Andriamanitra manasa ny mpino...

21. fijo ( 22/07/2008 21:49)
ka izy ve tsy hanao siesta e.avelao izy aloh amba hatory kely fa rehefa taitra avy eo,mety hietsikabe.
22. cutie ( 22/07/2008 21:53)
:-D
23. fijo ( 22/07/2008 23:38)
ka hafabizana avy eo ko
24. ikaretsaka ( 23/07/2008 00:00)
tranga @ fiainana andavanandro ity, ary sarobabay ka ze voa aza tezitra fa aoka handinintena:
mampihomehy mampalahelio mampiheritreritra:
ny hita sy tsaoa matetika dia ny katrami sy ny olona maro any @ tanana mangataka dia saika any @ masera sy mompera sy tany @ akamasoa izy no nahazo....

sy saika any ro mahavantana sy fandehanan'ny olona sahirana moa izany e!

nefa i Psitera no mivoy le heo mangataha de omena bedebe..


de mba lasa ihany ny eritreritra hoe, sao lasanko vavany izy ity re?
25. niryna ( 23/07/2008 04:53)
fijo:

heee mamela ny tsy fahalalany ,fa lavitra izy e

rakaroka:

Ka io "tsy fahalalana" io anie tsy mivelavela ho'azy izany e

tsy azoko ny tianao ahatongavana ,tsy fahalalana amin'ny inona aloha ?
Maro ny zavatra mitranga amin'ny fiainantsika tsirairay avy ary ireo mpino an'i kristy no asiako teny eto,tsy takatry ny sain'ny olona tsy hino an'Atra velively ny zavatra mitranga na nitranga tamin'ny fianan'ny kristiana iray.Amin'izy ireo dia toa vitan'ny hoe Atra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany.Tsy ao anaty baiboly aloha io fa dia averiko foana fa io no tenenina.
Resahana ao anaty baiboly ny hoe hatramin'izao hianareo dia tsy mbola nangataka zavatra tamin'ny Anarako i kristy no miteny eto, koa aza gaga izany izay mangataka ka tsy mahazo raha tsy mangataka any amin'i kristy...
Toy isika miresaka amin'ny rar amandreny ihany io ,mety omeny,mety tsy omeny ary mety asiany miandry kely.
finoana no tena zava-dehibe tiana ho tenenina eto'Kristy izay mampianatra antsika ny hivavaka Aminy,ametraka ny fiainana any Aminy Irery,ny mino fa tena mamaly vavaka tokoa Izy raha mibebaka aloha isika,mifona aminy ary miaiky izany fahotana izany dia misokatra avokoa ny lalana ...
Izany hoe tsy ho kivy izany isika fa mangataka foana ,na lazain'ireo ambony ireo hoe toy ny mpisokely aza, satria izy mihitsy no mampianatra hoe keeping asking, aza mitsahatra ny mangataka,aza mitsahatra ny mandom-baravarana, ary aza mitsahatra ny mitady Azy fa ahita Azy tokoa isika, hivoaha ho azy tokoa ny varavarana ,ary omeny tokoa isika raha tena manana finoana Aminy tanteraka (true faith in Christ) ..
misaotra prime a

26. rakaroka ( 23/07/2008 14:32)
fijo:

ka izy ve tsy hanao siesta e.avelao izy aloh amba hatory kely fa rehefa taitra avy eo,mety hietsikabe.




:-D :-D :-D Dia hanao tongotr'hakatoka ve sa hanidina sa haninona hanenjehana ny retard ? Souviens-toi mon cousin ilay anganom-bazaha
"Le Lièvre et la Tortue" fa dia tavela TAN-TE-RA-KA hono wà ra-Lièvre anefa toa mba nomena ary mety nihaotra mihitsy aza fahafaha-mahefa izay tokony ho efany koa fa "varimbariana e". Dia nony tonga saina, ny iray efa mby aiza?....
27. rakaroka ( 23/07/2008 14:45)
fijo:

ka hafabizana avy eo ko



:-D :-D :-D Nnnnttttssssss Afa-bizana?
-Toa vao miha vizana tsy nahaefa inn akory koh.
Efa wé mba mihetsiketse manao sport vatana-saina sy fanahy raha te ho en forme:ilaina koloina aby 'gné ny rehetra ! fa raha ny maso mamaky boky sy ny vava fotsiny no tena miasa ho drodrodroka malaky ihany: marina any izany!
'za anie tsy irony mpanao kobaka am-bava irony 8O 8O na ireo mpampandry hadrisa amin'ny fampanantenana "poak'aty" Dia lazain-drizareo fa tsy nangataka indray hono ireo olona:"anefa hataka ohatry ny inn no efa nipololotra teo anatrehako izay raha tsy hiteny fotsiny hoe"mangataka izahay Andriamanitra mba hampandroso hiadana sy ho finaritra i Madagasikara:
dia ho tany sambatra i madagasikara."
Anefa ny valiny renao dia "miha-mijaly ny vahoaka malagasy".
Lafin-javatra maaaaro miha-mikororosy.
NON . Dia lazaiko marina hoe çà n'a aucun effet ireo vavaka. Taoko misy olona mahazo ny iriany maro be aty anefa tsy mpivavaka! Dia ahoana ary?
28. rakaroka ( 23/07/2008 15:08)
Ho an'i Niryna
Mikasika ny "ignorance" na tsy fahalalana.
Raha miteny aho hoe tsy ho afa-maina @ izany dia satria "loi de la vie" ilay izy.
Tsy hoe nisy tranga iray t@ nanombohana an'i Jesoa teo @ hazo fijaliana hoe mamelà ny helony fa tsy fantany izay nataony" dia ho généralisé-nao ho marina ho an'ny mponina an-tany rehetra! Satria ilay olona mety tsy hivaky loha tsy hamantatra ny tokony ho fantany vokatr'ity fandemen-tsaina hoe
tsy nahalala tsinona dia "pardonné". Koa na ho aiza ianao na ho aiza ny lalan'ny fhm tsy maintsy réspécté-na. Donk aza tsinontsiniavina ny "tsy fahalalana" Voasoratra ary miverina matetika ny hoe "Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana!" It is very important as you believe Christ is died for Us.
Satria ao anatin'ny fahalalana no miafotra ny "astuce" maaaaro manmpanjary koa ny fiainana. Ary ny fahalalana tsy izay voasoratra ao anaty baiboly ihany.
Mbola voasoratra ao koa : "Fantaro ny zavatra rehetra ( tsy misy fetra )" alohan'ny hitazonana mafy izay tsara.
Misaotra an'i Prime nanokatra ny dinika . Zava-dehibe sy mila "fahaizana ombam-pahendrena ny fitaomana olona!"
29. niryna ( 23/07/2008 17:27)
rakaroka:

Ho an'i Niryna
Mikasika ny "ignorance" na tsy fahalalana.
tsy mitovy ireo amiko,ny ignorance dia mazava fa mi-ignore ny zava misy,toerina avokoa izay teny ary raha resaka kristiana no teneniko eto dia ireo olona manohitra izay voalazan'ny soratra masina ka ny herintsainy no hitondrany azy,ireo no atao hoe spiritual blind,misy maso fa tsy mahita...
fa raha ny hoe tsy fahalalana dia tsy nisy nahay tany an-kibon-dreniny fa raha mi-will na miezaka ny andray,mivavaka ,mangataka amin'Atra ny hilatsahan'ny fanahy masina ao aminy mba ampianatra azy hanaiky hanitsy azy,hitaridalana azy dia lasa hanana fahalalana tsikelikely tokoa ilay olona ,roa samy hafa ireo ,ny iray ny monkondohany no iresahany raha anohitra ny tenin'Atra izy ary tsy ho ainy na tsy ho azony mihitsy na manana doctorat fara-tampony azy izy,ary omen'Atra fahalalana kosa ilay iray raha mino Azy ka na tsy nahay nanoratra aza izy dia mety ho "hieroglyphics " no asehoan'Atra azy ary dia afaka mitory teny tsara koa ilay olona avy eo e1 isaorana anie ny Avo indrindra fa nomeny na ny faran'izay kely fahalalana sy izay mino Azy ny teniny.

Raha miteny aho hoe tsy ho afa-maina @ izany dia satria "loi de la vie" ilay izy.
Tsy hoe nisy tranga iray t@ nanombohana an'i Jesoa teo @ hazo fijaliana hoe mamelà ny helony fa tsy fantany izay nataony" dia ho généralisé-nao ho marina ho an'ny mponina an-tany rehetra!
ka nandainga izany ny baiboly k'ty ? Ho an'ny rehetra ny famonjena nomen'i kristy fa izay mandray Azy ihany no ho voavonjy ...tssss .....
moa ve ny rehetra no nandray Azy ? ho an'izay manantsofina ka mandray azy ihany io.

ilay olona mety tsy hivaky loha tsy hamantatra ny tokony ho fantany vokatr'ity fandemen-tsaina hoe tsy nahalala tsinona dia "pardonné"
dia izay no izarana ny tenin'Atra, fa angaha nisy nahalala raha tsy nisy nampahafantatra isika? ,ny teny dia avy amin'izay nitory azy ary ny fahalalana dia avy amin'izay nino azy sy nandray azy .
Koa na ho aiza ianao na ho aiza ny lalan'ny fhm tsy maintsy réspécté-na.
fanajana misy foana ary ny tsy finoana koa misy foana fa anjaran'izay te andray na tsia io ka
Donk aza tsinontsiniavina ny "tsy fahalalana"
averiko indray ny tsy fahalalana dia niarahana nandalo tamin'ny rehetra ary ny fiezahana ny hino na andray dia an'ny tsi-11 ka anjaranao no mihaino,anjaranao no mamakafaka mijery ny tenin'Atra ,anjaranao no mivavaka fa hafafy aloha ny teny dia raisiko ny penina dia verenako jerena rehefa tonga any an-trano aho e,izay ilay manao revision,mandalina ilay tsy fahalalana ka lasa nahalala na nandray na ampiantra ilay teny nomen'ilay olona ahy aho amin'ny fiainana.

Averiko indray ka mba asory kely ao anaty saina ilay hoe fandemena ,[u]tsy ho voatery hino isika rehefa tsy te hino ,fizarana no ataon'ny tsi11 eto,indraindray toa mahery ilay teny satria samy tiako ho voavonjy avokoa isika rehetra,mety hoe mahery ilay izy amin'ny sasany kanefa hoy ny fiteny hoe ny zaza tiana tsy hitsitsiana rotsankazo,aleo mijery azy maratra amin'ny tenin'Atra dia miverina mamaky izany teny .izany izy ary rehefa miaiky ny teny voasoratra ao anatin'ny SM dia miverina mitodi-doha mankany amin'ATra,mangataka famelankeloka, toa izay mijery azy ho very mandrakizay
Fitiavana daholo izany fa anjaran'ny tsi11 no mandray izay tandrifiny

Voasoratra atry miverina matetiky izany teny a ny hoe "Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana!" It is very iimportant as you believe Christ is died for Us.
Satria ao anatin'ny fahalalana no miafotra ny "astuce" maaaaro manmpanjary koa ny fiainana. Ary ny fahalalana tsy izay voasoratra ao anaty baiboly ihany.
Mbola voasoratra ao koa : "Fantaro ny zavatra rehetra ( tsy misy fetra )" alohan'ny hitazonana mafy izay tsara.
dia misaotra ihany nampahatsiahy satria ny fahatahorana an'Atra no loharanom-pahendrena ba mamikely nampahatsiahy anay

misaotra anao aho,eny tena important ho an'ny kristiana eran-tany rehetra mihitsy ny nahafatesan'i kristy ka araka ny teninao hoe it is very important as you believe Christ is died for Us
4 Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, dia toy izany koa hianareo, raha tsy miray amiko
7 Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany..Jaona 15


30. ikaretsaka ( 23/07/2008 17:41)
tsy mitovy ireo amiko,ny ignorance dia mazava fa mi-ignore ny zava misy,toerina avokoa izay teny ary raha resaka kristiana no teneniko eto dia ireo olona manohitra izay voalazan'ny soratra masina ka ny herintsainy no hitondrany azy,ireo no atao hoe spiritual blind,misy maso fa tsy mahita...


ary raha resaka kristianina faminia manao blind toward an'ny zavatra misy manodidina sy noharin'A/tra ho azy ireo mba hahafantarana an'Andriamanitra bebe kokoa miala amin'ny famehezana

ohatra izao hoe voaporofo izao fa tsy soratra masina ihany no base iainan'ny kristianina (NB: averiko foana hoe ohatran'ny rano io fa moa rano fotsiny ve de hahavelona??)
ary ny soratra masina aza milaza fa tsy ny soratra masina ihany no hiveloman'ny kristianina?

dia ahoana indray ny @ io?
31. rakaroka ( 23/07/2008 18:16)
niryna:

[
quote]Mikasika ny "ignorance" na tsy fahalalana.
:roll:
tsy mitovy ireo amiko[/quote],

Dia hadikanao hoe inn kay ny "ignorance @ teny gasy?"

ny ignorance dia mazava fa mi-ignore ny zava misy,toerina avokoa izay teny

Ny zava-misy tompoko dia tsy "teny ihany" . Ary ilay izy koa toetra
fanaontsika moa ilay manohitra fa ny marina dia tsy "fantatra mazava" mikasika ilay zava-misy noho ny antony isan-karazany...na tsy ivakiana loha ilay izy! na tsy misy fomba hi_heverana izany na noho ilay fampianaran-jamba isan-karazany manohitra ny fisiana avy hatrany!

ary raha resaka kristiana no teneniko eto dia ireo olona manohitra izay voalazan'ny soratra masina ka ny herintsainy no hitondrany azy,ireo no atao hoe spiritual blind,misy maso fa tsy mahita...


Izay mahagaga ahy @ fijoroan'ny sasany ankehitriny dia tsapako somary
"Pauvre" izany rizareo (désolé aloha @ ilay terme, anefa io no mahalaza azy.
On dirais que tsy ilay Ray sy Christ nanan-karena t@ harem-pahasoavana
hatrizay no ao ambadiky rizareo satria rizareo tsy mba manana raha tsy "teny"
na soratra ho zaraina.
I Jesoa raha nitory taloha nizara mofo sy divay sy trondro a. Tsy teny fotsiny izany ny azy koa nahoana ianareo no limitén'ny teny?
32. rakaroka ( 23/07/2008 18:35)

fa raha ny hoe tsy fahalalana dia tsy nisy nahay tany an-kibon-dreniny

Ka nitovy izany ny point de départ

fa raha mi-will na miezaka ny andray,mivavaka ,mangataka amin'Atra ny hilatsahan'ny fanahy masina ao aminy mba ampianatra azy hanaiky hanitsy azy,hitaridalana azy dia lasa hanana fahalalana tsikelikely tokoa ilay olona


TSY MARINA NY FANAMBARANAO eto satria maro ireo manana fahalalana tokoa ary eken'ny be sy ny maro izany fahalalany izany anefa tsy ny fombafomba izay nosoritanao no nahatongavany tamin'izany. Dia sahinao ny hilaza fa "tsy izy ireny olona ireny na eken'ny be sy ny maro aza ny maha manam-pahalalana azy.
Ka iza ary amin'izany no tena mpanao mokon-doha?...
:roll: :roll: 8O 8O

33. rakaroka ( 23/07/2008 18:41)
ary omen'Atra fahalalana kosa ilay iray raha mino Azy ka na tsy nahay nanoratra aza izy dia mety ho "hieroglyphics "
:-D :-D :-D :roll: 8O
Izany hoe "karazan'ny nahay hatrany an-kibon-dreniny indray izany satria tsy nianatra tsy nisy nampianatra fa azoazo t@ izao ilay fahaiza-nanoratra.
He bein...mety ho...araka ny teninao "izany hoe sahan'ny "doute".
'za indray dia milaza marina fa tsy mandehandeha ho azy tahaka izany ny fahaiza-manoratra fa mila ianarana, ary tsy hoe mety ho... fa rehefa tena ilofosana dia "Siora à 100% fa ho hay: "Finoana tsy misy doute na kely toa tsipindy ny ahy!

34. rakaroka ( 23/07/2008 18:50)


misaotra anao aho,eny tena important ho an'ny kristiana eran-tany rehetra mihitsy ny nahafatesan'i kristy ka araka ny teninao hoe it is very important as you believe Christ is died for Us


Saingy indrisy fa toa "borné" @ io sy ny sasan-tsasan-teny ny mpihevi-tena ho manaraka anefa tsy naharaka Azy araka ny teniny hoe maro ny nanao zavatra
t@ anarako fa tsy fantatro akory. Pour dire simplement hoe dévié ny axe de la vie hi-basén'ny Xtiana maro ny fiainany!

35. fijo ( 23/07/2008 20:43)
hoy rakaraoka:"NON . Dia lazaiko marina hoe çà n'a aucun effet ireo vavaka. Taoko misy olona mahazo ny iriany maro be aty anefa tsy mpivavaka! Dia ahoana ary?"hoyyyyyyy bedy eo ndry fa ataovy ary,izahay efa milaza an'io foan afa bedy be ko.

hoy ika:"ary ny soratra masina aza milaza fa tsy ny soratra masina ihany no hiveloman'ny kristianina?

dia ahoana indray ny @ io?"

vizana eo ialahy fa rah aireo sasany tsy hiaiky izany mihintsy.
36. rakaroka ( 23/07/2008 21:28)
hoyyyyyyy bedy eo ndry fa ataovy ary,izahay efa milaza an'io foan afa bedy be ko.
8O :oops: :oops: :-w :-w :-w :wink:
Haiiiy. Heu....Ny vavaka rey olona dia fitaovana mahaomby tokoa indrindra raha miampy kely ady amin'ny habadoana sy tsy fahalalana izay. Andramo anie fa ho azonao tokoa ny valim-bavaka!
(Mery v izao Ra-Fijo?



37. ikaretsaka ( 23/07/2008 21:42)
bedy @ ahoana ary fa lefijo koa :-D :-D :-D

ny vavaka re olona mba ilaina fantarina @ lafiny rehetra ihany ny manodidina ny hivavahana sy ny momban'ilay hivavahana fa mampanjary mampivavabava-poana an

38. Noue ( 24/07/2008 07:49)
prime:

"Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo." Matio 7:7



saingy hoy aho hoe: tsy ahazo ireo voalaza ireo raha tsy be ny finoana ary mahay mangataka !

inona moa no atao hoe "mahay mangataka" ?

tsy rehefa tena ao anatin'loza

tsy rehefa tena mila fanampiana vao mangataka ,

ary matetika misy ny olona mangataka @ zavatra tokana (ozy ilay hira izay hoe:
efa trotraky ny adin-tsaina
izay vao mba nahatsiaro anao ry Tompo
reraka tsy sahy mitaraina
ry Jesoa Fitiavana

Nahoana no efa trotraky ny adin-tsaina vao mahatsiaro ny Tompo dia eo no mangataka ?
dia manantena hoe "mangataha dia ahazo ve ? dia raha tsy mahazo dia aninona indray ? hilaza hoe tsy mino aho satria izaho koa mba nangataka nefa tsy nahazo valiny ?


39. prime ( 24/07/2008 10:14)
Misaotra anareo rehetra naneho hevitra...
40. prime ( 24/07/2008 10:32)
ni81:
Efa tena nandalovana daholo ireo rehetra ireo, ary ny tena niaretako mafy dia ilay hoe: mangataha...
Teo @ 17taona eo ho eo no fotoana nivavahako nangataka zavatra iray izay vao nahazo valiny. Tsy nahakivy izany satria Atra manana ny programany ka miandry izay fotoana mety hatrany. Isaorana IZY.
... Lalina izany faharetana natrehanao izany... mahate-hidera... betsaka tokoa ny mangataka fa vitsy ny maharitra an...
booboo:
Efa nandalovana ary mbola iainana isan'andro vaky izao. Nampianatra sy mampianatra hatrany hanetsika le popotin @ raha aby aby fa tsisy mana hilatsaka avy any an-danitra eo, ho sahy sy hahay hilaza mazava zay tadiavina/irina/ na @ inona sy na @ iza io na iza fa tsy mahamenatra zany fa Izy ara miteny hoe " mangataha ", hanana faharetana @ raha aby aby ( zay mbola sarotra amiko hatr@ zao fa vao mianatra zà ).
... Tsara izany ry booboo... dia mahereza fa ny mianatra amin'i Kristy no mamy indrindra...
Veloo:
prime a ie marina io verset io, ny olana @ ra-olombelona dia tsy voin-tsika ny trano(fo) idiran;i Jesosy. Mbola variana amin'ity tany feno fahotana ity.. Tena mampalaelo
... Mampatsiahy ilay olona iray izay, rehefa nambara taminy ny fitiavan'Andriamanitra dia hoy izy,

  1. mbola kely loatra aho, izaho ve aho dia hamato-tena sahady amin'ny fivavahana???...
  2. nitombo nitombo ihany ranamana dia nihazatovo, (dia ahoana r'ise hoy indray ny mpitory iray fa tian'Andriamanitra ise no sady antsoiny?)... mbola ao amin'ny fahatanorana ve dia handany andro amin'ny fivavahana sahady e! (hoy izy)
  3. dia nitombo ihany, tonga nanatokantrano ary nanambady aman-janaka tsara, efa lasa "olon-dehibe" (antsoin'i Kristy ise, sady tiany omena ny fitiavany no ilainy sy antsoiny, mitalaho amin'ise mihitsy Izy amin'izao mahaise an'ise izao, hoy indray ny mpitory iray)... mbola tsy manam-potoana loatra aho fa ny adidy aza ity mitombo tsy mitsahatra... mba ivavaho any e! (hoy izy)
  4. antitra ihany ny farany (miala nenina aminao Ray aman-dReny i Jesosy, tian'Andriamanitra ianao koa atolory ny fonao ho Azy, hoy indray ny irak'Andriamanitra taminy)... efa osa aho r'ise a... aleo ho an'ny matanjaka izany, izaho aza ity tsy afa-mamindra tsara intsony ka hivavaka aho hivavaka... (hoy izy)
... indrisy fa tonga ihany ny androny dia nentiny nody ny fandavana ny antson'Andriamanitra...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2024