Tsy mavoa intsony ny tsikera ka mody dokafo hanitsaka???????

1. tsoraka ( 20/06/2008 08:57)
Miseho daholo ny mpitsikera rehetra fa tsy ahoan'ny pokona, aseho ihany ny resaka tekinika sy ny sisa fa mbola hifiran'ny olona, mivoaka ny sinoa firazanana fa tsy maha-koty olona, farany dia hoe andao indray ary mody manao mpanohana anjambany fa io no mety tena ahatezitra ny olona.
Fika mahomby ve izany?
novalian'i penguin ny 23/06/2008 23:39
2. kidoropamba ( 20/06/2008 11:14)
Efa lany daozy ny tsikera lavareny. Mandroso ny firenena. Mirehareha ny malagasy fa manana filoha manantsaina sy manampanahy ikoizan'ny vahiny.
Jadona, fitaka, mivarotra tanindrazana, mangoron-karena, antsonjay, sy ny sisa, no mba tsikera hitan'ny mpanohitra hamingAnana ny fandrosoana izay napetraky filoha hajaina Marc Ravalomanana. Tsy nahomby anefa izany.

Tohizo ny lalantsika

God bless Ravalomanana^:^
3. tsoraka ( 20/06/2008 12:23)
Izahay manohana ny asa fa tsy mbola mandalo aminay ity resaka hajaina hajaina ity araka ny tenin'ny akama. Izay dondrona no dokafana dia manitsaka diky.
4. kidoropamba ( 20/06/2008 12:58)
Marina mihitsy fa ireo izay miasa ihany no mendrika hajaina.

Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
5. xxx ( 20/06/2008 14:30)
tsoraka sy kidoropamba > Tsy misy kil nareo mtsam zany an.
Mpanohana bontolo maivana kely tsy ohatran'ny JK dia tsy misy miraharaha :lol:
6. kidoropamba ( 20/06/2008 15:14)
"Tsy ny namanao no hifaninananao fa ny zava..."
Tsy olana raha tsy misy izany kil lazainao izany satria Asa no atao masaka ao andoha fa tsy ny fitsikerana bontolo.
Fomba fitaizAna tsara sy mendrika ny fahasahiana milaza ny marina.
Na dia be ny mialona ny filoha hajaina Ravalomanana, dia ny vahoaka malagasy irery ihany no mahita ny fahasambarana azony amin'ity lehibem-panjakana ikoizan'ny vahiny raha amin'ny hakingany eo amin'ny fitrandrahana ny harempirenena.
Hisaorana anie izy amin'izany.

Tohizo ny lalantsika
God Bless Ravalomanana ^:^
7. betsi2 ( 20/06/2008 15:23)
tsoraka:

Miseho daholo ny mpitsikera rehetra fa tsy ahoan'ny pokona, aseho ihany ny resaka tekinika sy ny sisa fa mbola hifiran'ny olona, mivoaka ny sinoa firazanana fa tsy maha-koty olona, farany dia hoe andao indray ary mody manao mpanohana anjambany fa io no mety tena ahatezitra ny olona.
Fika mahomby ve izany?



matoa misy ny mpitsikera misy ny zavatra azo tsikerana, tsy izay mpanohitra rehetra akory no manohitra fahatany , diniho fa ny firenena mandroso ireo aza tena tsy mipetsaka ny mpanohitra fa ireo manohitra dans la democratie ,malaka ny fanehoany hevitra dé tsy obligé mitarika ny vahoaka any andalana loatra fa mampiasa ny multimedia
8. xxx ( 20/06/2008 15:55)
Ol 1 ihany ireo "Tsoraka" sy "Kidoropamba" ireo
9. tsoraka ( 20/06/2008 16:11)
inona izany no tanjona raha iray ihany daholo ny olona rehetra eto. Na mainty sy fotsy iray ihany. Na olona miresaka andriamasinavalona sy tsy tia ahalala an;izany iray ihany. Lazao koa fa iray ihany ny haninao sy harianao ho aingana rehefa manao xxx ihany. :evil: :evil: :evil:
10. Marindrano ( 20/06/2008 17:53)
Raha ny hitsikitsika noheverina hivavahana no mifaoka ny zanak'akoho, dia fahadisoana izany.
Raha ny mpanabe no manome filamatra ratsy ny beaziny dia fahadisoana ihany koa izany.
Raha ny natao handrindra sy hitsara no mitanila na mitongilana amin'ny andraikiny dia fahadisoana tanteraka izany.

Ny fahadisoana rehetra indrindra fa ny fanahiniana natao dia midika tsy rariny. Izay manao ny tsy rariny dia tsy maintsy hijinja ny nataony.

Fanitsiana ny nanao ny tsy rariny sy nihoa-pefy teo amin'ny fiarahamonina no nanaovana ny fonja fa tsy fanimbana olona. Mba hafahany mandini-tena ka hampody indray ny sainy.
Fijinjana ny vokatry ny natao ihany koa ny dikan'ny famaizana eny am-pigadrana.



...ny atao no miverina.
11. kidoropamba ( 20/06/2008 18:11)
Tsy marina ny filazAna fa ny "atao no miverina". Tsy misy hino izao fa hiverina ho mpitaingina bisikileta ny filoha hajaina Ravalomanana ka hitety faritra hivarotra ronono. ny fahazarany mitaingina aropilany Air force one, ho azy irery dia tsy maintsy hanosika azy hanao tsaratsara kokoa amin'ny ho avy.
Matoky aho ary mirary fa mety ho aropilany moderna kokoa no hovidiny tsy ho ela raha vao lafo ny coblat sy ny solika satria mendrika azy loatra izany noho ny asany maro dia maro.

Tohizo ny lalantsika
God bless Ravalomanana ^:^
12. Marindrano ( 20/06/2008 18:37)
Iza tokoa moa ny nino fa fanamelohana ho faty no todin'ny nataon' i "Sadam Hussein", izay olona natanjaka sy nololohavina tamin'ny androny.
Iza no nino ny olona nanana fahefana sy haja fahinin'i madagasikara no hijinja ny nataony any am-ponja.
Iza no nino fa firenena nahantra sy natao fihomehezana ary lazaina fa vendrana fahiny tahaka an'i Sina no hahavita hanambaka an'izao tontolo izao. sns....

"Kodiaran-tsarety ny fiainana..."

Tsy natao hinoana ny tody fa lalanan'ny zavaboahary, lalanan'ny fiainana, fitsipika voajanahary.

Ny olona manohy ny lalany an-jambany fa tsy mandinika ny alehany dia mety hivarina any an-kady ny hiafarany. "Misy farany ny atao"


...ny atao no miverina

13. kidoropamba ( 20/06/2008 18:50)
Toa mampatahotra be ity ianao izany. Toa mifono menace ilay "tody sy ny atao no miverina".
Ny anay aloha dia tsotra: Ny filoha hajaina Marc Ravalomanana dia tsy mbola nanao zavatra ratsy vahoaka izany mihitsiny satria ny hampandroso, miasa, miasa tsara miasa mafy, ny vahoaka ihany no nataony hatramin'izao. Ka heveriko fa ny tody mikasika azy manokana aloha tsy ho hisy zavatra ratsy mihitsy. tena siora aho amin'izay.
Raha nomeny ny mpandraharaha vahiny ange ny fitrandrahana ny harempirenena dia satria tian'y filoha hajaina ary mamim-bahoaka Ravalomanana loatra ny malagasy ka ny vahiny ihany no manana traikefa mazava ary tsy azo iadian-kevitra amin'ny fitantAnana e.
Raha nataony ny fomba rehetra nangorona ny fahefana dia mba hialAna amin'ireo izay mpanao politika mangalatra sy manao tsinontsinona ny fampandrosoana ny firenena.
Raha mitrosa ange izy satria hanamboarana lalana e.
Raha mitaingina raopilany izy dia satria maro ny asa miandry azy any ivelany any.
Raha arak'io teneinao io dia mirary aho ka mirary mba hiverina aminy io zavatra ataony amin'ny vahoaka io. Mirary aho, mba miverina aminy ireo soa ataony amin'ny mpandraharaha vahiny mba ho fampandrosoana an'i Madagasikara.

Tohizo ny lalantsika
God bless Ravalomanana ^:^
14. Marindrano ( 20/06/2008 20:06)
Ny olona mpanao ratsy ihany no matahotra ny todin'ny ataony. Fa ny manao ny rariny sy hitsiny dia miandrandra ny tody ho tonga faingana aminy satria tsara ny asany.

Ny olona misaina sy tony ary mahay mandanjalanja ny ataony dia tsy tokony tezitra na mihorohoro amin'ny filazana ny zava-misy na ny marina, fa tokony handray izany am-pahendrena ka handinika ny ataony.

Ny olona manohy ny lalany ara-drariny sy hitsiny ary am-piheverana no tonga amin'ny tanjona tratrariny.



...ny atao no miverina.
15. xxx ( 20/06/2008 21:48)
Refa tsisy kil oa nareo mitsam d mangina @ zay. Nareo mitsam no mahazo saôsy manokana any @ sisiny any ko hoe zahay vahoaka a hoe zahay vahoaka. Mandehana alo mampanao fitsapakevi-bahoaka mitokana nareo mitsam d jerena raha mahazo 0,0000000001% hoe tena mahasolo-tena vahoaka marina ve @lay fanohanana bontolo.

NB : tokony mbola miampy aotra 3 mialohan'io 1 io fa mba tsy dia aha oainina be loatra anareo mitsam. Isaory ihany a e. :-D
16. kanota ( 21/06/2008 01:19)
Fa olona roa mitsamy sa iray indray sa ao anatiny koa ny manao xxx ato ary e. Na ianao manao xxx na iza na iza samy tsisy nahazo halalana avy amin'ny vahoaka hisolo-tena azy. Taiza no nisy nifidy izany xxx izany ? Ny tenany aza miafina. Samy tsy mandoa vola na ny mpitsikera na ny mpanesoeso na koa ny mpanasoaso sy ny mpomba amin'ny fomadio noho izany samy manambara izay lazainy. Ny sefo no manala izay tsy mifanaraka amin'ny fepetran'ny serasera. sa anaovy fitarainana dia miala daholo izay mahasosotra. :evil: :evil: :evil:
17. rakapy ( 21/06/2008 01:33)
tapoy rano ny radiateranao rakanota fa mitady hi-chauffe izy izany :-D :-D :-D
18. kanota ( 21/06/2008 01:43)
Mitady hitapy sahalan-drakapy =)) =)) =))
19. rakapy ( 21/06/2008 01:50)
Kilaoty tonta toa kanota :-D :-D :-D
20. kanota ( 21/06/2008 01:51)
Politikan'adala sady mitapy nian-drakapy =)) =)) =))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1565