Andriamanitra manasa ny mpino...

121. ikaretsaka ( 13/08/2008 14:02)
raha mitady ve dia ny maso no miasa?
raha m,itady kaly na mitady kandra?
122. fijo ( 13/08/2008 22:23)
rah amankany amina hotely izany prime ka mitady hefitra misy fandriana iray lehibe hoan'olondroa,nefa tonga any fandriana kely iray no ao dia ekeo ihany satria efa nivaly sy mitovitovy le azo sy nangatahana.
123. prime ( 14/08/2008 11:45)
bor2lais> Misaotra fa mazava tsara sady tsy HS velively fa tena fanampim-panazavana... Deraina Andriamanitra amin'izany ambaranao izany... ^:^ ^:^ ^:^

ikaretsaka:
raha mitady ve dia ny maso no miasa?
raha m,itady kaly na mitady kandra?
... Ianao hoy aho tssss... :-D

Inona no tokony hiasa ra-ika? :lol:
fijo:
rah amankany amina hotely izany prime ka mitady hefitra misy fandriana iray lehibe hoan'olondroa,nefa tonga any fandriana kely iray no ao dia ekeo ihany satria efa nivaly sy mitovitovy le azo sy nangatahana.
... Be dia be ny zavatra azonao atao :


  1. Anontaniana tsara ny tompona hotely fa sao misy efitra hafa misy fandriana iray lehibe ho an'olondroa ihany
  2. Anontaniana ny tompona hotely raha azo soloina ny fandriana
  3. Raha mety ireo dia mivaha ny olana
  4. Raha tsy mety ireo dia na ianao misaotra dia manao veloma dia mivoaka mitady hotely hafa manana efitra misy fandriana lehibe ho an'olondroa
  5. Na ianao milefitra dia manaiky ny fandriana kely iray anio, fa rahampitso ho hita eo indray... fa tsy maintsy mivaha ny olana na dia tsy voavaha aza androany...
  6. Mbola mety hisy vahaolana tsara lavitra noho izany rehetra izany mihitsy aza...


Ny olana tsy maintsy ahitana vahaolana... ny vavaka tsy maintsy ahitana valim-bavaka... fa ilay valim-bavaka mety ho tanteraka araky izay nangatahana ara-bakiteny, mety mihoatra noho izay nangatahana, mety tsy mivaly eo noho eo ary rehefa mivaly dia tsy dia mifanakaiky loatra amin'ny nangatahana nefa mahasoa sy tsara lavitra noho ilay nangatahana, fa tsy maintsy mivaly... :)
124. ikaretsaka ( 15/08/2008 04:18)
prime> ataovy serieux...
ny saina no miasa ra prime an
125. niryna ( 16/08/2008 04:10)
prime:

Fa saingy izao, Andriamanitra tsy mijery izay filĂ nao araka izay mahafinaritra anao fotsiny fa mijery lavitra kokoa ka izay mahasoa anao sy maharitra ary hitondra fiadanana mihitsy no omeny...

Ary Andriamanitra rahateo tsy baikon'olona, tsy ny foronina no mibaiko ny mpamorona... raha tsy azonao izay dia tsy hety mihitsy ny fifandraisanao amin'Andriamanitra... ny fiarahana amin'Andriamanitra dia fanetrentena sy fitiavana ary fahononan-tena... mila fahatokiana sy finoana ary fanantenana... Andriamanitra Tompon'ny voninahitra, Mpanjakan'ny Mpanjaka, Tompon'ny Tompo, feno ny fahamasinana amin'ny maha-Izy Azy ve ry fijo dia ho baikoana hoe izao no tiako? misy avonavom-po kosa anie izany e... Ianao aza raha hangataka zavatra amin'ny Filoha Ravalomanana mbola manaja "procédures" sy "Protocoles" tsy hita noanoa... dia hangataka amin'ny Mpanjaka ambony indrindra va dia hoe izao no tiako fa rehefa tsy izay dia aoka etsy???...

voninahitra,"[/i] Romana 9:20-23

tsara petraka ilay valiny =D


126. ikaretsaka ( 16/08/2008 17:57)
ka le sens an'ilay hoe "mangataha" mihitsy indraindray anie izany no mal interprete ka tokony hazavaina ny olona e...
maro de maro tokoa no mihevitra an'io..na tsy mivantana aza ...ho toy ny hoe baikoy Andriamanitra dia azonao izay tianao avy aminy!
tsray izany nefa
127. prime ( 18/08/2008 10:14)
ika:
prime> ataovy serieux...
ny saina no miasa ra prime an
... Raha zohina tsara ny fanamarihanao dia tsy mazava loatra... hitady kaly na hitady kandra dia ny saina ahoana no miasa???
ika:
ka le sens an'ilay hoe "mangataha" mihitsy indraindray anie izany no mal interprete ka tokony hazavaina ny olona e...
maro de maro tokoa no mihevitra an'io..na tsy mivantana aza ...ho toy ny hoe baikoy Andriamanitra dia azonao izay tianao avy aminy!
tsray izany nefa
... Efa voazava ao ambony ao lava dia lava fa miankina amin'ny hoe mino aho sisa sa tsia... :)

Ny dingan'ny "fangatahana" ra-Ika mbola dingan'ny fanombohana eo amin'ny finoana, nefa efa mazava sahady ny sitrapon'Andriamanitra ny amin'izany... fa rehefa manomboka eo amin'ilay dingan'ny "fitadiavana" dia efa manomboka mihahentitra ny baikon'i Kristy...
128. prime ( 20/08/2008 06:52)
Ny dingana farany dia ilay hoe, "dondony dia hovohana hianareo"...

Ity farany ity dia fenitra eo amin'ny fifandraisana amin'Andriamanitra satria efa iray ilay mpino sy Andriamanitra, Andriamanitra monina ao amin'ilay mpino ary velona ao amin'ilay mpino ary ilay mpino velona ao amin'Anriamanitra... toy ny fifandraisan'Andriamanitra sy Jesosy Kristy...

Amin'io dia efa ny lanitra mihitsy no vohain'Andriamanitra ho an'ny mpino raha mandondona izy ary tsy mpanompo intsony no iantsoany azy fa efa sakaiza... efa miray antoka amin'Andriamanitra feno...

Ary ny andraikitra miandry ny mpino ao anatin'izany baiko izany dia goavana dia goavana fa tsy toy ny tamin'ny fiainam-pinoana nasaina nangataka na nasaina nitady intsony...
129. prime ( 21/08/2008 13:33)
Hofaranana ary ity lohahevitra ity...

Ny finoana no zavadehibe, ny halehibeny sy ny hakeliny dia tsy manan-danja loatra raha eo imason'Andriamanitra fa ny fiainana azy no tena sitrany... nefa Andriamanitra ihany koa dia te-haneho mandrakariva ny fitiavany sy ny fahafenoany ka tsy ihambahambany anasany ny mpino rehetra ka iantsoany manao hoe :

"Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo." Matio 7:7

Misaotra antsika rehetra amin'ny anaran'i Jesosy...
130. fahamarinana ( 21/08/2008 15:08)
:arrow: misaotra ihany koa e..zay zany no vita ilay dinika ? tsy mahazo miteny ntsony zany zahay ve fa tapenan'y prime ny vavanay ???? ary raha mbola te hiteny aho dia ahoana ?? ,vazivazy ihany zany... :-D (l)
131. prime ( 22/08/2008 09:42)
fahamarinana> Tsy tampenam-bava ianao kah... heveriko fa efa vita ilay dinika satria tsy misy mandray anjara intsony dia izay no nahatonga ahy namarana azy...

Afaka miteny foana ianao na eto na any amin\'ny lohahevitra hafa... misaotra dia mahereza... :-*
132. fahamarinana ( 22/08/2008 10:34)
:arrow: azoko tsara fa mba manahihany fontsiny,any ambadika any ndray zany mampiady hevitra.... :-* (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3113