2012 - Ny fara andro

1. LibrePenseur ( 17/09/2008 08:21)
Salama saholo!

io taona io no voalaza fa:
1) fara andro, hoy ny toko sy andininy nolazain'ny mpaminany any amin'ny baiboly kristiana
2) miova ny tany, hoy ny siantifika sasany
3) misy ary hisesisesy ny loza voajanahary, hoy ihany ireo siantifika hafa
4) mety hisy extra-terestre hanafika ny olombelona, hoy ihany ireo siantifika sasany
5) hijanona ny fanisana fotoana fa mety hiova, hoy ny calendrier Maya
6) hiseho ireo ady samihafa manerana ny tany, hoy ireny mpaminany sasany tamin'ny andron'ny antiquité ireny

Mba mila mahafantatra ny hevitry ny maro aho manoloana ireo voalaza ireo, raha ao amin'ny google fotsiny no manao fitadiavana ny hoe "2012" dia ho hitanareo ny ho lazainy.

Ny tena mahavariana ahy mantsy dia izao: mifanandrify eo amin'io taona io avokoa ny filazan'ireo karazan'olona samihafa ireo...

Misaotra
2. ni81 ( 17/09/2008 09:12)
Ny taona, ny daty, ny andro marina aloha dia tsy tena misy mahafantatra an'izany.
http://www.baiboly.org/asehoy.asp
Fa kosa ireo zava-miseho sy misy, dia manaporofo ny zavatra hitranga.
3. simplex ( 17/09/2008 09:57)

ahiako hanao otran'le t@ 2000 indray ity le. Za efa niandry fatratra an'le akoho tao @ tanana fa tsy nety naniry mintsy ny nifiny wa :^)
4. salopard ( 17/09/2008 10:01)
2012, loza lehibe: ho prezida fanintelony ravalomanana
tsy ampy dôzy aloha, fa sao misy any e rakaroka sy shoan an ary fijo a sns...!
afo no tadiaviko ry zokykofa sy zokyjoba an!

afokely fa tsy afobe

snif...
tchouFF...
5. Noue ( 17/09/2008 10:20)
LibrePenseur:

Salama saholo!

io taona io no voalaza fa:
1) fara andro, hoy ny toko sy andininy nolazain'ny mpaminany any amin'ny baiboly kristiana
2) miova ny tany, hoy ny siantifika sasany
3) misy ary hisesisesy ny loza voajanahary, hoy ihany ireo siantifika hafa
4) mety hisy extra-terestre hanafika ny olombelona, hoy ihany ireo siantifika sasany
5) hijanona ny fanisana fotoana fa mety hiova, hoy ny calendrier Maya
6) hiseho ireo ady samihafa manerana ny tany, hoy ireny mpaminany sasany tamin'ny andron'ny antiquité ireny

tena LibrePenseur marina ianao ka

fa tsy aleo ve hapetraka @ Andriamanitra ihany ireo fanontaniana ireo ?

ary iza izany mpaminany any @ baiboly kristiana zany ?

:^) :^) :^) :^) :^) :^)
6. hery ( 17/09/2008 11:03)
:-)

1) toko sy Andininy aiza? Omeo hoe
2) Siantifika iza? Omeo boky na lien
3) idem
4) idem
5) Lany daty? :-)
6) efa hatry ny ela no niseho ny ady eran-tany
7. nathie86 ( 17/09/2008 11:53)
efa oe t@ 2000 ny henoko tsita iany, d mibebaha mafy daolo zany kouh :lol:
8. LibrePenseur ( 17/09/2008 12:08)
Tena misy erreur ilay serveur ri ni86 ka tena tsy tafiditra amin'ilay lien lazainao io aho fa mba azonao lazaina amin'ny ambangovangony ve ny voalazany ao?
dia inona ny hevitrao?
9. Noue ( 17/09/2008 12:15)
efa be izay filazan'io olona rehetra izao hoe ho avy ny fara andro nefa 2008 isika izao dia aiza izy izany eee :-D :-D :-D :-D

fa raha mba azonao valiana ireto manaraka ireto
"hery":
1) toko sy Andininy aiza? Omeo hoe
2) Siantifika iza? Omeo boky na lien
3) idem
4) idem
5) Lany daty?
6) efa hatry ny ela no niseho ny ady eran-tany
10. LibrePenseur ( 17/09/2008 12:40)
documentaire vidéo ngeza no nahitako ny famintinana ireo tranga samihafa ireo ka inona no fomba hahitanao azy? titre: "apocalypse 2012"

ankoatr'izany, ireto misy lien vitsivitsy:
http://www.erenouvelle.com/doss2012maya.php
http://lesmessagersdutemps.com/part8.html

santionany ireo fa tena tsy voatazoko daholo ny ankamaroany
11. xxx ( 17/09/2008 13:33)

aza miteniteny foana fa mampihomehy be eh!
12. Veloo ( 17/09/2008 14:38)
ni81 [ Valio ] 17-09-2008 11:12:48
Lohateny : Re : 2012 - Ny fara andro
Ny taona, ny daty, ny andro marina aloha dia tsy tena misy mahafantatra an'izany.
Jereo eto
Fa kosa ireo zava-miseho sy misy, dia manaporofo ny zavatra hitranga.

marina ny an'i ni81, miseho ireo zava misy ireo tsy mitidika hoe izay ny fara andro...Fihomanana ho antsika fotsiny ireo
13. rakaroka ( 17/09/2008 15:02)
Dia misy crotère efa tsianjery maimbo fotsiny tokoa an! marina ny tenin'i Hery hoe "oviana moa no tsy nisy firenena niady: 'taoko hatry ny fahagola ka mandrak'izao :roll: :-D :-D . Ka raha izany no atao porofo mampanao an'ity
:{ :{ :{ :{
14. ikaretsaka ( 17/09/2008 15:42)
miala any indray ilay fisainana le hoe ..eeeeeeh modia miasa daholo fa tonga ny deba! miala any miala any ny deba... efa eny ambony roplam hono fa mikoropaha...modia miasa....

tsy misy mahalala ny farany hono na ny zanany aza e
15. Noue ( 17/09/2008 16:37)
amiko aloha dia tsy midika na inona na inona ireo voalaza ireo fa na ny mpandefa dinika aza anie LibrePenseur eeeee :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
16. fahamarinana ( 17/09/2008 18:54)
:arrow: njekaiky o,hangoron'entana aho zany.... :-P
Ny fiomanana efa natao ary mbola atao sy ho atao hatrany ka rehefa mipaka ilay fotoana dia atrehina ihany koa na rahoviana na rahoviana e....:) (l)
17. Noue ( 17/09/2008 19:11)
Hoy Jesoa : "Indro avy faingana Aho ; ary eto amiko ny famaliako, mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany avy. Izaho no Alfa sy Omega, ny Voalohany sy ny Farany, ny fiandohana sy ny fiafarana." Apokalypsy 22:12-14

"Koa amin’izany miambena ianareo fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora." Matio 25:13 Koa raha tsy hiambina ianao, dia ho tonga toy ny fihavin’ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako aminao."Apo.3:3

ka ahoana no ahasahiana ary iza no sahy milaza fa @ 2012 io? :^) :^) :^) :^) :^)
18. fijo ( 17/09/2008 20:33)
2012 ve?,? aorian'ny 2011 io ary alohan'ny 2013,ka inona no hitranga???za koa izao mba hafaka hilaza fa hisy ady mivaivay be etsy sy eroa,de hisy olona maty indray amin'io taona io,ary ny 31 janoary 2012 dia iray andro aorian'ny 30 janoary 2012.tena marina io an,faminaniana itako io ary soratra masina tamina boky mihntsy no namakiako azy.
ary amin'io taona 2012 io,dia hisy ririnina mangatsiaka sy fahavaratra be orana be.de hisy rivodoza indray any mada.aleo hajanoko fa maro loatra ny faminaniana itako momba io taona io.
19. rakapy ( 17/09/2008 22:11)
-SOLD, SOLD, SOLD LEHIBE!!! hoy ireo mpivarotra te hi liquider entana.
-DIEGO-VOHEMAR DIRECT ANIO!!! hoy ny mpanera te hahalafo billet.
-FARA ANDRO,FARA ANDRO!!! kosa hoy ireo sectes te hangorona ny haren'ny mpanara-dia azy :-D :-D :-D :
20. ikaretsaka ( 17/09/2008 22:39)
rakapy:

-SOLD, SOLD, SOLD LEHIBE!!! hoy ireo mpivarotra te hi liquider entana.
-DIEGO-VOHEMAR DIRECT ANIO!!! hoy ny mpanera te hahalafo billet.
-FARA ANDRO,FARA ANDRO!!! kosa hoy ireo sectes te hangorona ny haren'ny mpanara-dia azy :-D :-D :-D :

izya mihitsy letsy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3941