Synagogan'i Satana

1. niryna ( 14/08/2008 05:18)
Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena hianao), ary ny fitenenan-dratsy ataon'izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan'i Satana[ .Apo 2:9

Indro, alaiko ny sasany amin'ny synagogan'i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan'ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao. Apo 3:9

Mba misy afaka manazava ve hoe inona no tiana ho tenenina amin'izany hoe synagogan'i Satana izany ?
misaotra mialoha


(l) niryna
novalian'i niryna ny 27/08/2008 19:42
2. xxx ( 14/08/2008 07:35)
Fa inn moa ilay synagoga fa satana aloha d devoly raha tsy diso za :roll:
3. simplex ( 14/08/2008 12:42)

Ny Apo. ve tsy rediredy no tena marina e? :)
4. ikaretsaka ( 14/08/2008 13:54)
mamerina filma efa nandeha indray i niryna... efa sujet voa traite teto io :-D :-D :-D

diska goaka e
5. cutie ( 14/08/2008 14:11)
2. Mpandefa : simplex [ Valio ] 14-08-2008 14:42:28
Lohateny : Re : Synagogan'i Satana

Ny Apo. ve tsy rediredy no tena marina e?
=)) =)) =)) =)) =))
6. Herimiafina ( 14/08/2008 14:26)
Mba hazavao aminy kosa hono ilay hoe Synagogan'i satana fa tsy azony e! :roll:
7. ikaretsaka ( 14/08/2008 14:30)
misy sima de goaka de sao tany?
8. cutie ( 14/08/2008 14:30)
=)) =)) =)) =)) =)) =)) =))
9. ikaretsaka ( 14/08/2008 14:37)
sa le tamin'ny nahary ny olombelona hono andriamanitra (tadidio fa tany no nahatiany azy)
dia lasa saina t@ izy mbola namolabola le sary vongana hoe

"asiana goka ve eto....sa tany"??
10. cutie ( 14/08/2008 14:40)
:-D :-D :-D :-D :-D
11. ikaretsaka ( 14/08/2008 14:44)
dia tohizako:
dia mba nialany t@ fisalasalana dia namorona ny lahy sy ny vavy izy..
dia ny lahy "nasiany tany teo)
fa ny vehivavy navelany ho goaka :-D :-D :-D
12. cutie ( 14/08/2008 14:46)
lasa za fa matin'ny fimehezana @ adalan'i ika :-D :-D :-D :-D :-D
13. todisoa2 ( 14/08/2008 15:00)
xxx:

Fa inn moa ilay synagoga fa satana aloha d devoly raha tsy diso za :roll:


Ny synagoga dia teraka nandritry nahababo ny zanak'Israely tany Babylona. Natsangana izy io mba hotoerana hifampaherezan'ireto Zanak'Israely ireto, ary indrindra hafimpizarana an'ireo sombin'ny tenin'Andriamanitra sisa tsy potika teo am-pelatanana. Rehefa afaka t@ fahababoana ny zanak'israely dia mbola nentiny tany @ toerana nonenany izany Synagoga izany. y Tempoly, dia mbola noheverina ho tao Jerosalema ihany no hananganana azy, fa ireto synagoga ireto kosa no natsangana isam-paritra manodidina. Tao no toerana famakiana ny tenin'Andriamanitra isa-tsabata.

Ny synagogan'ny satana, dia teny mifono, nentin'i mpanoratra ny apokalypsy hilazana ireo fiangonana, sy ireo toeram-pivavahana notarihin'ireo Jiosy, indrindra ny Fariseo, izay nikomy t@ fivavahan kristiana. Nahatsapa ho nanana ny marina mantsy ny mpitondra fivavahana Jiosy, t@izany satria nanaraka ny Fampianran'i Mosesy, anefa tena diso lalana, satria nitoky teny fatratra. Io ilay liona mitafy volon-janak'ondry. Izany ny mahakasika ity synagogan'ny Satana ity. Ary mbola manjaka sy hita @ireo mpitondra fivavahana ''conservatist'' izany. Heverin'ny sasany fa ny fomba (forme) no ambony noho ny anaty (fonds), dia ny fibebahana ho fanantonana an'i Jesosy kRISTY Ho Mpamonjy izany.
14. niryna ( 14/08/2008 16:51)
xxx:

Fa inn moa ilay synagoga fa satana aloha d devoly raha tsy diso za :roll:

dia mbola miandry izay afaka manazava azy koa aho ry xxx a

http://baiboly.org/toko.asp?boky=MATIO&toko=4&andininy=8-10&dika=
dia hoy Satana tamin'i kristy hoe
Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao.

fa ho an'i kristiana dia izao no mitranga ao amin'ny II Kor 6:10
10 tahaka ny ampalahelovina, nefa faly mandrakariva; tahaka ny malahelo, nefa mampanan-karena ny maro; tahaka ny tsy manana na dia kely akory aza, nefa manana ny zavatra rehetra.
Izay manana an'i kristy ....kanefa Satana mitady androba an'izany dia milaza hoe omeny an' i kristy avokoa izao rehetra izao raha miankohoka aminy Izy ...ka eo no mahatonga saina ahy hoe fahefana ve, sa voninahitra sa laza no tadiaviny sa tsy fahalalana ka mihevitra ny tenany ambony noho ny rehetra ireo no vato misakana ?

15. niryna ( 14/08/2008 16:59)
simplex:


Ny Apo. ve tsy rediredy no tena marina e? :)

asa aloha fa dia samy nomen'Atra fahendrena isika raha mbola kely aza e

16. niryna ( 14/08/2008 17:00)
ikaretsaka:

mamerina filma efa nandeha indray i niryna... efa sujet voa traite teto io :-D :-D :-D

diska goaka e



:cry: :cry: :cry: mampalahelo anie hianao e
17. niryna ( 14/08/2008 17:01)
cutie:

2. Mpandefa : simplex [ Valio ] 14-08-2008 14:42:28
Lohateny : Re : Synagogan'i Satana

Ny Apo. ve tsy rediredy no tena marina e?
=)) =)) =)) =)) =))


tsy mampihomehy fa mampalahelo .

18. niryna ( 14/08/2008 17:02)
Herimiafina:

Mba hazavao aminy kosa hono ilay hoe Synagogan'i satana fa tsy azony e! :roll:



izany anie woa ry Herimiafina e :-* :-*
19. niryna ( 14/08/2008 17:04)
ikaretsaka:

misy sima de goaka de sao tany?

io fa manomboka sahady ilay HS
tonga amin'ilay tenin'i tody ity hoe ambodia mitafy ondinjanak'ondry ooops
ny marina mandratra fa hialana tsiny ra namana

20. niryna ( 14/08/2008 17:05)
cutie:

=)) =)) =)) =)) =)) =)) =))

=D=D

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0576