Andriamanitra manasa ny mpino...

101. fijo ( 01/08/2008 21:52)
sakakely mahafatifaty io ko hovana inona indray??piso.

prime an,ka le mangatadava io tsy misy mihaino akory ko.
102. cutie ( 01/08/2008 23:17)
tsy hisahirana ny hanova za zany :-D
103. prime ( 04/08/2008 10:40)
ikaretsaka:
le esprit meo meo foana mihitsy no tsy mety ry prime an..
... tsy mety ho an'iza r'ika?

Izy Andriamanitra anie no miteny hoe "Mangataha, dia homena ianareo..." fa tsy hoe mangatangataka tsy ampiheverana araka ny fanamarihanao e...

Ka ilay "esprit meo meo foana" tsy tianao tsy misy ifandraisany loatra amin'ilay hoe "mangataha" araka an'Andriamanitra, satria ny "mangataha" araka an'Andriamanitra dia dingana ara-pinoana tsy maintsy lalovana fa tsy araka ny filàna sy ny fitiavan-tena nomarihinao sy ny namana vitsivitsy...
fijo:
prime an,ka le mangatadava io tsy misy mihaino akory ko.
... ka tena efa nangataka tamin'ny finoana angaha fijo no sahy miteny hoe "tsy misy mihaino akory"???

Ndrao mantsy tsy tamin'ny finoana fa toa io fanamarihana entin'Ika hatramin'ny dinika io...

christ> (Mba ataovy dika teny gasy hono hoy ny namana raha azo atao...)

Misaotra sy mankasitraka amin'ny fizaràna... =D>
104. fahamarinana ( 04/08/2008 12:17)
:arrow: prime :azonao azavaina ve hoe inona no atao hoe mangataka amin'ny Finoana fa eto angamba no mampisy savorovoro sy tsy azon'ny namana...Zà anisany,mety tsy ampy fanazavana aho .Misaotra mialoha e. :) (l)
105. prime ( 04/08/2008 13:27)
fahamarinana> Somary efa nataon\'i Noue tari-kevitra sy mazava ihany ao ambony ao fa mba hanampy kely angamba no azoko atao...

Andriamanitra no mibaiko (fa tsy mindrana na miangavy) hoe \"Mangataha dia homena ianareo...\"

Izy ihany koa no miteny hoe : \"Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.\" Jaona 15:7

Efa manomboka misy sori-kevitra eo ilay fomba sy antony fangatahana,

  1. mila miray amin\'Andriamanitra, izay miray Aminy no FANTANY
  2. mila itoeran\'ny teniny... hainoina, raisina sy ekena, ivelomana, iainana isanandro isanandro... nefa feno ny Fanahy Masina ihany koa... satria tsy tokony hadino ilay fanoharana mikasika ny \"Mpamafy\"... sady finoana no tenin\'Andriamanitra mantsy no fototra tamin\'iny... ka ny itoeran\'ny tenin\'Andriamanitra dia tempolin\'Andriamanitra velona, antsoiny mihitsy aza hoe \"sady masina no malala\"...


Hatreo dia efa misy fepetra vitsivitsy tsy azo atao dika rano fa tsy maintsy feno... ary izany no manamarina ny teniny ka mahatonga Azy mahateny mihitsy hoe : \"izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany\"

Dia hoy ihany Izy avy eo :
\"12 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin\'ny Ray.13 Ary na inona na inona no hangatahinareo amin\'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin\'ny Zanaka.14 Raha mangataka zavatra amiko amin\'ny anarako* ianareo, dia hataoko izany. [*Na: mangataka zavatra amin\'ny anarako]15 Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.16 Ary Izaho hangataka amin\'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, [*Gr. Parakleto, dia Mpanampy, na Mpampahery, na Solovava]17 dia ny Fanahin\'ny fahamarinana, Izay tsy azon\'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo.\" Jaona 14:12-17

Etoana dia efa manomboka mihahita soritra mazava ilay hoe \"Mangataka amin\'ny finoana\" takian\'Andriamanitra... izay tena mitaky andraikitra,

  1. mino an\'i Jesosy Kristy aloha amin\'ny maha-Andriamanitra Azy...
  2. mino fa mihaino sy mamaly vavaka Izy, (amin\'ny fo manontolo ary manaiky fa hivaly ny hivavaka)
  3. miasa amin\'ny finoana fa tsy mitoetra amin\'ny vavaka fotsiny nefa tsy manana anjara asa vokatr\'ilay finoana...
  4. ny fahatanterahan\'ireo dia mametraka mazava fa na inona na inona angatahana dia Izy mihitsy no hanatanteraka ilay fangatahana ary hamaly vavaka... satria amin\'ny alalan\'izany no anehoana ny herin\'Andriamanitra sy ny voninahiny...
  5. tia Azy ary mitandrina ny didiny...
  6. mandray sy feno ny Fanahy Masina ka manaiky itoerany sy iasàny...


Eo dia efa mihamazava kokoa ilay hevitr\'Andriamanitra amin\'ilay hoe :\"Mangataha dia homena ianareo...\"

Hatreo dia Izy mihitsy no mametraka mazava fa NA INONA NA INONA no angatahana dia hataony sy valiany izany fangatahana izany...

Ary ny fepetra iray goavana tena fenitra ary mahatonga ny vavaka amin\'ny finoana hahomby dia ny \"fahadiovana\" amin\'ny heloka... fa raha mbola misy ota sy heloka amin\'ny tena dia tsy mihaino Andriamanitra...

Fa hoy indrindra ny voasoratra amin\'ny anaran\'i Jesosy :
\"Fa ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin\'Andriamanitrareo, ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo, ka dia tsy mihaino Izy.\" Isaia 59:2...

Hatreo aloha...
106. prime ( 04/08/2008 13:42)
Hatreo dia mametraka mazava fa ny hoe "Mangataha, dia homena ianareo..." no dingana voalohany amin'ny finoana...

Ary raha atao an'ohatra dia toy ny zaza tokoa eo amin'ny finoana ka ny mangataka no iorenan'ny fiainam-pinoana...

Rehefa mihazatovo sy mihatanora ny finoana dia Andriamanitra indray no mampianatra hoe : "Mitadiava, dia hahita ianareo"... ; io no dingana manaraka... ary eo indray no fiainam-pinoana efa misy fitomboana ka tsy mihanona intsony amin'ny fangatahana fa efa miroso lalina kokoa ka tonga amin'ny hoe "MITADY"...
107. fahamarinana ( 04/08/2008 17:02)
:arrow: misaotra betsaka prime a,mankasitraka tanteraka e...mazava sy azo tsara ,raha ny amiko aloha an.. (l)
108. prime ( 05/08/2008 07:09)
fahamarinana> Tsy misy fisaorana fa mahereza hatrany, hotahian'Andriamanitra... :)

Voninahitra anie ho an'Andriamanitra ary Izy irery no isaorana...^:^

Noue> Mbola miandry anao amin'ilay tohiny... :)
109. prime ( 06/08/2008 11:52)
\"Mitadiava, dia hahita ianareo...\"

Tsy ny olona no mahay mitady fa Izy mihitsy no efa nitady nialoha, amin\'ny anaran\'i Jesosy :
\"Fa efa tonga ny Zanak\'olona hitady sy hamonjy ny very.\" Lioka 19:10

Ny olona hitany nefa dia mila fanetren-tena sy finoana sy fibebahana vao hamarinin\'i Kristy fa raha mbola mitoetra ao amin\'ny ota ny olona dia sady tsy hahazo na inona na inona rehefa mangataka no sady tsy azo hamarinina rahateo, araka ny voasoratra hoe :
\"Fa raha mitady hohamarinina ao amin\'i Kristy isika, nefa ny tenantsika no hita fa mpanota, moa mpanompo ny ota va Kristy? Sanatria izany!\" Galatiana 2:17

\"Ny ratsy fanahy dia tsy mahalala rariny; Fa izay mitady an\'i Jehovah no mahalala ny zavatra rehetra.\" Ohabolana 28:5

Ny finoana hatrany no antoky ny zavatra rehetra, ary etoana dia mbola izany ihany koa no hahitan\'izay mitady soa valiny tsara avy amin\'Andriamanitra, araka ny voasoratra hoe amin\'ny anaran\'i Jesosy :
\"Fa raha tsy amin\'ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an\'Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy.\" Hebreo 11:6

Fa rehefa hitan\'Andriamanitra ny mpanota fa mino sy manaiky Azy ary mitombo amin\'ny finoana dia toy izao no nambarany :
\"Aoka hifaly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; ary aoka izay tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Andriamanitra.\" Salamo 70:4

\"Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina; Aoka hifaly ny fon\'izay mitady an\'i Jehovah.\" Salamo 105:3

Ary ny tena fifaliana ao amin\'Andriamanitra dia ny tokiny fa Izy mihitsy no miantoka ny fiainana manontolon\'ny mpino Azy, saingy Izy koa dia mananatra fa tokony ho antom-piainan\'ny mpino mandrakariva ny fikatsahana ny fanjakan\'Andriamanitra ka tena milofo ho amin\'izany mihitsy, araka ny voasoratra hoe amin\'ny anaran\'i Kristy :

\"29 Koa aza mitady izay hohaninareo na izay hosotroinareo ianareo, ary aza miahanahana*.[*Na: aza aingaingain\'ny fanantenana foana]30 Fa ny jentilisa amin\'izao tontolo izao dia fatra-pitady izany rehetra izany; fa ny Rainareo mahalala fa tokony ho anareo izany zavatra izany.31 Kanefa katsaho ny fanjakany*; dia hanampy ho anareo izany zavatra izany.[*Na: (ny fanjakan\'Andriamanitra)]\" Lioka 12:29-31

\"Na zovy na zovy mitady hamonjy ny ainy dia hahavery azy; ary na zovy na zovy no hahavery ny ainy dia hahazo izany.\" Lioka 17:33

\"Miezaha mitady fihavanana amin\'ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay. tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.\" Hebreo 12:14

\"...miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an\'Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.\" I Timoty 6:11

Hatreo aloha...

110. prime ( 06/08/2008 12:01)
Raha efa manomboka mitaky andraikitra ny "fangatahana" dia mbola mitaky andraikitra bebe kokoa ny "fitadiavana" satria ny fikatsahana ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy moramora foana...

Izany no antony mahatonga ity dingana amin'ny finoana manaraka ity ho sarotra kokoa noho ny teo aloha satria mitaky andraikitra sy asa maharitra...
111. fijo ( 06/08/2008 21:53)
ie avelao eo ihany sakakely.

taloha aho raprime tena nino nangataka fa tssssss
112. ikaretsaka ( 06/08/2008 22:45)
izay manko.... raha meo meo no nahavonjy dia ny katrami le mangataka eraky ny tsena irenyno efa katrami manan'elatra efa ela!
113. prime ( 07/08/2008 10:18)
fijo:
taloha aho raprime tena nino nangataka fa tssssss
... dia tena nidiranao lalina ve ny antony nahatonga ny fangatahanao tsy nivaly?... sa sao efa nivaly fa tsy araky ny nieritreretanao azy?... na efa nivaly fa tsy nodinihanao tsara dia tsy fantatrao akory hoe efa nivaly aza ilay izy?

Ny valim-bavaka anie tsy voatery arak'ilay tianao fa araka izay tiany Izy Andriamanitra e... eo no tena sarotra ho an'ny mpino ny mandray azy ka mahatonga fahadisoam-panantenana toa anao izao...

Fa ny zavatra mitoetra dia Andriamanitra tsy mba mandainga, tsy mba mampifilafila na manome tsifoifoy, tsy mba manome zavatra tsy mahasoa...

Hoy indrindra ny lazain'ny Soratra Masina amin'ny anaran'i Jesosy :
"Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an'izay mangataka aminy?" Matio 7:11

Andriamanitra ra-fijo dia tena tsara a... ary tena tsara... hafa mihitsy izany hoe miaina amim-piadanana ao Aminy izany...
114. ikaretsaka ( 07/08/2008 23:48)
ka aminy izany efa tsy nivaly hono e
hain'i Prime ilay hiora hoe arotsahy dieny zao? :wink:
115. prime ( 08/08/2008 10:08)
ikaretsaka> aminy hoy ianao nefa ilay izy raha efa nivaly tsy azo atao boribory hoe "tsy nivaly izany e"... manjary mampandainga an'Andriamanitra indray izany, Izy efa mety namaly fa ilay nangataka no mety tsy naharaka...
ikaretsaka:
hain'i Prime ilay hiora hoe arotsahy dieny zao?
... mba lazao sy ataovy hoe raha azo atao!? :)
116. fijo ( 08/08/2008 22:11)
prime an,rah amankany amin'ny mpanety i prime ka miteny hoe "anesory ny ety ambany,fa ny eo antampony avelao holava,mijery fitaratra i prime avy eo,ny teo an tampony sola fa ny tety ambany no lava dia nivaly izay le izy sa akory?????

za no mahalala ny hangatahiko,ary rah amisy azony homena dia izay mifanahaka amin'ny nangatahiko no hilaiko fa tsy hoe za mangataka gana de mahazo anana.
117. prime ( 11/08/2008 09:03)
fijo:
prime an,rah amankany amin\'ny mpanety i prime ka miteny hoe \"anesory ny ety ambany,fa ny eo antampony avelao holava,mijery fitaratra i prime avy eo,ny teo an tampony sola fa ny tety ambany no lava dia nivaly izay le izy sa akory?????
... Ka tsy efa nivaly ihany va izany? fa tsy araky ny noeritreretinao fotsiny...

Fa ny tsy noraisinao dia ity, Andriamanitra tsy mba mitovy amintsika olombelona ka hoe izay angatahako dia ho azoko araka izay nangatahako tanteraka... Andriamanitra ry fijo Andriamanitra fitiavana a, mahalala tanteraka izay tsara sy mahasoa... ilay angatahanao anie tsy voatery hivaly eo noho eo araka izay nangatahanao feno e... eo indrindra no mitoetra ny finoana...

Fa hoy indindra ny voasoratra amin\'ny anaran\'i Kristy :
\"Ahoana ary no holazaintsika? Misy tsi-fahamarinana va amin\'Andriamanitra? Sanatria izany!\" Romana 9:14

Fa hatramin\'izay niarahako sy nahainoako ny asan\'Andriamanitra tamin\'ny mpanompony dia mihoatra lavitra noho izay nangatahana aza no omen\'Andriamanitra...

Fa hoy indrindra ny teniny amin\'ny anaran\'i Jesosy :
\"Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an\'ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an\'izay mangataka aminy?\" Matio 7:11
fijo:
za no mahalala ny hangatahiko,ary rah amisy azony homena dia izay mifanahaka amin\'ny nangatahiko no hilaiko fa tsy hoe za mangataka gana de mahazo anana.
... Ataoko hoe \"normal\" izany satria iza tokoa moa no hahalala voalohany izay tena ilainao afatsy ianao aloha???

Fa saingy izao, Andriamanitra tsy mijery izay filànao araka izay mahafinaritra anao fotsiny fa mijery lavitra kokoa ka izay mahasoa anao sy maharitra ary hitondra fiadanana mihitsy no omeny...

Ary Andriamanitra rahateo tsy baikon\'olona, tsy ny foronina no mibaiko ny mpamorona... raha tsy azonao izay dia tsy hety mihitsy ny fifandraisanao amin\'Andriamanitra... ny fiarahana amin\'Andriamanitra dia fanetrentena sy fitiavana ary fahononan-tena... mila fahatokiana sy finoana ary fanantenana... Andriamanitra Tompon\'ny voninahitra, Mpanjakan\'ny Mpanjaka, Tompon\'ny Tompo, feno ny fahamasinana amin\'ny maha-Izy Azy ve ry fijo dia ho baikoana hoe izao no tiako? misy avonavom-po kosa anie izany e... Ianao aza raha hangataka zavatra amin\'ny Filoha Ravalomanana mbola manaja \"procédures\" sy \"Protocoles\" tsy hita noanoa... dia hangataka amin\'ny Mpanjaka ambony indrindra va dia hoe izao no tiako fa rehefa tsy izay dia aoka etsy???...

Izy vonona hanome izay tsara indrindra... ary ny Zanany Malalany aza foiny ho an\'ny mpanota ka tsy omeny avokoa va izay tsara sy mahasoa? ny lanitra aza omeny ry fijo...

Misy tsara noho izany va?

Satàna koa efa nanao toa izany ka izy noforonina no nitady hibaiko an\'Andriamanitra... ahoana no hiafarany?
Dia hoy ny tenin\'Andriamanitra amin\'ny anaran\'i Jesosy :
\"20 Tsia, ralehilahy, fa iza moa ianao, no mamaly an\'Andriamanitra? Izay zavatra noforonina va hanao amin\'izay namorona azy hoe: Nahoana Hianao no nanao ahy toy izao?21 Ny mpanefy vilany va tsy manam-pahefana amin\'ny tanimanga, ka ny vongany iray ihany no anaovany zavatra samy hafa, ny iray hohajaina, ary ny iray hatao tsinontsinona?22 Sa ahoana kosa raha Andriamanitra, na dia ta-haneho ny fahatezerany sy hampahafantatra ny heriny aza, dia be fahari-po ka nandefitra tamin\'izay fanaky ny fahatezerana voavoatra hosimbana,23 mba hampahafantarina koa ny haren\'ny voninahiny amin\'izay fanaky ny famindram-po, izay namboariny rahateo hahazo voninahitra,\" Romana 9:20-23

Endrey izany mbola hatsarany ry fijo... isika mendrika hatezerana sy hosimbana satria mpandika ny didiny sy ny sitrapony aza mbola antsoiny ihany hoe \"fanaky ny famindram-po\"...

Andriamanitra mbola miantso mandrakariva ary tsy miverina amin\'ny teniny fa rehefa hoe hanome Izy dia tena manome... fa hoy indrindra Izy :
\"Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.\" Jaona 15:7
118. prime ( 12/08/2008 17:57)
ikaretsaka:
raha meo meo no nahavonjy dia ny katrami le mangataka eraky ny tsena irenyno efa katrami manan'elatra efa ela!
... dia raha miteny ve Andriamanitra hoe "Mangataha dia homena hianareo..." dia mitovy amin'ny katrami? aiza kosa e...

Raha azoko tsara izany, i ika ve mbola tsy nangataka tamin'Andriamanitra mihitsy satria ndrao mitovy amin'ny katrami?
119. prime ( 13/08/2008 11:31)
Ny tena herin'ny fahasoavana avy amin'Andriamanitra dia ny finoana mialoha ny vavaka atao...

Hoy indrindra ny voasoratra amin'ny anaran'i Jesosy :
"Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany." Marka 11:24
120. bor2lais ( 13/08/2008 12:57)
Mazava be ny voalazan\'i prime ary iombonako tanteraka !

Fanamarihana kely fotsiny no mba tiako entina : \"mangataha, mitadiava, mandondona\"

Araka ny fandraisako azy (ary efa nisy nilaza ihany koa tery ambony tery) dia mitaky asa ilay finoana fa tsy tokony hitomoemoe-poana :

- \"mangataha\" : ny vava no miasa
- \"mitadiava\" : ny maso no miasa
- \"mandondona\" : ny tanana sy ny sofina no miasa

Izany hoe ampiasaina daholo ny fanomezam-pahasoavana nomeNY ahy ho fanomezam-boninahitra Azy irery ihany !

Marihina ihany koa fa :
- na mangataka aza aho dia ny SitrapoNY ihany no atao
- misy ihany koa ny mahita fa tsy mahalala (diso fitady angamba)
- mety ho diso varavarana ihany koa rehefa mandondona

Miala tsiny fa mety ho HS angamba ny resako !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3538