain-tanana sy azo porofoin\'ny siansa, izay voafetra ihany araka izay lalànan\'ny natiora napetrak\'Andriamanitra...

Tsy voafehin\'ny \"principes\" araka ny iheveranao azy fa misokatra amin\'ny fahalalàna rehetra andinihana tsara ny sitrapon\'Andriamanitra izay mihoatra noho ny zavatra rehetra isaky ny misy tranga...
rakaroka:
Ny antsoina hoe \"Rakaroka\" dia milaza ny tsy mety rehefa tokony hilaza izany,
izay ny ahy no fijoroako ho vavolombelona tahaka an\'i Kristy hoe nisy zavatra maro tsy nety koa nataon\'ny olona dia nahitsiny , ka ilay izy tsy hoe fitiavana hanenjika fahatany fa fikatsahana \"Fampandrosoana\" ny fiainana? Sady hoy anie Jesoa hoe \"izay mino ahy ny asa ataoko no ataony koa, tany am-piangonana izy (lay nandroaka hoe ny tranoko tsy atao trano fieren\'ny jiolahy, dia mbô mianatra ny ataony wa hoe rehefa misy tsy eken\'ny eritreritra dia \"avoaka\". Sady \'ngaha moa izy nanamboatra fiteny fa tsy nahitsy t@ izay
... Misaotra anao amin\'ny finiavana lalina tianao ampitaina ary hitako hoe mendrim-pideràna satria misy fikatsahana ny soa sy ny tsara ho an\'ny hafa...

Fa ny fanamarihana nambarako dia tsy mitodika loatra aminao manokana fa ilay fanehoan-kevitra eto amin\'ny serasera mitsara avy hatrany ny hafa tsy amin\'ny fanontaniana sy ny fandalinana fa amin\'ny fanambarana araka izay fahalalana voafetra noraisina na hita na novakiana... izaho manokana dia mbola manentana hatrany ny rehetra mba handalina sy handinika ary hamakafaka hatrany ary manontany mihitsy aza raha ilaina... izaho eto amin\'ny serasera dia manovo fahalalàna tsy hita pesimpesimpesenina ary mianatra mihitsy aza, indrindra moa fa misy zavatra tsy dia fantatra loatra na tsy mazava tsara... tsara lavitra ny mamaky tsara, mihaino ny hafa, mandinin-tena hoy ny namana maro izay fa tsy miziriziry amin\'ny hevidiso na hevitra mampisalasala...

Ianao (rakaroka) manokana izao tena hitako fa mandinika tokoa ary na tsy itovianao hevitra aza dia tsapa fa ekenao sy raisinao ihany na dia tsy dia tena maharesy lahatra anao aza... fomba fijery toa izany izao dia mendrika alain-tahaka, izay tsy dia ananan\'ny maro loatra...

Mikasika ny hoe fitsikerana mivantana sy ny fanitsiana izay diso dia tsy misy tsy mahamety izany... fa mendrika kokoa (raha ny hevitro fa ianao ihany no mahalala ny momba anao) raha amin\'ny fitiavana no anaovana izany satria na Kristy aza dia tamin\'ny fitiavana hatrany no nanaovany izany... fa matoa Izy nandray fanapahan-kevitra hentitra toy ny nataony tao an-Tempoly dia satria efa mihoatra noho ny tokony azo leferina ny zavatra nitranga... nialoha ny niakarany tao an-Tempoly dia efa nampianatra sy nananatra matetika Jesosy ary tsy vitsy tamin\'ireo mpivarotra noroahany ireo no efa nahita Azy, nihaino Azy nampianatra sy nanao fahagagana mihitsy aza... ny ankamaroan\'ireo ihany anie ilay nihoby Azy \"Hosana Hosana\" raha hiditra tao Jerosalema Izy e, hoe \"Hosana ho an\'ny zanak\'i Davida\"...
51. ikaretsaka ( 24/09/2008 13:34)
Hoy i ikaretsaka:
2)Andriamanitra no fahataperana fa tsy ny baiboly
prime namaly azy:
... Fa inona moa no atao hoe baiboly amin'ikaretsaka?


dia averiko le fanoharako hoe ... tsy ao anaty tavoahangina eau vive na olympiko na evian,... na eny @ paompy sy loharano ihany akory no misy rano!
52. fijo ( 24/09/2008 20:38)
prime,marika ivelany no lazaina eto,ka rah amarik aivelany ,dia tokony ho fantatra marina aloha hoe taiza no nisy ireo marik aireo marina???
53. rakaroka ( 24/09/2008 20:38)
Dia "rehefa "atao hoe "borné" ny fijerin-drizareo dia tsy mahatanty anefa izay mihitsy ny vokabilary mifanaraka @ lé toetra.
Ny baiboly anefa dia mirakitra ny ampahan-tsoratra tsy feno velively fa "FENOIN'ny sain-drizareo sy amboamboariny amin'ny hitiavana azy? Dia raha milaza ny marina aho dia lazaina "manenjika sns???? Tsia ny fombanareo ftsn anie no tsiahiviko! Ka aza sendraotra , ary marina ny teninao ry Prime hoe "manovo ny Soa amin'ny Xtiana koa "za fa ny fomba tsy mamely tsy raisiko!
54. fijo ( 24/09/2008 20:41)
izay tokoa
55. ikaretsaka ( 24/09/2008 22:15)
izay foana anie no averiko hoe nga eo @ paompy ihany no misy rano?
(fanoharana:baiboly=paompy, Rano =andriamanitra)
rehefa tsy voalohanao koa ny fakture na manana paompy aza ianao de tsary hisy rano handeha ao :-D :-D :-D
56. tywa68 ( 25/09/2008 15:40)
:lol:
57. ikaretsaka ( 25/09/2008 15:52)
fijo:

raha nojereko ilay famaritana dia izao:" * sur les mains ou les poignets, rappelant les plaies causées par les clous ;
* sur les pieds ou les chevilles, rappelant les plaies causées par les clous ;
* sur la tête, rappelant les plaies causées par la couronne d'épines ;
* sur le dos, rappelant les coups de fouet ;
* sur le flanc, rappelant la plaie causée par une lance.

Les personnes présentant ces marques sont appelées « stigmatisé(e)s »."

ny olana dia ity.atramin'izao anie ka tsy mbola haymarin ahoe "tena ny felatanany ve le nofantsiana sa ny tananay????"raha felatanana mantsy tsy nahazaka ny vatany teo ambony hazo fijaliana.

ny tongony koa tena ny felatongony ve sa ny ny hatotongony????raha tsy hay mazava mantsy le tena toerana nisy le fery,sarotra ny hiteny hoe tena izao na izao.


ialahy koa .. raha hoe misalaka ialahy na manao milbandy de mampaninona na salaka kava rambo ny an'ialahy na lamba soga?
na milibandy mitsoriaka miakatra ny an'ialahy sa mitsoriaka mitsivalana...


:-D :-D :-D
58. fijo ( 25/09/2008 21:33)
ka eto anie letsy ,misy dikany ny fahalalana ilay toerana e.
ohatra.misy diana trobaka ny takibako ankavia,nefa i lery ny ankavanana no voalaza fa notsindromina.de hilaza ve za fa za koa stigmata????
59. ikaretsaka ( 25/09/2008 23:11)
de jerena aloha heo inona no nahatrobaka ny takiban'ialahy ko
fa tsy hoe ankavia sa ankavanana
60. prime ( 26/09/2008 10:58)
ikaretsaka:
dia averiko le fanoharako hoe ... tsy ao anaty tavoahangina eau vive na olympiko na evian,... na eny @ paompy sy loharano ihany akory no misy rano!
... tsy mamaly fanontaniana... inona amin'ikaretsaka ny atao hoe baiboly?
ikaretsaka:
izay foana anie no averiko hoe nga eo @ paompy ihany no misy rano?
(fanoharana:baiboly=paompy, Rano =andriamanitra)
rehefa tsy voalohanao koa ny fakture na manana paompy aza ianao de tsary hisy rano handeha ao
... Tsy ratsy ilay fanoharana =D =D ... saingy tsy mamaly fanontaniana... averiko indray, inona amin'ikaretsaka ny atao hoe baiboly? raha hoe baiboly (fanoharana)=paompy no valinteninao dia aok'etsy... mila valin-teny mazava hoe inona amin'ikaretsaka ny atao hoe baiboly?...
fijo:
prime,marika ivelany no lazaina eto,ka rah amarik aivelany ,dia tokony ho fantatra marina aloha hoe taiza no nisy ireo marik aireo marina???
... Ekeko ilay fanamarihanao satria marika ivelany tokoa no amaritan'ny ekar ny atao hoe "stigmates"...

Fa ny fanamarihako tsy miresaka ilay fampianaran'ny ekar (izaho koa aza mianatra sy mba mandinika ny ambaran'ikaretsaka etoana izay isaorana azy tanteraka) fa ny nambaran'ny Soratra Masina tao amin'ny Epistily...
rakaroka:
Dia "rehefa "atao hoe "borné" ny fijerin-drizareo dia tsy mahatanty anefa izay mihitsy ny vokabilary mifanaraka @ lé toetra.
... :) Mahagaga ihany ilay ambaranao satria ny tena tsy mahatanty etoana anie izao dia izay tsy mahazaka ny tenin'Andriamanitra rehefa anambarana izany e...

Raha izaho manokana ohatra (mpino sy mpanara-dia an'i Kristy) no lazainao hoe "borné", ka raha izay tokoa moa no mampitoetra ilay finoana an'i Jesosy ao anatiko, zarako aza antsoinao foana hoe prime borné... :)
rakaroka:
Ny baiboly anefa dia mirakitra ny ampahan-tsoratra tsy feno velively fa "FENOIN'ny sain-drizareo sy amboamboariny amin'ny hitiavana azy? Dia raha milaza ny marina aho dia lazaina "manenjika sns????
... Tsia kosa e... tsy ny filazanao ilay "marina" araka ny fahitanao azy no olana fa irariana aza mba hambaranao mandrakariva izany mba hampandinika ny tsirairay... fa ilay fanenjehana mihitsy ny tenin'Andriamanitra sy ny mpanompon'Andriamanitra dia tena zava-misy... zavatra samihafa mantsy izany hoe filazana ny marina sy fanenjehana izany... ary ny tenin'Andriamanitra efa mampiomana sy mampiambina ny mpanompony rehetra amin'izany ka tsy taitra amin'izany intsony (na hoe tsy mahatanty fa natao ho amin'izany izay rehetra mitory an'i Kristy) saingy teren'ny fanahin'Andriamanitra hatrany hanambara ny Vaovao Mahafaly ka tonga manelingelina aza...

Ny hoe tsy fahafenoan'ny baiboly, raha izay no finoanao dia malalaka ny fanambarana izany...
rakaroka:
Tsia ny fombanareo ftsn anie no tsiahiviko! Ka aza sendraotra , ary marina ny teninao ry Prime hoe "manovo ny Soa amin'ny Xtiana koa "za fa ny fomba tsy mamely tsy raisiko!
... Tsy misy sendaotra eto ka... ny fomban'ny kristiana tianao ambara dia tsy haiko loatra hoe maninona moa izy izay? rehefa "tsy mamely" araka ny ambaranao dia aza raisina tokoa... tsy ilay kristiana no zava-dehibe fa i Kristy Jesosy nanolotra ny tenany ho avotra ho an'ny maro...

Ka na arianao daholo aza ny fomba kristiana sy ny kristiana dia tsy olana mihitsy izany fa tsy natao hazonina rahateo fa tokana ihany no tena Izy sy tsara hazonina dia Jesosy Kristy... raha Izy kosa no lavinao na tsy raisinao dia zavatra hafa mihitsy izay...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2057