fihirana ffpm
1. Mandefitra
(
06/08/2008 05:59)
Miarahaba ny mpisera eto @ fivavahana sy finoana.
Hetaheta moa ny ahy, dia ny mba hampidirantsika ny tonon-kira ffpm ao @ rubrique tonon-kira.
Zao mantsy ny antony :
Sahirana dia sahirana ny tena manomana ny hira @ fiaraha-mivavaky (ekiomenika) ny malagasy aty @ nosy iray ivelan'ny Madagasikara.
Tadiavina @ google fa ankavitsiana mihitsy ny site manana ny tonon-kira ffpm, sady hira vitsy rahateo no hitanao ao.
Ny foibe fjkm, efa mba nanao site ihany, nantenaina fa hisy ny fihirana ffpm saingy mbola banga aloha h@ izao.
Isaorana manokana ny tsara sitrapo nametraka hira Katolika ao @ Katolika.org .
Angamba tsy dia ho izaho irery no mila an'ilay izy, fa mety maro koa ny namana hafa finoana mangetaheta ny mba hanana ny tonon-kira ffpm sy ny fihirana fanampiny, koa dia mangataka ny fifandrimbonan-tsika.
Maninona koa moa raha misy hira adventista na Jesosy mamonjy etc ...
Ny toy izao zany no tohizana, ezahina mba tsy ho diso tsipelina :
http://tononkira.serasera.org/index.php?rub=tononkira/hira&id=5048
Raha manana soso-kevitra hafa moa ianareo vao maika tsara.
Misaotra.

novalian'i ikaretsaka ny 27/08/2008 00:27
2. prime
(
06/08/2008 06:48)
Tsara izany sosokevitra izany... :)
Hiezaka mba hifandrimbona amin'izany ny tenanay rehefa mba misy fotoana...
Hiezaka mba hifandrimbona amin'izany ny tenanay rehefa mba misy fotoana...
3. jentilisa
(
06/08/2008 12:44)
Marina fa mendrika apetraka amin'ny aterineto tahaka itony ny hira ao amin'ny fihirana ffpm. Tamin'ny fotoana nampalaza ny hira K7 ny hira ffpm dia voatery niditra antsehatra ny vaomieran'ny hira tao amin'ny ffpm ka nanambara fa tsy maintsy mahazo alalana avy aminy vao mahazo manao ny zavatra toy izany, ka izay koa no mety ho antony tsy hisian'ny tononkira loatra amin'ny fihirana ffpm. Asa anefa?
4. cutie
(
06/08/2008 14:12)
1. Mpandefa : prime [ Valio ] 06-08-2008 08:48:24
Lohateny : Re : fihirana ffpm
Tsara izany sosokevitra izany...
Hiezaka mba hifandrimbona amin'izany ny tenanay rehefa mba misy fotoana...
za koa lol
6. ikaretsaka
(
06/08/2008 21:54)
mahagaga tokoa an... fa tsetsatsetra kely
ny hira ao anaty FFPM anie ka efa 70 taona mahery taty afara vao nisy "fihirana fanampiny e"... nefa boooobaka be mihitsy ny hira masina ataon'ireo chorales sy ny sisa.... dia naninona kay no niandrasana eeeeeelabe toa izay vao nampiana "fanampiny" fa tsy tonga dia noraisina izay hiora vaovao mifanaraka t@ litorjia ohatran'ny an'ny kato?
ny an'ny kato manko raha hoe mandeha radio le hira ka mifanaraka @ litorjiany (misy ireny hiran'-dry Ny ainga ireny izao ohatra mety hira fifonana) dia fara fahatarany iny, eny na ny kato any dilambato be any aza dia efa mampiditra an'iny @ fihirana na lamesa na vavaka andavan'andro.
misy antony mazava tokoa ve?

7. Mandefitra
(
07/08/2008 05:13)
jentilisa> ny mety nahasarotiny t@ zany fotoana zany anie dia lasa fidirambola ho an'ny mpamokatra K7 ilay hira nefa tsy nahazoana alalana.
Misaotra @ fahavononantsika hampiditra ny hira .
Ika> ny antony mazava aloha tsy haiko, (prime ngamba mety mahay), fa tahaka ny zavatra rehetra mila fotoana ny fandinihana ny fampidirana vaovao ao @ litorjia.
Etsy andaniny dia ny fifehezana ny fihirana azy mihitsy ... Satria zava-dehibe loatra ho an'ny protestanta ny fiara-midera an'Andriamanitra anaty Litorjia.
Oh, na dia efa ao anaty fihirana fanampiny aza, "faly aho raha hoy izy ireo tamiko ...", vitsy ny mpiangona no hahay io hira io @ zay tokony ho feony tokoa, na any andrenivohitra aza, maika moa fa ny any ambanivohitra !

8. niryna
(
07/08/2008 05:37)
prime:
Tsara izany sosokevitra izany... :)
Hiezaka mba hifandrimbona amin'izany ny tenanay rehefa mba misy fotoana...
diia miandry izay afaka manao an'izany izahay e ary misaotra mialoha
:-*
9. Lejoba
(
07/08/2008 11:15)
http://www.masombahiny.com
Fa mino aho fa hahazo fahafahampo be ianao
ho aminao anie ny fiadanan'ny Tompo. Dia mahereza sy matanjaha fa tsy foana tsy akory ny fikelezanao aina ao amin'ny Tompo
Fa mino aho fa hahazo fahafahampo be ianao
ho aminao anie ny fiadanan'ny Tompo. Dia mahereza sy matanjaha fa tsy foana tsy akory ny fikelezanao aina ao amin'ny Tompo
10. cutie
(
07/08/2008 14:28)
Mpandefa : fijo [ Valio ] 06-08-2008 23:04:13
Lohateny : Re : fihirana ffpm
ndao ihira e
ndao e lol
11. cutie
(
07/08/2008 14:29)
Mpandefa : niryna [ Valio ] 07-08-2008 07:37:23
Lohateny : Re : fihirana ffpm
Hoy i prime:
Tsara izany sosokevitra izany...
Hiezaka mba hifandrimbona amin'izany ny tenanay rehefa mba misy fotoana...
diia miandry izay afaka manao an'izany izahay e ary misaotra mialoha
tonga de ampidiro ao @ tononkira ao ze hira hain-jy ka :)
12. prime
(
08/08/2008 12:20)
ikaretsaka:... misy fanamarihana kely fotsiny... ny fihiràna fanampiny dia an\'ny FJKM fa tsy raikitra fanampin\'ny FFPM... ny fiangonana Loteràna ohatra dia tsy mampiasa fihiràna fanampiny fa ny fihiràna FFPM iny ihany... fa saingy ny Toby lehibe 4 kosa (iraisan\'ny protestanta moa ireo) dia manana ny hira FIFOHAZANA azy tsirairay avy...
ny hira ao anaty FFPM anie ka efa 70 taona mahery taty afara vao nisy \"fihirana fanampiny e\"...
Ny FJKM koa dia mbola manana fihiràna hafa toy ny fihiràna VOKOVOKO MANGA, fihiràna FIFOHAZANA... ary ireo dia azo atao avokoa anaty litorjia izay tsy dia eken\'ny fiangonana Loteràna loatra ny fanaovana azy anaty Litorjia...
Dia sady ihany koa tsy 70 taty aoriana, fa misy hira vao haingana maro ao amin\'ny fihiràna FFPM ao fa tsy tranainy be avokoa akory izy ireo... misy hira latsaky ny 15 taona aza ao raha tsy diso aho...
ikaretsaka:... na ny Loteràna na ny FJKM dia samy manana komity manokana mandinika ny hira litorjika sy azo atao anaty fihiràna... ary eo anivon\'ny FFPM koa dia misy komity manokana mpiandraikitra izany iraisan\'ny FJKM sy ny Loteràna... ny fihiràna FFPM aloha no iraisana hatreto nefa tsy manakana ny roa tonta hanampy na tsia ny azy avy... fa raha ny firaisana eo anivon\'ny FFPM dia ilay taloha iny ihany...
nefa boooobaka be mihitsy ny hira masina ataon\'ireo chorales sy ny sisa.... dia naninona kay no niandrasana eeeeeelabe toa izay vao nampiana \"fanampiny\" fa tsy tonga dia noraisina izay hiora vaovao mifanaraka t@ litorjia ohatran\'ny an\'ny kato?
Isaky ny fiangonana avy (FJKM aloha indray no fantatro eto) dia afaka mampiditra ny hira \"chorales\"\'ny ao anaty litorjia sy hiran\'ny fiangonana manokana ka azon\'ny fiangonana manontolo hiraina isaky ny fotoana fanompoam-pivavahana... tsy vitsy ny fiangonana FJKM no manana fihiràna manokana azy ankoatry ny fihiràna voatanisa eo ambony ireo...
ikaretsaka:... dia arahabaina ny kato izany...
ny an\'ny kato manko raha hoe mandeha radio le hira ka mifanaraka @ litorjiany (misy ireny hiran\'-dry Ny ainga ireny izao ohatra mety hira fifonana) dia fara fahatarany iny, eny na ny kato any dilambato be any aza dia efa mampiditra an\'iny @ fihirana na lamesa na vavaka andavan\'andro.
ikaretsaka:... Mitovy hevitra amin\'ny mandefitra aho no sady tsy dia tena afaka mitondra fanazavana loatra fa ny fantatro dia amin\'ny protestanta, ny hira litorjika dia mila tandremana tsara satria ny voninahitr\'Andriamanitra mihitsy no mila tandrovana mafy... ary izany no antompisian\'ireo komity isan-tsokajiny mandinika ifotony ny hira tsirairay avy vao azo ampidirina anaty fihiràna...
misy antony mazava tokoa ve?
Fa raha ny hira protestanta eto Madagasikara tokoa aloha no heverina ho raisina atao anaty fihiràna ireo hira \"chorales\" tsy hita pesimpesenina dia angamba mitondra fihiràna tsy latsaky ny 20 isaky ny hivavaka... :-D
13. Mandefitra
(
08/08/2008 12:34)
prime:
Fa raha ny hira protestanta eto Madagasikara tokoa aloha no heverina ho raisina atao anaty fihiràna ireo hira "chorales" tsy hita pesimpesenina dia angamba mitondra fihiràna tsy latsaky ny 20 isaky ny hivavaka..
Ka zay indrindra mantsy.
y fantatro dia amin'ny protestanta, ny hira litorjika dia mila tandremana tsara satria ny voninahitr'Andriamanitra mihitsy no mila tandrovana mafy.
Ohatra anakiray zao, ny tarika TCR (Christophe Ratrema) de zanak'Ambatovinaky, fa tanaty toriteny mitsy Pasitera no niteny hoe tianareo loatra ilay hira hoe "aiza no misy anao ry Jeso" ... nefa hira tsy dia mitory fanantenana loatra ... aiza, aiza ...
14. ikaretsaka
(
08/08/2008 16:54)
io fisaratsaerahana io (samy manana ny azy io) nefa FFPM hoa atsararo @ zay!
maninona izao io raha atao ao anaty fihirana iray...
na ny katolika aza ania ny hasina sy ny fihirana vaovao ary ny ankalazao ny tompo misy maro dia maro e... fa atambatry ny edisiona isaky ny manampy fotsiny ireo hira vaovao
tadidiko t@ Hasina vao nanomboka tany @ 1983 tany na ny ankalazao vao nanomboka ange ka 400 pejy e..
izao ny edition 2008 an'ireny fihirana ireny dia efa 700 pejy mahery.
maninona no tsy atao ohatran'izay?
bizinesinareo moa io fa ny ahy soa fianatra fotsiny
Amiko raha manontany hoe Aiza sy hoe iza
Fa raha ny hira protestanta eto Madagasikara tokoa aloha no heverina ho raisina atao anaty fihiràna ireo hira "chorales" tsy hita pesimpesenina dia angamba mitondra fihiràna tsy latsaky ny 20 isaky ny hivavaka..
maninona izao io raha atao ao anaty fihirana iray...
na ny katolika aza ania ny hasina sy ny fihirana vaovao ary ny ankalazao ny tompo misy maro dia maro e... fa atambatry ny edisiona isaky ny manampy fotsiny ireo hira vaovao
tadidiko t@ Hasina vao nanomboka tany @ 1983 tany na ny ankalazao vao nanomboka ange ka 400 pejy e..
izao ny edition 2008 an'ireny fihirana ireny dia efa 700 pejy mahery.
maninona no tsy atao ohatran'izay?
bizinesinareo moa io fa ny ahy soa fianatra fotsiny
Amiko raha manontany hoe Aiza sy hoe iza
17. valikely
(
09/08/2008 14:59)
amin'le oe fihirana 20 no entina ande iangona, ngamba de betsaka ny olona ts ivavaka fa manana excuse oe ny ray fotsiny ny fihirana de oaina be any a :-D
Fa mba zoky fanaja zany le an loterana e, reo hira bdb ao @ fhirana reo no taloha de an zareo alou zany ny sehatra @ litorjia,
Fa mba zoky fanaja zany le an loterana e, reo hira bdb ao @ fhirana reo no taloha de an zareo alou zany ny sehatra @ litorjia,
18. ikaretsaka
(
09/08/2008 16:05)
de tsy handroso mihitsy izany fa dia ny teo ihany no teo? tsy misy zava baovao
19. niryna
(
10/08/2008 04:36)
prime:mitovy hevitra koa aho fa raha izao hira rehetra izao ve no ampidirina tsy misy fitandremana tsy hivoana any amin'izay tsy izy tokoa.
.. Mitovy hevitra amin'ny mandefitra aho no sady tsy dia tena afaka mitondra fanazavana loatra fa ny fantatro dia amin'ny protestanta, ny hira litorjika dia mila tandremana tsara satria ny voninahitr'Andriamanitra mihitsy no mila tandrovana mafy... ary izany no antompisian'ireo komity isan-tsokajiny mandinika ifotony ny hira tsirairay avy vao azo ampidirina anaty fihiràna...
=))
Fa raha ny hira protestanta eto Madagasikara tokoa aloha no heverina ho raisina atao anaty fihiràna ireo hira "chorales" tsy hita pesimpesenina dia angamba mitondra fihiràna tsy latsaky ny 20 isaky ny hivavaka... :-D