Inona moa ity antsoina hoe natao ao anatin'ny maizina???

1. badboy ( 28/08/2008 21:58)
Inona moa ity antsoina hoe natao ao anatin'ny maizina???

Ilay natao nandritra ny fotoana tsy nisian'ny jiro ve? Ka raha izay dia mpilalao anaty maizina daholo izany na ny rehetra na ny mpivady aza!!

Sa kosa entina ilazana ireo tsy mety natao?? Koa raha izay maninona no tsy lazaina fotsiny hoe tsy mety fa no lazaina hoe natao anatin'ny maizina!!

Sa kosa ilay maizina ilay tsy mifanaraka @ izay raisinao ho mazava?? Dia samy mamaritra ny maiziny sy mazavany izany ny tsirairay!! Raha toa izay indray no fipetrany, maninona no misy mametrak avy hatrany fa ito no mazava, satria ve izay no tiany hoe mazava?? Dia miverina @ ilay fanambarana faha2 ihany izany!!

Tsy misy noho izany ny mazava sy maizina, fa ny mety sy ny tsy mety no azo lazaina hoe misy!! Ny fanjakana anefa no mamaritra hoe ito no mety azo atao ary ito no tsy mety!! Tsy hisy hahasahy na iray aza hitsangana ny hanohatra izay nofaritan'ny fanjakana izay satria matahotra ny hidoboka!! Ny fanjakana izany no tompon'ny teny farany @ mety sy tsy mety!! Izay ilay fiainana antany, ny olombelona no mamaritra ny mety sy ny tsy mety fa tsy ny zavatra hafa!! ;-) ;-) ;-)
novalian'i niryna ny 16/09/2008 17:25
2. Ilo ( 29/08/2008 11:17)
Raha fivavahana no resahina dia ny antsoina hoe ao anatin'ny maizina dia izay olona mbola tsy manana an'i Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy satria mbola maty ara-panahy izy, araka ny voalaza ao @ Genesisy 2.7 hoe "Nefa aza ihinananao ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa @ andro hihinanao azy dia ho faty tokoa ianao", raha nihinana ilay voankazo voarara i Adama sy Eva dia ny fanahiny no maty t@ io andro io.
Tsy misy resaka manao ny mety sy tsy mety izany fa ny famonjena antsika dia tsy avy @ asa izay ataontsika fa fahasoavana avy @ finoana.
Ka na manao ny mety tahaka ny inona aza isika fa tsy ao @ Kristy dia asa maina izany fa tsy mahavonjy.
3. niryna ( 29/08/2008 19:12)
Ilo:

=D
Jaona 1:1-14

1 Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.

2[b] Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany.

3 Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.

4 Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.

5 Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy
nandray azy.
2[Na: tsy nahasakana azy].
10 Teo amin'izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy.

11 Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy.

12 Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,

13 dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra.

14 Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.

Io ilay fahazavana lazaiko lava eto dia Jesosy Kristy izany
vita tompoko
4. ikaretsaka ( 29/08/2008 19:44)
le maizina sy mazava aloha relatif..ka arakaraky ny fijery inona no tian'i Badboy hitondrana azy
ilo niryna> misaotra fa tokony nanontaniana aloha ilay nametraka fanontaniana hoe inona ny domaine du definition hitaritana ilay izy..
5. diamondra27 ( 29/08/2008 19:57)
Tsy maintsy miverina amin'ny fiandohana aloha vao afaka mamaritra hoe;inona ny atao hoe mazava de inona ny maizina

Samy mahalala isika fa tamin'ny voalohany de Atra nahary ny lanitra sy ny tany. Ary ny tany dia tsy misy endrika sady foana ary aizina no tambonin'ny lalina... ary Atra nanao hoe: misia ny mazava dia nisy mazava. Ary Atra nanao ny mazava hoe andro
Ary nisy ny mazava sy maizina ary nampisarahan'Atra izany.
dia ny maizina no atao hoe: alina genesisy 1: 1-5

Rehefa tonga anefa Jesosy dia Izy no natao hoe: fahazavan'izao tontolo izao ary tian'Atra tsy hisy intsony ilay aizina fa aina sy fiainana mandrakizay no nomaniny ho antsika.
Izany rehetra izany dia ao amin'i Jesosy Kristy irery ihany.
Jesosy no fiainana , lalana, fahazavan'izao tontolo izao, fahamarinana
6. badboy ( 29/08/2008 20:25)
NY fiainana antany dia ny fifohana rivotra, fihinanankanina, fandehanan miasa mitady vola hahazoana izany rehetra izany!! Tsy maintsy ireo no atao satria ireo no misy sy mbola hisy raha mbola eto antany!!

Ilay fanavahana ny tsy mivavaka ho ivelan'ny fahazvana sy ny mpivavaka ho ao anatiny no tsy mitombina!! Ireo izay nanavotr'aina nohon'ny fahatsapany fa ambony ny fianan'olombelona t@ ady lehibe faha2 ve izany dia tsy olon'ny fahazavantsaina sy fanahy satria tsy mivavaka??? Dia izay mivavaka footsiny sy mampirisika hivavaka fa tsy miasa manampy arabatana ireo mpiaramonina aminy izany ve no atao hoe ao anatin'ilay fahazavana!!

Izay no mahatonga ahy miteny hoe tsy misy ny mazava sy maizina raha olombelona no resahina, ny andro sy ny alina no misy, ary ny manao ny mety sy ny tsy mety!!! ;-) ;-) ;-)
7. fijo ( 29/08/2008 21:23)
1. Mpandefa : Ilo [ Valio ] 29-08-2008 13:17:29
Lohateny : Re : Inona moa ity antsoina hoe natao ao anatin'ny maizina???
Raha fivavahana no resahina dia ny antsoina hoe ao anatin'ny maizina dia izay olona mbola tsy manana an'i Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy satria mbola maty ara-panahy izy,"

izany hoe ny silamo ny jiosy sns izany dia maizina daholo????mafy ianareo ka
8. rijadolly ( 30/08/2008 06:16)
ilo:
Raha fivavahana no resahina dia ny antsoina hoe ao anatin\'ny maizina dia izay olona mbola tsy manana an\'i Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy satria mbola maty ara-panahy izy
fijo:
izany hoe ny silamo ny jiosy sns izany dia maizina daholo????mafy ianareo ka
Na ny silamo na ireo Jiosy dia samy manaiky avokoa fa Misy ilay Zanak\'Andriamanitra ato hoe Kristy,izay Mpanjaka ny mpanjaka.Samy manaiky avokoa ireo fa io Zanak\'Andriamanitra io no hanafaka izao tontolo izao.Io Zanak\'Andriamanitra io ihany koa no fahazavana.Izany hoe izay tsy manana azy dia mbola ao anatin\'aizina.Iza àry ilay Kristy?Ny Mpaminana Jaona mpanao batisa dia nanambara ao amin\'Matio oh fa hisy Mpaminany Lehibe ho avy ao aoriany izay manam-pahefahana eo amin\'Fanjakan\'Andriamanitra Matio 3 :1-12.
Ankehitriny dia tsy misy na iray aza kaaraza-mPivavahana tsy manonina ireo Fivavahana manaradia an\'Kristy ho Kristianina.Ao amin\'atoko Mpivavahana inonona ary no mitohetra i Kristy? izay Mnadaha azy ve?
izay manana an\'Kristy dia mahatsiaro tena ho olon\'afaka satria efa nohentiny teo ambony hazofijaliana ny enta mavesatrany rehetra.I Korintianina 1:17-31
9. rijadolly ( 30/08/2008 07:15)
badboy:

Inona moa ity antsoina hoe natao ao anatin'ny maizina???

Ilay natao nandritra ny fotoana tsy nisian'ny jiro ve? Ka raha izay dia mpilalao anaty maizina daholo izany na ny rehetra na ny mpivady aza!!

Sa kosa entina ilazana ireo tsy mety natao?? Koa raha izay maninona no tsy lazaina fotsiny hoe tsy mety fa no lazaina hoe natao anatin'ny maizina!!

Sa kosa ilay maizina ilay tsy mifanaraka @ izay raisinao ho mazava?? Dia samy mamaritra ny maiziny sy mazavany izany ny tsirairay!! Raha toa izay indray no fipetrany, maninona no misy mametrak avy hatrany fa ito no mazava, satria ve izay no tiany hoe mazava?? Dia miverina @ ilay fanambarana faha2 ihany izany!!

Tsy misy noho izany ny mazava sy maizina, fa ny mety sy ny tsy mety no azo lazaina hoe misy!! Ny fanjakana anefa no mamaritra hoe ito no mety azo atao ary ito no tsy mety!! Tsy hisy hahasahy na iray aza hitsangana ny hanohatra izay nofaritan'ny fanjakana izay satria matahotra ny hidoboka!! Ny fanjakana izany no tompon'ny teny farany @ mety sy tsy mety!! Izay ilay fiainana antany, ny olombelona no mamaritra ny mety sy ny tsy mety fa tsy ny zavatra hafa!! ;-) ;-) ;-)
Ny maizina dia natao sariteny izay miovaova ny heviny arakaraky ny hevitra tiana ambara .Mety hoe: tsy fahalalana,ratsy,fanetretena,...

10. diamondra27 ( 30/08/2008 07:34)
badboy: tsy azoko aloha na aizina aiza na amin'ny inona no tianao ho fantatra eto amin'ity dinika ity fa ny fandraisako azy satria resaka fivavahana ny eto dia ny se baser tamin'ny Baiboly aho. Koa noho izany dia izay voalazan'ny baiboly ihany no azoko zaraina aminao
Koa raha hoy ianao hoe tsy misy izany mazava sy maizina izany dia tena mivaona amin'ilay baiboly isika ka tsy misy azo iandian-kevitra intsony ny amin'izany fa kosa azoko atao tsara ny mihaino sy mamaky ny hevitrao.

Marina dia marina io voalazanao io hoe: NY fiainana antany dia ny fifohana rivotra, fihinanankanina, fandehanan miasa mitady vola hahazoana izany rehetra izany!! Tsy maintsy ireo no atao satria ireo no misy sy mbola hisy raha mbola eto antany!!, tsy laviko velively fa eo amin'ny maha-kristiana kosa dia natao ny baiboly mba ho fitaratra eo amin'ny fiainantsika araka ireo voalazanao ireo
Ny tenin'Atra dia aina ho an'izay mahazo azy ary famelomana ny fanahiny.
Tsarovy anefa fa isika ange no velona dia noho ny fanahy izay ao amintsika e. Koa izany fanahy izany dia mila velomina ary izay no idiran'ity resaka vavaka sy Atra Jesosy ity amin'ny fiainantsika.
Asa na efa nahita ireny olona tsy manam-panahy ireny ianao fa ohatry ny faty mandehandeha ry zareo satria tsy afaka mi-raisone intsony satria tsy misy intsony ny fanahy.
Ny biby koa na zava-maniry dia tsy misy fanahy.
Ny tiako hiaviana dia hoe: raha resaka eto an-tany no lazaina dia isika olombelona tsy azo sarahina amin'ny fanahy.
reste a savoir hoe: inona no amelomanao io fanahinao io ,izay voalazan'ny baiboly ve sa coran sns

Tsy mila iadivan-kevitra ny amin'io fa samy manana ny finoany sy antenainy fa hahavonjy azy ny tsirairay rahatrizay.

11. fahamarinana ( 30/08/2008 09:10)
rijad:
Ny maizina dia natao sariteny izay miovaova ny heviny arakaraky ny hevitra tiana ambara .Mety hoe: tsy fahalalana,ratsy,fanetretena,...

:arrow: rijad :tsy azoko loatra,raha manetry tena aho ve zany azo lazaina fa ao anatin'ny aizina koa raha araka io voalazanao io.? misaotra mialoha raha afaka manazava. :)
diam's:
Tsy mila iadivan-kevitra ny amin'io fa samy manana ny finoany sy antenainy fa hahavonjy azy ny tsirairay rahatrizay.

:arrow: izay koa no hitako tenin'ny fahendrena satria raha hametraka andininy lava be dia hivaona ndray ny dinika amin'ny tsy fitiavana loatra ny andininy lava be... .Fanazavana ohatr'izao no tsara sy miditra akia diam's a... =D> :-* (l)
fijo:
izany hoe ny silamo ny jiosy sns izany dia maizina daholo????mafy ianareo ka

rijad:
Na ny silamo na ireo Jiosy dia samy manaiky avokoa fa Misy ilay Zanak'Andriamanitra ato hoe Kristy,izay Mpanjaka ny mpanjaka.Samy manaiky avokoa ireo fa io Zanak'Andriamanitra io no hanafaka izao tontolo izao.Io Zanak'Andriamanitra io ihany koa no fahazavana.Izany hoe izay tsy manana azy dia mbola ao anatin'aizina

:arrow: zany tokoa moa ? ary noheveriko fa tsy mino any kristy ry zareo..tsy manaiky azy ho mpanafaka ,sns...sns...:o,zà koa moa ny marina tsy dia nandinika ny coran ...
ilo :misaotra nanazava ny dikany raha resaka Fivavahana no jerena :)
badboy :misy fahamarinany koa ny sasany amin'ny voalazanao raha amin'ny maha-olo-tsotra no ijerena azy...(l)
12. rijadolly ( 31/08/2008 03:06)
fahamarinana:

hoy i rijadolly :
Ny maizina dia natao sariteny izay miovaova ny heviny arakaraky ny hevitra tiana ambara .Mety hoe: tsy fahalalana,ratsy,fanetretena,...
:arrow: rijad :tsy azoko loatra,raha manetry tena aho ve zany azo lazaina fa ao anatin'ny aizina koa raha araka io voalazanao io.? misaotra mialoha raha afaka manazava. :)
Misaotra Fahamarinana tsy nisorona a!
Eo amin'ilay Fanetretena:matetika dia ampiasaina ny maizina na ny aizina na tsy fahazavana rehefa mivavaka isika,Inoako fa efa azon'Fahamarinana sahady ny tiako lazaina.Ra mbola tsy azon'se moa dia afaka manazava kokoa aho:-* :-*

13. piste ( 31/08/2008 03:50)
Ka na manao ny mety tahaka ny inona aza isika fa tsy ao @ Kristy dia asa maina izany fa tsy mahavonjy.

fijery protestant be ity ka tokony hofaritana mialoha fa mampisavorovoro ny hafa.

Dia mbola mitovy @ izay koa ilay voalaza eo ambony : izay tsy manana an'i Kristy dia ao anatin'ny maizina. Izay midika ho fanilihana ny hafa avy hatrany, indrindra ireo tsy kristianina.
Ireto mba misy andinin-tsoratra masina mba tokony hovakiana koa mba tsy hanana fijery tokana ihany. Mialatsiny fa tsy précis loatra ny référence.
Hoy Jesoa : " ...Izay tsy manohitra antsika dia momba antsika".
"...Tsy izay manao hoe Tompoko Tompoko ihan no hiditra @ Fanjakan'Andriamanitra fa izay rehetra manao sitrapon'ny Raiko".
Ttasy Jakoba apostoly : " ny finoana tsy harahin'asa dia maty". Ka noho izany tsy maintsy concrétisé-na @ asa sy fiainana andavanandro ny finoana, rah ts'izany dia poak'aty.

Fehiny : en tant que personne , I Kristy dia tsy reconnu universellement parlant comme Fils de Dieu) . Ny Kristianina ihany no mahalala izany. Mais en tant que Regne de Dieu( Fitiavana, fahamarinana, Fihavanana, sns) dia reconnu Izy.

Mikasika ny fahazavana sy ny haizina. Dia io voalazan'i Diamondra io angamba no izy. Ao amin'ny conscience ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy fa tsy aty ivelany( izay lazain'ny Fanjakana). Preuve : tsy voatery hanaraka izay baikon'ny Fitondrana ny vahoaka indrindra moa rehefa Jadona izay fa tsy maintsy haongany rehefa tsy rariny loatra.

Farany : mba sokafy @ dimension hafa ny fijery ry Badboy fa aza dia materialista loatra , sinon tsy hitako izay mahasamy hafa anao sy ny biby.
Koa rah tsy hanome fahafaham-po ny nofo ihany no anton'ny hiainana.
14. fahamarinana ( 31/08/2008 07:57)
:arrow: rijad :misaotra e,azoko kah fa zvtr hafa no tonga tato an-tsaiko. :D (l)
15. Ilo ( 01/09/2008 09:24)
Piste>> Tsy fijery protestant io, fa fijery araka ny Baiboly, dia ny Tenin'A/tra.
Efes 2.8 "Fa fahasoavana no namonjena anareo @ finoana, tsy avy aminareo izany fa fanomezana avy @ A/tra, tsy avy @ asa fandrao hisy hirehareha, fa asany isika, voaforona tao @ Kristy Jesosy, mba hanao asa tsara"
Izany hoe tsy avy @ asa ataontsika no hamonjena antsika.
Rehefa voavonjy kosa dia nantsoina hanao asa tsara isika, araka ny efa nolazainao teo hoe "Ny finoana tsy arahin'asa dia maty"

Ary raha mino ny voalazan'ny Baiboly tokoa isika, ahoana moa no itenenantsika fa ao anatin'ny mazava izay tsy mino an'i Kristy. Anjaran'izay efa ao anatin'ny mazava no mitory ny fahazavana @ izay mbola tsy ao anatiny.
16. ikaretsaka ( 01/09/2008 22:25)
fijery protestant io fa saingy namboamboarina araka izay de norakorakofana izay andalana tiatiana afaka manohana azy tao anaty baiboly ka! (toa pejoratif be @ pros hono manko raha tonga de tenenina mivantana tahak'izay)
misy koa andalana izay tsy tiatiana afaka manohana ny mifanohitra amin'io ao anaty baiboly
17. booboo ( 02/09/2008 12:12)
ao anaty maizina amiko rehefa mbola misy raha mamatotra ny tena ka tsy mampivelatra tsara ny maha-olona na inona² finoan'ilay olona : préjugés, ny tahotra, ny tsy fahaizana mihaino ny hafa, ny fisainana borné, sns.

18. xxx ( 02/09/2008 12:21)
zahay mivady aloha manisy jiroe fa tsy anaty maizina
19. Ilo ( 02/09/2008 13:06)
Amiko aloha dia tsy misy hevitra mifanohitra izany ao anaty baiboly e! Sanatria ka hanao an'A/tra ho mandainga raha izay.
Mba omeo ohatra @ izany hoe teny mifanohitra ao @ Baiboly izany hoe?
20. fahamarinana ( 02/09/2008 13:07)
booboo:

ao anaty maizina amiko rehefa mbola misy raha mamatotra ny tena ka tsy mampivelatra tsara ny maha-olona na inona² finoan'ilay olona : préjugés, ny tahotra, ny tsy fahaizana mihaino ny hafa, ny fisainana borné, sns.

:arrow: ohatran'ny fahitan'ny booboo io koa no mba fijeriko azy... (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0909