FJKM: Tsy mazava ?????????
61. prime
(
19/08/2008 09:10)
ikaretsaka:... tena diso hevitra ianao eto... tsy anarany fotsiny io fa tena misy fototra iorenany... fihiràna efa iraisana, ny baiboly efa iraisana, ny asam-pifohazana efa iraisana, ny Toby lehibe efa iraisana (ankoatr'izay madinidinika efa iraisana na eo amin'ny litorjia fotsiny aza, na dia hoe mbola misy mahasamihafa azy kely ihany)...
a le ffpm to anarany fotsiny ko (ivereno vakiana hatrany ambiony le hevitra
Ny voalaza hatrany am-boalohany dia filazana tantara fa tsy misy resaka tsy fitovian-kevitra raha tena nanaraka tsara ianao... zavatra madinidinika sisa no tsy tena mahairay ny FJKM sy FLM ho tokana atao hoe FFPM marina saingy samy mandinika tsara ny roa tonta aloha... efa misy komity rahateo mandinika an'io fa saingy mbola fampandehanana raharaha ankapobeny aloha no tena vaingan'asa hatramin'izao...
Tsy lavitra ny toa izao no niaingan'ny ny fitsanganan'ny FJKM tamin'ny fotoan'androny teo anivon'ny fiangonana telo (tsy averina intsony)...
entomitohi:... Foibe iza aloha ilay tianao ambara?
-Maninona no maro ireo Fiangonana FJKM zay toa tsy mifanaraka loatra @ fototra apetraky ny Foibe ohatra: ny Filazana ny anaran'i Jesosy ho Jesoa.
Raha Foibe FJKM no tianao lazaina dia efa neken'ny Synoda lehibe farany fa Jesoa no anononana ny anaran'ny Tompo araka ny teny Hebreo fototra nandikana ny baiboly...
Raha Foibe FFPM no tianao ambara dia efa misy fifanekena tsy misoratra eo anivon'ny FFPM fa raha misy asa ao amin'ny fiangonana FJKM dia Jesoa na Jesôsy (soratako araka ny fanononana azy mba hazava kokoa) no anarana iantsoana an'i Kristy... samy mety avokoa saingy ny voalohany no tena fiantso ankehitriny eo amin'ny FJKM... raha ao amin'ny fiangonana FLM dia Jesosy (Jesousy) na Jesôsy no anarana iantsoana an'i Kristy... rehefa misy fiombonam-bavaka eo amin'ny roa tonta dia samy azo iantsoana ny Tompo avokoa ireo fa tsy misy bedy... ka tsy hitako ilay olana, Andriamanitra, iray, Olona iray ihany ireo antsoina hoe Jesosy na Jesoa...
Raha Foibe FFKM no tianao ambara dia efa voafaritra fa Jesoa no eken'ny rehetra, na ny EKAR, na ny FLM, na ny FJKM, na ny EEM Aglikàna (ialako tsiny raha tsy EEM ilay izy, dia azo ahitsy) no iantsoana an'i Kristy... ka aiza ho aiza no tianao ahatongavana?!!!...
Raha Foibe Mpiara-mamaky ny baiboly no tianao ambara dia efa Jesoa no ofisialy iantsoana ny Tompo ary iraisana ao anaty baiboly DIEM...Tsy manakana ny tsirairay hiantso ny Tompo amin'ny mahazatra azy avy nefa izany... mbola misy ny fiangonana katolika miantso Azy Zezo, Jeso... fiangonana evanjelika maro miantso Azy hoe Jesosy toy ny teo aloha... tsy hitako ny olana...
entomitohi:... Satria ilay rafitra mihitsy no mametraka mazava fa tompon'andraikitra feno amin'ny fandrosoan'ny fiangonana ihany koa ny laika fa tsy ireo nahazo "ordination sacerdotale" ihany...
- Maninona no maro ireo Fiangonana no tsy manaja ny mpitarika misy ao aminy(Mpitandrina no tiana ho lazaina), ka mitady hanala azy ireny, misy mihintsy izy ireny no miafara amin'ny Fiakarana Fitsarana.
Rafitra presbyteriana synodaly ny FJKM ka tsy mahagaga izany... efa nambarako ao ambony ao, manana ny heriny, manana ny fahalemeny koa... izay indrindra no ilazako hoe tsara mitodika amin'ny ny an'ny tena ny fandinihan-tena... :)
entomitohi:... Ambarao fa tsy olana... sehatra ho amin'izany ny serasera...
- Mbola manana zavatra maro hanontaniana saingy ampy aloha ireo.
entomitohi:... Tsara izany... ny hainoko farany talohan'io dingana io dia hiverina FJKM aloha fa toa mbola tsy tanteraka...
Vaovao farany: Hanampy ny FFPM atsy ho atsy ny METM.
Mahereza...
62. ikaretsaka
(
19/08/2008 13:32)
prime.. ka raha diso hevitra ary aho .. maninona tsy atao hoe protesta fotsiny nareo fa mbola miady mafy ny hoe Felem e.fejekeme e, Trano zozoro e...
63. lembelo
(
19/08/2008 15:56)
Mandondona miditra eto amin\'ny sehatra.
1/ Manontany vaovao.
Nanao ahoana ny synoda lehibe tany Mahajanga ? Naresaka tamin\'ny gazety talohan\'ny nisokafany, fa tsy mbola heno loatra ny vokany.
2/ Manamafy izay voalaza :
N\'inon\'inona hita sy heno amin\'izao fotoana izao, dia azo lazaina fa firaisana nahomby no nipoiran\'ny FJKM. Tsy mora ny nampiray fiangonana -ary vitsy ny ohatra azo tantaraina- , kanefa tanteraka izany tamin\'ny 1968. Misy \"anecdote\" kely, nefa mifono \"symbolisme\" mahery : T@ volana Aogositra 1968 tao amin\'ny Tranovato tao Toamasina : Nanomboka ny fotoana, dia niara-niditra, ny mpitandrina avy amin\'ny FKM niditra avy any aoriana, ny mpitandrina avy @ MPF avy ao amin\'ny varavarana an-kavanana, ary ny mpitandrina avy amin\'ny Frenjy avy tao amin\'ny varavarana ankavia, dia nihaona sy nitambatra ireo teo anoloan\'ny alitara : teraka ny FJKM. Tamin\'izany no nohiraina voalohany, ary akory ny firedaredan\'ny fo raha niredona ny hoe \"Ny Fiangonanay angony, Fanahy ô, ho Tena iray, ka tsy hizarazara intsony fa Hianao no nampiray\".
(Hitohy)

65. prime
(
20/08/2008 08:27)
lembelo> Misaotra amin'ny fanampim-panazavana...
Na izaho koa aza dia miandry ny vokatry ny Synoda lehibe io... :)
Avelao izy hitondra ny hevitra fa FJKM indrindra no lohahevitra eto...
Raha misy ny firaisan'ireo fiangonana ireo dia tsy ho FJKM no sady tsy ho FLM... izay no mahatonga ahy miteny ao ambony ao hoe tsy tsotsotra io ka hoe ataovy FLM satria izao sy izao, nefa na ilay fanazavana aza dia tsy ampy... ny FJKM no tranainy no sady maro an'isa... fa mila fandinihana tsara...
Ny fiangonana kristiana antitra indrindra eto Madagasikara dia ny FJKM ao Toamasina tanàna io ary ny ankamaroan'ny fiangonana FJKM miorina dia efa mihoatra ny 150 taona avokoa... ankoatry ny hoe ny maritiora kristiana voalohany rehetra dia FJKM avokoa raha tsy hiresaka an-dry Rasalama sy ry Rafaralahy Andriamazoto sns...
Raha hisy ny firaisana izany dia ny FFPM no akaiky indrindra... efa miorina rahateo izany saingy mbola samy manaja ny mahaizy azy ny tsirairay avy hatramin'izao aloha...
Tsy voalazako etsy ambony, ny sekoly fianarana ho an'ny rehetra koa aza efa iraisana... (ny sekoly fanofanana ho Mpitandrina sy Pastora no mbola samy manana ny azy)

ikaretsaka:... :-D Inona no tianao ahatongavana???
ny fjkm izany ry mbelo fa ahoana ny felem sy fjkm an?
Avelao izy hitondra ny hevitra fa FJKM indrindra no lohahevitra eto...
Raha misy ny firaisan'ireo fiangonana ireo dia tsy ho FJKM no sady tsy ho FLM... izay no mahatonga ahy miteny ao ambony ao hoe tsy tsotsotra io ka hoe ataovy FLM satria izao sy izao, nefa na ilay fanazavana aza dia tsy ampy... ny FJKM no tranainy no sady maro an'isa... fa mila fandinihana tsara...
Ny fiangonana kristiana antitra indrindra eto Madagasikara dia ny FJKM ao Toamasina tanàna io ary ny ankamaroan'ny fiangonana FJKM miorina dia efa mihoatra ny 150 taona avokoa... ankoatry ny hoe ny maritiora kristiana voalohany rehetra dia FJKM avokoa raha tsy hiresaka an-dry Rasalama sy ry Rafaralahy Andriamazoto sns...
Raha hisy ny firaisana izany dia ny FFPM no akaiky indrindra... efa miorina rahateo izany saingy mbola samy manaja ny mahaizy azy ny tsirairay avy hatramin'izao aloha...
Tsy voalazako etsy ambony, ny sekoly fianarana ho an'ny rehetra koa aza efa iraisana... (ny sekoly fanofanana ho Mpitandrina sy Pastora no mbola samy manana ny azy)
66. laloanany
(
20/08/2008 11:45)
Mahaliana r'ireto ilay tantara aaa, zao ia vao mba nahare anireny tantaram-piangonana teto Madagasikara ireny. :D
Za, t@ voalohany saika mba hilaza ny kely fantatro mikasika ny FJKM hay ia saika hampianatra indray moa ty no lasa nianatra ko :D
Milay eee.
Sosokevitra: :lol: tsy aleo ve mba ahafahana mandalina fiangonana hafa koa mba mamorona lohateny hafa toy ny hoe "FLM tsy mazava???" na "EKAR tsy mazava???" fa mba te hahalala mikasika ireo koa izahay 8)
Le "IZAHAY" lazaiko eto, ia irery fa tsy olona bedebe akory, hany ka sosokevitrolotokana ihany moa ka... :lol:

67. laloanany
(
20/08/2008 11:52)
laloanany:
Sosokevitra: :lol: tsy aleo ve mba ahafahana mandalina fiangonana hafa koa mba mamorona lohateny hafa toy ny hoe "FLM tsy mazava???" na "EKAR tsy mazava???" fa mba te hahalala mikasika ireo koa izahay 8)
Le "IZAHAY" lazaiko eto, ia irery fa tsy olona bedebe akory, hany ka sosokevitrolotokana ihany moa ka... :lol:
Fa maninona ela tsy mamorona fa ny olona indray no tadiavinela hamorona forum ho an'ela??? Ela ve no te hahalala ko ny olona ndray no tadiavinela hanao anizany eo??? Raha te hahalala lty de ndana Misurf de mamakia boky aaaa. Hihi
68. fahamarinana
(
20/08/2008 12:03)
:arrow: :-D mampiteniteny irery any laloanany mihintsy ilay dinika fa satria maha-sondriana be.Misaotra anareo ihany fa mahazo fanazavana ombieny ombieny e...( =D> prime,ika,entomitohi,rabingo...sns tsy voatanisa ) (l)
69. ikaretsaka
(
20/08/2008 22:51)
lalianany> mazava izy izany matoa tsy nisy nanao hoe tsy mazava koa :-D :-D :-D
72. lembelo
(
22/08/2008 23:13)
Tohizana ny resaka.
Mbola resaka FJKM, rehefa avy eo indray isika miresaka ny firaisam-piangonana samy protestanta.
Betsaka ny resaka tantara, fa ny ahiahin\'ny ankehitriny indray no ho resahina. Ny zavatra tsara moa tsy dia ivalaparana eto amin\'ny sehatra fa ny tsy mandeha no mahabe resaka, nefa koa mba ezahana tsy ho fitsikerana be fahatany fotsiny.
Ny ahiahy voalohany dia ny fifandraisan\'ny FJKM sy ny Fitondram-panjakana.
1/ Mifaningo-paka loatra amin\'Andriamatoa Ravalomanana ny FJKM :
Ny FJKM amin\'ny maha-fiangonana azy dia \"nanao,manao ary mbola hanao politika\" foana. Fa ny fombana tsy misy fepetra olona iray - na iza izy na iza - sy antoko politika iray no tsy mety, ary mazàna mitarika fahasimbana.
Ny toeran\'ny filoham-pirenena eo anivon\'ny FJKM mihintsy no mametraka olana amiko : izao dia mbola manaiky hofidiana - ary lany - Filoha lefitra foana (na tsy teo aza izy fa dia misy fifidianana \"par contumace\" izany any amin\'ny Sinaoda). Tsy mety azoko mihintsy hatramin\'izao ny anton\'ny mbola maha filoha lefitra-na Fiangonana iray ny Filoham-pirenena amperin\'asa. Fa na inon\'inona fitiavana ny fiangonana, dia tsy azo apetraka amin\'ny \"mpanompo mahatokiny\", toa an-dry Haja Razafinjatovo, na ry Ivohasina Razafimahefa (asa raha mbola anisan\'izany ry Davidson Andriamparany) ve izany andraikitra izany ? Hany ka miendrika ho fananany ny fiangonana, toy ireo orin\'asany, fa efa voavidiny ambongadiny. Ary dia lasa toy ny tahirim-bato ho an\'ny filoha Ravalomanana sy ny ankolafiny ny Fiangonana rehefa misy fifidianana.
Izany no fahita azy ivelany. Fa na tsy misy eritreri-dratsy aza ao ambadik\'izao dia sady tsy mendrika no tsy tena madio.
La FJKM survivra à Ravalomanana mais dans quel état ?
(miala tsiny amin\'ny teny vahiny tompoko ô.)

73. laloanany
(
23/08/2008 02:01)
Ko samy manana ny Fiangonampanjakany daholo ary ny fiangonana rehetra kooo, ahoana koa ny Gasy tsy mba hametraka ny azy kosa eee, hihihi.
Jereo izao: Ny Katolika zao any Vatican (ny filohany'ny Vatican no lohan'ny Fiangonana), ohatrizany koa ny Loterianina any Norvezy, ny Anglikanina any Angletera, ny reformee tany "Transylvania" (Raha tsy diso iaho mety efa tsisy intsony io firenena io @zao fa tsa haiko aloha fa mba hitakitako tany @ wikipedia tany io eee) Ka tsy aleo ve mba asiana hoe Ny FJKM aty Madagasikara eeee, hihihi :P :P :lol:

76. ikaretsaka
(
26/08/2008 23:12)
izay no tsy azoko... naninona tsy natao hoe "Fiangonana malagasianina" ny anglikanina rehefa any gasikara na
EKAM ny katolika rehefa any
fa nijanona ho Anglikanina sy katolika romanina ihany!

77. prime
(
27/08/2008 11:51)
ikaretsaka> Raha azo atao dia mba fantaro aloha ny rafitra mitondra azy fa tsy voatery hitovy amin'ny rafitra anglikana sy ekar... ny rafitra presbyteriana synodaly rehetra maneran-tany (ny "reformée" rehetra) dia mitovy avokoa fa tsy ny FJKM sy ny FLM sy ny fiangonana protestanta marobe ireo ihany...
78. hao
(
27/08/2008 12:45)
prime:
Raha azo atao dia mba fantaro aloha ny rafitra mitondra azy fa tsy voatery hitovy amin'ny rafitra anglikana sy ekar... ny rafitra presbyteriana synodaly rehetra maneran-tany (ny "reformée" rehetra) dia mitovy avokoa fa tsy ny FJKM sy ny FLM sy ny fiangonana protestanta marobe ireo ihany...
ampahafantaro aza e, ianao izay mahalala;
tena tsy ampy fatra mihintsy oa le rehake(intervention) eto e!
79. ikaretsaka
(
28/08/2008 06:02)
eo @ le hoe "RE"formee no tsy mety azoko de avy eo hoe "Fiangonan'i JK "
le prefix "RE" amiko dia midika hoe "indray"
indraipa ihany no ni formE izy fa tsy mbola niverina ni REforme izany! ->zavatra hafa ny ni Reforme azy fa tsary izy tsotry
i JK ange tsy mbola "RE"descendu teto an-tany ka ni "RE" forme! (raha lazainareo fa nidina indray izy (RE descendu) ka manana porofo ianareo hoe RE-nanasa tongotra teo Jordany sy tiberiady indray Izy dia manaiky aho)
donko tsy Fiangonan'i Jesoa kristy no formeny i iznay fa olona hafa (izay tsy i jesoa) no nanorintena tao Aminy fotsiny !
raha nidina izy ka nanao vao2 de ieeeeeeeee

80. prime
(
28/08/2008 08:57)
hao> Efa voalaza ao ambony ao lavabe sy amin'ny rohy isankarazany any @ wiki fa azoko fehezina fohy ny foto-kevidehibe mba tsy hanalava resaka eto indray :
- Ny olom-boahosotra sy ny laika dia samy tompon'andraikitra mivantana ny amin'ny fampandrosoana ny fiangonana sy ny asan'Andriamanitra araka ny fanomezam-pahasoavana azy avy
- Ny Synoda isa-drafitra no mamaritra ny volavola rehetra fanapahan-kevitra farany entina itondrana ny fiangonan'Andriamanitra
- Isaky ny firenena misy ny fiangonana "reformée" dia samy afaka mamaritra rafitra sy asa mifandraika araka ny tapaky ny Synoda mifandrohy amin'izany, araka ny misiona miandry azy tsirairay avy, ary tsy mifanipaka amin'ny foto-kevidehibe iorenan'ny hetsika "reformée" maneran-tany... (azon'ny namana tohizana)
ikaretsaka> Raha izay no maharesy lahatra anao dia hazony ho finoanao izany hoe izany no dikan'ny hetsika reformasiona... :)