Tsy voatelina ny fanafafody kanefa te ho sitrana aho !!
41. prime
(
12/08/2008 16:47)
fahamarinana:... Ny nambarany ry fahamarinana no nahatonga ahy nanao fanamarihana hoe manana andriamanitra maro i ika raha izany satria andriamanitra miteny avokoa ny miseho rehetra... ny fiainana nefa dia seho marobe mifandrohy... :)
itovizako hevitra koa io voalazan'ika io,tsy midika amiko hoe manana Andriamanitra hafa ihany koa.
fahamarinana:... Mitombina no sady mazava ny tianao hambara... ny tenin'Andriamanitra dia tsy misy heriny raha tsy iasan'ny Fanahy Masina... ary tonga fiainana rehefa Jesosy tokoa no raisina...
Aiza ho aiza ilay tenenintsika mazana hoe Asan'ny Fanahy Masina ? Sa tena diso tanteraka ihany koa ny fomba Fijeriko sy Finoako ????
fahamarinana:... Mitombina tanteraka ilay fanamarihana... ny tenin'Andriamanitra dia fiainana fa tsy isehosehoana amin'ny fitondrana baiboly na fitanisana Soratra Masina...
angamba tsy misy mandà fa tena marina tanteraka ny voalazan'ny niryna mikasika an'io fa kosa aiza ho aiza ndray ary ilay hoe samy manana ny fizaram-pahasoavana nomen'ny Tompo azy :ao ny mpitory,ao ny hafa ihany koa...raha tsy mivimbina Baiboly na tsy mampiseho izany na tsy mitanisa Tenin'ny Soratra Masina ve dia azo lazaina fa tsy izy mihintsy e...ny tiako ambara hoe mahalala ny Tenin'Andriamanitra fa mampiseho izany amin'ny Fitiavana,Firahalahiana,Fihetsika mampi-te ho tia sns...sns...Na diso tanteraka koa aho angambany satria hisy hilaza ndray hoe amboarinareo ny Teny sns...sns......
Fa alohan'ny hahavelomany ho tonga fiainana raikitra ao anaty dia mila tovozina ohatry ny ahoana raha ny fahitanao azy?
fahamarinana:... ny Fanahy Masina dia tsy miasa irery fa hamarinin'ny teny hatrany... ary Andriamanitra tsy indray mandeha no mampitandrina ka niteny toa izao amin'ny anaran'i Jesosy :
ny tiako marihina sy tsindrina dia hoe tsy io velively fontsiny.Mino aho fa tsy nilaza ny namana hoe tsy ilaina...,izay no nanamafisako ny resaka Fanahy mampiteny izay tsy hitantsika ao amin'ny andininy Baiboly ihany koa...
"[Ny amin'ny fampianarana sandoka, sy ny tokony hitiavantsika ny rahalahy, ary ny hanekentsika ny fanambaran'Andriamanitra ny Zanany] Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao." I Jaona 4:1
Ka tsy hoe izay milaza ho manana ny Fanahy Masina dia manana izany avokoa fa mbola mila izahana toetra izany, dia mipetraka amin'izay ilay fanamarihana hoe amin'ny alalan'ny inona no izahana toetra ny fanahy?... mazava ho azy fa amin'ny alalan'ny Soratra Masina (raiketin'ny baiboly) sy ny anaran'i Jesosy...
42. ikaretsaka
(
12/08/2008 23:47)
ka iza no mizaha toetra e?? eo ange isika izao e...
tsy izay mivimbina baiboly ange no hoe olomasina akory e! aoka hazava
tsy izay mivimbina baiboly ange no hoe olomasina akory e! aoka hazava
43. fahamarinana
(
13/08/2008 07:29)
prime:
Fa alohan'ny hahavelomany ho tonga fiainana raikitra ao anaty dia mila tovozina ohatry ny ahoana raha ny fahitanao azy?
:arrow: itovizako hevitra tanteraka kah...Ny nahazendana ahy fontsiny hoe ohatran'ny tsy izy ny olona raha tsy mamaky na mahay baiboly tanteraka.Amiko,fa mety ho diso aho,ny Baiboly ianarana isan'andro sa misy olona efa mahay tanteraka izay voalaza ao ve ?
prime:
Ka tsy hoe izay milaza ho manana ny Fanahy Masina dia manana izany avokoa fa mbola mila izahana toetra izany, dia mipetraka amin'izay ilay fanamarihana hoe amin'ny alalan'ny inona no izahana toetra ny fanahy?... mazava ho azy fa amin'ny alalan'ny Soratra Masina (raiketin'ny baiboly) sy ny anaran'i Jesosy...
:arrow: Ekeko kah...ary ireny RAR lehibe tsa nahay namaky teny ,tsa nahalala Baiboly nefa nampitenen'ny Fanahy Masina,aiza ho aiza indray ireo ? Sa olona spécial efa voafidy tanteraka ? .
Rahatoa ka olona tsy mahay Baiboly,tsy mamaky dia tsy ho possible ampitenenin'ny Fanahy Masina ve ,raha araka io fanamarihana io no jerena .Fanontaniana kely fontsiny tonga tao an-tsaina.Ialako tsiny fa be loatra ilay fanontaniako. (l)
44. niryna
(
14/08/2008 05:09)
fahamarinana:
:arrow: ka itovizako hevitra ny tenin'ny niryna eto fa kosa ny voalaza tao ambony tao dia hoe tenin'andriamanitra ao anaty baiboly...
niryna:
Ny fahalalana ny tenin'Atra sy ny fampiasana izany isan'andro isan'andro no zava-dehibe ka tsara dia tsara tokoa ho ahy manokana no ahalalako sy amakiko ny tenin'Atra isan'andro,mampianatra ahy ny anaraka ny didiny ary tsy matahotra na inona zavatra mitranga amin'ny fiainana satria efa nanome toky ahy Izy ny amin'izany.
Tsara ho hay ny tenin'Atra ry ika a raha nomeny fahasoavana isika ka izara amin'ny olona ahoana no hizaranao raha tsy ao aminao ilay teny ?
fahamarinana:
ny tiako marihina sy tsindrina dia hoe tsy io velively fontsiny.Mino aho fa tsy nilaza ny namana hoe tsy ilaina...,izay no nanamafisako ny resaka Fanahy mampiteny izay tsy hitantsika ao amin'ny andininy Baiboly ihany koa...:-* (l)
aha tsy io velively dia mahita hafa angaha i fahamarinana mba lazao hoe ? misaotra mialoha.i
Raha hoe ny fanahy no mampiteny ahoana izany ?
ny hoe angaha hoe ny fanahy masina no mampianatra ,mampibebaka,mampahatsiahy,manitsy ho an'ireo izay olona nandray an'i kristy an,izay rehetra mino sy manao Azy ho Tompo sy Mpanjaka ary Mpamonjy dia miresaka aminy tokoa ny fanahy masina
Mety tsy mbola namaky baiboly aho izaho kanefa nino an'i kristy,nametraka ny fiainako eo am-pelantanany ary dia nisy fanahy nibitsika mangina tamiko efa im-piry ? Aza matahotra fa omba anao mandrakariva aho ...Taty aoriana elabe vao itako hoe ao anaty baiboly ilay izy.
Misy zavatra maro no mitranga amintsika
Misy olona mahalala ny tenin'Atra ary tena mampiasa izany amin'ny fiainana
Misy olona milaza mahalala kanefa tsy hainy na tsy mampiasa izany amin'ny fiainana.
Misy olona milaza mahalala kanefa tsy mahalala fa mihevitra izy fa mahalala.
Misy olona tsy mahalala ary tena milaza izy fa tsy mahalala ka mangetaheta ny tenin'Atra.
Misy olona milaza mahalala kanefa tsy mahalala fa feno pride na fireharehana fotsiny ao aminy ary dia tsy manaiky ho resy dohika hoe tsy mahalala satria izay nampianarina azy na diso aza dia iny ihany no himasoany sy ho teneniny lava.(io ilay fampianarana mivoana ao anatin'ny baiboly )
Misy anefa sady tsy mahalala no tsy te ahalala fa izay saimpantany ihany no heveriny fa mahamety azy ka iny no hiadiany sy anaovany ilay teny mamy mivilana mandeha any amin 'izay tsy izy ...
Misy koa anefa mahalala ary dia mizara izay mba kely fantany ka ireo izay tsy mahalala fa mangetaheta ilay tenin'Atra dia efa fantatr'Atra tokoa izany ary dia ampianariny ary ny fanahy masina no mirotsaka tsikelikely ao anatiny ary io fanahy masina io no mampianatra azy ary manindry ny tanany koa aza mizara izay kely nomeny an'ilay olona satria marobe no mangetaheta ilay tenin'Atra ka raha mino izy ireo dia ho voavonjy tokoa
Tsy ho fantatra ny tenin'Atra raha tsy naheno izany isika
Tsy ho fantatra ny tenin'Atra raha tsy mandalina izany isika
Tsy ho fantatra ny tenin'Atra raha tsy manao fandinihina amin'izany isika
Avy amin'ny inona ?
Avy amin'ny famakiana ny soratra masina
Avy amin'ny fihainoana azy isan'andro
Avy amin'ny fizarana nomen'ny olona ho antsika
Avy amin'ny famerimberenana ny famakiana ilay tenin'Atra
http://baiboly.org/toko.asp?boky=SALAMO&toko=119&andininy=1-8&dika=
Ary ireo rehetra ireo dia tsy ho lavorary na tsy ho tanteraka raha tsy ampiasaina amin'ny fiainana sy anaovana andrana fa Atra Velona no torina eto fa tsy ATra maty http://baiboly.org/toko.asp?boky=SALAMO&toko=115&andininy=1-8&dika=
(l)niryna
45. ikaretsaka
(
15/08/2008 03:56)
sarotra be ve ny mihaiky hoe tsy ny zavatra voasoratra ihany akory no atao hoe teny?
aza adino fa na ny fanenon'ny tananao mikapokapoka eo ambony claviers ana ordi eo aza dia efa tenin'Atra.. mitondra hafatra betsaka lavitra avy @ ilay nahary anao ho anao noho izay zavatra rehetra voasoratra!
fa anjaranao no mamantatra izay.. hoe inona no tian'Atra hambara amin'n'io tranga feo, seho io?
aza adino fa na ny fanenon'ny tananao mikapokapoka eo ambony claviers ana ordi eo aza dia efa tenin'Atra.. mitondra hafatra betsaka lavitra avy @ ilay nahary anao ho anao noho izay zavatra rehetra voasoratra!
fa anjaranao no mamantatra izay.. hoe inona no tian'Atra hambara amin'n'io tranga feo, seho io?
46. prime
(
18/08/2008 12:02)
fahamarinana:... Samy manana ny mahaizy azy ny olona ry fahamarinana... ny fahafahana mamaky baiboly dia mbola fitiavana sy famindrampo ihany koa no sady fitahiana lehibe afaka mamantatra ny sitrapon'Andriamanitra...
Ny nahazendana ahy fontsiny hoe ohatran'ny tsy izy ny olona raha tsy mamaky na mahay baiboly tanteraka.Amiko,fa mety ho diso aho,ny Baiboly ianarana isan'andro sa misy olona efa mahay tanteraka izay voalaza ao ve ?
Tsy misy olona na dia iray aza afaka miteny fa mahay tanteraka ny voalaza ao amin'ny baiboly... izany indrindra no mila ianarana azy tsy tapaka...
fahamarinana:... Ny tenin'Andriamanitra ihany dia manamarina ny asany... raha arahanao ny tantaran'ny Toby lehibe Ankaramalaza... I Mama Volahavana Germaine (Nenilava) dia sady tsy nahay namaky teny no tsy nahay nanoratra tamin'ny fotoana niantsoan'Andriamanitra azy... talohan'ny nahafatesany dia voaporofo fa mahay fiteny tsy latsaky ny 6 maneran-tany izy...
ary ireny RAR lehibe tsa nahay namaky teny ,tsa nahalala Baiboly nefa nampitenen'ny Fanahy Masina,aiza ho aiza indray ireo ? Sa olona spécial efa voafidy tanteraka ? .
Rahatoa ka olona tsy mahay Baiboly,tsy mamaky dia tsy ho possible ampitenenin'ny Fanahy Masina ve ,raha araka io fanamarihana io no jerena .
Ny amin'ireo hoe RAR ampitenenin'ny fanahy masina... amin'ny zavatra toa ireny indrindra ilay mila izahàna toetra ny fanahy... fa ny fanahin-devoly dia mahay maka tahaka ihany koa ary afaka manao fahagagana tsy hita noanoa... ka tsy izay rehetra milaza fa nandray ny fanahin'Andriamanitra na ny fanahin'i X na i Y na izay miteny ho nisehoan'ny fanahy dia avy amin'Andriamanitra avokoa...
47. fahamarinana
(
18/08/2008 17:31)
niryna:
aha tsy io velively dia mahita hafa angaha i fahamarinana mba lazao hoe ? misaotra mialoha.i
Raha hoe ny fanahy no mampiteny ahoana izany ?
:arrow:niryna : Fanahy Masina no resahako ry niryna fa tsy fanahy hafa a !!!!ndrao tsy mifankahazo resaka tsika roa
prime :misaotra tamin'ny fanazavana,ka eto indrindra isika satria mitovy amin'ny eritreritro tokoa io voalazanao io hoe ampitenen'ny Fanahy Masina (aleo soratana sao misy manao hevidiso ndray ):) (l)
48. prime
(
19/08/2008 08:16)
fahamarinana> Mila fitandremana be mihitsy io satria ny devoly dia fantatra fa fanahy fetsy... maro no milaza fa itoeran'ny fanahin'Andriamanitra (avahako aloha etoana ny Fanahy Masina)... ao ny mahay mamantatra ny ho avy, ao ny milaza ho mahay maminany, ao ny milaza ho mahay manasitrana, ao ny milaza ho manana hery fiarovana sy mahay mampihary harena... sns rehefa tena dinihana nefa ny fanahy miasa eo (izaho efa nanatrika indray maka fahiny fa hira fihiràna FFPM tsy tapaka manomboka any amin'ny hira 01 ao anaty cassette no alefa mitohy eo am-panaovana asa) dia misy mahasadaikatra satria rehefa tonga eo amin'ilay fiantsoana ny "fanahy masina" dia sady tondraka rano "voahasina" tsy tapaka no sady tsy misy Jesosy antsoina intsony... ary rehefa tonga ilay fanahy dia mitoetra amina tovovavy efa voafidy mialoha izy ary mampiteny araka ny baikon'ilay fanahy... (toy ireny tromba ireny saingy tsy maharitra ilay hetsika fa vetivety dia tony ary afaka manatona eo avokoa ireo izay manana olana)
Nefa ireo mpivavaka dia resy lahatra avokoa fa tena asan'ny fanahy masina io ary dia samy manontany ny vahaolany avy amin'ilay fanahy eo...
Izay no andidian'ny Tenin'Andriamanitra hoe mila izahàna toetra ny fanahy raha avy Aminy marina na tsia...
Nefa ireo mpivavaka dia resy lahatra avokoa fa tena asan'ny fanahy masina io ary dia samy manontany ny vahaolany avy amin'ilay fanahy eo...
Izay no andidian'ny Tenin'Andriamanitra hoe mila izahàna toetra ny fanahy raha avy Aminy marina na tsia...
49. fahamarinana
(
19/08/2008 09:21)
:arrow: prime :misaotra indrindra amin'ny fanazavana sy ny faharetana ny amin'ny famaliana ny fanontaniako apetrako na miverimberina hatrany aza.Azoko tsara ny tianao ambara...Marina tanteraka fa mila fitandremana ary eo indrindra no manahirana ahy hatreto,mbola tsy ampy finoana angamba ka tsy mahay manavaka izany.:( (l)
50. ikaretsaka
(
19/08/2008 18:46)
faha> meditations meditation.. examen de conscience examen de conscience.. discernement discernement...
:wink:
:wink:
51. fahamarinana
(
20/08/2008 08:03)
:arrow: ika :tena mbola mila ezaka be raha ny amiko aloha dia indrindra mila vavaka be...izaho manokana manko tsy moramora ny andraisako zvtr fa mitady porofo ary mila resy lahatra hatrany vao manaiky zvtr iray ary eo no danger fa ndrao zvtr hafa no ekena rehefa be eritreritra sy be fandinihana ary be famakafakana izay.Hoy ilay namako izay hoe mandrosoa aloha...nefa sarotra izay mandroso be izay nefa ny eo tsy mazava. Fa misaotra ny Tompo fa tafiditra na dia mbola mihazohazo aza...mbola ho avy ilay maraina e :) (l)
53. ikaretsaka
(
21/08/2008 03:16)
ny ahy faha ny hoe "mandrosoa aloha" dia miainga aminao ihany an
za kao tsy mino toriteny lava fa ny ahy ny asa no mikabary
aleoko mijery olona anankiray (pere pedro ohatra na mere theresa) dia mahita ny asany sy ny endrik'Atra eo amin'ny fihetsiny isana'andro fia miezaka mianatra azy..manampy azy raha azoko atao..
toy izay hihaino toriteny be sy wawawa tapak'andro dia mihazohazo eo fotsiny.
amiko manokana tsisy effets le izy raha tsy hita maso sy hiaianana fa manjary kabarilava polifika fotsiny karazan'ny propagandy.
ny zavatra farak'izay tsy tantiko indrindra sy tsy ekeko dia ny mahita olona misotro toaka ohatra dia miteny hoe fadio ny toaka...dia mitsimpona ze zo tsimponiny izy hoe zao aby no maharatsy ny toaka
mandaitra amiko kokoa ny mahita olona mamolava iray nijanona toaka de tsy niteniteny etsy sy eroa fa izay nahafantatra azy ihany no nahita nynataon'ilayolona de tonga saina ho azy hoe ratsy izany ny toaka, na hoe Radaoro aza nijanona!
za kao tsy mino toriteny lava fa ny ahy ny asa no mikabary
aleoko mijery olona anankiray (pere pedro ohatra na mere theresa) dia mahita ny asany sy ny endrik'Atra eo amin'ny fihetsiny isana'andro fia miezaka mianatra azy..manampy azy raha azoko atao..
toy izay hihaino toriteny be sy wawawa tapak'andro dia mihazohazo eo fotsiny.
amiko manokana tsisy effets le izy raha tsy hita maso sy hiaianana fa manjary kabarilava polifika fotsiny karazan'ny propagandy.
ny zavatra farak'izay tsy tantiko indrindra sy tsy ekeko dia ny mahita olona misotro toaka ohatra dia miteny hoe fadio ny toaka...dia mitsimpona ze zo tsimponiny izy hoe zao aby no maharatsy ny toaka
mandaitra amiko kokoa ny mahita olona mamolava iray nijanona toaka de tsy niteniteny etsy sy eroa fa izay nahafantatra azy ihany no nahita nynataon'ilayolona de tonga saina ho azy hoe ratsy izany ny toaka, na hoe Radaoro aza nijanona!
54. niryna
(
21/08/2008 05:13)
ikaretsaka:tsy milsy maharatsy an'izany.Tadidio fa ny finoana an'ilay kristy no tenenina voalohany,angaha adinona ilay tantara mikasika ny hoe [b ] nandritra ny androm-piainako aho nitady an'i kristy foana [/b]
ny ahy faha ny hoe "mandrosoa aloha" dia miainga aminao ihany an
za kao tsy mino toriteny lava fa ny ahy ny asa no mikabary
aleoko mijery olona anankiray (pere pedro ohatra na mere theresa) dia mahita ny asany sy ny endrik'Atra eo amin'ny fihetsiny isana'andro fia miezaka mianatra azy..manampy azy raha azoko atao..
ikaretsaka:..izay no hilazaiko hoe misy mampianatra mivilana any,aza gaga raha toa ka tsy tia mamaky baiboly ika,tsy avelan'ilay lavarambokely ...ny tenin'Atra nampianatra anay..fa mino fotsiny ihany dia ho vonjena hianao sy ny ankohonanao...dia nanao fanoharana tamin'ireo mpianany mihitsy aza JK ....fantany fa hisy olona toa anao io indray andro any e,tsy mino maty raha tsy avy mandevina,,,tsy omeko tsiny hianao ka ,izay izy izany,mila porofo ka dia mitadiavana aza...
oy izay hihaino toriteny be sy wawawa tapak'andro dia mihazohazo eo fotsiny.[/,kuote] dia efa mazava ho azy izany ka inona no anampiko azy eo intsony,tsy misy mampanitona anao ny toriteny,tsy omeko tsiny hianao ka..tsy terena hino ny olona,Atra no mahalala ao am-po tsy miloaka ary vavolombelon'ny mpiasa ny bainga voavadika
[quote=ikaretsaka]
amiko manokana tsisy effets le izy raha tsy hita maso sy hiaianana fa manjary kabarilava polifika fotsiny karazan'ny propagandy.
ndry mampalahelo na aleo atao hoe mampitoma hianao ity...eny ary fa manao propagandy ho an'i kristy aho e
Ho an'Ikaretsaka sy ireo izay tsy mbola nanankina ny fiainany tamin'ilay Mpamonjy ny fanahintsika rehetra dia J.Kristy izany
Miverena amin'ATra ,mino an'i JK .Izy irery ihany no lalana mankany amin'ny Ray,tsy misy mpanelanelana antsika afatsy Izy irery ihany,aza mivavaka amin'ny sampy na sari-vongana na olona efa maty fa tsy misy hifandraisantsika amin'ny maty intsony,na kristal na dada Rabe na mpanandro na horoscope na mamaky tanana ,na mamaky karatra na ireo mijery ny ho avy (ny volanao,ny vitanao ,ny ho vadinao,ny ho avinao...sns ...ireo izay milaza ny mahita ny ao am-po tsy miloaka ) ..aza mino an'ireo,fitaka sy lainga,mety mahafantatra ny omaly izy satria satana no mampiasa azy fa satana kosa tsy mahalala ny am-pitso.mibebaha,izao velona izao ihany isika no mangataka antsika ny hibebaka sy hifamela heloka ireo rehetra nanaovantsika toetra ratsy....miverene.. ,efa nomena izay ny tenin'Atra ,efa nalefako izay ny propangandy ...miverena fa miandry anao ilay Mpamonjy,Mpanafaka,
Mpampianatra,Mpampihavana,Mpamelona ny fanahy,Mpanelanelana antsika amin'ilay Rainy,Mpanjakan'ny mpanjaka,Atra velona,Atra mamaly ,ary Mpisolovava antsika kristiana rehetra rehefa hatrizay miala ety ,mivavaka....mifona aminy ...mahereza....ny namanao ato amin'ny serasera .....niryna
ikaretsaka:inona no point tianao ho tenenina ?
ny zavatra farak'izay tsy tantiko indrindra sy tsy ekeko dia ny mahita olona misotro toaka ohatra dia miteny hoe fadio ny toaka...dia mitsimpona ze zo tsimponiny izy hoe zao aby no maharatsy ny toaka
[quote=ikaretsaka]
mandaitra amiko kokoa ny mahita olona mamolava iray nijanona toaka de tsy niteniteny etsy sy eroa fa izay nahafantatra azy ihany no nahita nynataon'ilayolona de tonga saina ho azy hoe ratsy izany ny toaka, na hoe Radaoro aza nijanona![/quote ] ka mahafantatra fa ratsy izy sady tsy miditra ny fanjakan'ny lanitra koa anie ny olona mamolava raha toa ka tsy mibebaka ,,,isika rehetra io fa sao adino
19 Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijefojejoana,
20 fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,21 fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra. Gal 5:19-21
tsy manda ny asa aho fa ny finoana no mahavonjy ...izay aloha no hiaingana dia mandeha ny asa...ny anao moa izay no nampianarina anao hoe jereo ny asa..tadidio fa tsy niteny ny soratra masina hoe miasa mafy dia tonga any an-danitra..oops ary efa naveriko im-piry io ,fa dia vereno jerena indray ny boky volamena oops hay moa tsy ....e dia aza averina intsony indray hoe ny finoana tsy arahin'asa naman'ny maty ,satria tsy mitovy ny asa eritreretanao ny hevin'ny asa eto....
Famonjena no nomen'Atra antsika , tsy avy amin'ny asantsika izany na ny tenantsika ,fa fahasoavana avy amin'Atra izany....hafarany isika satria misy maro no mirehareha amin'ny asa ...dia io hianao fa milaza tsy anontaniana..
Dia tena tsy misy hitovizany mihitsy izany isika dahy,izaho fahiny miangona amin'ny fito maraina ,dia miverina misakafo ny antoandro dia mijery fanasitrana ary tsy mody raha tsy amin'ny enina hariva,taona maro no nanaovaka izany ary tena itako izany fahasambarana miaraka amin'Atra izany.ia
Raha resaka fivavahana no omenao ahy ka fantatro ny hamaliana azy dia tsy mba kivy aho na ketraka fa mizara foana,foana..na mijanona ao am-piangonana indray andro aza aho mihaino toriteny tsy leony ...oops,mangetaheta ny tenin'Atra aho ka dia omeny tokoa.
Izay ilay izy raha tia basketball hianao dia resaka basketball foana no resahina raha tsy tia makasary hianao tonga dia te hatory ho azy,toa izany koa ny tenin'Atra ,tsotsofin'ilay kely lavarambo ny olona dia leony,matory,miodina any an-kafa ny eritreriny fa raha ny fanahy masina kosa no miasa ao amintsika dia mangetaheta isika ,tsy andry izay fotoana misy fivavahana sady maro ny aty amintsika ny fiangonana mivoha mampianatra ny olona .
14 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.
15 Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantatr'olona.1 Kor 2:14-15
55. ikaretsaka
(
22/08/2008 00:32)
point farany.. tsy eken'nysaiko ohatra raha i pasitera no manazava ahako ny voalaza ao @ 1kor 7:25-34
56. prime
(
22/08/2008 12:29)
Ika> Aza atao "point" farany aloha kosa e...
Fa maninona no tsy eken'ny sain'i Ika ny fanazavan'i Pasitera an'io???
Fa maninona no tsy eken'ny sain'i Ika ny fanazavan'i Pasitera an'io???
57. ikaretsaka
(
22/08/2008 16:17)
tsy misy hafa @ le hoe i Radaoro mamolava no hiteny amiko hoe aza misotro toaka nefa ingainy ihany ny tavoahangy botany sy ny consomm!
58. prime
(
26/08/2008 07:54)
Fa inona tokoa moa no tena tian'io "textes" io ambara no lazain'ika hoe mitovy amin'ny mpisotro toaka mitory tsy fisotroana toaka ny Mpitandrina mitory an'io?
59. niryna
(
27/08/2008 20:13)
ikaretsaka:
ny dikan'ny hoe mamafy teny ange tsy midika hoe ze teny ao anaty baiboly ihany akory no atao diska goaka de averina e..
:roll: :oops: :cry: :cry:
60. niryna
(
27/08/2008 20:15)
ikaretsaka:dia avereno ho any aminao ilay fanontaniana ???
ka le fahalalana ny tenin'Atra ve hoa izany dia nahatonga le hoe nankaia ny baiboliko teto foana ? (ho an'i niryna io)
efa naveriko foana hoe ohatran'ny rano io.. eny ilaina ny rano, mamelona ny rano ...sns... ... fa tsy rano fotsiny akory dia ampy!
