Mba hambarao eto koa ny anareo

81. Kapistra ( 18/08/2008 08:53)
Famintinana :
niryna:manao valinteny lava # ni81:manao valinteny fohy.
fahamarinana:valinteny marina
fahamarinana:
merci ni ,marina zany...

# maresaka:valinteny diso (mampiresaka)
maresaka:
dadatoanay no tena nanamboatra anao fa nafenina anao hatramin'izay...

sakaizakely :valinteny masiaka.
sakaizakely:
za ndrai tsy mirara ze firongatry kapotsitra eo,

#zozoro:valinteny mamy
zozoro:
Dia nahavita be ary mbola hahavita be ianareo fa dia misaotra. Ho tahin-Janahary.

ratonga:valinteny taitaitra,tonga tampoka.dinika faha69
ratonga:
oudryyy....

#nauhgtyboy:valinteny tony,kalma
nauhgtyboy:
kalamm daoly ihany ....

Io ambony io zozoro 'lay sipakely noresahako andry tato a!
http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m489967002753c
Misaotra antsika rehetra nandray anjara namaly ny dinika.
:-* :-* :-* daholo,sakaizakely koa mahazo na advé aza.
@ manaraka indray.By
82. endrika01 ( 18/08/2008 17:35)
niryna:

Kapistra:

Ity misy hafatra tiako tenenina amin'ny malagasy rehetra erantany izay mijery sy mamaky ity serasera ity.Tena misy zavatra mampalahelo ao madagasikara ao,ny antony dia izao,tsy mahay mankasitraka ny malagasy maro.Indrindra ireo fototra nipoirana.
"Ny hazo no vanoko lakana ny tany naniriany no tsara"
Hankasitraho ny ray amandreny(Maro ny ray@ mahantra nefa ny zanany tafita be)
Ny Mpampianatra,(mpampianatra sy ny sekoly mahantra ny mpianatra tafita)
Ny Ray amandreny arampanahy (pasitera ,evanjelistra sns)..
(Mpivavaka manankarena be ny pasitera mahantra be)
Tena tsy misy sitraka mihintsy.
Izaho mahita sekoly 40 taona nampianarana.Fa raha ianao no mankao,ny latabatra efa tonta,ny wc maloto,ny mpampianatra: fitafiana fripy,ny tena mahia tsy ampy sakafo.Tena mahaontsa sy mampalahelo be.Ny mpianatra nampianariny anefa, Ministra,Pdg ,direktera ...
Satria nahoana ny zavabitany hono aleo hipirimpirina any fa tsy mila doka hono rizareo.
Ny pôlisy mitifitr'olo dia misehoseho @ gazety, dia hoe miasa be, dia hampiakarina ny karamany.Betsaka nohon'ny an'ilay mpampianany.
Satria tsy misy milaza ny zavabitany fa hoe asa tokony hataony hono zany.
Mampalahelo.





misaotra nizara e,Marina tokoa ny voalazanao .Toy ny olona nanaovana soa ohatra ,tsy ho voatery hamaly soa antsika izy ireny,ny tsodrano nomeny dia efa zava-dehibe.Toa izany koa isika nanaovan'ny hafa soa ,mety tsy mahavaly ary tsy nahavaly mihoatra izay nataony ary raha mba manao kely aza mety ho latsa no mahazo satria tsy mahavaly sy tsy nahavaly ary misy aza ny sasany mitetika ny ho valiana avo heny tsy hita pokapoka ary atao maheno daholo izay olona rehetra hoe " tsy toa izao ireo raha tsy nisy ahy..fanenenana izany amiko .
Atra no nahatonga ny rehetra tamin'ny fiainana hotoa izao ,ny fianana rehetra dia nisy fanampiana avokoa ka tsy tokony asiana nenina rehefa manampy olona ( aza atao ho fantatry ny tananao havanana akory ny soa nataon'ny tananao havia).Tsara tokoa ny mizara ary ireo hafa izay nozaraina dia tsy amerina ny valintanana aty amintsika mihitsy ,raha misy aza izany ,misy tsy mankasitraka.Isaory fotsiny Atra naha tona anao amin'ny toerana izay misy anao ary dia aza mitsahatra manao soa ,tsy vola aman-karena ihany anefa izany fa ny fahaizana amam-pahalalana .
Ny tiako tenenina dia izao,misaotra amin'izay rehetra nahavita antsika na teo amin'ny tanindrazana izany ,na teo amin'ny fiainana izany,na tamin'ny inona na inona izany.Ho valiny sy setriny dia mila manao izay mba vitantsika amin'ny hafa koa isika dia izay !! Kodiaran-tsarety ny fiainana,mitohy foana ny fitolomana amin'ny adim-piainana ,izay vita tsy misy nenina ary izay nanaovanao soa aza latsaina raha tsy mahavita fa mety any amin'ny hafa izy no namaly izany.Anjaran'ny tsirairay io e .
(l) niryna



Marina izany!=D=D=D
83. Kapistra ( 19/08/2008 07:20)
Atra no nahatonga ny rehetra tamin'ny fiainana hotoa izao

Aza manome tsiny an'Atra azafady tompoko.Tsy Atra daholo akory no nahatonga ny fiainana ho toy izao,fa nisy safidy ny olombelona.Atra dia efa nanome safidy malalaka ho an'ny olombelona.Satria hoy Atra,Apetrako eo alohanareo ny fiainana sy fahafatesana,ka fidionao anio.Izay no mampiavaka amintsika @ biby.
Manana izay safidy izay.
84. Kapistra ( 19/08/2008 08:21)
Lohahevitra dia hoe hambarao eto koa ny zavabitanareo raha misy mba ho fitaratra tsara mba ho arahin'ny rehetra.

Valintenin'i
ni81: 1.fisaorana 2.Tsy nilaza ny zava-bita.
ni81:
Misaotra nampahalala ...tsara fa tohizo

maresaka sy mirabela: 1.valinteny mananihany 2.Tsy niteny ny zava-bita
maresaka:
dadatoanay no tena nanamboatra anao fa nafenina anao hatramin'izay...

fahamarinana:1.fisaorana an'Atra 2.Tsy niteny ny zavabita.
fahamarinana:
dia Andriamanitra no isaorako fa avy aminy no nahavitanao sy dadabe ny rehetra

kelly13: 1.mampihomehy 2.Tsy nilaza ihany koa ny zavabita.
kelly13:
tsy maintsy oe zvt ngôda b nga le oe vita sy tataraina eto klou e?

zozoro: 1.fisaorana sy firariantsoa fotsiny
zozoro:
Dia nahavita be ary mbola hahavita be ianareo fa dia misaotra. Ho tahin-Janahary.

pissoa sy ari.malala:1.Tsikitsiky fotsiny.tsy nanambara koa.
Ikaretsaka :1.eritreritra nandalo.2.Tsy nilaza ny zavabita.
ikaretsaka:
ia ho avy koa ny hoe tsy nandroso ny teny tsaralalana rehefa alina ary nangingina raha tsy niasa alina teny ny bebeany!

niryna:1.fisaorana sy fanazavana sns 2.Tsy niteny koa ny zavabita.
naughtyboy sy herimiafina:1.Nandamina ny ady hevitra fotsiny.2.Tsy niteny koa ny zava-bita.
Sakaizakely:1.Torampo 2.Tsy nanambara ihany koa ny zava-bita.
sakaizakely:
Amiko tsotra fotsiny, ze tsy mikitikitika ahy de tsy ahoako, fa raha mila vanona amiko de iny kou za mba tonga,

ratonga:1.hors sujet 2.tsy nilaza koa ny zavabita.
ratonga:
oudryyy, to tena tsy zakan'ny vavon'i kapistra mintsy izy zany klé

endrika01:mitovy hevitra @ niryna 2.Tsy nilaza ny zavabita ihany koa.
Maro no namaly ilay lohahevitra fa ny olana kely fotsiny dia tsy namaly an'ilay lohahevitra loatra ilay izy.
Na izany aza dia hisaorana ihany tamin'ny fandraisana anjra.








85. yonikafopl ( 19/08/2008 08:43)
Tena mampiporina ny sasany mintsy ny aterineto an :-D :-D :-D :-D
86. mignone ( 19/08/2008 08:56)
efa nandalo lé mpilaza ny zavamisy (aminy) , de ito ndray ny zavabita (aminy) dia zava inn ndray ny manaraka ? :D
87. xxx ( 19/08/2008 09:43)
Tena mba mampimé ahy mihintsy 'ty naika fôpla 'ty ka.
Ny azy dia izao fouooooooooôôna.
naika fôpla:
be wa ny mbola tsy ampy saina , mbo marina eee

naika fôpla:
hihihihih efa mi-kapotsitra re ny atidohany ry tess fa aza omena tsiny a

naika fôpla:
ny adala tsy misy fa ny ondrakondrafana no betsaka

naika fôpla:
Tena mampiporina ny sasany mintsy ny aterineto an

Zao no atao hoe tezitra ny tenanay @ zavabitan'i kapistra.
[quote=mignone]efa nandalo lé mpilaza ny zavamisy (aminy) , de ito ndray ny zavabita (aminy) dia zava inn ndray ny manaraka ? /quote]
ny vokany ry mignone a!
Ny vokany: tsy mahita tory sy marary fo ny sasany @ zavamisy sy ny zavabita.Ny tena olana dia mety hisy hilaza hoe raha tsy serasera ty tsy narary ny foko.Soa ihany fa vitsy ny ol tratran'zany.

88. Kapistra ( 19/08/2008 10:52)
Lohahevitra dia hoe hambarao eto koa ny zavabitanareo raha misy mba ho fitaratra tsara mba ho arahin'ny rehetra.

Efa 12 eo ho eo zao ny boky nosoratako.Ny 6 mbola eo ampamitana ny 6 efa vita tanteraka.Ny 2 @ reo 6 ireo dia efa nisy natonta dia namidy.Efa lany daholo fa eo 500 eo fotsiny no natonta.Rehefa tonga any Mada aho manonta vao2 indray.
Boky momban'ny fianarana ny 5
torohevitra mahasoa ny 3
momban'ny sakafo ny 1
fampafantarana an'i Madagasikara ny 3.
Ireo aloha ny azo hambara fa @ manaraka indray ny tohiny.
Tandremo sao marary fo ny sasany @ zava-bita an!.

89. fahamarinana ( 19/08/2008 10:58)
kapistra:
momban'ny sakafo ny 1

:arrow:io zao no mba mety ahaliana ahy,azo fantarina ve ny titre sy aiza no ahitana azy? misaotra mialoha :) (l)
90. xxx ( 19/08/2008 11:07)
kapistra:
Lohahevitra dia hoe hambarao eto koa ny zavabitanareo raha misy mba ho fitaratra tsara mba ho arahin'ny rehetra.

Efa 12 eo ho eo zao ny boky nosoratako.Ny 6 mbola eo ampamitana ny 6 efa vita tanteraka.Ny 2 @ reo 6 ireo dia efa nisy natonta dia namidy.Efa lany daholo fa eo 500 eo fotsiny no natonta.Rehefa tonga any Mada aho manonta vao2 indray.
Boky momban'ny fianarana ny 5
torohevitra mahasoa ny 3
momban'ny sakafo ny 1
fampafantarana an'i Madagasikara ny 3.
Ireo aloha ny azo hambara fa @ manaraka indray ny tohiny.
Tandremo sao marary fo ny sasany @ zava-bita an!.


Ary mba fantar'ialahy moa hoe izy no mikarakara ny vadin'ialahy irery ao an-trano?? :lol: Dia aza marary fo tokoa tompoko
91. yonikafopl ( 20/08/2008 05:26)
=)) =)) =)) =))
aleo hihomehezana fotsiny ny adalan'ny hafa
92. xxx ( 20/08/2008 06:29)
aleo hihomehezana fotsiny ny adalan'ny hafa (xxx89)
Marina 'zany ry yonikafopla.
93. Kapistra ( 20/08/2008 07:11)
fahamarinana:
Hoy i kapistra:
momban'ny sakafo ny 1
io zao no mba mety ahaliana ahy,azo fantarina ve ny titre sy aiza no ahitana azy? misaotra mialoha

Tena mahafaly ahy ny mizara @nao ny momba io boky io,fa ny ol kely fotsiny dia mbola tsy tena vita 'lay izy.(Ao anatin'ilay bky 6 tsy mbola vita tanteraka).Izao anefa, tsy mbola azo atao ny mamoaka azy eto mba hiarovana azy @ piraty sady eto koa tsy azo hanaovana pub.Na izany aza dia omeko sombiny kely ihany ianao mba hahalalanao hoe tahatahakin'ny ahoana 'zany boky 'zany.
Izy io dia boky tsy miresaka fandrahoana sakafo fa torohevitra momban'ny sakafo.@ ankapobeny no hanomezako azy anao fa tsy @ antsipiriany.
94. Kapistra ( 20/08/2008 07:21)
Ireto ary 'lay izy.
Ny sakafo tokony hohaninao raha :
1) Makiana ny hoditra
Ny sakafo mahatsara ny hoditrao dia ny paiso isankarazany,ny ronono ,ny frômazy ary ny ati-kena .
Mihinàna an’ireo voalaza ireo raha tsapanao fa makiana ny hoditrao.

2) Ketrina ny hoditra
Mihinàna menaka vita amin’ny zava-maniry ,toy ny menaka oliva ,ny mena-boanjo na ny soja .
Aza mihinana menan-kisoa na menaka biby hafa.
Mihinàna dibera ,ati-kena ,ny tantely .
Raha tianao tsy hiketrina ny hoditrao dia mihinàna ireo sakafo voalaza ireo ,ary aza manao be fihinana fa izay sakafo sahaza anao ihany hanina.
Ity indray hoan'ireo ol te-hatavy.Toa misy mitady izany ato @ serasera raha tsy diso aho.
3)Hoan’ireo olona te hatavy
Ny sakafo tokony hohaninao.Alaina ny tamenak’atody,avy eo alaina ny ronono erakin’ny zinga na antsasany,ampangotrahana tsara (na mafana na mangotraka)
Arotsahy ao ny tamenak’atody ,asiana siramamy dia hohanina maraina sy hariva.
Tohizo hatrany arak’izay sitrakao.
Ho an'ny marary fo moa efa nisy nomeko tato @ serasera.
Izay ihany aloha ny azoko hambara anao ry fahamarinana a!
Tsy fantatro raha mety @ nao na ahoana fa zaraiko @nao ihany aloha.

95. fahamarinana ( 20/08/2008 07:33)
:arrow: misaotra e,ilay fiarovana amin'ny hoditra miketrona no tena ilaina zao.. :) (l)
96. Kapistra ( 20/08/2008 08:03)
fahamarinana>tsy misy fisaorana e!
@ manaraka indray, holazaiko ihany ianao rehefa tena vita 'lay izy.
Ity 'lay mikasika ny aretim-po,averiko eto,mino aho fa mety ho maro no mila azy io.
Raha sendra ka marary fo dia ireto misy torohevitra kely.
Ny voankazo sy ny legioma hanina betsaka ,fa hahatsara ny fo ireo.
Mihinana paiso gasy alohan’ny sakafo fa tena mahatsara ny fo izany.
Ny mihinana ny voatavo tsy asiana sira dia manatsara ny fo ihany koa.
Manaova fampiasan-tena ,ilaina ny manao fanazarana isan’andro na dia kely fotsiny aza.
Misotro rano indrindra ny maraina vao mifoha.
*Fadio ny sakafo masiatsiaka rehetra
Ny sakay ,sakamalaho,anamalaho.
*Fadio ny zava-pisotro
misy alikaola,misy gazy
*Aza mifoka sigara
*Aza misotro kafé
*Ahenao betsaka ny sakafo be menaka
tavin-kena,ny kiendiendy,ny lafarinina.
*Tandremo ny tabataba ,ny feon-javamaneno mafy na ny fahanginana be loatra dia anisan’ny manimba ny fo.
*Ny hatezerana ,ny tahotra ,ny tebiteby,ny ahiahy dia manimba ny fo.
Zavatra tsara foana eritreretina.
Aza malahelohelo ;aza mihaino hira be fihetseham-po.
Fa hira feno fiderana ihany henoina.
Klarys,Hantatiana,mpitory,Rija ,sns tsy votanisa.
Fa mamelombelona ny fonao ireny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0084