fahafolo-karena....
101. fijo
(
14/08/2008 21:08)
sakakely,ka marina io ko.izao aho manao zavatra arakaraky ny ahatsapako azy,fa tsy hoe sao hisy heloka hilatsaka rah amanao izao sy izatsy
102. ikaretsaka
(
15/08/2008 04:40)
raha manome kosa ve niryna ka lazain'i pasiteranareo fa ezaka fafo io nefa izy no nahatakatra 4x4 vaovao fa ny tafom-piangonana mbola mitete de tena serieux.. tsy ho gagagaga ihany ve ianao??
103. niryna
(
15/08/2008 12:54)
ikaretsaka:
raha manome kosa ve niryna ka lazain'i pasiteranareo fa ezaka fafo io nefa izy no nahatakatra 4x4 vaovao fa ny tafom-piangonana mbola mitete de tena serieux.. tsy ho gagagaga ihany ve ianao??
Rehefa manome dia ataovy amin'ny fo,gaga ve tsy ho gaga ary angaha pasitera ihany no manao an'io>Firifiry ny mpitondra manimba zanak'olona lahy ary manambola be ilay fiangonana any amin'ny foibeny dia voavidy vola ilaky fahamarinana( monpera marobe nanola zaza nandritra ny taona maro nandoavana 6,9 millions izy izay..jereo any ambadika any ny tantara ).Voavidy vola ny fahamarina,tapenambava ny marina.Ny tsy afaka kosa dia mitsingidingidina ....fiainana daholo izany ,fahotana mandalo ny rehetra mety tsy amiko tsy aminao kanefa dia jereo koa ny anao ,ny ahy fa aza mitsara mba tsy ho tsaraina ,araka ny fatra hamaranao no amaharana anao koa na tianao na tsy tianao,na tiako na tsy tiako.
Ny tiako tenenina rehefa nomena toky tamin'ny kely indrindra hianao hoy i kristy dia ataoko mpanapaka ny be indrindra. Samy gaga isika fa tsy anjarantsika no mitsara fa mbola manana Mpisoronabe isika dia ilay Kiristy izany ary dia samy andalo eo daholo na mpangala-bola na inona izany na inona eny fa na ireo olona nomena ny tenin'Ata aza ka nanda sy namadika azy amin'ny feon'ny fieritreretany fa tsy nanaraka ny teny nampianarin'Atra azy dia amaly izy amaly izany oops .tsy efa nomena anao ve ny tenin'Atra,tsy efa nahitsy ve hianao fa ny fampianarana nomen'ny olona ihany no asesinao ka milaza hianao fa misy mpanelanela hafa eo aminao sy Kristy kanefa Izaho efa nilaza ,ny teniko efa nibaribary fa Kristy irery ihany no mpanelanelana anao Amiko....dia eo izy fa lasan'ny saka ny jiro ooops
Dia mbola manontany koa Atra hoe efa niteny aho fa aza miankohaka amin'ny zavatra hafa kanefa maninona hianao no mampiasa kristal sy mampifangaro ny dada rabe sy ny mpisikidy sy ny horoscope amin'ny Teniko ....mamamia !!
104. ikaretsaka
(
15/08/2008 16:14)
ka na manao @ fo aza raha lasa any @ tsy izy kosa ny vola dia mbola sahy hiteny ve ianao fa mankasitraka ny fo??
ny an'i mompera nanolana zaza tsy ampy taona hafa.. raha naka vola izy dia miteny hoe izao no hanaovana ilay 70 millions dia izay tokoa no nandehanan'ny vola ary nifona izy hoe nanao tokoa
fa raha hoe hanaovana tafo le izy nefa lasa 4x4 (izany heo tsy ilay izay tokoa araka ny nifanarahana no nandehan'ny vola) avy eo izy mbola tsy menatra fa hanao "vokatra indray hono hanaovana ilay tafo" aoka kosa le!

105. prime
(
18/08/2008 11:26)
bor2lais:... Tsara fipetraka ilay fanontaniana...
fahafolon-karena !
1/10 no voalaza : ary ny 9/10 kosa ahoana ?
fijo:... Malalaka hanao sitrapo??? raha izay no ataonao hoe fahalalahana dia tsy misy ifandraisany loatra amin'ilay fahafahana ao amin'i Kristy tian'ny namana ambara...
misy fanontaniana ery ambony hoe inona no tsapako taloha sy izao.
izao aho tsy matahotra rehefa hanao zavatra fa jereko hoe tsara amiko ve sa ratsy.raha tsara ataoko,raha ratsy ajaniko.
taloha aho tsy izay no fisainako fa hoe ,tsara amin'ny finoako ve sa tsia.
izany oe taloha "tahotra"no manakana ahy na mahatonga ahy hanao zavatra fa tsy ny fahitako azy amiko"
mahatsiaro malalaka aho izany izao.
107. xxx
(
10/09/2008 21:05)
Fanazavana kely fotsiny.
Tamin'ny testamenta taloha no nisy resaka 1/10-karena. Tamin'izany dia tsy nisy resaka hetra sns... fa io 1/10 io no nampiarina. Afaka mamaky ao @ eksodosy isika mianakavy fa voasoratra ao daholo ny @ 1/10.
-Misy ao hoe omena ny Levita (mpisorona)
-Misy hoe ny taona voalohany dia mandoa 1/10 ao dia iarahan'ny mpianakavy mifety ilay izy rehefa avy eo
-Misy hoe ny taona faharoa dia iarahana @ mpiasanao sy ny mpanompo
-Misy hoe ny taona fahatelo dia iarahana @ kamboty sy ny mpitondra tena ny 1/10 voahangona.
Raha ireo ny ilana ny 1/10 dia hita fa tena karazan-ketra mihitsy ilay. Izany hoe fandrindrana ny fiaraha-monina. Ary tsy nisy resa-bola fa t@ vokatra sy biby fiompy ihany no nakana azy. Raha nisy tsy nahazaka ny azy fotsiny dia izay vao navadika vola ny vidin'izay tokony naloany.
T@ izany koa dia mbola niresaka mivantana t@ olona i Jehovah ka afaka nandidy antsika toy ny hita ao @ Malakia 3:10 izay tanisain'ny mpitango 1/10 lava io.
Ny antony nandidian'i jehovah ny olona handoa ny 1/10 tamin'izany andro izany dia anisany mba ho fiveloman'ny Mpisorona. Amin'izay tsy sahirana mitady vola hivelomany ny Mpisorona (mpitondra fivavahana raha amin'izao androntsika izao). Amin'izay ilay Mpisorona mba mifantoka tanteraka @ toriteny izay hotoriany, ary avy amin'io toriteny tsara io no ahazoan'ny mpivavaka ny zavatra tokony ho arahana sy atao ka ahazoana ny lanitra !!!! .
Raha araka ny fandinihina dia 400 taona ny manasaraka ny testamenta Taloha sy ny testamenta Vaovao, izany hoe ny Malakia sy ny Matio.
Efa nisy lalana sy zavatra nitranga marobe izany teo anelanelan'izay.
Nanomboka teo @ testamenta vaovao izany dia tsy nisy fanerena ny 1/10 intsony satria efa nisy ny HETRA. Ary tsy niresaka direct tamintsika olombelona intsony koa Jehovah fa efa nalefany i Jesosy.
Dia samy mahita isika fa tsy nisy resaka 1/10 intsony ao @ testamenta vaovao, na nisy aza dia vao maika fanomeza-tsiny no azon'ireo Fariseo sy Mpanora-dalana nanao ilay izy. Vakio fa misy hoe "......lozanareo...".
Satria tamin'izay dia h@ zavatra kely indrindra dia nanerena ny olona handoa ny 1/10 (io ilay resaka moutarde sns...).
Raha fintinina izany dia efa vosoratra fa "izay manome @ fifaliana no tian'Andriamanitra". Tsy misy teritery fa kosa ny tsirairay no mahafantatra ny zavatra tokony ho arotsany.
Efa nalatsaka tamintsika tsirairay avy koa ny Fanahy masina ka aoka ny Fanahy masina ao anatintsika no hibitsika amintsika izay tokony ho foin-tsika.

108. xxx
(
10/09/2008 21:41)
Tohizako ihany ny fanazavana.
Ny 1/10 tamin\'izany andro izany izay omena ny Mpisorona (Testamenta Taloha) dia tsy hoe hahampanakarena azy akory. Samy mamaky isika rehefatra fa na ireo Levita (Mpisorona) izay nomena 1/10 ireo aza dia mbola voatery nanome hoan\'ny taranak\'i Arona koa.
Ambonin\'izay koa tsy natao hanana zavatra ireo Levita ireo (Mpisorona) ireo satria voasoratra hoe: \"Izany no tsy ananan\'ny levita anjara na lova eo amin\'ny rahalahiny; Jehovah no lovany, araka izay nolazain\'i Jehovah Andriamanitrao taminy\" Deoto 10:9
\"fa ny levita tsy mba manana anjara na lova eo aminareo\" Deoto 12:12.
Mbola tokony hitombona io raha ny fandoavam-bola tadiavin\'ireo sekta ireo rehefa manery ny olona handoa ny 1/10 izy.
Mazava ho azy moa fa dia voafetsy ny mpiangona @ sekta satria tsy misy zavatra hafa ilana vola amin\'izy ireo ankoatry ny izay hiditra any am-paosin\'ny mpikarakara. Tsy manana trano fiangonana raikitra rizareo fa mifamorivory eny rehetra eny (salle de cinema, ecole, tranom-pkpnolona sns...). Marina fa mety hanofa rizareo saingy ny vola miditra no betsaka nohon\'ny vola mivoaka.
Ny mahafehy ny fomba tokony hanaovan-tsika ny fandoavam-bola (RAKITRA) izany dia ny ao @ IKor 16: 2 \"Amin\'ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin\'inona na amin\'inona no anambinana azy, mba ho vita rahateo ny famorian-bola mandra-pahatongako\"
Izany hoe efa mba voaomana sy voalanjalanja dieny voalohan\'ny herinandro izany izay ho ataontsika RAKITRA fa tsy rehefa tonga any ampiangona vao hanao kaonty na koa efa tonga ny mpananty rakitra izay isika vao mikarokaroka poketra. Eo amin\'izay vao mbola hisafidy hoe ilay 100Ariary no arotsaka sa ilay 10.000Ariary.
Ny rakitra aloantsika izany dia tokony ho lasa any @ fampandehana-draharaha ao amin\'ny fiangonana izay misy antsika ( pasitera, fanamboarana na fanitarana, fanampiana ireo sahirana...) fa tsy hoe hoan\'ny Pasitera irery ihany akory. Izany hoe tokony hisy zavatra mipetraka ho lovain\'ny taranaka aoriana izay tsy hitsahatra ny hivavaka mandra-pahatongan\'ny fihavian\'i Jesosy indray.

109. rasoan
(
16/09/2008 16:15)
Mba mazavazava aloha izany hatreto ny momba ny ampahafolokarena araka ny soratra nosoratan'i XXXX.
Fa ireo olona voafitaka hoe tsy maintsy mandoa sy manao ampahafolony ireo ve efa mba nisy nanazava toy ny eto amin'ny forum ?
Sao dia mba tokony hisy hanazava any @ haino aman-jery sns....