Fampiatoana mpisera

1. ds ( 18/06/2008 17:43)
Rahefa tsy manara-pitsipika ny hevitra, dia alefa any amin'ny fako. Raha hevitra iray na vitsy anefa no maningana, dia matetika ny lohateny iray manontolo no very any amin'ny fako.
Tsaratsara kokoa angamba raha ny mpisera rangory fototry ny afo no, SANATRIA tsy alefa any amin'ny fako, fa ampiatoana kely ny fahazoany mandray anjara. Amin'izay izy afaka mandini-tena mandritra ny fiatoany ary ny lohateny tsy haloto.
Sosokevitra ihany anefa izany...:-)
novalian'i xxx ny 24/06/2008 08:35
2. kiadi ( 18/06/2008 17:49)
nenah aleoko zah no mapiato ny tenakao fa zah indray no mahazo fapitandremana nefa zah no misy manenjika sy misy manopa!!
3. xxx ( 18/06/2008 18:12)
ary manaraka fitsipka ve ny tahak'izao ? lazaina fa maivan-doha sns ?

http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m484fbde4b1dfe

http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m4857fd4c06cdc
4. kiadi ( 18/06/2008 18:20)
ka hita kosa fa misy ny debil !!
5. xxx ( 18/06/2008 18:58)
xxx:

ary manaraka fitsipka ve ny tahak'izao ? lazaina fa maivan-doha sns ?

http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m484fbde4b1dfe

http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m4857fd4c06cdc



koboko ianao na manao xxx aza ....
fa ianao milaza fanarahana fitsipika io ve mba nanaraka ny fitsikpika hatrizay tamin'ny ompa bdb nataonao ny namana teto amin'ny forum....
tsy hoe rehefa miafina ambadiky ny xxx dia tsy ho fantatra....
ary ianao nanompa aza mbola tavela ato foana hatramin'izao.....
ambava homana ampo mieritreritra


:)
6. xxx ( 18/06/2008 19:01)
ny tiko lazaina ry xxx 2 ; tsy ampahafirin'ny ompa vary raraka gratos nataonao ny namana tato amin'ny forum io dinika io, ary ianao no nanomboka tsy nanaja ny mpanolotra dinika tao amin'io dinika jereo eto nataonao io....
olona mpiara misera eto amin'ny forum tokony hifanaja fa raha tsy manaja ny hafa ianao dia tsy hajainy koa izay....
tsy ho lava resaka momba io dinika io aho fa ao tohizana rehefa te hanohy azy......
7. xxx ( 18/06/2008 19:26)
xxx:

ary manaraka fitsipka ve ny tahak'izao ? lazaina fa maivan-doha sns ?

http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m484fbde4b1dfe

http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m4857fd4c06cdc




Fiza no nanomboka namingavinga olona tao ?
fiza no nanimba loha hevitra ?

Tys enao manao XXX mitaraina io ve !
8. diamondra27 ( 18/06/2008 19:44)
tena euro2008 ve ty sa inon e

asiana mi temps koa zany ny serasera zao ve?

alao ilalao echec ihany fa miova foana ny regle ato
9. yonikafopl ( 18/06/2008 21:32)
misy manao ankamely fa tsy mahatanty resy ry diams aaaaa, misy ny sasany nefa vo mi takla kely tonga de meneno ny kiririoka, ny hafa ndray efa mamely etsy mamely eroaa otran'ny andalovan'ny albitra fotsiny :wink:
10. ainaheri ( 19/06/2008 04:54)
Drayyyyy nouvô regla ndray zany klé lol
11. xxx ( 19/06/2008 04:59)
yonikafopl:

misy manao ankamely fa tsy mahatanty resy ry diams aaaaa, misy ny sasany nefa vo mi takla kely tonga de meneno ny kiririoka, ny hafa ndray efa mamely etsy mamely eroaa otran'ny andalovan'ny albitra fotsiny :wink:






:-D :-D :-D :-D marina mihintsy io...betsaka ny ondrakondrafana sy mi kondrakondrana ato manao izay danin'ny kibony amin'ny adalàna rehetra ...
anefa rehefa ataon'ny hafa malaky mikilay....
io ilay hoe tsy fantany ny zavatra hataony fa ny an'ny hafa hainy ny mitsikera azy ;-)
12. orona ( 19/06/2008 06:59)
=dsRahefa tsy manara-pitsipika ny hevitra, dia alefa any amin'ny fako. Raha hevitra iray na vitsy anefa no maningana, dia matetika ny lohateny iray manontolo no very any amin'ny fako.
Tsaratsara kokoa angamba raha ny mpisera rangory fototry ny afo no, SANATRIA tsy alefa any amin'ny fako, fa ampiatoana kely ny fahazoany mandray anjara. Amin'izay izy afaka mandini-tena mandritra ny fiatoany ary ny lohateny tsy haloto.
Sosokevitra ihany anefa izany...:D


marina izany ralahy

xxx no voaloha
13. hery ( 19/06/2008 07:00)
xxx:
manao izay danin'ny kibony amin'ny adalàna rehetra ...
anefa rehefa ataon'ny hafa malaky mikilay....
io ilay hoe tsy fantany ny zavatra hataony fa ny an'ny hafa hainy ny mitsikera azy

xxx> i kiadi izao no anisan'ny mpanao an'io
14. Kapistra ( 19/06/2008 07:32)
Miarahaba antsika rehetra mpisera e!
Ny serasera aloha dia hitako fa tsara ary mankahery sy mirary soa mandrakariva ny mpikarakara ;
Tsy mety angamba aloha ny fahitako azy raha hoe ny fampiatoana ilay olona no vahaolana e! satria manjary manimba ny fietanampon'ilay olona ilay izy.
raha ny hoe fampiatoana an'i kiady ... ohatra dia hitako hoe tsy dia mety loatra,ilaina ihany mantsy ilay sira kely indraindray (sira be tsy ilaina)sady izy toa hitako ol mazoto mpisera ato.Ny tena mety mantsy dia tsy ilay ol no esorina fa ilay dinika no esorina raha tsy manaja ny fitsipika.
ny sosokevitra hitako izany entina hanatsarana azy bebe kokoa dia izao,asiana sokajy 2 ny valiny dinika izay mivoaka .
oh:
....mitady mpiasa raikitra sns...
valiny matotra
izay mila valiny matotra izany dia mametraka io teny io hoe valiny matotra.
Izany hoe raha valiny matotra no takian'ilay olona dia izay valimpanontaniana rehetra eo ka tsy matotra izany hoe vazivazy na tsy mifanaraka @ ilay fanontaniana angatahin'ilay ol tonga dia fafan'ny tompon'andraikitra avy hatrany..
Raha ohatra moa izany tsy mametraka anio fanamarinana io izy dia malalaka izany ny valiny.Izany hoe na misy vazivazy aza eo na fifamaliana majinijinika dia tsy mampaninona izany.Satria fomban'ny ol izany,arak ilay fiteny hoe ny isavorovoroana hilatoana.
15. hery ( 19/06/2008 07:41)
momba ilay valiny matotra sy tsy matotra.

Ny fanontaniana matotra na dia tsy asiana soratra hoe mila valiny matotra aza dia fantatra hoe fanontaniana mila valiny matotra. Isika rehetra eto dia samy mahalala an'izany. Kanefa amin'ireny fanontaniana efa fantatra izao fa mila valiny matotra ireny no mbola tafiditra indray ny tsy matotra... noho izany tsy hitondra vahaolana ilay hoe lazaina manokana mihitsy hoe "mila valiny matotra"
16. Kapistra ( 19/06/2008 07:56)
Misy mantsy ny mpisera na dia matotra aza ny fanontaniana dia tsy mampaninona azy ny valiny na dia tsy matotra aza,ka izay no mahatonga ny sasany hampiditra ny dinika tsy matotra ao amin'ny fanontaniana matotra.marobe ny fanontaniana matotra hitako avy eo ny valiny mivaona be any amin'ny tsy izy,ny mba hialana amin'izay izany no mahatonga ilay fanamafisana.
Amin'izay izay valiny tsy matotra rehetra tonga dia fafana.Sa Ilay sivana ve no tena manahirana.
Mba mihakely kokoa mantsy ny fanaraha-mason'ny tompon'andraikitra ny dinika @ izay.
17. ari.malala ( 19/06/2008 08:02)
@ Kapistra zany na manompa na manambany na manin ilay olona d ny fientanam-pony no jerena fa ny ambiny tsy maintsy miaritra anazy eo daolo kosa v? ts rariny raha hadalan'olona 1 na vitsivitsy no anariana dinina 1 manontolo any am fako! ataovy hoe niara nilalao baolina enao sy ny namana 1, d le namana no nanao ny tsy nety ohatra oe nodakany mafy ilay izy ka nanimba varavaran'kelin'olona, d enao tsy nanao inon-tsy nanao ionna no voasazy miaraka aminy hoe sady tsy mahazo milalao ilay baolina no voatery manolo ilay fitaratr('olona vaky (ohatra iany ny ahy iny) d toy izany koa hoe olona ts manaraka fitsipika v no anariana dinika mety interessant any am fako?? ts rariny izany! Io soso-kevitr'i ds io mitns no hitako mahomby hoe atao sur la touche alou ilay olona mandritra ny fotoana voafetra, ka raha mbola mamerina aorian'ny fahazoany miditra indray d tena hors terrain amizay (izany hoe tena tsy mahazo miditra intsony mints na miova pseudo aza) fa io miova pseudo io koa mants fomba fiady mandreraka sy marikoriko b eto am serasdra eto! manao tsy mendrika am namana d refa tratra d miova ps ftsn d otran'ny tsi nisy n'in'in!!!
18. Kapistra ( 19/06/2008 08:38)
ari.malala>
ary tena tsy azonao ilay tiako hambara.Tsy ilay dinika iray manontolo no esorina na fafana fa ilay valin'ilay dinika tsy matotra.Sa tsy mety ny manao izany,tsy maintsy voafafa daholo ve ny dinika rehetra rehefa misy valiny dinika iray tiana ho fafana,tsy mety @ izany ve ny masinina.Marina io voalazanao io ;teny tsy matotra iray na roa mety manimba ny dinika manontolo,ka tsy mety ve ny manala ireny teny ireny ,sa tsy maintsy voafafa daholo ny dinika rehetra .
19. hery ( 19/06/2008 09:26)
Kapistra> Eritreretina hoe matotra daholo ny dinika apetraka rehefa matotra ny fanontaniana...

Matoa tsy alefany any amin'ny Hatsikana sy lalao dia matotra izay.

Ny tena mpandrava dinika eto matetika dia ireo izay mieritreritra fa ho an'ny REHETRA dia fanalana azy fotsiny eto amin'ny serasera. Dia nefa rehefa analan'ny olona sy ilàn'ny olona lagy izy ireny dia miakatra.

20. ni81 ( 19/06/2008 11:41)
Raha mba ny hevitro dia izao: rehefa tsy te hamaly ilay dinika araka ny tokony ho izy, dia tsy miditra @ ilay resak'olona fa mitazana fotsiny.
Azo atao tsara ange izany e! Maro no dinika hita eto fa rehefa tsy te-hamaly aho dia mamaky fotsiny dia mijanona. Fa ny ankamaroan'ny olona ato mantsy mieritreritra ilay hoe VIRTOALY ity dia tsy mifanaja ary matetika dia manambany ny hafa, mifandrangitra, mifaneso, ary dia velona ny teny ratsy isankarazany avy eo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2733