Iza amn'ireto roa ireto lesy no alehako a:Vavolombelona !!

1. niryna ( 13/07/2008 23:44)
Efa naheno ve hianareo fa maro ny olona no miteny fa roa ihany ny lalana alehantsika rahatrizay ka miala ety isika ?
Narary ity fianakaviana iray ary dia tonga hatrany ny mpiandry mivavaka ho azy ary nampianatra azy ametraka ny fiainany amin'i kristy.
Nanaiky Azy ho tantanaNy tokoa ny fiainany rehetra ary na dia ny fianakaviana rehetra aza dia efa nivavaka azy foana ary niafara tamin'ny fivoriana samy nifamela heloka.
Nahazo hery avokoa ny rehetra ary dia nifankatia sy niaraka daholo,toa maivana ny fahoriana nahazo ny rehetra na dia niady tamin'ny aretina aza izy satria hita soritra teny aminy ny fifaliana,ny hirahira Salamo,ny nametrahany ny aretina teo am-pelantanan'ilay kristy Mahery.

Ny teny nolazainy dia hoe iza amin'ireto no lalana tokony alehako letsy a,dia miteny ny ankizy fa any amin'i Jesosy aleha ary ny anarany no antsoy ary dia nataony tokoa izany?

Hidio io varavarana io fa misy olona mitady hiditra ato an-trano,Atra o, ampio aho Atra o.
Dia hoy ny ankizy hoe Kristy antsoina fa maro ny atra ,ary dia niantso an'i kristy foana tokoa izy.
Ny fara-teniny? eny Kristy o...... ary dia nikipy ny masony.

Fahasambarana tsy misy toa izany,farateny miantso ny anaran'i kristy izany

Misy lalana roa ny iray tery ary dia vitsy no mandeha any sy te andeha ho any
Fa misy lalana kosa izay lehibe ary midadasika ka maro no mandeha any.
Mino ve hianao fa roa ihany no lalana alehantsika rahatrizay ka miala ety?
Ny iray dia lalana mankany amin'Atra ho an' ireo izay mino an'i kristy ka ho voavonjy izy raha manaiky an'i kristy ho Tompo sy Mpamonjy ary ny iray kosa dia lalana izay mandeha any amin'ny fahaverezana
antsika no safidy.
(l) niryna
novalian'i niryna ny 03/08/2008 04:02
2. badboy ( 14/07/2008 07:31)
Fahasambarana tsy misy toa izany,farateny miantso ny anaran'i kristy izany

Tena kristy ve ilay hitany fa tsy sandoka??? Inona ny porofo ahafahanao milaza fa kristy ilay izy??? Ary tena sur ve ianao fa tena lasa eo akaikin'i kristy ilay olona vokatr'ilay fiantsoana ny anarany matetika sy ny fihirana salamo???

Nahazo hery avokoa ny rehetra ary dia nifankatia sy niaraka daholo,toa maivana ny fahoriana

Rehefa mipetraka ilay fifampitokisana eo @ tsirairay, na inona io fivavahan io na inona, dia afaka miaina ampilaminana foana na dia miatrika fahoriana aza fa tsy ho voatery hoe miaraka @ kristy ihany! Dia tonga dia ahilikao eto ny bouddhiste, ny jiosy sy ny silamo. Tsy afaka ny hanakaiky an'Atra ve izany ireo rehefa voaantso?? Ny kristianina ihany ve izany no mitana ilay fahamarinana tena lafatra???

Sao dia fohy loatra ilay fomba fijerinao ka minia tsy mijery sy tsy mandray ireo misy eo @ manodidina fa dia faly mamita ny kely ananana! :-D :-D :-D
3. Rasiligaoma ( 14/07/2008 07:41)
Sao dia fohy loatra ilay fomba fijerinao ka minia tsy mijery sy tsy mandray ireo misy eo @ manodidina fa dia faly mamita ny kely ananana!

marina io.
Ekena fa samy manana ny fivavahany sy izay fironany daholo ny olona tsirairay fa ny fivelarana sy ny fijerena ny an'ny hafa, indrindra ny manodidina ny tena, ankoatran'ny an'ny tena dia ahitana koa hoe aiza ho aiza aho izany
Misy fiteny izay hoe ohatran'ny miakanjo io, mba jerena ihany ny manodidina ny tena sy ny akanjo sasany fa tsy hoe rehefa zatra manao jeans sy mahatsiaro tena ho lafatra ao anaty jeans dia tsy te hahalala hafa afa tsy jeans na hatory sy hanao mariazy aza ohatra
4. kalointsika ( 14/07/2008 07:59)
angamb kosa ts oe fohy fisainana izy na ahoana fa fijoroana vavolombelona ny azy. afk miteny izy hoe mahazo mino isika na tsia fa izay no inoany dia ampy. anjarantsika koa ny mivelatra mankany amin'ny fisainany fa tsy tonga dia mitsara. sad izy anie ts nilaza oe, ny an'ny hafa tsy izy e! mitantara zava-misy no ataony fa ny tokony ataontsika angamb dia ny mangatak fanazavana fanampiny dia anjaran'ny tsirairay ny mandray ny tandrify az. sad tsik anie zao ra mb misy adihevitr d oe "Atra iray ihany no ivavahana... etc" d lazao ahy ko oe misy gasy boudhiste (besoin d'info)
5. Rasiligaoma ( 14/07/2008 08:27)
ny tsy mba haritro dia ny fomba hoe ahoana tokoa no ahalalana fa tena voavonjy iny olona iny? sa dia inoana fotsiny?

ankoatran'ireny lazain'ny Kato fa "olomasina" ireny mantsy (NB: ireny na nanao miracle niaraka t@ Tompo t@ alalan'ny intercession na vavaka natao miaraka aminy sy angatahina amin'ny alalany, izay avy eo mbola dinihin'ny manam-pahaizana maro sy ny fiangonana ny tena naha miracel azy, izay vao asandratra, na nanao aparition tetsy sy teroa (i Maria ohatra)

mantsy dia tsy nisy niverina izy ireny nilaza , na tsy nisy nankany isika, ka nahita na nilazana hoe voavonjy marina izy ireny!

6. tsanga ( 14/07/2008 08:49)
aza de mampiasaaina loatra amin izany reto a.miaina de miezaka manao ny tsara eo aminy fiaraha monina de ze farany any farany.ze lasa tsisy niverina tsinona
7. badboy ( 14/07/2008 09:52)
afk miteny izy hoe mahazo mino isika na tsia fa izay no inoany dia ampy

Tsy mitovy @ mitoriteny mandresy lahatra ny hafa hoe ty no tena izy ve izany????
8. Rasiligaoma ( 14/07/2008 14:23)

afk miteny izy hoe mahazo mino isika na tsia fa izay no inoany dia ampy

afaka izy fa tsy nanao izany fa fijoroana vavolombelona miampy fandresen-dahatra ankolaka no nataony


9. ari.malala ( 14/07/2008 14:55)
tsisy azoko alou zany ilay fandehan'ilay tantaran'i niryna e!


Rasiligaoma:
ny tsy mba haritro dia ny fomba hoe ahoana tokoa no ahalalana fa tena voavonjy iny olona iny? sa dia inoana fotsiny?
wana manokana d ilay tenin'i Jesoa hoe "misy toerana maro ao an-tranon'ny Raiko ka handeha aho hanomana toerana hoanareo ary refa tonga haka anareo aho dia izay misy ahy no hisy anareo koa" no andraisako azy! ts afaka hitsara mints ah hoe ts voavonjy iny olona iny na d mpiteny ratsy sy mpangalatra sy hitako daolo aza izay nataony, satria raha nahavita fanenenana tsara izy talohan'ny nahafatesany dia isan'ny voavonjy izy izany! ohatra ftsn ilay jiolahy nivalo! Tsy voatery hiandry apparition sy béatification sns vao hino fa voavonjy ny olona iray!
10. Rasiligaoma ( 14/07/2008 16:36)
ari.malala:

tsisy azoko alou zany ilay fandehan'ilay tantaran'i niryna e!


ny tsy mba haritro dia ny fomba hoe ahoana tokoa no ahalalana fa tena voavonjy iny olona iny? sa dia inoana fotsiny?
wana manokana d ilay tenin'i Jesoa hoe "misy toerana maro ao an-tranon'ny Raiko ka handeha aho hanomana toerana hoanareo ary refa tonga haka anareo aho dia izay misy ahy no hisy anareo koa" no andraisako azy! ts afaka hitsara mints ah hoe ts voavonjy iny olona iny na d mpiteny ratsy sy mpangalatra sy hitako daolo aza izay nataony, satria raha nahavita fanenenana tsara izy talohan'ny nahafatesany dia isan'ny voavonjy izy izany! ohatra ftsn ilay jiolahy nivalo! Tsy voatery hiandry apparition sy béatification sns vao hino fa voavonjy ny olona iray!

Eny .. @ izany fotoana izany dia tonga haka antsika izy :"rehefa tonga ny fotoana" hoy ilay hira!
fa tsy hitako ny hifandraisan'io nolazainao sy ny nolazain'i niryna
i niryna milaza fa izao dia voavonjy dia ianao milaza hoe rehefa tonga haka anareo!


11. rakaroka ( 14/07/2008 20:22)
Ny azo sainina aloha dia hoe: tsy misy tompon'ny ampitso loatra, na hitompo teny fantatra ho mahalala izany! Donk tsy dia fahendrena angamba ny hitatata amin'ny olona hoe dia tsy maintsy ho toa izao ny hoavinareo , indrindra moa tsy hoe "mpaminany tsinona". Lainka hoe "la vie après la mort" hoy i Randja:"mankaiza marina ny maty?" Raha ny soratra no itokiana. Koa na ilay nantsoiny ho "Kristy aza anie manamafy fa tsy mahalala akory hoe iza no ho eo ankavia na ho ankavanan'ny Ray :roll: :roll: . Fihevitro tsy dia ny hiantso hanonona ny "anarany loatra no inn fa ny fandavorariana ny fiainana araka ny sitrapo sy sitrapony!
12. Rasiligaoma ( 14/07/2008 20:35)
io tsy misy tompon'ny ampitso nefa mitompo teny hoe ho toy izao no ho avinareo io no hitako ho mamohehitra tokoa, ary marina tanteraka ny an-rakaroka amin' ilay hoe ny fandavorariana ny fiainana araka ny ny samy anjara nomena ny tsirairay avy no important kokoa
13. Koditra ( 14/07/2008 21:56)
Ny fahazahoako azy dia kristianina niryna, io ohatra nomeny io dia ohatra kristianina, Kristy no làlana sy fahamarinana ary fiainana mandrakizay, ka na efa eo ambavan'ny fahafatesana aza dia mbola mikaroka sy miady mafy hoany @io làlana io ary izay no maha kristianina.

Afaka milaza eto ihany koa izay boudiste na silamo sns, mitantara ohatra boudiste na ohatra silamo izay mety hitovy na mifanipaka @ io ohatra kristianina io. Asa, ohatra oe ny an'ny silamo ny olona efa ho faty dia asaina mitondra fiara efa misy bomba any @ tany amerikanina any ohatra, @zay ny adidy ho an'ny tanindrazany vita, izy tody soamantsara any @ Allah.

Mba samy manome ny heviny eo e.

Marina fa manitikitika ny saina nefa sarotra kosa aloha ny hanamarina hoe tena lasa eo akaikin'ny Kristy marina ve ilay olona narary, na oe tena lasa eo akaikin'ny Allah marina ve ilay olona nitondra baomba satri izay maty tsy nisy niverina tety antany nitantara sy nanamafy fahamarinan'izany.

Mba hevitra ny ahy e, mety ho diso.
14. Rasiligaoma ( 14/07/2008 22:11)
manome ny heviny ange samy manome e, fa ilay coexistance sy ilay lazain'i pissoa hoe tolerance atsy no olana kely
15. prime ( 15/07/2008 10:18)
Efa maro ny maty no niverina ka...

Jesosy no voalohany tamin'ny fitsanganana tamin'ny maty... niverina aloha vao niakatra ho any an-danitra...

Raha tsy hiresaka ireo olona maro efa nitsangana tamin'ny maty, na dia i Neny Ravelonjanahary sy Mama Volahavana Germaine fotsiny aza dia samy efa nandalo tamin'izany avokoa... (ny voalohany aza efa voatsindrona "formol" mihitsy)

... sy ireo marobe tsy voatanisa taty aoriana...
16. Rasiligaoma ( 15/07/2008 10:50)
ka niteny ve ireny hoe vioavonjy izy? dia aiza ny authenticite?
17. prime ( 16/07/2008 08:38)
Rasily> finoana io Rasily fa tsy siansa ka tsy maintsy porofoina ao amin'ny "laboratoire" vao inoana a...

Omeo ny "authenticité" ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty dia ho voaporofonao io... :)
18. prime ( 16/07/2008 08:49)
Rehefa misy ny toa ireny dia ny "authenticité" 'ny "témoignages" sy ny "témoins" no mamehy azy eo ambany asan'ny Fanahy Masina...
19. bichette ( 16/07/2008 15:22)
20. Rasiligaoma ( 16/07/2008 22:12)
io izany ilay hoe minoa fotsiny ihany?
ny an'ny kato manko io toa verifier-na tsara sy hamarinina amin'ny miracle sy ny zavatra nataony fony fahavelony sns...
fa tsy vitan'ny hoe mi temoigne rageorges dia :^) daholo ny olona
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0647