Manimba ny fibebahana tsy misy fetrany!!

1. badboy ( 11/08/2008 09:21)
Tsy mampandroso ny toetsaina ny fibebahana tsisy fetrany. Tsy mampahita ny marina tokony ho izy ny fibebahana tsisy fetrany fa mahatonga fandaingana aza. Ary tsy hahatonga avy hatrany any @ fanjakan'ny lanitra ny fibebohana tsisy fetrany.

Mibebaha rehefa nanao ny tsy mety!! Aza mibebaka fa mangataha fibebahana rehefa manana ny marina sy ny rariny!!! ;-) ;-) ;-)
novalian'i fijo ny 22/08/2008 21:03
2. rabingogilabanga ( 11/08/2008 10:16)
badboy:
manimba ny fibebahana, hoy ianao


badboy:
Mibebaha rehefa nanao ny tsy mety!!


aiza ny tena hevitrao ?

de inona no hasolonao le fibebahana, aza mibebaka? aza manainky ho diso? mihizingizina @ hevitra diso?

sany atao hoe fibebahana mihintsy no hafa ny dikany aminao? hazavao ary
3. badboy ( 11/08/2008 10:50)
rabingo>> Aza tapahina na tsiponina ilay voalaza fa vakio hatr@ farany ary ampifampitohizo!! Raha toa ka tsy mbola mazava aminao ilay voalaza dia tokony hibebaka izany ianao amin'izay olona nanaovanao ny tsy mety fa izay no mety manakana ilay fahatakaranao ireo voalazako!!!!!

Manimba ny fibebahana tsy misy fetrany!! ;-) ;-) ;-)
4. booboo ( 11/08/2008 11:33)
Afaka manome ohatra ve Badboy ny @ antony handrosoanao io hevitrao ary @ voalohany io ?

Amiko manokana, tsy afaka ny hibebaka izany ( na @ Atra na @ olona na @ iza na @ iza ) raha tsy nandinin-tena klou (remises en q° tanteraka). Rehefa izay vao mibebaka : mihaiky fa nisy tsy nety/tsy ampy/ natao (fifonana), mangataka famelana ary manova famindra ho @ tsara kokoa hatrany.
Donky ny ahy, vao maika mampandroso ny maha-olona manontolo ny fibebahana : mampianatra hanao remises en q°ny tenako/ny fomba fisainaiko, ny finoako/ny fihetsiko sns, mampianatra hanetry tena sy hiroso hanatona ny hafa ( tsy mora izany mihaiky ny fahadisoana izany @ maha olombelona, ho ahy manokana klou e ), ary miezaka ny " mihatsara hatrany mihatsara hatrany " ( hoy ny scout izay )
Ny hoe " mibebaka tsisy fetra ", raha tena fantatra sy iainana tanteraka ilay hoe " mibebaka " dia tsy olana mihitsy ny fibebahana na tsisy fetra aza.
5. badboy ( 11/08/2008 16:10)
booboo>> Marina ilay lazainao fa rehefa avy nandinintena dia nifona satria nanao ny tsy nety ary tena mahatonga ny fahatsarana hatrany! Io fandinihintena io ihany koa no ahafahana mahita ny mety natao, raha tohizako ilay hevitrao, satria raha mahita ny tsy mety dia satria nahalala sy nahita koa ireo nety! Ka noho izany raha tena hianana ilay mibebaka tsisy fetra, @ ireo izay tsy nety, dia tsisy olana tokoa!!

Noho izany ekeko tanteraka ilay hevitrao hoe tena mampandroso tokoa ilay mibebaka tsisy fetrany raha misy tsy nety natao!! Ary dia tohizako heo mampandroso koa ilay mangataka fibebahan'ireo izay nanao ny tsy mety taminao satria mampandroso azy izany!!

Mampandroso izany ilay fibebahana raha toa ka atao ampandanjalanjana, mampihemotra sy mampandainga izy raha toa ka atao tsy ampiheverana sy tsy misy fetrany!! ;-) ;-) ;-) ;-)
6. rijadolly ( 11/08/2008 16:18)
badboy:
Raha toa ka tsy mbola mazava aminao ilay voalaza dia tokony hibebaka izany ianao amin'izay olona nanaovanao ny tsy mety fa izay no mety manakana ilay fahatakaranao ireo voalazako!!!!!
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=MATIO&toko=5&andininy=23-26&dika=
fa manazava kokoa raha azoko tsara ilay tian'badboy lazaina.
any koa ianao hoe:
Manimba ny fibebahana tsy misy fetrany!!

Izany hoe ra manota ianao androany na maromaro ny otanao ampian'omaly dia manimba ahy ve ra nibebaka aho omaly sy androany eny ra mibebaka koa rampitso.Sa ve tsy hibebaka aho androany fa efa nibebaka omaly?
7. ikaretsaka ( 11/08/2008 16:52)
mahatsapa tena @ izay atao fotsiny dia sady tsy terena no tsy vozonana hibebaka e
8. xxx ( 11/08/2008 18:34)
Sao ny dikan'ny hoe mibebaka mihitsy no tsy dia ao loatra amin'ny olona sasany.

Tsy misy anie izany hoe mibebaka amin'ny mety / marina / rariny sns natao izany e. Ny takiana voalohany amin'ny fibebahana dia ny fiaikena (fa tsy fanekena fotsiny) fa tsy mety ny natao na tsy marina sns ; noho izany rehefa mihevitra fa mety ny natao na marina/rariny sns ny natao dia tsy mihatra, na tsy azo ampiasaina akory ilay teny hoe mibebaka.

Ny zavatra mety mitranga dia olona milaza hoe izaho nanao ratsy nefa tsy nanao ratsy akory. Fa tsy mibebaka no fiantsoana izany raha ny fahalalako fa mandainga !!! :lol:
9. ni81 ( 11/08/2008 18:44)
Amiko manokana, tsy afaka ny hibebaka izany ( na @ Atra na @ olona na @ iza na @ iza ) raha tsy nandinin-tena klou (remises en q° tanteraka). Rehefa izay vao mibebaka : mihaiky fa nisy tsy nety/tsy ampy/ natao (fifonana), mangataka famelana ary manova famindra ho @ tsara kokoa hatrany.
Donky ny ahy, vao maika mampandroso ny maha-olona manontolo ny fibebahana : mampianatra hanao remises en q°ny tenako/ny fomba fisainaiko, ny finoako/ny fihetsiko sns, mampianatra hanetry tena sy hiroso hanatona ny hafa ( tsy mora izany mihaiky ny fahadisoana izany @ maha olombelona, ho ahy manokana klou e ), ary miezaka ny " mihatsara hatrany mihatsara hatrany " ( hoy ny scout izay )
Ny hoe " mibebaka tsisy fetra ", raha tena fantatra sy iainana tanteraka ilay hoe " mibebaka " dia tsy olana mihitsy ny fibebahana na tsisy fetra aza.
mitovy hevitra 100%, ary tsindriako kely ilay hoe mampianatra hanetry tena (satria ny ambom-pontsika no mahatonga antsika tsy hilefitra) ary tena ilaina ezaka mafy tokoa io.
10. badboy ( 11/08/2008 18:45)
xxx:

Sao ny dikan'ny hoe mibebaka mihitsy no tsy dia ao loatra amin'ny olona sasany.

Tsy misy anie izany hoe mibebaka amin'ny mety / marina / rariny sns natao izany e. Ny takiana voalohany amin'ny fibebahana dia ny fiaikena (fa tsy fanekena fotsiny) fa tsy mety ny natao na tsy marina sns ; noho izany rehefa mihevitra fa mety ny natao na marina/rariny sns ny natao dia tsy mihatra, na tsy azo ampiasaina akory ilay teny hoe mibebaka.

Ny zavatra mety mitranga dia olona milaza hoe izaho nanao ratsy nefa tsy nanao ratsy akory. Fa tsy mibebaka no fiantsoana izany raha ny fahalalako fa mandainga !!! :lol:


Ekeko tanteraka !!

;-) ;-) ;-) ;-)
11. xxx ( 11/08/2008 19:01)
Raha eken'i badboy io dia tsy dia hitako loatra izay tena tanjon'ilay ady hevitra satria eken'i Badboy izany fa amin'ny tsy mety ihany ny olona no mibebaka fa tsy misy mibebaka amin'ny mety izany ; ary
badboy tery ambony:

booboo>> Marina ilay lazainao fa rehefa avy nandinintena dia nifona satria nanao ny tsy nety ary tena mahatonga ny fahatsarana hatrany! Io fandinihintena io ihany koa no ahafahana mahita ny mety natao, raha tohizako ilay hevitrao, satria raha mahita ny tsy mety dia satria nahalala sy nahita koa ireo nety! Ka noho izany raha tena hianana ilay mibebaka tsisy fetra, @ ireo izay tsy nety, dia tsisy olana tokoa!!

Noho izany ekeko tanteraka ilay hevitrao hoe tena mampandroso tokoa ilay mibebaka tsisy fetrany raha misy tsy nety natao!! Ary dia tohizako heo mampandroso koa ilay mangataka fibebahan'ireo izay nanao ny tsy mety taminao satria mampandroso azy izany!!


:lol:
12. badboy ( 11/08/2008 21:43)
Ka io ilay nahatonga ilay fanambarana tery ambolohany hoe : manimba ny mibebaka tsisy fetrany!!!! ;-) ;-) ;-)
13. xxx ( 11/08/2008 22:44)
Sady manimba ve ny fibebahana tsisy fetrany no tsisy olana izany araka ny hevitry badboy ?

badboy:

manimba ny mibebaka tsisy fetrany!!!!

badboy:

Ka noho izany raha tena hianana ilay mibebaka tsisy fetra, @ ireo izay tsy nety, dia tsisy olana tokoa!!


:lol:

Marihina aloha fa ny nolazain'i badboy hoe
badboy:
Aza mibebaka fa mangataha fibebahana rehefa manana ny marina sy ny rariny!!!

no nahatonga ahy nametraka ilay hevitra 7 io ;)
Ny fahitako azy mantsy dia toa heverinao hoe misy mibebaka amin'ny marina na rariny ataony ... saingy tsy misy izany, ary ekenao tsara ny tsy fisiany lol.
14. ikaretsaka ( 11/08/2008 23:03)
samihafa izany ny mibebaka sy mangataka fibebahana ee
15. badboy ( 12/08/2008 05:58)
Raha toa ka nangataka fibebahana satria nanao ny tsy nety, dia nahtsapa izany fa tsy nety ilay natao!! Raha toa ka nagataka fibebahana nefa tsy nanao izay tsy nety, dia mandainga izany, ka eo ilay fibebahana tsisy fetrany no tsy mampandroso!! Ary io tsy eo @ lafin'ny finoana ihany, izay matetika amporisihina ilay fangatahana fibebahana na dia tsy nanao izay tsy nety aza, fa miseho koa eo @ lafimpiainana andavanandro, eo anatrehan'ny samy olombelona!!Ary eo @ ireo lafiny 2 ireo no lasa sakana ho an'ny fandrosoana ilay fibebahana tsisy fetrany!! ;-) ;-) ;-)
16. cutie ( 12/08/2008 17:11)
badboy [ Valio ] 11-08-2008 11:21:31
Lohateny : Manimba ny fibebahana tsy misy fetrany!!
Tsy mampandroso ny toetsaina ny fibebahana tsisy fetrany. Tsy mampahita ny marina tokony ho izy ny fibebahana tsisy fetrany fa mahatonga fandaingana aza. Ary tsy hahatonga avy hatrany any @ fanjakan'ny lanitra ny fibebohana tsisy fetrany.

Mibebaha rehefa nanao ny tsy mety!! Aza mibebaka fa mangataha fibebahana rehefa manana ny marina sy ny rariny!!!


badboy [ Valio ] 12-08-2008 07:58:14
Lohateny : Re : Manimba ny fibebahana tsy misy fetrany!!
Raha toa ka nangataka fibebahana satria nanao ny tsy nety, dia nahtsapa izany fa tsy nety ilay natao!! Raha toa ka nagataka fibebahana nefa tsy nanao izay tsy nety, dia mandainga izany, ka eo ilay fibebahana tsisy fetrany no tsy mampandroso!! Ary io tsy eo @ lafin'ny finoana ihany, izay matetika amporisihina ilay fangatahana fibebahana na dia tsy nanao izay tsy nety aza, fa miseho koa eo @ lafimpiainana andavanandro, eo anatrehan'ny samy olombelona!!Ary eo @ ireo lafiny 2 ireo no lasa sakana ho an'ny fandrosoana ilay fibebahana tsisy fetrany!!

zao vo tena mazava le izy :)
17. badboy ( 12/08/2008 17:54)
cutie >> de ahoana ilay bouddhisme fa tsy heno tsony nefa ny dalailama mba mandalo ny tanana! ;-) ;-) ;-)
18. cutie ( 12/08/2008 17:55)
:-D :-D :-D :-D
aleo any @ hafatra miresaka fa manjary HS eto :)
19. prime ( 12/08/2008 18:13)
Efa namaky elaela kokoa ihany aho vao azoko ny tian'i badboy ambara...

20. xxx ( 12/08/2008 18:22)
badboy:

Raha toa ka nangataka fibebahana satria nanao ny tsy nety, dia nahtsapa izany fa tsy nety ilay natao!! Raha toa ka nagataka fibebahana nefa tsy nanao izay tsy nety, dia mandainga izany, ka eo ilay fibebahana tsisy fetrany no tsy mampandroso!! Ary io tsy eo @ lafin'ny finoana ihany, izay matetika amporisihina ilay fangatahana fibebahana na dia tsy nanao izay tsy nety aza, fa miseho koa eo @ lafimpiainana andavanandro, eo anatrehan'ny samy olombelona!!Ary eo @ ireo lafiny 2 ireo no lasa sakana ho an'ny fandrosoana ilay fibebahana tsisy fetrany!!

Ka raha io lazainao io dia tsy ny fibebahana tsisy fetrany mihitsy no manimba fa ny fandaingana hoe izaho no nanao ny tsy nety nefa tsy nanao ny tsy nety akory !

Izay no tiako hotsipihina aminao raha toa tsy azonao. Mandiso hevitra mantsy ny filazanao ! Ekenao fa ny fibebahana izany dia amin'ny ratsy natao ihany no mitombina ... ka ny filazanao hoe ny manimba ny fibebahana tsisy fetrany dia toy ny midika hoe manimba ny fibebahana tsisy fetrany amin'ny tsy nety natao.

Ary i Prime toa mbola eto amin'ny forum nefa efa alina be
:-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0503