FJKM: Tsy mazava ?????????

21. ikaretsaka ( 11/08/2008 16:51)
aza misintaka fotsiny e
ny FJKM aloha no tratra miharihary be le fisaratsarahana koa.. ary efa mba natambatry ny tsy ao hoe propesta fa e e e
22. Herimiafina ( 11/08/2008 17:51)
Inona avy ary no mety ho anton'izany hoy ianareo?
Fantaro ireo mpisaratsaraka dia diniho ny fandehan'ny fisarahana dia mety ho hitanao ny antony.
Moa ve noho ny fitiavana te-hiavaka ao anatin'ny kiltioran'ny fiaraha-monina? Moa ve noho ny tsy fanaovan'ny fiangonana marketing manjono ny fon'ny fiaraha-monina? Moa ve noho ny tsy fihetezana isankarazany eo amin'ny pratika ao am-piangonana? Nisy tery vaimanta ve sa safidy? Anao no mandalina fa raha ny fijeriko azy tsy afaka hanaovana formule tokana ireo cas isankarazany ireo! :^)
23. ikaretsaka ( 11/08/2008 19:21)
toa mihoatra ireo antony ireo le izy ry herimiafina ko
24. prime ( 12/08/2008 16:28)
ikaretsaka:
aza misintaka fotsiny e
ny FJKM aloha no tratra miharihary be le fisaratsarahana koa.. ary efa mba natambatry ny tsy ao hoe propesta fa e e e
... ekena fa manana fahalemena ny FJKM... :)

Tsy mora ny manambatra fiangonana... ny FJKM moa dia miaina izany amin'ny fotoana rehetra raha nanambatra ny FKM-FFMA-FPM... na any amin'ny fiangonana isanisany aza dia mbola hita taratra ihany ilay hoe, izahay frenjy, izahay lms, izahay mpf...

Ho avy io ny Synoda lehibe dia ho hita eo indray...
herimiafina:
Inona avy ary no mety ho anton'izany hoy ianareo?
Fantaro ireo mpisaratsaraka dia diniho ny fandehan'ny fisarahana dia mety ho hitanao ny antony.
Moa ve noho ny fitiavana te-hiavaka ao anatin'ny kiltioran'ny fiaraha-monina? Moa ve noho ny tsy fanaovan'ny fiangonana marketing manjono ny fon'ny fiaraha-monina? Moa ve noho ny tsy fihetezana isankarazany eo amin'ny pratika ao am-piangonana? Nisy tery vaimanta ve sa safidy? Anao no mandalina fa raha ny fijeriko azy tsy afaka hanaovana formule tokana ireo cas isankarazany ireo!
... tsara fipetraka ny fanamarihana... mila fandinihan-tena lalina...
25. ikaretsaka ( 12/08/2008 23:05)
dia mandiniha tena ary!
26. prime ( 13/08/2008 12:26)
ikaretsaka> Misaotra... tena izany mihitsy ary tena ao anatiny...
27. ikaretsaka ( 13/08/2008 13:51)
mba tsetsatsetra kely miharo fanontaniana araka izay nosoratanareo : fa fikana fjkm iznay itry misaratsaraka sy misintaka ity (trano zozoro e, metm e, fkfm e...) sy mindrana izay metimety aminy avy @ sasany e?
(systeme fifohazana e..litorjia e)
28. booboo ( 13/08/2008 14:38)
:) ...raha ny hany kely mba fantatro @ Histoire des religions dia toa tsy t@ andron'ny fjkm ihany no nisy an'ireo raha ireo fa efa hatr@ zay.

Ny trano sy ny fomba² no samihafa fa ny maha-protestanta (izay be dia be mihitsy no mandiso ny tena dikan'ny hoe protestant) dia mitoetra.

29. Herimiafina ( 13/08/2008 14:51)
Raha ny fijeriko azy (kiano sy hitsio raha diso), dia ohatry ny tsy dia mifandray loatra amin'ny hoe FJKM angamba ny fisarahana, iny fiangonana ihany, fa saingy kosa toa mifandray amin'ny efa fiovan'ny fiaraha-monina na ny mutation sosialy sy ny fomba fisainana mihintsy ilay izy.
Raha tena mandinika tsara ny fandehan'ny fiforonan'ireo Eglizy zanany maro ao amin'ny FJKM isika dia mahita fa somary misy fanatisma kely sy culte de la personalité kely izany ireto izy ary ny mpitarika dia somary manana charisme hafahafa izay. Mahay mitondra ny zavatra tadiavin'ny olona andavan'andro ireny fiangonana kely ireny, manome fanantenana ho an'ny sarababem-bahoaka ka mahasarika olona betsaka tokoa, olona mitady fahagagana. Mahay mikendry ny fiainana andavan'andron'ny olona ao aminy.
Maninona no ao amin'ny FJKM no tena hita izay?
-Ny FJKM dia mitady hitovy sy hampitovy ny Katolika, mivohy kokoa ny Oekuminisma (cf. Pasteur Rabemanahaka Jean WB), ka maro ny tsy dia mankasitraka izany ny mpiangona.
-Ny fomba fitondran'ny FJKM ny mpiangona izay libéral kokoa, mijanona ao ampiangoanana tsy mihitatra amin'ny fiainana andavan'andron'ny tsirairay, na dia ezahina napetraka aza ireo fikambanana isamparitra, sy ireo famangiana ela fiavy....sns....
-Ny fomba fampiarana ny Fivavahana izay tsy mamaly ny hetahetan'ireo olona mitady fahasitranana, vola, asa, vady, rano voahasina, sns.
-Ny tsy fisian'ny elanelana eo amin'ny mpiangona sy ny mpitandrina (Maro ny manadino fa chef spirituel ohatry ny Pretra ihany ny Pasitera), satria ny mpiangona no mifidy sy manome ny karama ny haninkohanin'izy ireny.

Farany dia tsy dia tena hoe ny FJKM ireryno tratran'izay ary mety ho tratran'izay fa zava-misy manerantany ireo rehefa tsy mahavaly intsony ny filan'ny fiaraha-monina ny fiangonana iray.
30. ikaretsaka ( 13/08/2008 15:16)
Herimiafina:

ny ahy ny fijerena ny tranga miseho fotsiny no hijerevako azy an!
fa matetika izany toa ny fjkm no manana zanany misintasintaka be io (ohatra maro be momban'ny voanjo alika nalefan-draprime teo)

-io efa nolazain'i HM io izany ny momban'ny Oekiminisma

-Le momban'ny karisma... ny fananana karisma ange tsy midika hoe mandehana misintaka e, firy moa no manana karisma hafa mihitsy ao @ kato ohatra (ry pedro, ry theresa ry abbe pierre, sy ireo olomasina boobaka be nanangana ordre religieux toa andry St Francois, ry Vincent de paul sy ry St Ignace sy ry St Andre sns.... fa nijanona ho katolika ireny na teo aza ny hoe congregation an'izao, ny dominicains ny lazaristes sns....

-le elanelana indray angamba dia ao @ FJKm aza no toa ahitako le hoe tsy tia hifangaroharo io ny mpitondra sy ny entina.. hitako @ ireny baolim-piangonana ireny fa sarotra be kokoa ny miantso an-dry pasitera hanao baolina, eny na kanety be aza, noho ry mompera...
31. Herimiafina ( 13/08/2008 15:42)
1. Ny Charisma noteneniko teo aloha angamba tsy dia azo sokajiana ho anton'ny fisarahana loatra fa ny tiako tenenina teo dia hoe fitaovana iray nampiasain'ny mpitarika amin'ireo fiangonana madinika nisitaka ireny.

2. Raha resaka Dogmatika indray dia ady matetika no fototry ny fisarahana ka tsy ho ary hijanona ho FJKM izay olona nisaraka rehetra. Raha toa ka resaka fanitarankevitra ny tao amin'ny Katolika no niforonan'ireny Congrégation ireny, dia toa tsy fitoviankevitra kosa no hitanao niforonan'izay fiangonana zanany tao amin'ny Protestant. Ary izy ireny tsy hanaraka mihintsy ny fomba fitondrampivavahana ofisialy amin'ny Eglizy protestanta.

3. Raha ny resaka elanelana indray no somary hitariko ny fanazavako azy dia io fifangaroana (tsy fisian'ny elanelana) io mihintsy no tiako hasongadina teo hoe manimba ny toeran'ny maha-mpitandrina satria tsy hitan'ny olona sasany intsony ny maha-mpitandrina azy. Resaka leadership no tiako asongadina eto na ethique religieuse izay hita mipetraka tsara foana any amin'ny Fiangonana Katolika na dia miara-manao baskety amin'ny tanora aza ny Pretra. Ny anton'ny tsy fisian'ny elanelana hoy aho dia satria na ny karaman'izy ireny aza dia ny mpiangona no manome sy mifidy amin'ny budget-mpiangonana.
32. ikaretsaka ( 13/08/2008 15:53)

mazava ny 1-sy ny 2
fa ny 3... mety ho diso aho fa raha ny fahitana azy ange izany dia ny paraitre ivelany no mahamaika an-drapasy e... hoe tsy miara manao basikety sy manava tena.... nefa mianina @ mpiangona sh'hatreo
33. Herimiafina ( 13/08/2008 16:47)
Hevitra fotsiny ihany iny. Ny zavatra hitako matetika mantsy ohatra rehefa manampa-kevitra ny hanao lanonana na hilalao izay ny mpiara-miangona, dia misy maha-samy hafa azy ny fomba Katolika sy ny fomba Protestanta.
I Mopera ohatra manome ny trano, mitondra ny fiarany manokana, ary mbola mety manome fiarabe hitondrana ny ankizy izay manao cotisation ohatra,sns.
I Pasitera kosa mbola iandrasana izay mahalala tànana afaka hitondra azy mianankavy amin\'ny fiarany, mbola mitady hisisifana ary mbola hokarakaraina ihany koa izay mety ho sakafony, anoatr\'ireo cotisation izay mbola tsy maintsy hatao amin\'ny toerana hofaina, sns.

Manimba be ny imagen\'ilay mpitadrina ireny karzan-javatra bitika ireny satria ny olona amin\'ny ankampobeny dia mahatsiaro tena ho malemy sy tezaina arampinoana kanefa ny fahitan\'ny mpitarika azy toa tsy ilay olona matanjaka sy mahery mahavita-tena, sns
34. ikaretsaka ( 13/08/2008 20:34)
io iznay le tonga amin'ny teny angalisy hoe ..if you can't feed'em don't breed'em e
35. Herimiafina ( 13/08/2008 20:55)
Hevitra fotsiny ihany io nentiko teo io. Mety ho diso, mety tsy azo ampiarina amin'ny cas rehetra koa, fa na dia izany aza mety ho misy lanjany ihany koa eo amin'ny fanazavana.

Ny perception-n'ny olona ny Eglizy Katolika ohatra tsy hitovy velively amin'ny perception-ny ny Eglizy protestanta eo antrehan'iznay lafin-javatra rehetra izany. Ny iray voalohany dia fantatra fa Institution govana be manerantany izay any Roma no tena mitondra azy, ny iray indray FJKM toa fikambanana gasy kely tsy mahaloa ny karaman'ny pasiterany ary mivelona amin'ny ampahandrakitra ataon'ireo mpiangona sy ny fanomezana kely etsy sy eroa.

Mazava ho azy, ny olona iray excommunié avy ao amin'ny Katolika hahatsiaro tena harary kokoa noho ny olona iray niala avy tao amin'ny FJKM, ny mpaminany koa tsy masina an-taniny rahateo. :-D
36. fijo ( 13/08/2008 21:20)
maninona tokoa kay raha miray e????sa matahotra hovery kil indray.manjary misabadidaka ny mpiangona.
37. ikaretsaka ( 13/08/2008 22:59)
Ny iray voalohany dia fantatra fa Institution govana be manerantany izay any Roma no tena mitondra azy, ny iray indray FJKM toa fikambanana gasy kely tsy mahaloa ny karaman'ny pasiterany ary mivelona amin'ny ampahandrakitra ataon'ireo mpiangona sy ny fanomezana kely etsy sy eroa.

Mazava ho azy, ny olona iray excommunié avy ao amin'ny Katolika hahatsiaro tena harary kokoa noho ny olona iray niala avy tao amin'ny FJKM, ny mpaminany koa tsy masina an-taniny rahateo.

ny tsy azoko koa ange de le fitsipozipoziana io no vao mainka anefa manosika te hisintaka sy hisaraka e...
dia raha tsorina anie izany dia lasa tsipozipozy miampy ambom-po diso toerana izany no tena antony fa le vavaka (perception moa no ilazan'i HM azy eto) anaronana azy fotsiny
38. Herimiafina ( 14/08/2008 01:45)
Zavatra roa samy hafa ireo kah, ny iray fonds moa ny iray forme, (ny iray fiaina-mpiangonana moa ny iray vavaka) ka ny sain'ny olona no mivoana kokoa makany amin'ny forme ankehitriny noho ny onjan'ny fiainana sy ny fiovan'ny fomba fisainana. Ny loza dia adino ny tena fivavahana fa revo amin'ny fitsikerana ny fianam-piangonana.
Mihatra n'aiza n'aiza io fa tsy voatery amin'ny FJKM irery ihany; hitanareo etsy sy eroa angamba ireny menomenona isankarazany momba ny fanasinana vehivavy ho pretra, ny tokony hananan'ny pretra vady, ny mariazy homo ary raha tohizana lavitra dia tongahatramin'ny hoe mampahantra ny fivavahana, sy ny hoe fangejana ny fivavahana, ny fizararan'ny silamo, sns.
39. Mandefitra ( 14/08/2008 04:55)
Fomba fijery hanatsaran-javatra moa ity fa tsy tsikera loatra.
Ny zavatro tsikaritro @ fjkm ary dia ny litorjia.
Malalaka kokoa Pasitera @ fitarihana sy fanomezana aina ny fotoam-pivavahana.
Raha ny Loteriana mantsy, dia ilay litorjia ao @ faran ny fihirana ffpm iny no ampiharina. Ary ny vavaka fanombohana sy ny famaranana ny fotoana, na ny vavaka fifonanana aza voarakitra ao.Amin'ny fandraisana aza, dia Pasitera 4 matetika no miara-misalahy @ fampandraisana, satria moa zaraina manodidina ny alitara ny mofo sy divay.Ka ny iray manomboka ny fotoana,ny iray mitoriteny, ny iray mitarika ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo, ny iray mamarana ny fotoana.

Ny olana ho an'i fjkm, dia raha toa pasitera ka mahay maka ny fon'ny olona, ny gasy rahateo olon'ny fo, @ vavaka, @ fampaherezana, @ fiteny, (cf Randrianatoandro), dia lasan 'ilay Pasitera avokoa ny fon'ny mpiangona.
Ka ra toa ka voatendry toeran kafa Rapasy, dia velona ny fitokonana, hoe iny ihany o anay etc ... na hoe nisintaka Rapasy, dia manaraka koa ny mpiangona.

Adino zany fa ny HAFATRA no lehibe fa tsy ilay mpampita hafatra loatra.
40. rabingogilabanga ( 14/08/2008 08:43)
Hoy i rabingo:
Ny loterana, no nisy taloha, ary misy eran'izao tontolo izao, ny FJKM, dia ao madagasikara ihany arakin'ny ananrany
de hoy prime:
... Raha ny tantara dia ny Loteràna no nisy voalohany tany ivelany fa raha ny teto Madagasikara dia ny FJKM no nisy voalohany satria ny Misionera rehetra tonga voalohany teto dia ny LMS (niainga avy tamin'ny Thomas Bevan sy David Jones) dia avy eo ny Frenjy no tonga faharoa vao ny Misionera Norveziana nitondra ny filazantsara araka an'i Lotera ary ny FPM no tonga farany satria efa taty aorian'ny nahatongavan'ny zezoita aza no nidirany teto...

Ny LMS tsy Calviniste, na koa tsy FJKM, fitambaran'ny mpino tany angletera nanao mission eran-tany izy io, dia ny anglican, ny calviniste anglais(puritaniste), ary ny congregationniste. De tendance congregationniste aza izy, izay mbetika miaraka @ anglikana, mbetika misaraka aminy.

Ny fiangonana naorin'ny LMS dia fivoriam-bavaka no natao tao, tamin'izany andro izany.
Porofo: t@ 1968 vao nisy ny FJKM, nefa efa tany ho any @ 1860, efa tonga teto ny LMS

Ny loterana kosa efa ela talohan'ny 1968 no nisy, 140 ans
http://www.madagascar-tribune.com/Boude-par-le-gouvernement,2767.html

Hoy i rabingo:
Ny mpitarika FJKM no nisintaka, juste après ny independance, ka nanangana ny azy manokana.
prime:
... Diso tanteraka izany, ny FJKM no niforona tamin'ny 1968 fa ny komity nampiray ny Fiangonana

marina fa 1968, no nisy FJKM, fa nanomboka après ny fahaleovantena no nisintaka ny mpitarika, efa taty @ 1968 vao afaka nifanaraka ny mpomba ny LMS, Ny FMMA, sy ny MPF, fa tao aoriana ny fahaleovantena dia samy nanka ho azy.
ary ny fisaratsarahana amin'izao eo @ FJKM, dia tsy vahiny @ izany ny maha-fiangonana telo nitambatra ,niantombohany.

Ny hoe statistika indray, tsy milaza marina , na diso aho, fa izao, ny FJKM dia ny ao andrenivohitra, sy ny renivohi-paritany no misy azy, ny any ambanivohitra dia ny loterana no betsaka(zara raha misy FJKM), ny statistika dia mazana ny andrenivohitra(renivohi-paritany) ihany no alainy. ary ny mpandray ihany koa. ny tsy mpandray sy ny tambanivohitra dia tsy dia voakaonty loatra. ka mila malina isika. ary fomba ahoana moa ny hi-compter na ny mpanao fombandrazana sy ny mpivavaka, nefa misy no sady mpamonjy ombiassa, no mivavaka alahady. ary ao @ FLM no tena be an'ireo.

de toute façon na hitambatra ho iray ao @ FJKM, na hitambatra ho iray ao @ FLM, na hanana anarana vaovao, ny tanjona dia tokony hitambatra.
antony: Ny calviniste anglais (puritanisme), sy ny congregationniste, ary ny LMS najoron'izy ireo, dia ho entina hisarahana @ fitantanan'ny Fanjakana anglisy, sy ny fitsabahan'ny fanjakana @ fiangonana t@ izany fotoana izany.

Ny maha-vice president an'i Ravalomanana @ izao fotoana izao anefa, dia mifanohitra @ but ny LMS, ka tokony hampieritreritra ny FJKM, ka hananganany fiangonana hafa miaraka @ FLM
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0094